67 City FC sy ny mpanohana : Mitohy ny fiaraha-miasa

Les Nouvelles - il y a 8 heures 16 min

Nohavaozina herintaona indray ny fiaraha-miasa eo amin’ny 67 City FC sy ireo mpanohana azy, dia ny Havana Resort sy ny Nouvelle institution de microfinance (NIM Madagascar). Notante­rahina ny alakamisy lasa teo, tetsy Ambohidahy, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny telo tonta. Nanatanteraka izany, Andriantsima Faneva Ima, filohan’ny 67 City FC sy Harizaka Rakoto, avy amin’ny NIM ary Radida Harivola Je­remia, tale jeneralin’ny Ha­vana Resort. Notsiahivin’ny mpitantana ny klioba fa nanomboka ny taona 2022 ny fifanohanana sy ny fifanomezan-tanana ary ny fiaraha-miasa teo amin’izy ireo. Resy lahatra ireo mpanohana ireo fa matotra ny klioba ary nanaporofo izany ny fahamaroan’ireo kilonga beazina ao, ka nisy ireo efa lasa nila ravinahitra any ivelany.
Ankoatra izay, nambaran’i Faneva Ima fa zava-baovao ao anatin’ny fandaharanasan’ny 67 City FC ny hitiliana ireo ankizy mendrika sy mahay baolina sy fianarana ka afaka Bakalorea, ka homena vatsim-pianarana atsy La Réunion, ao amin’ny Club St Joseph. Raha toa ka tsy misy ao anatin’ny klioba izany dia hisokatra ho an’ny klioba hafa eto an-dRenivohitra. Ankoatra izay, nampahafantarina ihany koa ny fanamiana vaovaon’ny klioba izay mankalaza ny faha-10 taonany. Tsy havela handalo fotsiny izany tsingerin-taona izany fa hisy hetsika maroloko hanamarihana azy.

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - il y a 8 heures 17 min

Any amin’ny ligin’Atsinanana indray no hanohy ny fampivondronana ho an’ny taranja karate do, ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Nizeria, ny volana jolay izao. Mikasa handefa atleta 20 ny federasionina kanefa miankina amin’ny haavo teknikan’ny mpikatroka izany.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Bodybuilding, na ny “Big Mada”. Nisongadina nandritra ny fifaninanana ireo atleta vao misandratra izay tena hita taratra fa manana ny maha izy azy tokoa.

Hisy ny fankalazana manetriketrika ny faha-45 taona niorenan’ny Kung Fu Wisa malagasy amin’ity taona ity. Ny 6 avrily izao no hanatanterahana izany, eny amin’ny CCI Ivato izay hanaovana ny lanonana fankalazana sy fahatsiarovana izany Andro lehibe izany. Ny taona 1980 no niorenan’ny taranja Kung Fu, raha ny tantara.

Hitohy rahampitso 2 avrily ny fampivondronana faharoa ireo mpilalao volley, sokajy vehivavy hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny CJSOI hatao any Seychelles. Efa nanomboka ny 26 marsa teo ny fampivondronana voalohany ka ny mpilalao avy eto Analamanga no nanomboka izany.

Catégories: National

FMF : Nahazo «quitus» 100% ny mpitantana

Les Nouvelles - il y a 8 heures 17 min

Notanterahina tany Ampefy, ny alakamisy lasa teo, ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nomen’ireo ligim-paritra 22 fankatoavana “quitus” zato isan-jato ny mpitantana eo anivon’ity rantsa-mangaika mitantana ny baolina kitra eto Madagasikara ity. Nahafa-po azy ireo ny tatitra ara-bola sy ny teknika ary ny tetikasa fampandrosoana ny baolina kitra eto Madagasikara nandritra ny taom-piasana 2024.

Ankoatra izay, zava-baovao ihany koa ny filazan’ny filohan’ny Federasiona, Andriamanampisoa Alfred, fa nofafan’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa) ny famerana ny fampiasam-bola eo anivon’ny federasionina. Araka izany, afaka mampivoatra sy manatanteraka ireo tetikasa amin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra eto Madagasikara ny komity mpanatanteraka. Tsy misy intsony mantsy ny famerana ny fampiasam-bola, manomboka izao. Hisy ny fanatsarana fiaraha-miasa amin’ireo ligim-paritra sy ny fotodrafitrasa, ny ivontoeram-piofanana any Carion sy ny any Mahajanga. Tsy adino koa ny fanafarana ireo bus be ho an’ny Barea de Madagascar.

Fitia Randria

Catégories: National

Tsipy kanetibe – Test events : Nahazo medaly volamena roa i Madagasikara

Les Nouvelles - il y a 8 heures 17 min

Nanakoako tany Chine indray ny lazan’i Madagasikara, nandritra ny “test events” ao anatin’ny “World Games 2025”, taranja tsipy kanetibe. Norombahin’i Madagasikara mantsy ny medaly volamena roa teo amin’ny “tir de precision”, lahy sy vavy.

Mbola noporofoin’ny Malagasy teo imason’izao tontolo izao indray fa taranja voafehiny ny tsipy kanetibe. Norombahin-dRamamonjisoa Mirana, teo amin’ny sokajy vehivavy, sy Rakotoarisoa Yves Sedrick, ho an’ny lehilahy, ny medaly volamena teo amin’ny fifaninanana “tir de precision”, tamin’ny “test events”. Fihaonana notanterahina tany Chengdu Chine, ny sabotsy lasa teo, niadian-toerana ho an’ny “World Games 2025”.

Resin’i Yves teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 32 no ho 24, ilay Thaillandais, i Khamdee Ratchata, izay efa mondialiste. Nahazo ny medaly alimo, i Win Thurain Tun avy any Myanmar, rehefa nandresy an’ilay sinoa, i Wei Zhoubao.

I YU Yu-Hsnu, avy any Thaipei, no resin’i Mirana, ho an’ny vehivavy. Niady ary nampitsanga-mitoetra ny rehetra ny fihaonan’izy mirahavavy satria tamin’ny isa tery 29 no ho 27 no nivoahan’i Mirana ho mpandresy.

Laharana fahefatra kosa i Madagasikara teo amin’ny fihaonana ho an’olon-droa miaraka, lahy sy vavy. Lavon’i Viet-Nam teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa 11 no ho 7, ary mbola resin’i Thailland, tamin’ny isa 13 no ho 4, indray izy mianadahy teo amin’ny fiadiana ny medaly alimo. Niambozona ny medaly volamena i Cambodge.

Na teo aza izany, nahazo ny tapakila hiatrehana ny “World Games 2025”, hatao any Chine, ny 7 ka hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao, i Mirana sy i Yves.

Tompondaka

Hoy izy ireo :

- Yves : “Manan-danja lehibe iny vokatra iny satria nahazoako ny tapakila hiatrehana ny “World Games 2025”. Efa tsy andriko izay hiverenana any Chengdu”.
- Mirana : “Voninahitra lehibe ho ahy ny nahazoako nifaninana ho an’i Madagasikara. Na teo aza ny toetr’andro mamirifiry, nanome ny heriko rehetra aho”.

Catégories: National

Fihaonana an-tampon’ny COI : Hamafisina ny fanadiovana ny tanàna

Les Nouvelles - il y a 8 heures 18 min

Andro isaina sisa: 23 andro, ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony faha-V eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), izay hatao eny amin’ny CCI Ivato, amin’ny 24 avrily ho avy izao. Mba handrindrana ny hetsika ilaina amin’ny fahombiazan’izany, nisy ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny ben’ny Tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Ramanantsoa Harilala, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Niompanan’ny dinika, tamin’izany, ny lafiny fitaovana sy fandrindrana ny fihaonana an-tampony, indrindra ny fepetra tokony horaisina amin’ny fanadiovana sy fanatsarana ny tanànan’Antananarivo izay handraisana ireo delegasiona ofisialy. Maneho ny fahavononan’ny governemanta sy ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra ny fiaraha-miasa eo amin’ny tomponandraiki-panjakana sy ny kaominina. Tsy inona izany fa amin’ny fanomezana tontolo iainana sy fanondrotana ny endriky ny renivohitr’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny faritra amin’izay fandraisana fivoriana iraisam-pirenena izay.

R. Nd.

Catégories: National

Fiomanana amin’ny « Aïd el Fitr »

Les Nouvelles - sam, 03/29/2025 - 18:02

Catégories: National

Volley-CJSOI : Nanomboka ny fifantenana

Les Nouvelles - ven, 03/28/2025 - 07:51

Nanomboka ny alarobia 26 marsa teo, eny amin’ny Petit Palais Mahamasina, ny fifantenana ireo Malagasy atleta eo amin’ny taranja volley-ball. Hiatrika ny CJSOI, hatao any Seychelles, ny volana jolay izao izy ireo. Atleta 36 avy eto Analamanga no nanomboka nivondrona voalohany, mandra-piandry ireo avy any amin’ny faritra, araka ny fanazavan’ny Tale teknika nasionaly, Raoelison Hasimbola. Ireo ankizy efa tazana tamin’ny fifaninanam-pirenena, ho an’­ ny sokajy latsaky ny 16 taona sy 18 taona tamin’ny taom-pilalaovana 2024, miampy ireo nalefan’ny kliobany tsirairay ireto hanaovana ny fifantenana ireto. Hitohy ny 2 avrily ny fifantenana faharoa, ka ny 20 amin’ireto mpilalao avy eto Analamanga ireto no ho voatazona ary hiampy ireo avy any amin’ny faritra, raha ny fandaharam-potoana. Miandry ny fahavitan’ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, sokajy U18, izay hatao ny 12 hatramin’ny 19 avrily izao, eto Antananarivo, kosa ny fifantenana manaraka, raha ny fanazavana hatrany. Araka ny fantatra, Malagasy mpilalao miisa12 no handrafitra ny lisitra farany amin’ny ekipam-pirenena malagasy, taranja volley-ball, hiatrika ny CJSOI hatao any Seychelles, ny volana jolay ho avy izao.

Mi.Raz

Catégories: National

«Mondial 2026» : Fito ireo firenena efa tafita

Les Nouvelles - ven, 03/28/2025 - 07:51

Ankoatra an’i Etats-Unis sy Canada ary i Mexique, mpampiantrano ny “Mondial 2026”, firenena efatra hafa no efa nahazo ny tapakila hiatrehana izany. Tao amin’ny faritr’i Azia, tafita voalohany ny Samourai an’i Japon, miampy ny Tim Melli an’i Iran. Ho an-dry zareo any Oceanie indray, ny Kiwis Nouvelle-Zelande, tafakatra amin’izany. Fanintelony amin’izao no hiatrehan’ny Kiwis ny “Mondial”, taorian’ny taona 1982 sy 2010. Ao amin’ny faritr’i Amerika Atsimo, mbola hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelatanany ny Albiceleste an’i Argentine.
Ho an’ny faritr’i Afrika, tsy mbola misy anarana firenena efa tafakatra fa mbola miandry ny fahavitan’ny andro efatra sisa farany. Anisan’ny miady izany toerana izany ny Barea de Madagascar, ao amin’ny vondrona “I”. Mbola hifampitadiavana tanteraka ihany koa ny toerana amin’ity “Mondial 2026” ity, ho an-dry zareo ao Eoropa. Tsiahivina fa nakarina ho 48 ny isan’ireo firenena mandray anjara ho an’ity andiany faha-23 ity, raha 32 hatramin’izay.

Tompondaka

Catégories: National

« World Cola PFL » : Hanokatra ny lalao ny fihaonan’ ny CFFA sy ny AS Fanalamanga

Les Nouvelles - ven, 03/28/2025 - 07:51

Hiatrika lalao avy hatrany, amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao, ireo klioba rehetra mifaninanana amin’ny “Pureplay Football League (PFL)”.

Hiverina amin’ny faran’ny herinandro ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World Cola PFL”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’ity, ny fifanandrinan’ny CFFA Ando­haranofotsy sy ny AS Fana­lamanga, izay hotanterahina any amin’ny Kianjan’­Ambatondrazaka, ny alahady ho avy izao. Heverina ho toy ny famaranana kely ity fihaonan’ny laharana voalohany sy faharoa ity. Ny ekipan’ny AS Fanalamanga, mitana ny lohany, manana isa 13, ary ny CFFA kosa no manaraka azy ao, mitana isa 11.

Ankoatra izay, amin’ny maha fifaninanam-pirenena azy ity, efa misy ireo mpilalao hita nisongadina sahady nandritra ny andro enina efa lasa izay. Anisan’izany i Pascal, lohalaharan’ny AS Avenir Ste Anne. Raha ny fikarohana natao, mitarika vonjimaika amin’ny mpampiditra baolina betsaka indrindra ity lohalaharan’ny As Avenir Ste Anne ity. Tsiahivina fa niatrika lalao efatra ny tenany tamin’iny andro enina ny fifaninanana efa vita iny. Marihina fa sambany i Pascal sy ny ekipany vao niatrika ity fifanintsanana “World Cola PFL” ity. Ny lohalaharana tahaka itony moa no azo heverina hanana ny hoaviny sy hampisongadina ny ekipa nasionaly malagasy, ka tokony hojeren’ny federasionina akaiky.

Ireo fandaharan-dalao rehetra amin’ny faran’ny herinandro io:
Sabotsy 29/03/2025
Kianja Antanikatsaka Itaosy
2 ora : Ajesaia vs Uscafoot
Kianja Ambohidratrimo
2 ora : FC Rouges vs Fosa Juniors FC

Alahady 30/03/2025
Kianja Ambatondrazaka
2 ora : AS Fanalamanga vs CFFA
Kianja CFFA Iavoloha
2 ora : AS Avenir Ste Anne vs Elgeco Plus
Kianja Imerintsiatosika
2 ora : Mama FC vs Tsaramandroso FC

Fitia Randria

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - ven, 03/28/2025 - 07:50

Miisa 35 ny jiro Cobra azon’ny tampon-tananàn’i Sambava, ary 10 ho an’ny kaominina Ampa­nefena. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Hazavana ho an’ny daholobe ity hetsika ity, hampitomboina avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Mada­gasikara amin’ny taona 2030. Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo.

Mahatratra 20 ha ny velaran-tany hambolena hazo any amin’ny kaominina Ankaramena, faritra Anosy. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala » ity hetsika ity. Noha­mafisina ny rehetra amin’ny tsy maintsy hanaovana ho laharam-pahamehana ny fanaraha-maso ny zana-kazo nambolena.

Hatao any Toliara, ny 17, 18 ary ny 19 avrily ho avy izao ny Fihaonamben’ny tanora afrikanina ho an’ny toekarena manga, andiany faharoa. Miahy ny fikarakarana azy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, ka nisy ny fivoriana natao tany Toliara, niarahana tamin’ireo orinasa tsy miankina, mba hampahomby ny hetsika.

Nanolotra fitaovana informatika ny vondrom-piarahamonina any Toamasina II ny orinasa Ambatovy ho tohin’ny efa natao, ny taona 2024. Miisa 7 ny « imprimantes », ordinatera 2, nomena ny febroary 2025 teo. Anisan’ny nisitraka ny fanomezana ny distrika Toamasina II, ny sekoly ambony sasany, ny Fitantanam-paritry ny rano Atsinanana, sns.

Catégories: National

Toliara: « Fampandrosoana no ilaina », hoy ireo Olobe

Les Nouvelles - ven, 03/28/2025 - 07:50

Naneho hevitra ihany koa ireo Olobe sy ny Hazomanga any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, taorian’ilay fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, ny alahady teo, tany Andaboy Toliara. Raisin’izy ireo ho fanakorontanana ny fitondrana no nataon’ny mpitarika ny hetsika, fa mody sa­rontsaronana sy miafina ao ambadiky ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara. Nohi­tsian’i Jeannot Roberval, anisan’ny Olobe Toliara, fa “tsy misy ifandraisany amin’ny tetikasa Base mihitsy ireo mpanakorontana ireo. Mpanao politika ao anatin’ny fanoherana taorian’ny fifidianana filoham-pirenena ny ao ambadiky ny hetsika tany Andaboy ». Ho azy, « aleo alamina amin’ny politika ny resaka politika ».
Nampahatsiahivin’i Léon­dis­­me Mandrerake, fa « fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana ny famerenana ny Base ho afaka hiasa. Fika­rohana vahaolana hamahana ny lafiny sosialy sy toekarena no himasoana izao. Melohinay marindrano ny fihetsik’ireo antokon’olona ireo ». Hentitra ny fanehoan-kevitr’i Mandaso Marin, mpitana ny Hazo­man­ga Tagnalana, « samy mpandova sady zanatany eto isika, mijoro izahay manohitra ireo izay manakana ny fampandrosoana. Tsy fananana manokan-dRandrianasoloniaiko Siteny sy Fanapera, na i Geor­ges Ratovo ny moron­dranomasin’Andaboy ».
Efa nisy ny tolo-kevitry ny tomponandraiki-panjakana ao Toliara, hifampidinihan’ny an­kolafy rehetra tsy an-kanavaka, saingy tsy nanaiky ireo mpanohitra ny tetikasa ireo. Misy ny fepetra noraisina hitandroana ny filaminana sy hisorohana ny korontana.

Njaka A.

Catégories: National

Nouveaux magistrats: la promotion « Kanty » prête serment

Les Nouvelles - ven, 03/28/2025 - 07:26

Après la cérémonie de remise de diplômes la semaine dernière, les nouveaux magistrats issus de la promotion « Kanty » ont prêté serment, hier à la Cour Suprême Anosy, en présence de la secrétaire générale du ministère de la Justice, Hanitriniaina Belalahy et le DG de l’Ecole nationale de la magistrature et des greffes (ENMG), Anthony Ramarolahihaingonirainy. Prochaine étape, leur affectation dans plusieurs régions du pays.
Comme l’a indiqué le ministre de la Justice, Benjamin Rakotomandimby, les nouvelles recrues ne devraient pas s’attendre à être affectés dans la capitale du fait que tous les postes y sont déjà pris. Le ministre fait d’ail­leurs référence à des tribunaux éloignés qui manquent cruellement de magistrats. Les nouveaux Tribunaux de première Instance (TPI), en attente d’inauguration, en font partie.
La décision reviendra alors au Conseil supérieur de la Magistrature (CSM) qui se réunira en session ordinaire du 8 au 10 avril. Sur les 99 magistrats assermentés, 60 sont issus de la filière judiciaire, 20 de la filière administrative et le reste (19) de la filière financière.

T.N

Catégories: National

Sommet de la COI, coopération…: rencontre prévue entre E. Macron et Andry Rajoelina

Les Nouvelles - ven, 03/28/2025 - 07:26

C’est confirmé. Le président français, Emmanuel Macron est attendu à Madagascar le 23 avril, pour une visite d’Etat. Le lendemain, il participera au Sommet de la Commission de l’océan Indien (COI), avant de s’entretenir en aparté avec le président Andry Rajoelina, dans le cadre du renforcement de la coopération entre la France et Madagascar.

D’après le compte rendu du Conseil des ministres mercredi à Iavoloha, le président Macron se rendra à Mada­gas­car le 23 avril, pour une visite d’Etat qui coïncide également avec la tenue du Sommet des chefs d’Etat de la COI le 24 avril, sur le thème de la sécurité alimentaire.
Et en marge de ce rendez-vous, « les deux présidents vont s’entretenir en privé durant cette visite. Des signatures d’accords pour le renforcement de la coopération entre Madagascar et la France seront au programme », a indiqué le communiqué du Conseil des ministres.

Iles Eparses, cas de Paul Rafanoharana ?
Cette rencontre sera alors l’occasion pour les deux personnalités de discuter des coopérations envisageables entre les deux pays, dans les domaines des infrastructures, de l’énergie, de l’agriculture et de l’éducation, mais aussi des résolutions sur les différends entraînant des désaccords entre les deux pays pour ne citer que la question des îles Eparses. Récem­ment, un sénateur français a aussi interpellé Emmanuel Macron concernant le sort de Paul Rafa­no­harana incarcéré à Madagas­car dans l’affaire « Apollo 21 »
Dans tous les cas, les préparatifs avancent, notamment au niveau des infrastructures d’accueil des délégations participantes. « Un centre de commandement opérationnel Sommet COI 2025 » sera mis en place au stade Barea pour une meilleure coordination au sein de l’organisation. Le gouvernement appelle ainsi à la collaboration de tous et à la prise de responsabilité pour faire de cet évènement, un succès.

T.N

Catégories: National

Liste électorale: les citoyens disposent de 20 jours pour vérifier leur inscription

Les Nouvelles - ven, 03/28/2025 - 07:25

Après la clôture provisoire de la Révision annuelle de la liste électorale (Rale), la Commission électorale nationale indépendante (Ceni) a procédé au traitement des données, avant d’imprimer la liste à remettre auprès des Fokontany. A partir de là, les électeurs inscrits ont 20 jours pour vérifier les informations les concernant, particulièrement leurs noms, adresses et numéros d’identité.
“Chaque électeur est libre de s’inscrire ou non dans la liste électorale, aucune loi ne leur contraint pour ce faire”, a indiqué la secrétaire nationale exécutive adjointe de la Ceni, Hanitriniaina Liliane Ravaoharinirina, hier à Alarobia. La Ceni appelle alors chaque citoyen à s’y conformer pour éviter que des erreurs ne surviennent ultérieurement.

T.N

Catégories: National

La Base du développement

Les Nouvelles - ven, 03/28/2025 - 07:25

Longtemps considéré comme un cimetière à projets de développement et une région vouée à ne pas se développer, Toliara dispose d’une occasion qui ne se présentera pas deux fois, de briser ces clichés qui au fil du temps, semblent être devenus une fatalité. La reprise du projet Base Toliara tant attendue et réclamée, apporte un véritable espoir chez la population assoiffée de développement, surtout la jeunesse, frappée de plein fouet par la crise de l’emploi. Mais voilà que les ennemis du développement durable veulent transformer le feu vert donné par l’Etat, en un brasier incontrôlable.
Et quand les politiques s’y mêlent, surfant sur la vague de contestations pour mettre le feu aux poudres, il n’y a pas de quoi surprendre. C’est dans leur propre nature. Mais s’ériger contre l’essor de Toliara, à l’aube d’une nouvelle ère et de changement, quitte à inciter à la rébellion et mettre la cité du Soleil en ébullition, c’est prendre en otage le développement de cette région, peu importe l’ampleur du sacrifice.
Après tout, tous les prétextes sont bons pour ébranler le régime en place. La politique de la division, la manipulation de l’opinion publique, la désinformation… qui au fond, contribuent à perpétuer cette image négative de Toliara en particulier, et du Grand Sud en général. Et dans cette vision bornée, aveuglée même par cette hantise du pouvoir, l’avenir de cette région est menacé plus que jamais.
Mais l’Etat est déterminé à soutenir ce projet jusqu’au bout, contre vents et marées. Une mise en garde a déjà été lancée à l’encontre des fauteurs de troubles. Tolérance zéro à tous ceux qui font entrave au développement de Toliara qui ne veut plus vivre dans l’utopie, prêt à saisir cette opportunité. La Base du développement.

JR.

Catégories: National

Insurrection du 29 mars 1947: Commémorations patriotiques

Les Nouvelles - ven, 03/28/2025 - 07:25

Rendre hommage aux centaines de milliers de Malgaches qui ont perdu la vie au cours de l’insurrection du 29 mars 1947, c’est raviver la flamme patriotique et la mémoire collective, au nom de « La lutte pour la liberté, un flambeau à transmettre aux générations futures ».

L’histoire retiendra que le 29 mars 1947 à minuit, l’insurrection contre la France a éclaté dans plusieurs régions de Madagascar. A Manakara, sur la côte orientale de la Grande île, des centaines de Malgaches ont pris d’assaut des postes de gendarmerie, des bâtiments administratifs et des concessions européennes.
A Moramanga, 2.000 insurgés malgaches ont attaqué la garnison française stationnée à la gare. Des officiers qui tentaient de riposter, ont été abattus sur le champ. Mais la répression menée par le gouvernement français qui a envoyé à Madagascar en juillet 1947, un corps expéditionnaire de 18.000 militaires, était sanglante, provoquant la mort de plusieurs milliers de Malgaches.
Récemment face à la presse, le professeur Jeannot Rasoloarison, enseignant-chercheur en histoire de l’université d’Antananarivo, a établi le nombre des morts entre 10.000 et 50.000 dont des disparus. Plus de 200 survivants ont été répertoriés à ce jour dans le camp malgache. Du côté des forces coloniales, 1.900 hommes ont trouvé la mort ainsi que 550 Européens dons 350 militaires.
Des commémorations dignes

78 ans après, cette révolte matée dans le sang reste dans la mémoire collective à transmettre aux générations futures. Les cérémonies de commémoration ont débuté le 21 mars au stade Barea Mahamasina, à travers une exposition photographique retraçant l’histoire de cette insurrection, aussi bien à Manakara qu’à Moramanga jusqu’au 27 mars.
Des expositions itinérantes ont également été organisées dans plusieurs écoles et lycées pour que les jeunes puissent s’approprier leur histoire et veiller au devoir de mémoire. Les anciens combattants et les personnes âgées de plus de 65 ans ont bénéficié de consultations médicales gratuites les 21 et 22 mars. Des événements similaires sur cette commémoration ont été organisés dans les régions jusqu’au 29 mars.
Demain, une cérémonie de dépôt de gerbes est prévue au mausolée Andrainarivo et à la stèle commémorative d’Ambohijatovo, sous la houlette du chef de l’Etat et du Premier ministre. A Moramanga, un centre dédié aux combattants patriotes, baptisé « Akany Fiadanan­tsoa », sera inauguré par le président de la République.
L’objectif est de raviver la flamme et la mémoire collective et d’inculquer aux jeunes générations le patriotisme, l’unité et la solidarité qui animaient les combattants durant la lutte pour l’indépendance.
« Une nation se construit sur son histoire. Il est de notre devoir aujourd’hui de transmettre cette histoire aux générations futures, pour raviver l’ambition nationale et la flamme du patriotisme », a avancé le directeur des combattants nationalistes et président du comité d’organisation, le général Emilson Randria­nantenaina, lors de l’ouverture de la commémoration du 78e anniversaire du 29 mars 1947.

F.M

Catégories: National

« N4G Paris 2025 »: Nohamafisina ny tanjona fahavitantena ara-tsakafo

Les Nouvelles - jeu, 03/27/2025 - 07:41

Atao any Paris ny fivoriambe iraisam-pirenena ma­hakasika ny fahavitantena ara-tsakafo. Lohahe­vitra noraisina ny hoe « Tran­dra­hina ny paikady mahomby hanatsarana ny sakafo: mandray anjara daholo ny mpisehatra voakasika rehetra, amin’ ny alalan’ny traikefa samihafa ananan’ny firenena tsirairay ». Nohaza­vain’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Faha­vintantena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’ny Avo, fa laharam-pahamehan’i Mada­gasikara ny fahavitantena ara-tsakafo. Toy ny fanamafisana ny famokarana sakafo manana otrikaina betsaka vy (fer), toy ny vomanga sy ny tsaramaso. Zava-dehibe ny fananana toby fitahirizam-bokatra, hiantohana ny sakafo ho an’ny mponina marefo. Eo koa, ny fametrahana toeram-pisakafoana any an-tsekoly mifototra amin’ny vokatra eo an-toerana.
Nohamafisiny ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Japon, natomboka ny taona 2020 hatramin’ny 2023, miara-miombon’antoka amin’ny FAO, ny Pam ary ny Unicef. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny fahazoana rano fisotro sy ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana, hiadiana amin’ny aretina azo avy amin’ny sakafo.
Mifanandrify amin’ity fotoana ity koa ny Fihaonambe faratampony momba ny sakafo, « Nutrition for Growth » (N4G), atao anio 27 sy 28 marsa.

Njaka A.

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 03/27/2025 - 07:40

Nanatanteraka fitsidihana sekoly teto an-drenivohitra ny Team Heros sy ny All Stars Madagascar, omaly. Anisany nanaovan’izy ireo izany ny EPP Ambohipo. Tanjona amin’izany ny hiombonana sy ny hanatsarana ny fanavaozana ny sekolim-panabeazana eto Madagasikara.

Nomontsanin’i Argentine tamin’ny isa 4 no ho 1, ny Seleçao Bresil, afakomaly, tao amin’ny Kianja Estadio Monumental Argentine. Tsiahivina fa ity fihaonana ity dia tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Mondial 2026 hatao any Meksika sy Etazonia. Tsy mbola afa-bela amin’i Argentine ny brezilianina.

Mitana ny laharana voalohany vonjimaika ao amin’ny sokajy “première division”, sokajy vehivavy, taranja volley-ball ny 2AVB, ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga. Ny ekipan’ny ASI 1 kosa ny laharana voalohany ao amin’ny “première division”, lehilahy. Hitohy amin’ity faran’ny herinandro ity ny fifaninanana.

Hitohy ny alatsinainy 31 marsa ho avy izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja basikety. Ny so­kajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy, sy ny N1B, lahy sy vavy, hifaninanana mandritra izany

Catégories: National

Rugby – «Challenger series 2025» : Hidona voalohany amin’ny Makis i Canada

Les Nouvelles - jeu, 03/27/2025 - 07:40

Navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny rugby na ny “World Rugby”, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, ny faran’ny herinandro teo, ny fandaharan-dalao amin’ny dingana faharoa hiadiana ny “Challenger series 2025”, amin’ny rugby lalaovina olona 7. Fihaonana, hotanterahina any Pologne, ny zoma 11 sy ny sabotsy 12 avrily ho avy izao. Raha ho an’ny sokajy “B” misy ny Makis, hidona voalohany amin’ny Malagasy i Canada. Aorian’io, hifanandrina amin’i Portugal. Ireo firenena roa ireo izay efa fantatry ny Makis tsara satria efa nikatroka taminy, tatsy Afrika Atsimo. Hana­la vela amin’ireo firenena roa ireo ny Malagasy amin’ity. Ny lalao farany ho an’ity vondrona ity dia ny fifanandrinana amin’i Japon. Miatrika ny manasa-dalana izay roa voalohany amin’io. Miady laharana kosa ny fahatelo sy fahefatra.
Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny Makis de Madagascar, amin’izao fotoana izao. Fantatra fa mety hisy fiovana ny ho firafitry ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity. Raha tsy misy ny fiovana, hanainga ny talata 8 avrily ho avy izao ny delegasiona malagasy. Mila miady mafy ny Makis amin’ity satria izay efatra tafavoaka eo no manao ny “Play-offs” hatao any Los Angeles, ny 3 sy ny 4 mai ho avy izao ary ny roa miatrika ny famaranana amin’ io no manao ny “World series challenger 2025”.

Tompondaka

Catégories: National

Bodybuilding-Big Mada : Vonona ny mpikatroka handray anjara

Les Nouvelles - jeu, 03/27/2025 - 07:40

Hotontosaina ny sabotsy 29 marsa izao, eny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara taranja Bodybuilding “Big Mada”. Efa vonona sy efa fantatra avokoa ireo mpandray isam-paritra izay samy nahavita ny fifaninanana rezionaly tamin’ity volana marsa ity. Anisan’ny vao avy nahavita ny anjarany ny alahady 22 lasa teo ny teo anivon’ny ligin’Analamanga tao anatin’ny “Big Tanà” Ary tena nafana ny fifanandrinana teo amin’ireo atleta nahafahana nitsonga izay solontenan’Analamanga hiatrika ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara hatao ny sabotsy ho avy izao ity. Tsy ambakan’izany ihany koa ireo atleta avy any amin’ny faritra, toy ny any Itasy, Boeny, Atsi­nanana, Amoron’i Mania sy ny maro hafa. Tsiahivina fa fifaninanana zava-dehibe ho an’ny atleta ity “Big Mada” ity satria hitiliana izay ho solontena malagasy hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena, toy ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany. Hisy fizarana T-Shirt ho an’ireo mpijery 50 tonga voalohany mandritra ny fifaninanana, avy amin’ny Paramad, Eric Favre ary ny Federasionina malagasin’ny Bodybuilding sy ny GNS.

Mi.Raz

Catégories: National

Pages