10 taona ny Oniversiten’Itasy: 20 ny lalam-piofanana amin’ny sekoly ambony

Les Nouvelles - ven, 01/03/2025 - 09:17

10 taona niorenana ny Oniversite any Itasy, natao ho fanitarana ny Oniversite eto Antananarivo, handray ireo mpianatra monina anatin’ny faritra sy ny manodidina. 20 amin’izao fotoana izao ny lalam-piofanana (parcours) azon’ny mpianatra hisafidianana amin’ny ivontoeram-pampianarana dimy misy ao an-toerana. Ecole supérieure de l’ingénierie, Ecole supérieure de l’économie, de droits et de gestion, Institut supérieur des arts, lettres et sciences humaines, Institut supérieur de technologie ary ny Institut paramédical.
Tao anatin’ny fotoam-piasany, valo ny andiana mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Licence ary dimy kosa ny Master, araka ny fanazavana. Nahavita asa betsaka ny mpitantana ny Oniversite, izay nampiasa ny vola manokan’ny toeram-pampianarana. Tafi­ditra amin’izany ny fampidirana ny connexion azon’ny rehetra ampiasaina, fananganana fotodrafitrasa enina ankoatra ireo haorina anatin’ ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika. Raisin’ny mpitantana ny oniversite an-tanana ny karaman’ireo mpampianatra sy mpiasa tsy raikitra ary misy fiara mitatitra ny mpiasa avy eto Antananarivo mandeha any Soavinandriana. Nametraka toeram-pandraisana mahazaka olona valo ny Onivesite izay efa eo an-dalam-pahavitana ho an’ireo vahiny mpiasa manokana.

Vonjy

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - ven, 01/03/2025 - 09:16

Miantso ny infirmier rehetra ny filohan’ny Conseil de l’ordre national des infirmiers de Madagascar (Conim) hisoratra anarana anatin’ny holafitra satria tsy maintsy atao izany. Matetika efa manana olana ireo infirmier vao mihazakazaka mangataka ny fanampian’ny holafitra.

Ahitana orana tandrifin-drahona hatrany any amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana ary ny morontsiraka afovoany andrefan’ny Nosy. Ho maina amin’ny ankapobeny ny afovoantany, atsimo, atsimo atsinanana. Hisy fiakarany ny maripana ambony manerana an’i Madagasikara.

130 ny antontan-taratasy fangatahana fanokafana lalam-piofanana momba ny fitsaboana tonga eny anivon’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. 70 tamin’ireo nodinihin’ny Commission de référence pour les formations en médecine (CRFM) amin’ny dingana voalohany. Horaisin’ny Commission nationale d’habilitation (CNH) ho an’ny dingana faharoa.

218 395 ny isan’ny mpiadina tamin’ny bakalorea 2024, nahatratra 58,56% ny taham-pahafahana nasionaly. Nanao dinika nanombanana ny asa vita sy nanomanana ny bakalorea 2025 ny tomponandraikitra, tany Toamasina.

Catégories: National

vatsim-pianarana any Chine : Misokatra ny fangatahana

Les Nouvelles - ven, 01/03/2025 - 09:16

Misokatra indray ny fanomezana vatsim-pianarana «Grande Muraille» 2025-2026 iarahan’ny Unesco sy ny fanjakana sinoa. Afaka mandefa antontan-taratasy fangatahana hisitraka izany ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana any Chine. 75 ny isan’ny vatsim-pianarana homena. Ny 47 natokana ho an’ny mpianatra manomana ny mari-pahaizana Master na doctorat na koa olona vonona hanatanteraka fikarohana anatin’ny fandaharanasa manokana any Chine, mandritra ny herintaona, araka ny fanazavana. Mila mahazo ny fankatoavan’ny Vaomiera manokana amin’ny firenena tsirairay hanolotra olona ireo mpangataka ny vatsim-pianarana. Afaka manolotra olona roa i Madagasikara ka tsy maintsy vehivavy ny iray amin’ireo. Hampirisihana handray anjara ny firenena avy aty Afrika.
Hifarana ny 12 febroary ho avy izao ny fametrahana ny antontan-taratasy fangatahana. Afaka mitsidika ny pejin’ny Unesco http://www.unesco.org/en/fellowship/greatwall ireo rehetra liana hametraka fangatahana.
Nanamarika ny mpiandraikitra ny Oniversite ao Fianarantsoa, izay mandrisika ny mpianatra ao aminy hametraka fangatahana, fa hanohana azy ireo ny mpitantana.

Vonjy

Catégories: National

Famaranana ny taona : Tratra ny tanjona napetraka ho an’ny mpikarakara

Les Nouvelles - jeu, 01/02/2025 - 09:27

Anisan’ny fety manan-danja ho an’ny sarambabem-bahoaka ny famaranana ny taona sy ny fitsenana ny taona vaovao. Nahafa-po ny hetsika ho an’ny teny anivon’ny trano filanonana, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.

Maro ny fikarakarana fety faran’ny taona teny anivon’ny trano filanonana ho an’ny teto Antananarivo. Anisan’ny nahitana izany ny tetsy anivon’ny Pk 0 Antanimena. Nambaran’ ny tomponandraikitra fa azo lazaina ho antonony sy nahafa-po ihany ny fikarakarana sy ny famalian’ny olona ny antso, ho an-dry zareo manokana. “Mety ary ampy tsara ireo tonga namaly ny antso, tsy matiantoka ny mpikarakara ny hetsika. Manodidina ny 250 eo ho eo ireo olona tonga namaly ny antso”, hoy ny tale nikarakara ny hetsika, Haritiana, raha nanontaniana. Amin’ny ankapobeny, efa niomana tao anatin’ny fotoana ela na ny mpikarakara na ireo olona nanatrika, raha ny fanadihadiana natao. Tonga nanatrika izany avokoa ny sokajin’olona. Fianakaviana ny tena maro tonga namaly ny antso. Tsy nanakana ny mpinamana sy ny mpifankatia hamaly ny antso ihany koa izany.

Nanolotra tapakila 10 ho an’ny mpifankatia

Ankoatra izay, nanolotra tapakila 10 ho an’ny mpifankatia ny filoha mpitantana ny nature production, nikarakara ny hetsika teny an-toerana. Tanjona ny hizarana hafaliana ho an’ny olona tamin’ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona. Hita nandritra ny fiarahana ny fihirana ny kalon’ny omaly sy ny ankehitriny, ny hira maneho fitiavana ary ny fampandihizana. Mba hanomezana fahafaham-po ny mpanatrika tonga namaly ny antso. Marihina fa nanodidina ny 150 000 hatramin’ny 250 000 Ariary teo ny vidim-pidirana ho an’ireo nanatrika ny fetin’ny faran’ny taona teny anivon’ireny trano fanaovana lanonana ireny.

Mino

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

Les Nouvelles - jeu, 01/02/2025 - 09:26

Boky Ako anaty, mitantara ny fahasahiranana iainan’ny mpianatra. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro teo. Ahitana tononkalo 69, nosoratan’i Ilo Sederamanana. Nahitana tantara iray, miresaka ny fiainana ankapobeny iainan’ny mpianatra eny amin’ny Oniversite ihany koa ao anatiny. manoloana ny fahasahiranana atrehin’izy ireo, noho ny fahasarotan’ny fiainana sy ny zava-tsarotra lalovan’ny firenena ankehitriny. Tantara niainga avy amin’ny zava-misy marina. Misongadina indrindra izy io ao anatin’ny tononkalo antsoina hoe : ”Veloma”.

Taom-baovao volamena tetsy amin’ny Carlton Anosy. Nikarakara takariva lehibe hitsenana am-pifaliana ny taom-baovao ny Carlton Anosy. Nampitondraina ny lohateny “Taom-baovao volamena” ny hetsika tamin’iny fotoana iny. Nanafana ny lanonana, tamin’izany, i Jerry Marcoss, Gelah Top ary Njara Marcel. Nanatanteraka seho nandritra ny folo minitra avy ireo mpanakanto. Ankoatra izay, nanafana ny fety ihany koa ny orchestre Album Music. Nahazo vahana nandritra ny fotoana ny fihiran’izy ireo ny hira amin’izao fotoana izao amin’ny fombany.

Tononkalo, fitaovana iray mbola ahafahana mampita hafatra tsara. Kolontsaina iray mbola manana ny lanjany eto amin’ny firenena malagasy izy io. Maro ireo ankizy sy tanora mbola mivoy izany amin’izao. Fitaovana iray ahafahana mampita hafatra, toy ireo karazana zava-kanto samihafa mirakitra kolontsaina izy io. ”Mbola mipetraka tsara amin’ny toerany ny tononkalo saingy ny sehatra hampitana azy no misy indro kely”, hoy Ilo Sederamanana.

Catégories: National

Ligy atletisma Ihorombe : Nahazo «quitus» 100 isan-jato ny mpitantana

Les Nouvelles - jeu, 01/02/2025 - 09:26

Notanterahina tao amin’ny EPP Ihosy, ny sabotsy 28 de­sambra lasa teo, ny fivoriambe ara-potoanan’ny ligy atletisma Ihorombe. Niatrika izany ireo klioba 6 amin’ireo 8 ao anatin’ny seksiona Ihorombe. Nanatrika ny fotoana ny tale mpisolo toerana ao amin’ny DRJS Ihorombe, Tsilihy Rahe­ri­velo David, sy,Andriamirija Yannick, tomponandraiki-paritry ny fanatanjahantena an-tsekoly. Taorian’ny tatitra ara-bola sy teknika nataon’ny komity mpitantana, nahazo fankatoavana, «quitus», 100 isan-jato izy ireo.
Afapo tamin’ny vokatra azon’ireo atleta niatrika fifaninanam-pirenena ny filohan’ny ligin’Ihorombe, Ravelomanan­tsoa Brillant Fabrice, izay nahazo medaly volamena 3 teo amin’ny sokajy zandriny ary 2 ho an’ny zokiny. Tanjona amin’ity taona 2025 ity ny hamerina ny fampandehanana ny seksiona ao Ivohibe, izay tsy nahavita fifaninanana, sy ny fananganana ny any Iakora. Ankoatra izay, nisy ny fifaninanana nanakatonana ny taona dia ny 15 km ho an’ny daholobe. Voalo­ha­ny teo amin’ny lehilahy, Rafitiavanjatovo Thyride Elysé, avy amin’ny klioba ASCIM Ihosy. Nomen­ja­nahary Anjara­soa Francia, atletan’ny AS THI, teo amin’ny vehivavy. Hisoka­tra ny 22 janoary ny taom-pilalaovana ho an’ny ligin’Ihosy ka hisantarana izany ny “cross de cohésion” sy ny “relais pédestre mixte inter-établissement».

Torcelin

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - jeu, 01/02/2025 - 09:26

Notolorana “certificat de participation” avokoa ireo mpitsara lalao nandritra ny fifaninanana “Agnambahy mifety” notanterahina tany Farafangana. Fifaninanana nifarana ny 29 desambra teo, nahitana taranja maro, toy ny basikety, baolina kitra ary beach-volley.

Ankoatra ny fifaninanam-pirenena efa fanao isan-taona, hikarakara “Coupe internationale de Madagas­car” ny Federasionin’ny Karate-do malagasy amin’ity taona 2025 ity. Hatao ny volana jolay 2025 izany, eto Antananarivo, araka ny fandaharam-potoana.

Fifaninanana iraisam-pirenena maro no miandry an’i Madagasikara amin’ity taona 2025 ity, ho an’ny taranja basikety. Anisan’izany ny mbola handraisan’i Madaga­sikara ny “Africa Cup 3×3” fanindroany indray, hatao any amin’ny tapaky ny taona any.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny lalao “Fiha­vanana”, taranja basikety nokarakarain’ny faritra Analanjirofo. Fifaninanana notronin’ny ligy sy ny seksiona tao an-toerana. Sokajy U17 sy Open, lahy sy vavy, no nifaninanana, nandritra izany, ary nahazo ny fandresena ny USA, G7 ary ny AS plaisir.

Catégories: National

Chan 2025: Ao amin’ny satroka faharoa ny Barea

Les Nouvelles - jeu, 01/02/2025 - 09:25

Efa fantatra avokoa ireo firenena 18 tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Chan 2025”. Fifaninanana natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina sy tsy misy mpilaravinahitra. Mandra-piandry ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona, efa navoakan’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) tao amin’ny tranonkalam-pifandraisany, ny alatsinainy lasa teo, ireo miray satroka. Fantatra tamin’izany fa ao amin’ny satroka faharoa no misy ny Barea de Madagascar, miaraka amin’i Guinée, Zambie, Rwanda ary i Soudan. Ny satroka voalohany, iarahan’ireo firenena telo mpampiantrano ity “Chan 2025” ity dia Kenya, Ouganda, Tanzanie, Maroc ary i Senegal. Ao amin’ny satroka fahatelo i Mauritanie, Niger, Congo, Angola, Burkina Faso, Nigeria, Centrafrique sy ny RD Congo. Hisy vondrona 5 amin’ity ka ny sokajy telo hisy ekipa 4 ary ny sokajy roa hafa ahitana ekipa 3 avy. Tafita amin’ny ampahefa-dalana ny roa voalohany amin’ireo misy firenena 4 ary izay voalohany ihany no tafakatra amin’izany ho an’ireo ahitana 3.

Tompondaka

Catégories: National

Taranja judo: Namarana ny maha sokajy Junior azy i Laura

Les Nouvelles - mar, 12/31/2024 - 08:53

Niavaka ity taona 2024 ity ho an-dRasoanaivo Razafy Laura, Malagasy mpiangaly ny taranja Judo. Namarana ny maha sokajy Junior (U21) azy izy tamin’ity ary tena nanoratra tantara teo amin’io sokajy io teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. 3 taona izay no nanaovany Judo teo amin’ny sokajy Junior ary nitanany ny laharana voalohany maneran-tany teo amin’ny sokajy latsaky ny 70kg. Nahavita niatrika fifaninanana teto Afrika maro ihany koa izy ary inefatra voahosotra ho tompondakan’i Afrika, teo amin’ny sokajy Junior, -70kg. Fanamby lehibe napetrak’i Laura ny hahatonga azy ho “Olympienne” ary tanterany izany, ka niatrika ny lalao Olympika natao tany Paris izy, ny volana aogositra lasa teo. Nambarany fa namolavola azy ho mafy, na ny fandresena na ny faharesena ary tsapany ho olona afaka izy vantany vao misalotra ny kimono sy miakatra eo ambony tatami. Ny sokajy Junior no vita fa hifantoka bebe kokoa eo amin’ny sokajy Senior amin’izay manomboka izao, ny tenany. Namela fahatsiarovana maro ho azy ny naha Junior ary vonona hiatrika ny pejy vaovao eo amin’ny sokajy Senior indray i Laura.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 12/31/2024 - 08:53

Tsy mbola hivoaka amin’ity faran’ny taona ity ny anaran’ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, sokajy “A”. Araka ny angom-baovao, mbola ao anatin’ny fifantenana ireo mahafeno ny fepetra hitondra ny ekipam-pirenena malagasy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’izao fotoana izao.

Tsy mbola voatendry ny tale teknika nasionaly (DTN), eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Ping-pong (FMTT). Tsiahivina fa nametra-pialana Rakotoari­soa Tahiry, nitana izany toerana izany. Izy izay hiandraikitra asa hafa ka tsy afaka ny hisahana izany intsony.

Tontosa ny alahady 29 desambra teo, tao amin’ ny efitrano malalaky ny Hôtel Bezanozano Moraman­ga, ny fifaninanana lehibe eo amin’ny taranja kick-boxing, mitondra ny lohateny “Ady Tsy Ankitsitsy”. Mpika­troka avy ao Moramanga sy Antananarivo no nifanandrina tamin’izany, nahitana katrok’ady 19.

Norombahin’ny Team monde ny fifaninanana “All Star Game LNB”, taranja basikety izay nifarana ny alahady lasa teo, tao amin’ny Accor Arena Paris. Isa 149 no ho 141 no nandavoany ny ekipan’ny Team France. Lalao tena niady ary nampitaintaina hatramin’ny farany.

Catégories: National

Tenisy – Jery todika taona 2024: Nahavariana ny maro ny fialan’i Nadal

Les Nouvelles - mar, 12/31/2024 - 08:53

Nampiavaka ity taona 2024 ity, teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fandehanan’ilay espaniola, mpilalao tenisy kalaza maneran-tany, i Raphael Nadal. Nanaitra ny mpanara-baovao ny alin’ny 19 hifoha 20 novambra lasa teo ny fanambarany fa hiala tsy hilalao intsony eo amin’ny sehatra matihanina ny tenany. Resin’ilay teratany hollandais, Botic Van de Zandschulp, teo amin’ny fiadiana ny “Coupe Davis” izy tamin’io. Fihaonana natao tao Malaga, Espagne.
Tsiahivina fa anisan’ny andrarezina ity espaniola ity, izay in-14 nandrombaka ny “Roland Garros” ary nahazo amboara 22 tamin’ny “Grand Chelem”. Niambozona medaly volamena roa tamin’ireo lalao Olympika natao tany Pékin, ny taona 2008, ho an’olon-tokana ary tany Rio de Janeiro Brésil, ny taona 2016 teo amin’ny lalaon’olon-droa.
Marihina fa 38 taona izy izao nanapa-kevitra tsy hisehatra amin’ny filalaovana tenisy ho an’ny matihanina
izao intsony. Naharitra 20 taona mahery izy no nianoka tao anatin’izany.

Tompondaka

Catégories: National

Tournoi meilleurs contre les meilleurs: Nahitana talenta vao ny andiany voalohany

Les Nouvelles - mar, 12/31/2024 - 08:52

Fahombiazana ny andiany voalohany tamin’ilay tetikasa “Talent Development Scheme” (TDS), taranja baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny U15, natao tany Antsirabe. Fihaonana nanaovana tomban’ezaka teo amin’ireo ivontoerana telo, Toliara sy Mahajanga ary Antsirabe.

Nifarana tany Antsirabe, ny sabotsy 28 desambra lasa teo, ny andiany voalohany tamin’ilay “Tournoi meilleurs contre les meilleurs”, taranja baolina kitra. Fanda­ha­ran’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Talent Development Scheme” (TDS), izay hitiliana sy hampivoarana ny tanora manan-talenta latsaky ny 15 taona.
Nandray anjara tamin’izany ireo ivontoerana mampianatra baolina kitra miisa telo dia ny ao Antsirabe sy Maha­janga ary Toliara, niampy ny Barea de Madagascar, sokajy U15. Fahombiazana ny zava-nisy tany an-toerana satria nahitana talenta vaovao teo amin’ireo ankizy nihaona.
Tsiahivina fa tsy fifaninanana nahazoana amboara na anaram-boninahitra akory ny “Tournoi meilleurs contre les meilleurs” fa fanaovana tomban’ezaka ho an’ireo teknisianina, eo anivon’ny federasiona malagasy (FMF) sy ireo mpanazatra sy mpanabe eo anivon’ireo toerana mikolokolo kilonga.
Ankoatra izay, mijery ny vokatra ireo ivontoerana telo ireo isaky ny fiafaran’ny taom-pianarana ka ajanona izay ankizy tsy maharaka ary mam­piditra vaovao indray. Fepetra takin’ny Fifa ao anatin’izany ny mba ho ankizy mianatra avokoa no misitraka ny TDS.
Tanjona amin’ity tetikasa ity ny hahazoana mpilalao ho­beazina ao amin’ilay Acadé­mie fédérale hatsangana eny Carion, amin’ny taona ho avy. Nizarana fitaovana enti-mampianatra, toy ny baolina, fanamiana sy ny hafa, avy amin’ny Fifa ireo ivontoerana telo ireo. Dingana manaraka ny amin’ny fialantsasatry ny Paska ka miandry ny fiavian’ny teknisianina avy amin’ny Fifa hijery ny zava-bita tamin’ity dingana voalohany ity, vao ho fantatra izay handray izany na Maha­janga na Toliara.

Tompondaka

Catégories: National

Fanafihana : Tobin-dasantsy voaroba 7 tapitrisa Ar

Les Nouvelles - mar, 12/31/2024 - 08:51

Jiolahy telo lahy mitam-piadiana nanafika tobin-da­santsy ka nandroba vola 7 tapitrisa Ar tao Ambohijafy, Toamasina, manakaiky ny fivoahana amin’ny RN5, ny sabotsy 28 desambra teo. Tsy nisy nisaron-tava, nigadona teo amin’io toeram-pitsinjarana solika io, ireo tsy valahara ny harivan’io andro io. Na­moaka avy hatrany ny basy teny aminy sy ny antsy lava ny roa lahy. Nanambana ny mpiasa tamin’ilay tobin-dasantsy. Ireto farany izay eo am-panisana ny vola maty nandritra ny tontolo andro. Tsy afa-namaly ireo mpiasa izay natahotra mafy ny ainy. Nanome ny vola hany sisa azon’izy ireo natao. Nando­sitra ireo telo lahy taorian’izay. Nigadona teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Miroso amin’ny fikarohana ny nahavanon-doza izy ireo amin’izao fotoana. Ankoatra io, trano fandihizana iray nitrangana fanakorontanana tao Sala­zamay Atsimo, Toamasina, ny sabotsy 28 desambra teo ihany. Nivoaka ny efitrano fandihizana avokoa ny olona rehetra satria nisy nanapoaka entona mahasempotra.

Sajo

Catégories: National

Météo: Saint-Sylvestre et Nouvel An sous la pluie

Les Nouvelles - mar, 12/31/2024 - 08:05

Dame pluie sera au rendez-vous ce jour selon les prévisions météorologiques. Toutefois, aucun phénomène météorologique extrême n’est à craindre tout au long de cette semaine.

Le dernier jour de l’année sera arrosé. C’est le cas dans la partie Ouest et Nord du pays, à savoir dans les régions Menabe, Melaky, Boeny, Sofia et dans la partie Nord de la région Sud-Ouest, où des pluies orageuses sont attendues cet après-midi. Des pluies intermittentes pourront également survenir dans le Nord-est et Est du pays. En revanche, des averses vont s’abattre sur les Hautes terres et les parties Sud-est.
A la lumière de ces prévisions, les fêtes de fin d’année risquent d’être humides dans ces zones, y compris Antananarivo. Ceux qui prévoient de passer la Saint-Sylvestre en dehors de leur foyer doivent dans ce sens prévoir des vêtements de pluie. Le temps qu’il fera dans l’après-midi du jour de l’an sera presque similaire, selon toujours les prévisions.
Les averses orageuses vont durer cette semaine dans plusieurs régions. Quoi qu’il en soit, aucun risque de formation cyclonique n’est à craindre durant cette fin d’année et la première semaine de l’année 2025.

Précautions
En dépit des risques limités pour la formation d’activité cyclonique, des précautions doivent être adoptées pour prévenir les éventuelles catastrophes, surtout durant les fêtes de fin d’année et du Nouvel An. Dans ce sens, «les populations habitant les quartiers des zones basses tout comme celles demeurant dans des zones sensibles des hautes villes sont incitées à rejoindre des endroits sécurisés pour prévenir les risques d’inondation ou de glissement de terrain», a lancé un responsable auprès du Bureau national de gestion des risques et catastrophes (BNGRC).
Ce message s’adresse surtout aux Ta­nanariviens qui sont confrontés aux problèmes d’inondations seulement après quelques heures de précipitation. Des travaux pour des solutions d’urgence et à long terme, comme l’assainissement et le drainage du Canal C3 dans le cadre du projet Produir, sont actuellement sur les rails pour résoudre ce problème récurrent…

Fahranarison

Catégories: National

Hiaraka hitady asa : Tambajotrana haitaky hanampiana ny tanora

Les Nouvelles - lun, 12/30/2024 - 09:36

Nijoro ny tambajotra “Hia­raka hitady asa”, hivondrona hanampy ny tanora mitovy aminy hikaroka asa. Mano­hana ny hetsika ny Observa­toire de la jeunesse eto amin­tsika satria mitovy ny tanjona: samy hanao tantsoroka ho an’ny tanora.
Hatambatra ny hery hanamora ny fitadiavana asa sy hampahafantatra ireo orinasa maro fa betsaka ny tanora manana fahaiza-manao amin’ ny sehatrasa misy. Hanamora amin’ny firotsahana amin’ny tontolon’ny asa ny tambajotra
Taorian’ny fivoriana nia­rahan’ny mpiantsehatra, ny faran’ny herinandro teo, teto Antananarivo, tapaka fa i Handriamamirija Tsioriniaina Nandrianina sy i Vanonjato Haja no voafidy ho mpitarika ny tambajotra HHA. Andrai­kitra hosahanin’izy ireo ny fikarakarana fiofanana ho an’ny mpitady asa sy hanen­tana ny tompon’ny orinasa amin’ny fisian’ny tambajotra.
Hiofana mialoha momba ny teknikan’ny haitaky ireo mpisehatra amin’ny taona ho avy, hampahomby ny asa re­hetra atao, hanampiana ny tanora mpitady asa.
Dingana iray fampisehoana ny fahavononana hiditra amin’ ny tontolon’ny asa ny fametrahana ny tambajotra ho an’ny tanora avy amin’ny tanora, hifanampy. Mila fiomanana rahateo ny fitadiavana asa eo amin’ny fikarakarana ny an­tontan-taratasy momba ny tena, ny fiatrehana ny dinidinika amin’ny mpampiasa sy ny fifaninanana (fitsapana) raha mitady izany ny orinasa.

Vonjy

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - lun, 12/30/2024 - 09:36

Nanokana fandaharanasa hanomezana vatsim-pianarana roa ho an’ny mpianatra manaraka ny fianarana teny sy kolontsaina japoney ny fanjakana japoney. Tafiditra ao koa ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga
voalohany sy faharoa. Hifarana ny 14 febroary 2025 ny fanaterana ny antontan-taratasy fangatahana, eny Ivandry.
Natao tany amin’ny tanànan’i Osaka-Japon ny fivoriana maneran-tany momba ny fanjarian-tsakafo. Solontenam-panjakana, firaisamonina sivily, sehatra tsy miankina ary fikambanana iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampisakafoana ankizy an-dakilasy no nandray anjara tamin’ny fihaonana. Tany an-toerana ny Fandaha­ranasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena malagasy. Ezaka hotanterahina ny hanatsara ny kalitaon’ny sakafo omena ny zaza sy hampaharitra ny asa.
96 ireo nahazo mari-pahaizana Master spécialisé en Santé publique rehefa nahavita ny fanohanan-kevitra teo anivon’ny Institut d’odonto-stomatologie tropicale de Madagascar (IOSTM) tany Mahajanga. Hanatanteraka ny Politika ankapoben’ny fanjakana eo amin’ny lafiny fahasalamana izy ireo, mitondra ny anarana Filamatra.
Nampahafantatra ny Oniversiten’i Mahajanga fa hitohy hatramin’ny alatsinainy 13 janoary 2025 ny fame­trahana ny fangatahana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra L1 vaovao sy ireo namerin-taona. Ho an’ny sokajy L2 no ho miakatra kosa, hifarana ny zoma 31 janoary 2025 ny fisoratana anarana sy ny fangatahana izany.

Catégories: National

Toetry ny andro : Hanorana eto afo­voantany, rahampitso

Les Nouvelles - lun, 12/30/2024 - 09:35

Tsio-drivotra avy Atsinanana, amin’ny ankapobeny, no han­drafitra ny mety ho toetry ny andro, izay tsy marin-toerana any amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy ho an’ny telo andro manaraka.
Vinan’ny toetry ny andro rahampitso, ny tolakandro sy ny takariva na ny alina: hanoram-baratra mitsitokotoko any Me­nabe, Melaky, Boeny, Sofia ary ny tapany avaratr’Atsimo Andre­fana. Hanorana miatoato any Diana, Sava, Ambatosoa, Ana­lan­jirofo ary Atsinanana. Hisy erika na orana manify any Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany ary ny afovoantany. Handra­hona mitsitokotoko any an-kafa.
Ny andron’ny taom-baovao, ny maraina: hisy tandrifin-drahona ny vao maraina any amin’ny morontsirak’i Diana, Melaky Ary Menabe. Hanorana miatoato any Sava, Ambatosoa ary Analanjirofo. Ho maina any an-kafa. Ny tolakandro sy ny takariva na ny alina: hanorana mety harahin-kotroka any Diana, Sofia, Boeny, Betsiboka, Melaky, Menabe ary Bongolava. Hano­rana miatoato any Sava, Ambatosoa, Analanjirofo Ary Atsina­nana. Handrahona ary mety harahina erika na orana manify indraindray amin’ny afovoantany sy Alaotra Mangoro. Handra­hona mitsitokotoko any an-kafa.

Vonjy

Catégories: National

Conim – Paramédicaux : Mangataka ny hampiatoana ny fanomezana fahazoan-dalana

Les Nouvelles - lun, 12/30/2024 - 09:35

Ho famerenana ny hasin’ny asan’ny infirmier eto Madagasikara, nandefa taratasy maro teny anivon’ny tomponandraikitra mahefa ny mpitantana ny Filankevitry ny Holafitra nasionalin’ny infirmiers eto Madagasikara (Conim) hirosoana amin’ny tena fanovana.

Taratasy nalefa farany ho an’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny 27 desambra lasa teo, ny momba ny fangatahana fampiatoana ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao hanangana toeram-panofanana Paramé­dicaux avy amin’ny sehatra tsy miankina. Miaraka amin’ny fampiatoana ny famolavolana lalàna vaovao mifehy izany fanofanana izany eto Mada­gasikara.
Nambaran’ny mpiandrai­kitra ny Conim fa betsaka ny ivontoeram-panofanana tsy miankina miforona manofana paramédicaux (EPFP) manerana ny Nosy. Mitarika fihenan-danjan’ny kalitaon’ny fam­piofanana omena izany. Tsapa fa vitsy ny toeram-pitsaboana sy hopitaly afaka mandray ireo mpianatra hanao fizarana asa nefa tena ilaina amin’ny fifehezana ny asa izany. Manampy ireo ny tsy fahampian’ny mpam­pianatra mahafeno fepetra hampiofana ka mampihena ny lanjan’ny mari-pahazaina norantovin’ny mpiofana rehefa vita ny fianarany.
Mahita ny Conim fa tsy mi­petraka intsony ny lentan’ny asan’ny infirmiers eto Mada­ga­sikara noho ireo antony voalazan’ny taratasy ireo. Man­droso vahaolana mifandraika amin’izany izy ireo. Voalohany ny fampiatoana ny fanomezan-dalana hanokana ivon­toeram-panofanana vaovao. Ilaina ny manavao ny lalàna fa misy lesoka ka tokony hapetraka ny lalàna fanampiny ahazoana manakatona ny ivontoeram-panofanana rehetra tsy manara-dalàna na koa tsy misy fanomezana ny fanavaozana ny “habilitation” avy amin’ny minisitera mpiahy.
Nohamafisin’ny taratasy fangatahana nalefa eny amin’ ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa koa fa tokony hanao filazana eny amin’ny tomponandraikitra ireo mpitantana ivontoeram-panofanana raha miova ny toeram-panofanana.

Vonjy

Catégories: National

Tsipy kanetibe : Hiatrika fihaonana iraisam- pirenena 4

Les Nouvelles - lun, 12/30/2024 - 09:34

Feno ny fandaharam-potoan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), ho an’ny taona 2025. Maro ny fihaonana iraisam-pirenena tsy maintsy hatrehina, anisan’ izany ireo fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Mi­avaka ny amin’ity satria voakasik’izany avokoa ireo sokajy rehetra.

Miisa 4 izany ka eo aloha ny an’ny olon-telo miaraka, vehivavy, tanterahina any Douai France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra. Eo koa ny an’ny sokajy zandriny, hotanterahina any Joliette Canada, ny 3 ka hatramin’ny 7 aogositra. Nasian’ny Federasiona iraisam-pirenena fiovana ny amin’ity sokajy iray ity satria tsy maintsy misy vehivavy milalao ao anaty ekipa iray.

Ny an’ny olon-telo miaraka lehilahy indray, hatao ao Sha­ban, tanàna iray ao Gouliat Quebec Canada, ny 4 ka hatramin’ny 7 aogositra 2025. Any Rome Italie, no hantanterahina ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny olon-tokana sy ny olon-droa miaraka, ny 19 ka hatramin’ny 22 septambra 2025 ho avy izao.

Goavana ny miandry ny federasiona malagasy, araka izany, izay mangataka amin’ ny fitondram-panjakana ha­nampy azy ireo amin’ny fandehanan’ny ekipa. Notsiahivin’ Andrianirina Adrien Julio Edouard, filohan’ny FSBM, fa tsy latsaky ny 30 000 euros ny fandraisana anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany iray. Tsiahivina fa nitondra avo ny lazan’i Madagasikara ny sokajy lehilahy, Senior, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany Dijon France, ny 5 ka hatramin’ny 7 desambra lasa teo, ka nahazoan’i Zigle ny medaly volamena teo amin’ny «tir de précision» sy ny volafotsy teo amin’ny olon-telo miaraka nisy an’i Racle, Donald, Tiana ary i Zigle.

Tompondaka

Catégories: National

Infirmier Mobile

Les Nouvelles - sam, 12/28/2024 - 18:00

Catégories: National

Pages