Tetikasa Tefiala: hanajary atiala 49 000 ha

Les Nouvelles - mer, 08/28/2024 - 07:48

Vina apetraky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny hanatsara ny endri-tany sy ny hanarina ifotony ny atiala mba ho lovain-jafy. Voafaritra nandritra ny fihaonan’ireo mpikambana mpanapa-kevitry ny « Comité de pilotage » eo anivon’ny Tetikasa Tefiala ny hanajariana velarantany 49 000 ha. Ny tetikasa izay miasa ao amin’ny sahandriaka Bas Mangoky, faritra Atsimo Andrefana sy ny faritra Matsiatra Ambony. Mamatsy vola ny tetikasa ny Tahirimbola maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (Gef) nanomboka ny 01 jolay 2023 ka hatramin’ny volana mei 2028. Eo ihany koa ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny sakafo (Fao) izay mitantsoroka ara-teknika ny tetikasa. Tsiahivina fa efa nisy ny tatitry ny asa vita nandritra ny herintaona, ny 1 jolay 2023 ka hatramin’ny 30 jona 2024. Efa natolotra ihany koa ireo asa hotanterahina ho an’ny taona faharoa nanomboka ny 1 jolay 2023 ka hatramin’ny volana jona 2025.

Henintsoa H.

Catégories: National

Fem-9: vinavinaina ho 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho azo

Les Nouvelles - mer, 08/28/2024 - 07:48

Atao eto Antananarivo, ny 27, 28 ary 29 aogositra izao, ny fivoriana Dinika nasionaly mahakasika ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (Fem), andiany faha-8. Fotoana ijerena ny zava-bita sy ny hanatsarana ny hoavy.

Misitraka ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (Fem) i Madagasikara, na­nom­boka ny taona 1994. Antony, noho ny ambana sy ny tsindry mahazo ny karazan-javamananaina eto amintsika. Mahazo ny tohana avy amin’ny Fem isika, entina hitantanana maharitra ny harena voajanahary ary ao anatin’ny andiany faha-8 izao. Nomarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Max Andonirina Fontaine, omaly, fa fanampiana ara-bola ny Fem, izany hoe, tsy averina, fa tsy fampindramam-bola izay misy fepetra samihafa, toy ireny avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena isan-karazana ireny.
Mitentina 200 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola azo avy amin’ny Fem ho an’i Madagasikara, tao anatin’izay 30 taona izay. Saika nisitraka izany daholo ireo tetikasa notanterahina nentina nampitomboana avo 3 heny ny faritra arovana, tamin’ny taona 2003 ireo. Eo koa ny fampitomboana avo 3 heny ny velaran’ny fari-dranomasina arovana, napetraka ny taona 2014.
Tetikasa filamatra
Nohazavain’ny minisitra Medd fa anisan’ny hapetraka, ankehitriny, ny fampiasana ny fitaovam-pitaterana mitsinjo tontolo iainana, toy ny fiara sy moto elektrika, tsy ampiasana solika. Tetikasa filamatra ny tanànan’Antananarivo sy Toamasina.
Andrasana amin’ity dinika nasionaly ity ny tombana zava-bita sy nijerena ny tokony ho hatsaraina. Nofantarina ny laharam-pahamehana sy ny tian’ny fanjakana malagasy hotanterahina. Ao anatin’izany ny fanomanana ny Fem andiany faha-9, ka vinavinaina hiakatra ho 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho azo, ho an’ny taona 2026-2030, raha 78 tapitrisa dolara tamin’ ny Fem-8.
Manatrika ity fivoriana ity ny filoha tale jeneraly (PDG) i Carlos Manuel Rodriguez. Nisy ny fihaonany tamin’ny filoha, Rajoelina Andry, na­nom­banana ny lasa sy nijerena ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny hoavy.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - mer, 08/28/2024 - 07:47

Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teny Fiadanana ireo solontenan’ny mpianatra monina eny amin’ny Campus Ankatso II, tamin’ity herinandro ity. Laharam-pahamehana ny hamahana ny olan’ireo mpianatra mipetraka eny Ankatso II ireo mahakasika ny jiro sy ny rano ary ny kalitaon’ny trano fonenana. Efa nidina ifotony teny an-toerana ireo tomponandraikitra nijery ny fomba hamahana ny olana teknika. Nilaza izy fa andraikitry ny minisitera ny manetsiketsika ireo tomponandraikitra voakasik’izany.
Tontosa ny famolavolana lahatsoratra handrafitra ny fandaharana miisa 40 halefa amin’ny radio momba ny fanabeazana ho amin’ny fampandrosoana maharitra, natokana ho an’ny mpampianatra sy mpianatra kilasy T1 sy T4 ary T7, amin’ireo sekoly manodidina ny valanjavaboahary Andohalela, faritra Anosy sy ao Marojejy, faritra Sava. Nahazo fitaovana pedagojika ampiasaina amin’ny fanabeazana ho amin’ny fampandrosoana maharitra sy fitaovana hanatsarana ny fomba fampianarana ao an-dakilasy ireo sekoly misitraka ny tetikasa.
Vita hatramin’ny 70 % ny asa fanamboarana ny Coliseum ao Fianarantsoa amin’izao fotoana izao. Mahazaka mpijery hatramin’ny 20 000 isa izy io ary hisy fefy sy efitra natokana ho an’ny artista. Hotohizana amin’ny fanajariana ny « Avenue commerciale » ny asa. “Tsy mijanona ho nofinofy intsony ny fanorenana ny ivom-pampandrosoana ao Ambatomena Fianarantsoa araka ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena” hoy ny eo anivon’ny Sekreteram-panjakana misahanana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.

Catégories: National

Rugby – Top 20 : resin’ny 3FAI tamin’ny mokafohy ny CEA

Les Nouvelles - mar, 08/27/2024 - 07:52

Tontosa ny alahady lasa teo, tao amin’ny Kianja Mala­cam Antanimena, ny andro fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja rugby “Top 20”. Nisongadina tamin’ireo lalao rehetra ny fihaonana teo amin’ny 3FAI Ambalavao Isotry sy ny CEA Andra­no­manalina. Niady hatramin’ny farany ny lalao ary tany amin’ ny segondra farany vao nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa tery 21 no ho 20, ry zareo 3FAI. Nitarika hatrany am-boalohany ny CEA, tamin’ny alalan’ny baolina nentin-tanana sy “coup de pied de penalité”, matin’i Mika. Nitarika ta­min’ny isa 14 no ho 6 ry zalahy, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany.
Fizaram-potoana faharoa, mbola nanampy isa tamin’ny alalan’ny “hors jeu” indray ny CEA ka nitarika, 17 no ho 3. Taorian’io, nahatonga baolina nentin-tanana Ambalavao saingy tsy voatsara izany ka 17 no ho 8. Tsy nijanona teo fa mbola nahatsara “hors jeu” roa ihany koa ka lasa 17 no ho 14 ny isa teny amin’ny solaitrabe. Niezaka avy eo ny ekipan’Andranomanalina ka nahafaty “CPP” iray koa, izay nahatonga ny isa ho 20 no ho 14. Tany amin’ny segondra farany, niseho ny tsy nampoizina. Nahazo “mêlée” ny 3FAI saingy tsy nanosika ny CEA fa nanodina izany, ka nivadika ho “essai de pénalisation”. Nito­lefika tanteraka ny mpilalaon’ Andranomanalina, taorian’ izay.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 08/27/2024 - 07:51

Araka ny vaovao niparitaka ao anaty
tamba­­jotran-tserasera, ny alahady lasa teo, tokony hanao tetikasa goavana amin’ny fampivoarana ny baolina kitra eto Madagasikara ny klioba Fosa Junior FC saingy nosomparan’ny mpisoloky izany. Tsiahivina fa hanan­gana ny Fosa Academy any Boeny ny Fosa Junior.

Hody ny alarobia ho avy izao eto an-tanindrazana ny delegasion’ny Elgeco Plus de Madagascar. Tsiahivina fa avy niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika CCaf izy ireo ny alahady lasa teo. Tsy nahomby moa ity ekipa malagasy ity saingy tsy resy mihitsy izy ireo nandritra ny lalao mandroso sy miverina.

Hiditra amin’ny andro fahefatra, anio, ny
fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, taranja basikety, tanterahina any Farafangana. Lalao anisan’ny niady, omaly, ny fifandonan’ny MB2All sy ny JEA izay nisaraka tamin’ny isa 49 no ho 45. Fandresena izay azon’ny ekipan’ny MB2All.

Hatao ny 2 hatramin’ny 8 septambra izao,
any Tunisie, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karaté, ho an’ny sokajy Cadets, Juniors ary Seniors. Anisan’ny handray anjara amin’izany i Madagasikara ary efa miatrika fampivondronana ireo mpikatroka rehetra amin’izao.

Catégories: National

Fanatanjahantena : nihaona ny minisitra sy ny federasiona

Les Nouvelles - mar, 08/27/2024 - 07:51

Nisy ny fihaonan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, tamin’ireo filohana federasiona, omaly. Nifankafantatra sy nifampihaino izy ireo nandritra izany. Nisy ihany koa ny fangatahana nataon’ireo federasiona mba hijerena akaiky sy hanohanana azy ireo, amin’ny fifaninanana rehetra karakaraina sy handraisan’izy ireo anjara, na ny eto an-toerana izany, na ny any ivelany. Tetsy ankilany, nanambaran’ny minisitra fa vonona ny hanohana ireo atleta izy. Ankoatra izay, nampanantena ihany koa ity minisitra ity fa atao laharam-pahamehana ny lafiny fotodrafitrasa ho fampandrosoana ny fanatanjahantena. Hojerena voalohany amin’izany ny kianja Barea, hatao izay hankatoavan’ny Fifa sy ny Caf faran’izay haingana an’izany.

Tsy maintsy eny ifotony ny fampandrosoana ny fanatanjahantena, ka tomponandraikitra avokoa, manomboka any amin’ny klioba, seksiona, ligy ary ny federasiona, araka ny nambarany hatrany.

Mi.Raz

Catégories: National

Beach Soccer sy Futsal : hodinihin’ny Federasiona ny hanaovana ny fifanintsanana

Les Nouvelles - mar, 08/27/2024 - 07:51

Tokony ho efa nandeha ny fifaninanam-pirenena taranja Beach Soccer sy Futsal. Misy ny fandaminana apetraky ny tomponandraikitry ny baolina kitra. Noho izany, hisy ny fivoriana ataon’izy ireo.

Somary nangina tanteraka ilay fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasi­kara, taranja baolina kitra ambony torapasika, “Beach Soccer” sy ny baolina anaty efitrano, “Futsal”. Nilaza ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) fa hisy fivoriana hatao ny volana septambra ho avy izao, hiresahana mahakasika ny fikarakarana izany.
Tsiahivina fa ny volana jolay lasa teo, tany Manakara, no tokony hanatanterahina ity fifaninanana nasionalin’ny Beach Soccer ity, saingy nahemotra izany noho ny fangatahana fanavaozana ny tetibola entina manao ny tetikasa any amin’ny Fifa. Tsy mbola voafaritra mazava kosa ny hanaovana ny Futsal, raha tsiahivina dia tokony ho ny faran’ny volana aogositra izao no hanatanterahina azy.
Nilaza nefa ity lehibe iray ao amin’ny FMF ity fa hiezaka izy ireo ny hikarakara sy hampandeha izany. Marihina fa ankoatra ireo taranja roa ireo, tsy mbola misy resaka ny fifaninanana nasionaly ho an’ny baolina kitra, sokajy vehivavy, eto Madagasikara.

Hanomana ekipa nasionaly
Ankoatra izay, manana vina goavana ny FMF amin’ny resaka Beach Soccer. Anisan’ izany ny hanomanana ny ekipa nasionaly, izay hiatrika ny Cosafa sy ny fifanintsanana Can amin’ny taona ho avy io. Tsiahivina fa manana ny lazany eto Afrika i Madagasikara amin’ity taranja ity. Ny taona 2015, tany Seychelles, norombahin’i Madagasikara ny amboaran’ny “Can Beach Soccer”, ary efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany izy ireo, ny taona 2015 ihany, tany Portugal.

Fitia Randria

Catégories: National

UDR : Mijoro amin’ny fampandrosoana

Les Nouvelles - mar, 08/27/2024 - 07:50

Tsy misy fampandrosoana miroso raha tsy misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny antoko iray miara-miasa amin’ny fanjakana ny antoko Union des Ré­publicains (UDR) izay tarihin’i Fitiavanjanahary Stéphane Kennedy. “Rehefa misy fitondram-panjakana mijoro eo ka manana foto-kevitra hampandrosoana ny firenena dia mi­sokatra amin’ny fiaraha-miasa izahay”, hoy izy.
« Ilaina sy zava-dehibe ny fandraisan’anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ao anatin’ny fahamatorana”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa tokony handray andraikitra sahady eo amin’ny firenena ny tanora tsirairay. Fa tsy hiandry hoe tsy hianatra intsony vao handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Ankoatra izay, manana kandidà harotsaka hofidina ho ben’ny Tanàna manerana ny Nosy amin’ny fifidianana ho avy ihany koa ny antoko tarihany. Efa ao anatin’ny fikarakarana tanteraka amin’izany izy ireo amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavany.

Mino

Catégories: National

Opposition: le Kôlektifa an’ny Malagasy s’éclipse

Les Nouvelles - mar, 08/27/2024 - 07:23

Née de la scission entre le mouvement Collectif des candidats lors de la dernière élection présidentielle, la plateforme Kôlektifa an’ny Mala­gasy a été absente de la scène politique depuis les dernières élections législatives. Cette plateforme n’a obtenu en effet qu’un siège à l’Assemblée nationale. Elle est loin derrière la plateforme Firaisankina, qui est également issue de la scission du Collectif des candidats et a obtenu 22 sièges. A l’approche des prochaines élections communales, on n’entend presque plus des nouvelles du Kôlektifa an’ny Malagasy ni même de son ambition pour ces scrutins.
Pour rappel, le Kôlektifa an’ny Malagasy regroupe des partis comme le Anjomara sy Rivo-baovao (ARB), le Mala­gasy Tonga saina (MTS), le Firaisankinan’ny tia tanindrazana (FTT), le Malagasy miara-miainga (MMM) ou encore le FMI Malagasy. Des partis dont les leaders ont été tous candidats lors de l’élection présidentielle de 2023. Depuis les dernières élections législatives, ces membres fondateurs de la plateforme n’ont plus fait des déclarations communes, que ce soit sur les affaires nationales ou les élections à venir. Par contre, certains d’entre eux s’expriment mais au nom de leur propre parti, et d’autres auraient même l’intention de présenter individuellement des candidats pour les communales.

Tsilaviny Randriamanga

Catégories: National

Action pour la population: une mobilisation immédiate pour Aurélie Razafinjato

Les Nouvelles - mar, 08/27/2024 - 07:22

A peine nommée, Aurélie Razafinjato, la nouvelle ministre de la Population et des solidarités, prend déjà des mesures concrètes. Succédant à la ministre intérimaire Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, elle a tenu une réunion avec l’ensemble du staff du ministère, y compris les 23 directeurs régionaux, pour fixer les priorités de son mandat.
Lors de cette rencontre, la ministre a insisté sur l’urgence de renforcer le développement du capital humain, conformément à la vision du président de la République. Elle a également mis l’accent sur la nécessité de lutter contre toutes les formes de violence, et de promouvoir l’émancipation des femmes et des jeunes filles. La protection des personnes âgées et en situation de handicap figure aussi parmi ses priorités.
Aurélie Razafinjato a enfin souligné l’importance de la bonne mise en œuvre du programme “Tsimbina” ainsi que des projets de filets sociaux de résilience, visant à soutenir les populations vulnérables. Cette première initiative de la ministre illustre sa détermination à conduire une action sociale efficace et immédiate au sein de son département.

Arh.

Catégories: National

Rigueur, dévouement et loyauté

Les Nouvelles - mar, 08/27/2024 - 07:22

C ‘est un fait assez rare pour être relevé. La parité a été mise en avant récemment lors de la présentation des nouveaux membres du gouvernement. Le chef de l’Etat en a d’ailleurs largement évoqué dans son intervention. Visiblement, comme la gent féminine a montré sa capacité de leadership ces temps-ci, les deux ténors de l’Exécutif ont choisi de continuer sur cette lancée dans d’autres départements ministériels, à l’instar du ministère de la Poste et des nouvelles technologies qui vient d’avoir une première descendante d’Eve à sa tête. Dans cette nouvelle configuration, un fait encore plus rare, c’est la longévité à la tête du Département des finances et de l’économie qui se trouve, bien évidemment, dirigé par la gente féminine.
Il faut reconnaître que la grande argentière a bien montré sa capacité à coordonner les différents départements de son ministère et à lui donner l’impulsion nécessaire à la suite de la pandémie de Covid-19. Depuis quatre ans, de 2021 à 2024, celle qui prône la rigueur, le dévouement et la loyauté, a réussi là où les autres ont piétiné auparavant. A cela s’ajoute la capacité de négociation avec les partenaires techniques et financiers. Comme en témoigne l’obtention des programmes FEC et la Facilité pour la résilience et la durabilité (FRD) du Fonds monétaire internationale.
A une époque, ce Département faisait fréquemment l’objet de mouvement syndical et de grève, ce n’est plus le cas ces dernières années. Cela étant, selon une expression bien connue, on ne confie pas son portefeuille à n’importe qui. C’est évident. Sa reconduction témoigne donc de l’importance de la confiance et de la fiabilité de la personne concernée de la part de ses supérieurs.
Bien évidemment, il existe encore, et pas des moindres, des défis à relever, notamment dans le domaine de la mobilisation des ressources internes, pour ne citer que ce point, mais il n’en demeure pas moins que la personne à la bonne place est là et qu’il n’y aura pas de doute à ce qu’elle concrétise les ambitions étatiques à ce niveau.

Rakoto

Catégories: National

Commune urbaine d’Antananarivo : Harilala Ramanantsoa nommée PDS

Les Nouvelles - mar, 08/27/2024 - 07:21

Un changement est survenu à la tête de la Commune urbaine d’Antananarivo (CUA) avec la nomination de Harilala Ramanantsoa comme Président de la délégation spéciale (PDS), hier. Elle remplace Richard Ramanambitana qui, d’après les informations, a démissionné de son poste pour des raisons de santé.

La nouvelle Magistrate de la ville d’Antanana­rivo devrait retrousser ses manches face aux défis urgents qui l’attendent dans la gestion des affaires de la Commune. Harilala Ramanan­tsoa aura en effet comme tâche d’assurer une administration efficace et réactive. Cela inclut la résolution des problèmes urgents, à savoir la gestion des ordures de la Capitale afin de pourvoir maintenir la propreté de la ville. A cela s’ajouteront d’autres priorités telles que la sécurité, la gestion des infrastructures, tout ce qui concerne la mobilité. Sans oublier également la promotion du sport, de la culture, ainsi que le développement de la ville par le biais des nouvelles technologies d’information et de communication (NTIC). Cela implique aussi la promotion de toutes activités et initiatives tendant à dynamiser la vie culturelle et sportive de la ville.

Bonne gouvernance

Mais ces objectifs ne pourraient être atteints qu’à travers une meilleure gestion des affaires internes de la ville. De ce fait, Harilala Ramanantsoa aura comme autre défi le renforcement de la bonne gouvernance. Pour cela, elle devrait travailler de concert avec les autorités en place. Cela implique aussi l’amélioration de la qualité des services publics au niveau de toutes les directions et services de la municipalité. Une procédure qui doit être menée de manière inclusive et participative, sans oublier le suivi de toutes les actions qui ont été entreprises.
A titre d’information, la nouvelle PDS de la Commu­ne urbaine d’Antananarivo est une figure connue dans le monde de l’événementiel à travers sa société Mada Vision. Elle a toujours montré son intérêt pour la ville des Mille. C’est d’ailleurs l’une des raisons qui l’a poussée à se porter candidate aux élections municipales de 2015. Consciente de son devoir envers la Capitale, elle a donc accepté sa
no­mination en tant que PDS de la Commune. Harilala Ramanantsoa dévient donc la quatrième femme à avoir été à la tête de la CUA après Michelle Ratsivalaka qui a été PDS en 2009, Olga Ramalason qui a assuré l’intérim du PDS, puis Lalao Ravalomanana, la première femme maire de la Capitale.

Rakoto

Catégories: National

D2 Nasionaly : nisaraka ady sahala ny Jet Kintana sy ny FC A Ilakaka

Les Nouvelles - lun, 08/26/2024 - 07:56

Notanterahina omaly, tany Ambatondrazaka sy tany Ambositra, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa “World Cola Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny ekipan’ny Jet Kin­tana Itasy sy ny FCA Ilakaka, tany Ambositra. Lalao tena nandrasan’ny rehetra izy ity, klioba roa samy nahita fandresena nandritra ny andro voalohany izy ireto. Tsiahivina fa nahazo isa telo tamin’ny As Comato Atsimo Andrefana ny mpilalaon’Itasy rehefa nandavo azy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny andro voalohany. Ry zareo avy atsy Ilakaka, nanamontsana ny As Ste Anne Analamanga, 4 no ho 1. Manana isa efatra avy izany ireto klioba roa ireto amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay, nisongadina ny klioban’ny Fc Jaboady Alaotra Mangoro, tany Ambatondrazaka. Resin’ izy ireo, 5 no ho 0, ny Tia Kitra Atsinanana. Tsara marihina fa izay klioba roa isam-bondrona atsy Ambatondrazaka sy Ambositra no manao ny ”Poule des As”. Manana isa iray izao ny ekipan’Anala­manga, As Ste Anne. Nanao ady sahala 2 no ho 2, tamin’ny Sphynx Academy avy any Vakinankaratra izy ireo. Nilaza ny tomponandraikitra iray tao amin’ny klioba As Ste Anne fa manana fanantenana ny hiakatra eo amin’ny dingana farany ny ekipa. Nomarihin’izy ireo ihany koa fa tanjon’ity klioba ity ny hiakatra ao amin’ny fifanintsanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”.

Fitia Randria

Catégories: National

FLM Andranomadio : Pasitora sy Katekista maty notafihin’ny dahalo

Les Nouvelles - lun, 08/26/2024 - 07:56

Maty teo am-panavotana ny katekista niharan’ny fanafihan-dahalo tao Mampikony, omaly, ny pastora François Vivier. Nokapain’ny dahalo ny antsibe koa ny vadin’ilay katekista…

Nisy dahalo nanafika tao an-tranon’ny katekista Tsaratombo eo anivon’ny Fiangonana loterana malagasy (FLM) Andranomadio, fitandremana Tsangambato, fileovana Mampikony, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Mi­fanakaiky amin’ny trano fonenan’ny pastora misotro ronono, Rabehomanana François Vivier, ny tranon’io katekista voatafika io. Nivoaka ny trano, rehefa naheno ny antso vonjy nataon’ilay katekista, io pastora io. Nivoaka hanavotra azy tokoa ny pastora François Vivier. Naratra mafy noho ny herisetran’ireo dahalo izy roa lahy niaraka tamin’ny vadin’ilay katekista sady mitaiza kely. Nentina haingana namonjy hopitaly ao Mampikony ireo naratra saingy namoy ny ainy teny an-dalana ireto mpitondra fivavahana ireto. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly kosa ny vadiny izay nokapain’ny dahalo ny antsibe. Andrasana ao amin’ny fiangonana Andranomadio ny nofomangatsiakan’ireto mpitondra fivavahana ireto. Nivoaka tao amin’ny andiany Salt 18L ny taona 1984, ny pastora Vivier. Efa tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary ka nanao fanarahan-dia ireo dahalo. Voalaza fa nisy entana lasan’ireo mpanafika nandritra ny fanafihana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny famotorana ataon’ny zandary.

J.C

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 08/26/2024 - 07:56

Tafakatra 2 093,1 miliara Ar ny vola niditra tao amin’ny Fadintserana tao anatin’ny fito volana voalohan’ny taona. Manodidina ny 4 687 miliara Ar kosa ny vina napetraka tao anatin’ny lalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2024. Tokony ho azo avy amin’ny hetra amin’ny fanafarana solika kosa ny ampahefatr’izany.

Hanohy sy hanatanteraka ireo vina napetraky ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, ny minisitra vaovao Stéphanie Delmotte. Io ny lahateniny nandritra ny fifamindram-pitantana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Razafindramalo Tahina, ny zoma teo.

Nahatratra hatrany amin’ny 5 702,7 kg ireo vokatra horita azo nandritra ny fanokafana ny tahiry horita tamin’ireo tanàna 11 ao amin’ny distrikan’Am­pa­nihy sy Toliara II, ny herinandro teo. Manodidina ny 4,8 kg ny salan-danjan’ny horita iray raha toa ka milanja 6 kilao ny lehibe indrindra.

Hanodina akora fototra 100 kilao isan’ora ilay milina mpamokatra Chips ao Vohémar. Kendrena ny hihodinan’ny orinasa ao anatin’ny iray volana. Nisy ny toromarika nomena ireo mpikambana ao anatin’ny kaoperativa misitraka ny tetikasa Odof hitsinjarana ny asa fitantanana. Fantatra fa mahatratra hatramin’ny 100 ireo mpikambana ao anatin’io kaoperativa io.

Catégories: National

Lohamenaka : tsy manome afa-tsy ny 1,3% ny filana isika

Les Nouvelles - lun, 08/26/2024 - 07:55

Malaza amin’ny fananana karazan-javamananaina miavaka i Madagasikara. Ani­san’ireo firenena mamokatra karazana lohamenaka maherin’ny 30 tsara kalitao indrindra maneran-tany ihany koa. Tao anatin’ny telo taona, 1,3% monja amin’ny filana maneran-tany sisa no vokatra avy eto an-toerana, raha ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Mitotongana ny vo­katra malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ani­san’ny olana sedrain’ireo orinasa mpamokatra ny fahasarotan’ny rafitra mifehy ny lalàn’ny famokarana. Nilaza ny Banky iraisam-pirenena tao anatin’ny fanadihadiana na­taony fa maherin’ny 20% amin’ireo orinasa madinika sy salantsalany no misedra olana amin’ny fahazoan-dalana.
Miara-miasa sy mikaro-ba­haolana manoloana izany ny fitondram-panjakana sy ny Von­drona mpanodrana lohamenaka (Gehem). Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ACP Business Friendly, vatsian’ny Vondrona eo­ropeana (EU) sy ny Orga­nisation of African, Caribbean and Pacific States (OACPS) vola.

Toekarena
Hiantraika mivantana amin’ ny toekarena malagasy ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny famokarana. Nisy ny dinika momba ny lohameka natao ny volana mei teo. Hetsika nitondrana fanazavana amin’ny an­tsipiriany momba ny rafitra mi­fehy ny orinasa mpamokatra. Tanjona ny hahazoan’ireo mpisehatra torohay hoenti-manatsara ny famokarana. Ankilany, hanampy ny fitondram-panjakana hanazava ireo lalàna mifehy ny famokarana sy ha­namora ny fahazoan-dalàna ho an’ireo mpamokatra ihany koa ny hetsika natao.

Henintsoa H.

Catégories: National

Teknika Riz Plus : voafaritra ny paikady hanaovana ny asa

Les Nouvelles - lun, 08/26/2024 - 07:55

Nankatoavina nandritra ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny tetikasa Riz Plus ny paikady hanatanterahina ireo asa atao any amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Sofia, ho an’ny taom-piasana 2024-2025. Hojerena ny fampiroboroboana ny fanajariana sy ny fitantanana ny sahandriaka iarahana amin’ny vondron’olona ifotony. Ao anatin’izany ny famolavolana ireo drafi-panajariana sy ny fanantanterahana izany, ny fambolen-kazo sy ny fiadiana amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany ary ny fampiroboroboana ny fambolena agroekolojia. Hamafisina ny fitantanana maharitra ny fotodrafitrasa sy ny fanondrahana ny lemaka, toy ny fanarenana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa simba. Ao ihany koa ny fitantanana, fikojakojana, fiarovana ny fotodrafitrasa fanondrahana. Hamafisina ny fahafaha-miatrika ny foto-pivelomana sy ny rojom-pihariana, toy ny famatsiana ny fomba famokarana manaraka ny toetr’andro sy ny rafitra ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fomba famatsiana manaraka ny teknolojia. Hamafisana ny rojom-pihariana amin’ny alalan’ny famatsiana hifanarahana ary ny fanarenana ny lalana eo anivon’ny lemaka mifanaraka amin’ny fenitra misy.

Henintsoa H.

Catégories: National

Minisiteran’ny Atitany : hanatratra ireo vina ny minisitra Rahajavololoniaina

Les Nouvelles - sam, 08/24/2024 - 08:18

Nandray ny fitantanana ny minisiteran’ny Atitany ny minisitra vaovao, Rahajavololoniaina Nirintsoa. Nametraka fanamby amin’izao andraikitra horaisiny izao ny tenany.

Notanterahina, omaly, tetsy Anosy, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Atitany mpisolo toerana, Andriantsitohaina Naina, sy ny minisitra vaovao hisahana ny Atitany, Rahaja­vololoniaina Niritsoa. Nam­baran’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany tamin’ny lahateniny ny fankasitrahana ireo mpiara-miasa rehetra. “Anisan’izany ianareo eto anivon’ny minisitera foibe sy hatreny anivon’ny distrika sy ny fokontany rehetra eny, tarihin’ny solontenam-panjakana. Nifanome tanana isika tao anatin’izay fotoana nitantanana vonjimaika ny minisitera izay”, hoy izy.
Etsy andaniny, nisaotra ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, i Ntsay Christian, ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa. “Ankasitrahana amin’izao nametrahana ny fitokisana ho amin’ny fitantanana ity minisitera ity izao izy ireo”, hoy izy. Natsidiny sahady fa vonona ny hiara-kiasa amin’ny rehetra ihany koa ny tenany ho fampandehanana ny raharaham-panjakana. Eo koa anefa ny fanatrarana ireo vinan’asan’ny filoham-pirenena, ma­nandrify ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany.
Tsiahivina fa nametra-pialana ny volana avrily teo ny minisitry ny Atitany teo aloha, i Tokely Justin, noho izy nirotsaka hofidina ho solombavambahoaka. Nofidin’ireo depiote ho filohan’ny Antenimie­ram­pirenena ny tenany, ny volana jolay teo.

Synèse R.

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - sam, 08/24/2024 - 08:17

Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifampindram-pahefana teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Fanamby napetraky ny minisitra Abdulah Marson Moustapha ny hanafainganana ny fampandrosoana eo anivon’ny MJS.

50 taona niseharana teo amin’ny tontolon’ny basikety ary 45 taona naha mpanazatra azy, Randrianarivelo Deda. Hisy ny fanamarihana izany eto Antananarivo, eny amin’ny Sainte Famille Mahamasina, ny 22 septambra ary any Antsirabe, ao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy, kosa ny 21 septambra izao.

Notontosaina nanomboka omaly, tany Antsira­nana, ny andiany fahatelo amin’ny fifaninanana “Festikite Madagasikara”. Miisa 136 ireo olona tonga any an-toerana. Tsiahivina fa ity hetsika ity, izay karakarain’ny Mada Kite Bros. Misy karazany maro ny taranja hifanintsanana any an-toerana, anisan’izany ny windfoil, ny kitesurf Slalom, ny windsurf slalom, ny big air, ny freestyle sy ny best impression.

Araka ny vaovao mandeha ao anaty tambajotran-tserasera omaly, fantatra fa maratra i Bellingham, mpilalaon’ny Real Madrid. Tsy afaka milalao mandritra ny iray volana ny tenany, araka izany. Tsiahivina fa lalao roa izay no nataon’i Bellingham, tamin’ity taom-pilalaovana vaovao ity.

Catégories: National

Basikety-Mada Vétérans: hiditra amin’ny manasa-dalana, anio

Les Nouvelles - sam, 08/24/2024 - 08:17

Hiditra amin’ny manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans, taranja basikety. Fifaninanana tanterahina eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Raha ny voka-dalao omaly, nandritra ny ampahefa-dalana, nandresy ny La Rénaissance tamin’ny isa 52 no ho 45 ny ekipan’ny As Éclipse, sokajy vehivavy, raha toa ka nahazo ny fandresena nanoloana ny Tandem kosa ny PMBC, tamin’ny isa 58 no ho 42. Teo amin’izay sokajy vehivavy izay hatrany, anisan’ny hiatrika ny manasa-dalana, anio, ihany koa ny Fitefa rehefa nandavo ny MBB, tamin’ny isa 49 no ho 38, ary ny MMBC izay nanilika ny BCD tamin’ny isa 60 no ho 37. Ho an’ny sokajy lehilahy kosa, tafakatra amin’ny manasa-dalana ny ASSM, rehefa nandresy ny DBC tamin’ny isa 63 no ho 57. Anisan’ny tafakatra ihany koa ny L2BV rehefa nandavo ny Tafaray tamin’ny isa 53 no ho 49. Ankoatra izay, nahazo ny fandresena nanoloana ny TIABC ny BC Blindé tamin’ny isa 54 no ho 42 raha toa ka nanilika ny BBCM tamin’ny isa 68 no ho 52 ny BCR. Hafana tanteraka, araka izany, ity lalao manasa-dalana ity satria efa ireo ekipa sangany avokoa no tafakatra. Hotanterahina rahampitso kosa ny lalao famaranana eo amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans, taranja basikety, ity.

Mi.Raz

Catégories: National

Pages