Vonona hanohana ny ny orinasa malagasy madinika sy salantsalany (PME) ny foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra (DGI) sy ny tahiry famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP) amin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia, ny alarobia teo, tetsy Ambodivona. Tantsoroka izay hiompana tanteraka amin’ny fampanarahana ny toetrandro ireo fahalalan’ny orinasa ny lalà na sy ny paika ara-ketra. Tafiditra ao anatin’izany ireo rafitra sy tolotra hanamorana ny fandoavana ireo adidy amin’ny fanambaran-ketra sy hetra sy ny fandoavana izany. Hoentanina ihany koa ireo orinasa hampihatra ireo fepetra ara-ketra mampahomby ny fitantanana. Ankoatra izay, hozaraina amin’izy ireo koa ny tombontsoa azony amin’ny fanarahan-dalà na. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanatsara ny fahaiza-mitantan’ny mpanÂdraharaha hampivoarana ny toekarem-pirenena. Ity hetsika ity izay entina hanatsara ny fifampitokisana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.
Henintsoa H.
«Nitombo 44% ny vola niditra tamin’ ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny jono niarahana amin’ny Vondrona eoropeanina (UE)», hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante PauÂbert. Mangarahara tanteraka ny asa sy ny vola niditra tamin’ ity sehatra ity, hoy hatrany ny fanazavany. Notohizany fa fifanaraham-piaraha-miasa faha-11 niarahana tamin’ny UE nahazoana vola hatrany amin’ ny 12 892 000 euros, izay niÂÂfarana ny 31 desambra 2019. Vita sonia ny volana mey 2022 kosa ny fiaraha-miasa vaovao izay efa mihatra tanteraka amin’izao fotoana izao. AnkeÂhiÂtriny efa tafiditra eto MadaÂgasikara ihany koa ireo sambo 39 ampiasain’ny UE amin’ny fanjonoana raha 63 no nampiasana.
Malalaka
Mbola malalaka tanteraka ny jono lamatra eto amintsika. Manodidina ny 50 000 taonina ny lamatra mandalo eto MadaÂgasikara ka ny 14 000 t no nanaovantsika fifanarahana tamin’ny Vondrona eoropeaÂnina. Ny 1 500t iarahana amin’ ny firenena japoney ary manodidina ny 5 000t itambarana amin’ireo firenena koreanina, espagnol, sns. Izany hoe, maÂnodidina ny 25 000 t ny fanjonoana lamatra eto amintsika. Mbola malalaka ho an’ny mpanjona malagasy ihany koa ny jono lamatra maherin’ny 25 000 t izay ilana teknika avo lenta. « Tsy hita maso sady mandeha amin’ny hafainganam-pandeha 40km/ora ny lamatra ka ilana fampiasana fitaovana toy ny Sonar, mba hahitana azy saingy tsy mbola manana fahafahana hampiasa izany isika », hoy hatrany ny minisitra. Notsindriny fa any amin’ny 36 km miala ny sisin-dranomasina rahateo ny ahitana ireo karazana trondro ireo.
Henintsoa Hani
Tsy mitsahatra mivoatra ny fivoaran’ny serasera. Ao anaÂtin’izany ny sehatry ny fizaÂhantany. Mandray anjara eny amin’ny Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM) sy ny asa tanana (IHM) eny amin’ny CCI Ivato, ny 20-23 jona 2024 ny orinasa Tropic. com. Misehetra amin’ny lafiny fampiroboroboana ny fifandraisana sy ny serasera amin’ny mpanjifa. Nilaza ny mpitantana ny oriÂnasa, Andriamiarintsoa JosceÂline, fa tsy maintsy ilaina ny fanarahana ny toetrandro sy ny fivoaran’ny teknolojia. « Anisan’ny fitaovana ilaina amÂpiasaina amin’izao fotoana izao ny fivoaran’ny teknolojia niomerika sy ny fifandraisan-davitra, fa tsy ampy intsony, ny fanao mahazatra, toy ny fampiasana taratasy, na antontam-baovao hita maso ».
Anisan’ny tena ilana izany fomba fiasa izany ny sehatry ny fizahantany.
Efa maro izao ny mpanjifa mitaky fomba tsotra sy hainÂgana, ahalalany ny toerana tiany haleha. Ao anatin’izany ny momÂbamomba ny firenena tiany hoÂtsidihina, ny fotodrafitrasa misy, ny tolotra, ny fomba fandoavana ny saran’ny vola aloany, sns. Izany rehetra izany no hifantohan’ny Tropic. com, hanomeÂzana fahafaham-po ny mpanjifa, sady hanamorana ny filany.
Njaka A.
Mandroso ny fametrahana fivilianan-dalana any amin’ny tetezan’i Manambary, PK 173, amin’ny lalam-pirenena fahadimy, RN 5, faritra Sava. Any amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar ity lalana ity, izay simban’ny rivodoza Gamane farany teo.
Manodidina ny 50 000 hatramin’ny 100 000 dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana anglisy ao anatin’ny fandaharanasa TEA. Hampiasana ny vola ny tetikasa ho an’ny famatsiana herinaratra ambanivoÂhitra, hifantoka amin’ny fahasalamana.
Tetikasa hampivoarana ny sehatry ny fiompiana omby ny Agri-Mada. Ifantohan’ny tetikasa ny any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tanjona ny hampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana omby, ny fanodinana ny vokatra, hanatsarana ny fari-piainan’ny mpiompy. Manohana ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena.
Hanomboka anio ka haharitra roa andro, ny hetsika “Zah@Geek 3.0”, izay atao eny amin’ny Orange Digital Center, Gara Soarano. Hetsika niomerika ara-toekarena izay hampivondrona ireo orinasa maheÂrin’ny 40 mpisehatra amin’ny haitao ara-kajy mirindra. Misy ny tolotrasa sy ny « Job recruting » ho an’ny tanora.
Anisan’ny nivoitra nandritra ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny hetsika ITM-IHM, ny hananÂganana hotely lehibe kintana 5 miisa 15. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fizahantany izany.
Nisantatra ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, ITM andiany faha-10, sy ny asa tanana IHM, andiany voalohany, eny amin’ ny CCI Ivato, omaly, ny filoha Rajoelina Andry. FireÂnena naÂsaina manokana i Côte d’Ivoire. Lohahevitra ny hoe « ny fahaizana mandeha an-tany hafa ». Nambaran’ny filoha Rajoelina fa fahatelo amin’ny fampidirana vola vahiny ny sehatry ny fizahantany. Eto amintsika ny 5% ny zavamananaina maneran-tany. Eo koa ny kolontsaina marolafy mampiavaka ny isam-paritra. SeÂhatra mampidi-bola vahiny fahatelo ny fizahantany. Anisan’ ny paikady hampiroboroboana azy ny hananganana hotely lehibe manana sokajy kintana 5, miisa 15 eto amintsika. HiÂsokatra amin’ny 3 septambra ho avy izao ny zotra ana habakabaka mampitohy an’i Dubaï (Emirats Arabe-Unis) sy AntaÂnanarivo. Maro ny faÂmandrihan’ ny mpanjifa te ho aty MadaÂgasikara, fa olana ny tsy faÂhamÂpian’ny zotra anaÂtiny.
Niteraka 500 tapitrisa euros
Ho an’ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany (ONTM), Ranaivoarimanana Ionjaniaina, « manana ny anjara birikiny amin’ny fitomboana ara-toekarena ny fizahantany. Niteraka vola maheÂrin’ny 500 tapitrisa euros ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara, tamin’ny taona 2023 ». Mampiavaka an’ity hetsika andiany 2024 ity ny firenena ivoariana, amin’ny fihaonana mivantana B2B. Notsorin’ny minisitry ny FizaÂhantany sy ny fialamboly ivoariana, Siandou Fofana, fa mila mampitovy feo ny firenena afrikanina. Manodidina ny 50 ny mpandraharaha ivoariana manatrika ity hetsika ity.
Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Foibem-pirenena ho an’ny taozavatra malagasy (Cenam), Raminoharijaona Tojo, fa « dinÂgana vaovao ity hetsika ITM-IHM ity, hampandroso ny taozavatra malagasy ». Miisa 14 ny seha-piharian’ny asa tanana eny amin’ny IHM, ahitana sokajin’asa 164.
Njaka Andriantefiarinesy