“Star Tour” Antananarivo : mpanakanto maro no hanafana ny Coliseum

Les Nouvelles - sam, 06/15/2024 - 08:02

Eny amin’ny Coliseum no hanatontosana ny “Star Tour” andiany faharoa amin’ity taona ity. Notsongaina manokana ireo mpanakanto hanafana izany.

Mpanakanto heverina fa mamaly ny filan’ny mpankafy amin’izao fotoana. Ireo no notsongaina hanafana ny “Star Tour” eto Antananarivo, izay andiany faharoa amin’ny hetsika amin’ ity taona ity. Hotontosaina ny 21, 22 ary 23 jona izao izany, eny amin’ny Coliseum de Ma­dagascar. Hanokatra ny andiam-pampisehoana ny zoma 21 jona, ry Dalvis sy Agrad & Skaiz, izay ho tafaraka indray ho famaliana ny hetahetan’ireo mpankafy. Hanohy ny andro faharoa ny sabotsy kosa i Ckycky sy ny tarika Ambon­dronA, izay andrasan’ny maro hatrany rehefa “Star Tour”. Hamarana ny fotoana ny alahady kosa ry Princio, Ljo ary Ceasar.
Na somary mirona any amin’izay ankafizin’ny tanora aza ny mpanakanto nalaina, natao ho an’ny rehetra kosa ny hetsika.
“Hisy hatrany ireo kilalao isan-karazany, ankoatra ny toeram-pivarotana maro. Manan-tsafidy amin’ny fialamboly izay mety aminy ny rehetra”, hoy ny nambaran’ny mpikarakara, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Star Andraharo. Ankoatra ny sehatra lehibe mantsy, hisy koa ny “Espace préssion”, natao ho an’ireo mankafy ny “ambiance clubbing”, miaraka amin’ireo mpikosoka kapila malaza, toa
an’i Dj Looping, Cyemci, ary Three-T. Tsy misaraka amin’ny “Star Tour” hatrany ny fa­nentanana sy lalao isan-karazany, izay hiandraiketan’i Eric Fou hehy sy i Bahrone.
Anisan’ny zava-baovao amin’ity andiany ity ny fisian’ ny vidim-pidirana izay zava-pisotro star amin’ny plastika kely, mitentina 1 500 Ar. Tafi­ditra ao anatin’ny fitandroana ny fandriampahalemana mandritra ny hetsika avokoa izany, satria azo fantarina amin’ny alalan’izay ny isan’ny mpijery tafiditra ao.

Zo ny Aina

Catégories: National

Ankohonana malagasy : ikaky no loham-pianakaviana

Les Nouvelles - sam, 06/15/2024 - 08:01

Rahampitso no voalaza fa hanamarihana ny « Fetin’ny ray ». Na nisy io na tsia, ho an’ny ankohonana malagasy, Ikaky no lohan’ny fianakaviana. Ineny kosa no tompon’ny tokantrano. Amin’ny maha lohany azy, mandalo eo anatrehany avokoa ny momba ny tokantranony. Na tsy miresaka mivantana amin’ireo menaky ny ainy aza izy, fantany amin’ny alalan’ny andefiman­driny ny antsipirihan’ny fiainan-janany. Natao ho mpitarika sy ho fakan-tahaka Ikaky. Hany ka tsy nahatazanana loham-pianakaviana doro-dava, kamo sy miandrandra fahagagana avy any an-danitra, sns, teo amin’ny fiarahamonina malagasy fahiny. Tsy mba nitarain-tana-miepaka Ikaky. Aminy, sarobidy sy saro-pady ny fanabeazana ny taranany. Maro ny fomba nentiny nanatanteraka izany. Tamin’ny ankapobeny, tsy navelany hanalavitra azy ireo zanany mba hahita sy hiaina ny tokony hatao eo amin’ny fiainana iray manontolo.
… Ny ankehitriny, tsy vitsy ireo dada tsy mahavita intsony ny adidiny amin’ny ankohonany. Miha maro ireo dada fitaratra mangavoka manoloana ny zanany. Fa, anisan’ny mampiavaka ny dada ankehitriny sy Ikaky fahiny ny fahamatoram-panahy !

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Lavanila: nahazo tohana avy amin’ny Cnuced

Les Nouvelles - sam, 06/15/2024 - 08:01

Tratra ny tanjona ho an’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (Mic) tamin’ny adisisika natao nandritra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny rafitry ny Firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced), tany Suisse. Nahazo tohana avy amin’ny sekretera jeneralin’ny Cnuced, Rebeca Grynspan, ny minisitera hananganana ny vondron’ny tany mpamokatra lavanila, (Vanilla International Organization na VIO) hiarovana ny vidin’ny lavanila. Nitondra tenin’ireo tany mpamokatra lavanila i Madagasikara nandritra ny fihaonana an-tampony rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ireo firenena mpiara-miasa. Eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 650 dolara amerikana ny vidin’ny lavanila rehefa nalalahana ity seha-pihariana ity. Hiharatsy ny kalitaon’ny vokatra, hiato ihany koa ny famokarana, hivadika seha-pihariana hafa ireo mpamokatra raha tsy ho voatazona ny vidim-bokatra. Noho izany, hahafahan’ireo mpamboly miaro ny kalitaon’ny vokatra sy hitazomana ny vidin’ny lavanila ny fampivondronana ireo tany mpamokatra izany. Hapetraka, araka izany, ny politika hitondrana azy. Marihina fa anisan’ireo firenena mamokatra ny 80% ny lavanila natoraly maneran-tany i Madagasikara.

Henintsoa H.

Catégories: National

Fitaterana ana habakabaka : hatsaraina ny seranam-piaramanidin’Ivato

Les Nouvelles - sam, 06/15/2024 - 08:00

Antoka handrindrana ny asa rehetra atao eny amin’ny seranam-piaramanidina sy hiadiana amin’ny fanondranana antsokosoko ary hiarovana ny kolikoly eny an-toerana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Maro ireo teboka hojerena hanatsarana ny fotodrafitrasa.

Tonga teny amin’ny seranam-piaramadin’Ivato, ny alarobia teo, ireo mpisehatra rehetra amin’ny « Ges­tion coordonnée des frontières » nijery ny fomba hanatsarana ny fotodrafitrasa misy rehefa avy nidina ifotony tany amin’ny seranam-piaramanidina Nosy Be sy Sainte Marie. Voaresaka, nandritra ny atrikasa natao, taorian’io ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra entina hilazana mialoha ny entana ho avy na ny « fiche déclaration » hisorohana ny fitohanan’ny olona rehefa tonga eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’izay ny toerana hametrahana ny « duty free » ary ny fomba handrindrana ny asa hiarovana ny fanondranana antsokosoko sy ny irika rehetra mety hahatonga ny kolikoly. Tanjona ny hanavaozana sy hanomezan-danja ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ireo mpisehatra hanatsarana ny asa eny amin’ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara.

Fanavaozana
Miara-misalahy mandinika ireo rehetra ireo ny mpisehatra samihafa avy amin’ny fadintseranana malagasy, ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, ny Paf. Eo ihany koa ny zandarimariam-pirenena, ny Avia­tion civile de Madagascar (ACM), ny Ravinala Airports, Amarante sy ny MGH. Hiara-hiasa amin’ny Bianco kosa izy ireo, raha handrindra sy hanohana ny tetikasa ny WWF sy ny USAID. Marihina fa tohin’ny fikarohana nanomboka ny taona 2018 izay niarahana tamin’ny kabinetra FTHM ity natao ity. Voaresaka, taorian’ny atrikasa, ireo teboka ha­siam-panavaozana, hanamafisana ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko sy ny kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Henintsoa Hani

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - sam, 06/15/2024 - 08:00

Naharitra 1 taona sy 8 volana ny fandaharanasa MTaPS izay iarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny USAID. Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny 13 jona 2024 teo izany. Nahomby ny vokatra ary hanome lanja kokoa ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka. Nisy ny fanomezana fitaovana informatika ho an’ny minisitera, izay ny DPLMT sy ny LA2M.
Nandritra iny herinandro iny no nanamarihina ny Herinandro iraisam-pirenena ho an’ny fanentanana ny aro loza eny amin’ny fitsakana lalamby. Natao teny amin’ireo sekoly sy tobim-piantsonana ary ireo mponina manamorona sy andalovan’ny lalamby ny fanentanana. Nampahafantarina tamin’izany fa saro-pady ny fivezivezena amin’ireny lalamby ireny.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny fandraisana an-tanana ny anjaran’ny fanjakana malagasy amin’ny fividianana ireo fitaovana sy fanabeazana aizana ho an’ny taona 2024. 1% ny anjaran’ny fanjakana ho an’ny taona 2023 ary 2% no anjaran’ny FNUAP ho an’ny taona 2024.
Vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana ny fanentanana amin’ny fandrindram-piterahana. Fantatra fa ny 15% ny vehivavy bevohoka no latsaky ny 18 taona. Napetraka ho fandaharanasa nasionaly ny hanapariahana ny fanabeazana aizana sy fanentanana momba izany manerana ny Nosy.

Catégories: National

Poutine somme l’Ukraine de capituler

Yahoo feeds - sam, 06/15/2024 - 07:08
Catégories: International

Pages