Barea de Madagascar : mpilalao 16 no efa any Afrika Atsimo

Les Nouvelles - sam, 06/01/2024 - 07:52

16 amin’ireo mpilalao 25 nantsoina handrafitra ny Barea de Madagascar izao no efa tonga any Afrika Atsimo, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, omaly. Nisy ny fiovana ka nigadona omaly, tany Johannesburg, i Rayan Ra­veloson, kapitenin’ny Barea sy i Sonny Laiton, Malagasy mpiandry harato. Efa nanaraka fanazarantena, afakomaly, kosa i Ibrahim Amada sy i Clement Couturier.
Tsiahivina fa efa afaka enina andro sisa, hiatrika ny lalao izay hifanandrinana amin’ny Nosy rahavavy Comores i Madagasikara. Fihaonana izay hatao ao amin’ny kian­jan’ny FNB Stadium Johan­nes­burg, ny 7 jona ho avy izao. Tsara marihina fa tafiditra amin’ny andro fahatelon’ny ady tapakilan’ny “Mondial 2026”, hatao any Etazonia, ho an’ny vondrona “I” aty Afrika ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Aorian’ny 7 mey, hifandona amin’i Mali ny ekipa nasionaly malagasy, ny 11 jona, any an-toerana ihany.
Tsara ny mampahatsiahy fa tafita avy hatrany amin’ny amboara maneran-tany izay mahazo voalohany isam-bondrona ary hanao lalao sakana kosa ireo firenena sivy mahazo laharana faharoa tsara indrindra.

F.R

Catégories: National

Famaranana “LDC 2024”: 15 tapitrisa Ariary ny vidin’ny tapakila iray

Les Nouvelles - sam, 06/01/2024 - 07:51

Tonga ny fotoana nandrasan’ny mpankafy baolina kitra. Anio alina ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Cham­pions (LDC) 2024”. Araka ny fikarohana natao, omaly, mahatratra 3 000 euros na 15 tapitrisa Ariary mahery ny vidin’ny tapakila fidirana ambany indrindra amin’ity lalao famaranana ity. Mitentina 35 000 euros na 150 tapitrisa Ariary mahery kosa ny sandan’ny tapakila ambony, VIP. Maha­tratra 55 000 euros na 550 tapitrisa Ariary mihoatra kosa ny an’ireo te hanjifa ny tapakila hiarahana amin’ny olona tena manan-kaja sy malaza VVIP.
Raha tsiahivina, fito taona aty aoriana, hifandona indray ny ekipan’ny Real Madrid Espagne sy ny Dortmund FC Allemagne, ao amin’ny kianjan’ny Wembley Angleterre. Lalao famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa. Mbola manala vela ny ekipa Alemà.
Boribory nefa ny baolina ka tsy mbola misy afaka hitompo teny fantatra ho mpandresy. Samy manana mpilalao kalaza rahateo ny roa tonta. Hiezaka haka ny amboara ho azy ry Vinicius sy ny ekipany. Tsy hanaiky lembenana koa anefa ry Sabitzer ampian’i Haller sy i Sancho.
Tsiahivina fa ny taona 2017, resin’ny Real Madrid indroa, 3 no ho 1 sy 3 no ho 2, ny Dortmund. Tsara ny mampahafantatra fa in-13 nifanandrina ny roa tonta. Indimy nanao sahala ary intelo nandresy ry zareo Alemà raha toa ka inenina nahazo fandresena ny Espaniola.

Fitia Randria

Catégories: National

Ping pong-Afrika : Malagasy roa anatin’ny “Top 20”

Les Nouvelles - sam, 06/01/2024 - 07:51

Nivoaka afakomaly teo ny filaharan’ireo mpilalao 20 tsara indrindra aty Afrika, taranja tenisy ambony latabatra Ping pong. Ho an’ny sokajy lehilahy, nahitana Malagasy mpilalao roa. Eo amin’ny laharana faha-11 no misy an-dRako­toarimanana Fabio raha faha-20 kosa Razafinarivo Antoine.
Nijanona eo amin’ny faha-11, araka izany, i Fabio, aty amin’ny kaontinanta Afrikanina raha toa ka niakatra ho faha-20 i Antoine. Tsara ny mampahatsiahy fa i Fabio no solontenan’i Madagasikara, amin’ity taranja ity, mandritra ny “Lalao Olympika 2024”, izay hotanterahina any Paris, ny volana jolay ho avy izao. Ity Malagasy mpilalao ity, efa tompondakan’i Afrika Atsinanana nandritra ity taom-pilalaovana ity raha toa ka faharoa tamin’izany Razafinarivo Antoine.
Tsara ny mampahafantatra fa izy mirahalahy ireto, efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika, lalao ho an’olon-droa miaraka, natao tany Tunisie, ny taona 2023. Ankoatra izay, mipetraka eo amin’ny laharana voalohany i Aruna Quadri, Nizerianina mpilalao. Izy no nandrombaka ny fiadiana ny amboaran’i Afrika tany Rwanda, ny volana mey lasa teo.

Fitia Randria

 

Catégories: National

Rugby à VII, lehilahy – “CAN 2024” : ao anatin’ny vondrona A i Madagasikara sy Kenya

Les Nouvelles - sam, 06/01/2024 - 07:51

Hiditra an-tsehatra indray ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), taranja rugby lalaovin’olona 7. Iray vondrona amin’i Kenya i Madagasikara.

Hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maurice, ny 29 jona ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovin’ olona 7, sokajy lehilahy. Fi­renena 12 no hiady ho lohany amin’ity ka anisan’izany ny Makis de Madagascar. Ao amin’ny vondrona A i Ma­dagasikara, miaraka amin’i Kenya sy i Maurice, mpampiantrano, ary i Nigeria.
Azo lazaina fa eo ho eo ihany ity sokajy misy ny Makis ity satria ry zareo Kenyanina ihany no hany mety ho maozatra. Maurice efa niaraha-nahita nandritra ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasika farany teo, fa tsy atahorana na ao aminy aza ity fifaninanana ity. Mbola zazavao amin’ity fihaonana ity i Nigeria ka mety tsy hahasakana ny Makis.
Manana ny lanjany goavana ity “Can 2024” ity satria hiatrika ny “World Series Chal­lenger”, izay roa voalohany. Mizara dingana roa ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity. Hatao ny 29 sy 30 jona ny dingana voalohany ary 6 sy 7 jolay kosa ny dingana faharoa.
Misy filaharana tsy maintsy tratrarina ao anatin’ireo fihaonana roa ireo.
Raha tsiahivina, faha-6 ny Makis de Madagascar tamin’ny taon-dasa, nandritra ny fifaninanana notanterahina tany Zimbabwe.
Efa vonona ny Makis hiatrika ny fihaonana, izay efa nanoman-tena nandritra ny 2 volana. 23 ireo nantsoina hanaovana fifantenana, raha 15 izy amin’izao fotoana izao. Mbola misy 3 mihintsana ka 12 sisa mandrafitra ny ekipam-pirenena ho atsy Mau­rice.

Tompondaka

Ireo fitsinjaram-bondrona

Vondrona A : Maurice, Kenya, Madagasikara, Nigeria
Vondrona B : Ouganda, Burkina Faso, Tunisie, Côte d’Ivoire
Vondrona C : Zimbabwe, Zambie, Ghana, Algérie

Catégories: National

Andron’ny Karazan-javamananaina: nankasitrahana ireo mpiantsehatra

Les Nouvelles - sam, 06/01/2024 - 07:50

Nankalazaina omaly, tao amin’ny saha Imaitsoanala, any Mandraka, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina (JIB). Nitarika ny fotoana, tamin’izany, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max An­toine Andonirina, niaraka tamin’ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana rehetra. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe : « Miasa miaraka ho an’ny karazan-javamananaina ». Nilaza ny tale jeneralin’ny karazan-javamananaina ao amin’ny Medd, Razafindraibe Rinah, fa tanjona amin’ity fankalazana ity ny fampahafantarana ny tokony hitandroana ny karazan-javamananaina. Nanamafy ny minisitra Max Antoine fa mpitarika sy mpandrindra ny paikady ihany ny minisitera fa ny rehetra no mpanatanteraka. Nomarihiny koa fa « tsara vintana ianareo mpianatry ny EPP Mandraka satria manana ny valan-javaboahary Man­draka, anisan’ny ala voajanahary tavela any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy ». Nambarany avy hatrany fa hatao faritra arovana ny valanjavaboahary any Man­draka, araka ny fangatahan’ny mponina. Nisy ny dia an-tongotra (randonnée) nitetezana ny faritra, omaly.
Nankasitrahina nandritra ity fotoana ity koa ireo mpisehatra sy mpikaroka amin’ny tontolo iainana miisa 12. Anisan’izany ny profesora Ratsimbazafy Jonah, ny Pr Lily-Arison René de Roland, ny Dr. Randriamahazo Heri­lala, sns.

Njaka A .

Catégories: National

Pages