Notehirizina am-pitandremana mba tsy ho faty eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy izy io nandritra ny alina tontolo, mandra-piposahan’ny masoandro, ny marain’ny taombaovao, ny alahady lasa teo. Nahitana fizarana izany avokoa ny vohitra rehetra teto amin’ny Nosy. Anisan’ izany ny teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana, ny Rovan’ Ambohidratrimo sy ny maro hafa. «Fomba amam-panao efa tamin’ny andron’ny faha mpanjaka izy io, ary atao rehefa fotoana famaranana ny taona sy hitsenana ny taona vaovao», hoy ny Maitre Victorio, filohan’ny fikambanana Malagasy iray hasina (Maiha). Tanjona ny mba hiainan’ny tsirairay eo anivon’ny tokantrano ny hazavana sy hafaliana entin’ny afo tsy maty mandritra ny taona ho avy iray manontolo. Ho an’ireo olona mitahiry ny hazavana dia mbola hiaina tanteraka ao anatin’izay izy ireo mandritra ny taona ho avy. Endriky ny fahavelomana, fitahiana, fitsimbininana tsy misy fiafarana ny afo tsy maty. Handraisana fitahiana sy fiarovana ary mba ho fanilo handroaka ny ratsy sy ny haizina rehetra. Nambarany fa tsy misy finoana izany fa fomba amam-panao eo amin’ny Malagasy. Rehefa mifankahita sy tarafin’ny hazavana ny ao an-tokantrano dia tsy hisy hery ratsy hanatona sy hanakorontana amin’ny taona ho avy. “Tsy nandalo haizina ny olona manana afo tsy maty rehefa tonga ny taona vaovao”, hoy hatrany izy nanazava. Hianoka ao anaty hazavana sy hasambarana ny rehetra manana io afo io eo anivon’ny tokantranony.
Taombaovao nisantarana
ny mamy
Ankoatra izay, afaka nisantatra ny hafaliana sy ny tsara indrindra ny olona nitahiry izany tamin’ny fiantombohan’ny afo tsy maty. Nambarany fa ao anatin’ny tokantrano no ahitana ny mamy sy mangidy rehetra, izay toerana masina indrindra eo amin’ny zanak’olombelona tsirairay. Noho izany, tsara ny handrehetana ny afo sy ny jiro ao an-tokantrano mba hazava ny tokantrano. Tahaka izay koa ny hisantarana ny tsara sy mamy indrindra rehefa taombaovao. “Nisantarana izany ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, raha tiana ny hiaina fahasambarana mandritra ny taona”, hoy hatrany izy nanazava. Ny vary no anjaran’ny tany izay hitsahan’ny olona. I Madagasikara ihany koa no nanome vary hohanintsika ka tsara ny hihinana ny vary. Mba ho marika fa tsy ho foana vary mihitsy ny olona. Faharoa, ny ronono, endriky ny fitohizam-pahavelomana. Izay zaza teraka ka tsy nisotro ronono dia naman’ny tsy velona, raha ny fanazavana hatrany. Noho izany, misotro ronono isika mba ho ela velona eto ambonin’ny tany. Fahatelo ny tantely, endriky ny fankatoavana ny fahavelomana. “Mba tsy ho sendra ny mangidy tsy telina anie ny olombelona amin’ny taona vaovao hodiavina, antony hihinana ny tantely”, hoy izy nanambara. Nolazainy fa tsara raha ny vary amin-dronono tondrahan-tantely no hohanina amin’ny fiantombohan’ny taona vaovao. Tanjona ny mba ho ela velona, sy ho sambatra ary hiadam-pinaritra eto ambonin’ny tany ny vahoaka malagasy.
Ilaina ny manome lanja ny kolontsaina malagasy
Tonga nanotrona ny fizarana ny afo tsy maty teny an-toerana ihany koa ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, vao voafidy. “Ilaina ny mifanotrona sy mifanome lanja ny hasin’ny fomba amam-panaon’ny tena”, hoy ny filohan’ny Oniversite, Randrianasolo Rivoarison, raha nanontaniana teny an-toerana. Nambarany fa ny an’ny hafa aza hankalazaina, toy ny voalohan’ny volana janoary sy ny fetin’ny silamo ary ny maro hafa. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny daty arosony ny mpandala ny fomban-drazana. Tsara hatrany ny manome hasina azy ireny avy amin’ny maha Malagasy ny tena sy amin’ny olon’ny fiarahamonina ihany koa, raha ny nambarany. “Misy kolontsaina ao anatiny ary amin’ny maha iray ny Malagasy rehetra no hitondrana sy hanomezan-danja ny fomba”, hoy izy.
Afaka mankalaza ny rehetra
Tonga nanotrona ny lanonana fizarana afo tsy maty teny amin’ny vohitr’Ambohidratrimo ihany koa ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny disitrikan’Arivonimamo, ny sabo-tsy faran’ny taona teo. “Tsy finoana fa fomba ny fankalazana ny taombaovao malagasy ary entanina ny rehetra hankalaza izany”, hoy Rajerison Antoine, depioten’Arivonimamo sady filohan’ny antoko Fivoi. Afaka mankalaza izany avokoa ny rehetra, eny fa na hatramin’ny fiangonana aza, toy ny fanaovana vavaka mandritra ny sasakalina hitsenana ny taona vaovao vahiny, izay manaraka ny tetiandro gregoriana, raha ny nambarany hatrany.
Tsy mahaleo tena i Madagasikara
Ankoatra izay, nanisy resaka momba ny fahatsiarovana ny fankalazana ny 29 marsa ihany koa ny tenany. Nambarany fa tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara raha jerena ny zava-misy. Voakasik’izany avokoa na ny ara-bary, na ara-bola, ara-ekonomia, ara-tsosialy sy ny maro hafa. Mampalahelo ny mieritreritra ny fitokanana sy ny fahatsiarovana ny havana maty nitolona tamin’izany andro izany. Betsaka ny zavatra tokony hatao raha te hahaleo tena isika. Anisan’izany ny fanenana ny fanafarana vokatra avy any ivelany. Jerena ny zavatra tokony hatao mba hampanan-karena ny vahoaka malagasy amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny harena voajanahary eto amin’ny firenena.
Nanatontosa : Mino
Nokendren’ny orinasa MVola manokana ny tanora sy ny ankizy mahakasika ny fanabeazana ara-bola, nandritra ny hetsika Herinandron’ny vola na « Global Money Week » (GMW), natao ny 18 hatramin’ny 23 marsa teo. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny atrikasa ny fikambanana Maison des Enfants Vasakosy sy ny mpianatry ny EPP Sabotsy Namehana. Nampianarina tamin’ny fomba tsotra, amin’ny alalan’ny kilalao, ny fomba fitantanam-bola, miaraka amin’ny fampiharana sy fifanakalozana mivantana. Nazava tsara tamin’ny ankizy avy eo ny maha samy hafa ny atao hoe « faniriana » sy ny « filana ». Teo koa ny fahalalana fototra mahakasika ny fitahirizam-bola (épargne) sy ny tena lanjan’ny vola.
Ankoatra izany, miara-miasa ny Foibe mpandrindra nasionaly ny fanabeazana ara-bola (CNFI) sy ny Lycée Andohalo. Nampahafantarina ny tanora ny pitsopitsony ny MVola, ny fiasan’ny banky niomerika, ny teknolojia niomerika ara-bola, lasa manova ny andavanandron’ny Malagasy, ankehitriny.
Njaka A.
Nifarana ny zoma 28 marsa teo ny fanofanana Tonian-dahatsoratra andiany faharoa nokarakarain’ny « Actions médias francophone internationale » na AMFI, sy ny « Groupement des éditeurs de la presse d’information multimédia de Madagascar » (Gepimm) tetsy Antanimena. Notarihin’i Thierry Olivier. Niompana manokana tamin’ny fandalinana ny asan’ ny tonian-dahatsoratra eo amin’ny asa fanaovan-gazety izany. Nandalina ireo fitaovana tokony ho fehezin’ny tsirairay momba io asa io ny mpandray anjara. Tanjon’ny fampiofanana ny hampiroborobo ny gazety an-tsoratra na eo aza ny fihazakazaky ny teknolojia. Nofanina manokana ireo mpandray anjara dimy mianadahy, avy amin’ny orinasa an-gazety samihafa, hifehy tanteraka ny lahatsoratra avoaka, ary hahavita hikirakira izany ho tonga gazety ho an’ny mpamaky. “Nahazoako tombony satria nanampy ny traikefa kely
efa nananako ny fanarahana ny fiofanana”, hoy i Tsiferana Randriatiana, mpanao
gazety anisan’ny nandray anjara. Tsiahivina, efa nisy andiany voalohany ity fiofanana nokarakarain’ny Gepimm ity.
Tsiferana R.
Natolotry ny Fondation Hiroshi Uchida-Daiho, ny alatsinainy 31 marsa teo, ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra miisa dimy. Nampiavaka ny tamin’ity taona ity, lasa dimy ny mpisitraka raha 3 teo aloha, sady nampiakarina ho 1 500 000 Ar ny vatsim-pianarana, raha 1 000 000 Ar tamin’ny taon-dasa. Izay mpianatra mendrika no anisan’ny masontsivana hisafidianana ny misitraka ny vatsiam-pianarana. Izy dimy mirahalahy dia mandranto fianarana eny amin’ny Sekoly Polyteknika ESPA Antananarivo, IST Antananarivo, ISPM Antananarivo, Oniversite Polyteknika ESP Antsiranana ary Oniversite Toliara, sampam-pianarana Ekolojia sy Tontolo iainana.
Miisa 252 ny mpianatra efa nahazo vatsiam-pianarana, mitentina maherin’ny 13 tapitrisa Ar, avy amin’ny Hiroshi Uchida-Daiho, hatramin’ny taona 1997. Nampitomboina ho 5 ny mpianatra nisitraka azy nanomboka ny taona 2019, raha telo tany aloha.
Nambaran’ny masoivoho japoney miasa eto amintsika, Abe Koji, fa tsy ataon’i Japana ambanin-javatra ny fanabeazana, ankoatra ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.
Njaka A.
Madagascar s’appuie sur l’expertise congolaise pour le 45e Sommet des chefs d’Etat et de gouvernement de la Sadc. La Grande île a entamé une rencontre avec la République démocratique du Congo (RDC) pour optimiser l’organisation de cet événement de haut niveau.
Une récente rencontre entre les ministres des Affaires étrangères et de l’Intégration régionale des deux pays a permis de capitaliser sur l’expérience de la RDC, hôte du 42e sommet de la Sadc en 2022.
Le ministre congolais Didier Mazenga Makanzu a partagé avec son homologue malgache Rasata Rafaravavitafika les bonnes pratiques et défis rencontrés lors de l’édition de 2022. Les discussions ont porté sur trois axes clés, notamment la logistique, la sécurité ainsi que le protocole en matière d’organisation des cérémonies officielles et interactions entre Etats membres. La ministre malgache a salué la disponibilité de la RDC à transmettre son savoir-faire, soulignant que cette collaboration renforce la solidarité régionale prônée par la Sadc.
Des préparatifs en marche depuis octobre 2024
Une mission d’appui de la Sadc a été déployée à Madagascar en octobre 2024 dans le cadre des préparatifs de ce Sommet. Une première réunion préparatoire a eu lieu à l’époque entre la délégation de l’organisation et le Secrétaire général du ministère des Affaires étrangères, Emi-Haulain Kola. Les échanges ont permis de définir les exigences techniques et administratives nécessaires au bon déroulement du sommet, notamment en matière de coordination interministérielle.
Ce sommet marque les 25 ans d’adhésion de Madagascar à la Sadc et coïncide avec l’entrée du pays dans la Troïka de l’organisation, aux côtés du Zimbabwe et de la RDC. La présidence malgache de la Sadc en 2025-2026, sous l’égide du président Andry Rajoelina, va faire entrer la Grande île dans une dynamique de retour en force sur la scène régionale, après des années de turbulences politiques. Des retombées économiques et diplomatiques sont attendues au cours de cet événement. Des projets d’infrastructures tels qu’un Centre de conférence international et d’un Palais des Congrès ont été prévus. De l’autre côté, les préparatifs du 5e Sommet de la Commission de l’océan indien (COI) sont en plein effervescence suite à une récente mobilisation totale pour une organisation sans faille dans la capitale à travers les différents ministères.
F.M
Arrêté à Toliara le 26 mars à la suite de l’affaire « Base Toliara », le colonel Rodney Rehosy Fanampera a été déféré hier au Parquet d’Anosy. Le procès s’est tenu le même jour, l’ancien officier supérieur écope de 3 ans de prison avec sursis pour appel à manifester sans autorisation, vandalisme sur des biens publics, ou encore violence sur des forces de l’ordre.
A noter que le colonel Fanampera figure parmi les opposants à la reprise du projet « Base Toliara », notamment sur l’ouverture de la société. Ce dernier avait publié une vidéo sur les réseaux sociaux dénonçant l’exploitation avant d’être arrêté puis amené dans la capitale. Depuis son arrestation, les appels pour sa libération se sont succédé. Hier, un organisme international œuvrant dans l’environnement a également appelé à sa libération.
T.N
Moins d’une dizaine de ressortissants malgaches résident en France se sont donné rendez-vous à l’ambassade de Madagascar à Paris hier pour demander
une audience à l’ambassadeur. Attroupés devant le portail de l’ambassade, ces individus ont indiqué avoir forcé le barrage. Une information démentie par l’ambassade qui a vite condamné toute diffusion de fausses nouvelles.
Une vidéo a été diffusée sur les réseaux sociaux sur le déroulement des faits. Les personnages étaient entre autres des activistes contre le régime qui avait demandé à discuter avec l’ambassadeur sur la situation du pays. La lettre a été déposée selon la procédure en vigueur et les demandeurs devront attendre une réponse ultérieurement. Ces derniers ont ensuite été invités à quitter les lieux et non rester sur place. Durant leur attente, une vidéo a été enregistrée, prétextant que les activistes avaient franchi le barrage et ont pu accéder à l’ambassade, créant des troubles sur place. « Les activités de l’ambassade se sont déroulées dans le calme total sans le moindre dérangement », a indiqué le communiqué de l’ambassade paru hier, dénonçant les faits mensongers relatés par les opposants. « En tant que représentant de la République de Madagascar, l’ambassade condamne toute diffusion de fausses nouvelles et surtout toute manipulation incitant au trouble », a-t-il conclu.
Dans sa publication, la sénatrice Lalatiana Rakotondrazafy a indiqué que des policiers français se sont rendus sur place pour demander aux individus de quitter les lieux.
T.N
L’Agence portuaire maritime et fluviale (APMF) au cœur d’un vaste réseau de corruption. Depuis 2021, les doléances se sont succédé auprès du Bureau indépendant anti-corruption (Bianco) concernant des recrutements frauduleux au sein de l’agence. L’implication du Directeur des ressources humaines (DRH) a été établie à l’issue des enquêtes menées.
Corruption, favoritisme et népotisme, voilà ce qu’ont révélé les enquêtes du Bianco concernant le dossier APMF. Le Bureau indépendant a en effet mis la main sur un vaste réseau de corruption sur des irrégularités flagrantes des procédures de recrutements au sein de l’APMF. « Les investigations entreprises ont notamment permis de déceler des conflits d’intérêts avérés entre un membre de la commission de recrutement et six employés nouvellement recrutés », a expliqué le Bianco dans son communiqué. Celles-ci ont constaté des incohérences dans les dossiers administratifs, les communications téléphoniques ainsi que les interactions sur les réseaux sociaux. Les investigations ont révélé l’implication de trois individus dont le DRH, et deux membres de sa famille proche. Déférés au Parquet du Pôle anti-corruption (Pac) les 25 et 31 mars derniers, le DRH et un membre de sa famille sont placés sous mandat de dépôt tandis que l’autre individu, également membre de sa famille, est placé sous contrôle judiciaire.
« Cette affaire met en lumière des pratiques de corruption qui ont gangrené l’APMF pendant près d’une décennie », a indiqué le Bianco. Néanmoins, les enquêtes sont en cours pour le processus de recrutement de 2024.
T.N
A Madagascar, comme ailleurs, manifester reste un moyen indispensable pour exprimer des revendications politiques ou sociales. Cette pratique, ancrée dans l’histoire du pays, amène à se demander comment concilier l’exercice de la liberté d’expression avec le respect des droits d’autrui ? Les récentes manifestations à Analakely (marchands de rue) ou Toliara (manifestation sur le projet Base Toliara), où des commerces ont fermé et la circulation perturbée.
Bien que légitimes dans leur essence, ces manifestations ont entravé d’autres droits tels que la circulation, activité économique ou sécurité. Ces situations révèlent un équilibre délicat. La liberté de manifester, corollaire de la liberté d’expression, est reconnue comme un droit fondamental par les textes internationaux et nationaux. Dans le pays, l’article 10 de la Constitution garantit ces libertés sous réserve du respect des libertés et droits d’autrui, et par l’impératif de sauvegarde de l’ordre public, de la dignité nationale et de la sécurité de l’Etat. Si les mots « peuvent sauver des vies », comme le soulignait Anna Politkovskaïa, une journaliste russe et militante des droits humains, ils peuvent aussi être portés par des canaux moins conflictuels.
Des demandes de réunions avec les autorités, des pétitions ou des débats publics permettent d’exprimer des revendications sans paralyser la vie collective. L’histoire malgache montre pourtant que les manifestations ont parfois été des catalyseurs de changements majeurs, rappelant leur rôle irremplaçable dans les crises politiques. La liberté d’expression, qu’elle s’exerce à travers des discours, des écrits ou des manifestations, exige une maîtrise des formes. A travers ceux-ci, les blocages disproportionnés seront évités. Il est préférable de privilégier le dialogue préalable, ou choisir des modes d’action non-violents. En fin de compte, l’expression collective ne doit pas devenir un outil de division, mais un pont vers des solutions partagées. Manifester reste un droit précieux, mais son exercice doit s’inscrire dans un équilibre où chaque liberté trouve sa place.
F.M
Nohavaozina herintaona indray ny fiaraha-miasa eo amin’ny 67 City FC sy ireo mpanohana azy, dia ny Havana Resort sy ny Nouvelle institution de microfinance (NIM Madagascar). Notanterahina ny alakamisy lasa teo, tetsy Ambohidahy, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny telo tonta. Nanatanteraka izany, Andriantsima Faneva Ima, filohan’ny 67 City FC sy Harizaka Rakoto, avy amin’ny NIM ary Radida Harivola Jeremia, tale jeneralin’ny Havana Resort. Notsiahivin’ny mpitantana ny klioba fa nanomboka ny taona 2022 ny fifanohanana sy ny fifanomezan-tanana ary ny fiaraha-miasa teo amin’izy ireo. Resy lahatra ireo mpanohana ireo fa matotra ny klioba ary nanaporofo izany ny fahamaroan’ireo kilonga beazina ao, ka nisy ireo efa lasa nila ravinahitra any ivelany.
Ankoatra izay, nambaran’i Faneva Ima fa zava-baovao ao anatin’ny fandaharanasan’ny 67 City FC ny hitiliana ireo ankizy mendrika sy mahay baolina sy fianarana ka afaka Bakalorea, ka homena vatsim-pianarana atsy La Réunion, ao amin’ny Club St Joseph. Raha toa ka tsy misy ao anatin’ny klioba izany dia hisokatra ho an’ny klioba hafa eto an-dRenivohitra. Ankoatra izay, nampahafantarina ihany koa ny fanamiana vaovaon’ny klioba izay mankalaza ny faha-10 taonany. Tsy havela handalo fotsiny izany tsingerin-taona izany fa hisy hetsika maroloko hanamarihana azy.
Fitia Randria
Any amin’ny ligin’Atsinanana indray no hanohy ny fampivondronana ho an’ny taranja karate do, ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Nizeria, ny volana jolay izao. Mikasa handefa atleta 20 ny federasionina kanefa miankina amin’ny haavo teknikan’ny mpikatroka izany.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Bodybuilding, na ny “Big Mada”. Nisongadina nandritra ny fifaninanana ireo atleta vao misandratra izay tena hita taratra fa manana ny maha izy azy tokoa.
Hisy ny fankalazana manetriketrika ny faha-45 taona niorenan’ny Kung Fu Wisa malagasy amin’ity taona ity. Ny 6 avrily izao no hanatanterahana izany, eny amin’ny CCI Ivato izay hanaovana ny lanonana fankalazana sy fahatsiarovana izany Andro lehibe izany. Ny taona 1980 no niorenan’ny taranja Kung Fu, raha ny tantara.
Hitohy rahampitso 2 avrily ny fampivondronana faharoa ireo mpilalao volley, sokajy vehivavy hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny CJSOI hatao any Seychelles. Efa nanomboka ny 26 marsa teo ny fampivondronana voalohany ka ny mpilalao avy eto Analamanga no nanomboka izany.
Notanterahina tany Ampefy, ny alakamisy lasa teo, ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nomen’ireo ligim-paritra 22 fankatoavana “quitus” zato isan-jato ny mpitantana eo anivon’ity rantsa-mangaika mitantana ny baolina kitra eto Madagasikara ity. Nahafa-po azy ireo ny tatitra ara-bola sy ny teknika ary ny tetikasa fampandrosoana ny baolina kitra eto Madagasikara nandritra ny taom-piasana 2024.
Ankoatra izay, zava-baovao ihany koa ny filazan’ny filohan’ny Federasiona, Andriamanampisoa Alfred, fa nofafan’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa) ny famerana ny fampiasam-bola eo anivon’ny federasionina. Araka izany, afaka mampivoatra sy manatanteraka ireo tetikasa amin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra eto Madagasikara ny komity mpanatanteraka. Tsy misy intsony mantsy ny famerana ny fampiasam-bola, manomboka izao. Hisy ny fanatsarana fiaraha-miasa amin’ireo ligim-paritra sy ny fotodrafitrasa, ny ivontoeram-piofanana any Carion sy ny any Mahajanga. Tsy adino koa ny fanafarana ireo bus be ho an’ny Barea de Madagascar.
Fitia Randria
Nanakoako tany Chine indray ny lazan’i Madagasikara, nandritra ny “test events” ao anatin’ny “World Games 2025”, taranja tsipy kanetibe. Norombahin’i Madagasikara mantsy ny medaly volamena roa teo amin’ny “tir de precision”, lahy sy vavy.
Mbola noporofoin’ny Malagasy teo imason’izao tontolo izao indray fa taranja voafehiny ny tsipy kanetibe. Norombahin-dRamamonjisoa Mirana, teo amin’ny sokajy vehivavy, sy Rakotoarisoa Yves Sedrick, ho an’ny lehilahy, ny medaly volamena teo amin’ny fifaninanana “tir de precision”, tamin’ny “test events”. Fihaonana notanterahina tany Chengdu Chine, ny sabotsy lasa teo, niadian-toerana ho an’ny “World Games 2025”.
Resin’i Yves teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 32 no ho 24, ilay Thaillandais, i Khamdee Ratchata, izay efa mondialiste. Nahazo ny medaly alimo, i Win Thurain Tun avy any Myanmar, rehefa nandresy an’ilay sinoa, i Wei Zhoubao.
I YU Yu-Hsnu, avy any Thaipei, no resin’i Mirana, ho an’ny vehivavy. Niady ary nampitsanga-mitoetra ny rehetra ny fihaonan’izy mirahavavy satria tamin’ny isa tery 29 no ho 27 no nivoahan’i Mirana ho mpandresy.
Laharana fahefatra kosa i Madagasikara teo amin’ny fihaonana ho an’olon-droa miaraka, lahy sy vavy. Lavon’i Viet-Nam teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa 11 no ho 7, ary mbola resin’i Thailland, tamin’ny isa 13 no ho 4, indray izy mianadahy teo amin’ny fiadiana ny medaly alimo. Niambozona ny medaly volamena i Cambodge.
Na teo aza izany, nahazo ny tapakila hiatrehana ny “World Games 2025”, hatao any Chine, ny 7 ka hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao, i Mirana sy i Yves.
Tompondaka
Hoy izy ireo :
- Yves : “Manan-danja lehibe iny vokatra iny satria nahazoako ny tapakila hiatrehana ny “World Games 2025”. Efa tsy andriko izay hiverenana any Chengdu”.
- Mirana : “Voninahitra lehibe ho ahy ny nahazoako nifaninana ho an’i Madagasikara. Na teo aza ny toetr’andro mamirifiry, nanome ny heriko rehetra aho”.
Andro isaina sisa: 23 andro, ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony faha-V eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), izay hatao eny amin’ny CCI Ivato, amin’ny 24 avrily ho avy izao. Mba handrindrana ny hetsika ilaina amin’ny fahombiazan’izany, nisy ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny ben’ny Tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Ramanantsoa Harilala, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Niompanan’ny dinika, tamin’izany, ny lafiny fitaovana sy fandrindrana ny fihaonana an-tampony, indrindra ny fepetra tokony horaisina amin’ny fanadiovana sy fanatsarana ny tanànan’Antananarivo izay handraisana ireo delegasiona ofisialy. Maneho ny fahavononan’ny governemanta sy ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra ny fiaraha-miasa eo amin’ny tomponandraiki-panjakana sy ny kaominina. Tsy inona izany fa amin’ny fanomezana tontolo iainana sy fanondrotana ny endriky ny renivohitr’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny faritra amin’izay fandraisana fivoriana iraisam-pirenena izay.
R. Nd.
Nanomboka ny alarobia 26 marsa teo, eny amin’ny Petit Palais Mahamasina, ny fifantenana ireo Malagasy atleta eo amin’ny taranja volley-ball. Hiatrika ny CJSOI, hatao any Seychelles, ny volana jolay izao izy ireo. Atleta 36 avy eto Analamanga no nanomboka nivondrona voalohany, mandra-piandry ireo avy any amin’ny faritra, araka ny fanazavan’ny Tale teknika nasionaly, Raoelison Hasimbola. Ireo ankizy efa tazana tamin’ny fifaninanam-pirenena, ho an’ ny sokajy latsaky ny 16 taona sy 18 taona tamin’ny taom-pilalaovana 2024, miampy ireo nalefan’ny kliobany tsirairay ireto hanaovana ny fifantenana ireto. Hitohy ny 2 avrily ny fifantenana faharoa, ka ny 20 amin’ireto mpilalao avy eto Analamanga ireto no ho voatazona ary hiampy ireo avy any amin’ny faritra, raha ny fandaharam-potoana. Miandry ny fahavitan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy U18, izay hatao ny 12 hatramin’ny 19 avrily izao, eto Antananarivo, kosa ny fifantenana manaraka, raha ny fanazavana hatrany. Araka ny fantatra, Malagasy mpilalao miisa12 no handrafitra ny lisitra farany amin’ny ekipam-pirenena malagasy, taranja volley-ball, hiatrika ny CJSOI hatao any Seychelles, ny volana jolay ho avy izao.
Mi.Raz
Ankoatra an’i Etats-Unis sy Canada ary i Mexique, mpampiantrano ny “Mondial 2026”, firenena efatra hafa no efa nahazo ny tapakila hiatrehana izany. Tao amin’ny faritr’i Azia, tafita voalohany ny Samourai an’i Japon, miampy ny Tim Melli an’i Iran. Ho an-dry zareo any Oceanie indray, ny Kiwis Nouvelle-Zelande, tafakatra amin’izany. Fanintelony amin’izao no hiatrehan’ny Kiwis ny “Mondial”, taorian’ny taona 1982 sy 2010. Ao amin’ny faritr’i Amerika Atsimo, mbola hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelatanany ny Albiceleste an’i Argentine.
Ho an’ny faritr’i Afrika, tsy mbola misy anarana firenena efa tafakatra fa mbola miandry ny fahavitan’ny andro efatra sisa farany. Anisan’ny miady izany toerana izany ny Barea de Madagascar, ao amin’ny vondrona “I”. Mbola hifampitadiavana tanteraka ihany koa ny toerana amin’ity “Mondial 2026” ity, ho an-dry zareo ao Eoropa. Tsiahivina fa nakarina ho 48 ny isan’ireo firenena mandray anjara ho an’ity andiany faha-23 ity, raha 32 hatramin’izay.
Tompondaka
Hiatrika lalao avy hatrany, amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao, ireo klioba rehetra mifaninanana amin’ny “Pureplay Football League (PFL)”.
Hiverina amin’ny faran’ny herinandro ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World Cola PFL”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’ity, ny fifanandrinan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny AS Fanalamanga, izay hotanterahina any amin’ny Kianjan’Ambatondrazaka, ny alahady ho avy izao. Heverina ho toy ny famaranana kely ity fihaonan’ny laharana voalohany sy faharoa ity. Ny ekipan’ny AS Fanalamanga, mitana ny lohany, manana isa 13, ary ny CFFA kosa no manaraka azy ao, mitana isa 11.
Ankoatra izay, amin’ny maha fifaninanam-pirenena azy ity, efa misy ireo mpilalao hita nisongadina sahady nandritra ny andro enina efa lasa izay. Anisan’izany i Pascal, lohalaharan’ny AS Avenir Ste Anne. Raha ny fikarohana natao, mitarika vonjimaika amin’ny mpampiditra baolina betsaka indrindra ity lohalaharan’ny As Avenir Ste Anne ity. Tsiahivina fa niatrika lalao efatra ny tenany tamin’iny andro enina ny fifaninanana efa vita iny. Marihina fa sambany i Pascal sy ny ekipany vao niatrika ity fifanintsanana “World Cola PFL” ity. Ny lohalaharana tahaka itony moa no azo heverina hanana ny hoaviny sy hampisongadina ny ekipa nasionaly malagasy, ka tokony hojeren’ny federasionina akaiky.
Ireo fandaharan-dalao rehetra amin’ny faran’ny herinandro io:
Sabotsy 29/03/2025
Kianja Antanikatsaka Itaosy
2 ora : Ajesaia vs Uscafoot
Kianja Ambohidratrimo
2 ora : FC Rouges vs Fosa Juniors FC
Alahady 30/03/2025
Kianja Ambatondrazaka
2 ora : AS Fanalamanga vs CFFA
Kianja CFFA Iavoloha
2 ora : AS Avenir Ste Anne vs Elgeco Plus
Kianja Imerintsiatosika
2 ora : Mama FC vs Tsaramandroso FC
Fitia Randria
Miisa 35 ny jiro Cobra azon’ny tampon-tananàn’i Sambava, ary 10 ho an’ny kaominina Ampanefena. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Hazavana ho an’ny daholobe ity hetsika ity, hampitomboina avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara amin’ny taona 2030. Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo.
Mahatratra 20 ha ny velaran-tany hambolena hazo any amin’ny kaominina Ankaramena, faritra Anosy. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala » ity hetsika ity. Nohamafisina ny rehetra amin’ny tsy maintsy hanaovana ho laharam-pahamehana ny fanaraha-maso ny zana-kazo nambolena.
Hatao any Toliara, ny 17, 18 ary ny 19 avrily ho avy izao ny Fihaonamben’ny tanora afrikanina ho an’ny toekarena manga, andiany faharoa. Miahy ny fikarakarana azy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, ka nisy ny fivoriana natao tany Toliara, niarahana tamin’ireo orinasa tsy miankina, mba hampahomby ny hetsika.
Nanolotra fitaovana informatika ny vondrom-piarahamonina any Toamasina II ny orinasa Ambatovy ho tohin’ny efa natao, ny taona 2024. Miisa 7 ny « imprimantes », ordinatera 2, nomena ny febroary 2025 teo. Anisan’ny nisitraka ny fanomezana ny distrika Toamasina II, ny sekoly ambony sasany, ny Fitantanam-paritry ny rano Atsinanana, sns.