S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 2 heures 34 min

Claudine Nomenjanahary : Nahazo medaly volamena teo amin’ny hazakazaka 60 m

mar, 02/11/2025 - 07:43

Lasan’ilay Malagasy, i Claudine Nomenjanahary, ny tompondakan’i Frantsa, teo amin’ny atletisma fanao anaty efitrano, tamin’ny sabotsy lasa teo. Norombahiny ny medaly volamena teo amin’ny 60 m.

Norombahin’ny Malagasy atleta, ao amin’ny club Stade Sottevillais 76, ny medaly vo­la­mena sy ny anarana maha tompondakan’i Frantsa, eo amin’ny halavirana 60 m. Ha­za­kazaka fanao anaty efitrano, notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny stadium Metropolitain Pierre Quinon. Tontosany tao anatin’ny fe-potoana 7 s 31% io halavirana io.
Tonga taoriany, ilay gaboney, i Moulin Pierrick Linda, izay nahavita izany, tamin’ny 7 s 38% ary fahatelo ilay kongoley, i Ngoye Akamari Natacha, 7 s 42% ny azy. Marihina fa iray klioba amin’i Claudine izy. “Efa tao anatin’ny tanjoko hatramin’ny ela ny handrombahako ity amboara ity. Mafy ny fifaninanana saingy efa tao anatiko ny fahavononana handrombaka fandresena“, hoy i Claudine.
Tsiahivina fa nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny famaranana, nitana ny laharana voalohany hatrany ny tovovavy. Nandritra ny manasa-dalana, 7 s 39% ny nahavitany izany ka nahazoany ny tapakila hiakarana eo amin’ny famaranana.
Tsy vao izao akory i Claudine no nametraka tantara ho an’ny atletisma malagasy fa efa hatramin’izay. Ani­san’izany, ny nandrombahany ny medaly volamena tamin’ny “Lalaon’ny Nosy 2023”, notanterahina teto Madagasikara.
Ny volana desambra 2024, efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondakam-paritra tany Normandie France ihany koa ny tenany, ka ny 60 m amin’ny hazakazaka fanao anaty efitrano hatrany no nifaninanany, izay nahitana ireo andrarezina frantsay, ka nahavitany izany tao anatin’ny 7 s 39 %.
Tsiahivina fa efa atleta niofana tao amin’ny ivontoerana iraisam-pirenena any Senegal i Claudine, mialoha ny nandehanany tany France.

Tompondaka

Catégories: National

21 febroary : Ho very hasina ny tenindreny

mar, 02/11/2025 - 07:42

Ilay reny mampianatra ny zanany hiteny voalohany mihitsy no tsy manisy hasiny ny tenindreny. 21 febroary, Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny. Ny paika na tetika hamerenana ny Ma­la­gasy hampiasa sy hiaina ny tenindreny no mila karohina haingana. Maninona ny reny no mampiasa ny teny vahiny hiresahany amin’ny zanany? Naninona no nahiliky ny Mala­gasy reny ny fiantsoana azy « neny » ka nasainy no­soloin’ny zanany « maman » ? Sns.
Nanjary nalaina mampiasa ny tenindreny ny Mala­ga­sy. Manomboka mipoitra etsy sy eroa ireo Malagasy tsy tia sy menatra ny mampiasa ny te­nindreny. Mihazakazaka amin’ny fanivaivana sy fa­nimbana ny tenindreny ihany koa ny sasany. Raha niteny tamin’ny tenindreny mazava tsara ny Malagasy fahiny. Ankehitriny, miova izany ka natao izay hifanakaikezany amin’ny fanononana teny vahiny.
Tononkira mazava tsara, mampiasa ny faran-teny «-tra ». Nanjary hafahafa ny anononan’ny tanora azy ankehitriny… Satria, maka tahaka be fahatany ireo vahiny miteny na miresaka amin’ny teniny. Raha io tranga io no mitohy, ho very hasina tanteraka ny tenindreny sy ny reny tokony hampita izany amin’ny ta­ranany. Avy amin’ny « reny » ny firenena. Noho izany, ho very hasina ihany koa ny firenena.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Dina Mialinelina : « Tokotany midadasika hanehoana ny forona ny mozika »

mar, 02/11/2025 - 07:42

Tsara toerana hibata ny “Prix Découvertes RFI 2025 » ny tarika Dina M. Efa manoritra ny lalany eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ry zareo.

“Rakemba”. Io ny lohatenin’ilay rakikiran’ny tarika Dina M, ni­voaka ny faramparan’ny taona 2024 teo. Malaza be, satria maneho ilay « renibe », izay mi­dika fahanterana, voky traikefa ary nahita karazam-piainana, izany. Tsy nosafidiana fahatany, fa mifanaraka amin’ilay tian’i Dina Mialinelina sy ny tariny voizina anatin’ny kanto hataony. « Tokotany midadasika ha­nehoana ny forona ny mozika izay nosafidianay. Tena misy fototra malagasy fa misy vina mitodika amin’izao tontolo izao ihany koa. Tsy mifidy ny mozika sy ny talenta fotsiny ianareo, fa mifidy ihany koa ny asa be sy ny finiavana tao ambadika tao », hoy ity mpanakanto ity, tao anatin’ny fanentanana na­taony tao amin’ny RFI.
Tsy tongatonga ho azy ihany koa ny nahatafidiran’ny tarika Dina M. ho anisan’ireo hiatrika ny famaranana «Prix Découvertes RFI 2025 ». Azo lazaina ho tsara toerana mihi­tsy aza ity tarika malagasy ity, raha jerena amin’ny fironan’ny mpankafy ny mozika miaina manerana izao tontolo izao. Na izany, mbola manantena ireo mpankafy ny tena mozika hanohana sy hifidy azy ny tarika, indrindra ireo mpiray tanindrazana hiantefan’ireo hira voalohany.
Nampiara-peo tamin’ny Olombelo Ricky sy nampiakariny an-tsehatra tamin’ny « Ma­nala azy », no nahatazanan’ny maro an’i Dina Mialine­lina. Efa nialoha be izany anefa no nilomano tao anatin’ny mozika ity mpanakanto ity. Ny taona 2018 kosa izy no tena nifantoka tanteraka tamin’ny mozika, araka ny fitantarany. Lehibe indrindra amin’ireo tetikasan’i Dina Mialinelina ity tanterahiny miaraka amin’ny tarika izay natsangany ity. Miray tsikombakomba aminy amin’ny fisedrana ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ireo namany, ahitana an’i Hents Andriama­simana (gitara beso), i July Ratefy (vata maroafitsoka), i Kevy Rakotoarivelo (amponga ma­roanaka) ary i Tsanta Na­sandratra (feo fanampiny).
Etsy ankilany, efa nambaran’i Rija Randrianivosoa, nandritra ny fandalovany teto Madagasikara ihany koa, ny firosoan’ilay tetikasa Dina sy Rija, vokarin’ny Saïry Pro­duc­­tion. Mbola fanandratana ny mozika malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena hatrany izany. Efa mizotra mankany ny lalan’i Dina Mialinelina…

Zo ny Aina

Catégories: National

INDRAY MIJERY

mar, 02/11/2025 - 07:41

Tsy hisy fiforonana rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara mandritra ny herinandro fa tombanana hahazo vahana kokoa ny volonandro fahavaratra saika manerana ny Nosy, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Hanoram-baratra amin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy, mandritra ny herinandro. Tombanana ho betsaka kokoa izany ho an’ny afovoantany sy ny faritra afovoany atsinanana amin’ny fisasahan’ny herinandro. Hisy fidinana ny maripana ambony ho an’ny afovoantany sy ny morontsiraka atsinanana, rahampitso, fa hiverina hiakatra kosa izany amin’ny faran’ny herinandro.
Nohavaozina ny drafitra fitantanana ny loza ho an’ny faritra Vatovavy, nandritra ny telo andro, niarahana tamin’ireo distrika telo mandrafitra ny faritra: i Ma­nanjary, Ifanadina ary i Nosivarika izany, hanamaivanana ny mety ho fiantraikan’ireo loza sy ahafahan’ny mponina miatrika mialoha izany, ho fiarovana ny ainy sy ny fananany. Faritra andalovan’ny rivodoza ary ahitana tondradrano sy fihotsahan’ny tany matetika ny faritra ary vao tsy ela no tena nitondra takaitra mafy tokoa. Tamin’ ny fandalovan’ilay rivodoza Batsiray sy Emnati.
Anio manomboka amin’ny 8 ora maraina, ho tapaka ny lalana amin’ny toerana sasantsasany eto Antananarivo, mandritra ny hetsika fahatsiarovana ny andro nahafatesan’ny kolonely Ratsimandrava. Voaka­sik’izany ny lalana Rakotomalala Joel, eo amin’ny Jira­ma Faravohitra. Eo koa ny lalana Tsiombikibo manoloana ny minisiteran’ny Rano ary ny lalana Pierre Rapiera, kaomisaria boriborintany faharoa.

Catégories: National

Fampianarana ambony -Toamasina: 15 taona ny fakiolten’ny Fitsaboana

mar, 02/11/2025 - 07:41

Nankalaza ny faha-15 taona nijoroany, nandritra ny roa andro, teto Toamasina, ny sampam-piofanana Fitsa­boana, eo anivon’ny Oniver­siten’ i Barikadimy Toama­sina. Notarihin’ny dokotera zokiolona eo anivon’ny sampam-piofanana, Ramawana­soa Marinette, sy ny teo anivon’ny fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny hetsika. “Ny fahasalaman’ny daholobe ho an’ny faritra Atsinanana” no lohahevitry ny fankalazana. Nahitana fifampiresahana sy fandinihana ary adihevitra hanatsarana ny lafiny fahasalamam-bahoaka. Anisan’izany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny aretina mitarazoka, ny aretin-tsaina ary ny aretina mila fandidiana.
Nasongadina koa ny lalana nolalovan’ny fakiolte tao anatin’ny 15 taona sy ny paikady hoentina manatsara ny 15 taona manaraka. Afaka mandefa mpianatra ho dokotera miisa 15 isan-taona ha­nao fianarana manokana any Antananarivo ny fakiolte. Tafiditra ao koa ny fampiofanana “paramédicaux” ka efa nahatratra 370 no nivoaka tao, araka ny fanazavan’ny dokotera Ramawanasoa Marinette hatrany. Ny taon-dasa, nahazo profesora miisa dimy ny fakiolte, ary 113 ny dokotera specialisé navoakan’ny Oniversiten’ i Toamasina.
Mpampianatra 18 no nisahana ny fampianarana teny am-boalohany, izay nahitana mpianatra miisa 113. Ankehi­triny, 1 200 ny mpianatra ka mpampianatra miisa 68 no misahana izany.

Sajo

Catégories: National

Tapakala – Toamasina : Raim-pianakaviana natelin’ny ranomasina

lun, 02/10/2025 - 07:41

Raim-pianakaviana iray tra-doza natelin’ny ranomasina tao Tapakala, anatin’ny kominina manakaiky tanàna Toamasina ambanivohitra, tokony ho tamin’ny 3 ora tolak andro sy 50 minitra, ny alahady 9 febroary teo. Hatramin’ny fotoana hanoratana ny lahatsoratra, mbola tsy hita izay misy azy. Manao ny fikarohana kosa ny rehetra indrindra ireo fianakaviana sy ireo olona tonga nitsangatsagana teny an-toerana. Raha ny angom-baovao, avy nisotrosotro niaraka tamin’ny namany ary nitondra toaka mihitsy nosotroina teny an-toerana io lehilahy io sy ireo niaraka taminy. Tsy vitan’ izay, nitondra tsaky na masimasina saosisy sy sakafo misy kisoa ireo olona ireo. Nahatsapa ho mafana ka lasa nilomano io lehilahy voalaza io. Marihina, tsy filomanosana loatra io toerana io amin’ny ankapobeny. Maro ny antony ka voalohany amin’izany, noho izy toerana hivarinan’ny rano maloto avy ao amin’ny tetikasa Ambatovy makany an-dranomasina. Faharoa manonja noho ny faritra hafa ao Toamasina koa ny ao Tapakala.

Sajo

Catégories: National

Rajoelina Razakandisa Arena : Nahavita ny fianarana momba ny fitantanana hotely

lun, 02/10/2025 - 07:41

Nizara ny hafaliany tamin’ny vahoaka malagasy, omaly, ny fianakavian’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nasongadiny ny fahavitan’ny zanany lahimatoa ny fianarany.

Nahavita ny fianarany omaly, Rajoelina Ra­zakandisa Arena, zanaka lahimatoan’ny filohan’ny Repoblika malagasy. Nahazo ny mari-pahaizana manokana momba ny fitantanana hotely, tao amin’ny Oniversite EHL Lausanne izy. Efa-taona no faharetan’ny fianarana nataony. Hiditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany ny tenany. 242 ny mpiray andiany, nahazo ny mari-pahaizana, omaly. Izy irery ny Malagasy tamin’izany.
Naneho ny hafaliany sy nizara izany tamin’ny mpiray tanindrazana ny filoham-pirenana Rajoelina Andry mivady. “Toy ny vao omaly no nampinarako anao namindra. An­kehitriny, noho ny fikirizana, ny filofosana tamin’ny fianarana dia tafita, tonga amin’ny tanjona nirinao ianao”, hoy ny filoham-pirenena.
Marihina fa ity oniversite an’ny Lausanne, Suisse ity dia anisan’ny toeram-pampianarana sangany manerana an’izao tontolo izao. Mitana ny laharana voalohany izy amin’ny fampianarana ny fitantanana hotely, araka ny fandaharan’ny QS World University Rankings. Manana ny maha izy azy ary miavaka amin’ny fampianarana sy ny fampiharana avy hatrany.
Manomana mpitarika matihanina ny oniversite. Efa miparitaka any amin’ny firenena 150 ny mpiofana sangany, nivoaka tao aminy. Tanora manana ny maha izy azy, afaka misehatra amin’ny fitantanana hotely sy ny fitantanam-bola ary ny fitantanana orinasa ireo vao nahavita fiofanana ireo.

r.r

Catégories: National

Vondrona mpamonjy voina Toamasina: Nahatratra 76 ny haintrano nanaovana asa famonjena

lun, 02/10/2025 - 07:40

Maro ny haintrano novonjen’ny sampana mpamonjy voina ao Toamasi­na, ny taona 2024 sy ny 2025 diavina ity. Ankoatra ny haintrano, mandray an­draikitra amin’ireo loza eny anivon’ny fiarahamonina ko izy ireo.

Niavaka raha tena niavaka ny trangam-pirehetana tamina karazan-javatra maro teto Toamasina ny taona 2024 sy ny fiando­han’ny taona 2025. Nandrai­san’ny vondrona mpamonjy voina eto Toamasina anjara mavitrika avokoa izany. Ho an’ny haintrano aloha, nahatratra hatramin’ny 76 ny tranga novonjena, ny taon-dasa. Ny fiandohan’ny volana janoary ka hatramin’ny febroary ity, efa miisa sivy sahady izany ankehitriny. Ny tranon’ny lefitra konsilin’i Frantsa etsy Ampasimazava no nanokatra ny volana febroary. Kila tanteraka tsy nisy noraisina ny entana tao an-tokantrano fa dia lasa lavenona avokoa izy ireo. Niainga tamina fipoahana maotera mitondra herinaratra noho ny fahatapahan’ny herinaratry ny Jirama ny fi­rehetana. Miisa sivy kosa
ny firehetana ala ary saika
ao amin’ny orinasa mpanao savony mamboly ireo palmie no mateti-piseho izany, “Manome faritra hambolen’ ireo mpiasa ao aminy vary na zavatra hafa ny mpampiasa fa ireo mpiasa izay miasa ny tany kosa tsy mahay manao fiaro afo rehefa mandoro ny tanimboliny ka mitarika firehetana ala izany”, hoy ny kolonely Charles Désiré, raha nanazava. Ankoatra izay, nitrangana firehetana andrin-jiro imbalo teto Toamasina, raha miisa fito kosa ny fako nirehitra. Teo koa ny firehetan’ny “feu d’Hydrocarbure izay miisa efatra.Miisa telo kosa ny fiarakodia may. Efa mahatratra 98 ny trangana firehetana isan-karazany ankoatra ny haintrano. Manoloana izany, miasa mafy ny vondrona mpamonjy voina amin’ny fifehezana ny afo mba tsy hiitatra ka hanimba zavatra maro.

Manampy ny fiarahamonina

Tsy ny vonjy voina hamono afo ihany no ahafantarana sy ahitana ny andraikitry ny mpamonjy voina, raha ny angom-baovao avy eo ani­von’ny mpamonjy voina. Ho an’ny taona 2024, namonjy olona maty an-drano miisa efatra izy ireo. Niampy iray izany ny taona 2025, ity farany izay tranga vao niseho ny 30 janaory 2025 lasa teo. Ireny faty tsy misy fianakaviana maka ao amin’ny tranom-paty ireny koa efa tapitra fetr’andro hijanonana ao amin’ny tranom-paty, ny mpamonjy voina ihany koa no miantoka ny fandevenana ireo razana. Ho an’ny taon-dasa dia miisa telo izany. Mandray anjara amin’ ny fanadiovana tsena koa izy ireo ary nanao izay indimy miantoana ny taon-dasa.

Amin’ny maha mpamonjy voina azy izay, mandray anjara amin’ny fanampiana sy famonjena olona koa izy ireo. Miisa fito ny olona novonjena tra-doza ary enina ireo narovana teny amoron-dranomasina. Olona dimy, marary saina, no nosamborina ka naterina any amin’ny hopitalin’ny marary saina. Ilana fahaiza-manao avokoa izany fandraisana andraikitra izany ka mahatonga ny mpamnjy voina nanao fanazarantena intelo niaraka tamin’ny Simex. Manao izay ho vitany ny mpamonjy voina fa matetika olana ny tsy fahampian’ny solika. 3 080 litatra monja no nampiasaina nandritra ny taona 2024.

Avy amin’ny fipoahan’ ny herinaratra

Tsy nisorona teto ny kaomandin’ny mpamonjy voina Toamasina, ny kolonely Charles Désiré, nilaza fa ny 80 isan-jaton’ny haintrano teto Toamasina dia saika avy amin’ny fifampikasohan’ny tariby mitondra herinaratra ( court circuit). Misy ankolafiny kanefa izany fa tsy hoe ny Jirama no omena tsiny. Ny ankamaroan’izy ireny dia noho ny fampiasana herinaratra tsy ara-dalàna (branchement sauvage et illicite). Tsy mifanaraka amin’ny fitaovana ampiasaina ao an-tokantrano ny Tarif. Eo koa ny fifampizarana herinaratra tsy ara-dalàna isan-tokantrano. Vokany, miteraka haintrano goavana izany. Mahatonga firehetana ihany koa ny fahanteran’ny tariby mpitondra herinaratra ao an-trano, izay miteraka ny 5 isan-jaton’ ny fahamaizana. Avy amin’ny tandrevaka tsy fitandreman’ny olon-dehibe mametraka ankizy irery an-trano kosa ny 15 isan-jatony. Anisan’izany ny fipoahana tavoahangina gazy izay tsy voafehin’ny ankizy ny fampiasana azy.

Nohamafisin’ny vondrona mpamonjy voina hatrany fa anisan’ny olana mahatonga ny fihandronan’ny rano ny fanaovana trano eny ambony tatatra, fanariam-pako anaty tatatra. Raha tsorina, saika avy amin’ny vahoakan’ i Toamasina izay tsy manaraka ny fepetra apetraky ny kaominina ihany no mahatonga ny fahasahiranana rehefa avy ny orana ka miakatra ny rano.

Sajo

 

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

lun, 02/10/2025 - 07:39

Hampitomboina 17 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania Ethiopian Airlines mampitohy an’Antananarivo sy i Nosy Be, manomboka ny volana jona 2025. Hetsika ho fampiroboroboana ny sidina ataon’ny kaompania eto an-toerana hatramin’ny niverenany teto Madagasikara nanomboka ny taona 2022.
Hotanterahina ny 29 mey ka hatramin’ny 1 jona ny hetsika « Rallye VHR (Voiture Historique de Régularité) ». Handalo ny faritra Analamanga, Itasy sy Vakinakaratra ny hetsika ka anasana ny rehetra hanatrika izany. Ankoatra izay, nandray anjara tamin’ny « Salon Rétromobile » 2025 tao Paris Expo Porte de Versailles ihany koa i Madagasikara, ny 5 ka hatramin’ny 9 febroary teo.
6,60 tapitrisa amin’ireo mponina 32,4 tapitrisa eto Madagasikara no mampiasa interneto. Izany hoe, 20,4% monja raha oharina amin’ireo firenena hafa izay tafakatra hatrany amin’ny 79,6 %. Tarehimarika izay mametraka ny firenena eo amin’ny laharana faha-10 amin’ireo firenena maneran-tany ambany indrindra ny tahan’ny fampiasana interneto.
Hanome tanana amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ny minisiteran’ny Fitsarana. Ity farany izay mitazona sy mitantana ny rejisitry ny varotra sy ny fikambanam-barotra. Mbola izy ihany koa no miantoka ny fangaharahan’ny orinasa ka mamela ny rehetra ahita ny toe-bola sy ny fitantanana ny orinasa rehetra.

Catégories: National

Tombola « Devenez multimillionnaires »: Azon’i Lalarison Ricardo ny 25 tapitrisa Ar

lun, 02/10/2025 - 07:39

Lelavola mitentina 25 000 000Ar no loka azon’i Lalarison Ricardo Cassidi, nandritra ny lalao tombola « Devenez multimillionnaires » nokarakarain’ny Cos­mos Madagascar, ny 3 de­sambra 2024 ka hatramin’ny 13 janoary 2025. « Bon d’achat » mitentina 5 tapitrisa Ar kosa ny loka ho an’ny laharana faharoa raha 3 tapitrisa Ar kosa izany ho an’ny laharana fahatelo, izay samy ahafahan’izy ireo mividy entana eny amin’ny magazay Cosmos avy.
Notolorana ireo mpandresy, ny sabotsy teo, teny amin’ny magazay Cosmos Anko­rondrano ny loka azon’ny tsirairay raha natao ny 1 febroary lasa teo ny fisarihana.
« Faly ary tsy nampoizina ny fahazoana ny loka ka manasa ny rehetra handray anjara amin’ny lalao toy izao », hoy i Cassidi. Nividy entana indray mandeha monja teny amin’ny magazay Anko­rondrano ny raim-pianakaviana ka nandrombahany ny loka goavana.
Marihina fa mitentina ha­trany amin’ny 51 tapitrisa Ar ny loka nozarain’ny Cosmos Madagascar tamin’ireo mpandresy miisa 50 manerana ny Nosy izay nandray anjara ta­min’ny lalao.
Ankoatra izay, toy ny fa­naony isaky ny fety dia mbola hisy ny lalao goavana karakarain’ny magazay ny volana jona. Hanasana sahady ny rehetra handray anjara amin’izany.
Tsiahivina fa miisa 37 890 ny tapakila nosarihana nanditra ny tombola « Devenez multimillionnaires » izay nahafan’ny mpanjifa rehetra nandray anjara.

Henintsoa Hani

Catégories: National

indostria : Hatsangana ny vaomiera mpanatanteraka

lun, 02/10/2025 - 07:38

Hatao eto Madagasikara ny volana aogositra ny fihaonana an-tampony faha-45 an’ ny filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny Sadc. Mifanindry an-dalana amin’izay ny fanamarihana ny Herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria, andiany faha-8. Tapaka nandritra ny dinika niarahan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, sy ny solotenan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ary ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM), tetsy Ambohidahy, fa hatsangana ny vaomiera samihafa handrindra sy handamina ny asa rehetra. Antenaina fa hanatsara ny tontolon’ny fandraharahana aty amin’ny faritr’Afrika ny hetsika ka hampivondrona ireo matihanina sy mpampiasa vola ary ireo rafitra mpandraharaha ara-bola. Andrasana koa ny hampiroboroboana sy hitondrana zava-baovao maharitra eo amin’ny sehatry ny indostria ho an’ireo mpikambana ny Sadc. Noho izany, omena lanja mandritra io fotoana io ireo singa samihafa mampiavaka ny firenena malagasy.

Henintsoa H.

Catégories: National

Saran-dalana taxi-be: Nahomby ny tsy fampiasana lelavola

lun, 02/10/2025 - 07:38

Tsara ny vokatra azo tamin’ny andrana tsy nikirakirana lelavola nandoavana ny saran-dalana tamin’ny taxi-be 147 D. Nisy ny tetikasa nampiasana ny teknolojia niomerika ka nametrahana fitaovana manokana hanamarinana ny tapakila saran-dalana tamin’ireo fiara fitaterana.

Nahomby ny tetikasa nataon’ny Airtel Money sy ny orinasa CPP System, tsy ampiasana lelavola andoavana ny saran-dalana amin’ny taxi-be. Na­nombohana izany, natao an­drana ny zotra 147 D. Nam­piasana ny teknolojia niomerika, ka nametrahana fitaovana manokana hanamarinana ny tapakila saran-dalana any anaty fiara fitaterana. Vidiana amin’ny fifanakalozam-bola Airtel Money ny saran-dalana, ahazoana ny karatra tapakila.
Nomarihin’ny tale jeneralin’ ny Airtel Money, Randria­narison Heritiana, fa « tohananay ny fifindrana tsikelikely any amin’ny toekarena niomerika, mampiroborobo ny fivoaran’ny teknolojia. Mampan­droso ny fikirakirana ara-bola sady manamora ny filana andavanandron’ny mpampiasa sy ny matihanina amin’ny fitateram-bahoaka ».
Manoloana izany fahombiazana izany, nankasitrahana ny mpamily sy ny mpanampy azy, ny 7 febroary teo. Miisa 6 izy ireo, nomena kojakoja avy amin’ny Airtel Money, miampy famandrihana internety MIFI, miampy famandrihana fifanakalozam-bola Airtel Money.
Tsahivina fa tanteraka ity fiaraha-miasan’ny roa tonta ity, mba hoentina hanatsarana ny sehatry ny fitaterana eto amintsika, hampiharana sy hampiroboroboana ny teknolojia niomerika sy ny fampiasana ny fifanakalozam-bola niomerika.
Andrasana ny fampiharana azy amin’ny zotra taxi-be rehetra sy ny fitaterana any amin’ny zotram-paritra sy nasionaly manontolo.

Njaka A.

Catégories: National

INDRAY MIJERY

lun, 02/10/2025 - 07:37

Inspecteurs du travail 42 mianadahy no nahavita fianianana tetsy amin’ny Fitsarana tampony, Anosy. Andiany Mahomby izy ireo, niofana nandritra ny 2 taona teny amin’ny Enam Androhibe. Mitazona andraikitra eo amin’ny firenena ny Inspecteurs du Travail izay misehatra ara-tsosialy sy ara-toekarena. Ho an’ny sosialy, sady mampihatra ny lalàna mifehy ny asa ireto teknisianina ireto no manome ny toromarika ho an’ny orinasa amin’ny fampiharana izany.
Nanao sonia fiaraha-miasa amin’ny fanomezana tohana mitentina 59 924 euros (278 tapitrisa Ar) hividianana fiara hatao cliniques mobiles ho an’ny Centre Médical Le Bon Samaritain, ao Toamasina, ny masoivohon’i Japon eto an-toerana. Voatery mandeha an-tongotra lavitra ny mponina eny ambanivohitra rehefa hamonjy toeram-pitsaboana. Vahaolana ny fisian’ity clinique mobile ity.
Teboka manan-danja maro no nivoitra tamin’ny fivoriana lehibe niarahana tamin’ireo fitaleavana eo amin’ny foibe sy ny isam-paritra amin’ny sehatry ny fahasalamana. Anisan’izany ny fanatsarana ny fitantanana, ireo paikady miainga eny ifotony, ny fizarana andraikitra mazava ary ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka. Nohamafisina koa ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitantanana mahomby hampandroso ny asa rehetra.
Miverina tsikelikely ny oram-baratra mitsitokotoko, amin’ny ankapobeny, ho an’ny faritra rehetra manerana ny Nosy, ato anatin’ny telo andro manaraka, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro.

Catégories: National

Fivarotana nosy amin’ny Emiratis : Nodisoin’ny fanjakana ny vaovao miely

sam, 02/08/2025 - 08:27

Namoaka fanambarana mandà marindrano ireo lainga aparitaka amin’ny tambajotra sosialy, milaza ny fivarotana ireo nosy maromaro manodidina an’i Nosy Be amin’ny mpa­mpiasa vola vahiny, Emi­ratis, ny eo anivon’ny mi­ni­­site­ran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nohitsin’ny fanambarana fa tsy misy fangatahana voaray na fifanarahana nosoniavin’ny fanjakana malagasy ho an’ny Emiratis, momba izany. Mazava rahateo ny didy aman-dalàna momba ny fananantany sy ny fampiasana azy, eo ambany fanaraha-mason’ny fanjakana malagasy.
Manoloana izany, miantso ny vahoaka hitandrina amin’ny vaovao tsy marina sy ireo fanakorontanana isan-karazany, miparitaka eny amin’ny tambajotran-tsosialy ny eo anivon’ny MFFT. « Aoka hanamarina ireo loharanom-baovao ofisialy hialana amin’ny fandisoana sy fanodinkodinana ny hevi-bahoaka », hoy ny fanambarana. Nohelohin’ny minisitera koa ny famafazana lainga ho fitandrovana ny filaminam-bahoaka. « Hiharan’ny lalàna famaizana ireo olona na fikambanana minia manohintohina ny fitantananan-draharaham-panjakana », hoy hatrany ny eo anivon’ny minisitera.
Araka izany, diso sady tsy mitombina ireo vaovao miely momba ity resaka fivarotana nosy maromaro any Nosy Be ity.

Synèse R.

Catégories: National

Loholona Rakotondrazafy Lalatiana : “Mariky ny fahatokisana no nanendrena ahy”

sam, 02/08/2025 - 08:27

Voatendrin’ny filohan’ny Repoblika ho loholona Rakotondrazafy Lalatiana. Naneho ny heviny avy hatrany ny tenany, manoloana izany.

“Mariky ny fahatokisan’ny filohan’ny Re­poblika no nanendrena ahy”, hoy ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana, ta­min­’ny mpanao gazety, taorian’ny lanonana nametrahana samboady azy teny amin’ny Lapan’ny Antenimieran­doho­lona, Anosy, omaly. Nita­rika ny lanonana ny filohan’ny Anteni­mieran­doholona, ny Jly Rava­lomanana Richard. Nisa­oran’ny loholona Rako­ton­drazafy Lalatiana ny filohan’ny Repoblika nanendry azy ho mpikambana vaovao ao amin’ny Antenimierandoholona. Heveriny fa zava-dehibe ny antony fahatokisana amin’ny vanim-potoana toa izao. Ny zava-misy, na tiana na tsy tiana: mila mpanohana ny fitondram-panjakana. Nave­rin’ny filohan’ny Repo­blika taminy ny fahatokisana azy. Misy anjara andraikitra sy faharesen-dahatra tsy maintsy ijoroany amin’izany.

“Tsy anjarako ny misora-tena toa voatango hoe izaho izany no tena tsara toerana eto amin’ity andraikitra maha loholona ity”, hoy kosa izy ny amin’ny hoe olona tsara amin’ny toerana tsara. Ny traikefa rehetra izay mety ho azony tamin’ny fanaovana politika dia entina hanasoavana ny andrimpanjakana nametrahana azy. Mba ho amin’ny tombontsoan’ny firenena izany. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny mpikamban’ny governemanta, solombavambahoaka, loholona, manampahefana samihafa…

R. Nd.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

sam, 02/08/2025 - 08:26

Mitotaly 10 000 ireo zana-trondro narotsaka ao amin’ny farihin’Ankadinondry Sakay nandritra ny fambolen-kazo natao tany an-toerana. Nisitraka zana-trondro ihany koa ireo fikambanan’ny mpanjono mba hahafahany mampiroborobo ny fihariany sy hanatsarany ny velo-tenan’ny tsirairay.
Vita ny 93% ny asa fanarenana ny lalam-paritany, RIP71, ampahany voalohany, mampitohy an’­Imerintsiatosika (RN1) sy Ambohimiarina. Mirefy 12,95 km ity lalana ity, ka avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR) ny famatsiam-bola nanamboarana ny ampahany voalohany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Ankoho­nana miarina ».
Mampiasa ny teknolojia niomerika « Recycle Now » amin’ny fanivanana fako plastika, ny orinasa STCV. Zava-baovao ity fomba fiasa ity, mety amin’ireo olon-tsotra na orinasa, manana akora plastika efa niasa mampandre ny STCV, ka manatona any avy hatrany izy ireo. Tanora mpandraharaha no mitantana ity orinasa ity.
Misokatra manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma ny « Guichet central d’information et de documentation » (GCID) eny Ambohidahy. Toerana andraisana ny mpisitraka sy ireo liana amin’ny tolo-draharaha avy amin’ny minisitera. Natao hikirakirana antotan-taratasy ao amin’ny minisitera ny maraina, raha natao hizarana izany kosa ny hariva.

Catégories: National

Toekarena ; Nitotongana ny vokatra naondran’ i Madagasikara

sam, 02/08/2025 - 08:26

Nihena 17,2% ireo entana naondran’i Madagasikara ny taona 2024 raha oharina ny taona 2023 noho ny fitotongan’ny harinkarena faobe. Na­nampy trotraka izany ny fihenan’ny vola azo tamin’ny fa­non­dranana lavanila, jirofo, nikela sy kobalta ary ireo vokatry ny orinasa afakaba. Nidina 15,4% ny vola azo tamin’ny lavanila noho ny fihenan’ny vidiny ho 74% na niakatra 224,9% aza ny vokatra, raha ny fanadihadiana ara-toekaren’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nahi­tam-pihenana 43,9% sy 47% ny nikela sy kobalta naondrantsika. Nihena 7,2% ny vokatr’ireo orinasa afakaba ka nahatonga ny fihenan’ny fa­non­dranana ho 5,3% na nahitam-piakarana 2% aza ny vidin’entana. Lasibatr’ity fitotonganana ity koa ny jirofo. Ni­hena 35,5% ny vokatra naondrana rehefa nihena 31% ny vokatra azo nandritra ny taona ka nitarika ny filatsahan’ny vidim-bokatra ho 6,5%. Na izany niakatra 124% ny fanondranana lohamenaka taorin’ny fitomboan’ny fangatahana ho 169,6% na nihena 16,9% aza ny vidiny tamin’ny taon-dasa. Niakatra 26,1% ihany koa ny fanondranana « graphite » na­taon­tsika rehefa nitombo 36,8% ny vokatra raha toa nihena 7,8% ny vidiny. Nia­katra 140,2% ny cacao naondran’i Madagasikara nandritra ny taona 2024. Nahatonga izany ny fiakaran’ny vidim-bokatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiakaran’ny fanafana ho 9,6%, araka ny fanazavan’ny BFM. Mitotaly 2 838,6 tapitrisa dolara ny vola vahiny ao amin’ny BFM ka ahafahana manafatra entana ao anatin’ny enim-bolana mahery ho amin’ity taona ity.

Henintsoa Hani

Catégories: National

« Forum économique du secteur privé »: Hisongadina ny vokatra malagasy

sam, 02/08/2025 - 08:26

Hotanterahina ny 2 sy 3 mey, any Genève, ny « Forum économique du secteur privé Madagascar, terre d’opportunités » izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Hetsika karakarain’ny Federasion’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) sy ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Genève-Antananarivo (CCIGA). « Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Malagasy mpandraharaha sy ny any ivelany amina sehatra marolafy, toy ny fizahantany, indostria, harena an-kibon’ny tany ary fambolena », hoy ny FCCIM.
Ankoatra ny hetsika, hisy ny fampihaonana sy fampifandraisana ireo samy mpandraharaha. Hasongadina manditra ny varotra fampirantiana ihany koa ny hatsaran’ny vokatra malagasy sy ny mampiavaka azy amin’ny hafa, hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny. Araka izany, maherin’ny 100 ny mpandray anjara andrasana mandritra ity fihaonambe ity ka manana hatramin’ny 28 febroary hisoratana anarana izay liana.

Henintsoa H.

Catégories: National

Filana amin’ny fiovan’ny toetr’andro: Mampiroborobo ny fiveloman’ny vahoaka ny fambolen-kazo

ven, 02/07/2025 - 07:43

Ao anatin’ny fotoana fambolen-kazo tanteraka isika izao. Maro ny olona, fikambanana, sy ny maro hafa efa nahavita izany. Tanjona ny hamerenana ny ala may eto Madagasikara.

Ao anatin’ny fotoanan’ny rotsakorana, tena tsara indrindra hambolena hazo isika izao. Ho an’ny eto afovoantany, efa maro ny fikambanana, ny fiangonana, ny orinasa ary ny olon-tsotra niroso tamin’ny fambolen-kazo nanomboka tamin’ny volana desambra lasa teo. Anisan’ny efa nahavita izany ny fikambanana Hasin’ny zaza manga. Notontosaina ny sabotsy 01 febroary 2025 lasa teo, tany amin’ny kaominina Ambato, ny andiany faharoa tamin’ny fambolen-kazo, nataon’izy ireo. Nitarika izany ny filohan’ny fikambanana sady ben’ny Tanànan’ny kaominina any an-toerana, Rakotondravao Sarobidy. Natao tamin’ny sabotsy 25 janoary 2025 kosa ny andiany faharoa.
“Fototry ny fandrosoana eo amin’ny tanàna iray ny fanomezana sehatra ny fambolena, anisan’izany ny fambolen-kazo”, hoy ny ben’ny Tanàna voafidy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Am­bato, distrika Ambohidra­trimo, nandritra ny fambolen-kazo nataon’izy ireo. Nambarany fa raha voatsabo sy voatohana tsara araka ny tokony ho izy ny fambolena, dia miroborobo ny fiveloman’ny vahoaka. Mihatsara toy izany koa ny fari-piainana, manome fahafahana misimisy kokoa ho an’ny taranaka koa izany. Efa nanao fambolen-kazo foana ity fikambanana ity tao anatin’ny 5 taona nisesy. Mahatratra 5 000 isan-taona ny zana-kazo novolen’izy ireo hatramin’izany. Mba ho an’ny fanatsarana sy fiarovana ny tontolo iainana any Ambato. Tanjona maharitra ity, izay natao hanamafisana ny fizakan-tenan’ny ala sy hanomezana vahaolana amin’ny olan’ny fahasimban’ny tontolo voajanahary, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Hiarovana ny tontolo iainana
Tanjona sy politikan’ny fambolen-kazo ny famerenana ny ala sy fiarovana ny harena voajanahary. Mano­loana ny fahasimban’ny tontolo iainana misy amin’izao fotoana izao, ilaina ny fambolen-kazo. Mba ho fanarenana ny toerana maro ho rakotra ala indray sy ho fiarovana ny zavamananaina. Ankoatra izay, fisorohana ny fahanteran’ny tany sy fanohanana ny fambolena sy fiompiana ihany koa. Manatsara ny fiasan’ny tany koa, mitahiry rano, manamafy ny fototry ny fambolena ary manakana ny fihotsahan’ny tany, ny faritra rakotra ala.
Ho an’ny kaominina ambanivohitra Ambato, distrika Ambohidratrimo, manana tanjona sy sehatra manokana entina mampiroborobo ny sehatry ny fambolena izy ireo. Laharam-pahamehana voalohany ny fampivoarana ny voly, toy ny voly vary, tongolo sy ireo voly hafa manan-danja rehetra. Ankoatra izay, hatsaraina ihany koa ny lalana. Mba hoentina manamora ny fitaterana sy fivarotana ny vokatra miakatra avy any an-toerana. Ilaina ihany koa ny fampiofanana ny tantsaha hanaraka ny teknika manaraka ny fiovan’ny toetr’andro. Tanjona ny hahafahana mampitombo ny vokatra miakatra. Hamafisina ihany koa ny fifandraisana amin’ny tsena, mba hahazoan’ny tantsaha ny vidim-bokatra ara-drariny sy ahazoana tombony bebe kokoa.

Fanaraha-maso sy fikojakojana

Ilaina ny fambolen-kazo na ho an’ny mponina rehetra, ary tokony hanao izany na ny olona tsirairay avy aza. “Tsy vitan’ny mamboly fotsiny anefa fa miantoka ny fahaveloman’ireo zana-kazo amin’ny alalan’ny fanaraha-maso sy fanentanana ny mponina hikolokolo izany ny tena tsara indrindra”, hoy hatrany ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ambato, distrika Ambohidratrimo. Ankoatra izay, ilaina koa ny fanentanana sy fanabeazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mampirisika ny rehetra, indrindra ny tanora, mba ho tomponandraikitra amin’ny fiarovana ny harena voajanahary hatrany ity fikambanana iray ity.
Tsy mahomby ny ankamaroan’ny fambolen-kazo eto Madagasikara, amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao. Maro ny antony mahatonga izany. «Voalohany, tsy mipetraka tsara araka ny tokony ho izy ny fotoam-pambolen-kazo eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fambolena tsy manaraka ny tekinika, izay anisan’ny antony tsy mampahomby ny fambolena », hoy Rahazatovo Andry, tomponandraikitra eo anivon’ny ONG Graine de Vie. Nilaza izy fa lasa toy ny fitsangantsangana fotsiny ihany ny fotoana hanaovan’ny olona ny fambolen-kazo. Anisan’ny tsy mampahomby ny fambolen-kazo eto amin’ny Nosy ihany koa ny doro tanety ataon’ny olona sasany. Manampy izany ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso sy ny fandraisan’andraikitra aorian’ny fambolena.

Nanatontosa : Mino

Catégories: National

Pages