Namoaka fanambarana mandà marindrano ireo lainga aparitaka amin’ny tambajotra sosialy, milaza ny fivarotana ireo nosy maromaro manodidina an’i Nosy Be amin’ny mpampiasa vola vahiny, Emiratis, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nohitsin’ny fanambarana fa tsy misy fangatahana voaray na fifanarahana nosoniavin’ny fanjakana malagasy ho an’ny Emiratis, momba izany. Mazava rahateo ny didy aman-dalàna momba ny fananantany sy ny fampiasana azy, eo ambany fanaraha-mason’ny fanjakana malagasy.
Manoloana izany, miantso ny vahoaka hitandrina amin’ny vaovao tsy marina sy ireo fanakorontanana isan-karazany, miparitaka eny amin’ny tambajotran-tsosialy ny eo anivon’ny MFFT. « Aoka hanamarina ireo loharanom-baovao ofisialy hialana amin’ny fandisoana sy fanodinkodinana ny hevi-bahoaka », hoy ny fanambarana. Nohelohin’ny minisitera koa ny famafazana lainga ho fitandrovana ny filaminam-bahoaka. « Hiharan’ny lalàna famaizana ireo olona na fikambanana minia manohintohina ny fitantananan-draharaham-panjakana », hoy hatrany ny eo anivon’ny minisitera.
Araka izany, diso sady tsy mitombina ireo vaovao miely momba ity resaka fivarotana nosy maromaro any Nosy Be ity.
Synèse R.
Voatendrin’ny filohan’ny Repoblika ho loholona Rakotondrazafy Lalatiana. Naneho ny heviny avy hatrany ny tenany, manoloana izany.
“Mariky ny fahatokisan’ny filohan’ny Repoblika no nanendrena ahy”, hoy ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny lanonana nametrahana samboady azy teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, Anosy, omaly. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nisaoran’ny loholona Rakotondrazafy Lalatiana ny filohan’ny Repoblika nanendry azy ho mpikambana vaovao ao amin’ny Antenimierandoholona. Heveriny fa zava-dehibe ny antony fahatokisana amin’ny vanim-potoana toa izao. Ny zava-misy, na tiana na tsy tiana: mila mpanohana ny fitondram-panjakana. Naverin’ny filohan’ny Repoblika taminy ny fahatokisana azy. Misy anjara andraikitra sy faharesen-dahatra tsy maintsy ijoroany amin’izany.
“Tsy anjarako ny misora-tena toa voatango hoe izaho izany no tena tsara toerana eto amin’ity andraikitra maha loholona ity”, hoy kosa izy ny amin’ny hoe olona tsara amin’ny toerana tsara. Ny traikefa rehetra izay mety ho azony tamin’ny fanaovana politika dia entina hanasoavana ny andrimpanjakana nametrahana azy. Mba ho amin’ny tombontsoan’ny firenena izany. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny mpikamban’ny governemanta, solombavambahoaka, loholona, manampahefana samihafa…
R. Nd.
Mitotaly 10 000 ireo zana-trondro narotsaka ao amin’ny farihin’Ankadinondry Sakay nandritra ny fambolen-kazo natao tany an-toerana. Nisitraka zana-trondro ihany koa ireo fikambanan’ny mpanjono mba hahafahany mampiroborobo ny fihariany sy hanatsarany ny velo-tenan’ny tsirairay.
Vita ny 93% ny asa fanarenana ny lalam-paritany, RIP71, ampahany voalohany, mampitohy an’Imerintsiatosika (RN1) sy Ambohimiarina. Mirefy 12,95 km ity lalana ity, ka avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR) ny famatsiam-bola nanamboarana ny ampahany voalohany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Ankohonana miarina ».
Mampiasa ny teknolojia niomerika « Recycle Now » amin’ny fanivanana fako plastika, ny orinasa STCV. Zava-baovao ity fomba fiasa ity, mety amin’ireo olon-tsotra na orinasa, manana akora plastika efa niasa mampandre ny STCV, ka manatona any avy hatrany izy ireo. Tanora mpandraharaha no mitantana ity orinasa ity.
Misokatra manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma ny « Guichet central d’information et de documentation » (GCID) eny Ambohidahy. Toerana andraisana ny mpisitraka sy ireo liana amin’ny tolo-draharaha avy amin’ny minisitera. Natao hikirakirana antotan-taratasy ao amin’ny minisitera ny maraina, raha natao hizarana izany kosa ny hariva.
Nihena 17,2% ireo entana naondran’i Madagasikara ny taona 2024 raha oharina ny taona 2023 noho ny fitotongan’ny harinkarena faobe. Nanampy trotraka izany ny fihenan’ny vola azo tamin’ny fanondranana lavanila, jirofo, nikela sy kobalta ary ireo vokatry ny orinasa afakaba. Nidina 15,4% ny vola azo tamin’ny lavanila noho ny fihenan’ny vidiny ho 74% na niakatra 224,9% aza ny vokatra, raha ny fanadihadiana ara-toekaren’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nahitam-pihenana 43,9% sy 47% ny nikela sy kobalta naondrantsika. Nihena 7,2% ny vokatr’ireo orinasa afakaba ka nahatonga ny fihenan’ny fanondranana ho 5,3% na nahitam-piakarana 2% aza ny vidin’entana. Lasibatr’ity fitotonganana ity koa ny jirofo. Nihena 35,5% ny vokatra naondrana rehefa nihena 31% ny vokatra azo nandritra ny taona ka nitarika ny filatsahan’ny vidim-bokatra ho 6,5%. Na izany niakatra 124% ny fanondranana lohamenaka taorin’ny fitomboan’ny fangatahana ho 169,6% na nihena 16,9% aza ny vidiny tamin’ny taon-dasa. Niakatra 26,1% ihany koa ny fanondranana « graphite » nataontsika rehefa nitombo 36,8% ny vokatra raha toa nihena 7,8% ny vidiny. Niakatra 140,2% ny cacao naondran’i Madagasikara nandritra ny taona 2024. Nahatonga izany ny fiakaran’ny vidim-bokatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiakaran’ny fanafana ho 9,6%, araka ny fanazavan’ny BFM. Mitotaly 2 838,6 tapitrisa dolara ny vola vahiny ao amin’ny BFM ka ahafahana manafatra entana ao anatin’ny enim-bolana mahery ho amin’ity taona ity.
Henintsoa Hani
Hotanterahina ny 2 sy 3 mey, any Genève, ny « Forum économique du secteur privé Madagascar, terre d’opportunités » izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Hetsika karakarain’ny Federasion’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) sy ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Genève-Antananarivo (CCIGA). « Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Malagasy mpandraharaha sy ny any ivelany amina sehatra marolafy, toy ny fizahantany, indostria, harena an-kibon’ny tany ary fambolena », hoy ny FCCIM.
Ankoatra ny hetsika, hisy ny fampihaonana sy fampifandraisana ireo samy mpandraharaha. Hasongadina manditra ny varotra fampirantiana ihany koa ny hatsaran’ny vokatra malagasy sy ny mampiavaka azy amin’ny hafa, hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny. Araka izany, maherin’ny 100 ny mpandray anjara andrasana mandritra ity fihaonambe ity ka manana hatramin’ny 28 febroary hisoratana anarana izay liana.
Henintsoa H.
Ao anatin’ny fotoanan’ny rotsakorana, tena tsara indrindra hambolena hazo isika izao. Ho an’ny eto afovoantany, efa maro ny fikambanana, ny fiangonana, ny orinasa ary ny olon-tsotra niroso tamin’ny fambolen-kazo nanomboka tamin’ny volana desambra lasa teo. Anisan’ny efa nahavita izany ny fikambanana Hasin’ny zaza manga. Notontosaina ny sabotsy 01 febroary 2025 lasa teo, tany amin’ny kaominina Ambato, ny andiany faharoa tamin’ny fambolen-kazo, nataon’izy ireo. Nitarika izany ny filohan’ny fikambanana sady ben’ny Tanànan’ny kaominina any an-toerana, Rakotondravao Sarobidy. Natao tamin’ny sabotsy 25 janoary 2025 kosa ny andiany faharoa.
“Fototry ny fandrosoana eo amin’ny tanàna iray ny fanomezana sehatra ny fambolena, anisan’izany ny fambolen-kazo”, hoy ny ben’ny Tanàna voafidy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambato, distrika Ambohidratrimo, nandritra ny fambolen-kazo nataon’izy ireo. Nambarany fa raha voatsabo sy voatohana tsara araka ny tokony ho izy ny fambolena, dia miroborobo ny fiveloman’ny vahoaka. Mihatsara toy izany koa ny fari-piainana, manome fahafahana misimisy kokoa ho an’ny taranaka koa izany. Efa nanao fambolen-kazo foana ity fikambanana ity tao anatin’ny 5 taona nisesy. Mahatratra 5 000 isan-taona ny zana-kazo novolen’izy ireo hatramin’izany. Mba ho an’ny fanatsarana sy fiarovana ny tontolo iainana any Ambato. Tanjona maharitra ity, izay natao hanamafisana ny fizakan-tenan’ny ala sy hanomezana vahaolana amin’ny olan’ny fahasimban’ny tontolo voajanahary, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Hiarovana ny tontolo iainana
Tanjona sy politikan’ny fambolen-kazo ny famerenana ny ala sy fiarovana ny harena voajanahary. Manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana misy amin’izao fotoana izao, ilaina ny fambolen-kazo. Mba ho fanarenana ny toerana maro ho rakotra ala indray sy ho fiarovana ny zavamananaina. Ankoatra izay, fisorohana ny fahanteran’ny tany sy fanohanana ny fambolena sy fiompiana ihany koa. Manatsara ny fiasan’ny tany koa, mitahiry rano, manamafy ny fototry ny fambolena ary manakana ny fihotsahan’ny tany, ny faritra rakotra ala.
Ho an’ny kaominina ambanivohitra Ambato, distrika Ambohidratrimo, manana tanjona sy sehatra manokana entina mampiroborobo ny sehatry ny fambolena izy ireo. Laharam-pahamehana voalohany ny fampivoarana ny voly, toy ny voly vary, tongolo sy ireo voly hafa manan-danja rehetra. Ankoatra izay, hatsaraina ihany koa ny lalana. Mba hoentina manamora ny fitaterana sy fivarotana ny vokatra miakatra avy any an-toerana. Ilaina ihany koa ny fampiofanana ny tantsaha hanaraka ny teknika manaraka ny fiovan’ny toetr’andro. Tanjona ny hahafahana mampitombo ny vokatra miakatra. Hamafisina ihany koa ny fifandraisana amin’ny tsena, mba hahazoan’ny tantsaha ny vidim-bokatra ara-drariny sy ahazoana tombony bebe kokoa.
Fanaraha-maso sy fikojakojana
Ilaina ny fambolen-kazo na ho an’ny mponina rehetra, ary tokony hanao izany na ny olona tsirairay avy aza. “Tsy vitan’ny mamboly fotsiny anefa fa miantoka ny fahaveloman’ireo zana-kazo amin’ny alalan’ny fanaraha-maso sy fanentanana ny mponina hikolokolo izany ny tena tsara indrindra”, hoy hatrany ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ambato, distrika Ambohidratrimo. Ankoatra izay, ilaina koa ny fanentanana sy fanabeazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mampirisika ny rehetra, indrindra ny tanora, mba ho tomponandraikitra amin’ny fiarovana ny harena voajanahary hatrany ity fikambanana iray ity.
Tsy mahomby ny ankamaroan’ny fambolen-kazo eto Madagasikara, amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao. Maro ny antony mahatonga izany. «Voalohany, tsy mipetraka tsara araka ny tokony ho izy ny fotoam-pambolen-kazo eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fambolena tsy manaraka ny tekinika, izay anisan’ny antony tsy mampahomby ny fambolena », hoy Rahazatovo Andry, tomponandraikitra eo anivon’ny ONG Graine de Vie. Nilaza izy fa lasa toy ny fitsangantsangana fotsiny ihany ny fotoana hanaovan’ny olona ny fambolen-kazo. Anisan’ny tsy mampahomby ny fambolen-kazo eto amin’ny Nosy ihany koa ny doro tanety ataon’ny olona sasany. Manampy izany ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso sy ny fandraisan’andraikitra aorian’ny fambolena.
Nanatontosa : Mino
Hanampy amin’ny famokarana herinaratra amin’ny RIA ny tetikasa « Tana Medium Ring ». Hanangana zotra mpitatitra herinaratra 90KV, mirefy 193 km, ny tetikasa. Hamafisina ireo zotra efa misy ka hatsangana ny « sous-stations » miisa 8 ao Antsipolitra, Antsirabe I, Antanifotsy, Behenjy, Tana Sud II, Ambohijanaka, Tana Ouest II, ary Imerintsiatosika.
Hiasa manomboka amin’ity volana febroary ity ny « Turbine éolienne » voalohany mirefy 50m ao Taolagnaro. Iray amin’ireo 19 hatsangana izany ka afaka mamokatra herinaratra 850 Kw. Mitotaly 16MW ny herinaratra ho azo amin’ny alalan’ny tetikasa rehefa tafajoro avokoa ireo « turbine ».
Nihena 15,4% ny vola azo tamin’ny fanondranana lavanila nandritra ny taona 2024, noho ny fidinan’ny vidim-bokatra 70% na niakatra 224,9% aza ny vokatra naondrantsika. Nilatsaka hatrany amin’ny 128,4 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ny fanondrana nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2024, raha toa 226,1 tapitrisa dolara izany ny taona 2023.
Nohavaozina ny drafitra sy tetikasa nasionaly ho an’ny fahasamihafan’ny zavaboahary. Tanjona ny hanatsarana ny fiveloman’ny mpanjono sy hiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny toekarena manga. Kendrena ny hahazoana vokatra maharitra sy miaro ny harena voajanahary.
Mikendry ny hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara ny tetikasa Sanbonai. Miara-miombon’antoka amin’ny fikambanana Mpamboly frantsay sy fampandrosoana iraisam-pirenena (Afdi). Nahazo tohana ny tambajotra Soa, ka voakasiky ny tetikasa ny faritra Analamanga, Bongolava ary Itasy. Nambaran’ny filohan’ny tambajotra Soa, Razafimbololona Angéline, fa “paikady notratrarina ny vahaolana hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro. Toy ny fampitomboana ny vokatra, ny famokarana masomboly tsara kalitao, ny fambolena agro-ekolojika (zana-kazo, zezi-pahitra, fifampivadiana voly, ….). Nofanina ara-teknika sy ara-pitantanana ny mpamokatra, indrindra ny tanora. Nofanina ihany koa ny vehivavy, amin’ny lafiny fanjarian-tsakafo maro loko sy ny olona marefo”.
Mahatratra 700 ny tanora nofanina, ary maherin’ny 200 no notohanana ara-bola, ahafahan’izy ireo mamokatra. Niainga tamin’ny 600 000 Ar tsirairay ny taona voalohany, niakatra 800 000 Ar ny faharoa ary 1 000 000 Ar ny fahatelo. Seha-pihariana natao ny fambolena vary, katsaka ary voly anana sy legioma.
Tapitra ny tetikasa, ankehitriny, izay naharitra 3 taona. Nilaza ny filohan’ny tambajotra Soa, fa nahafa-po ny vokatra, satria miavaka ireo tantsaha nisitraka ny fiofanana miohatra amin’ny hafa. Mitohy kosa ny tohana sy fanaraha-maso ataon’ny tambajotra.
Henintsoa H.
Anisan’ny vokatra vokarin’ny Alpha Ciment ny simenitra lafatra. Ho fanapariahana izany, nisy ny lalao ho an’ireo mpanjifa natao ny 15 ka hatramin’ny 31 desambra 2024 lasa iny. Notanterahina ny 24 janoary 2025 lasa teo, tetsy Analakely, ny fanolorana ny loka ho an’ireo tsara vintana. Niisa 15 ireo nisitraka izany ka nomena 1 taonina avy.
Notsiahivin’ny tomponandraikitra fa akora mamaly ny filan’ny mpanjifa amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa na famitana toeram-ponenana na tetikasa mifandraika amin’izany ity vokatra ity, izay vita malagasy tanteraka.
Efa nisy ny fotoana nampahafantarana sy nanaovana fanehoana ity akora ity, nandritra ny
« Salon international de l’habitat 2024 », niaraka tamin’ireo teknisianina avy amin’ny orinasa mpamokatra. Dingana manaraka ny fanomanana lalao sy fanentanana ho an’ireo mpanjifa matoky ka mampiasa ity akora ity. Manohana sy manaja ny tontolo iainana ho an’ny hoavy maharitra eto amin’ny firenena ihany koa izy ireo. Toerana telo no misy ny orinasa misahana ny akora dia ny any Ibity Antsirabe, Toamasina ary Antananarivo.
Henintsoa H.
Tafiditra ao anatin’ny paikady hampitomboana 1 tapitrisa taonina fanampiny ny voka-bary eto amintsika ny fampiasana ny masomboly safiotra. Nahazo ny anjarany i Vakinankaratra.
Taorian’ny tany Alaotra, natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny masomboly vary safiotra, ho an’ ny faritra Vakinankaratra. Miisa 70 ny kaoperativa tantsaha nahazo ny anjarany, miaraka amin’ny kojakojam-pamokarana miaraka aminy. Ho an’ny velaran-tany 1 ha, milanja 25 kilao ny masomboly vary safiotra, miampy zezika mitotaly 750 kilao (300 kilao ny NPK, 100 kilao ny « urée » ary 350 kilao ny zezika organika).
Nilaza ny sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo (SEAA), Razanamahefa Tahian’ny Avo, fa « zava-dehibe ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha. Mampidi-bola 6 tapitrisa Ar isaky ny hekitara ho an’ny mpamboly iray ny fampiasana ny masomboly vary safiotra. Hanamafy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro izany, sady hampandroso maharitra ny sehatry ny fambolena ao Vakinankaratra ».
Tsy zava-baovao eto amintsika ny fambolena vary safiotra. Nahatratra 12 t/ha ny vokatra azo tamin’ny fanandramana natao tany amin’ny faritra Morombe. Misitraka ny tohana avy amin’ny fanjakana ny tantsaha nahazo fiofanana manokana mahakasika ny lafiny teknika.
Miara-miombon’antoka hampahomby ny fandaharanasa ny Sekretariam-panjakana (SEAA) miaraka amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny fandaharanasa Fihariana, ny ao amin’ny Fitsinjaram-pahefana (MATD), sns.
Vaomiera manara-maso
Natsangana ny vaomiera iombonana misahana ny fanaraha-maso sy manao tombana ny asa amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Misy ny teknisianin’ny fambolena manohana ny tantsaha mpamokatra, hanatrarana ny vokatra sy hampaharitra ny fampiharana ny lafiny teknika. Hentitra ny fepetra arahina, hiarovana ny tantsaha manoloana ny fanararaotana ny vidin’ny kojakojam-pamokarana samihafa.
Njaka Andriantefiarinesy
Notakin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny hitaterana ao anatin’ny fotoana fohy ireo fitaovana rehetra ilaina hanatontosana ny fihaonana an-tampon’ny COI, hatao eto amintsika ny volana avrily izao. Hifarimbona amin’izany ireo minisitera sy ny governora ary ny ben’ny Tanàna…
Nirary soa ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, noho ny taona vaovao ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina Tim, voafidy tany amin’ny distrikan’Andramasina, omaly. Fotoana koa io nanomezana toromarika azy ireo. Tafiditra ao anatin’
izany ny famelomana aina ny mpikambana eny anivon’ny fokontany.
Nifampidinika tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravahitra, afakomaly, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Itaosy, Rasolofo Haja. Nivoitra, tamin’izany, ny momba ny fampandrosoana ny faritra sy ny hevitra hoentina manakaiky hatrany ny vahoaka.
Ao anatin’ny fanatanterahana ny fampanantenany ny ben’ny Tanànan’Ivato, i Penjy Randrianarisoa. Anisan’izany ny fanamboaran-dalana eo amin’ny Sary Masina, fiantsonan’ny taxi-be, ny eny amin’ny fokontany Ilaivola sy ny kartie fahenina. Nambarany fa mbola hitohy any amin’ny fokontany hafa izany. “Hajao hatrany ny tanànantsika”, hoy izy.
Mbola nanantitrantitra hatrany amin’ireo ben’ny Tanàna ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, eo amin’ny fitantanana ny kaominina. Nanafatra ireo mpitantana eny ifotony tany Ankazobe ny tenany.
Nambarany fa mafy ny asa miandry ny ben’ny Tanàna ary efa niaina izany ny tenany fony nisahana izany andraikitra izany. Nampahereziny tsy ho kivy izy ireo. Miandrandra sy manantena anareo ny mponina tamin’ireo fampanantenana, araka ny nambarany. “Tsy ho mora ny hahatanteraka izany fa mitaky asa sy fahavononana ary fahendrena”, hoy izy, tao amin’ny kaominina Ambohitromby, distrika Ankazobe, omaly. Nampanantena ny tenany fa vonona hanampy ireo ben’ny Tanàna ny minisitera tantaniny amin’ny alalan’ny tetikasa hahazoana traikefa. Hapetraka tsy ho ela izany ka hisy ny fanofanana azy ireo hananany ny fahaiza-manao. “Mba tsy higadra noho ny tsy fahaizana ny lalàna na noho ny tsy fahafantarana ireo dingana samihafa tokony hatao amin’ny fitantanana kaominina”, hoy izy.
Notsiahiviny fa fahefana lehibe eo an-tanan’ny ben’ny Tanàna ny Birao ifoton’ny fananantany (Bif) ahafahana mizara karatany ho an’ny vahoaka. Mbola ilana fahendrena koa ny momba izany, araka ny nambarany. Anisan’ny nitondra fandriampahalemana sy filaminana ary fampandrosoana izany. “Mba ho lovain-jafy ny tany ary manana fanamarinana ny maha anareo ny tany isika izao ka tsy ahina hisy hangalatra intsony”, hoy izy.
Fanafainganana ny asa…
Nanteriny fa maherin’ny 60 000 ireo karatany hozaraina amin’izao tetikasa izao. Mbola eo koa anefa ireo tsy voazara ka niantsoany sy nanentanany ireo tompon’andraikitra rehetra ny hijerena izany akaiky sy ny hanafainganana ny famoahana izany. Hisitrahan’ny vahoaka tombontsoa ny fahazoana izany. Natsidiny sahady koa anefa fa efa propagandy ho an’ireo ben’ny Tanàna amin’ny dimy taona manaraka ary ahafahany miverina amin’ny toerana ny fikarakarana izany ho an’ny vahoaka. “Ho mora ho an’ny rehetra ny mankasitraka sy mifidy anareo amin’izany fotoana izany”, hoy izy.
Nambarany koa fa efa hita izao ny vokatry ny hetsika, fizarana karatany sy “Titre” faobe ka hotohizana.
Synèse R.
Raikitra indray ny fotoana fambolena hazo eto amin’ny tanàna. Samy serintseriny avokoa ny mpiasam-bahoaka, eny anivon’ny minisitera sy ireo rantsamangaikany. Manao izay ho afany amin’ny fandrakofana ny vohitra, samy mikendry ilay famerenana an’i Madagasikara maitso. Dia rodorodo goavam-be tokoa anie no ataon’ny minisitera rehetra.
Milamina sy mipetrapetraka ery ny fanomanana, manohatra noho ireny asaramanitra goavam-be ireny. Tena mahavelombolo ny fiaraha-mientana sy ny firaisan-tsain’ny mpiara-miasa handeha hamonjy fambolen-kazo. Tena hoe tsy ho ela dia ho feno zana-kazo mitombo ny tanàna. Tsy miandry an-jatony taonany dia efa mba ho maitso mavana izay tadiavina.
Indrisy anefa! Mba mampisaina ihany ny mahita fa ny andron’ny fambolen-kazo ihany no nafana fo Ramalagasy. Zary fety tokoa ny ankamaroan’ny hetsika. Natao ho fialana ny toeram-piasana sy ho fitsangantsanganana fotsiny ihany. Mijanona ilay indray mandeha tsy miverina dia rava ny tsena. Tsy misy ny fanaraha-maso aorian’ny hetsika.
Taratry ny fomba fisainan-dRamalagasy amin’ny ankapobeny mihitsy io. Fomba ilay mafana fo am-boalohany. Rehefa mandeha ny mandeha, misy mivadi-belirano tampoka sy manary namana izany. Maty momoka hatrany izay mba tetikasa, na drafitra iarahana manatanteraka. Tsy mifidy sehatra fa saika ahitana izay fomba fiaina sy fomba fiasa izay ny ankamaroan’ny Malagasy.
Mila fandinihan-tena sy fahaizana mandrafitra matipaika ny zava-drehetra. Tsy mahazatra ny Malagasy anefa izany. Miankina amin’ny kisendrasedra ny ankamaroan’ny olona. Manao zara fa vita amin’izay hatao. Tsy mahagaga raha tsy misy ny vokatra. Samy miesona sy mijinja ny nataony eny. Simba ny toe-tsaina, hany ka mahita faisana noho ny fahazarana manao ala-safay!
r.r
Nozaraina omaly, tany amin’ny kaominina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe, ny karatany miisa 25 668, amin’ny alalan’ny tetikasa Tafita. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina.
Nambaran’ireo nandaha-teny fa anisan’ny nampihena ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Ankazobe iny izao hetsika izao. “Tsy misy intsony ny ady tany na tsy fifankahazoana eo anivon’ny fiarahamonina”, hoy izy ireo. Tsy vitan’izany fa ahafahana mahazo fampidramam-bola eo amin’ny fambolena tsara kokoa ho an’ireo tantsaha any an-toerana ny fahazoana izao karatany izao. Hahavita hamatsy vola ireo vokatra ary hanatsara ny fitantanana ny loharanon-karena eny ifotony koa izao fahazoan’ny ao Ambohitromby karatany izao.
Tafiditra amin’ny fandaharanasan’ny Afafi Centre izany, ary iarahana miasa amin’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny tetikasa Tafita eo anivon’ny MFFT. Manampy izany ny Fitaleavan’ny sampandraharahan’ny fananantany (DGSF), ny Sampandraharahan’ny fananan-tany itsinjaram-pahefana (DSFD). Eo koa ny avy amin’ny Fitaleavan’ny fanajariana ny tany (DGAT) ary ny Fitaleavan’ny fitsinjaram-pahefana (DGDDL).
Hizara karatany maherin’ny 60 000
Tanjona amin’izany ny hanomezana ireo mpisitraka ny rafi-dalàna voaaro sy azo antoka ho an’ny fampiasam-bola amin’ny tany amin’ny alalan’ny karatany. Eo koa ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny MFFT sy ny tetikasa Tafita. Manome antoka ny amin’ny hoavin’izy ireo izany ary manampy amin’ny fampandrosoana sy ny fampiroboroboana ny toekarena.
Miasa ho an’ny faritra Analamanga sy ny any Itasy ny tetikasa Tafita ary amin’ny volana aogositra vao hifarana izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Mikendry ny hizara karatany maherin’ny 60 000 izy ireo, amin’izany.
Tsiahivina fa anisan’ny nisitraka ny karatany koa ny avy any amin’ny kaominina Betatao, Arivonimamo I sy II. Eo koa ny eo an-toerana, ny kaominina Ambohitromby, Morarano, Imerintsiatosika, Mahavelona, Ambohitrambo…
Synèse R.
Tafaverina eny anivon’ny fianakaviany ilay mpanao gazety nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Morondava, omaly. Niverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana ao an-toerana. Marihina fa sary nalain’io mpanao gazety io no antony niteraka ny fisamborana azy, araka ny loharanom-baovao.
Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ny lehilahy namono nahafaty zaza vao enim-bolana tao Andranofasika, kaominin’i Matanga, distrikan’i Vangaindrano, ny alatsinainy tolakandro teo. Niditra an-keriny tao amin’ny trano fonenan’io zaza io sy ny reniny ilay lehilahy. Nofirainy antsy avy hatrany ilay zaza ka namoy ny ainy.
Fiara mpitatitra entana nivarina an-tanimbary tany amin’ny lalam-pirenena fahenina, tao Ambalabe Andrefana, tsy lavitry ny biraon’ny fitaleavam-paritra Sofia, ny 6 febroary teo. Nisedra lalan-dratsy, niharan-doza io fiara be io. Tsy nisy aina nafoy saingy potika ny fiara.
Lehilahy telo nandositra vao nahita ny mpitandro filaminana nanao fisafoana tetsy Ankazotoho, Anosimahavelona, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Natsipin’ izy ireo , nandritra izany, ny kitapo teny aminy. Nahitana basy vita gasy iray sy bala 4, calibre 12, ny tao anatiny rehefa nosavaina. Efa nogiazana ireo fitaovam-piadiana ireo. Eo am-pikarohana ireo telo lahy tompon’io kitapo io ny eo anivon’ny mpitandro filaminana.
Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Malagasy Rugby ny fampiroboroboana ny baolina lavalava eny ifotony. Araka izany, nanao fanambarana ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny tambanjotran-tseraserany ity rafitra voalohany miahy ny rugby eto Madagasikara ity. Manomboka izao, hatao anaty rafitra ara-dalàna ireo fikambanana rehetra na sekoly mampianatra sy mitaiza ankizy amin’ny baolina lavalava.
Atao ny fanisana azy ireo, manerana ny Nosy. Tsikaritra mantsy fa betsaka ireo mitonona ho sekolin’ny rugby saingy tsy manaraka ny lalàna akory ny ankamaroan’izy ireny ary tsy mijoro ara-panjakana. Tsy manana mpanazatra na mpampianatra matihanina sy niofana tamin’izany fa mpilalao tranainy na raiamandreny nanao rugby, no hany manabe azy ireo. Tsy ampy izany araka ny nambaran’ireo teknisianina eo anivon’ny Malagasy Rugby fa mila miditra ao anaty rafitra ara-dalàna. Takina amin’izy ireo ny anaran’ny fikambanana na sekoly, ny taona niforonany, ny mpanangana, ny anaran’ny mpanazatra, ny isan’ny ankizy beazina, ny kianja filalaovana ary ny adiresy. Tsy maintsy tonga mialoha ny 28 febroary izany.
Tompondaka
Zava-dehibe ho an’ny mponina eny ifotony ny fifidianana sefo fokontany, noho izy io iankinan’ny fiainan’ny maro. Angatahan’ny antoko Fivoi ny hanaovana izany haingana.
Mangataka ny hanafainganana ny fifidianana sefo fokontany ny antoko politika Fivoi, nandritra ny fampahafantarana ireo depiote sy ben’ny Tanàna voafidy rehetra teto Madagasikara, omaly, tetsy Imerintsiatosika. “Tokony halefa telo volana fara fahatarany aorian’ny fisoloan’ ny ben’ny Tanàna izany fifidianana izany, araka ny voalazan’ny fehezan-dalàna, 2009-890”, hoy ny depiote voafidy tany Arivonimamo sady filoha mpanorina ny antoko Fivoi, Rajerison Antoine. Fifidianana samy hafa kosa ny an’ny sefo fokontany sy ny lefiny. Angatahin’izy ireo ny hanaovana io fifidianana io satria mijaly ny olona eny ifotony. Anisan’ izany, ny hamaroan’ny tanin’ olona lafo, ny fanapahana ny hazon’olona maniry. Tsy manana taratasy avokoa ny ankamaroan’ny tanin’olona any ambanivohitra ka mahatonga ny sasany manararao-pahefana. Nambarany fa tsy miaro ny fokonolona ilay solontena napetraka hitantana ny tanàna fa miaro ny tombontsoany manokana. “Tondroin’ny sefo fokontany ho anisan’ny dahalo ihany koa ireo olona tsy mifankahazo sy tsy dia tiany eny ifotony”, hoy hatrany izy. Lasa any am-ponja ny ankamaroan’ny olona, noho izany.
“Mba hanamafisana ny fifampitokisan’ny olona eny ifotony, sy hampazotoana azy ireo hifidy, ny antony handefasana ny fifidianana io sefo fokontany io”, hoy hatrany izy nanamafy. Tokony hanatanteraka izany ny mpitondra raha tena manaja ny fenitra demokratika sy tany repoblikanina. Handefa taratasy any amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny manam-pahefana isan-tsokajiny hatrany amin’ny iraisam-pirenena rehetra mahakasika izany.
Mino
Hiditra amin’ny andro fahadimy ny sabotsy 8 sy alahady 9 febroary izao ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja volley-ball. Ny sokajy Jeunes ihany no hanohy ny fifaninanana amin’io faran’ny herinandro io. Nofoanana kosa ny an’ny sokajy 1D sy 2D noho ny fisian’ny « match de défi » karakarain’ny federasiona.
Mitohy amin’ity faran’ny herinandro ity ary mizotra araka ny tokony ho izy ny fiadiana ny ho tompondaka eo anivon’ny seksion’ny basikety Antananarivo Renivohitra. Ny sokajy U11, U14, U16, lahy sy vavy, no mifaninana etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Mifanindry an-dalana amin’izany ny N1B ka anisan’ny hifanandrina ny COSPN sy ny JCBA.
Efa akaiky tokoa ny lalao hihaonan’ny Barea de Madagascar sy i Ghana. Raha tsiahivina, hatao ny volana marsa ho avy io izany. Hatramin’izao anefa, tsy mbola fantatra raha hilalao eo Mahamasina indray ny ekipa nasionaly malagasy na tsia. Hatramin’izao, tsy mbola misy siosion-dresaka mahakasika ny fiantsoana ireo « inspecteur Caf » hijery ilay kianja.
Miteraka resabe ao anaty tambajotran-tserasera ny fifanakalozana mpilalao nisy teo amin’ny fifaninanana NBA. Nifindra ao amin’ny Dallas, i A. Davis, ary lasa solony ao amin’ny Lakers, i Doncic, mpilalaon’ny Dallas teo aloha. Samy tsy nanampo ity fifindran-toerana ity izy mirahalahy ireto, saingy samy nanaiky ny fanapahan-kevitra misy.
Herinandro androany no nahavoatendry an’i Corentin Da Silva Martins ho mpanazatra ny Barea de Madagascar. Taorian’izay, nijanona andro vitsy teto an-toerana izy ary nijery ireo fihaonana samihafa teny amin’ny Kianja Elgeco Plus, ny sabotsy lasa teo. Nitodi-doha any Frantsa ny lehilahy, omaly, ary hijery sy handresy lahatra ireo Malagasy mpilalao, any Eoropa sy ny manodidina, hanatevin-daharana ny Barea de Madagascar. Mbola manana herinandro vitsy ny tenany hitiliana azy ireo, mialoha ny hiverenany eto Madagasikara, hiatrehana ny fanomanana sy fampivondronana.
Efa maro ireo anarana mivezivezy “shortlist” any anaty tambajotran-tserasera sy heno amin’ireo teknisianina sasany, mety hisalotra ny akanjoban’ny Barea. Telo mirahalahy avy amin’ny klioba Stade Brestois 29, ligue 1 Frantsa. Anisan’ireny, i Grégoire Coudert, mpiandry tsatoby sy i Jonas Serge Martin, irakiraka mpiaro ary i Romain Del Castillo, afaka mitana ny toeran’ny helatra havia sy havanana. Ankoatra azy ireo, i Adrien Hunou, lohalaharana ao amin’ny SCO Angers, ligue 1 France ihany koa. Mety ho anisan’ireo ny Stade Brestois 29, Ligue 1 ao Frantsa. Mety hitohy any Allemagne ity fijerena Malagasy mpilalao ity, ka anisan’ny hojeren’i Corentin i Kanto Fitiavana Voahariniaina (Bolo), milalao ao amin’ny Hertha 03 Zehlendorf.
Tompondaka