Rugby – “XXL Top 12” : Adin’ny boaty sy kartie ny an’ny TFA sy ny Uscar

Les Nouvelles - sam, 06/08/2024 - 08:01

Hitohy rahampitso, etsy amin’ny kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”. Telo ny lalao voalahatra amin’izany ka anisany hahasarika ny sain’ny mpanaraka ity fifaninanana ity ny fifandonan’ny TFA Anatiha­zo sy ny Uscar. Adin’ny boaty sy ny kartie ny fihaonana ka samy hiaro ny maha izy azy ny roa tonta.
Ekipa roa samy manana ny lazany sy ny fahaiza-ma­nao ireto hidona ireto. Haneho ny maha kalaza azy amin’ny maha kartie Anatihazo amin’ity. Mana­na ireo mpilalao sangany sy tanora. Tsy zoviana amin’ny rehetra kosa ny ekipan’ny Kaominina Antana­narivo Reni­vohitra. Hivon­dro­nan’ireo mpilalao be traikefa, raha tsy hilaza afa-tsy Rada­da­toa sy i Tous­saint. Na mi­fankahalala aza ireto ekipa roa tonta ireto, efa ela ihany no tsy nidona. Han­gotraka, araka izany, ny fihaonana eo amin’izy ireo.
Ankoatra izay, hifampitana amin’ny STM (Savony) ny TFMA (Boaikely manohitra) Ankasina. Hiendrika lalao fa­maranana kely ihany koa ny an’ ny roa tonta ka ho resy izay ratsy fanomana. Hanokatra ny lalao ny fifanandrinan’ny FTM Manjakaray sy ny FTBA Ando­hatapenaka. Heverin’ny rehetra fa ho tafavoaka mora foana ny FTM saingy hiezaka hanohitra azy ireo ny zandri­kelin’Andoha­a­penaka amin’ity.

Tompondaka

Catégories: National

Karate – Afrika Atsinanana: hotanterahina anio ny famaranana

Les Nouvelles - sam, 06/08/2024 - 08:00

Hatao anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina, ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, taranja Karate, sokajy Cadet, Junior, Senior. Tsara ny mampahatsiahy fa miisa 39 mianadahy ireo solontena malagasy miatrika ity fifanintsanana ity. Ankoatra an’i Madagasikara, mpampiantrano, hifanintsana amin’ity ihany koa i Djibouti sy i Maurice ary i Comores.
“Hiezaka ny hanome ny tsara indrindra avy aminy ireo Malagasy mpilalao rehetra. Tanjona ny hahazoana ny medaly volamena rehetra”, hoy Ratefinanahary Emile, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Karate-Do (FKM), ny alakamisy lasa teo, tetsy Antaninarenina.
Maro ireo vahiny hanatrika ity hetsika ara-panatanjahantena goavana ity. Anisan’izany ny filoha lefitry ny Federa­siona iraisam-pirenena WKF, Bechir Cherif, sy ny lehiben’ny UFAK, Souleymane Gaye. Ao koa ireo lehiben’ny mpitsara ao amin’ny WKF, sy ny tomponandraikitra voalohany ara-teknika eo ani­von’ny WKF. Ankoatra izay, notontosaina omaly, teny Antanina­renina, ny fivoriambe ara-potoanan’ny faritra Afrika Atsinanana. Ireo filohan’ny Federasionan’ireo firenena efatra mandray anjara amin’ity fifaninanana ity no nanatrika izany.

F.R

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - sam, 06/08/2024 - 07:58

Hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga «Ligue 1», taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny Toulon Academie sy ny AS Ste Anne Bongatsara. Hisolo tena an’Analamanga eo amin’ny fifaninanam-pirenena 2025 ireto ekipa roa ireto.

Misaona ny tontolon’ny baolina lavalava eto Mada­gasikara sy ny klioban’ny Cosfa rugby. Nindao­sin’ny fahafatesana ny alakamisy lasa teo, Rakoto­nirina Njaka. Anisan’ireo mpilalao tompon-toerana ao amin’ity ekipan’ny miaramila ity Itompokolahy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny Cosfa ny gazety Taratra.

Mpilalao 4 mirahavavy, i Elisoa, i Miotisoa, i Tsantaniony, i Mialy (USA) no hisolo tena an’i Ma­da­gasikara amin’ny “Billie Jean King Cup”, sokajy fahatelo, taranja tenisy. Fihaonana hatao any Kenya, ma­nomboka ny 10 ka hatramin’ny 15 jona ho avy izao. 12 ireo firenena hiady ny ho lohany amin’ity fihaonana ity.

Nanomboka omaly, ary haharitra hatramin’ny rahampitso ny Rallye Motul, karakarain’ny klioba FMMSAM. Dingana voalohany, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny familiana fiara­kodia. 35 ireo fiara nandray ny fiaingana amin’ity Rallye ity.

Catégories: National

Nandresy 2 no ho 1: laharana voalohany ny Barea!

Les Nouvelles - sam, 06/08/2024 - 07:57

Mitazona ny laharana voalohany ao amin’ny “Vondrona I” ny Barean’i Madagasikara. Resiny tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipam-pirenena kaomorianina, omaly, tany Johannesburg.

Mitohy ny fahombiazana! Nahazo isa telo fa­nampiny indray ny ekipam-pirenena Barea, omaly, tao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg Afrika Atsimo. Nandresy an’i Como­res tamin’ny isa 2 no ho 1 i Madagasikara. Laharana voalohany ao amin’ny vondrona “I” araka izany ny Barea. Tafiditra tamin’ny andro fahatelo, fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka ma­neran-tany “Mondial 2026”, izay hatao any Etazonia sy Meksika.
Ilay Malagasy mpilalao, Rayan Raveloson, no nahatafiditra ny baolina voalohany ho an’ny Barea, 56 segondra nanombohan’ny lalao. Ny mi­nitra faha-18, nosoloin’i Tendry, Malagasy mpilalao, i Hakim Abdallah, lohalaharan’ ny Barea noho ny ratra nahazo azy. Saika nahatafiditra baolina i Selemani, kaomorianina, roa minitra tsy hidirana any amin’ny fialan-tsasatra (43 min). 1 no ho 0 ny isa ni­sa­rahana nandritra ny fizaram-potoana voalohany, mitarika i Madagasikara.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nanova paikady i Stefano Cusin, mpanazatran’i Como­res. Nesorina ry Youssouf sy Rafidine, nampidirina i Mah­moud sy i Bourhane. Nahita daka tao anaty faritra tsy azo ivalozana i Maolida, lohalaharana Comores, telo minitra na­nombohan’ny fe-potoana faharoa (48 min).
Nampian’i Rayan Ravelo­son indray ny isa ho an’ny Ma­lagasy (65 min), rehefa navo­tsotr’i Boina, mpiandry haraton’i Comores, ny baolina nodakajn’i Tendry. Segaondra vitsy tsy hifaranan’ny fihaonana, nampihena ny elanelan’isa i El – Fardou, Comores. Nifarana teo amin’ny isa 2 no ho 1 ny fifanandrinan’ny roa tonta, nandresy ny Barea de Mada­gascar.
Tsara marihina fa izay voalohany isam-bondrona amin’ity dia manao Mondial avy hatrany. Ny faharoa tsara indrindra kosa, hanao lalao sakana.

Hifanandrina amin’i Mali
Rehefa avy nifanandrina tamin’ny nosy rahavavy Co­mores ny ekipa nasionaly malagasy, ny Aigle de Mali, indray no hihaona amin’i Ma­da­ga­sikara, ny talata ho avy izao, ao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johan­nesburg Afrika Atsimo ihany. Araka ny fikarohana natao, tsy mbola nifandona mihitsy i Mali sy i Mada­gasikara. Tsara ny mampaha­tsiahy fa lavon’i Ghana, ta­min’ny isa 2 no ho 1, ny malianina, mpampiantrano ity fihaonana ity, ny alakamisy lasa teo.

Fitia Randria

 

Catégories: National

Tantara amin’ny radio: mila mitandrina ny mpanoratra

Les Nouvelles - sam, 06/08/2024 - 07:55

Miverina liana amin’ny tantara fihaino amin’ny radio indray ny Malagasy. Saika mandefa izany rahateo ny ankamaroan’ny radio eto an-toerana. Mahaliana, saingy, mila fitandremana fatratra ny mpanoratra sy ny mpanatontosa. Ilay vontoatin’ny tantara, mitady hivaona. Mpanoratra tsy mahafehy na tsy mahafantatra momba ny fomban-drazana, ohatra, kanefa manasongadina ao anatin’ny sanganasany fa : «ratsy ny fomban-drazana raha oharina amin’ny fombam-bahiny. Io fombam-bahiny io no tena mahomby». Mpanoratra tsy mahalala ny fifampifehezana ao anatin’ny Tafika, kanefa manoratra momba izany ao anaty tantara. Mpanoratra tsy mahafantatra akory ny fomba fiainan’ny tantsaha, kanefa, miresaka momba izany ao anatin’ny tantara soratany. Ambonin’izay, maro amin’ireo tantara fandefa amin’ny radio no ahitana fifanoherana ao anatiny. Mifanohitra, ohatra, ny vanim-potoana nisian’ilay tantara sy ny zava-nisy tamin’izany. Fahagolantany, tsy tokony hahitana fiarakodia. Dia an-tongotra sy filanjana no nampiasaina. Tsy voatsikaritry ny mpanatontosa ve sa hitan-dry zareo ihany ny tranga tahaka izany, saingy, tia mihaino tantara ny Malagasy ka aleo alefa ihany fa tsy mani­nona?

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Pages