Nijoro ny tambajotra “Hiaraka hitady asa”, hivondrona hanampy ny tanora mitovy aminy hikaroka asa. Manohana ny hetsika ny Observatoire de la jeunesse eto amintsika satria mitovy ny tanjona: samy hanao tantsoroka ho an’ny tanora.
Hatambatra ny hery hanamora ny fitadiavana asa sy hampahafantatra ireo orinasa maro fa betsaka ny tanora manana fahaiza-manao amin’ ny sehatrasa misy. Hanamora amin’ny firotsahana amin’ny tontolon’ny asa ny tambajotra
Taorian’ny fivoriana niarahan’ny mpiantsehatra, ny faran’ny herinandro teo, teto Antananarivo, tapaka fa i Handriamamirija Tsioriniaina Nandrianina sy i Vanonjato Haja no voafidy ho mpitarika ny tambajotra HHA. Andraikitra hosahanin’izy ireo ny fikarakarana fiofanana ho an’ny mpitady asa sy hanentana ny tompon’ny orinasa amin’ny fisian’ny tambajotra.
Hiofana mialoha momba ny teknikan’ny haitaky ireo mpisehatra amin’ny taona ho avy, hampahomby ny asa rehetra atao, hanampiana ny tanora mpitady asa.
Dingana iray fampisehoana ny fahavononana hiditra amin’ ny tontolon’ny asa ny fametrahana ny tambajotra ho an’ny tanora avy amin’ny tanora, hifanampy. Mila fiomanana rahateo ny fitadiavana asa eo amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy momba ny tena, ny fiatrehana ny dinidinika amin’ny mpampiasa sy ny fifaninanana (fitsapana) raha mitady izany ny orinasa.
Vonjy
Nanokana fandaharanasa hanomezana vatsim-pianarana roa ho an’ny mpianatra manaraka ny fianarana teny sy kolontsaina japoney ny fanjakana japoney. Tafiditra ao koa ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga
voalohany sy faharoa. Hifarana ny 14 febroary 2025 ny fanaterana ny antontan-taratasy fangatahana, eny Ivandry.
Natao tany amin’ny tanànan’i Osaka-Japon ny fivoriana maneran-tany momba ny fanjarian-tsakafo. Solontenam-panjakana, firaisamonina sivily, sehatra tsy miankina ary fikambanana iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampisakafoana ankizy an-dakilasy no nandray anjara tamin’ny fihaonana. Tany an-toerana ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena malagasy. Ezaka hotanterahina ny hanatsara ny kalitaon’ny sakafo omena ny zaza sy hampaharitra ny asa.
96 ireo nahazo mari-pahaizana Master spécialisé en Santé publique rehefa nahavita ny fanohanan-kevitra teo anivon’ny Institut d’odonto-stomatologie tropicale de Madagascar (IOSTM) tany Mahajanga. Hanatanteraka ny Politika ankapoben’ny fanjakana eo amin’ny lafiny fahasalamana izy ireo, mitondra ny anarana Filamatra.
Nampahafantatra ny Oniversiten’i Mahajanga fa hitohy hatramin’ny alatsinainy 13 janoary 2025 ny fametrahana ny fangatahana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra L1 vaovao sy ireo namerin-taona. Ho an’ny sokajy L2 no ho miakatra kosa, hifarana ny zoma 31 janoary 2025 ny fisoratana anarana sy ny fangatahana izany.
Tsio-drivotra avy Atsinanana, amin’ny ankapobeny, no handrafitra ny mety ho toetry ny andro, izay tsy marin-toerana any amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy ho an’ny telo andro manaraka.
Vinan’ny toetry ny andro rahampitso, ny tolakandro sy ny takariva na ny alina: hanoram-baratra mitsitokotoko any Menabe, Melaky, Boeny, Sofia ary ny tapany avaratr’Atsimo Andrefana. Hanorana miatoato any Diana, Sava, Ambatosoa, Analanjirofo ary Atsinanana. Hisy erika na orana manify any Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany ary ny afovoantany. Handrahona mitsitokotoko any an-kafa.
Ny andron’ny taom-baovao, ny maraina: hisy tandrifin-drahona ny vao maraina any amin’ny morontsirak’i Diana, Melaky Ary Menabe. Hanorana miatoato any Sava, Ambatosoa ary Analanjirofo. Ho maina any an-kafa. Ny tolakandro sy ny takariva na ny alina: hanorana mety harahin-kotroka any Diana, Sofia, Boeny, Betsiboka, Melaky, Menabe ary Bongolava. Hanorana miatoato any Sava, Ambatosoa, Analanjirofo Ary Atsinanana. Handrahona ary mety harahina erika na orana manify indraindray amin’ny afovoantany sy Alaotra Mangoro. Handrahona mitsitokotoko any an-kafa.
Vonjy
Ho famerenana ny hasin’ny asan’ny infirmier eto Madagasikara, nandefa taratasy maro teny anivon’ny tomponandraikitra mahefa ny mpitantana ny Filankevitry ny Holafitra nasionalin’ny infirmiers eto Madagasikara (Conim) hirosoana amin’ny tena fanovana.
Taratasy nalefa farany ho an’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny 27 desambra lasa teo, ny momba ny fangatahana fampiatoana ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao hanangana toeram-panofanana Paramédicaux avy amin’ny sehatra tsy miankina. Miaraka amin’ny fampiatoana ny famolavolana lalàna vaovao mifehy izany fanofanana izany eto Madagasikara.
Nambaran’ny mpiandraikitra ny Conim fa betsaka ny ivontoeram-panofanana tsy miankina miforona manofana paramédicaux (EPFP) manerana ny Nosy. Mitarika fihenan-danjan’ny kalitaon’ny fampiofanana omena izany. Tsapa fa vitsy ny toeram-pitsaboana sy hopitaly afaka mandray ireo mpianatra hanao fizarana asa nefa tena ilaina amin’ny fifehezana ny asa izany. Manampy ireo ny tsy fahampian’ny mpampianatra mahafeno fepetra hampiofana ka mampihena ny lanjan’ny mari-pahazaina norantovin’ny mpiofana rehefa vita ny fianarany.
Mahita ny Conim fa tsy mipetraka intsony ny lentan’ny asan’ny infirmiers eto Madagasikara noho ireo antony voalazan’ny taratasy ireo. Mandroso vahaolana mifandraika amin’izany izy ireo. Voalohany ny fampiatoana ny fanomezan-dalana hanokana ivontoeram-panofanana vaovao. Ilaina ny manavao ny lalàna fa misy lesoka ka tokony hapetraka ny lalàna fanampiny ahazoana manakatona ny ivontoeram-panofanana rehetra tsy manara-dalàna na koa tsy misy fanomezana ny fanavaozana ny “habilitation” avy amin’ny minisitera mpiahy.
Nohamafisin’ny taratasy fangatahana nalefa eny amin’ ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa koa fa tokony hanao filazana eny amin’ny tomponandraikitra ireo mpitantana ivontoeram-panofanana raha miova ny toeram-panofanana.
Vonjy
Feno ny fandaharam-potoan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), ho an’ny taona 2025. Maro ny fihaonana iraisam-pirenena tsy maintsy hatrehina, anisan’ izany ireo fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Miavaka ny amin’ity satria voakasik’izany avokoa ireo sokajy rehetra.
Miisa 4 izany ka eo aloha ny an’ny olon-telo miaraka, vehivavy, tanterahina any Douai France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra. Eo koa ny an’ny sokajy zandriny, hotanterahina any Joliette Canada, ny 3 ka hatramin’ny 7 aogositra. Nasian’ny Federasiona iraisam-pirenena fiovana ny amin’ity sokajy iray ity satria tsy maintsy misy vehivavy milalao ao anaty ekipa iray.
Ny an’ny olon-telo miaraka lehilahy indray, hatao ao Shaban, tanàna iray ao Gouliat Quebec Canada, ny 4 ka hatramin’ny 7 aogositra 2025. Any Rome Italie, no hantanterahina ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny olon-tokana sy ny olon-droa miaraka, ny 19 ka hatramin’ny 22 septambra 2025 ho avy izao.
Goavana ny miandry ny federasiona malagasy, araka izany, izay mangataka amin’ ny fitondram-panjakana hanampy azy ireo amin’ny fandehanan’ny ekipa. Notsiahivin’ Andrianirina Adrien Julio Edouard, filohan’ny FSBM, fa tsy latsaky ny 30 000 euros ny fandraisana anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany iray. Tsiahivina fa nitondra avo ny lazan’i Madagasikara ny sokajy lehilahy, Senior, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany Dijon France, ny 5 ka hatramin’ny 7 desambra lasa teo, ka nahazoan’i Zigle ny medaly volamena teo amin’ny «tir de précision» sy ny volafotsy teo amin’ny olon-telo miaraka nisy an’i Racle, Donald, Tiana ary i Zigle.
Tompondaka