Fifaninanana Afrika Atsinanana : andrasana ny fahatongavan’ny filoha lefitry ny WKF

Les Nouvelles - jeu, 06/06/2024 - 07:55

Ho avy eto Madagasikara, anio, ireo tomponandraikitra ambony iraisam-pirenena amin’ny taranja Karate. Ani­san’izany ny filoha lefitry ny Federasiona iraisam-pirenena (WKF), i Bechir Cherif. Hiara-dalana aminy i Souleymane Gaye, lehiben’ny fikambanan’ny Federasiona aty Afrika (UFAK). Manatevina ny delegasiona koa i Zetouni, filohan’ny kaomisiona mpitsara ao amin’ny WKF. Ankoatra izay, efa tonga eto amintsika tamin’ny talata, i Papa Ismaila Ba, lehiben’ny Kaomisionina misahana ny teknika eo enivon’ny WKF, sy ireo nosy rahavavy : i Maurice sy i Comores ary i Djibouti.
Manomboka rahampitso, haharitra hateloana ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika, faritra atsinanana, taranja karate. Mandray anjara ny sokajy Cadet sy Junior ary Senior, lahy sy vavy. “Efa vonona ny atleta malagasy 39 mianadahy”, hoy ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile. Tanjona hapetrak’izy ireo ny tsy hialan’ireo medaly volamena eto Madagasikara. Raha ny fanazavana voaray teo amin’ny Federasiona, hotontosaina ny sabotsy ho avy io, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny famaranana lehibe. Aorian’ity fifanintsanana ity, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, any Tunis, i Mada­gasikara, ny volana septambra ho avy io.
Hisy ny fivoriambe ara-potoanan’ny Afrika Atsina­nana, rahampitso, eny amin’ny Hotel Colbert Antanina­renina.

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 06/06/2024 - 07:55

Hitohy etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro faharoa, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, sokajy vehivavy. Fihaonanana hotanterahina ny alahady ho avy izao. Hifandona eo amin’ny D1, ny FTFA Antohomadinika sy ny 3FB. Hanokatra ny fihaonana ny an’ny D2, hifanandrinan’ny SCB Besarety 2 sy ny FTVL Lalamaty.

Tsy mbola resy ny ekipan’ny COSPN eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, N1A, lehilahy. Fihaonana tanterahina any Toamasina. Fandresena telo misesy no azon’izy ireo. Nandresy ny ASCUT sy ny Cosfa, avy eo nanilika ny SBBC Boeny izy ireo.

35 ny isan’ireo mpanamory handray ny fiaingana amin’ny “Rallye Motul”, karakarain’ny klioba FMMSAM. Dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena hatao ny zoma 7 ka hatramin’ny alahady 9 jona ho avy izao. Anisan’ireo hiatrika izany ary hiady izay ho lohany ry Mathieu (Zaza maditra) sy i Olivier ary i Mika.

Nandresy tsy niady, omaly, ary tafita amin’ny manasa-dalana, ilay norvezianina, i Casper Ruud, teo amin’ny fiadiana ny amboarann’ny “Roland Garros”, taranja tenisy. Fihaonana tanterahina any Frantsa. Tsy afaka niatrika izany mantsy ilay serba, i Djokovic, tokony hifandona taminy teo amin’ny ampahefa-dalana, noho ny ratra nahazo azy.

Catégories: National

Lomano, tatsy Maorisy : nahazo medaly volamena i Holy

Les Nouvelles - jeu, 06/06/2024 - 07:54

Notanterahina tatsy Maurice, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny taranja lomano fanao amin’ny andro ririnina. Nandray anjara tamin’izany ny Malagasy, tamin’ny alalan-dRabejaona Holy Antsa. Nison­gadina ny zava-bitany satria nandrombaka medaly volamena telo, tamin’ireo fihaonana natrehiny izy. Anisan’izany ny teo amin’ny 100 m lomano tsotra, tontosany tao anatin’ny fe-potoana, 1mn 01s 28. Fe-potoana tsara vitany ho an’ity taom-pilalaovana 2024 ity.
Teo koa ny 50 m mitsilany, vitany tao anatin’ny 31s 27. Ampahan-tsegondra 22 amin’ny zava-bita tsara indrindra eto Madagasikara, tontosan’i Elodie (31s 05) ary ny 50 m lomano tsotra, 27s 29. Tsiahivina fa atleta miofana any Kazan any Rosia, i Holy Antsa, amin’izao fotoana izao.
22 taona izy ankehitriny ary efa betsaka ny anaram-boninahitra azony, nandritra ny fotoana nilomanosany. Tompondakan’i Madagasikara tamin’ny lomano ho an’olon-tokana miisa 5, ny taona 2023. Nahazo medaly alimo 4, nandritra ny lalaon’ny Nosy farany natao teto Madagasikara.

Tompondaka

Catégories: National

“Pureplay football league” (PFL) : hatao ny 13 sy 16 jona ny manasa-dalana

Les Nouvelles - jeu, 06/06/2024 - 07:54

Haroso ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (Pureplay football league 2024). Ekipa efatra no hiady lohany amin’izany.

Nambaran-dRakotoa­rimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de football Elite de Mada­gascar (CFEM) fa tsy maintsy haroso ny fanatanterahana ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, “Pureplay football league (PFL 2024)”. Tapaka fa hatao ny 13 sy 16 jona ho avy izao ny lalao mandroso noho ny fahateren’ny fotoana.
Hisantatra izany ny fihaonan’ny Elgeco Plus sy ny 3FB Toliara. Lalao hatao etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium. Raha tsiahivina, nandresy ireo ekipa tany amin’ny kaonferansy avaratra ireo ekipa roa ireo. Ny Elgeco, nanilika ny Fosa Jr Boeny ary ny 3FB nandavo ny ASA Diana.
Ny ankatoky ny famaranana faharoa indray, hatao ao amin’ny kianja Ampasam­bazaha Fianarantsoa. Fihao­nana hikatrohan’ny Zanakala FC sy ny Disciples FC. Raha tsy misy ny fiovana, herinandro aorian’io no hanaovana ny lalao miverina. Raha ireo fandaharan-dalao ireo, afaka mamonjy ny ekipany i Tendry sy i Berajo ho an’ny Disciples ary i Nina, an’ny Elgeco Plus.
Izy telo mirahalahy ireo, izay manatevin-daharana ny Barea de Madagascar miatrika ny lalao hifanandrinana amin’ny Coelacanthes Co­mores, rahampitso sy amin’ny Voromaherin’i Mali, ny talata 11 jona 2024.
Nohamafisin’ny filohan’ny CFEM fa tsy maintsy vita mialohan’ny 30 jona ity fifaninanam-pirenena ity, hivoahan’ny anaran’ny ekipa hisolo tena an’i Madagasikara, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Anjaran’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny mandefa izany anarana izany any amin’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf).

Tompondaka

Catégories: National

Akademia Malagasy: hisy famoronana lahatsoratra

Les Nouvelles - jeu, 06/06/2024 - 07:53

Amin’ny alalan’ny fifaninanana no hanatanterahina fa­moronan-dahatsoratra. Tafidi­t­ra ao anatin’ny fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy » no hanatanterahin’ny Akademia Malagasy ity hetsika ity. Lohahevitry ny fifaninanana ny hoe : « Ny teny ma­lagasy, sompi-pahendrena ».
Mamorona lahatsoratra mi­tantara fohy ny niavian’ny anaran-tanàna roa na anarana olo-malaza roa na anaran-tanana iray sy olo-malaza iray ny mpifaninana. Kajiana ny tsipelina sy ny rafi-pehezanteny. Atao sora-milina na sora-tanana ny lahatsoratra. Raha sora-tanana, efatra pejy ny halavany. Ma­ha­zo mandray anjara avokoa ny sokajin’olona (mpianatra, olona tsotra, mpampianatra…) sy ny sokajin-taona rehetra.
Mifarana ny 12 jolay izao, amin’ny 3 ora sy sasany folakandro, ny farany fandraisana ny lahatsoratra hifaninana, ao amin’ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia Malagasy, Tahala Rarihasina Analakely, rihana faharoa. Azo atao ihany koa ny mandefa izany amin’ny alalan’ny paositra, amin’ny adiresy Foibe momba ny teny an’ny Akademia Ma­lagasy, Tahala Rarihasina Analakely 45 – 47 lalana 26 jona 1960, Antananarivo 101.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Pages