S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 24 min

Taona 2023-2024 : nahomby ny 70% ny fambolen-kazo

lun, 11/11/2024 - 07:41

Araka ny tatitry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), nahatratra 132 948 006 ny isan’ny zanakazo voavoly tamin’ny velaran-tany 76 944 ha nandritra ny taom-pambolen-kazo 2023-2024. Tanjona napetraka ny velaran-tany 78 278,67 ha. Raha ny salanisa ankapobeny, nahomby ny fanirin’ny 70% ny zanakazo.

Avy amin’ny tetikasa na fandaharanasa ny 28% tamin’ireo fandraisana anjara ireo, avy amin’ny sehatra tsy miankina ny 23%, olon-tsotra ny 20%, fikamban’ny mponina any ambanivohitra ny 10%, mpitantana faritra arovana ny 7%, vondrona olona eny ifotony (VOI) ny 6% ary rafi-panjakana ny 6%.
Anisan’ny nahazoana izao vokatra izao ny fahatsapan’ny mponina fa laharaham-pahamehana ny fambolen-kazo. Nanamora ny fanatanterahana ny asa ny fiantohan’ny mpiara-miombon’antoka fitaovana sy kojakoja amin’ny fambolen-kazo (zana-kazo, zezika, angady, sns). Maro ny olona nandray anjara. Nataon’ ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana voalohan-daharana ny fambolen-kazo, napetraka ho adidy tsy maintsy ataon’ny VOI sy ny orinasa tsy miankina ao anatin’ny Andraikitra ara-tsosialy ataon’ny orinasa (RSE). Teo koa ny filamatra «mpianatra iray, mamboly hazo iray» teny an-tsekoly. Nampidirina anaty fandaharam-pianarana ny lafiny tontolo iainana eny anivon’ny rafitra Dren, Cisco, Zap. Teo koa, ny fizarana karatany ho an’ny toerana ambolena hazo.

Njaka A.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

lun, 11/11/2024 - 07:41

Nosokafana ny «taom-pambolena 2024-2025» ho an’ny faritra Alaotra, ny herinandro lasa teo. Natao tany amin’ny vahilavan’i Soaravo, kaominina Ilafy, distrika Ambatondrazaka. Paikady hatao fampiharana ny teknika SRI sy SRA, amin’ny alalan’ny tetikasan’ny Papriz, tohanan’ny fanjakana japoney. Eo koa ny tetikasa Riz Plus, famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny AFD avy amin’i Frantsa.

Miisa 13 ny mpanjono sy mpivarotra
hazandrano niofana mahakasika ny fitahirizana sy ny fanodinana ny vokatra, tany amin’ny Nosy Faly, distrika Ambanja. Anisan’ny nampianarina azy ireo ny fomba fanaovana ny saly setroka, fanamainana ny hazandrano. Hampita ny fahaiza-manao norantovina amin’ny mpanjono sy mpivarotra namany izy ireo, taorian’izao fiofanana azony izao.

Hatao any Baku Azerbaidjan ny Fihaonambe Cop 29, anio 11 hatramin’ny 22 novambra. Fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro. Miisa 197 ny firenena handray anjara, ka anisan’izany i Madagasikara. Hokarohina ny vahaolana momba ny asa hiadiana sy hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro maneran-tany sy ny famatsiam-bola entina manatanteraka izany.

Catégories: National

Fambolena : harenina ny lemaka Basse Mahavavy

lun, 11/11/2024 - 07:41

Mamokatra vary sy fary ny lemak’i Basse Mahavavy, any amin’ny kaominina Mantaly, distrika Ambilobe, faritra Diana, manondraka velaran-tany 18 000 ha. Hambolen’ny tantsaha anarivony vary ny 47%, raha fary ny 53%, mamelona fianakaviana maro. Mirefy 23 km ny fefiloha ao amin’ity lemaka ity, ka simban’ny rivodoza Gamane, tamin’ity taona 2024 ity, ny 150 m, sady nitondra tondradrano tany Mantaly. Hanomboka ny fanarenana ny fotodrafitrasa, hataon’ny orinasa Colas, izay efa tonga any an-toerana ny fitaovana. Iantohan’ny fanjakana ny fandaniana amin’izany. Haharitra iray volana ny asa, hohenjehina vitaina mialoha ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra.

Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fanjakana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fampitomboana ny voka-bary, sy ny hamokarana eto an-toerana ny vokatra ilaintsika, entina hampihenana ny fanafarana avy any ivelany.

Nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, i Hajarison François, ny herinandro lasa teo.

Njaka A .

Catégories: National

Harena an-kibon’ny tany : hiverina misokatra ny Base Toliara amin’ny taona 2025

lun, 11/11/2024 - 07:40

Manan-karena ambanin’ny tany i Madagasikara, afaka mitondra fampandrosoana. Hisy tetikasa roa lehibe hanomboka amin’ny taona 2025.

Hiavaka ny taona 2025 ho an’ny tontolo ara-toekarena eto Mada­ga­si­kara. Hisy tetikasa roa lehibe momba ny fitrandrahana va­venty ny harena an-kibon’ny tany hihodina, araka ny ao anatin’ny Fandaharanasam-panjakana hotanterahina (PMO), voafaritry ny Politi­kam-panjakana ankapobeny (PGE). Nohamafisin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny ta­ny, Rakotomalala Herindrainy, hatramin’izay, fa laharam-pahamehan’ny governemanta ny fampiroboroboana ny fi­tran­drahana vaventy. Azo heverina fa iray amin’ireo roa ireo ny fanokafana indray ny orinasa Base Toliara, izay efa lasan’ny orinasa amerikana Energy Fuels. Nanamarina izany ny masoivohon’i Etazo­nia eto amintsika, i Claire Pierangelo, fa «hanatsara ny endrik’i Madagasikara sady hampirisika ny mpampiasa vola amerikana ny fisian’ny tetikasa toy izany».
Anisan’ny nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fivoriamben’ny tsenam-paritra Comesa tany Burundi, farany teo, fa ao anatin’ireo firenena afrikanina manana harena an-kibon’ny tany i Madagasikara. Vahaolana hiadiana amin’ny fahantrana izany, ka mila paikady matotra mba hipaka mivantana any amin’ny mponina sy ny taranaka any aoriana. Efa misy ny fitrandrahana ny karazan-tany tsy fahita firy, ny kobalta, ny bauxite, ny vanadium, ny grafita, sns.

Miantoka ny 33% ny fanondranana any ivelany
Avy amin’ny harena ambanin’ny tany ny 33% ny fanondranan’i Madagasikara entana any ivelany, manampy betsaka ny fidiram-bolan’ny fanjakana izany. Araka ny antontanisa 2024 navoakan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), nitombo 5,2 % ny fitrandrahana indostrialy harena ambanin’ny tany. Nahatonga ny fitomboana ara-toekarena ankapobeny +4,3% ny taona 2022, ary +4,4% ny 2023. Satria nitombo ny filana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena (nikela, kobalta, tany tsy fahita firy, grafita, …), noho ny famokarana angovo azo havaozina, toy ny fanamboarana bateria ho an’ny fiara elektrika sy ny angovo avy amin’ny rivotra, ohatra.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

INDRAY MIJERY

lun, 11/11/2024 - 07:40

Natao teny Ambohidratrimo ny atrikasa manamafy ny andraikitr’ireo sehatrasa momba ny fanabeazana ho fandrindrana ny fiatrehana ny loza voajanahary mba tsy hisy akony loatra amin’ny fitohizan’ny asa fampianarana. Hahafahan’ny eny ifotony mifehy ny trangan-javatra tsy hiantraika mafy ka hanelingelina ny fampianarana no anton’ny atrikasa.
Faritra 3 toa an’Antsirabe I, Sakaraha, Toliara I, sy tanàna 5 no nisitraka ny faradoboky ny Caravane médicale 2024. Mpiasan’ny fahasalamana maherin’ ny 100 no nifarimbona nanatanteraka izany. Ny faritra Atsimo no nandray ireo tolotra ara-pahasalamana marolafy nandritra ity faradoboka ity.
Nofanina amin’ny fanodinana baoritra ny ekipan’ny RF2 ao amin’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra. Ahodina ho lasa arina izany baoritra izany. Natao izany mba hanampiana ny fidiram-bolan’ny RF2. Misy ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa manary baoritra maro ho azon’izy ireo havadika arina fandrehitra.
Manaitra ny sain’ny tanora ny BNLTEH ny hampitomboina ny fahamailoana amin’ny fampiasana ny tambajotra sosialy. Maro ireo mpanararaotra sy mpisoloky any anatin’izy ireny ka mila mitandrina. Misy miseho ho namana tsara kanefa mikendry hatrany amin’ny famarinana olombelona.

Catégories: National

Théo sy Jean Claude, Mpanakalo vola

sam, 11/09/2024 - 17:56

Catégories: National

« Food Ingredients Europe (FIE) » 2024 : hampiranty ireo vokatra bio i Madagasikara

sam, 11/09/2024 - 07:56

Hilahatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mandritra ny hetsika “Food Ingredients Europe (FIE)” atao any Francfort Alemaina, ny 19-21 novambra, ny vokatry biolojika malagasy.

Hisolo tena an’i Madaga­sikara ireo delegasiona sy mpikambana avy amin’ny Sendika malagasy momba ny fambolena biolojika (Symabio). Ahafahantsika mivondrona sy mampiroborobo ny fambolena biolojika eto an-toerana sy hitadiavana fiaraha-miasa ara-barotra any ivelany ny hetsika toy izao. Hanome tantsoroka ny firenena malagasy ny Programme d’appui au développement des exportations et à l’intégration régionale (Padeir) tohanan’ny vondrona eoropeanina sy ny tetikasa Pôles intégrés de croissance (Pic), ary ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC). Mitentina 157 miliara dolara ny tsenan’ny vokatra biolojika maneran-tany, ny taona 2022. Hiakatra 12,6% isan-taona izany hatramin’ny taona 2029. Miavaka sy manana kalitao ny vokatra mala­gasy raha oharina amin’ireo firenen-kafa. Nandrakotra ny 112 000 ha velaran-tany sy nahakasika mpamokatra 70 000 ary niantoka ny 10% ny fanondranana nataontsika ny fambolena biolojika, ny taona 2021. Mbola 40% ny vokatra bio eto amintsika ihany no voahodina eto an-toerana, raha haondrana avokoa ny 60%. «Tanjona ny ha­mantarana ireo fepetra takin’ny tsena iraisam-pirenena mba hamaritana ny paikadim-pamatsiam-bolan’ny indostria», hoy ny minisitry ny Fam­piroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, ny alakamisy teo. Nila­za kosa ny filohan’ny Syma­bio, Rambotiana Heriniaina fa “hampahafantatra an’i Mada­gasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fandraisana anjara amin’ny FIE”.

Henintsoa H.

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

sam, 11/09/2024 - 07:55

Hiverina ny adin-kiragasy ao amin’ny Kianja Ra-Petit Ampefiloha. Hifanandrina ny alahady izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ny tropin-dRavalomanana Fenoarivo sy ry Fredy kely avy eny Imerintsiatosika. Ny fikambanan’ny mpihiragasy no mikarakara ny hetsika, ary efa natolotra ho ampiasain’izy ireo rahateo ity kianja ity, ka ezahina hitohy isaky ny alahady izany.
Johary mihira Kintana Telo sy Barijaona. Handeha mivantana ao amin’ny www.sehatra.com ilay fampisehoana izay hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy 14 minitra, eny amin’ny CCI Ivato. Natao hamaliana ny fangatahan’ireo Malagasy manerana an’izao tontolo izao izany, sy ireo eto an-toerana ihany fa tsy afaka manatrika mivantana ny seho. Tsiahivina fa hanotrona ny tarika Johary mandritra ny seho ireo namany toa an-dry salomon, lilie, Lily ary Lizah Raseta.
« Valan’ny kolontsaina sy ny kanto 3H », hotanterahina any Montréal Canada, ny 16 novambra izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Takarivan-kolontsaina mba ho vakoka hajaina. Antsa tononkalo nosoratan’i Hajaina, ravahin’ny hira kalon’ny omaly sy kalon’ny fahiny iarahana amin’i Jeannot sy i Zana.
Anjaran’ny teto Antananarivo indray no nianoka ny horonantsary “Disco Afrika: une histoire malgache”. Notanterahina omaly, teny amin’ny Cinepax Ambodivona, ny fandefasana izany horonantsary izany. Horonantsary maneho ny zava-misy iainan’ny Malagasy, indrindra ny tanora. Mbola hisy ny fandefasana izany eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny 15 novambra izao.

Catégories: National

«Maison des vivants- Tranon’ny velona» : hanasongadinana ny taotrano malagasy

sam, 11/09/2024 - 07:55

Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana «Maison des vi­vants-Tranon’ny velona», ha­nehoana ireo karazana taotrano maro samihafa misy eto Madagasikara. Eo ihany koa ny hanomezana sehatra sy fanomezam-boninahitra ireo Mpahay taotrano ary hanasongadinana ny fahaiza-ma­naon’izy ireo. Ankoatra ny fampirantiana mahakasika ny trano sy ny taotrano, hisy ihany koa ny fampisehoana maro samihafa iarahana amin’ireo mpanakanto sy mpiangaly Slam.
Firenena ahitana karazana taotrano maro samihafa i Madagasikara. Nisy ireo nentin’ny vahiny fa nisy kosa ireo nolovaina tamin’ny razambe tany aloha. Ankoatra izay endriny izay, anisan’ny mampiavaka ny trano eto Madagasikara ihany koa ny akora anaovana azy. Misy ny nentim-paharazana sahala amin’ny trano vita amin’ny tany, antsoina hoe tovapeta; ny vita amin’ny hazo, antsoina hoe trano falafa. Misy kosa anefa ireo nentin’ny vahiny vita amin’ny hazo, amin’ny biriky sy ny maro hafa. Ireo rehetra ireo no ho hita mandritra ny rantin-tsary ao amin’ny Musée de la Photographie Anjohy.
Handravaka izany ny seho an-tsehatra iarahana amin’i Njara Marcel sy Myh en Mbalait ary ireo mpiangaly Slam sy ireo mpitendry valiha. Sehon-javakanto maroloko, araka izany, no ho hita eny an-toerana. Hetsika maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra.

Lin

Catégories: National

“Reko Tour 2024”: hofaranana eto Antananarivo

sam, 11/09/2024 - 07:54

Taonan’ny fitetezam-paritra ny 2024, ho an’ny Reko Band. Tamin’ny faramparan’ny taon-dasa toy izao no nanambaran’izy ireo ny fandaharam-potoanan’ny “Reko Tour 2024”. Natao indrindra hanamarihana ny faha-5 taonan’ny tarika izy ity, izay azo lazaina fa nizotra tsara avokoa. Araka ny efa voafaritra mialoha, haka endrika seho goavambe ny famaranana, ka fantatra fa hotontosaina ny 22 desambra ho avy izao izany, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.
Fanamby goavana, araka izany, no miandry an-dry Fy Rasolofoniaina sy ny tariny. Raha tarafina amin’ny famalian’ ny mpankafy ny fiantsoana nataon’ny Reko Band hatramin’izay anefa, avo dia avo ny fanantenana amin’ny hahombiazan’ny seho. Naneho ny maha matihanina, mitondra zava-baovao ary mizara onja miabo feno fanantenana ambony ny tarika isaky ny seho nataony. Nohamarinin’ireo hira “Tsara kokoa” sy “hafa mihitsy” izany, ka mampiorim-paka ny Reko Band anatin’ny laza mitoetra.
Taorian’ny fandraisany anjara tamin’ny “Festival Makua Music” tany Toamasina, miandry ny Reko Band ny mpankafy azy any Mahajanga. Hotontosaina ny 29 sy 30 novambra izao ny seho, ao amin’ny Shams Hôtel Majunga Be. Izay vao tena raikitra, satria efa tokony ho notontosaina tamin’ny volana aogositra lasa teo ity fiarahana ity.

Zo ny Aina

Catégories: National

« Hankalaza tokana Jobily roa » : 30 taona nanoratana, 25 taona naha Rado Ramaherison

sam, 11/09/2024 - 07:54

Manohy hatrany ny lalany… Poeta nahavita nanoratra ny raki-piainany momba ny lalana nodiaviny teo amin’ny tontolon’ny soratra nanomboka ny taona 1994. Hisy vanim-potoana hankalazaina sy jobily ny amin’ireo. Resaka nifanaovana taminy.

Gazety Taratra (*) : « Hankalaza tokana Jobily roa ». Inona ny hevitra fonosin’io?

Rado Ramaherison (-) : Hisy hetsika iray hanambatra vanim-potoana tahaka izao : Fankalazana ny faha-30 taona nanoratana sy jobily roa. Ny jobily faha-25 taona nitondrana ny solonanarana «Rado Ramaherison» sy ny jobily faha-25 taona naha mpiraifaribolana. Ramaherison Rado­ari­jaona ny tena anarako. Ny « Rado » anarana efa fahazaza. Nampiana fotsiny ny « Ramaherison » mba tsy hifangaroany amin’i Rado (Georges Andriamanantena). Anaran’ny dada rahateo ny « Ramaherison ». Ny volana marsa 2025 no hotanterahina io « Hankalaza tokana Jobily roa » io. Fotoana hamoahana rahateo ny boky « Ranontany 3 ». Hofaritana ato ho ato ny fandaharam-potoana hotanterahina ao anatin’ny hetsika, satria, tsy maintsy hampifanarahana amin’ny zava-misy sy ny eo am-pelatanana izany.

* Nanao ahoana ny nandiavana ny 30 taona nanoratana? Ny hoavy manaraka?

– Tsy mora! Ny fanontana boky, ahitana olana. Fiaro­vana ny zon’ny mpanoratra, tsy misy. Ny Malagasy tsy miraika amin’ny famakiana boky noho ny antony roa lehibe: tsy fahatakarana ny vidin’ny boky sy ny fandraisana anjara goavana ataon’ny teknolojia amin’ny fanoloana ny toeran’ny boky. Ampahany ihany ireo.
Na izany aza, tsy mahazo kivy. Efa ela aho no nieritreritra fa tsy ho asa fivelomana ny soratra, raha mbola eto Madagasikara. Namboarina ny saina, fitiavana sy iraka (adidy) no anisan’ny hanoratana. Antony goavana nanosika ny tena hianatra hatrany io.
… Hanoratra hatrany aho. Rehefa modimandry vao tsy manoratra intsony. Anisan’ny mpanoratra nitari-dalana ahy i Rado (Georges Andriama­nan­tena) sy ny sanganasany. Adidy lehibe ny vitany ho an’ny taranaka! Any aoriana any, mba mety ho tahaka izay ihany koa i Rado Rama­herison… Nahavita adidy!

Nitafa : HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

L’artisan de Manakara

ven, 11/08/2024 - 17:59

La valeur du métier ne se perd pas aux fils des années

Catégories: National

Fiahiana ara-tsosialy : “Sambany izao vao tsara tantana ny Cnaps” hoy Rajoelina Andry

ven, 11/08/2024 - 07:44

Miroso mankany amin’ny niomerika ihany koa ny fiahina ara-tsosialy eto Madagasikara ankehitriny. Hitondra voka­tsoa maro izao firosoana any amin’ny niomerika izao ary hanala fahasahiranana ho an’ireo mpisitraka izany.

«Sambany vao tsara tantana ny Cnaps ary manana am­bim-bava izy ireo amin’izao», hoy ny filoham-pirenena Ra­joelina Andry. Nivoitra izany nandritra ny lanonana fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo tolotra vaovao niomerika misy eo anivon’ny Caisse na­tionale de prévoyance sociale (Cnaps), omaly, teny amin’ny Centre de conférence internationale (CCI) Ivato. Nampaha­fantarina nandritra izany koa fa 470 miliara Ariary ny vola niditra ary 350 miliara Ariary kosa ny vola nivoaka.
Nampahafantarina nandritra ny lanonana fampahafantarana ireo tolotra vaovao niomerika ihany koa ny fisian’ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa tena, ny fampiakarana ny fisotroan-drononon’ireo vady navelan’ny maty sy ireo mpandray fisotroan-dronono mihoatra ny 80 taona. “Miakatra 25% amin’ny tahan’ny karama farany ambany ny fisotroan-drononon’ny zokiolona mihoatra ny 80 taona, manomboka ny telo volana faran’ny taona. Mia­katra 30% ny fisondrotana ho an’ny mpandova sy ny mananotena mbola miasa ary 50% ho an’ny mananotena efa tsy am-perinasa intsony”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.

Miditra eo amin’ny niomerika
Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Tafiditra ao anatin’izany izao tolotra manaraka ny teknolojia izao. Miisa fito izany, izay niomerika sy ampiasana ny application Cnaps mobile avokoa. Tan­jona ny hampihena ny hosoka sy ny kolikoly ary ny hanarahana ny fivoarana misy ankehitriny sy ny firoboroboan’ny teknolojia. Dingana maro no notontosain’ireo tomponandraikitry ny famolavolana. An­drana maro ihany koa no efa natao tao anatin’izany ary olana maro no ho voavaha. Nezahina namoraina, araka izany, ny fampiasana ireo tolotra niomerika ireo hifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny tsirairay ary mba ho azo ampiasaina amin’ny toerana rehetra.

Lin

Catégories: National

Magazay Cosmos Akoor Digue : fihenam-bidy hatramin’ny 75%

ven, 11/08/2024 - 07:44

Nisokatra voalohany omaly maraina, ny sampana tranombarotra Cosmos eny amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka. Magazay faha-7 eto Antananarivo manampy isa ny 11 any amin’ny faritra. Manome tombontsoa lehibe ho an’ny mpanjifa ny Cosmos Akoor Digue amin’izao fisokafany izao. Fihenam-bidy amin’ny entana maro, hatrany amin’ny 75%, hatramin’ny 10 novambra. Eo koa ny fahafahana mandoa tsikelikely ny vidin-javatra mandritra ny 30 volana, amin’ny alalan’ny « Crédit Mirindra ». Maro ny entana hita ao aminy, toy ny kojakoja ao an-tokantrano sy birao, ny fitaovam-piasana isan-karazany, ny kojakoja samihafa, fitaovana informatika, ny finday sy ny televiziona, ny fitaovam-pitaterana kodiaran-droa, ny tuc tuc, kilalao, sy ny maro hafa. Ankoatra ny varotra, misy koa ny tolotra fanampiny, omena ny mpanjifa, toy ny fanaterana sy ny fametahana maimaimpoana ny entana any an-trano, manerana ny faritra eto Madagasikara.
Any Antsohihy ny magazay nisokatra farany, talohan’ny eny amin’ny Akoor Digue. Manodidina ny 600 ny mpiasa ao aminy. Mitantana ny Cosmos ny orinasa Uditec, ao anatin’ny vondrona HV Madagasikara, misahana sehatra maro.

Njaka A.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

ven, 11/08/2024 - 07:43

Nankatoavin’ny loholona ihany koa ny teti­kasa Fly-over Maki, omaly. Famatsiam-bola mitotaly 31,5 tapitrisa dolara, ka avy amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana aty Afrika (Badea) ny 28,5 tapitrisa dolara, raha avy amin’ny fanjakana malagasy ny
3 tapitrisa dolara. Efa lany teny amin’ny Antenimieram­pi­re­nena ity volavolan-dalàna ity, ny 5 novambra teo. Mari­hina fa samy hafa ny Fly-Over Maki sy ny Fly-Over Anosizato, efa nankatoavina ny taona 2022.

Solosaina 35 sy « imprimantes » enina. Ireo no natolotry ny orinasa Ambatovy ho an’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Nisitraka solosaina valo sy imprimante iray ny Ecole supérieure polytechnique d’Antananarivo (ESPA). Nahazo izao fampitaovana informatika izao koa ny ONG Saint Gabriel-La Fabrique ao Toamasina, ny kaominina Ambohibary-Moramanga sy Amboditandroho-Toamasina II, ny biraom-paritry ny minisitera ary ny zandarimaria.

Hametrahana faritra fampiasam-bola (zones d’investissement) miisa dimy eto Madagasikara, hamondronana ireo orinasa. Hifehy azy ny fitsipiky ny fadintseranana. Hiandraikitra ny fampandehanana sy hamaritra ireo fepetra arahina ny EDBM. Ho hita ao ny antotam-baovao sy antontanisa ilain’ny mpandraharaha sy ny mpampiasa vola.

Catégories: National

MTA-ONTM: miverina ny fiaraha-miasa amin’ny Corsair

ven, 11/08/2024 - 07:43

Niverina niantoka ny zotra Antananarivo-Paris ny kaompania Corsair, ny jona 2023. Mifameno amin’ny tanjon’ny fanjakana malagasy hampiroboroboana ny fifamoivoizana ana habakabaka ny fisiany, sady hampitomboana ny mpizahatany sy mpandraharaha ihany koa. Natao, omaly, ny fi­fanarahana fiaraha-miombon’ antoka eo amin’ny minisiteran’ ny Fizahantany sy ny asa ta­nana (MTA) sy ny kaompania Corsair, izay tohanan’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Nasongadin’ny filohan’ny filankevi-pitantanana ONTM, Ranaivoarimanana Ionjaniaina, fa ampiasaina ny teknolojia niomerika, toy ny fa­nentanana ataon’ny olo-malaza « influenceurs », amin’ny tambajotra sosialy, mampahafantatra an’i Madagasikara.
Mpizahatany 1 tapitrisa

Nambaran’ny minisitra MTA, i Dewa Viviane, fa zava-dehibe ity fiaraha-miasa amin’ ny tsy miankina ity, satria ha-namora ny hanatrarana ny tanjona, mpizahatany 1 000 000 amin’ny taona 2028. Hitombo ny fitsidihana ireo faritra ma­ha­liana ny mpizahatany (Educ­tour), ny fampahalalana an’i Madagasikara any ivelany (Roadshow), sy ny any amin’ ireo nosy manodidina antsika, toa an’i Mayotte sy La Réu­nion, ohatra.
Nilaza ny talem-paritry ny Corsair aty amin’ny ranomasimbe Indiana, i Jules Perreau, fa isan-kerinandro ny sidina ataon’ny Corsair, mitondra olona 1 400, izany hoe, mitotaly 70 000 isan-taona.

Njaka A.

Catégories: National

Toekarena manga : hitohy ny fiaraha-miasa amin’ny C3 Madagascar

ven, 11/08/2024 - 07:42

Hanatsara ny jono sy ny fihariana anaty rano, mba hampihena ny tsindry eo amin’ny ranomasina, toy ny fambolena lomotra, fiompiana dingadingana, horita sns, hisokatra amin’ ny asa hafa sy hivelatra manerana ny Nosy. Ireo ny vina apetraky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny Conservation centrée sur la communauté (C3) Madagascar ho an’ny telo taona manaraka. Tontosa omaly, teny Ampan­dria­nomby, ny fanaovan-tsonia ny fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny roa tonta. « Tafiditra tanteraka amin’ ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny toekarena manga amin’ ny alalan’ny fitrandrahana ao anatin’ny fanajana ny tontolo
iainana sy ny fampandrosoana maharitra izany », hoy ny minisitra Mahatante Paubert. « Nanamafisana ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ny rohivoahary sy ny harena an-dranomasina ny tetikasa. Voarindra ihany koa ny fihariana sy ny fifaninana teo amin’ireo mpisehatra », hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa, Rabemamy Fara. Tsiahivina fa miasa ao amin’ny faritra arovana, Nosy Hara, ao Antsiranana ny teti­kasa C3 Madagascar.

Henintsoa H.

Catégories: National

D’un point à un autre

jeu, 11/07/2024 - 14:18

Eau de mer, eau douce. Elles nourrient Manakara

Catégories: National

Fetin’ny maty ao Morafeno : mampifanindran-dalana ny fomba kristianina sy nentin-drazana

jeu, 11/07/2024 - 07:43

Fomba tsy dia fahita sy re matetika ny fa­natsarana ny rafi-piarahamonina ao amin’ny fokontany  Morafeno, kaominina ambanivohitr’i Maro­mi­tety, distrikan’i Vavatenina.

Dimy taona lasa izay, nampifandraisina ny fi­noana kristianina sy nentin-drazana rehefa hankalaza ny fetin’ny maty ary hita fa tsara ho an’ny rafi-piarahamonina ao an-tanàna izany. Tsy misy mifanome tsiny sy mifandatsa toy ny taloha intsony. Nambaran’ny vavanjaka Itoandro Benoit, fa tanjona ny hisian’ny firaisankina bebe kokoa ary hitarihana ny sain’ny rehetra hanome lanja ny raiamandreny na ny havana efa lasa nodimandry. Nampe­traky ny kalandrie kristianina ny datin’andron’ny fahatsiarovana ny maty fa tsy ny Mala­gasy akory no namorona an’ io. Izany no mahatonga ny va­vanjaka mbola manamafy ny antso ho an’ny tangalamena rehetra ao anatin’ny kaominina ambanivohitr’i Maromi­tety mba samy hanamafy ny fidirana amin’ny finoana kristianina.
Raha iverenana, manana fasana roa ity fokontany ity. Ny fasana iray dia  itambarana taranaka na firazanana roa samy hafa ka ahitana na mizara lavaka efatra tsirairay avy, ary lavaka samy hafa ny lahy sy vavy. Eny ivelan’ny fasana kosa no andevenana ny olona manan-kilema, na olona nandoza, maty tany am-ponja, olona marary saina, mpamosavy tra-tehaka.
Ialohavan’ny fotoam-pivavahana

Porofoin’ny fokonolona amin’ity fokontanin’i Morafeno ity fa mino izy ireo, ary ny finoany no entina hanatsarana ny fomba fitantanana ara-drazana. Afaka mifanindran-dalana tsara ireo. Rehefa ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny maty, misy ny fotoam-pivavahana alohan’ny fandraisam-pitenenan’ny mpitondra ara-drazana. Ho an’ity farany kosa, ifampizarana  sy ifandimbiasana ny fitarihana fotoam-pivavahana amin’ireo fasana roa dia ny ao Ambala­hirana sy ny ao Amba­la­vary izay mifanalavitra
ihany. Aorian’izay dia mitsodrano ireo fanomezana entin’ny fokonolona na fianakaviana ny mpitarika ny fotoam-pivavahana.
Rehefa vita ny fotoam-pivavahana, miroso amin’ny fomba nentin-drazana ny raiamandreny ara-drazana ka ny vavanjaka no mpitondra teny ary valian’ny vavanjaka avy amin’ny firazanana hafa izay manatrika eo. Aorian’izay dia tsofindrano hangataham-pahasoavana amin’ny razana ireo fanatitra rehetra izay efa apetraka eo anoloan’ny fasana.

Fotoana hangataham-pitahiana amin’ny razana 

Ny tangalamena kosa no miditra mialoha ao anatin’ny tranom-pasana ary manome baiko izay tokony hatao aloha. Ho an’ny tetsy Ambalahirana, noesorina aloha ny voninkazo, poketra satroka sy izay entana na fitaovana nampitondraina ny maty ka efa misy fahasimbana mba hampalalaka kokoa ny tranom-pasana. Vita izay vao miditra ny rehetra ary afaka mifandimby raha maro loatra mba hisorohana ny tsy hisian’ny safotra noho ny hafanana ao anatin’ny tranom-pasana. Mandrehitra ny labozia sy mametraka ny fanatitra, voninkazo, zava-pisotro  ary mangataka fitahiana ny rehetra. Ho an’ny fokontany Morafeno dia intelo isan-taona no mamangy fasana : mialoha ny fetim-pirenena 26 jona, izay fotoana fanadiovana ny manodidina ny fasana ; ny sabotsy aorian’ny voalohan’ny volana novambra kosa no fetin’ny fahatsiarovana ny maty ary ny fahatelo dia ny volana desambra mialoha ny faran’ny taona, manadio ny manodidina ny fasana. Antony, hoy ireo mpitantana ara-drazana dia ny mba hifalian’ireo maty toa antsika velona ny fetim-pirenena sy taom-baovao sy fanomezana haja ny razana izay nialoha lalana.
Ampahatsiahivina fa niforona tamin’ny 1910 ny fokontany Morafeno ka lehiben’ny fokontany voalohany, Atoa Laingoda, nondimbiasin’i Feno Ramilison, ny taona 1939.

Nanatontosa : Sajo

 

Catégories: National

Fiarovana ny fari-dranomasina : hapetraka ireo paikady goavana

jeu, 11/07/2024 - 07:41

Hifanakalo antotam-baovao, manomboka anio, ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) ary ny Global Fishing Watch amin’ny alalan’ny ny fitsirihana ara-zanabolana ny tontolo an-dranomasina. Hanampy amin’ny fananana ireo jery todika mahakasika ny antontam-baovao nanomboka ny taona 2012 ka hatramin’izao ity fiaraha-miasa ity. Noho izany, «hahafahana mijery ny zavatra nataona sambo iray eto an-toerana ao anatin’ireo vanim-potoana voalaza etsy ambony izao fifanaraham-piara-miasa izao», hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, afakomaly, nandritra ny atrikasa fanombohana ity fiaraha-miasa ity teny Alarobia. Noho izany, hifameno amin’ny fitsirihana an-dranomasina ataon’ny sambo malagasy ny fitsirihana ara-zana-bolana ataon’ireo mpiara-miombon’antoka indrindra ahahafahana manara-maso ny fari-dranomasin’i Madagasikara.
Ankoatra izay, hifanome tanana ihany koa ny firenena rehetra hamahana ny jono tsy manara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna (pê­che INN). Marihina fa mahatratra hatrany amin’ny 700 isan’andro ny sambo mandalo ny fari-dranomasin’i Madagasi­kara ka tokony ho fantatra avokoa ny asa ataony mba hisorohana ny fanararaotana. Tombony ho antsika ny fananany fari-dranomasina midadasika azo trandrahana ho fampiroboroboana ny toekarna. Mandray anjara 7% amin’ny harinkarena faobe rahateo ny jono sady kitro ifaharan’ny fampandrosoana ka tokony trandrahana sy arahi-maso manokana.

Henintsoa H.

Catégories: National

Pages