S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 29 min

SOMBIM-BAOVAO

mar, 04/15/2025 - 09:09

Tohin’ny “Morengy Iarivo” natao teto Antananarivo, ny 6 avrily lasa teo, hiditra amin’ny avo lenta kokoa ny fifaninanana izay karakarain’ny Boîte Noire. Hisy, araka izany, ny “Morengy International” hatao ny 18 mey izao, any Nosy Be. Ady anisan’ny andrasana ny fifandonan’i Manu Phoenix avy any La Réunion sy ny Malagasy, i Black Canon (Club Scorpion).

Nanatanteraka fivoriambe ny alahady 12 avrily lasa teo, ny teo anivon’ny Federasionina malagasin’ny volley-ball, izay natao teny amin’ny ANS Ampefiloha. Niroso avy hatrany tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy U14 sy U18, ny fandaharam-potoana. Fifaninanana haharitra hatramin’ny 18 avrily izao.

Ho fantatra manomboka anio ny anaran’ireo klioba efatra tafita any amin’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions 2025 ». Araka ny fikarohana natao, hifanandrina anio, ao Iduna Park Allemagne, ny Dortmund Allemagne sy ny FC Barcelone Espagne.

Nahazo karatra mena, nandritra ny fihaonana tamin’ny Deportivo Alaves, ny alahady lasa teo, i Kylian Mbappé, mpilalaon’ny Real Madrid Espagne. Araka ny fantatra, mety tsy hilalao amin’ny fihaonana efatra any Espagne ity mpilalao ity. Araka izany, ahina ny tsy hanatrehany ny famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Espagne.

Catégories: National

Dihy ara-panatanjahantena : Hatao ny 29 avrily izao ny fifidianana

mar, 04/15/2025 - 09:09

Nifarana omaly alina ny fara fandraisana ny antontan-taratasy firotsahana hofidina ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena. Mbola tsy fantatra kosa anefa hatreto ny isan’ny kandidà fa miandry ny famoahana izany amin’ny fomba ofisialy. Saingy raha ny loharanom-baovao dia tsy kandidà tokana fa misy mpifanandrina. Tsiahivina fa ny talata 29 avrily izao no hanaovana ny fivoriambe arahin’ny fifidianana izay hitantana ny federasionin’ity taranja ity, ho an’ny 4 taona manaraka. Hitana andraikitra goavana amin’ny fampandrosoana ity taranja ity izay ho lany eo ary antenaina fa hitondra fampivoarana ho an’ny dihy ara-panatanjahantena malagasy eto an-toerana sy any ivelany. Anisan’ny fepetra napetraka rahateo ny tsy maintsy fahavitrihana eny anivon’ny klioba, na ligy, na federasionina no afaka nirotsaka hofidina, izany hoe, mahalala tsara ny filan’ity taranja ity ka afaka ny hitondra fampandrosoana.

Mi.Raz

Catégories: National

Motorshow 2025 : Nahasarika olona maro ireo fiara hiaka farany

mar, 04/15/2025 - 09:09

Nianoka ny fahafinaretan’ny taranja mekanika ireo mpitsidika tonga maro tetsy Mahamasina nandritra ny “Motorshow 2025”, andiany faharoa. Afapo ny maso, nahazo fafiny ny vatana nahita sy niaina ireo fireondreon’ny moteran’ireo fiara sy kodiaran-droa naseho nandritra ny roa andro.

Fahombiazana ny “Motor­show 2025”, andiany faharoa. Fihaonana sy fampirantiana ireo fiara sy kodiaran-droa, notanterahina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy 13 sy ny alahady 14 avrily lasa teo. Hetsika nokarakarain’ireo tanora ao anatin’ny tontolon’ny familiana fiarakodia sy moto. Nihoatra lavitra noho ny tamin’ny andiany voalohany ireo mpitsidika, nahitana sarangan’olona samihafa, lehibe, ankizy, tanora ary zokiolona, gasy sy vahiny nankafy ny taranja mekanika, araka ny nambaran-dRanaivo Tojo, tomponandraikitra voalohany.
Nahatratra 220 ny totalin’ireo fiara sy kodiaran-droa naranty, nahitana ireo tranainy sy ny hiaka farany. Tao ireo fitondra amin’ny fifaninanana sy ny tsotra amin’ny marika isan-karazany, toy ny “Peu­geot, Renault, citroen, Wolks­wagen, Ford, Mustang, Ferra­ri… Nahavariana ny maro ireo fiara taloha, 2CV, 404, 403 sy ny hafa tamin’ny endriny raitra sy kanto. Teo koa ireo vaovao, toy ny Lamborghini sy ny Tesla, nahasarika ny ankamaroan’ireo mpitsidika.
Nanazava tamin’ireo mpitsidika ny amin’ireo fiara narantiny moa ireo tompony. Naseho tao koa ireo fiara madinika “miniature”. Ho faha­tsiarovana, afaka naka sary niaraka tamin’ny fiara nankafiziny ireo mpitsidika. “Hoentina hanampiana ireo hopitaly mikarakara zaza marary tsy misy mpiahy ao aminy eto an-drenivohitra ny vola rehetra azo tamin’ity “Motorshow 2025” ity”, hoy Ranaivo Tojo. Nomarihiny fa tsy fitadiavana tombontsoa ny nanaovana ny hetsika fa fifampizarana zavatra ankafizina ary entina hanampiana ny mpiray tanindrazana mila vonjy. Ankoatra ny “Motoshow”, nisy fisarihana tombola nahazoana tapakila hitsidihina an’i Dubai koa, ho an’ireo mpanatrika.

Torcelin

Catégories: National

Vokatry ny ady teny an-dalana : Lehilahy iray maty voahitsaky ny fiara tetsy Anosibe

mar, 04/15/2025 - 09:08

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona te­tsy Anosibe, ny alahady atoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany, lasa teo. Nisan­gisangy ary heverina ho raikitra ady teny afovoan’ny arabe akaikin’ny Rond-point « Akoho », ireo roa lahy, 42 sy 38 taona. Voalaza fa mamo ny lehilahy iray tamin’ireo izay nitarika ny ady, raha ny loharanom-baovao tamin’ireo nanatri-maso. Mpivarotra sy monina etsy amin’ny fokontany Anga­rangarana ny iray. Raha toa ka mpamboly mipetraka any Alarobia Antanamalaza ilay lehilahy mamo. Nisy taxi-be mpitatitra olona nandalo ny lalana izay nisian’ny ady ka nahavoadoana azy roa lahy ireo. Naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy izy roa lahy. Nentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha moa ireo olona roa naratra mafy ireo. Tsy tana anefa ny ain’ilay lehilahy monina eny Angaran­garana rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Tezitra noho ny ratra mafy nahazo ilay lehilahy monina eny Angarangarana ireo mponina sy ireo vahoaka nanatri-maso taorian’ny tranga. Nikasa ny hanao valifaty tamin’io lehilahy mamo io, izay heverin’izy ireo fa anton’ny disadisa teo amin’ny roa tonta. Tonga nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana teny an-toerana ny avy amin’ny polisim-pirenena CSP5 Ma­hamasina.

Mino

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

mar, 04/15/2025 - 09:01

Raikitra indray ny « Concert à l’U », na ny fampisehoana zavakanto eny amin’ny Oniversiten’Anta­nanarivo. Hotontosaina ny zoma 18 avrily izao izany, manomboka amin’ny 3 ora, ao amin’ny Craam Ankatso. Hifandimby an-tsehatra amin’io ry Kabôsy Spirity, Mbaoé, MTF, Rolf ary ny Vain’Af. Gadona maroloko, kanefa maneho ny lokon’ny mozika fanome sehatra eny amin’ity toerana ity ireo.
Taona 2025, mandia ny faha-30 taonany ny Zanabaliha. Taona nanomboka namerenana tsikelikely ireo sampana nisy tao aminy. « Mandroso ny asa. Efa nisy ny dingana vita », hoy ny tomponandraikitry ny fifandraisana ivelany, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nampahafantarina ny fiverenan’ny sampana kabary, soratra, dihy malagasy. Manohy ny asany kosa ny fampianarana valiha sy fomba amam-panao malagasy.
Notanterahina ny 12 avrily lasa teo, tany amin’ ny kaominina Sabotsy Ambohitromby, ny lanonana fitokanana sy fitsofan-drano ny tropy mpanao hiragasy vaovao Rafidison Désiré. Nisy ny ady hiragasy nifanandrinan’ izy ireo tamin’ny tarika Rasoalalao Kavia, izay efa ma­nana ny toerany. Nitarika ny fitsofan-drano Rainimanga na Randrianasolo Jean De Dieu.
Mitohy ny lalan’ireo Malagasy miatrika ny fifaninanana miady hevitra any La Haye. Fifaninanan’ny samy oniversite izy ity, ka miditra amin’ny ampahavalon-dalana ireo solontenan’ny Oniversiten’Antananarivo, izao. Nandresy ny Oniversiten’i Palestine, tamin’ny isa 247 noho ny 233,5, ireto Malagasy mpianatra ireto.

Catégories: National

Na sarotra aza ny lalana : Manohy ny diany ny tarika Honoré Soukouss

mar, 04/15/2025 - 09:01

Taona 1998, nikirakira sy nandalina mozika Rakotonja­nahary Honoré, mitondra ny solonarana “Honoré Sou­kouss”. Mamoron-kira, mihira, mitendry zavamaneno ary mandrindra azy ireo. Nipoitra avy ao amina fianakaviana mpihiragasy izy. Anisany nanampy betsaka azy amin’ny fampiakarana hatrany ny lentan’ny mozika lalaoviny ihany koa ny naha mpikambana azy teo anivona antoko mpihira.

Mirona kokoa amin’ny fiangaliana sy ny famolahana ny ban-kira mihetsika (mozika tropikaly) ny tarika Honoré Soukouss, ahitana mpikam­bana 13 ankehitriny. Ampahany amin’ireo tsanganasa nahafantaran’ny maro ny tarika ilay vazo “Tsy misy miala eo Rasta”, “Sao dia mba tsy Ianao?”,
” Fitiavana no mampiray”,
” Randrana maro loko no ma­hatsara Anao”. Ity farany izay maneho ny maha kanto ny taovolo sy ny ampela mala­gasy.
“Hatevenina ny fitetezam-paritra sy ny fanajariana sanganasa vaovao amin’ity taona ity”, hoy Rakotonjanahary Honoré. Marihina fa, ankehitriny, ireo zanany lahy sy vavy no miara-mandrafitra ny tarika Honoré Soukouss. Ireo taranany izay efa hita soritra ny fitiavana sy ny talenta ananany eo amin’ny filalaovana ny mozika.
Na lalan-tsarotra aza no diavina amin’ny fanaovana mozika. Manohy hantrany ny diany ny fianakaviana Rako­tonjanahary Honoré. Mihazo mankany amin’ny fahombiazana.

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Misaona ny kanto malagasy: Nodimandry i Jojo (Ny omaly) sy i Jaqui (Feon’Ala)

mar, 04/15/2025 - 09:01

Vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny zavakanto, indrindra ny mozika. Samy nodimandry omaly, i Jojo, mpitendry vata maroafitsoka sy piano, sy i Jaqui, mpihiran’ny tarika Feon’Ala voalohany indrindra.

«Lasa moramora i Papa… », hoy ny fa­nambaran’i Poopy, omaly maraina, tao ami’ny pejiny « Facebook ». Nodi­man­dry ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy, teo amin’ny faha-79 taonany tokoa mantsy Ramahavalisoa José Allain Raymond, fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto hoe Jojo. Mpitendry piano sy vata maroafitsoka no tena nahafantarana azy. Tsotra, tsy mba tia misehoseho mihitsy, kanefa dia tao ambadik’ireo mpanakanto marobe i Jojo, ary anisan’ireny i Poopy, zanany.
Ny taona 1979 no tena nampisongadina an’i Jojo, fony izy nanao teatra tao amin’ ny Tropy Ramarokoto, Ana­lamanga. Nilalao, nitendry sy nihira mihitsy izy nandritra izany. Taty aoriana, nirona kokoa tamin’ny fitendrena, nanaraka ireo mpanakanto maro. Anisan’ireny i Voahirana izay anabaviny, ry Henri Ratsimbazafy, Salomon sy Romule, tao amin’ny Kintana Telo. Rehefa fampisehoana misy famerenana ny hiran’ny omaly, voaantso tao ambadiky ny vata maroafitsoka hatrany i Jojo. Lasa tarika mihitsy aza ny Ny Omaly taty aoriana, ary teo hatrany izy. Nanoro sy nampita traikefa tamina mpitendry maro ihany koa, amin’ ny maha mpitahiry vakoka azy, indrindra eo amin’ny lafiny fitendrena ireo hira taloha.

Vaovao ratsy roa

Mbola vaovao ratsy nampitaina omaly ihany koa ny fahalasanan-dRazafiarisoa Jaque­line na i Jaqui. Mpihira voalohany tao amin’ny tarika Feon’ Ala, niaraka tamin’i Lolona sy i Lalao izy, tamin’izany. Nalaza satria nitondra rivo-baovao teo amin’ny tontolon’ny mozika teto Madagasikara ny tarika Feon’Ala izay notarihin’i Charles Maurin Pôty tany amin’ny faramparan’ny taona 80 sy fanombohan’ny taona 90 tany ho any. Niavaka tamin’ny feo mangany i Jaqui tao anatin’ny tarika Feon’Ala andiany voalohany, ary nahavita fampisehoana sy fitetezam-paritra maro izy ireo tamin’izany.

Nangonin’i Zo ny Aina

Catégories: National

FANTINA sy FINTINA

mar, 04/15/2025 - 09:00

Hamboarina ny lalana rehetra eto Antanana­rivo, araka ny nambaran’ny governoran’ny faritra Ana­lamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohi­dahy, omaly. “Efa nampanantenaina ny vahoakan’Antanana­rivo izany fa somary hafainganina kokoa ny fanamboarana azy. Ezahina vitaina ny lalana rehetra”, hoy izy.

Niaraka niombom-bavaka tamin’ireo Mala­gasy any Paris ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, tamin’ny alahadin’ny sampan-drofia teo. Nan­teriny fa fiomanana amin’ny fiakarana ary fankalazana ny fahafahana ny Paka. “Zava-dehibe loatra izany eo amin’ny fiainantsika sady fety kristianina, ambony indrindra iorenan’ny finoantsika”, hoy izy.

Ifarimbonana ny andraikitra, araka ny nambaran’ny minisitra, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. “Tsy voninahitry ny minisitera izatsy na izaroa no arovana fa voninahitry ny firenena manontolo. Tranobe iraisana i Madagasikara ary mifanome tanana ny eo anivon’ny governemanta”, hoy izy.

Manana tanjona ny hampiroborobo ny fifampiankinana, ny fandrosoana iraisana, ary ireo soatoa­vina maneran-tany, amin’ny alalan’ny diplomasia parlemantera ny fihaonamben’ny filohan’ny parlemanta “ISC”, natao tany Seoul Korea. Nivoitra izany tamin’ny famintinana nataon’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, niatrika izany.

Catégories: National

Fitsarana Tampony: Laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly

mar, 04/15/2025 - 09:00

“Rehefa apetraka amin’ny toerany ny lehiben’ny fitsarana iray dia tsy maintsy manolotra vina vitsivitsy. Ny ady amin’ny kolikoly no voalohany indrindra amin’izany, izay fanambin’ ny fitondrana ankehitriny ary imasoan’ny minisitry ny Fi­tsa­rana”. Io ny nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna ambony amin’ny fitsarana Tampony, Andriamahavory Christian Paul, tamin’ny lanonam-pitsarana manetriketrika teny amin’ ny fitsarana Tampony Anosy, omaly, taorian’ny fianiananany. Eo koa ny fanafainganana
ny raharaham-pitsarana mba hitsinjovana ny vahoaka. Toy izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa sy ny fomba fiasa ary ny fomba fandraisana an’ ireo manan-draharaha eo anivon’ny fitsarana, ny fanadio­vana ny toeram-piasana mba ho mendrika.
Tsy hadino ny fampirisi­hana sy fanentanana ary fani­tsiana ireo mpiasa eo anivon’ ny fitsrana mba hanana fitodran-tena mendrika amin’ny asam-pitsarana. Eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, amin’ny maha mpikambana eo amin’ny sehatra nasionaly, ny lehiben’ny fampanoavana ambony amin’ny fitsarana Tampony dia tsy maintsy ho­jerena akaiky ireo raharaha manana fahasarotana manokana. Eo koa ireo mety hiteraka fisavorovoroana, mifandray amin’ ny lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany manerana ny Nosy. Mavesatra ny andraikitra, ka tsy efa sy tsy zakany irery. Koa manentana ny mpiara-miasa izy ho soroka miara-mi­lanja sy ho tongotra miara-mamindra hampan­droso sy hanao tsara ny endriky ny fitsarana eo anatrehan’ny va­hoaka.
Nanao fianianana sy napetraka tamin’ny toerany koa ny tonia mpampanoa lalàna ambony amin’ny fitsarana Ambony, Antananarivo, Raza­findralambo Didier Alban An­driamahazonoro.

R. Nd.

Catégories: National

Asan-jiolahy ao Toamasina : Nanova fomba fiady indray ny jiolahy

lun, 04/14/2025 - 09:16

Nisy ny baiko hentitra nampetraky ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, sy ireo minisitra misahana ny fandriampahalemana izay nivory nikaton-trano tao amin’ny tobin’ny miaramila Jenia etsy Mangarano Toamasina, ny 5 avrily lasa teo. Vokany, nihamafy ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana. Tsy tery lalana anefa ireo jiolahy fa nanova paikady indray. Mandritra ny fotoam-pivavahana maraina niditra tamin’ny 5 ora tetsy amin’ny Ekar Fo mason’ i Jesoa Tanambao V, fiara tsy mataho-dalana iray indray no nisy nangalatra teo anoloan’ny fiangonana. Raha hiverenana dia fanindroany izao no nisy fiara very teo anoloan’ny ny fiangonana. Fiara hafa iray indray mbola 4X4 ihany, vaky fitaratra tao an-tokotanin’ny Hopitalibe, ny 11 avrily lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany alina. Raha hiverenana dia nitrangana fahaverezana fiara ny 23 marsa, teo anoloan’ny fiangonana Betela Tanambao V. Ny androtr’io ihany, teo anoloan’ny Ekar Ste Joseph katedraly, moto cros iray very izay samy teo anelanelan’ny tamin’ny 5 ora ka hatramin’ny 6 ora sy sasany maraina. Vao ny 10 avrily
teo, moto iray ihany koa  nanjavona teo anoloan’ny tra­nombarotra iray eo amin’ny Araben’ny fahaleovantena. Raha tsorina, lasa mitodika any amin’ny halatra fiara sy moto ireo jiolahy. Ho an’ilay fiara vaky fitaratra tao amin’ny hopitaly, ohatra, dia very avokoa ny badge Ambatovy, carte statistique , carte fiscale, carte RCS , carnet de chèque BOA fitomboka an’ny orinasa Madatek, raha tsy hilaza afa-tsy ireo.

Sajo

Catégories: National

Toliara : Jiolahy roa voatifitry ny polisy

lun, 04/14/2025 - 09:16

Jiolahy telo mitam-piadiana no nikasa hanafika tranombarotra iray ana karana ao Toliara, ny alahady maraina teo. Nahazo vaovao momba izany ny polisin’ny UIR Toliara ka tonga ara-potoana nanao ny asany. Vokany, nandamoka ny fanafihana saika hataon’ireo jiolahy. Nisy ny fifanandrinana satria nitifitra avy hatrany ireo jiolahy raha vao nahatazana ny polisy. Nandritra izany, maty voatifitry ny polisy ny roa amin’ireo mpanao ratsy fa tafaporitsaka kosa ny iray izay mbola karohina hatramin’izao. Nahitana basy poleta roa sy bala 22 tany amin’ireo olon-dratsy ireo rehefa nosavaina, izay saika hampiasainy tamin’ny fanafihana. Voasoroka mialoha anefa izany ka tsy tanteraka hatramin’ny farany. Tsy nisy ny zavatra very tao amin’ilay tranombarotra. Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

CMS

Catégories: National

Depiote Ratsiraka Sophie : « Tsy azo ekena ny tsy fahamarinana »

lun, 04/14/2025 - 09:15

Nitondra fanazavana manoloana ny « Raharaha Vato­mandry », ny depiote Ratsiraka Sophie. Mazava ny nambarany. « Tsy manome lamosina ny fanjakana aho fa manome lamosina ny tsy fahamarinana », hoy izy. Niarahaba ireo ben’ny Tanàna lany tamin’ny fahamarinana sy fomba ara-dalàna sy ara-demokratika ny tenany. Nankahery kosa ireo tsy lany nandritra iny fifidianana farany teo iny. Nambarany anefa fa nosamborina sy nampidirina an-tranomaizina ny ” Assistant Parlementaire ” miaraka anakiray nandritra ny hetsika nataon’ny fokonolona ho fanoherana ny fametrahana samboady an’ ireo ben’ny Tanàna miisa roa, ny sabotsy teo.  Tsy lanim-bahoaka araka ny vokatra navoakan’ny Ceni ireo, araka ny nambarany. « Naka sary ny hetsika no nataony anefa nosamborina sahala amin’ny olon-dratsy satria tsy azo atao hono ny maka sary », hoy izy. Miisa telo ireo voasambotra araka ny nambarany hatrany.
Notanisainy koa fa nisy kilemaina ihany koa noratrain’ny filohan’ireo ben’ny Tanàna. Nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana anefa arirarira fa tsy maintsy miandry torolalalana avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana vao afaka manokatra ny fanadihadiana ny fitsarana any an-toerana. Efa misy porofo sy ” certificat médical ” mazava anefa izany, araka ny nambarany. « Miady amin’ny tsy rariny Vatomandry ary miaro hatrany ny safidim-bahoaka », hoy izy

Synèse R.

Catégories: National

Fampandrosoana eny ifotony : Miketrika tetikasa hovatsiana vola ny JCA

lun, 04/14/2025 - 09:15

Efa nitondra anjara biriky ary mbola hanao izany ho fampandrosoana ireo tanora avara-pianarana any Antalaha ny « Jeunes Cadres d’Antalaha – JCA». Hanao hetsika izy ireo ho famatsiam-bola ny tetikasa ho an’ny mponina.

Tafiditra amin’ny fampivoarana ny fiainam-piveloman’ny mponina any amin’iny faritra iny ny hetsika fanangonam-bola hataon’izy ireo. Hotanterahina eny amin’ny Hôtel 5 étoiles Ivato ny andiany voalohany « Nuit de la Vanille », hafanain’ny tarika Jaojoby ny 9 mey izao.
Efa nanohana sy nanampy ny sehatra rehetra tany Antalaha ny JCA, hatramin’ny nitsanganany. Anisan’izany ny fanolorana fitaovana informatika, toy ny ordinatera sy ny kojakoja miaraka aminy ho an’ireo sekoly any an-toerana sy ireo tanora. Efa nanao hetsika sosialy teo amin’ny lafiny fahasalamana koa izy ireo tamin’ny alalan’ny « Tolo-tagnana » nanaovana fandidiana ny taona 2012 sy ny 2014, ho an’ny faritra Sava, indrindra tao Antalaha. Maherin’ny 400 ireo nisitraka izany.
Mivonona ny handeha lavitra kokoa izy ireo amin’izao hetsika izao ho fanatsarana sy fampivoarana ny tanàna. Natao hisarihana ireo mpizahantany izany sady ho endriky ny tanàna koa ary ho tombony ho an’ny mponina raha ny nambaran’ny mpitarika sy ny mpandrindra ny JCA, Jaonary Nerapide.
Araka izany, ho avy sy nasaina amin’izao hetsika izao avokoa ny mpanapa-kevitra sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny sehatra tsy miankina. Hiahy izany kosa ireo tomponandrakitra ambony ara-politika sy ara-toekarena. Fotoana iray koa io hihaonan’ireo mpisehatra amin’ny lavanila. « Maneho ny maha izy azy an’Antalaha sy ny maha renivohitry ny lavanila azy maneran-tany ny anton’ny nisafidianana ilay hetsika « Nuit de la Vanille » io », hoy ihany izy ireo. Nanteriny fa ilaina ny fandraisana anjaran’ny tanora ho fampandrosoana an’Antalaha ka iantsoana ny rehetra izany hiaraka hijery ny hoavin’ny tanàna, araka ny nambarany.

Synèse R.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

lun, 04/14/2025 - 09:14

Naharitra adiny 5 ny fivoriana tany Toliara mahakasika ny Base Toliara, ny 11 avrily teo. Nitarika ny fotoana ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny mpiara-miasa aminy, nihaona tamin’ireo raiamandreny any an-toerana. Noresahina ny tombony ho azo amin’ny tetikasa, satria zava-dehibe ny fifampihainoana atao an-kitsim-po, isorohana ny disadisa.
Hatsangana ny toerana fanodinana ny hazan-dranomasina any Ampilao Manakara. Anisan’izany ny fanaovana trondro asaly. Hisy koa ny fametrahana ny Faritra manokana fiompiana trondro (ZEP) any Ivakoana, kaominina Marofarihy, distrika Manakara. Natao sonia ny 11 avrily teo ny fifanarahana fanofanana sy fitantanana ireo fotodrafitrasa roa ireo.
Hanomboka ny fanonerana ara-bola ireo tompon-tany tafiditra amin’ny fanamboarana ny arabe migodana (Antananarivo-Toamasina). Voakasik’izany ny eny Tsarasaotra, kaominina Ambatolampy Tsi­mahafotsy (PK 0) hatreny amin’ny kaominina Anosiavo (PK 3). Dingana voalohany ity hatao ity, ary mbola hitohy tsikelikely.
Miisa 25 ny teknisiana niofana mahakasika ny teknikam-pamokarana Juncao. Fiaraha-miasa teo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny masoivoho an’i Sina eto amintsika ary ny Oniversite sinoa any Fujuan. Teknika mifototra amin’ny fambolena holatra, azo hatao sakafom-biby, miaro ny tany ary mampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha.

Catégories: National

IHF zone 7 cadettes et juniors filles: les gardiennes de but des Akio en forme ascendante

lun, 04/14/2025 - 09:00

La première partie du regroupement de l’équipe nationale malgache juniors filles et cadettes de handball, réservée aux gardiennes de but, en vue de l’International Handball Trophy (IHF) de la zone 7, du 27 au 31 mai au Palais des Sports Mahamasina, a pris fin le week-end à l’Académie Nationale des Sports (ANS), à Ampefiloha.

Au terme des onze jours de stage intensif à raison de deux fois par jour, les techniciens ont constaté que les joueuses affichaient un progrès remarquable.
« Stratégiquement, nous avons surtout travaillé sur les quelques techniques, pouvant pallier la taille moyenne des joueuses. Certes, il y a encore des corrections à faire mais en général, leur progrès est encourageant. Il ne faut plus perdre le rythme », a déclaré le coach national Hasina Lavis Raheriniaina. Pendant ce regroupement, les Akio ont également bénéficié de l’expérience du Réunionnais Gérald Mondo, meilleur gardien de but de l’océan indien.

Entre de bonnes mains
Le regroupement des Akio filles se poursuivra cette semaine avec les joueuses de champ qui sont au nombre de 24 dans toutes les catégories confondues. Cette fois, les sélections nationales seront entre de bonnes mains. Outre les deux entraîneurs nationaux, Hasina Lavis et Koko Jacqui, assistés par IZidane et Francis, le Malgache Mickael Randrianaivo évoluant à La Réunion et entraîneur de l’équipe nationale malgache lors des derniers Jeux des îles de l’océan Indien viendra également entrainer les joueuses présélectionnées.
Face aux quatre pays de la zone 7, à savoir Comores, Seychelles et La Réunion, les deux sélections nationales ambitionnent de réussir une double qualification à domicile.

Soafara Pharlin

Catégories: National

Rugby – Terres en Mêlées: 3.650 jeunes plants mis en terre à Satrokala Ihorombe

lun, 04/14/2025 - 08:59

Terres en Mêlées et Tozzi Green Madagascar agissent ensemble pour l’environnement. 60 jeunes de la Rugby Academy Ihorombe (RAI) venus des villages de Satrokala, Andiolava et Ambatolahy ont eu la main verte, le temps d’une journée, pour reboiser sur le plateau de l’Ihorombe où la préservation de l’environnement est un enjeu crucial. A travers l’initiative « Rugby & Reboisement », ils ont mis en terre 3.650 jeunes plants, illustrant ainsi la force du collectif pour construire un avenir plus durable.
« Cet événement a offert aux jeunes une expérience éducative immersive reliant les valeurs du rugby : esprit d’équipe, persévérance, solidarité, aux défis de la reforestation du plateau de l’Ihorombe », indique Julia Gony, cheffe de projet au sein de l’association Terres en Mêlées.

Rugby, levier d’éducation
Cette campagne de reboisement riche en apprentissages et en actions, a suscité un élan de solidarité. Outre l’éducation environnementale, la sensibilisation sur l’importance des arbres et de la biodiversité et l’expérience sportive et pédagogique avec une séance de rugby, chaque participant est reparti avec deux plants de manguier à cultiver chez lui, symbole d’un avenir qu’ils construisent ensemble.
« Comme sur un terrain de rugby, chaque joueur a un rôle essentiel (…) Dans la nature, chaque arbre contribue à l’équilibre de l’écosystème. Aujourd’hui, nous avons montré que le collectif et l’engagement de la jeunesse peuvent faire la différence pour reboiser le plateau de l’Ihorombe », poursuit-elle.
Lancée en 2016 par l’association Terres en Mêlées qui utilise le rugby comme levier d’éducation et d’insertion sociale avec le soutien de Tozzi Green et l’entreprise Mane, la RAI est un programme d’éducation utilisant une approche innovante associant formation sportive, sensibilisation environnementale et développement personnel. Une alliance sport-nature pour un impact durable.

Soafara Pharlin

Catégories: National

PFL 2024-2025: AS Fanalamanga et Fosa Juniors maintiennent le cap

lun, 04/14/2025 - 08:59

La 10e journée de la Pureplay Football League (PFL) 2024-2025, a mis à l’affiche des matchs intenses. Certaines équipes ont assuré pendant que d’autres ont pris une claque et se retrouvent dans le dur.
Sur le terrain des bonnes vibes, AS Fanalamanga a fait la différence. Les leaders ont mis une tête à FC Rouge 1-0, avec un but d’Avotra dans le money time à la 99e. Ce club totalise 22 points en 10 matchs et une chaise encore plus confortable en haut du classement. Fosa Juniors a aussi envoyé du pâté en plantant un 3-1 face à Ajesaia, avec Floriant qui ouvre le bal à la 15e, Fely qui enfonce le clou à la 20e malgré une réponse de Dina à la 19e et Benny qui met le couvercle à la 41e. Ils restent dans le coup à la 2e place avec 20 points en 9 matchs.
Les Disciples FC ont assuré leurs arrières en tapant AS Avenir Sainte Anne 2-0, grâce à Lalaina qui a fait parler la poudre à la 33e. Et Tsila qui a scellé l’affaire à la 91e, chipant la 3e place avec 20 points en 10 matchs. Elgeco Plus a mis les gaz en venant à bout d’Uscafoot 1-0, avec Mamisoa qui a fait la différence à la 56e, grimpant à la 4e place avec 19 points. Cosfa a carrément étrillé Tsaramandroso FC, sur un score sans appel de 4-0 bien sale, avec Toky qui a mis le feu en claquant un quadruplé à la 37e, 49e, 56e et 71e. Cette équipe occupe la 5e place avec 17 points. Mama FC a aussi fait une belle opération en allant chercher un 1-0 sur le terrain de CFFA, avec Firmin qui a fait mouche à la 81e, remontant à la 9e place avec 9 points.
En revanche, certains ont pris un sacré coup dans les tibias. Tsaramandroso FC, déjà dans le rouge, a été laminé par le Cosfa (4-0). FC Rouge s’est incliné devant AS Fanalamanga (1 à 0) et dégringole à la 10e place avec 7 points, la tête sous l’eau et une différence de -6. AS Avenir Sainte-Anne a pris l’ascendant devant Disciples FC, 2-0, et se trouve la 11e place avec 6 points, en plein dans la zone de relégation avec une différence de -8.
Ajesaia, malgré un pion de Dina, s’est fait corriger 3-1 par Fosa Juniors et redescend à la 7e place avec 14 points, loupant le coche pour se rapprocher du podium. Enfin, CFFA a craqué à domicile 0-1 contre Mama FC, glissant à la 6e place avec 14 points et mettant un coup d’arrêt à sa série.

Naisa

Classement après la 10e journée :

1-AS Fanalamanga : 10 MJ, 22 PTS (+3), 12 BM, 4 BE, +8 DIFF
2-Fosa Juniors : 9 MJ, 20 PTS (+3), 12 BM, 2 BE, +10 DIFF
3-Disciples FC : 10 MJ, 20 PTS (+3), 12 BM, 6 BE, +6 DIFF
4-Elgeco Plus : 10 MJ, 19 PTS (+3), 14 BM, 8 BE, +6 DIFF
5-Cosfa : 10 MJ, 17 PTS (+3), 18 BM, 12 BE, +6 DIFF
6-CFFA : 10 MJ, 14 PTS (0), 15 BM, 10 BE, +5 DIFF
7-Ajesaia : 10 MJ, 14 PTS (0), 9 BM, 8 BE, +1 DIFF
8-Uscafoot : 9 MJ, 9 PTS (0), 8 BM, 9 BE, -1 DIFF
9-Mama FC : 10 MJ, 9 PTS (+3), 8 BM, 11 BE, -3 DIFF
10-FC Rouge : 10 MJ, 7 PTS (0), 8 BM, 14 BE, -6 DIFF
11-AS Avenir Sainte Anne : 10 MJ, 6 PTS (0), 7 BM, 15 BE, -8 DIFF
12-Tsaramandroso FC : 10 MJ, 3 PTS (0), 4 BM, 28 BE, -24 DIFF

Catégories: National

Can féminine de Futsal 2025: le staff malgache à l’épreuve de l’inexpérience

lun, 04/14/2025 - 08:59

A l’approche de la première coupe d’Afrique des nations (Can) féminine de futsal, du 22 au 30 avril à Rabat (Maroc), Madagascar rêve d’un parcours audacieux dans le Groupe C, face au Sénégal et à la Tanzanie. Les Barea Ladies Futsal, portées par l’espoir d’atteindre les demi-finales, s’appuient sur un staff technique déterminé mais confronté à une réalité brutale, un manque criant d’expérience.

Sous la direction de Steve Princy Manitriniaina, l’encadrement malgache peut-il surmonter cet obstacle pour écrire une page d’histoire ? Nommé après le championnat national à Toamasina en mars 2025, ce dernier évolue dans un pays où le futsal émerge à peine. Ce sport, avec ses rotations rapides, son pressing intense et ses transitions éclair, demande une expertise tactique que Madagascar commence tout juste à explorer.
Depuis début avril, l’équipe s’entraîne sans relâche, peaufinant ses schémas tactiques et disputant des matchs tests pour roder ses joueuses. Mais le compte à rebours est impitoyable, à moins d’un mois du tournoi, le temps manque pour combler les lacunes.
Pourtant, ce staff ne part pas de zéro. L’équipe technique, ancrée dans le tissu sportif local, connaît parfaitement ses joueuses, un atout précieux. Le champion national, Disciples FC, fournit 5 éléments à la sélection, assurant une certaine fluidité dans le jeu. L’arrivée d’Andoniaina Rasamison, une joueuse expatriée, apporte une touche de diversité, même si elle reste isolée. Cette proximité et cette détermination insufflent une énergie palpable, essentielle pour une équipe en construction.
L’inexpérience pèse lourd

Face à des nations comme le Maroc, leader africain avec 907,63 points au classement Fifa, ou le Sénégal, 78e mondial, Madagascar découvre un monde inconnu. Le staff n’a jamais croisé d’adversaires de ce calibre ni disputé de compétitions internationales, ce qui bride sa capacité à anticiper les défis de la Can.
Puis, l’obstacle matériels n’aide pas. Sans gymnase dédié, certains entraînements se déroulent sur des terrains extérieurs, loin des parquets du futsal. La Fédération malgache de football, qui n’a acté sa participation qu’au dernier moment, a laissé peu de marge pour structurer l’encadrement. Les ligues régionales, freinées par des soucis financiers, n’ont pas pu offrir un cadre idéal pour préparer cette échéance.
Dans le Groupe C, ces lacunes dessinent un chemin semé d’embûches. Le Sénégal, favori incontesté, risque d’imposer un rythme écrasant lors du match d’ouverture le 22 avril. L’objectif sera clair : tenir bon en défense pour limiter l’écart et préserver ses chances au goal-average, pour une qualification comme meilleur deuxième. Tout se jouera contre la Tanzanie, le 24 avril. Ce face-à-face entre deux équipes sans classement Fifa est une opportunité en or.
En effet, pour Madagascar, les demi-finales restent un objectif atteignable. Une victoire contre la Tanzanie, couplée à une prestation solide face au Sénégal, pourrait suffire, surtout si les résultats des autres groupes, comme ceux du Cameroun ou de l’Egypte, laissent une ouverture pour le meilleur deuxième.

Naisa

Catégories: National

Langue anglaise – ITTI : plus de 120.000 étudiants formés

lun, 04/14/2025 - 08:57

La célébration du 14e anniversaire de l’Interna­tional Tefl/Tesol training institute (ITTI) hier à l’espace Rose By-Pass, a été l’occasion de rassembler formateurs, étudiants, anciens diplômés, partenaires éducatifs et invités d’honneur dans une ambiance festive et professionnelle.
« Dans un monde de plus en plus interconnecté, la maîtrise de la langue anglaise s’impose comme une compétence incontournable. Son enseignement, en constante expansion, ne se limite pas à un simple apprentissage linguistique, il sert à bâtir un pont entre les cultures. C’est aussi un moteur important de création d’emplois et de transformation socio-économique », a souligné à cette occasion Rene Fulgence Tovondrainy, CEO de l’institut, ayant formé plus de 120.000 apprenants depuis son implantation à Mada­gas­car.
Le ministère du Touris­me et de l’artisanat a particulièrement salué cette ini­tiative en phase avec l’un des trois piliers de la Poli­tique générale de l’Etat qui est la valorisation du capital humain.
« Pour atteindre l’objectif ambitieux d’un million de touristes à Madagascar d’ici 2028, une collaboration étroite entre différentes entités est essentielle. La formation aux métiers du tourisme et la création d’emplois sur ce secteur. Raison pour laquelle nous appuyons ce projet en faveur de l’épanouissement de la jeunesse malgache », a ajouté Franck Rakotoson, directeur des Normes, des Etudes et de la Formation au sein du Ministère du Tourisme.
La journée a été ponctuée de témoignages d’anciens étudiants, de remises de certificats d’honneur, et de prestations culturelles, valorisant la diversité linguistique et culturelle de l’île. Une bonne poignée d’artistes se sont relayés sur scène le temps d’un concert, avec en tête d’affiche Denise.

Joachin Michaël

Catégories: National

VOATIRY MPITATITRA ENTANA

sam, 04/12/2025 - 17:51

Catégories: National

Pages