Mesures urgentes de protection de l’emploi et des revenus des salariés des entreprises

APPEL POUR LA PRISE DE MESURES URGENTES DE PROTECTION DE L’EMPLOI ET DES REVENUS DES SALARIES DES ENTREPRISES

Suite à la proclamation de l’état d’urgence sanitaire, du fait de la pandémie du Coronavirus, le fonctionnement des entreprises a été fortement perturbé, d’abord à cause des difficultés d’approvisionnement avant même le confinement, ensuite à cause de la baisse drastique de la demande au niveau mondial, et aux difficultés dues à l’application du confinement et des mesures liées à la crise sanitaire.

L’article 13 du Code de Travail en son alinéa 7 définit le chômage technique comme étant une interruption collective du travail résultant de causes conjoncturelles ou accidentelles.

La situation actuelle est exceptionnelle.

 Les entreprises connaissent une décroissance sans précédent, et en même temps un effort de sauvegarde des emplois leur est demandé. Nous sommes persuadés que nos gouvernants sont soucieux d’éviter une crise économique et sociale au-delà de cette crise sanitaire, mais aucune entreprise ne pourra supporter seule, la charge de la perte de salaires liée au chômage technique. Notons que les chefs d’entreprise ne font pas le choix du chômage technique, ils y sont contraints par le manque de trésorerie dû à l’arrêt des activités.

Dans ce contexte, et vu que les entreprises et leurs salariés contribuent d’une manière conséquente à la Caisse de l’Etat, il est indispensable que l’Etat les soutienne, en prenant en charge ces pertes de salaires. Nous proposons un mécanisme utilisant  les réseaux de la CNAPS qui a une couverture nationale. Cette aide serait principalement destinée aux travailleurs des entreprises dont les activités ont été affectées en raison des restrictions imposées par les autorités, d’une part, et de celles dont les activités sont impactées par le brusque ralentissement et contraction de la demande sur les marchés, d’autre part, selon des modalités à définir. En tout état de cause, l’attribution de cette aide sera décidée par un comité composé des partenaires sociaux et de l’Etat

L’aide envisagée se concentrerait sur les travailleurs dont les salaires sont les plus bas et dont le nombre d’affiliés   à la CNAPS s’élève à 364.396. Le montant mensuel nécessaire est évalué à 50 Milliards d’ariary, soit 12,5M d’USD environ.

La paie du mois d’avril, qui risque de ne plus  être assurée, est une urgence et une préoccupation majeure pour les travailleurs et les employeurs. A défaut de mettre en place sans tarder les modalités pratiques de cette prise en charge immédiatement, des milliers de travailleurs risquent de se retrouver dans le dénuement le plus total. Certains, dans les secteurs les plus impactés (textile, tourisme…)  sont déjà au chômage de fait.

Nous félicitons le Gouvernement pour les actions en faveur des couches vulnérables de la population et du secteur informel, mais nous attirons  l’attention sur la situation des salariés du secteur formel avant que la catastrophe sociale qui a été évitée jusqu’ici, ne devienne une réalité. Le soutien aux salariés, et à travers eux, aux entreprises, est également le gage d’une relance réussie. Cette dernière ne pourra se faire si les salariés ne peuvent répondre présents.

------------------------------------------------------

ANTSO AVO MOMBA NY TOKONY HANDRAISANA FEPETRA HAINGANA HO FIAROVANA NY ASA SY NY KARAMAN’NY MPIASAN’ORINASA

Ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitondram-panjakana hampihatra ny fahamehana ara-pahasalamana mba hiarovana ny fahasalamam-bahoaka amin’ny valanaretina Coronavirus dia nisy fiantraikany goavana teo amin’ireo orinasa sy ny fandraharahana. Izany dia noho ny fahasarotan’ny fitadiavana sy famatsiana ireo akora fototra ilaina; ary io toe-javatra io dia efa niseho talohan’ny fampiharana ny fihibohana noho ny fihenana nihoampampana teo amin’ny tinady maneran’izao tontolo izao, izay mbola novesarin’ny fampiharana ny fepetra mikasika ny fihibohana teto an-toerana.

Ny andininy 13 andalana faha-7, ao amin’ny Lalàna mifehy ny Asa (Code du Travail) dia mamaritra fa ny fiatoana amin’ny asa noho ny  antony teknika dia fepetra  mihatra amin’ny mpiasa rehetra eo anivon’ny orinasa izay voakasika, noho ny antony  tsy miankina amin’ny orinasa.

Toe-javatra tsy mahazatra.

Ny zava-misy ankehitriny dia seho tsy mbola nitranga hatramin’izay, hany ka misedra fihemorana tsy hita pesipesenina ny orinasa. Ny toe-javatra iainan’ireo mpandraharaha sy ireo orinasa amin’izao fotoana izao anefa dia manery azy ireo hitandro mandrakariva ny fiahiana ny asa sy ny karaman’ny mpiasa.

Manoloana izany, ary indrindra amin’ny maha-mpandoa hetra ny orinasa sy ny mpiasa, dia zava-dehibe ny hanohanan’ny Mpitondra Fanjakana ny orinasa mba tsy hitaran’ny krizy ara-pahasalamana ho lasa krizy ara-toekarena sy sosialy. Izany dia satria tsy misy orinasa afaka hizaka samirery ny vesatry ny fiatoana ara-teknika sy ny fanapahana ny fandoavana ny karama tokony ho raisin’ny mpiasa. Marihina fa tsy fidiny velively no mahatonga ny orinasa voakasika hampihatra an’izany fiatoana izany. Voatery manao an’izany izy ireo noho ny tsy fahampian’ny vola kirakiraina sy enti-manana hahafahana manodina ny orinasa noho ny fiatoana ny fandraharahana.

Noho izao vanim-potoana iarahana miaina izao, ary koa noho ireo antony voalaza etsy ambony dia heverinay fa tsy ho azo idivirana ny fanohanan’ny Fitondram-panjakana ny orinasa, amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpiasa sy ny fitadiavana vahaolana hiantsorohana ny fahatapahan’ny karaman’izy ireo.

Koa manolotra soso-kevitra izahay dia ny fanomezana fanampiana ireo mpiasa malagasy rehetra amin’ny alalan’ireo rantsa-mangaikan’ny “Caisse Nationale de Prévoyance Sociale“ na “CNaPS”.

Io fanampiana io dia hatao manokana ho an’ireo mpiasan’ny orinasa voakasiky ny fihenan’ny fihodinana sy ny tinady eo anivon’ny tsenam-barotra noho ny fepetra mihatra mba hiarovana amin’ny fihanaky ny valanaretina Coronavirus. Ny fandinihana ny momba an’io fanohanana io, ny fitsinjarana azy sy ny fandaminana dia heverina ho volavolaina  eo anivon'ny Komity izay hatsangana. Hisy solontenan’ny Fanjakana mahefa sy ny Mpiara-miombon’antoka ara-tsosialy handrafitra azy io.

Ny mpiasa hisitraka io fanampiana io dia tokony ho ireo mpiasa mandray karama farany ambany voafaritry ny Lalàna, ary mpikambana ao amin’ ny “CNaPS” ka misitraka ny fiahiany izay miisa 364.396. Araky ny vinavina dia vola 50 lavitrisa ariary na 12 tapitrisa dolara amerikana isam-bolana ny totalim-bola ilaina hanantanterahana an’izany.

Ankehitriny, manahy mafy ny tsy fahafahana hanatanteraka ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa amin’ity volana aprily ity ny mpandraharaha. Noho izany dia heverina fa tokony ho laharam-pahamehana ny fanapahan-kevitra sy ny lamina maika momba io fanampiana mikasika ireo mpiasa tokony hisitraka izany.

Mankasitraka ny fandraisana andraikitrin’ny Governementa mikasika ireo sokajin’olona tena sahirana ara-pivelomana sy ireo tafiditra ao amin’ny sehatr’asa tsy mijoro ara-dalàna izahay.

Rariny sy hitsiny koa anefa ny mba handinihana ny toerana misy ny mpiasan’ny orinasa mandraharaha ao amin’ny sehatr’asa ara-dalàna toy ireo ao amin’ny ozinina fanamboaran-damba sy ny fizahantany, izay efa ao anatin’ny fiatoana tanteraka na ny tsy fananana asa mihitsy .

Mendrim-piderana ny hetsika nataon’ny Fitondram-panjakana amin’ireo olona sahirana na marefo ara-pivelomana, ary koa ireo mpikarama izay mivelona ao amin’ny sehatr’asa tsy mijoro ara-dalàna. Fa misintona ihany koa ny sain’izy ireo izahay mba hijery manokana ny momba ireo mpiasa ao amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Izany no atao dia mba hisorohana ny loza mitatao amin’ny firenena toy ny krizy ara-tsosialy izay mbola tsy nisy aloha hatramin’izao.

Mihevitra izahay fa ny fanohanana ny mpiasa dia fanampiana ny orinasa ihany koa. Ary izany dia ho antoky ny fahombiazan’ny ezaka fanarenana ny toekarena iarahan’ny rehetra misalahy. Ireo mpiasa amin’ny orinasa dia anisan’ny mandray anjara amin’izany fanarenana ny toekarena izany raha afaka miasa sy misitraka ny valin’asany izy ireo .

 

Antananarivo, le 30 avril 2020