INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - lun, 12/30/2024 - 09:36

Nanokana fandaharanasa hanomezana vatsim-pianarana roa ho an’ny mpianatra manaraka ny fianarana teny sy kolontsaina japoney ny fanjakana japoney. Tafiditra ao koa ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga
voalohany sy faharoa. Hifarana ny 14 febroary 2025 ny fanaterana ny antontan-taratasy fangatahana, eny Ivandry.
Natao tany amin’ny tanànan’i Osaka-Japon ny fivoriana maneran-tany momba ny fanjarian-tsakafo. Solontenam-panjakana, firaisamonina sivily, sehatra tsy miankina ary fikambanana iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampisakafoana ankizy an-dakilasy no nandray anjara tamin’ny fihaonana. Tany an-toerana ny Fandaha­ranasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena malagasy. Ezaka hotanterahina ny hanatsara ny kalitaon’ny sakafo omena ny zaza sy hampaharitra ny asa.
96 ireo nahazo mari-pahaizana Master spécialisé en Santé publique rehefa nahavita ny fanohanan-kevitra teo anivon’ny Institut d’odonto-stomatologie tropicale de Madagascar (IOSTM) tany Mahajanga. Hanatanteraka ny Politika ankapoben’ny fanjakana eo amin’ny lafiny fahasalamana izy ireo, mitondra ny anarana Filamatra.
Nampahafantatra ny Oniversiten’i Mahajanga fa hitohy hatramin’ny alatsinainy 13 janoary 2025 ny fame­trahana ny fangatahana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra L1 vaovao sy ireo namerin-taona. Ho an’ny sokajy L2 no ho miakatra kosa, hifarana ny zoma 31 janoary 2025 ny fisoratana anarana sy ny fangatahana izany.

Catégories: National

Toetry ny andro : Hanorana eto afo­voantany, rahampitso

Les Nouvelles - lun, 12/30/2024 - 09:35

Tsio-drivotra avy Atsinanana, amin’ny ankapobeny, no han­drafitra ny mety ho toetry ny andro, izay tsy marin-toerana any amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy ho an’ny telo andro manaraka.
Vinan’ny toetry ny andro rahampitso, ny tolakandro sy ny takariva na ny alina: hanoram-baratra mitsitokotoko any Me­nabe, Melaky, Boeny, Sofia ary ny tapany avaratr’Atsimo Andre­fana. Hanorana miatoato any Diana, Sava, Ambatosoa, Ana­lan­jirofo ary Atsinanana. Hisy erika na orana manify any Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany ary ny afovoantany. Handra­hona mitsitokotoko any an-kafa.
Ny andron’ny taom-baovao, ny maraina: hisy tandrifin-drahona ny vao maraina any amin’ny morontsirak’i Diana, Melaky Ary Menabe. Hanorana miatoato any Sava, Ambatosoa ary Analanjirofo. Ho maina any an-kafa. Ny tolakandro sy ny takariva na ny alina: hanorana mety harahin-kotroka any Diana, Sofia, Boeny, Betsiboka, Melaky, Menabe ary Bongolava. Hano­rana miatoato any Sava, Ambatosoa, Analanjirofo Ary Atsina­nana. Handrahona ary mety harahina erika na orana manify indraindray amin’ny afovoantany sy Alaotra Mangoro. Handra­hona mitsitokotoko any an-kafa.

Vonjy

Catégories: National

Conim – Paramédicaux : Mangataka ny hampiatoana ny fanomezana fahazoan-dalana

Les Nouvelles - lun, 12/30/2024 - 09:35

Ho famerenana ny hasin’ny asan’ny infirmier eto Madagasikara, nandefa taratasy maro teny anivon’ny tomponandraikitra mahefa ny mpitantana ny Filankevitry ny Holafitra nasionalin’ny infirmiers eto Madagasikara (Conim) hirosoana amin’ny tena fanovana.

Taratasy nalefa farany ho an’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny 27 desambra lasa teo, ny momba ny fangatahana fampiatoana ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao hanangana toeram-panofanana Paramé­dicaux avy amin’ny sehatra tsy miankina. Miaraka amin’ny fampiatoana ny famolavolana lalàna vaovao mifehy izany fanofanana izany eto Mada­gasikara.
Nambaran’ny mpiandrai­kitra ny Conim fa betsaka ny ivontoeram-panofanana tsy miankina miforona manofana paramédicaux (EPFP) manerana ny Nosy. Mitarika fihenan-danjan’ny kalitaon’ny fam­piofanana omena izany. Tsapa fa vitsy ny toeram-pitsaboana sy hopitaly afaka mandray ireo mpianatra hanao fizarana asa nefa tena ilaina amin’ny fifehezana ny asa izany. Manampy ireo ny tsy fahampian’ny mpam­pianatra mahafeno fepetra hampiofana ka mampihena ny lanjan’ny mari-pahazaina norantovin’ny mpiofana rehefa vita ny fianarany.
Mahita ny Conim fa tsy mi­petraka intsony ny lentan’ny asan’ny infirmiers eto Mada­ga­sikara noho ireo antony voalazan’ny taratasy ireo. Man­droso vahaolana mifandraika amin’izany izy ireo. Voalohany ny fampiatoana ny fanomezan-dalana hanokana ivon­toeram-panofanana vaovao. Ilaina ny manavao ny lalàna fa misy lesoka ka tokony hapetraka ny lalàna fanampiny ahazoana manakatona ny ivontoeram-panofanana rehetra tsy manara-dalàna na koa tsy misy fanomezana ny fanavaozana ny “habilitation” avy amin’ny minisitera mpiahy.
Nohamafisin’ny taratasy fangatahana nalefa eny amin’ ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa koa fa tokony hanao filazana eny amin’ny tomponandraikitra ireo mpitantana ivontoeram-panofanana raha miova ny toeram-panofanana.

Vonjy

Catégories: National

Tsipy kanetibe : Hiatrika fihaonana iraisam- pirenena 4

Les Nouvelles - lun, 12/30/2024 - 09:34

Feno ny fandaharam-potoan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), ho an’ny taona 2025. Maro ny fihaonana iraisam-pirenena tsy maintsy hatrehina, anisan’ izany ireo fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Mi­avaka ny amin’ity satria voakasik’izany avokoa ireo sokajy rehetra.

Miisa 4 izany ka eo aloha ny an’ny olon-telo miaraka, vehivavy, tanterahina any Douai France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra. Eo koa ny an’ny sokajy zandriny, hotanterahina any Joliette Canada, ny 3 ka hatramin’ny 7 aogositra. Nasian’ny Federasiona iraisam-pirenena fiovana ny amin’ity sokajy iray ity satria tsy maintsy misy vehivavy milalao ao anaty ekipa iray.

Ny an’ny olon-telo miaraka lehilahy indray, hatao ao Sha­ban, tanàna iray ao Gouliat Quebec Canada, ny 4 ka hatramin’ny 7 aogositra 2025. Any Rome Italie, no hantanterahina ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny olon-tokana sy ny olon-droa miaraka, ny 19 ka hatramin’ny 22 septambra 2025 ho avy izao.

Goavana ny miandry ny federasiona malagasy, araka izany, izay mangataka amin’ ny fitondram-panjakana ha­nampy azy ireo amin’ny fandehanan’ny ekipa. Notsiahivin’ Andrianirina Adrien Julio Edouard, filohan’ny FSBM, fa tsy latsaky ny 30 000 euros ny fandraisana anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany iray. Tsiahivina fa nitondra avo ny lazan’i Madagasikara ny sokajy lehilahy, Senior, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany Dijon France, ny 5 ka hatramin’ny 7 desambra lasa teo, ka nahazoan’i Zigle ny medaly volamena teo amin’ny «tir de précision» sy ny volafotsy teo amin’ny olon-telo miaraka nisy an’i Racle, Donald, Tiana ary i Zigle.

Tompondaka

Catégories: National

Infirmier Mobile

Les Nouvelles - sam, 12/28/2024 - 18:00

Catégories: National

Volley-Analamanga : Hosokafana anio ny taom-pikatrohana 2025

Les Nouvelles - sam, 12/28/2024 - 08:19

Tsy niandry ela fa avy hatrany dia hanomboka ny taom-pikatrohana 2025, ny eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja volley-ball. Anio no hanokatra izany amin’ny fom­ba ofisialy, eny amin’ny Kianja Itaosy izy ireo, ka hisy ny fifaninanana karakaraina. Hiava­ka kely ity fifaninanana ity satria lalao ho an’olon-tokana hanaovana ny “Concours de précision” no hatao, ho an’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona kosa, lalao lalaovin’olona 3 no hifaninana ka “Concours de précision” ihany koa no hitsarana ny mpilalao. Tetikasa efa nanomboka tamin’ny taon-dasa ity notohizana ity, ahitana ny fahaiza-manaon’ny mpilalao tsirairay, araka ny nambaran’ny teknisiana avy eo anivon’ny ligin’Analaman­gan’ ny volley-ball. Araka ny fandaharam-potoana, filaharan’ireo klioba no hisantarana ny fifaninanana. Hitohy avy hatrany amin’ny lalao. Tsiahivina fa klioba 13 no nisoratra anarana handray anjara amin’ity lalao fanokafana ny taom-pikatrohana 2025 ity. Manodidina ny 200 eo ny mpilalao andrasana, raha ny fanazavana hatrany. Mbola afaka misoratra anarana ho amin’ny anio ireo handray anjara amin’ny lalaon’olon-tokana, sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy.
Raha atao ny jery todika, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy Vété­rans, natao tany Manakara no namaranana ny taom-pikatrohana 2024, ho an’ny taranja volley-ball.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - sam, 12/28/2024 - 08:18

Mitarika, amin’ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny taranja rugby, vehivavy, sokajy D1 ny SCB Besarety. Taorian’ny andro faha-10 natao ny alahady 22 desambra teo, teny amin’ny Kianja Makis, tsy mbola resy mihitsy ry zareo. Nahazo isa 50 ary nahavita «essai» 95. Faharoa ny FTFA, manana isa 35, arahin’ny RCTS amin’ny isa 28. Fahefatra ny FTM raha fahadimy kosa ny 3FB ary farany ny Asut.
Hifarana anio, any Antsirabe, ny «Tournoi «Meilleurs contre les meilleurs», taranja baolina kitra, sokajy zandriny U15. Fifaninanana, hifanandrinan’ireo ivontoerana avy any Mahajanga, Toliara ary Antsirabe. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa Talent Development Scheme (TDS) ity lalao ity, hitiliana ny fahaiza-manaon’ireo kilongakely ireo.
Tontosa ny 26 desambra teo ny hetsika “Man-Kalaza Echecs”, niarahana tamin’ny Maitre international, Razafindratsima Timothé, mpilalao Echecs. Teny amin’ny Dyve Garden Anosivavaka no nanatanterahina izany. Malagasy mpilalao Echecs maro no tonga naka traikefa sy nifaninana tamin’ny MI Timothé teny an-toerana. Ity hetsika ity koa no nanakatonana tanteraka ny taom-pikatrohana 2024, ho an’ny taranja Echecs.
Voahosotra ho tompondaka, nandritra ny “Challenge de Baobab”, taranja basikety, ny ekipan’ny BCB Boeny. Tompondaka lefitra ny ekipan’ny SBBC Boeny ary laharana fahatelo ny ekipan’ny BC Somava Antalaha. Fifaninanana natao ny herinandro lasa teo, tany Mahajanga. Voafidy ho mpilalao mendrika kosa, ny mpilalaon’ny BCB Boeny, Jaoravo Olivier Fabrice.

Catégories: National

Atletisma: Fihaonana iraisam-pirenena 3 ny tanjona

Les Nouvelles - sam, 12/28/2024 - 08:18

Feno ny fandaharam-potoan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma, amin’ny taom-pilalaovana 2025. Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, 3 no ezahina hotanterahina ka anisan’izany ny fiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany «sur piste », ho an’ny sokajy Sénior, lahy sy vavy, tanterahina any Tokyo Japon, izay tsy mbola voafaritra ny fotoana hanatontosana azy.
Eo koa ny an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, U18 sy U20, hatao any Algerie, ny volana avrily ho avy izao. Farany ny lalaon’ny Vaomieran’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI), tanterahina atsy amin’ny Nosy Seychelles, hatao ny 28 jolay ka hatramin’ny 10 aogositra 2025.
Mandra-piandry izany, hanokafan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA) ny taom-pilalaovana ny fifaninanam-pirenena amin’ny Cross-country, hatao any Ihosy, ny volana marsa ho avy izao. Hanana ny lanjany io fiadiana ny ho tompondaka io, satria, hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany izay voalohany eo amin’ny sokajy Sénior, lahy sy vavy. Ankoatra izay, hisy koa ny fifaninanana ho an’ny sokajy zandriny, Minime, Cadet, Junior, lahy sy vavy.
Aorian’io, ny Semi-marathon Masay, hatao eto Antanana­rivo sy ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny Utop, izay samy hotontosaina ny volana mey avokoa.

Tompondaka

Catégories: National

Baolina kitra – Barea de Madagascar : 90 mn hakana tapakila hiatrehana ny «Chan 2025»

Les Nouvelles - sam, 12/28/2024 - 08:18

Hifantoka amin’ny lalao baolina kitra hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy i Eswatini avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra, amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra eo izay hahazo ny tapakila hiatrehana ny «Chan 2025 », eo amin’ny roa tonta.

Hotanterahina rahampitso alahady, ao amin’ny Kianja Côte d’Or ao Maurice, ny lalao miverina hikatrohan’ny Barea de Mada­gascar sy i Eswatini, taranja baolina kitra. Fihaonana, hiadiana ny tapakila hiatrehana ny «Chan 2025». Raha tsiahivina, efa manana tombony ny ekipam-pirenena malagasy, teo amin’ny lalao mandroso natao tatsy Afrika Atsimo, ka nandreseny tamin’ny isa 2 no ho 0.
90 mn izany sisa ho an’ny Barea de Madagascar, hakana ny fahazoan-dalana hizotra any amin’izany fifaninanana izany. Ady sahala fotsiny dia ampy ho an’ny Malagasy. Efa any an-toerana, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ny Barea de Madagascar. An­koatra ilay fandresena efa an-tanana, tombony ho an’ireo mpilalaon’ny Coach Rôrô, ny filalaovana ao amin’ity kianja Côte d’Or ity. Efa nilalao tamin’izany mantsy ny ankamaroan’ireo mpilalao ao anatin’ny Barea.

Vonona ary salama tsara avokoa ry zalahy. Na teo aza ny fandresena, nisy hatrany ny lesoka nahitsy sy namboarina, araka ny fanazavana nomen’ny mpanazatra. No­marihiny fa mahay baolina ry zareo Eswatini, ka tsy azo atao ny manambany na manao an-tandrevaka amin’izy ireo. Ezahina hatrany ny hampiditra baolina voalohany, mba hahazoana mahazo fiarovana tsara.
Tetsy ankilany, nilaza ihany koa ry zareo Eswatini fa mbola afaka manatsimbadika ny isa amin’ity fihaonana mi­verina ity. Tapa-kevitra ihany koa izy ireo ny handresy ny Barea de Madagascar, na teo aza ny tombon’isa 2 no ho 0 azon’ny Malagasy.
Hanomboka amin’ny 4 ora folakandro eto Madagasikara ny lalaon’ny roa tonta. Tsiahivina fa lalao natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ireo tsy mpilaravinahitra any ivelany ny «Chan». Hiavaka ity andiany ity satria firenena 3 no hampiantrano izany dia i Kenya, Ouganda ary i Tanzanie. Ha­nomboka ny 1 ka hatramin’ny 28 febroary ny fifaninanana.

Tompondaka

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - sam, 12/28/2024 - 08:17

Midoboka vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy avokoa ireo olona voalaza fa saika hanondrana volamena milanja 53,73 kilao teny Ivato taorian’ny niakarany teny amin’ny Pac, afakomaly. Mbola karohina fatratra kosa ilay mpiasam-panjakana voarohirohy ho nanao sonia hosoka ireo taratasy saika hitondrana ireo bolongam-bolamena.
Tafakatra 4 000Ar ny kilaon’ny vary makalioka raha manodidina ny 3 700Ar izany teo aloha. Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’entana ilaina andavanandro amin’izao vanim-potoan’ny fety izao. Mahatratra 850 Ar ny vidin’atody raha novidiana 750Ar izany. Manahy sahady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana afaka andro vitsy ny ankamaroan’ny tokantrano.
Miasa eo amin’ny sehatra tsy ara-dalàna ny 80% ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ireo miasa an-trano, manana toera-pivarotana ary ireo mivarotra an-dalambe. Fanamby iraisan’ny rehetra ny famatsiam-bola hanatanterahana sy hampiroboroboany ny fihariany.
Mitohy ny asa fanarenana eo amin’ny fivilian-dalàna eo amin’ny « passage à gué » ao Ifasy PK 537+329, taorian’ny fidinan’ny rano tao an-toerana ka nampiato vonjimaika ny fifamoivoizana eny amin’ny RN6, mampitohy an’Antananarivo sy Antsiranana. Nahitana trangana fiakarana rano tany an-toerana, omaly.

Catégories: National

Pages