Maroc: une opération humanitaire à Gaza

Les Nouvelles - mar, 06/25/2024 - 11:30

Le ministère des Affaires étrangères, de la Coopération africaine et des Marocains résidant à l’étranger, a annoncé que Sa Majesté le Roi Mohammed VI, président du Comité Al Qods, a donné ses très Hautes Instructions pour déployer une opération humanitaire d’aide médicale, en faveur de la population palestinienne de Gaza.
Cette aide composée de 40 tonnes de produits médicaux, vise à soutenir les Palestiniens touchés par les conflits et les urgences médicales, dont de matériel de soin des brûlures, des urgences chirurgicales et traumatologiques, ainsi que des médicaments essentiels pour les adultes et les enfants en bas âge.
Le Souverain marocain a généreusement financé une grande partie de cette aide sur ses deniers personnels, témoignant ainsi de son engagement constant en faveur de la Cause Palestinienne. L’aide marocaine sera acheminée en empruntant le même itinéraire terrestre utilisé lors de l’opération d’aide alimentaire déployée sur instructions du Souverain au mois de Ramadan dernier.

Recueillis par Naisa

Catégories: National

Taratry ny kanto

Les Nouvelles - mar, 06/25/2024 - 10:51

Mifarana anio ny fampirantiana « Firenena sy ny hery fiarovana sy filaminana », tanterahina ao amin’ ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo. Tratra ny tanjona, amin’ny ankapobeny, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Maro no tonga nitsidika ny fampirantiana, indrindra ireo tanora sy mpianatra, izay tena noken­drena hahafantatra ny mahakasika ny hery fiarovana sy filaminana.

Tanterahina anio hariva, eny amin’ny PK 00 Soarano, ny fampisehoana “Revy mozika, ndao hana­lazy”, iarahana amin’ny tarika Jeneraly sy Njara Marcel. Mpanakanto samy manana ny maha izy azy ireto hifam­pizara sehatra ireto. Seho miavaka sy hafa mihitsy no ampanantenain’ny mpikarakara sy ireto mpanakanto ireto, ho an’ny mpankafy azy ireo.

Hifarana anio ny “podium” Analakely. Efa niaka-tsehatra ry Iraimbilanja, Kiaka, Lôla ary Mr Sayda, omaly. Hofaranan’ireo mpanakanto mpivoy ny gadona mihetsika sy ny mozika ankehitriny kosa izany, anio. Hifandimby hiakatra eo ry Raouto, Smaven, Natchou ary i Simonda. Ry Fou Hehy hatrany no hiandraikitra ny fanentanana.

Fety be ny eny Talatamaty. Hiavaka amin’ny maro ity kaominina ity, mandritra ny fankalazana ny
fetin’ny Fahaleovantena, anio sy rahampitso. Hisy fotoam-bavaka, matso, hiragasy, atsam-piderana, dihy mirindra sy fampisehoana iarahana amin-dry Oladad, Tempo Gaigy, Gasta, Nya Orchesta, Raouto, Johanne, Mijah, El Ross, Bajio, …, eny an-toerana.

Catégories: National

Hetsiky ny LMK Hiragasy goavana eny Bemasoandro

Les Nouvelles - mar, 06/25/2024 - 10:51

Hanao hetsika ho amin’ny fanohanana sy fanampiana ny ao aminy ny sampana eo anivon’ny fiangonana katolika etsy Bemasoandro.

Mikarakara seho hira­gasy ny eo anivon’ny Lehilahy misionera katolika (LMK), eny amin’ny fiangonana katolika (Ekar) Bemasoandro, Itaosy. Hifa­nandrina amin’izany ny tarika Raveloson Jean Ba avy any Arivonimamo sy ry Sahon­drafinina zanany avy etsy Fenoarivo. Hotanterahina ny alahady 30 jona izao izany, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny kianja malalaka Antanikatsaka, eny Itaosy. Hanomboka hisokatra amin’ny 8 ora maraina ny vavahady amin’izany. Ho hita eny an-toerana koa ireo sakafo sy tsakitsaky samihafa ary zava-pisotro isan-karazany. Hamidin’ireo mpikarakara amin’ny vidiny mirary izany.

Ho adin’ny samy henjana

Ho adin’ny samy henjana sy goavana io ka tsy hifampi­tsitsy ny roa tonta eny an-kianja. Na eo amin’ny zanakira na koa ny vakodrazana miaraka amin’ny dihy mampiavaka ny tarika avy. Eo koa ny feo manga sy ny fitafiana… Tana hifampitana ny roa tonta amin’ izany.
Tsiahivina fa natokana manontolo ho amin’ny fampitaovana ny fiangonana ny vola ho azo amin’izany hetsika karakarain’ny LMK Bema­soan­dro izany. Anisan’izany ny dabilio hanampiana ny efa ao anatiny amin’izao fotoana izao.

Synèse R.

Catégories: National

Lalao Echec – Afrique 2024: tompondaka lefitra i Nivo Hasina

Les Nouvelles - mar, 06/25/2024 - 10:49

Fararanom-bokatra ny fanatanjahantena malagasy, tamin’ ny faran’ny herinandro teo. Nentin’i Tsinjoviniavo Nivo Hasina ambony be indray ny lazan’i Mada­gasi­kara.Voahosotra ho tompondaka lefitra eto Afrika, ho an’ny sokajy zandriny U10, teo amin’ny lalaon-tsaina Echec, indray mantsy ny tenany. Fihaonana natao tatsy Afrika Atsimo, ny 16 ka hatramin’ny 21 jona lasa teo. Resiny teo amin’ny fiadiana ny medaly volafotsy ilay kenyanina, laharana voalohany aty Afrika i Matingi Riley.
Raha tsiahivina, fandresena 6, ady sahala 2 ary faharesena 1 ny vokatra azon’i Nivo Hasina, ka nahazoany ny isa 7 amin’ny 9. Nandrombaka ny tompondakan’i Afrika, ilay egytianina, i Heaven Fady, nahazo isa 8,5 amin’ny 9. Io nahazo ny medaly volamena io ihany no hany nandresy an’i Nivo Hasina tamin’ity fifaninanana ity.
Raha tsiahivina, efa nahazo ny laharana fahefatra i Nivo Hasina nandritra ny fifaninanana natao ny taona 2023. Tanjon’i Nivo Hasina ny hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany.

Tompondaka

Catégories: National

Baolina kitra – «Euro 2024»: saro-toerana ny ekipan’i France

Les Nouvelles - mar, 06/25/2024 - 10:47

Tsy mbola tafita amin’ny ampahavalon-dalana i Fran­ce, ao amin’ny sokajy «D», eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Euro 2024». Fihaonana tanterahina any Allemagne. Hiankina amin’ny lalao anio no hahalalana ny tohin’ny dian’izy ireo. Tsy manana afa-tsy isa 4 mantsy ny frantsay hatreto.
Tranga maromaro no mety hiseho ho an’ity vondrona ity. Tafakatra i France raha toa ka mandresy an’i Pologne, izay efa tsy tafita intsony. Etsy an-kilany, tsy mandresy an’i Autriche i Pays-Bas. Raha samy mandresy indray izy ireo ka amin’ny elanelan’isa kely ny vokatra azon’i Pays-Bas. Manao ady sahala ny frantsay ka resy i Pays-Bas.
Mety hitana ny laharana faharoa ihany koa ny frantsay raha toa ka samy resy izy sy i Pays-Bas, ka amin’ny elanelan’isa be. Hahazo ny toerana fahatelo tsara indrindra ny frantsay ary tafita amin’ny dingana manaraka raha toa ka resin’i Pologne ary lavon’i Autriche ihany koa i Pays-Bas, amin’ny elanelan’isa mitovy, fa hiankina amin’ny vokatra hafa any amin’ireo vondrona hafa.
Tsiahivina fa hiara-kizotra amin’ny ora mitovy fa amin’ny kianja roa samy hafa ny lalaon’ny ekipa efatra amin’ity vondrona ity. France sy i Pologne ao Iduna Park ary Pays-Bas sy Autriche ao Olympia stadion.

Tompondaka

Catégories: National

Rugby- « Africa Men’s Seven 2024 »: hifanandrina amin’ny ekipa nigeriana ny Makis

Les Nouvelles - mar, 06/25/2024 - 10:46

Hotanterahina any amin’ny Nosy rahavavy, Maurice, ny 29-30 jona sy ny 6 hatramin’ny 7 jolay ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina, taranja rugby lalaovin’olona fito. Ao anaty vondrona A no misy an’i Madagasikara.

Afaka andro vitsy! Hiatrika lalao iraisam-pirenena indray ny ekipam-pirenena malagasy Makis, ny 29 jona ho avy izao, any amin’ny Nosy Maurice. Ny ekipan’i Kenya sy Nigeria ary i Maurice, mpampiantrano no miray vondrona amin’ny Makis ao amin’ny sokajy “A”. Raha ny fikarohana natao, omaly, ny ekipa nasionalin’i Nigeria no hifanandrina amin’izy ireo voalohany, amin’ity fifaninanana afrikanina, ho an’ny rugby lalaovin’olona fito, “Africa Men’s Seven 2024”, ity.
Aorian’izay, ry zareo mpandray ny fifanintsanana, i Mau­rice, no hihaona amin’ny ekipa nasionaly malagasy ary hamarana azy ny fifanandrinana amin’i Kenya. Ankoatra izay, miisa 12 mirahalahy ny mpilalao nantsoin-dRakotoa­rivelo Mboazafy, na Coach Razily, handrafitra ny Makis. Araka ny vaovao voaray, teo anivon’ny Malagasy Rugby, hanainga, anio, etsy Ivato, hihazo ny Nosy Maurice, ny Makis.
Ankoatra izay, hatao any Tunisie, ny faran’ny volana oktobra sy ny 2 hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, ny fifanintsanana ho an’ny vehivavy, raha ny fanazavana azo teo anivon’ny Malagasy Rugby hatrany.

Fitia Randria

Catégories: National

Lycée teknika: vita ny adina hidirana taona voalohany

Les Nouvelles - mar, 06/25/2024 - 10:42

Mahatratra 50 043 ireo mpiadina manerana ny Nosy niatrika ny fanadinana hidirana amin’ny taona voalohany eo amin’ny sehatry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Notontosaina ny herinandro lasa teo izany, izay naharitra roa andro. Mitsinjara amina foibem-panadinana miisa 183 ireo mpiadina ireo. Ho an’ny LTP Ampefiloha manokana, miisa 1 676 ny mpiadina nisoratra anarana ka 1 589 amin’ireo no tonga niatrika ny fanadinana.
Nizotra tao anatin’ny filaminana tanteraka ny fiatrehan’ireo mpiadina ny fanadinana tamin’ny foibem-panadinana rehetra.
Efa niditra amin’ny fialantsasatra lehibe kosa ireo mpianatra amin’ny toeram-panofanana arakasa sy ny Lycée teknika, taona voalohany sy faharoa, fa ireo mbola hiatrika ny fanadinana bakalorea teknika no manohy ny fampianarana. Samy manao fizarana asa avokoa ny mpianatra, indrindra ireo misehatra amin’ny fandraisam-bahiny sy ny fampisakafoana mandritra ny fialantsasatra.

Vonjy

Catégories: National

Vehivavy mitondra vohoka: tokony hanao fitiliana VIH/Sida avokoa

Les Nouvelles - mar, 06/25/2024 - 10:40

Fitiliana iray tokony hataon’ny vehivavy mitondra vohoka ny fitsirihana ny tsimokaretina VIH/Sida ao aminy raha toa ka mitondra izany izy na tsia, ka hanomezana azy ny fitsaboana sahaza azy. Afaka manaraka fitsaboana ilay ve­hivavy tsy hamindra amin’ny zaza ao am-bohoka ka ilaina ny fanatonana tobim-pahasalamana misafo sy manao ny fitiliana.
Ho an’ i Madagasikara ma­nokana izay mitovy amin’ny zava-misy any Afrika Andre­fana, mbola vitsy ny tahan’ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina, tsy voaresaka loatra ity valanaretina ity, araka ny nambaran’ny talen’ny siansa sy ny rafitra ho an’ny rehatra ao amin’ny ONU-Sida, ao Genève, Dr Fodé Simaga. Fantatra anefa fa miha mahazo vahana ny tsimokaretina, indrindra eny anivon’ny tanora, noho ny tsy fahampian’ny fanentanana hanao fitiliana. Mila ezaka avy amin’ny fanjakana sy ny firaisamonina sivily misehatra amin’ny fahasalamana hanamafy ny fanentanana eny ifotony.
Olana lehibe hafa koa ny fanilikilihana ny olona mitondra ny tsimokaretina eny anivon’ny fiarahamonina izay mitarika azy ireo hisitrika nefa lasa sakana amin’ny fisitrahana fitsaboana sy fahazoana ny fanafody Antiretroviraux (ARV) izany.
Aty Afrika, mahatratra 37% amin’ny ankizy mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida no mihinana ARV.

Vonjy

Catégories: National

Minisiteran’ny Mponina: notsimbinina ireo ankizy zanaky ny fianakaviana tena sahirana

Les Nouvelles - mar, 06/25/2024 - 10:39

Nahatsiaro manokana ireo ankizy tetsy Isotry ny minisiteran’ny Mponina, omaly. Mendrika ny hanao fety toy ny ankizy rehetra izy ireo amin’izao fetin’ny Fahaleovantena izao.

Notsimbinina manokana ireo ankizy zanaky ny fianakaviana sahirana, omaly, tetsy Isotry. Nitsidika azy ireo ny minisitry ny Fi­tsarana, Randriamanan­tena­soa Landy Mbolatiana, sady minisitry ny Mponina mpisolo toerana.
Nankahery sy nampifaly ary nitondra fanomezana ireo ankizy miisa 200 teny amin’ny Akanin’ny Fianakaviana miarina (Seba) sy ny Akany Fia­lofana (Madcap), teny Isotry, izy ireo.
Tsy hadino ireo ankizy 20 marary manaraka fitsaboana ao amin’ny HJRA sy ny ankizy 28 ao amin’ny hopitalin’ny an­kizy Ambohimiandra. Akoa­tra izay, novangiana ihany koa ireo vehivavy voafonja mitaizakely miisa 43.
Vary, menaka, ronono, savony, labozia sy kojakoja maro no nomena ireo ankizy mba hahafahany manao fety toy ny zana-bahoaka.
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny Faha­leovantena sy fankalazana ny iray volan’ny ankizy ny hetsika.
“Ndao hatambatra ny hery ho fiarovana ny zon’ny ankizy”. Io no lohahevitra voizina nandritra ity volana ity. Mie­zaka manatanteraka izany ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ka mitsimbina ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana tena sahirana. Mpangataka an-dalambe, mpanasa lamba, mpitaona entana, mpantsaka… no ankamaroan’ireo ray aman-drenin’ireo ankizy. Misy tena tsy manan-kialofana mihitsy ka mipetraka amin’ireo akany sahanin’ny fanjakana.
Ankoatra ny hetsika fizarana fanomezana dia miezaka mampahafantatra ny zon’ny ankizy ihany koa ny mpiantsehatra. Tanjona ny hahafantaran’ny ankohonana sy ny fiarahamonina ny zo fototry ny ankizy mba hanajan’izy ireo izany fa indrindra ho fiarovana ireo ankizy mba tsy ho very zo.

Tatiana A

Catégories: National

Andraikitra ara-tsosialin’ny orinasa (RSE): manamafy ny fiaraha-miasany ny JCI sy ny Orange

Les Nouvelles - mar, 06/25/2024 - 10:29

Manavao ny fiaraha-miasany ny Orange Madagascar sy ny Jeune chambre Interna­tionale (JCI), tamin’ny alalan’ ny fifanaovan-tsonia nataon’ny tale jeneralin’ny Orange Ma­da­gascar, Frédéric De­bord, sy ny filoha nasionalin’ny JCI, Ratsimbazafy Sandra, omaly. Miompana amin’ny fandrai­sana andraikitry ny orinasa amin’ny asa sosialy (RSE) sy ny tetikasa maharitra ho an’ny tanora malagasy omen’ny Orange Madagascar ny fiaraha-miasa. Tsiahivina fa nahomby avokoa ireo hetsika sosialy sy ireo tetikasa samihafa ho an’ny tanora notohanan’ny Orange Madagascar tao anatin’ny 20 taona mahery. Mbola vonona hanohy izany hatrany ity orinasam-pifandraisana ity, amin’alalan’ireo fanampiana samihafa ataony.

Tetikasa
Tambajotra maneran-tany ahitana tanora manomboka amin’ny 18 ka hatramin’ny 40 taona ny JCI sady miasa amina firenena miisa 115 sy toerana maherin’ny 5 000 isa. Nanampy ny tanora amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ny JCI. Maherin’ny 350 ireo mpikambana ao aminy eto Madagasikara, izay mivondrona anatina fikambanana 15, misandrahaka amina tanàna 11.

Henintsoa H.

Catégories: National

Pages