S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 13 min

Tahirim-bola Decim: Nampahafantarina ireo kojakoja niomerika

sam, 04/12/2025 - 10:51

Laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny fampiasana ny niomerika hikirakiran’ny rehetra vola sy ho fisitrahana angovo, indrindra any amin’ireo lavi-toerana. Nampaha­fantarina, omaly, tamin’ny fomba ofisialy ireo kojakoja niomerika natao ho an’ny rehetra na ny «Appareils numériques abordables» tanterahin’ny tahirim-bola «Digital and Energy Connectivity for Inclusion in Madagascar» (Decim). Kendrena manokana ny hanamorana ny fifandrai­san’ireo «terminaux numériques» miisa 664 000 ary natokana ho an’ny vehivavy ny 400 000 amin’izany. Ma­matsy vola 24 tapitrisa dolara ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena. Manatanteraka ny asa kosa ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT) sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH). «Tanjona ny hisitra­han’ny isan-tokantrano ny teknolojia sy ny angovo», hoy ny minisitra Stephanie Delmotte, teny amin’ny Digital Center Antaninarenina. Misy, araka izany, ny «guichet unique» hamarotana ireo kojakoja niomerika misy «internet» ka hisokatra ny 22 avrily ny antso an-tetikasa ho an’ireo maniry hanaparitaka izany.

Teknolojia
Hitondra fanovana eto amin’ny firenena ny tetikasa, noho izy hanampy amin’ny fahaleovan-tena ara-bola ny vehivavy. «Heverina fa ha­nampy ny vehivavy hanodina ny orinasa ny tetikasa, indrindra ho an’ireo any ambanivohitra», hoy hatrany ny minisitra. Ankoatra izay, sehatra iray ahafahan’ireo tambajotram-pifandraisana mampidina ny saran’ny «data mobile» sy hampiroborobo ny fampiasana izany ny tetikasa.

Henintsoa

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

sam, 04/12/2025 - 10:51

Hatsangana ny fotodrafitrasa, toby mpihary herinaratra vaovao, eny Ambohimanambola, manana tanjaka 105 MW. Hanomboka amin’ny 24 avrily izao ny asa, satria efa tonga eny an-toerana daholo ny ankamaroan’ny fitaovana sy ny kojakoja ilaina. Tanjona ny tsy hiankinandoha amin’ny vondrona mihary herinaratra avy amin’ny tsy miankina.
Natsangana ny tanimboly ho vala fitaratra, hoenti-manatanteraka ny fitantanana maharitra ny tany any Andranomiditra, Endritany Valanony, faritra Matsiatra Ambony. Anisan’ny hampiharina any ny fambolen-kazo, ny ala vadim-boly, ny fandrakofana fambolena. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tefiala izy ity, entina hiofanan’ny tantsaha.
Nakarin’i Sina ho 125% ny haba alaina amin’ny entana avy any Amerika rehefa nakarin’ny filoha Donald Trump ho 145% ny haban-tseranana alaina amin’ireo entana avy any an-toerana. Tsy ara-dalàna ary manitsakitsaka ny lalàn’ny varotra iraisam-pirenena, hoy ny sinoa, ny fametrahan’i Etazonia haban-tseranana ambony loatra.
Tsy mitsaha-miakatra ny sandan’ny euro eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola. Nanomboka ny alatsinainy teo, maherin’ny 5 000Ar ny sandan’ny euro iray. Ahina hiantraika eo amin’ny vidim-piainana sy ny toekarem-pirenena ny zava-misy. Hiaraha-mahalala fa mbola miankindoha amin’ny fanafaran’entana i Madagasikara.

Catégories: National

Axian Telecom : 100 tapitrisa dolara hanitarana ny tambajotra

sam, 04/12/2025 - 10:51

Hanitatra sady hampiakatra ny tanjaky ny tambajotra 4G eto Madagasikara sy Tanzania ary hanohy ny fametrahana ny 5G ny orinasa Axian Telecom. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Global Gateway an’ny Vondrona eoropeanina ity hetsika ity, ka mitentina 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky eoropanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI). Amin’ny alalan’ny marika Yas no hanatanterahana azy, ka eto Madagasikara ny 40 tapitrisa dolara raha 60 tapitrisa dolara any Tanzania.
Nambaran’ny tale jeneralin’ny Axian Telecom, Hassan jaber, fa “hampiroboroboana ny fotodrafitrasan’ny finday ity famatsiam-bola ity. Hampiakatra ny fitomboan-karena sosialy sy toekarena, ahafahan’ny rehetra mampiasa ny niomerika”. Nanamafy ny filoha lefitry ny BEI, Ambroise Fayotte, «fa endriky ny fanohanan’ny BEI ny besinimaro hisian’ny fampandrosoana maharitra (ODD) napetraky ny ONU izao. Hitondra fivoarana mba hisian’ny fifandraisan-davitra avo lenta takatry ny rehetra».
Ho an’i Laurent d’Ersu, lehibe lefitra ao amin’ny masoivohon’ny UE eto amintsika, «endriky ny fahavononana hampandroso maharitra an’i Madagasikara ity tohana amin’ny alalan’ny BEI ity, na dia misy aza ny fahasahiranana ankehitriny».

Njaka A.

Catégories: National

Yearbook 2024-2025 : Nivoaka ny Tatitra ara-toekarena vokarin’ny EDBM

sam, 04/12/2025 - 10:51

Misy, ankehitriny, ny Tatitra ara-toekarena azon’ny mpampiasa vola jerena, mirakitra ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Hita ao daholo ny antontam-baovao mahaliana ara-potoana sy marina.

Nampahafantarina ny alakamisy 10 avrily teo ny fivoahan’ny gazety boky Yearbook, mirakitra ny tatitra ara-toekarena ho an’i Madagasikara 2024-2025. Namokatra azy ny Antokon-draharaha EDBM, notohanan’ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny Vondrona eoropeanina (UE) ary ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), ao ana­tin’ny Tetikasa fanarenana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara.
Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny EDBM, Randriamandranto Joël, fa “ao anatin’ity tatitra ity daholo ny valin’ireo fanontaniana na koa ny vaovao mahaliana ny mpandraharaha rehetra eto an-toerana na ny vahiny maniry hampiasa vola eto Ma­dagasikara”.
Aseho amin’ny endrika antontanisa ny antontam-baovao tena manan-danja na mi­songadina sasany na koa amin’ny ankapobeny. Eo koa ny sehatra manan-danja na mahaliana amin’ny fandraharahana. Hita ao ny fanavaozana napetraky ny fanjakana amin’ny fandraraharana, na koa ny paikady hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara.

Paikadin’ny fanjakana
Navoitran’ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola (MEF), Rabarinirinarison Rin­dra, ireo venti-kevitra lehibe ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) sy ny vina ho avy ho tanterahina. Toy ny fanamorana ny lafiny ara-ketra, ny sehatry ny fambolena sy ny jono hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ary ny fizahantany sy ny fitrandrahana harena ambanin’ny tany, sns. Anisan’ny tanjona ny fifanakalozam-barotra ma­lalaka (tsy andoavana haba) anaty tsenam-paritra, toy ny Sadc, ny Comesa, ny Zlecaf, sns.
Nijoro vavolombelona ta­min’ireo mpanatrika ny mpandraharaha na orinasa tsy miankina vitsivitsy nizara ny fahombiazany sy ny tombony azo amin’ny fandraharahana eto Madagasikara. Toy, ny Rio Tinto QMM, ny Atlantic Group, ny Star, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

Projet Base Toliara: le gouvernement à l’écoute des parties prenantes

sam, 04/12/2025 - 08:38

Une forte délégation gouvernementale, dirigée par le Premier ministre Christian Ntsay, accompagné de 11 ministres, s’est rendue à Toliara hier, pour aller à la rencontre de toutes les parties prénantes du projet Base Toliara dont la reprise actée par l’Etat, a soulevé de vives contestations par une frange de la population.

La reprise effective de Base Toliara, ne peut pas se faire dans un climat de tension entre les parties pour et contre, imputée aux opposants au régime. De plus, toutes les conditions sont désormais réunies pour mettre ce projet sur les rails, au profit du développement tant attendu de la région Sud.
Mais depuis l’annonce de la reprise de Base Toliara, les politiques s’en mêlent et n’hésitent pas à exercer une manipulation manifeste sur les individus mal informés, sur les tenants et aboutissants de ce projet d’envergure. Il est temps de faire taire les polémiques, dissiper les doutes au sujet de Base Toliara et convaincre les parties prénantes scéptiques quant au bien- fondé de ce projet phare. C’est la raison pour laquelle, le gouvernement est allé à leur rencontre.
Le Premier ministre Christian Ntsay a soutenu que « le projet Base Toliara offre une opportunité de développement économique à la région Atsimo Andrefana ». Et il n’a pas manqué de le rappeler hier à To­liara. Mais pour y parvenir, les notables, la population, les partis politiques, les civils et militaires, doivent se mettre au diapason et à l’unisson, à travers un dialogue constructif.
« Le gouvernement a toujours priorisé l’industrie. Et les ressources minières sont les principales richesses de l’Atsimo Andrefana », a indiqué Christian Ntsay. D’après lui, le projet Base Toliara est un puissant vecteur de développement en faveur de l’Atsimo Andrefana et que le chef de l’Etat a tout mis en œuvre pour sa concrétisation. « c’est toute la région qui en tire un profit, pas suelement les bailleurs», a-t-il affirmé.
Parmi les membres du gou­vernement présents à Toliara, le ministre de la Justice, celui des Forces armées, le ministre de la Décentralisation et de l’Aménagement du territoire, celui de l’Environnement.

Dialogue concluant

A cet effet, le dialogue mené qui s’avère concluant, a intégré tous les protagonistes de la crise, notamment des civils et militaires, des autorités religieuses et traditionnelles, des techniciens de la Base Toliara, des représentants des partis politiques pro et contre le projet, ainsi que des représentants de différentes associations.
« Nous sommes à l’écoute de chaque partie et avons pu expliquer les retombées du projet », a fait savoir Christian Ntsay qui reste confiant quant au succès du projet.
« Les travaux reprennent au sein de la Base et les responsables se disent prêts à étudier toutes les éventualités. D’ailleurs, ils sont déjà à pied d’œuvre pour ré­soudre les problèmes mineurs », a-t-il conclu.

T.N

Catégories: National

Kiraro sy tenisy lamaody: Ny vehivavy no tena mpanjifa

ven, 04/11/2025 - 13:24

Singa iray ao anatin’ ny lamaody ny resaka kiraro, ny tenisy, amin’izao fotoana izao. Mate­tika betsaka izy ireny eny rehetra eny. Nisy ny fana-dihadiana natao tamin’ny mpivarotra kiraro iray eny Analakely, izay nisafidy ny tsy ho alaina sary.

Nilaza i Nary, mpivarotra kiraro lamaody iray eny Analakely, fa ny vehi­vavy no tena betsaka mividy entana eo aminy. Raha ny fanazavany ihany, maro ireo vehivavy manao varotra an-tserasera, izany hoe, maka entana dia mivarotra sy maka tombony any amin’ny toerana ivarotany.
Nambaran’ity mpivarotra ity ihany fa rehefa mandeha tsara ny resaka sy ny fiaraha-miasa, tsy misy ny olana amin’ ny varotra an-tserasera toy ireny. Ankoatra ireo zatovovavy manao varotra any an-kafa, ahitana renim-pianakaviana ihany koa eny an-tsena. “Misy ihany koa ireo renim-pianakaviana mijery ny kiraro mety amin’ny zanany na ho an’ny vadiny ary amin’ny maha vehivavy azy moa, tsy maintsy ataony ny mahatsara ny ankohonany”, hoy i Nary.
Amin’ny maha tsena azy ihany, misy ihany ireo lehilahy sy zatovolahy mividy entana eo amin-dry zareo. “Ireo lehilahy mbola ao anatin’ny hatanorana no tena manjifa eto, saingy ankavitsiana ihany ny faha­tongavan’izy ireo eto noho izy ireo mbola mianatra”, hoy hatrany ity lehilahy mpivarotra kiraro ity.

Krismasy vao misy tsena

Ny volana desambra amin’ ny andron’ny Krismasy no tena ahitana olona manjifa akanjo sy kiraro. “Rehefa Krismasy ihany no tena ahitana hoe mandeha ny tsena, fa ny an­koatra izay, tsy dia ahitana olona mividy kiraro izany”, raha ny tenin’i Nary. Nohama­fisiny hatrany fa indraindray aza tsy maharaka ny fanga­lana ny entana ary tena ady sisika ny olona miantsena eny Analakely rehefa fetin’ny Kris-masy.

Miankina amin’ny kalitao

Matetika lafo sy tsy dia takatry ny maro ny vidin’ireo kiraro tena tsara kalitao. Saingy, miezaka ihany izahay mitady ilay en­tana tsara sy mety amin’ny rehetra. “Misy amin’ireo mpanjifa no matetika tezitra rehefa maheno ny vidin’ilay kiraro, ka lasa mandeha any amin’ny hafa nefa somary lafo ny tenisy amin’izao. Ireo tenisy mitondra ny marika Air Jordan sy ny Nike TN ary ny Air force no tena mandeha”, raha ny filazan’i Nary.

Mahavelona
Araka ny fanadihadiana natao, efa manambady i Nary ary manan-janaka telo mianadahy. Raha ny fanazavana nomeny, mahavelona tsara ihany ny asa toy izao saingy ankehitriny somary sarotra ny mahita tombony no ho ny teo aloha, efa be­tsaka ny mpivarotra kiraro amin’izao fotoana. “Tsy omena tsiny izy ireny, efa sarotra tanteraka ny fiainana, ka tsy afaka hana­kana ny olona tsy hitady vola ny tenako”.
Nanentana ny tanora hiezaka sy hanao izay fomba tsara rehetra ahazoana vola moa i Nary, ary nanamafy fa tsy tokony hipetraka fotsiny ny tanora fa ilaina ny mitady asa sy ny manampy ny ray aman-dreny.

Fitia Randria

Catégories: National

MECC 2025: Hanokatra varavarana ho an’ny fifanakalozana lovainjafy

ven, 04/11/2025 - 13:23

Hotanterahina ny 28 avrily ka hatramin’ny 10 mey ny « Mission économique et commerciale au Canada » (MECC) andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny Chambre de commerce et de coopération Canada-Madagascar (Can-Cham).
« Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina amin’ireo tera­tany kanadianina. Hampaha­fantatra ihany koa ny vokatra sy ny fahaiza-manaon’ny Ma­la­gasy ary hanamafy ny fifanankalozana ara-borotra lovainjafy eo amin’ny firenena roa tonta », hoy ny filohan’ny Can-Cham, Ratovomanana Ando Lalaina. Hisy paikady hapetraka hiatrehana ny he­tsika hanamafisana ny fiaraha-miasa, hisy koa ny fampiofanana ireo Malagasy mpandraharaha hitrandraka ny tsena any an-toerana.
Mahatratra 11 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ireo hetsika dimy MECC voalo­hany. “Kendrena ny hampitomboana avo roa heny ny vokatra amin’ity taona ity », hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Mahasarika ny kanadia­nina ny vokatra malagasy ary mila hampahafantarina azy ireo ny tolotra sy loharanon-karena misy eto Madagasi­kara. « Miisa 13 ny orinasa malagasy handray anjara
amin’ny hetsika. Ao ireo mandraharaha ny sehatry ny fambolena, ny fizahantany, ny haitao ara-kajy mirindra, ny fanabeazana ary ny fitanta­nana mpiasa », hoy kosa ny tale mpanatanteraky ny Can-Cham, Rabenivo Elodie. Mari­hina fa handalo ao Toronto, Ottawa, Drummondvill, Victo­riaville, Shawinigan ary ao Nouveau – BrunsWick ny MECC 2025.

Henintsoa

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

ven, 04/11/2025 - 13:22

Notsidihina ny ampahan-dalana RN 5 eo anelanelan’Antalaha sy Marofinaritra. Nanatanteraka izany ny ekipan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ahafahana mijery ny fanatanterahana ny « Lalan’ny masoandro », vinan’ny filoham-pirenena. Mirefy 2 000 km ity lalana ity, mampitohy ny any avaratra hatrany atsimon’i Madagasikara.
Mitotaly 159 000 ireo mpandeha fiaramadina nandritra ny roa volana voalohan’ny taona ka nandray ny sidina iraisam-pirenena ny 48% ny mpandeha. Nidina 25% ny salanisa azo tamin’ireo vanim-potoana ireo saingy nahafa-po raha oharina ny tamin’ny taona 2024. Na izany, manohy ny ezaka hanatsarana ny tolotra ataony ny Aviation civile de Madagascar.
Miisa 19 ny Faritra arovana (AP) any amin’ny faritra Diana. Natao ny 8 avrily teo ny atrikasa fakan-kevitra hanatsarana ny torolalana fitantanana ny faritra voaaro. Nandray anjara tao ny Vovonana ho an’ny mpitantana ny Faritra arovana (PFGAP) sy ny tetikasa PA CIWT, eo ambany fiahian’ny minisitera Medd.
Manampy amin’ny fanomezana toky momba ny kalitao, ny fiarovana ny tolotra, ny mponina, ary ny fampiroboroboana ny harena ifotony ny fenitra amin’ny vokatra iray. Nisy ny atrikasa natao hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra hanatsarana izany. Hatreto, miisa 2 171 ireo fenitra hifanarahana sy eken’ ny firenena afrikanina mahakasika vokatra maro.

Catégories: National

Antenimieran’ny Varotra : Manohana ny Base ny mpandraharaha any Toliara

ven, 04/11/2025 - 13:22

Nihaona tamin’ny mpikambana ao anatin’ny Ante­ni­mieran’ny Varotra sy ny indostria (CCI) Toliara ny orinasa Base Toliara, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Naneho ny fahavononany hiara-kiasa akaiky amin’ny Base Toliara ny mpandraharaha any an-toerana. Noha­zavain’ny tomponandraikitry ny orinasa ny Drafitrasam-pampandrosoana entiny any amin’ireo kaominina voakasika.
Notsipihin’ny Talen’ny fi­fandraisana ivelany, Base Toliara, Mahafaritsy Samuel, fa “fitrandrahana harena am­banin’ny tany vaventy voalohany any Atsimo Andrefana ny Base, hitondra tombontsoa maro ho an’i Toliara. Hajaina ny lalàna, ny tontolo iainana ary ny vakoka ara-kolontsaina any an-toerana. Tsy afaka mandeha irery ny orinasa, fa tsy maintsy miara-miasa en­tina hampandrosoana ny faritra. Mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny Ante­nimieran’ny harena an-kibon’ ny tany, ny Biraon’ny kadasitra ambanin’ny tany (BCMM) ary ny Anteni­mieran’ny Varotra ny Base Toliara ».
Nilaza ny filohan’ny CCI Atsimo-Andrefana, Vahinin­tsoa Alain, fa « tena nazava sady nahafa-po ny vaovao nifampizarana. Nam­pihetsika ny finiavana ho an’ny mpandraharaha miisa 35 ao anatin’ ny CCI Toliara ny fifanakalozan-kevitra, ary vonona ho eo anilan’ny Base ny rehetra hampiroboroboana ny toekarena aty Toliara. Marihina fa hany orinasa mihary amba­nin’ny tany mangataka fiaraha-miasa amin’ny CCI Atsimo Andrefana ny Base. Entanina ny hafa mba hanao toa azy ».

Njaka A.

Catégories: National

Startimes : Tolotra manokana hiatrehana ny fety ho avy

ven, 04/11/2025 - 13:21

Manomana tolotra maromaro amin’ny televizionina ny Startimes, amin’izao antomotra ny fetin’ny Paka izao. Noha­zavain’ireo tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny orinasa, fa hisitraka ny tolotra ahazoana ny « bouquets supérieurs Classic sy Super, mitentina 50 000 Ar ny mpanjifa, raha manampy 5 000 Ar amin’ny bouquets Basis sy Smart andoavana 28 000 Ar isam-bolana. Faharoa, misitraka avy hatrany ny bouquets Classic sy Super ny mpanjifa raha handoa sarany roa volana amin’ny « Basic sy Super ». Fahatelo,
hahazo 10 andro fanampiny ny mpanjifa efa mampiasa ny Classic na Super.
Ankoatra izany, hisy televizionina malagasy telo vaovao homen’ny Startimes ny mpanjifa, ny MaTV, ny FreeTV ary ny GTV. Hisy koa ny famoahana fandaharana andian-tantara horonantsary (séries) miisa efatra vaovao Novelas (Turques, philippines, thailandaises) adika amin’ny teny malagasy, hita amin’ny televizionina Gasystar sy UPTV. Iarahan’ny Startimes miasa amin’ny trano mpamokatra matihanina eto Madaga­sikara ireo.

Njaka A.

Catégories: National

Taxation américaine : la filière vanille craint une perte de compétitivité

ven, 04/11/2025 - 08:38

La taxation américaine de 47% entre en vigueur dans 90 jours indique le rapport du conseil des ministres de mercredi. Les autorités malagasy multiplient les réunions avec la partie américaine. Parallèlement, les responsables et opérateurs issus de divers secteurs économiques nationaux se succèdent pour exprimer leurs inquiétudes.

“L’augmentation significative des droits de douane (47%) rendra les produits malgaches beaucoup plus chers pour les consommateurs et les entreprises américains. Cela pourrait entraîner une réduction de la compétitivité des produits venant de Madagascar et, à terme, de convaincre les clients américains à se tourner vers des alternatives moins coûteuses provenant d’autres pays, ou alors de producteurs locaux. En conséquence, les exportations de Madagascar vers les Etats-Unis risquent de diminuer fortement, ce qui affecterait directement les secteurs économiques les plus exposés, comme l’agriculture (notamment dans les filières vanille et café), les produits textiles et le secteur minier” explique, Andriatahina Rakotoarisoa, économiste.

“La situation se présente mal », regrette Georges Geeraerts, président du Groupement des exportateurs de vanille de Madagascar (GEVM). « Même si les Etats-Unis ne représentent que 15% de l’exportation de Madagascar, dans ces 15%, il y a la vanille dont 70% de la production partent vers le marché américain”, explicite-t-il.

Le président du GEVM craint donc une perte de compétitivité de la vanille de Madagascar. “Nous vendons la plus grosse quantité de vanille et nous avons des concurrents qui, ensemble, seront capables de répondre à la moitié de cette demande. Avec un stock à l’extérieur qui est assez important, il pourrait y avoir une réticence à acheter à Madagascar avec cette situation de frais supplémentaires”, poursuit-il, avant d’ajouter que “Les produits malagasy ne seront plus compétitifs étant donné que d’autres pays producteur de vanille sont taxés à 10% seulement”.

D’après les données, Madagascar a exporté 823 tonnes de vanille vers les Etats-Unis en 2022. Cette quantité a été de 434 tonnes en 2023, pour passer à 1.278 tonnes en 2024, sachant qu’en 2024, les Etats-Unis ont importé au total 2.600 tonnes de vanille.

Les clients américains qui se fournissent à Madagascar sont des industriels. Ce sont généralement des professionnels des arômes. D’après les précisions, les vanilles exportées vers les Etats-Unis sont destinées à l’extraction. Cela veut dire que les vanilles sont exportées sans la moindre transformation. Quand on évoque les éventuelles solutions : “Il va falloir être inventif et peut-être explorer de nouveaux marchés émergent” ajoute Georges Geeraerts,

“Il ne faut pas oublier que Madagascar produit la plupart des besoins en vanille dans le monde. Ce qui nous place en position de force”, rappelle pour sa part Lainkana Zafivanona Ernest, directeur général de la douane.
D’après Georges Geeraerts, l’une des solutions envisagées serait également de passer un peu plus par l’Europe. D’ailleurs, le Conseil National Vanille se réunit ce jour. D’autres acteurs de la filière vanille évoquent la transformation sur place même si force est de constater que cela ne sera pas pour tout de suite, puisque les industriels à Madagascar sont toujours confrontés à certains problèmes, pour ne citer que le coût élevé de la production sur place, ou encore le mauvais état des infrastructures. Certains envisagent de faire transformer la vanille brute en provenance de Madagascar dans des pays où la fiscalité est plus avantageuse, afin de l’exporter ensuite vers les Etats-Unis pour en tirer une marge, même minime. Mais dans tous les cas, globalement, “cette taxation pourrait diminuer les parts de marché des produits malgaches aux États-Unis”, note Andriatahina Rakotoarisoa.
Impact sur l’ensemble des exportateurs

L’économiste souligne que, d’une manière générale, les petites et moyennes entreprises (PME) malgaches risquent de subir un impact majeur de cette taxation. Selon lui, l’augmentation des coûts d’exportation, à travers les taxes et frais supplémentaires, rendrait difficile, pour beaucoup de PME, le maintien de leurs marges bénéficiaires, voire leur compétitivité sur le marché. Il a ajouté que certaines d’entre elles, notamment celles ne disposant pas des ressources financières ou logistiques suffisantes pour absorber ces nouveaux coûts, pourraient être contraintes de cesser leurs exportations vers les Etats-Unis.
Il précise par ailleurs que les grandes entreprises, ayant plus de ressources et des réseaux de distribution plus solides, auront probablement plus de facilité à absorber ces nouvelles taxes ou à les répercuter sur leurs prix. “Mais pour les petites entreprises, cela représente un défi considérable. Certaines pourraient également chercher de nouveaux marchés pour compenser la perte de compétitivité sur le marché américain”, ajoute-t-il.

Quelles stratégies pour contourner ou alléger ces barrières tarifaires ?

Selon Andriatahina Rakotoarisoa, plusieurs stratégies peuvent être envisagées par le gouvernement malgache et les acteurs économiques pour atténuer l’impact des nouvelles taxes imposées par les Etats-Unis. Il considère que la diversification des marchés d’exportation constitue une piste essentielle. Le pays gagnerait, selon lui, à réduire sa dépendance au marché américain en encourageant les exportateurs à se tourner vers d’autres zones, notamment l’Afrique, l’Asie ou l’Europe, où les droits de douane sont souvent moins élevés, voire inexistants.

Parallèlement, il insiste sur la nécessité de renforcer la compétitivité locale. Pour y parvenir, il préconise des investissements ciblés dans l’amélioration de la qualité des produits, la modernisation des infrastructures, ainsi que l’optimisation des processus de production. Ces efforts contribueraient à réduire les coûts de fabrication et à maintenir la compétitivité des exportateurs malgaches, malgré les nouvelles barrières tarifaires.

Il suggère également que Madagascar cherche à renégocier ses accords commerciaux avec les Etats-Unis, en mettant en avant les avantages d’un partenariat plus équilibré. Et d’évoquer notamment l’opportunité d’explorer des dispositifs préférentiels comme l’African Growth and Opportunity Act (AGOA), tout en précisant que cette initiative ne couvre peut-être pas les produits les plus touchés par la taxation.

L’économiste insiste aussi sur la nécessité d’un appui renforcé aux PME, avec la mise en place de dispositifs d’aide financière, de subventions ciblées ou encore de crédits d’impôt pour aider ces entreprises à absorber le choc, tout en soulignant l’importance de formations spécifiques pour renforcer leur compétitivité à l’international.

Enfin, Andriatahina Rakotoarisoa met en avant le rôle de l’innovation et la montée en gamme des chaînes de valeur. Il considère que les produits malgaches gagneraient à se positionner sur des segments de niche, notamment le bio, l’équitable ou de qualité supérieure afin de mieux répondre aux attentes du marché américain.

Tiana Ramanoelina

Catégories: National

Crise à l’horizon pour le textile

ven, 04/11/2025 - 08:38

“Si l’on n’arrive pas à trouver une solution, les produits les plus impactés seront le textile et la vanille”, alerte le DG de la douane à l’issue d’une réunion d’information de l’autorité malagasy avec les responsables américains mardi dernier.

En effet, cette nouvelle taxation arrive alors que la renégociation de l’AGOA est toujours en cours.

A Madagascar, on recense 53 entreprises franches qui exportent aux Etats-Unis. Le Groupement des entreprises franches et partenaires (GEFP) rassemble 110 entreprises franches dont la plupart œuvre dans le textile. D’après Rindra Lova Ny Aina Andriamahefa, directeur exécutif du GEFP, 60.000 emplois risquent d’être touchés par cette taxation américaine, alors que la filière textile du GEFP compte entre 85.000 à 90.000 emplois directs.

Le pays exporte essentiellement du textile vers les Etats-Unis, l’Afrique du Sud et en Europe, notamment la France, le Royaume-Uni et l’Allemagne. Ces produits occupent une partie non négligeable sous l’AGOA. Selon les chiffres communiqués par le Comité Interministériel AGOA, les exportations de Madagascar n’ont cessé de croître depuis la crise du Covid-19, sauf en 2023 où une baisse de 18% a été enregistrée et durant laquelle la valeur des exportations sous AGOA s’élevait à 201 millions de dollars. En début de l’année 2024, la filière avait affaire à une exportation d’une valeur de 28 millions de dollars au mois de janvier contre 15 millions de dollars en 2023.

Premiers impacts

“Nous avons besoin de précisions techniques. A l’heure actuelle, il y a des conteneurs qui sont en route vers les Etats-Unis. On se pose des questions si la taxe de 47% est déjà applicable sur ces produits”, s’interroge quant à elle Béatrice Chan Ching Yiu, présidente du GEFP. Mais quoi qu’il en soit, cette taxe ne sera pas supportable d’après ce responsable et ni les entreprises, ni les clients ne s’y attendaient. D’après toujours ses dires, les contrats avec les clients et les prix ont déjà été négociés en 2024 et ce, alors même qu’“Il y a très peu de marge dans le textile”. “Afin de minimiser les impacts pour eux, des clients ont déjà décommandé et envisagent de se tourner vers d’autres fournisseurs plus intéressants pour eux. D’autres diminuent la quantité de leur commande, tandis que certains nous ont demandé de différer les commandes. Ils espèrent surtout que des solutions émergeront entre-temps”, poursuit la présidente du GEFP. Pour ce groupement, le plus important est de maintenir les emplois. “Nous avons déjà connu l’épisode Covid. Même si, aujourd’hui, le risque et le contexte sont différents, les chômages techniques et licenciements ne sont pas à écarter et, d’ores et déjà, les entreprises concernées ont déjà suspendu les recrutements pour l’instant”, souligne Béatrice Chan Ching Yiu.

D’après les explications du DG de la douane, la valeur des exportations effectuées par Madagascar vers les Etats-Unis représente une valeur de 733 millions de dollars. A l’inverse, les produits en provenance des Etats-Unis qui entrent à Madagascar représentent une valeur de 53 millions de dollars. Il y a donc un déficit de 678 millions de dollars.

Madagascar importe principalement du gaz (environ 18%), des véhicules, des équipements ainsi que quelques matières premières. De son côté, la Grande île exporte vers les Etats-Unis des produits textiles (environ 56%), de la vanille, des huiles essentielles, du chocolat et des produits miniers (environ 30%) d’après toujours le numéro un de la douane. “S’ouvrir à d’autres marchés est toujours opportun. Quand un pays fait face à un déficit commercial, il faut prendre en compte plusieurs paramètres, dans les négociations, comme le tarif, par exemple (…). L’Union européenne qui est notre premier partenaire commerciale, dispose d’accords de facilitations des échanges avec l’Afrique, Caraïbes, Pacifique. Ces accords facilitent les échanges en exemptant de taxe les produits. Il est tout à fait envisageable de faire pareil avec les Etats-Unis qui est notre deuxième partenaire commercial”, relève le DG de la douane.

Effectivement, l’Union européenne demeure le premier partenaire commercial de Madagascar. En 2023, près de 30% des exportations malgaches étaient destinés à l’Union européenne et, en valeur, celles-ci ont atteint près de 50 milliards d’ariary, soit l’équivalent de 1 milliard d’euros. Cette dynamique commerciale s’appuie en grande partie sur l’Accord de Partenariat Économique (APE), en vigueur depuis 2012, ainsi que sur l’initiative européenne “Tout sauf les armes”, qui permettent à Madagascar d’exporter sans droits de douane ni quotas vers le marché européen. Les exportations malgaches vers l’Europe couvrent une large gamme de produits : le textile représente 30%, suivi de produits agricoles variés (29,5%), de produits industriels diversifiés (25%) et de produits halieutiques (15%). En outre, le nickel connaît également une croissance soutenue sur les marchés européens.

Tiana Ramanoelina

Catégories: National

Eco brèves

ven, 04/11/2025 - 08:37

L’envoyé spécial du Secrétaire général de l’ONU, Jean Todt partagera son expertise à l’occasion du « Road Safety Madagascar » ce jour au Carlton Anosy, sur le thème « Madagascar s’engage pour la vie, Madagascar s’engage pour sauver ses vies ». Durant son séjour dans la Grande île qui prendra fin le 13 avril, cet expert se donne pour mission de promouvoir une attention accrue sur la sécurité routière. Il a déjà rendu visite au Premier ministre Christian Ntsay et le ministre des Transports et de la météorologie, Valery Ramonjavelo. Le taux de mortalité à Madagascar est de 22,5 décès pour 100.000 habitants, selon les données de l’OMS.

Catégories: National

Digitalisation inclusive à Madagascar et en Tanzanie: 100 millions de dollars de la Banque européenne d’investissement

ven, 04/11/2025 - 08:37

Un vent nouveau souffle sur les télécommunications en Afrique de l’Est et dans l’océan Indien. Le groupe Axian Telecom vient de signer hier, un partenariat stratégique avec la Banque européenne d’investissement (BEI), débloquant un financement de 100 millions de dollars dont 40 millions en faveur de la digitalisation à Madagascar et en Tanzanie.
40 millions seront investis à Madagascar et 60 millions en Tanzanie. Objectif : améliorer la connectivité, moderniser les infrastructures numériques et soutenir les politiques nationales en matière de digitalisation.
« Ce financement va bien au-delà d’un simple soutien aux télécoms », a souligné Patrick Pisal-Hamida, vice-président d’Axian. « Il s’agit de bâtir un socle numérique robuste au service du développement économique et social », a-t-il ajouté. Une ambition partagée par la BEI, au bénéfice direct des citoyens.

Rattraper le retard numérique

A Madagascar, les enjeux sont immenses. Si l’opérateur Yas, filiale d’Axian, couvre déjà 85% du territoire en 2G, l’accès au haut débit reste très limité. Moins de 35% de la population en bénéficient, dans un pays où plus de 80% des habitants vivent en zones rurales. Pour combler ce retard, plus de 1.300 nouveaux sites 4G, seront installés, avec une priorité donnée aux zones enclavées.
La ministre du Développement numérique, des Postes et des Télécommunications, Stéphanie Delmotte, voit dans ce projet une opportunité pour rattraper le retard numérique du pays. Elle mise sur une jeunesse connectée et une technologie de qualité pour construire l’avenir. « Il ne peut y avoir de développement sans la jeunesse », a-t-elle affirmé.
Pour le vice-président de la BEI, Ambroise Fayolle, « La digitalisation promet des retombées concrètes : accès facilité à la santé et à l’éducation, création d’emplois formels, amélioration des conditions de travail, et émergence d’un nouvel écosystème d’innovation ».

Arh.

Catégories: National

Suspension des droits de douanes: un ouf de soulagement pour les entreprises franches

ven, 04/11/2025 - 08:36

Après une période de forte incertitude, les échanges commerciaux entre Madagascar et les Etats-Unis reprennent suite à la suspension inattendue des droits de douane, annoncée récemment par Donald Trump. Un ouf de soulagement pour les entreprises franches, qui disposent de 90 jours, pour négocier.
Depuis plusieurs semaines, les importateurs américains avaient freiné leurs commandes, plombées par une augmentation de 47% de taxes sur les marchandises en provenance de Madagascar. Cette mesure imposée dans un contexte de tensions commerciales mondiales, avait semé l’inquiétude parmi les travailleurs et les exportateurs locaux.
Mais en attendant la fin du sursis, les importations reprennent et la production repart à la hausse, selon les responsables du Groupement des entreprises franches et partenaires (GEFP). Lors d’une réunion tenue hier avec les responsables du ministère du Travail et de la Fonction publique et les représentants des employeurs, les entreprises ont senti un regain d’optimisme.
Si la trêve tarifaire reste temporaire, elle permet aux entreprises malgaches de souffler et de se réorganiser, tout en espérant une solution durable aux tensions douanières.

Arh.

Catégories: National

Vary lasa fitaovana politika : Aiza ho aiza ny voka-bary eto amin’ny Nosy amin’izao fotoana?

jeu, 04/10/2025 - 09:13

Tombantombana no betsaka raha ny tarehimarika no lazaina. Samy manana ny filazany, tombanana any amin’ny 1 600 000 ha ny tanimbary rehetra eto Mada­ga­sikara, mety hanome vary akotry 5 880 tapitrisa t, ny taona 2025.

Singa iray lehibe eo amin’ny raharaha politika koa ny vary ka azo hiadiana ny tarehimarika. Nampidirina any amin’ny tetibolam-panjakana 2025, nambara fa hisy fitomboana kely ny voka-bary amin’ity taona 2025 ity, 5 800 tapitrisa t, raha 5 320 tapitrisa t, tamin’ny 2024. Tarehimarika sarotra inoana raha jerena ny tanimbary tototra sy tsy fahampian-drano, na andro ratsy. Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy na ambanivohitra na an-ta­nàn-dehibe. Sakafo be mpamboly indrindra, manana ny toerany manokana, amin’ny se­hatry ny fambolena. Ampaha­ny maro, tanimbary mila rano, miandry orana. Ampahany kely ihany no miankina amin’ny fomba hafa, fa ny rano ihany no fototry ny fambolena vary.
Fomba efa
lany andro …

Tsy mahazatra ny maro ny mampihatra teknika vaovao hoenti-mamboly. Fanao ma­ha­zatra, izany hoe, fomba efa lany andro no mahazatra ny maro sy miankina amin’ny toetr’andro. Tombanana ho 30 % ihany ny fambolem-bary ma­naraka tekinika maoderina. Lany andro manomboka amin’ ny fomba fambolena, fiotazana, fitotoana azy.
Any amin’ny faritra Alaotra, ohatra, ny fiotazana ny “vary vakiambiaty”, manomboka ny volana avrily hatramin’ny jona, any Maro­voay ny “vary jeby”, manomboka ny volana jolay hatramin’ny septambra. Ankoatra izay, misy karazam-bary hafa, toy ny vary gasy”, “vary jeby” amin’ny faritra maro. Amin’ny fomba fambolena, saika itovizan’ny faritra rehetra ny mbola fampiasana omby. Zara raha misy amin’izao fotoana ny Malagasy mampiasa traktera na milina hafa … Alaotra no voalaza fa sompitra voalohany eto Mada­gasikara, 2,5% ihany no mampiasa fomba maoderina. Maro­voay, sompitra faharoa, tsy misy afa-tsy 0,6%. Araka ny fanadihadiana, tsy ny Malaga­sy tantsaha akory no malaina manaraka ny fambolena misy milina fa lafo loatra ho azy ireo ny vidiny na ny hofany. Kely ihany koa ny velaran-tany vo­le­na ho an’ny maro ka aleo ihany ny omby no hampiasana misarika angadinomby sy izay azo sarihina. Fantatra hatramin’izao, nanomboka tamin’ny taona 1980, manafatra vary ny eto Madagasikara hamenoana ny tsy ampy. Raha ny salanisa, mbola manafatra vary 320 000 t isan-taona ny eto Mada­gasikara. Efa nisy fotoana tafakatra 700 000 t izany. Hita fa nihena izany tato anatin’ny roa taona farany, araka ny voalazan’ny Observatoire du riz.

20 % no tena manao raharaha ara-barotra

Raha ny fanadihadiana ihany, manodidina ny 20 % monja ny Malagasy tena manao raharaha ara-barotra ny voka-bary, ankoatra ízay vao mivarotra, raha misy ambim-bava. Eo amin’ny vidiny indray, 4 200 Ariary ny vary fotsy ho an’ny mpanjifa. Tamin’ny taona 2024 no nisy fiakarana haingana indrindra, nanomboka teo amin’ny 3 100 Ariary hatramin’izao 4 000 Ariary mahery izao. Nilaza ny tantsaha sasany fa tsy mahita tombony tamin’izay fa tombontsoa ho an’ireo mpamongady ihany na mpanangom-bokatra.
Fambolena vary safiotra
Ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fitondrana amin’izao fotoana ny fambolem-bary safiotra. Fiaraha-miombon’antoka amin’ny fanjakana sinoa. Ny volana febroary teo, nizarana masomboly vary safiotra ny any Tanambe, Amparafa­ravola, faritra Alaotra, malaza amin’ny fambolem-bary. Ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no nitarika izany tany an-toerana. 1 400 tantsaha no nizarana 25 kg avy isaky ny ha, miaraka amin’ny zezika NPK 300 kg.
Ny tanjona dia ny hampahaleo tena ara-tsakafo ny rehetra, hampitombo ny voka-bary 1
tapitrisa t, sy hanondranana manomboka amin’ny taona 2027. 2 tapitrisa ha ny tanjona manerana ny Nosy, fa amin’izao fanombohana izao 50 000 ha, no hambolena izany karazam-bary safiotra izany, izay tokony hahazoana 10 t hatra­min’ny 12 t isaky ny ha. Nanaovana andrana koa ny tany Bongolava. Nambara tamin’izany koa ny fampitaovana ny mpamboly sy ny fotodrafitrasa lehibe, toy ny orinasa manodina zezika, tohodrano hampitomboana ny velaran-tany volena, lakandrano sy fitaovana maro hafa.

Nanatontosa : R.Mathieu

Catégories: National

Fanamboaran-dalan’ny 2AH : Nofanina ara-teknika ny ao Amboanana

jeu, 04/10/2025 - 09:12

Nanomboka ny fanamboaran-dalana ao Ampahimanga-Manalalondo. Anisan’ny tena ratsy ny 4km amin’ny 30km mampitohy an’Ampa­hima­nga – Amboanana, ka nambaran’ny filohan’ny ONG 2AH, Andriamihaja Andriatsimian­driambony Iadjah, fa hitadiavana fiaraha-miasa amin’ny faritra Itasy izany amin’ny fampiasana “Engin”. Na izany aza, hatao « piste » na lalantany mifanaraka amin’ny toe-tany ny fanamboarana ny lalana ka vinaniana haharitra 150 andro ny asa tanamaro ataon’ireo fokonolona. Manohana ireo fokonolona eo amin’ny vola sy fitaovana ity fikambanana ity. Eo koa anefa ny fampianarana ny teknika fanamboarana ny lalana mba hampateza izany na mandalo vanim-potoana fahavaratra aza. Miisa 250 ireo olona hahetsika mandritra ny 150 andro ka hihodina ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay. No­mena ireo fianakaviana miisa 300, omaly, koa ny PPN, nampanantenaina azy ary ny fampisakafoana olona 250 hafa tany amin’ny kaominina Am­boanana. “Tanjona ny hitaizana ny olona hahay hifanampy sy iray hina amin’ny fiainana fa indrindra hanohanana azy ireo hanatratra ny fanamboarana ny lalana hatramin’ny farany”, hoy hatrany ny filohan’ny ONG 2AH.

Synèse R.

Catégories: National

Fivorian’ny COI : Manentana ny mpanao gazety ny MSK

jeu, 04/10/2025 - 09:11

Nambaran’ny talen’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), Rasaony Pascal, fa hanana ny adidiny amin’ny fampitam-baovao ireo mpampahalala vaovao amin’ny fandraisana ny fivorian’ny COI eto Antananarivo. Nentaniny ny mpanao gazety mba hametraka dieny izao ny fangatahana fahazoan-dalana handrakotra ny fikaroham-baovao amin’izany. “Afaka mandefa fangatahana ho an’olona telo isaky ny orinasa fampahalalam-baovao ireo mpanao gazety mba tsy hahatompon-trano mihono ny vahoaka malagasy mandritra an’io fihaonana an-tampony io”, hoy izy. Niantso ny rehetra koa ny tenany mba haneho ny maha iray ny Malagasy ka hitandro hatrany ny voninahi-pirenena. Ny tsy fitovian-kevitra ara-politika azo tohizana ihany aorian’ny fihaonana, araka ny nambarany. “Aoka harovana miaraka ny voninahi-pirenena sy ny fiandrianam-pirenentsika”, hoy izy.
Momba ireo fotodrafitrasa kosa, nambarany fa afaka hisitraka sy hampiasa izany ny mponina satria hitoetra izany aorian’ny fivoriana.

Synèse R.

Catégories: National

WMG: Hanatanteraka « Salon du Chocolat et de la Gourmandise »

jeu, 04/10/2025 - 09:11

Hanasongadinana ny vokatra eto an-toerana no tanjona amin’ny « Salon du Chocolat et de la gourmandise », araka ny voalazan’ny mpikarakara. Hanampiana ny vehivavy hahaleo tena ny vola azo amin’izany.

Hotanterahina etsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy ho avy izao, tontolo andro, ny « Salon du Chocolat et de la Gourman­dise ». Hetsika andiany faha-7, karakarain’ny Wednesday Mo­rning Group (WMG). Nampiton­draina ny lohateny hoe: “Show Show Chocolat”. Ahitana hetsika samihafa, toy ny fampisehoana ny tontolon’ny chocolat, ny fampianarana manao lakozia sy ny maro hafa. Hetsika fanaon’izy ireo indray mandeha isan-taona izy io. Anisan’ny firenena mamboly cacao i Madagasikara ary manana cacao anisan’ny malaza indrindra maneran-tany. “Anasonga­dinana ny vokatra eto amin’ny firenena sy hahafahana ma­moaka ny talentan’ny Mala­gasy amin’ny famokarana vokatra vita amin’ny cacao ny antony nisafidianana ny tontolon’ny chocolat”, hoy ny filohan’ny WMG, Tsiranana Fiona, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy, omaly. Tanjona amin’ny hetsika ny hahafahana mahazo vola hikarakarana ny vehivavy sy hanampiana azy ireo hahaleo tena. Amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana azy ireo amin’ny sehatry ny fanjairana. Miara-miasa amin’ny fikambanana samihafa sy ny fokontany izy ireo amin’ny fisafidianana ireo vehivavy sahirana te hisitraka ny fiofanana. Manodidina ny 30 ireo mpandray anjara amin’io hetsika io.
Hisy ny famoahana ny andiana mpianatra mitondra ny anarana hoe: Felana, ny 16 avrily 2025 ho avy izao. Ankoatra izay, manao asa sosialy maro samihafa ihany koa izy ireo. Toy ny fanamboarana salaka vita amin’ny lamba azo sasana, izay zaraina ho an’ny mpianatra eny anivon’ny Lycée sy ny CEG.

Mino

Catégories: National

Iraky ny ONU : Hizara traikefa ho fisoro­hana loza an-dalambe

jeu, 04/10/2025 - 09:09

Nigadona teny Ivato, omaly, ny iraka manokan’ny sekretera jeneralin’ny ONU, i Jean Todt. Hanao fitsidihana momba ny fiahiana sy fisorohana ny loza eny an-dalana “Sécurité routière”. Hanatrika sy hizara ny traikefany momba izany izy mandritra ny fanombohana ny fanentanana ho fisorohana ny loza eny an-dalambe, hatao etsy Anosy, ny zoma izao. Tanjon’ity iraka ataon’ny ONU ity ny hanapariahana sy hampifantoka kokoa ny “sécurité routière” hatrany amin’ny faritany sy manerana izao tontolo izao. Akon’ilay kaoferansa minisiterialy maneran-tany momba ny fiarovana ny lalana natao tany Marakech, Maraoka, ny volana febroary lasa teo, izany. Eo koa ny tatitra maneran-tany momba ny fiarovana ny lalana, ny taona 2023.
Hiara-mijery koa anefa ny fiaraha-miasa amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro.

Synèse R.

Catégories: National

Pages