Hitondra tombontsoa maro ho an’ny vehivavy mpandraharaha malagasy ny fikaonandohan’ny vehivavy mpandraharaha maneran-tany (Comité Mondial des Femmes Chefs d’Entreprises). «Ahafahan’izy ireo miditra anatina tambazotrana vehivavy mpandraharaha eto an-toerana sy any ivelany. Hampitombo ihany koa ny traikefa sy ny fahalalany ary ny hampivelatra ny eo amin’ny sehatrasany eto an-toerana sy any ivelany izany», hoy ny filohan’ny vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) sady mpikarakara ny hetsika, Razakaboana Fanja, omaly. Fotoana iray hifandraisan’ ireo vehivavy mpitantanana orinasa avy amina firenena 20 ny hetsika. Araka izany, hifanakalo hevitra sy hitondra ireo fanamby amin’ny fampivoarana ny fandraharahana sy ny toekarena ireo mpandraharaha. Hampiroborobo ny talentan’ny vehivavy sy hanamafisana ny toerana azy ireny eo amin’ny toekarena maneran-tany ny hetsika FCEM. Tsiahivina fa hiompana amin’ny fihariana matanjaka sy iraisana : vehivavy mpandraharaha mampifandray ny avaratra sy atsimo » ny lohahevitry ny hetsika atao ny 28 ka hatramin’ny 30 avrily.
Henintsoa
Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) kaomisiaria foibe any Mahajanga, omaly tamin’ny 1 ora maraina, ny jiolahy iray raindahiny. Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny manodidina. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily ity olon-dratsy voatafitra ity. Avy nanao fanafihana hafa tany Mahavoky Atsimo izy io no nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana. Nifanenjehana nanomboka teny Mahavoky Atsimo hatrany Tsaramandroso Ambony ity farany. Nandositra sy mbola sahy nanohitra ireo mpitandro filaminana izy rehefa nasaina nijanona sy nosamborina moramora. Namoaka antsy tany aminy izy ary nikasa hamely ny polisy. Vokany, voatery nitifitra ny polisy ka nahafaty azy.
Jiolahy anisan’ny efa mpamerin-keloka noho ny vaky trano sy halatra maro isan-karazany izy io. Efa nisazy sy nigadra matetika ary miverina manao ny asa ratsiny indray rehefa tafavoaka ny fonja. Efa ela nokarohina tao anatin’ny fotoana ela ihany koa izy io ary izao tratra izao.
Marihina fa anisan’ny mampihorohoro ny mponina any an-toerana ity farany. Manao ny ezaka mikaroka ireo namany roa hafa ny mpitandro filaminana hatramin’izao. Tafiditra ao anatin’ny hetsika hampandriana fahalemana ny tanàna maro samihafa izao hetsika izao.
Mino
Lehilahy miisa telo izay 19, 22 ary 25 taona niara-namoy ny ainy tao Mantasoa, ny 22 avrily teo. Lakana rendrika no nitarika ny fahafatesan’izy ireo.
Olona telo hita faty tao amin’ny farihin’i Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana, ny alarobia 23 avrily teo. Niara-nitaingina lakana tao amin’io farihy io ny vatan-dehilahy miisa efatra. Nahita lakana an’ny mpanjono nipetraka amoron-drano izy ireo ka nitaingina izany, ny talata 22 avrily. “Efa noraran’ny rainy tsy hitaingin-dakana izy ireo”, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary. Nisy simba kely tamin’ny vatan’io lakana io ka nitarika ny faharendrehany. Nilentika tanteraka. Tsy nahay nilomano ny roa raha toa ka nahay ny roa namany. Niharan-doza tampoka vokatr’io fahasimban’ny lakana io ireo efa-dahy. Nikoropaka samy nanavotra ny ainy izy ireo kinanjo tsy hita popoka ny telo. Nanomboka ny fikarohana ireo olona natelin’ny rano. “Avotra tamin’io fotoana io ny iray saingy tsy hita ny telo namany”, hoy ny mpitandro filaminana. Nandroso maizina ny andro ka natsahatra ny fikarohana ary notohizana ny ampitso.
Nampian’ny mpamonjy voina
Nifanampy tamin’ny fikarohana ireo telo lahy ny fokonolona sy ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana. Tsy hita tamin’io talata nisehoan’ny loza io anefa ireo lasan’ny rano. Nitohy ny alarobia 23 avrily maraina ny fikarohana. Nigadona tany an-toerana koa, ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina Antananarivo. Hita voalohany tamin’izany, ny lehilahy iray tamin’ny 9 ora sy sasany maraina. Nosaritina nivoaka ny rano koa, ny nofo mangatsiakan’ny namany, minitra vitsy taorian’io. Tolakandro tamin’ny 2 ora sy 45 vao hita faty ny fahatelo. Mpamily ny iray tamin’ireo tra-doza. Nentina nihazo ny tanindrazany any Moramanga izy raha toa ka nakarina eto an-dRenivohitra ireo roa lahy. Ankoatra ireo, olona iray koa, hita faty tao Ambodisaina, kaominina Toamasina, omaly. Efa natolotra ny fianakaviany kosa, ireo dimy mianadahy maty tao Mahajanga, afakomaly. Olona sivy araka izany, namoy ny ainy natelin’ny rano tao anatin’ny efatra andro monja.
Tsiferana R.
Notanana vonjimaika am-ponja any Antsiranana, omaly, ilay tovovavy 19 taona, mpiasa an-trano, rehefa nalaina am-bavany teny anivon’ny fitsarana omaly ihany. Nahavita nanindron’antsy ka nahafaty ny mpampiasa azy (renim-pianakaviana 52 taona) tany Sengaloka Ambilobe, ny harivan’ny 14 avrily lasa teo.
Tonga nilaza ny fahafatesan’ity mpampiasa azy izy ora vitsy taorian’ny tranga. Nolazainy tamin’izany, fa tonga nitsidika ity mpampiasany ity ny sakaizany. Nifamaly tao izy ireo ary efa ny fatin’ilay ramatoa mpampiasa azy no hitany nihosin-dra tamin’ny tany. Notananana nohadihadiana teny anivon’ny biraon’ny zandarimaria tany Antsiranana izy taorian’izay.
Araka ny famotorana nataon’ny zandary azy tany am-piandohana, nolazainy fa maty novonoin’ny sakaizany ihany ity renim-pianakaviana ity. Niaiky ny heloka nataony anefa izy rehefa nihalalina ny fanadihadiana natao taminy. Nambarany tamin’izany fa novonoiny sy notsatohany tamin’ny antsy io mpampiasany io. Noho ny resaka karama ny antony nanaovany izao asa ratsy izao. Nariany tany anaty bozaka avy eo ny antsy sy ny akanjo nihosin-dra nanaovany tamin’ny fotoana nanaovany ny asa ratsiny.
Mino
Nanantanteraka atrikasa tetsy amin’ny efitrano fivoriana Streamliner Tanamakoa ny fiandohan’ny volana avrily teo ny Task force rezionaly. Nandray anjara tamin’izany ny ONG miisa efatra : Ainga/ Aides, Reseau Mad/ Aides, ny SycaVi ary ny LGBT+. Mpandray anjara amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina VIH/Sida, sy ireo aretina mifindra amin’ ny aretim-pananahana izy ireo.
Nambaran’izy ireo fa mahamay ity vanim-potoana ity ka antony nahatonga azy ireo namoaka fanairana mahakasika io aretina io. “Miisa enina karazana be izao ny fisorohana io fiakaran’ny tahan’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/ Sida io”, hoy izy ireo. Betsaka ny zavatra tsy ampy ary tsy nitohy efa natao tamin’ny ady teo aloha.
Zava-dehibe ny fanaovana fanairana indrindra manoloana ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana eto amin’ny firenena. Toy ny fifohana sy fanindronana zava-mahadomelina. Amin’ny ankapobeny, miafina ireo tanora ireo manao izany ka mety ho antony hifindran’ny aretina. Eo koa ny tsy fahafahan’ ireo vahoaka misitraka fiarovana amin’ny fiparitahan’ny aretina. Toy ny fahatapatahan’ny fizarana fimailo, indrindra ireo fanafody entina mitsabo sy misoroka ny tsimokaretina. Fahatelo, ny tsy fitohizan’ny depistazy sy fitiliana. Ankoatra izay, ny tsy fahampian’ny fotoana enti-mandrefy ny fisorohana sy fiandrasana ny valin’ny fitiliana. Anisan’ny fanairana lehibe ny fanilikilihana sy fanavakavahana ireo olona mitondra ny tsimokaretina. Marefo ny eto amintsika amin’ny fanohanana sy fanajana ny zo ho an’ ireo mitondra tsimokaretina ka tsy misitraka ara-dalalana sy araka ny tokony ho izy ny fanaraham-pahasalamany izy ireo.
Tsy ampy ny fanentanana ho fisorohana
Ny fanadihadiana hatrany no nahalalana fa tsy mifanindran-dalana ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/ Sida. Voalohany amin’izany, ny fampiasana tsindrona izay hanaovan’ ireo zatovo lahy sy vavy tsindrona zava-mahadomelina mahery vaika. Matetika andian-jatovo efa marefo amin’ny zavatra rehetra izy ireny ka lasa mpitsindrona sy mpifoka miafina. Miampitapita amin’ny samy namana maro samihafa ny tsindrona. Noho izany, mora handairan’ny tsimokaretina VIH/ Sida ny olona mandray zava-mahadomelina. Etsy ankilany, lazain’ny fanadihadiana hatrany fa tsy misy intsony ny rafitra hiadiana sy hisorohana ary handraisana an-tanana ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Tsy ampy koa ny fanentanana isam-pokotany ary lasa vidina lafo ny fimailo, raha maimaimpoana izany teo aloha.
Tsy manaraka vanim-potoana
«Efa tsy mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny intsony ny fandrisika na vola entina manao ny asa fanentanana momba ny fahasalamana», hoy ny AC (Agent Communautaire) iray miasa eo anivon’ny CSB2 iray nanaovana fanadihadiana. Tao anatin’ny taona maro, 500 Ar isaky ny iray kilometatra ny saran-dalana omena ireo olona manao ny asa eny ifotony ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Amin’izao fotoana izao, efa 1 500 Ar ny saran-dalana amin’ ny posy sy Bajaj. Nohamafisin’ ity nijoro vavolombelona ity, fa mahatonga ny firongatry ny fiakaran’ny tahan’ny olona mitondra tsimokaretina VIH/Sida any Toamasina ny fitsoahan’ ireo olona mitondra tsimokaretina any anivon’ny rafi-piaraha-monina. Mitsoaka izy ireo ary lasa manaparitaka izany amin’ ny olon-kafa any amin’ny fiarahamonina hafa.
Nisy raim-pianakaviana iray voan’ny tiberikilaozy iray tany an-toerana. Rehefa noentina natao fitilina tao amin’ny hopitaly izy dia hita fa mitondra tsimokaretina VIH/Sida. Nampahafantarina azy am-panajana ny nahazo azy. Rehefa naheno sy nahafantatra izany anefa izy dia lasa nitsoaka ny toeram-pitsabona avy hatrany. Nakany anivon’ny fiarahamonina any izy avy eo ary miaina miaraka amin’ny olona tsy fantany sy tsy mahafantatra ny aretina mahazo azy.
Nanatontosa : Sajo
Malagasy mpianatra any amin’ny oniversiten’i Etazonia Rakotomalala Jefferson. Anisan’ny mamiratra izy satria nisitraka vatsim-pianarana maro hahafahany manohy ny fianarany.
Mianatra ao amin’ny Hope College University ao Holland, Michigan ny tenany amin’izao fotoana. Mizara ny traikefany amin’ny tanora malagasy toa azy i Jefferson. Anisan’ny manokatra lalana maro ny fikirizana sy ny fiezahana mafy ka tsy tokony hijanona fa mila mitombo hatrany hanatrarana ny tanjona.
Ho an’ireo Malagasy mpianatra maniry ny hahita vatsim-pianarana hianarana any Etazonia, nilaza i Jefferson fa mila aseho ny maha izy azy ny tena sy ny fomba handraisana anjara mavitrika eo amin’ny fiarahamonina mba hahatonga anao hiavaka amin’ny rehetra.
Tsy tokony mitsahatra mandefa fangatahana vatsim-pianarana araka izay azo hatao satria tena zava-dehibe ny fikirizana.
Anisan’ny fitaratra ho an’ ny tanora malagasy Rakotomalala Jefferson, indrindra amin’ny finiavany sy ny ezaka mafy ataony amin’ny fitadiavana vatsim-pianarana hilofosana hatrany amin’ny fianarana.
Tatiana A
Notanana vonjimaika, afakomaly, any am-ponja ny tovolahy 17 taona nanolan-jaza vao efa taona monja, tao Soanierana-Ivongo. Ankizivavy nandeha namonjy toeram-pivoahana, niharan’ny fanararaotana nataon’ny tovolahy mpiandry omby, tao amin’ny kaominina Manompana, ny talata 22 avrily teo, tamin’ny 11 ora maraina. Nosaritin’io tovolahy io niditra ny kirihitr’ala ilay zazavavy. Tsy afa-nanohitra ity farany na dia niezaka nanala ny tanan’ilay mpanolana aza. Nanamparan’io olon-dratsy io ny filan-dratsiny izy. Nikiakiaka sy nitomany hany sisa nataon’ny zaza voaolana. Nikaroka ny zanany ny ray aman-drenin’ny zaza. Niosin-drà tanteraka ny fivavian’ny zanak’izy ireo tamin’ny fotoana nahitana azy. Taitra, nampandre ny fokonolona sy ny tomponandraikitry ny fokontany avy hatrany ny fianakavian’ilay niharan’ny fanolanana. Nokarohina ny nahavanon-doza ka voasambotra. Nentina natao fizahana teo anivon’ny CSBII Manompana io zaza io. Simba tanteraka izy ka voatery nentina nihazo ny hopitaly ao Fenoarivo Atsinanana. Natao famotorana ilay tovolahy tsy ampy taona ary notanana vonjimaika.
Sajo
Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, fa efa manomboka miverina eny anivon’ny distrika ny lisi-pifidianana rehefa nosokafana tamin’ny olom-pirenena nandritra ny 20 andro. Natao izany mba hanamarinany na hitondrany fanitsiana ny mombamomba azy, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni. Araka izany, efa miroso miandalana amin’ny fandrafetana sy fampidirana ny lisitra anaty solosaina amin’izao fotoana izao ireo tomponandraikitra misahana ny ara-kajimirindra isaky ny distrika (CID), araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni.
Tsiahivina fa hifarana tanteraka ny 25 mey izao ny lisitry ny mpifidy ho an’ny fanavaozana isan-taona 2024-2025. “Tanjonay ny handrafitra lisi-pifidianana feno sy mazava”, hoy ny eo anivon’ny Ceni.
*
Synèse R.
Nifanakalo hevitra sy nifampizara ho fanamafisana ny fiaraha-miasa. Tafiditra amin’ny fihaonana an-tampon’ny COI koa ny fihaonana eo amin’ny samy parlemantera. Anisan’izany ny teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza, afakomaly. Nandray ireo delegasionin’ny parlemantera frantsay ireo depiote. Nitarika azy ireo ny solombavambahoaka misolo tena an’i Frantsay, monina any ivelan’i Frantsa, i Amelia Lakrafi sy ny loholona, Michel Laugier sady filohan’ny vondrom-pifankatiavana iraisam-pirenena ao amin’ny Antenimierandoholona Frantsa-Madagasikara. Teo koa ny masoivohon’i Frantsa teo aloha, Alain Le Roy. Nandray azy ireo ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin. Teo koa ny solombavambahoaka Resampa Haja André, filohan’ny vondrom-pifankatiavana Frantsa-Madagasikara. Niatrika izany ireo solontenan’ny depiote.
Samy naneho ny fahavononany ny andaniny sy ankilany ny hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nisongadina tamin’izany fa anisan’ny mpiara-miombon’antoka voalohany eto Madagasikara ry zareo frantsay ary eo amin’ny sehatra maro izany. Efa nijoro ihany koa ny vondrom-pifankatiavan’ny parlemantera France-Madagasikara. Natao izany ahafahan’ny roa tonta mampiroborobo ny fifandraisana sy mifampizara traikefa ary manatevina ny fiaraha-miasa amin’ny ankapobeny.
Synèse R.
Depuis les années 1970, le différend né de la revendication de la souveraineté de l’archipel Mahorais, perdure entre la France et les Comores. Les Comores ne cessent de nier l’autorité française sur Mayotte. Et le président de l’Union des Comores, Azali Assoumani l’a de nouveau fait savoir dans son discours d’ouverture du sommet de la COI, hier à Ivato.
« Puisque nous parlons de droit, je tiens à rappeler que le thème de la COI est le respect du droit international. Ainsi en vertu du droit international, l’île de Mayotte est une île comorienne, nos pays en sont les témoins », a-t-il lancé. Il rappelle ainsi que la France est d’autant plus membre permanent du Conseil de sécurité des Nations unies. Les Comores s’opposent ainsi à l’intégration de Mayotte dans la COI, malgré l’appel d’Emmanuel Macron.
Auparavant, un dialogue a été entamé, « franc, sincère et responsable » pour aboutir à « une solution moralement acceptable et juridiquement valable pour la résolution de ce différend territorial » entre les deux pays.
Azali Assoumani a ainsi suscité la poursuite du dialogue bilatéral initié, qui a obtenu l’aval des « aînés » dès le 2e Sommet de la COI à La Réunion en 1999. Pour rappel, l’archipel des Comores a obtenu son indépendance en 1975, sauf que Mayotte est restée sous la souveraineté française.
T.N
Tomber de rideau sur le 5e Sommet de la Commission de l’Océan Indien (COI) hier dans la capitale malgache. Les pays membres prônent la solidarité régionale comme bouclier face aux défis liés à la sécurité alimentaire.
Un appel solennel à la solidarité et à la coopération a été lancé par chaque pays, afin de faire face aux défis mondiaux actuels. Instabilité, tensions commerciales mais également les défis environnementaux sont autant de problématiques que les 5 pays membres de la COI devront surmonter. L’objectif sera de « renforcer l’intégration régionale pour affronter ensemble les vulnérabilités partagées ».
« Ce Sommet se tient à un moment charnière. Notre monde est confronté à des bouleversements climatiques majeurs, à l’érosion accélérée de la biodiversité. Notre région, naturellement vulnérable, doit faire face à l’amplification des risques sécuritaires, sanitaires et économiques », a avancé le Secrétaire général de la COI, Edgar Razafindravahy dans son discours d’ouverture.
« A cela s’ajoutent des redéfinitions profondes des règles du multilatéralisme et de l’aide au développement. Dans ce contexte tendu, nous avons besoin de solidarité, de coopération et d’un multilatéralisme renforcé qui n’a jamais été aussi urgent », a-t-il pressé.
Après les Seychelles, le flambeau revient à présent à l’Union des Comores à la présidence de la COI pour les 12 prochains mois à venir.
« Ce sommet, tenu dans le cadre de la célébration des 40 ans de la COI, nous permet de célébrer 40 années de coopération, de solidarité et d’engagement commun pour nos peuples. 40 années à renforcer nos liens entre nos îles et réunir nos voix pour nos peuples », a d’ailleurs déclaré le président Andry Rajoelina lors de son allocution.
« Nos nations sont unies, réunies, unies par les océans, parfois des générations liées par le sang, et surtout unies par nos cœurs et nos valeurs. Tout cela est une force non mesurable que plus que jamais il faut valoriser. Et c’est avec conviction que j’affirme que notre avenir et nos nations se construisent ensemble », a-t-il conclu.
T.N
Il n’y a qu’un seul moyen politique de concilier les différences, d’aplatir les tensions diplomatiques et de jeter un nouveau regard sur le passé colonial, pour au final, contribuer à l’atteinte des objectifs : une visite officielle porteuse de sens, riche en partenariats et retombées, annonçant de belles perspectives d’avenir. On a comme l’impression que depuis la fin de l’ère coloniale, les relations bilatérales entre Madagascar et la France, ne semblent pas vraiment apaisées, sur fond de malaise colonial.
Mais après cette visite haute en couleur d’Emmanuel Macron, les relations entre les deux pays, prennent un nouveau tournant, qui ne pouvait pas mieux tomber, dans un contexte de consolidation des liens de partenariat de longue date, imprégnés malgré tout de stéréotypes coloniaux, qui continuent de peser sur le présent et de hanter la mémoire collective, en y voyant une forme de néocolonialisme.
Le président français, voit même déjà plus loin dans l’avenir.« Il est impossible d’oublier, l’histoire ne s’efface pas », disait Aimé Césaire, mais elle peut être réparée, pour écrire une nouvelle page, afin que le passé colonial ne jette plus son ombre douloureuse sur le présent. C’est dans cette démarche qu’Emmanuel Macron, sans reconnaissance formelle des crimes coloniaux à Madagascar, veut mettre en place les «conditions» du «pardon» de la colonisation de la Grande île, pour aboutir à un processus de réconciliation et de réparation.
Cette étape semble incontournable, pour reconstruire les relations sur de nouvelles bases. «Notre présence ici n’est pas innocente et notre histoire s’inscrit à travers les âges, mais avec des pages éminemment douloureuses», a déclaré le président Français devant la presse en tirant un trait sur le passé colonial. Madagascar et la France sont actuellement à un moment charnière de leurs relations bilatérales.
J.R.
Le 5e sommet de la COI s’est achevé sur une note d’espoir et d’engagement, hier au CCI Ivato, en faveur de la « Sécurité et souveraineté alimentaires pour le développement du marché de l’Indianocéanie », au profit de 34 millions d’îliens.
Les dirigeants de l’Union des Comores, de la France, de Madagascar, de Maurice et des Seychelles, ont affiché leur ambition commune, de transformer la région de l’océan Indien, en marché intégré, sûr et résilient, avec l’accent mis sur quatre priorités : nourrir les populations, protéger l’environnement, sécuriser les mers et placer l’humain au centre.
En somme, le Sommet s’appuie sur les conclusions de la conférence ministérielle du 21 mars dernier à Antananarivo. Les dirigeants ont entériné le Programme régional de sécurité alimentaire et de nutrition (Presan), dans l’objectif d’inverser la dépendance aux importations, réduire la malnutrition et créer des emplois verts.
Pour ce faire, chaque Etat intégrera le Presan dans ses politiques agricoles et mobilisera des financements publics et privés pour booster la production locale. En même temps, les gouvernements investiront dans la formation initiale et continue des agriculteurs, pour assurer le renouvellement des générations. Ports, routes et entrepôts réfrigérés seront mis à niveau afin de fluidifier les échanges interrégionaux et respecter les normes sanitaires. Des campagnes d’éducation et de santé publique seront menées pour lutter contre les carences alimentaires.
Fonds vert
Comme le Fonds vert pour le climat (FVC) a validé l’accréditation de la COI, à l’occasion du 39e Conseil d’administration en Corée du Sud, la Commission peut proposer des projets d’adaptation et d’atténuation, allant jusqu’à 50 millions de dollars. Dans cette démarche, les chefs d’Etat saluent les efforts liés à l’économie bleue et circulaire déjà engagés, notamment la collecte et la valorisation des déchets plastiques. Ils appellent les partenaires et observateurs à soutenir le Plan d’action régional sur l’économie bleue (PAREB).
Et la prochaine étape sera de défendre la voix des îles vulnérables et promouvoir les sciences marines, lors de la 3ᵉ Conférence des Nations unies sur l’océan à Nice (France), au mois de juin.
Mers sûres, croissance assurée
La sécurité maritime reste la clef de voûte du commerce régional, considérée comme un aspect crucial dans le contexte d’améliorer les échanges maritimes. A ce sujet, les dirigeants félicitent Madagascar et les Seychelles, qui ont chacun hébergé un Centre régional de fusion de l’information maritime et du Centre de coordination des opérations. Maurice, de son côté, continuera d’accueillir les conférences ministérielles de haut niveau.
Dans ce registre, un nouveau Cadre régional de protection des câbles sous-marins vient renforcer la résilience numérique. Les Etats s’engagent également à consolider le Plan régional de surveillance des pêches, pour combattre la pêche illégale.
Capital humain
Le réseau SEGA – One Health évolue vers un Centre de contrôle des maladies de l’océan Indien (CDC‑OI). La COI pose ainsi comme objectif d’anticiper les pandémies à l’interface Homme-Animal-Environnement.
L’égalité femmes‑hommes et l’inclusion des jeunes deviennent également des axes transversaux, pour le sommet de la COI. La Réunion organisera en septembre prochain la première Conférence des femmes de l’océan Indien et d’Afrique australe. Les dirigeants encouragent aussi la sauvegarde du patrimoine culturel et la structuration des filières créatives, sources d’emplois et de cohésion sociale. Enfin, ils appellent à créer un bassin de mobilité professionnelle dans la région.
Institution : moderniser pour mieux agir
Quarante ans après sa création, la COI veut mettre les bouchées doubles. Les chefs d’Etat invitent les parlements à ratifier l’Accord de Victoria révisé, étape finale de la réforme institutionnelle. Ils chargent le Secrétariat général de consolider le dialogue avec bailleurs et observateurs pour concrétiser le Plan de développement stratégique 2023‑2033.
En clôture, le président malgache Andry Rajoelina, hôte du Sommet, et son homologue comorien Azali Assoumani, président en exercice, ont martelé que « la COI doit devenir un espace de solidarité renforcée, de résilience partagée et d’innovation ».
Avec ce pacte, les cinq îles entendent faire de l’Indianocéanie un laboratoire de sécurité alimentaire, de croissance bleue et de coopération Sud‑Sud. Les prochaines années diront si ces engagements se traduiront en résultats concrets pour les 34 millions d’habitants de la région.
Arh.
Maro ny ezaka vita sy mbola atao amin’ny sehatry ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny hetra sy ny fadintseranana, ny fanavaozana ny fandaniam-bolam-panjakana, ary ny fanatsarana ny fitantanana sy fandrindrana ny risika ara-bola. Vonona hanome tantsoroka ara-teknikna an’i Madagasikara ny Sampan-draharaha misahana ny fitantanam-bola (FAD) eo anivon’ ny FMI.
Tsy mitsaha-mitotongana ny sandam-bola malagasy. Mbola mihoatra ny 5 000Ar ny sandan’ny euro eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola. Midangana ny vidim-piainana eto Madagasikara. Mitaraina avokoa ny mpanjifa eo ami’ny vidim-bary eto an-toerana izay vidina 4000 Ar ny kilao. Mirefarefa ny toekarem-pirenena ary miandrandra vahaolana maharitra avy amin’ny fihaonamben’ny COI ny rehetra.
Miantraika tamin’ireo mpisehatra tsy ara-dalana ny rafi-pandaminana napetraka nandritra ny fandraisana ny COI. Maro ireo mitaraina ho very vola, nihena ihany koa ny fidiram-bolan’ireo tokantrano indrindra ireo mpivarotra amoron-dalana izay voatery nanaraka ny lamina napetrak’ireo tomponandraikitra.
Nifarana tamin’ny sabotsy 19 avrily 2025, tetsy Ivandry, ny fampiofanana ireo teknisiana miisa 14 mianadahy, 12 lahy sy roa vavy, izay milofo amin’ny taranja bisikileta. Araka ny fanadihadiana natao, haazo ny marim-pahaizana faharoa izay hita fa mendrika tamin’ity fiofanana ity. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana, havoakan’ny Federasionina Iraisam-pirenena UCI tsy ho ela izany.
Ampahafantarina ihany fa naharitra enina andro teo ny fampitana fahaizana izay nataon’i Mutel Sacha, manam-pahaizana avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena UCI, izay efa niandraikitra fampiofanana maro taty amin’ ny faritr’i Afrika sy tany Eoropa. .
” Efa samy manana ny maha izy azy avy avokoa ireo mpiofana, fa nanampy fotsiny aho. Tanjona ny hitondran’izy ireo ny atleta any amin’ny ambony kokoa no ho ny efa nisy teo aloha. Manentana azy ireo kosa aho, mba hijery akaiky ny fototra, mba hafahan’ny Malagasy manana mpilalao bisikileta avo lenta”, hoy i Mutel Sacha, mpampiofana.
Azo hantenaina, araka izany, fa hiakatra amin’izay ny lentan’ny bisikileta eto Madagasikara. Marihina fa ity taranja iray ity, tsy dia ahitana fifanintsanana loatra eto an-toerana ary ankavitsiana ireo Malagasy misongadina amin’ izany.
Fitia Randria
Araka ny vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera, ny afakomaly, lasa mpilaravinahitra any amin’ny nosy rahavavy La Réunion, i Jean Yves. Ny klioban’ny AS Marsouins no naka an’ity loharana malagasy ity. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nahazoan’ny Barea ny medaly alimo tamin’ny Chan 2022 teo, i Jean Yves.
Nisaraka ady sahala 5 no ho 5, ny lalaon’ny Barea Ladies sy ny ekipa nasionaly senegaley, nandritra ny andro voalohany, ny fifanintsanana afrikanina “Can Futsal 2025”, izay tontosaina any Maroc, amin’izao fotoana izao. Anio kosa ny Barea, hifanandrina amin’i Tanzania, raha mandresy amin’isa maro eto moa ny Barea, tafita any amin’ny dingana manaraka izy ireo.
Nodimandry ny Maitre Appolo Randriantafika, mpikatroka taranja haiady boxe anglaise, boxe française savate sy kick-boxing. Efa DTN tamin’ity taranja ity tao amin’ny federasionina malagasin’ny kick-boxing izy tany aloha.
Niditra tamin’ny andro faharoa amin’ny fampivondronana, omaly, ireo mpilalao volley malagasy, hiatrika ny CJSOI hatao any Seychelles. Toy ny mahazatra, ao amin’ny ANS Ampefiloha izy ireo no mikotrana ny maraina ary eny amin’ny Petit Palais Mahamasina kosa ny hariva.
Mbola noporofoin’ny Makis de Madgascar fa mpanjakan’ny rugby eto amin’ny ranomasimbe Indianina izy ireo. Norombahin’izy ireo avokoa mantsy ny amboara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Aroi), sokajy U18 lahy sy vavy. Fihaonana, natao tetsy amin’ny kianja Andohatapenaka ny alatsinainy 21 avrily lasa teo.
Teo amin’ny sokajy vehivavy, tsy resy mihitsy ny Makis Ladies, nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny famaranana. Raha tsiahivina, teo amin’ny manasa-dalana, lavon’ny Makis ladies tamin’ny isa 19 no ho 10 i Maurice ary nomontsanin’ny tovovavy malagasy tamin’ny isa mazava, 24 no ho 0 i La Réunion.
Ho an’ny tovolahy indray afa-bela tamin’ny La Réunion ny Makis. Resin-dry zareo renioney, tamin’ny isa 26 no ho 17. Teo amin’ny manasa-dalana, lavon’ny Malagasy, tamin’ny isa 26 no ho 5 i Maurice teo amin’ny manasa-dalana ary tamin’ny isa 25 no ho 5 teo amin’ny famaranana, nanoloana an’i La Réunion. Notoloran’ny filohan’ny Malagasy Rugby, fanomezana ireo mpilalao taorian’ity fandresena azon’izy ireo ity.
Tompondaka
Notontosaina ny 22 avrily lasa teo, tany Maorisy, ny fivoriambe sy fifidianana teo anivon’ny federasionina afrikanina taranja fibatana fonjamby. Voafidy ho filoha lefitra Randriamanarivo Harinelina Jean Alex.
Randriamanarivo Harinelina Jean Alex, izay filohan’ny federasionina malagasin’ny fibatana fonjamby no voafidy ho filoha lefitra eo anivon’ny federasionina afrikanina ny taranja Weightlifting na ny fibatana fonjamby. Fifidianana tontosa ny talata 22 avrily lasa teo, tany Maorisy. Tsy vaovao eo amin’ity taranja ity izy, na eto an-toerana, na eo amin’ny sehatra afrikanina ary maneran-tany mihitsy aza. Efa mpikambana ela tao amin’ny birao mpanatanteraka, eo anivon’ny Kaomisionina teknika ny taranja fibatana fonjamby eto Afrika, ny filohan’ny Federasionina malagasy, Randriamanarivo Harinelina Jean Alex. Toraka izany ny teo anivon’ny federasionina iraisam-pirenena, efa mpikambana teo anivon’ny kaomity teknika ny IWF (Internationational Weightlifting Federation) ihany koa izy. Anisan’ny manana atleta misongadina i Madagasikara eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, raha tsy hitanisa afa-tsy ry Rosina, Andriantsitohaina Eric sy Tojo, izay efa nitondra avo ny voninahi-pirenena nanerana an’i Afrika sy izao tontolo izao. Taratra ny fahaiza-mitantana teo amin’ity filohan’ny federasionina malagasin’ny fibatana fonjamby ity izany vokatra tsara izany. Tsy teo amin’ny lafiny fitantanana ihany fa efa atleta “olympien” izy, ary teknisiana izay vao lasa mpitantana. Tena mendrika azy izao toerana maha filoha lefitra ny WFA azy izao. Tombony ho an’ny fanatanjahantena malagasy ny fananana olona misehatra eo anivon’ny fitantanana ny fanatanjahantena eo anivon’ny kaontinanta, ka antenaina fa hitondra vokatsoa izany, indrindra ho an’ny atleta malagasy.
Mi.Raz
Nanatanteraka fitsidihana teny anivon’ny toerana maro samihafa eto Antananarivo ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, afakomaly. Anisan’izany ny farihin’Anosy, ny tunnel Ambanidia, ny lapan’Andafiavaratra sy ny maro hafa. “Averina amin’ny endriny taloha ny farihin’Anosy ary mitohy ny fanadiovana manodidina an’Anosy mba hitondrana fanavaozana sy fanatsarana ny tanàna”, hoy izy. Toy ny fisokirana ireo loto rehetra manentsina ny farihy, ny fanadiovana ny manodidina ary ny fanasiana fefy ny farihy. Mba hahafahana miaro ny zaridaina sy mitandro ny fahadiovana manodidina azy. “Tsy noho ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina sy ny fandalovan’ny vahiny ihany fa ezahina ny hitondra fanavaozana sy hanatsarana ny tanàna”, hoy kosa ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gérard.
Mankasitraka ny mponin’ Antananarivo ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, manoloana ny fahadiovana sy filaminana nataon’ny mponina nandritra ny fetin’ny Paka lasa teo. “Zava-dehibe ho an’ny tanàna ny fanajana ny fahadiovana sy ny filaminana”, hoy izy. Nilamina sy nadio ary nirindra ny toerana rehetra izay nitsangantsanganana. Nisy ny fifanomezan-tanana tao anatin’ny fifandaminana, toy ny mpilatsaka an-tsitrapo, ny skoto, ny Croix rouge, ny polisy monisipaly, ny polisim-pirenena ary indrindra ny mponin’Antananarivo.
Mino
Une bonne nouvelle pour l’haltérophilie malgache. Lors de l’assemblée générale élective du bureau central de la Confédération africaine d’haltérophilie (WFA), mardi à Vacoas Maurice, le président de la Fédération malgache d’haltérophilie, Jean Alex Harinelina Randriamanarivo, a été élu vice-président de cette instance africaine.
Une nouvelle mission pour lui qui a déjà intégré ce gotha mondial des dirigeants de cette discipline olympique en tant que membre du comité technique de la Fédération internationale d’haltérophilie (IWF) et membre au sein du bureau exécutif et de la commission technique de l’haltérophilie africaine depuis 2017.
Cette nomination du numéro un de l’haltérophile malgache est une reconnaissance de ses actions en faveur du développement de la discipline au pays, en Afrique et dans le monde. L’expertise de l’ancien sociétaire de l’équipe nationale est reconnue au-delà de Madagascar et fait l’unanimité au niveau mondial.
Le secrétaire général du Comité olympique malgache (COM) continue donc de porter haut le drapeau malgache à l’international, en tant qu’ancien athlète et maintenant en tant que dirigeant.
«Nous souhaitons tout le meilleur à Harinelina Randriamanarivo et son équipe pour le développement de l’haltérophilie sur le continent. Que son empreinte marque le monde de la discipline à Madagascar qui est en permanente évolution et préparation de la relève», a posté le COM sur sa page Facebook, confirmant la bonne nouvelle.
Soafara Pharlin