Lycée Mantasoa : tohanan’ny Rotary RCA ny niomerika

Les Nouvelles - lun, 06/10/2024 - 07:57

Tsy niasa nandritra ny 10 taona ny fampianarana informatika ao amin’ny Lycée Jean Laborde (LJL) sy ny Lycée teknika arakasa (LTP) Man­tasoa satria simba ny fitaovana. Nivaha ny olana satria nitondra fanampiana ho azy ireo ny fikambanana Rotary Club Antananarivo (RCA) Vovonana. Nohavaozina ny efitrano fianarana, ary miisa 10 ny ordinatera natolotra ny sekoly roa, izay natao ny sabotsy 8 jona teo. Nam­baran’ny filohan’ny RCA Vo­vonana, Randrianarisoa Ma­lalatiana, fa « mandroso tokoa ny teknolojian’ny niomerika, ankehitriny, ka zava-dehibe ny fampiroboroboana azy any an-tsekoly toy izao ».
Nanohana ity fanampiana ity ny vondrona Axian, tamin’ny alalan’ny orinasa Telma ao aminy. Tanteraka ny hetsika vokatry ny fanelanelanana nataon’ny fikambanana Vaho­aka miaina sy mivelona eto Mantasoa (VMMM), tarihin’ny Dr. Ranaivoarisoa Henri, efa minisitry ny Fahasalamana tany aloha. « Tanjona ny hampiakarana ny tahan’ny fampidirana mpianatra an-tsekoly eto Mantasoa », hoy izy.
Niaraka nankasitraka izao fitsinjovana ny mpianatra hifehy ny niomerika sy ny informatika izao ny proviseur ny LJL, Rakotondramanana Kooly, sy ny proviseur lefitry ny LTP, Maminiaina Marie Joëline. Miisa 300 ny mpianatra ao amin’ny LJL, raha 400 ny ao amin’ny LTP. Nomarihin’izy ireo fa efa ao anaty fandaharam-pianarana mihitsy ny informatika.

Njaka A.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 06/10/2024 - 07:57

Ho tapaka ny lalana RN2, Mandraka, ho an’ny fiara vaventy, eo amin’ny PK 67+642 sy ny PK 67+961. Ny talata 11 jona sy alarobia 12 jona, amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 3 ora tokandrano ny fahatapahana. Antony, ny fandrarahana godirao amin’ny fanarenana ny lalana. Afaka mandeha kosa ny fiara madinika sy salantsalany.
Atao ny fanisana ankapobeny ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana eto Madagasikara, amin’izao volana jona izao. Voakasik’izany ny tokantrano mpamboly manerana ny faritra 23. Tanjona ny hahazoana antontam-baovao mahakasika ny tontolon’ny famokarana. Mahatratra 884 ny kaominina voakasiky ny fanadihadiana.
Nambaran’ny FAO fa miisa 62 tapitrisa ny olona mivelona amin’ny jono sy ny fihariana anaty rano maneran-tany. Mahatratra 94 tapitrisa taonina ny vokatra azo amin’ity seha-pihariana ity. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fivoriambe tany Costa Rica momba ny fihariana anaty rano, nokarakarain’ny FAO, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga malagasy.
Vita ny 90% ny asa fametrahana ny toby mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro any Ankililaoka Toliara. Manana tanjaka 579 KWc ny toby ao amin’ny kaominina Ankililaoka ary 463 KWc kosa ny any Ambahikily. Hisitraka azy ny kaominina Anakao, Ambahikily ary ny fokontany Mangily.

Catégories: National

Cnuced : manohana amin’ ny fampiasam-bola

Les Nouvelles - lun, 06/10/2024 - 07:57

Feno 60 taona ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana momba ny Varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced). Hatao any Geneve Soisa ny fankalazana, ny 12-14 jona ho avy izao. Miisa enina ny filoham- panjakana hanatrika izany, ka anisan’ny nasaina ny filoha Rajoelina Andry mivady. Miisa 28 ny minisitra miaraka amin’izy ireo, ka anatin’izany ny minisitry ny Indostria sy ny varotra (MIC), Razafindravahy Edgar. Hanamarika ny fankalazana ny fanovana ny Cnuced ho lasa ONU Varotra sy fampandrosoana. Hanokatra ny lanonana ny sekretera jeneraly (SG) ny ONU, Antonio Guterres, sy ny SG ny Cnuced, Rebeca Grynspan.
Fandaharanasan’ny ONU manohana ny firenena andalam-pandrosoana ny Cnuced. Toy ny fanatsarana ny sehatry ny fampiasam-bola ara-toekarena. Lohahevitra amin’ity fihaonambe ity ny hoe « hamaritra sori-dalana vaovao hitondra fampandrosoana hiatrehina ny fiovaovana hita maneran-tany ». Hodinihina ny paikady hitsinjovana ny firenena andalam-pandrosoana manoloana ny fiantraikan’ny krizy Covid-19 tamin’ny toekarena, ny fiovaovan’ny toetr’andro, sns.

Njaka A.

Catégories: National

Trafika tany Thaïlande : ampodiana ireo gidro sy sokatra

Les Nouvelles - lun, 06/10/2024 - 07:56

Nilamina ny resaka ! Averina aty Madagasikara ireo sokatra 1076 sy varika 48 naondrana antsokosoko tany Thaïlande. Nankany an-toerana nandamina izany ny minisitra Max Andonirina Fontaine.

Tsy mitsaha-mitombo ny trafikana bibidia eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Koa, ataon’ny governemanta malagasy ny ady amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna. Nisy ny fifanarahana na­taon’ny minisitra Max An­donirina Fontaine tamin’ny tom­ponandraikitra Thaï­lan­dais. Tinapaka fa hampodiana aty Madagasikara, mialoha ny faran’ny volana jolay ho avy izao, ireo varika 48 sy sokatra 1 076 tratra tany an-toerana, ny volana mey teo. Izay no mahatonga ny fiaraha-miasa amin’ny mpisehatra rehetra eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena, handravana ireo tambajotra.
Nohamafisin’ny minisitra Max Andonirina Fontaine ny hanaovan’ny tomponandraikitra thaïlandais fanadihadiana lalina mahakasika ity trafikana varika sy sokatra ity. Efa manao ny tandrify azy koa ny fitsarana malagasy ary tanjona ny handrindrana ny ezaka amin’ny fitsarana thaïlandaise. Misy ny fangatahana fiaraha-miasa, araka izany.

Azia Atsimo Atsinanana
Miara-miasa amin’ny mpisehatra samihafa ny fitsarana malagasy mahakasika ity raharaha ity. Manamora ny fifanakalozam-baovao sy izay zavatra ilaina amin’i Thaïlande ny ao amin’ny Raharaham-bahiny. Manohana ny fanatontosana ny dingana samihafa ny rafitra iraisam-pirenena Interpol, ny ONUDC, ny Usaid/USFWS.
Nisy ny vaomiera manokana, « Task force », natsangana, ahitana ireo firenena any Azia, Atsimo Atsinanana toa an’i Taiwan, Indonésie, Ma­laisie hiara-hiasa amin’i Ma­dagasikara, hiadiana amin’ny trafika tsy ara-dalàna.
Tsiahivina fa nisy sokatra miisa 400 nentin’ny sambo, tratra ihany koa tatsy Kao­moro, ny alakamisy 6 jona 2024 teo. Eo am-pandinihana ny hampodiana azy ireo aty Madagasikara ihany koa ny tomponandraikitra.

Njaka A.

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - lun, 06/10/2024 - 07:55

Métamorphose, io no anaran’ny tetikasa vaovao izay miompana amin’ny fampiroboroboana ny famoronana maharitra sy manaja tontolo iainana eo amin’ny tontolon’ny lamaody. Tetikasa izay hotantanin’ireo maintimolaly fito mianadahy nandray anjara tamin’ny “International Visitor Leadership Program (IVLP) 2020”.
Fanentanana ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo olon-tsotra hanome ra maimaimpoana no hanamarihin’ny Hopitalin’i Fianarantsoa ny Andro maneran-tany ho an’ny mpanome ra, ny 14 jona izao. Mamonjy ain’olona maro ny fanomezan-dra ary tsy mbola misy fanafody afaka mahasolo izany.
Nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny fampianarana ambony ao Toliara ny minisitry ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mpisolo
toerana, Pr Ravokatra Fidiniavo. Nijery mivantana ny fizotran’ny adina ara-panatanjahantena bakalorea ny tenany.
Ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana dia nihaona tamin’ny fanjakana any Egypte ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanantany Zely. Nodinihina niaraka ny momba ny famatsiana fanafody, ny fampidinana ny tahan’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza, ny ady amin’ny aretina hépatites, ny ady amin’ny aretina tsy mifindra, ny digitalisation…

Catégories: National

Pages