Natao omaly 17 sy anio 18 avrily, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny hetsika miompana amin’ny «Fanodinana ny fako ho lasa vokatra hafa azo ampiasaina indray», andiany faharoa. Am-polony ny tranoheva mandray anjara, ahitana orinasa vaventy, antonony, hatramin’ny madinika indrindra sy vao misondrotra. Nisantatra ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Andonirina Max Fontaine. Nilazany fa miompana amin’ny zavatra roa lehibe ny tanjon’ity hetsika ity. Voalohany, ahafahan’ireo mpisehatra rehetra mihaona mivantana, ikarohana fiaraha-miombon’antoka. Voakasik’izany ny orinasa madinika indrindra, sy ny indostria lehibe, toy ireo misehatra amin’ny lamba, ohatra, izay mampiasa angovo betsaka, mandeha amin’ny solika, ohatra. Faharoa, hamantarana ny hetahetan’ny mpisehatra na orinasa hikarohana ny fomba hanohanan’ny fanjakana azy ireo. Toy ny hanalefahana ny hetra, ohatra, ny fanamorana ny haban-tseranana, sns.
Eo koa ny fanomezan-danja ny fanodinana ny fako ho lasa vokatra hafa indray. Anisan’ny efa hifantohana, ankehitriny, ny foibe fanodinana ny fako any Toamasina, hanodina fako 60t isan’andro. Efa mandeha koa ny fikarakarana ny fitantanana ny fako eny Andralanitra, eto Antananarivo. Maromaro ny orinasa namaly ny antso tolo-barotra, naneho ny fahavononany hanodina ity toerana fanariam-pako lehibe ity.
Njaka A.
Tombanana any amin’ny 15,93% ny asa vita fanarenana ny lalampirenena RN18 (Vangaindrano-Befotaka). Anisan’izany ny eo amin’ny PK0 hatrany amin’ny PK136. Efa nahitana vokatra tsara ny fanamboarana ny ampahany tena ratsy (PK17+500). Namboarina ny lakandrano sy ny «dalot», ifehezana ny fikorinan’ny rano, indrindra ny PK5+500. Mamatsy vola ny asa ny fanjakana malagasy.
Miisa 49 ny tanora mpandraharaha misitraka ny tetikasa Titra maitso (Titre vert), any Mahalavolona, kaominina Fihaonana, distrika Ankazobe. Mahazo velarantany 1 ha avy izy tsirairay ireo amin’ny fiafaran’ny tetikasa. Fepetra takiana ny mivondrona anaty fikambanana sy kaoperativa, sady mandray anjara amin’ny fiofanana sy foara. Miisa 20 nisafidy hamboly mangahazo, 9 hanao vary an-tanety, 19 voly sakay ary eo koa, ny soja sy voanjobory.
Tanjon’ny fanjakana ny hampiasan’ny 50% ny malagasy angovo azo havaozina, araka ny voafaritra ao anatin’ny Fifanarahana nasionaly mikasika ny angovo tany Tanzania, ny janoary 2025 teo. Ao anatin’izany ny fampiasana fatana mitsitsy, ny saribao ekolojika, ny angovo «bio éthanol», sns. Marihina fa mbola mampiasa saribao sy kitay ny 95%-n’ny malagasy, izay tena manimba ny tontolo iainana sady mandripaka ny ala eto amintsika.
Maro ny vokatra azo avy amin’ny volontsangana. Anisan’ny orinasa tena madinika misehatra amin’izany ny orinasa Moi Ecolo, natsangan-dRakototiana Santatra sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Niorina ny taona 2019, mifototra amin’ny famokarana vokatra avy amin’ny volontsangana. Maro ny vokatra vitan’izy ireo, toy ny kojakoja fanahazan-damba (pinces), sotrobe manokana fandoaran-tsakafo (spatule), boatikely, zavamaneno sodina, sns. Anisan’ny miavaka amin’ny zava-bitan’izy ireo koa ny borosy nify vita amin’ny volontsangana ny tahony sy ny volony.
Nambaran-dRakototiana Santatra, fa tanjona ny tsy hampiasana ny akora plastika, izay iaraha-mahita ny voka-dratsiny eo amin’ny tontolo iainana. Eto Antananarivo ny vokatra no hamidy, fa fikasan’izy ireo ny hanapariahana azy any amin’ny faritra. Mandray anjara amin’ny varotra fampirantiana mahakasika ny Fanodinana ny fako ho lasa vokatra hafa indray, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny Moi Ecolo.
Njaka A.
Mihazakazaka ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Hitarina ny fiantsonan’ny fiaramanidina.
Mitohy ny fanatsarana hanaraka ny toetrandro ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Taorian’ ny fotodrafitrasa hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, miditra amin’ny fanitarana ny arabe fiantsonan’ny fiaramanidina (Tarmac) indray ny Ravinala Airports, ankehitriny. Tanjona ny hahafahana mandray fiaramanidina vaventy karazany maro.
Efa nanomboka ny 27 janoary 2025 ny dingana voalohany amin’ny asa amin’ny Tarmac 1, ataon’ny orinasa Colas, eo ambany fiahian’ny orinasa Setec. Mirefy 400 m ny halavan’ny arabe hatao, miaraka amin’ny fanajariana samihafa miaraka aminy. Ho vita amin’ny jolay 2025 ny asa, andaniana vola 6,5 tapitrisa euros. Nilaza ny tomponandraikitry ny asa ao amin’ny Setec Madagasikara, Rakotovao Rivohary, fa «ankoatra ny fanatsarana sy ny fanamafisana ny Tarmac, nitarina nampiana 10 m ny sakan’ny arabe».
Nohavaozin’ny orinasa TotalEnergies koa ny fotodrafitrasa amin’ny fitantanana ny famatsiana solika «kérosène» ho an’ny fiaramanidina. Nambaran’ny Mpiandraikitra ny raharaha, Rakotonirina Solofoniaina, fa hatrany amin’ny 40% ny fivoaran’ny asa, ary ho vitaina amin’ny aogositra 2025 izany.
Zotra nasionaly
Anisan’ny asa goavana efa mandeha ihany koa ny fanatsarana sady fanitarana ho avo roa heny ny toeram-piantsonana iraisam-pirenena teo aloha, novaina handraisana ny zotra nasionaly eto an-toerana, ampiasana vola 1 tapitrisa euros. «Azo ampiasaina ity fotodrafitrasa fikarakarana ny mpandeha amin’ny zotra nasionaly ity manomboka amin’ny jona 2025», hoy ny mpiara-mitantana ny orinasa ECE, Raharinosy Nathalie.
Nilaza ny lehiben’ny serasera Ravinala Airports, Rahantamalala Sandrine, fa «anisan’ny paikady hanohanana ny tanjona hisian’ny mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028 ireo asa rehetra ireo».
Njaka Andriantefiarinesy
Manatrika ny hetsika mahakasika ny fanamafisana ireo zon’ny tanora eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny asa, izay karakarain’ny Ecosoc 2025 Youth Forum, tontosaina any New York, i Madagasikara. Araka ny vaovao voaray, manatrika ity fihaonana ity, any an-toerana, ny minisitry ny Tanora sy
ny Fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, ary hatevenin’ireo tanora miisa roa avy eto an-toerana.
Tanjon’ny hetsika ny hamoaka ny tatitra izay nataon’ ny Firenena mikambana mifototra amin’ny fanombanana miisa 298, izay nataon’izy ireo. Anisan’izany ny fananana paikady manokana hoentina mampandroso ny fampianarana sy ny lafiny toekarena, ho an’ny tanora. Tsara ny mampahafantatra fa ity tatitra ity dia manome tari-dalana amin’ny fandrafetana fandaharanasa amin’ny hoavy, ho an’ny fanabeazana manara-penitra sy fahaleovantena ara-toekarena, amin’ny alalan’ny asa mendrika.
Ankoatra izay, nifampizara traikefa ireo tanora mpitarika sy manam-pahaizana mahakasika ireo sakana eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fampianarana. Niampy ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fandrafetana ny tetikasa entina mampandroso ny firenena misy azy avy. Tsara ny mampahatsiahy fa manana hetsika lehibe tahaka izao, horaisina i Madagasikara, ny Youth Connekt 2025. Hotanterahina eto amintsika, ny volana novambra ho avy izao, izany.
F.R
Vita ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ireo orinasa telo lehibe amin’ny sehatry ny angovo. Ao anatin’izany ny New Energy Africa (NEA), ny ANKA, ary ny Camusat, hiarahana amin’ny fanohanana avy amin’ny Institut européen de coopération et de développement (IECD).
Talen-tsekoly sy mpampianatra avy amin’ny EPP sy CEG miisa 54 no misitraka fampiofanana mahakasika ny fikirakirana fitaovana niomerika, ny fampiasana ny internet, ny informatika, ny «cybercriminalité» ary ny «cybersécurité», ao Soarano, nandritra ny hateloana, tamin’ity herinandro ity.
Mila ampitomboina avo telo heny ny famokarana angovo ho an’ny Malagasy manontolo, ary azo avy amin’ny angovo azo havaozina avokoa izany. Raha ny salanisa dia ny 30% amin’ny Malagasy ihany no misitraka izany kanefa tokony ho 70%.
Amin’ny alalan’ny Madagascar Food Systems Resilience Project (FSRP), nizarana sakafo mahavelona ny mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana. Amin’ny alalan’ny vokatra novidiana teto an-toerana, avy amin’ ireo mpamokatra madinika any amin’ny faritra 9, any Atsimo, Atsimo Atsinanana…no hanatanterahina izany.
Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, tetsy Ambatoroka ireo mpianatra 17 nanaraka ny fiofanana momba ny tontolon’ ny zaitra, eo anivon’ny atelier tantanin’ny Wednesday Morning Group (WMG). Nampitondraina ny anarana «Felana» ny andiany navoaka. Nanao ny fiofanana fototra ny 11, nanao ny «formation de perfectionnement» ny 4 ary fiofanana ho mpampiofana ny 3 ambiny. Tanjona ny hahafahana manampy ireo vehivavy mba hanana ny maha izy azy, hahita asa ary hisongadina eo amin’ny fiainany. Nampiavaka azy ireo ny nanomezana fiofanana mahakasika ny «crochet». “Moramora sy manampy betsaka azy ireo amin’ny fahitana asa ny fanampiana amin’ny fiofanana mahakasika ny rafia”, hoy ny filohan’ny WMG, Tsiranana Fiona. Eto Antananarivo ihany koa no betsaka ny orinasa misehatra amin’ny fanaovana asa tanana amin’ ny alalan’ny rafia ka antony nampidirana ny fiofanana mahakasika izany. Manodidina ny 18 hatramin’ny 30 eo ny salan-taonan’ireo mpianatra nivoaka. Efa manomboka ahitana lehilahy mianatra ihany koa fa tsy mijanona ho an’ny vehivavy ihany. Fepetra takina amin’ny mpianatra ny fahaizana manao kajy, mampiasa fitsipika, mahay manoratra ary mamaky teny. Mifototra amin’ny matematika avokoa ny ankamaroan’ny fampianarana ampitaina ka antony ilana izany.
Mino
Nanomboka omaly, eny amin’ny Kianja Barea, ny “Herinandro nasionaly ho an’ny rano” iarahan’ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana ary fidiovana sy ny mpiray ombon’antoka.
Anisan’ny nampahafantarina ny mpitsidika teny Mahamasina ny tetikasa fanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio (PAAEP. Tetikasa lehibe voalohany vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola amin’ny famatsiana rano madio eto Madagasikara. Mifototra amin’ny fanatsarana ny famokarana rano madio eto Antananarivo sy ny tanàna hafa any amin’ny faritra Diana, Boeny, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony izy ity, raha ny fanazavan’ ny tomponandraikitra teknika ao amin’ny tetikasa PAAEP, Rakotomavo Benjamina.
Misy dingana dimy ao anatin’ny tetikasa. Ny fanatsarana ny famokarana rano madio, ny fanatsarana tolotra amin’ny famatsiana rano, ny fametrahana fotodrafitrasa mahazaka rivodoza sy fanomezana fitaovana. Ao koa ny ahafahana manampy ireo tanàna marefo manoloana ny rivodoza ary ny fanohanana ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana ary fidiovana. Nanomboka ny taona 2022 ny tetikasa, ka ny fanadihadiana sosialy sy ara-
piarahamonina no vita tanteraka. Hiroso amin’ny tena asa ny tomponandraikitra. Anisan’ izany ny fanaovana toby famatsiana sy famokarana rano vaovao ao Mandroseza, ny fanoloana milina fitrohana rano ao an-toerana ihany. Eo koa ny fanorenana toby fitahirizana rano sy fanoloana fantson-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Misy asa mitovy amin’izay avokoa ny tanàna iasana rehetra, any Mahajanga, Antsirabe, Fianarantsoa…
40% amin’ny asa anatin’ny tetikasa no vita. Hametraka ny fotodrafitrasa rehetra ny mpiasa hatramin’ny taona 2027 fiafarany. Faritra fito no niantefan’ny tetikasa, ka nampiana telo (Anosy, Androy, Atsimo Andrefana), noho izany, nitombo ho faritra 10.
Vonjy
Nihaona tamin’ireo Malagasy am-pielezana atsy amin’ny Nosy Seychelles ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Noderainy ny firaisankina sy ny fandraisan’andraikitra ireo Malagasy am-pielezana miisa 2 000 ao an-toerana. Miasa amin’ny sehatra maro izy ireo. Anisan’ izany ny fizahantany, ny fambolena sy ny fiompiana, ny fanatanjahantena. Eo koa ny sehatry ny fampianarana, ny famokarana avy amin’ny fanodinana lamatra. Fotoana koa io nampitan’ny minisitra ireo ezaka maro tanterahin’ny fitondram-panjakana ho fanohanana ireo Malagasy am-pielezana. Anisany ny ho fanokafana ny lalana ho azy ireo amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa “Tady” sy ny fandaharanasa “Loharano”, iarahana amin’ireo Diaspora.
Nampirisika ny ezaka ataon’ireo Malagasy any an-toerana amin’ny fananganana fikambanana ny minisitra. “Hanamora ny fandraisana andraikitra iombonana sy hatao ho fanampiana ny mpiray tanindrazana misedra fahasahiranana aty izany rafitra izany”, hoy ny minisitra.
Synèse R.
Tontosa ny sabotsy 12 sy ny alahady 13 avrily lasa teo, teny amin’ny kianja Ampitatafika, ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’Analamanga taranja tsipy kanetibe. Voahosotra ho tompondaka ny PCT ho an’ny lehilahy ary ny CPA eo amin’ny vehivavy. Raha ny voka-dalao, resin’ny ekipan’ny PCT, nahitana an’i Mika sy i Cobra ary i Tafita, tamin’ny isa 13 no ho 6, ny ekipan’i Besady, nisy an’i Mamy, Tojo ary i Mahandry. Ao anatin’ny tanjany tanteraka amin’izao fotoana i Tafita izay tena herin’ny ekipa.
Nandrombaka ny fandresena kosa i Lova sy i Fanantenana teo amin’ny andriambavilanitra rehefa nanilika an’i Nicole sy i Ninah, mpilalaon’ny PCT tamin’ny isa, 13 no ho 8. Tompondaka kosa ny ekipan’ny Pac Ampitatafika teo amin’ny sokajy Junior nisy an’i Nathanael sy i Eliot rehefa nandresy ny klioba Akama, tamin’ny isa 13 no ho 10. Ho an’ny Vétérans, mbola nisongadina ny fahaiza-manaon’i Nanah sy i Lam, avy amin’ny CBAF, rehefa nandavo an’i Bob sy i Tony, avy amin’ny UBM, tamin’ny isa 13 no ho 10. Nahatratra 97 ny isan’ny mpandray anjara teo amin’ny sokajy lehilahy raha 20 ny vehivavy. 16 ny an’ny sokajy zandriny ary 17 ny teo amin’ireo zokiolona. Ny dingana manaraka dia ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara tanterahina any Antsirabe, ny 2 ka hatramin’ny 4 mai ho avy izao.
Tompondaka
Hotanterahina ny 27 avrily izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana “Grappling Tournament”, taranja Jiu-jitsu brezilianina, karakarain’ny Club Attila. Hampiavaka an’io fotoana io ny fandraisana anjaran’ny mpikatroka avy atsy La Réunion.
Miditra amin’ny andro fahadimy, anio, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 14 taona sy 18 taona, taranja volley-ball. Eny amin’ny ANS Ampefiloha sy ny Kianja mitafon’Ankorondrano no hanatanterahana ny fifaninanana hatramin’ny 19 avrily izao.
Hetsika nolazaina fa hampiantranoin’i Madagasikara ny baolina kitra maneran-tany lalaovin’olona dimy. Hatramin’izao, tsy mbola misy soritsoritra hita mahakasika ny fikarakarana ity lalao ity. Raha tsiahivina, tokony ho ny volana marsa lasa teo no natao ny fampiofanana teny ifotony.
Mandeha ny resaka ao Italie fa hanazatra ny AC Milan i Massimiliano Allegri. Ity teknisianina ity izay tsy manana klioba tantanina amin’izao fotoana izao. Araka ny fikarohana natao, tsy voatazona ho mpanazatran’ny Milan AC intsony i Sergio Conceiçao, na dia mahazo vokatra tsara aza amin’ny famaranana ny taom-pilalaovana.
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianjan’ny Santiago Bernabeu Espagne, ny lalao ampahefa-dalana miverinan’ny « Ligue des Champions 2025 », izay hikatrohan’ny Real Madrid, espaniola, sy ny Arsenal FC, anglisy. Fihaonana tena andrasan’ny maro tokoa ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Tsiahivina fa mbola manala vela ny Real Madrid. Izy ireo izay efa lavon’ny Arsenal 3 no ho 0 tany Emirates Stadium Angleterre, ny talata lasa teo, tamin’ny fihaonana voalohany.
Fotoana iray andrasan’ny mpankafy Real ny hanaovan’ity klioba espaniola ity Remontada, androany. Araka ny fikarohana natao, tao amin’ity kianja Santiago Bernabeu ity hatrany ny Real Madrid no tafavoaka rehefa manala vela amin’ireo klioba sasany. Tsiahivina fa ny taona 2021, nahintsan’ny Real Madrid, tao Santiago Bernabeu, ny Paris Saint Germain (PSG), ny Manchester City, ny Chelsea. Marihina fa ireo klioba ireo, efa nanana tombony ny ho tafita avokoa tany amin’ny fihaonana mandroso.
Manana tombony sy herijika, ho any amin’ny manasa-dalana ny Arsenal, saingy miankina amin’ny voka-dalao anio izany. Tsara ny mampahafantatra fa tompondakan’ny LDC farany teo ny Real Madrid, ary manana fikasana ny hibata ny amboara faha-16 izy ireo amin’ity raha toa ka maniry ny hahazo LDC voalohany ho azy ny Arsenal.
Fitia Randria
Nitohy omaly ary hifarana anio 16 avrily, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja judo. Ny sokajy Minimes sy Seniors no niditra an-tsehatra omaly.
Taorian’ny sokajy vétérans sy ny kata izay nahatontosa ny anjarany ny alatsinainy 14 avrily lasa teo, ny sokajy Seniors sy Minimes indray no niakatra Tatami, omaly 15 avrily, ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo, taona 2025. Tazana tamin’ity fifaninanana ity avokoa ireo sangany, toa an-dry Rasoanaivo Razafy Aina Laura sy Rabesandratana Roumaica Benandro, izay samy nampiseho ny fahaiza-manaony avokoa nandritra ny ady nasehony. Nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny judo, Bruno Said Eric, fa hitiliana izay hiatrika ny CJSOI hatao any Seychelles, ny volana jona izao, ity fifaninanam-pirenena ity. Ny sokajy Cadets no tena voakasik’izany, raha ny nambarany. Miandry ny anarana izay atolotra ny FMJ ny eo anivon’ny minisitera ka 5 lahy sy 5 vavy no kasaina hisolo tena ny Malagasy ho an’ny taranja Judo. Mahakasika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao any Abidjan Côte d’Ivoire kosa, ho an’ny sokajy Seniors, mikasa ny handefa mpikatroka 5 ny federasiona, saingy miankina amin’ny hoenti-manana ihany izany. Tsiahivina, mpikatroka 349 manerana ny Nosy no mandray anjara amin’izao fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izao, ka lehilahy ny 200 amin’ireo, raha vehivavy ny 149. Niakatra io isa io raha oharina ny tamin’ny taona lasa. Ny sokajy Cadets sy Juniors no hamarana ny fifaninanana, anio.
Mi.Raz
Nanara-maso ny fanatanterahana ny masontsivana napetraka ny desambra 2024 ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Niaraka nanao fanambarana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Tontolo iainana (Medd), ny Angovo (MEH), ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ary ny iraky ny FMI, ny 14 avrily teo. Voalaza fa nahazo ny fankatoavana (Staff Level Agreement) avy hatrany ny fanjakana malagasy, ka halefa any amin’ny Filankevi-pitantanan’ny FMI ny antontan-taratasy mirakitra ny tatitra. Karazany telo ireo antontan-taratasy ireo, toy ny sehatry ny angovo, mahakasika ny solika sy ny orinasa Jirama, izay hamoahana didim-panjakana mamaritra ny vidin-tsolika mandritra ny enim-bolana manaraka. Faharoa, efa eo am-pandrafetana ny Drafi-panarenana ny Jirama. Fahatelo, ny hamoahana didim-panjakana hananganana ny komity iraisan’ny minisitera rehetra momba ny tontolo iainana, tarihin’ny Praiminisitra sy ny didim-panjakana mahakasika ny Mecie.
Nankasitrahin’ny FMI koa ny hamoahana didim-panjakana mahakasika ny « Dépositaire central », izay fifanarahana eo amin’ny Banky foibe sy ny minisitera MEF. Eo koa ny ezaka ataon’ny BFM mitazona ny sandam-bola, na dia eo aza ny politikan’i Etazonia ara-toekarena, ankehitriny.
Marihina fa efa ho roa taona izao no tsy nisy ity fankatoavana avy hatrany ny fitsirihana nataon’ny FMI teto amintsika ity.
Njaka A.
Mandritra ny Herinandro nasionaly ho an’ny rano, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, hampiranty ny voka-pikarohana ny Foibe efatra ao anatin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa: INSTN, CNRE, CNRIT ary CIDST. Hanomboka androany ity hetsika ity, hanasana ireo liana momba ny fampahazoana rano sy ny manodidina izany. Hifarana ny zoma ny fampirantiana sy ny famelabelaran-kevitra samihafa.
Nanomana fotoana ho an’ireo liana te hianatra ny tenin’ny tanana ny Autisme Madagasikara, faritra Anôsy. Ny sabotsy 19 avrily amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao Zazatiana, ny fotoana hianarana sy hampiroboroboana ny fampiatiana ho an’ny rehetra. Efa maro ny olona mianatra ny tenin’ny tanana noho ny antony samihafa.
Tonga eto an-toerana ireo fanampiana (kilalao, fitaovam-pianarana sy fitaovam-pidiovana samihafa) avy amin’ireo ankizy amerikanina manao asa soa (Children’s Christmas) izay hatolotra ho an’ireo ankizy Malagasy manerana ny Nosy. Miisa 55 ireo conteneurs tonga ka ankizy miisa 460 000 no hisitraka izany.
Andro aman’alina ny asa fanadiovana ny tanàna eny amin’ny kaominina Ivato. “Vavahadin’i Madagasikara ity kaominina ity ary andalovan’ireo vahiny rehetra tonga eto ka mendrika ny hadio hatrany”, hoy ny ben’ny Tanàna Randrianarisoa Penjy.
Nampahafantarina omaly, teto Antananarivo, ny tetikasa Soff, izay hampiasana ireo fitaovana vaovao entina manatsara ny fitiliana ny singa mandrafitra ny toetr’andro eto Madagasikara.
Hapetraka ny fitaovana miisa 11manerana ny Nosy amin’ ireo toerana misy ny fitiliana mahakasika ny toetry ny andro. Fitaovana mahaleo tena ahafahana mamantatra ny toetoetry ny atmosfera na ny habaka isan-tsegondra, hanatsarana ny antontam-baovao mba hiarovana ny olona amin’ny tranga ara-boajanahary.
Misy ny toerana ikarakarana ireo fitaovana ka tokony ho tompon’andraikitra amin’ny fiarovana azy ireny ny rehetra ahafahana manana azy maharitra. Voalohany ny tetikasa Soff fa mbola ho avy ny aoriana, raha ny fanazavana.
Iarahan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, amin’ny alalan’ny foibe famantarana ny toetr’andro, miasa amin’ny Pnud sy ny meteo allemande ity tetikasa ity.
Ny fahazoana ireo singa voarefy amin’ny alalan’ny fitaovana dia hanatsara ny vinavina mahakasika ny toetry ny andro.
“Manodidina ny 5 tapitrisa dolara ireo fitaovana ary mbola hisy hafa ho avy hahafahana manana antontam-baovao marim-pototra”, hoy ny minisitra Ramonjavelo Valéry. Hanatsarana koa ny fambolena sy fiompiana, ny jono, ny fomba fitaterana (an-tanety, an’habakabaka ary an-dranomasina) ny tetikasa.
Tatiana A
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny Lapan’Ampela Miray hina ao amin’ny distrikan’i Vohibato, faritra Matsiatra Ambony. Fiaraha-mientan’ny fikambanam-behivavy ao an-toerana no nahafahana nanangana ny fotodrafitrasa. Nanampy tamin’ny fampitaovana kosa ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina.
Toerana ahafahan’ny vehivavy mivory sy manao fampianarana ary mamolavola tetikasa ny Lapan’Ampela. Hahafahana manatanteraka fiofanana isan-karazany, indrindra koa hoentina mampandroso ny fidiram-bolan’ny tsirairay.
Nanolotra milina fanjairana sy kojakoja ho amin’izany ny minisiteran’ny Mponina, izay naterin’ny minisitra Razafinjato Aurélie. Nanome vilanibe ihany koa ahafahana mianatra mahandro ka tanjona mba hiantohan’ny fikambanam-behivavy ny sakafo rehefa misy fivoriana hahafahan’izy ireo mampidi-bola.
Natolotra ihany koa ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay natao hitahirizana vaksiny ho an’ny akoho, ho an’ny Association Ainga Madagascar. Ankoatra izany ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nanaraka ny fiofanana mahasika ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy ary ny fametrahana samboady ho an’ireo lefitry ny ben’ny Tanàna.
Tatiana A
Tsy nanao famindram-pitantanana tamin’ny mpikambana vaovao amin’ny birao nasionalin’
ny SPSM ofisialy ny sekretera jeneraly nasiolin’ny SPSM Madagasikara hatramin’izao satria tsy ara-dalàna ny fijoroany.
Napetraka ny volana avrily 2022 ny Firaisankinan’ ny mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasikara (SP SM) izay manana ny sata mifehy azy. Efa manana rantsana any amin’ny faritra 23 ny fikambanana amin’izao fotoana izao, ka ny eto Analamanga no nijoro farany, ny volana desambra 2024, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraly nasionaly Andriankinana Tsialofana. “Efatra taona ny fe-potoanm-piasan’ny birao nasionaly, araka ny voafaritry ny sata mifehy ny fikambanana. Tonga teto Antananarivo ny solontenan’ny faritra 22 nanotrona ny fametrahana ny biraom-paritra eto Analamanga ka nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka fa tokony hofidina amin’izay ny mpikambana amin’ny birao nasionaly vaovao”, hoy ihany ity tomponandraikitra ity. Teraka taorian’ny fifidianana izay ambaran’ireo mpikambana amin’ny SPSM fa tsy ara-dalàna ny SPSM ofisialy.
Vokany, misavorovoro ny mpiasan’ny fahasalamana noho ny zava-misy satria lasa roa ny fikambanana. Efa nametraka taratasy teny anivon’ny préfecture de police ny SPSM fa tsy azo ovana ny mpikambana amin’ny birao nasionaly raha tsy misy fifidianana anatin’ny fivoriamben’ny mpikambana rehetra.
Nanomana hetsika fialamboly ny SPSM eny Alasora ny zoma ho avy izao. Etsy andaniny nikarakara hetsika mitovy amin’izay koa ny SPSM ofisialy, hatao eny Ambatofotsy, ka sanganehana ihany ireo mpiasan’ny fahasalamana.
Miantso ny fanjakana hijery ny olana miseho ny SPSM fa lasa mampisara-bazana ny samy mpiasan’ny fahasalamana izany amin’izao fotoana izao. Tsy hijanona fotsiny amin’izao ny mpikambana fa hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana satria ambarany fa tsy ara-dalàna ny fisian’ny fikambanana faharoa nipetraka taorian’ny fifidianana noterena hatao fotsiny tsy tao anatin’ny fivoriambe.
Vonjy
Seho roa ho an’ny tarika Filah. Ny 1 mai amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Chez Baba Isoraka. Vahiny nasaina manokana i Belahy. Ny 3 mai amin’ny 2 ora tolakandro « Revy glita », ao amin’ny Chez Food by Valimbavaka Anosivavaka Ambohimanarina. Tafaraka amin’ny tarika Filah amin’io i Belahy sy Hery Vaika. Marihina fa iray amin’ireo tarika miangaly ny vazo miteny ry Filah.
Kolontsaina sy zavakanto, singa roa sarotra sarahina. Fototra iraisana kosa ny soatoavina. Tsy mitovy tanteraka anefa ny soatoavina. Io no mahatonga ny fahasamihafana eo amin’ny maha kanto na tsia ilay kolontsaina sy ny zavakanto. Tranga mila fitandremana fatratra ihany koa. Anisan’ny zava-dehibe amin’izany ny fifanajana.
« Revy Glita Vazo miteny », hiarahana amin’i Ifanihy. Fampisehoana manana endrika fitsangantsanganana ao amin’ny Anat’Sah Ambohitrimanjaka, ny 21 avrily, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hanotrona eny an-toerana i Phar Alha sy ny gitarany. Seho anisan’ny hitondran’i Ifanihy ireo vazo nahafantarana azy.
Miroborobo fatratra ny kabary, raha jerena amin’ny isan’ny mpianatra. Mbola mipetraka ho lesoka, anefa, ny tontolon’ny fomba amam-panao izay mifamatotra amin’ny kabary. Tafiditra ao anatin’izany ny fahalalana momba ny teny sy ny hasina ananany. Ny dikany sy ny hevitra fonosiny, sns. Mila hamafisina kokoa ny fianarana momba ny fomba amam-panao eo amin’ny tontolon’ny fampianarana kabary.
Tafaverina an-tanindrazana omaly, ny Makis, avy niatrika ny «Challenger Series», tany Krakow Pologne, ny 12 sy 13 avrily lasa teo. Teo am-pahatongavana, naneho ny heviny mahakasika ny lalao tany an-toerana i Mboazafy Noé (Coach Razily). «Azo lazaina fa tsara ny vokatra. Afaka noresena avokoa ireo ekipa saingy lesoka ny fikoropahana sy ny tsy fahampiana traikefa miampy ny toetr’andro mangatsiaka be», hoy izy. Marihina fa tsy nitsanga-menatra ny Makis, izay nitana ny laharana fahadimy. Raha hiverenana ny vokatra, fandresena telo sy faharesena roa. Teo amin’ny lalao isam-bondrona, resin’i Canada, 29 no ho 24, ary lavon’i Portugal, 19 no ho 10, ny Makis de Madagascar. Nanomboka teo amin’i Japon vao nahazo fandresena foana i Madagasikara. Lavon’ny Malagasy, 26 no ho 12, ny japoney avy eo nanilika an’i Tonga, 40 no ho 17. Farany, noresen’ny Makis, tamin’ny isa 24 no ho 14, i Chili, teo amin’ny fiadiana ny laharana fahadimy. Notsiahivin-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, fa ekipa tompondaka ny «Challenger Series», tany Cape Town, Afrique Atsimo, ny volana febroary lasa teo i Chili. Araka ny vaovao azo omaly, hiomana avy hatrany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao atsy Maurice, ny volana jona izao, ireto Makis ireto, aorian’ny fetin’ny Paka.
F.R