Mametraka fanamby amin’ny tenany ihany ry zalahy… Hikatsaka ny lafatra kokoa noho izay efa vitany ny tarika AmbondronA, mandritra ilay fampisehoana goavana izay hotontosainy rahampitso, etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Ho fanatrarana izany, tsy misy afa-tsy ny fiomanana mialoha, hametrapetrahana ny rehetra manomboka any amin’ny madinika indrindra, hatrany amin’ny goavana indrindra.
Nanomboka ny talata lasa teo no nampidirina tsikelikely ireo fitaovana hampiasaina amin’ny seho. Matihanina maro amin’ny resaka fampisehoana no miara-misalahy amin’ny tarika amin’ny fanatontosana izany. Tazana eny an-toerana ny Mi’Ritsoka, Ivenco, Nyr Image, sns. Ny alakamisy teo dia efa nirafitra ny endriky ny sehatra: tsy mbola hita tao amin’ny Coliseum izany. Omaly zoma kosa no efa tontosa ny lafiny feo sy teknika rehetra, ka miandry ny fotoan-dehibe ho an’ny rahampitso sisa. Izy dimy mirahalahy mihitsy no mirotsaka an-tsehatra mandamina ny pitsopitsony rehetra. Samy feno fitaintainana satria nampiakarina ambony kokoa ny tanjona hotratrarina.
Izany rehetra izany, maneho ny fahavononan’ny tarika AmbondronA, hizara izay kantony indrindra amin’ity seho goavana rahampitso ity. Efa vonona toa izany koa ireo mpankafy, izay nirohotra nanjify vantany vao nivoaka ny tapakila. Kely sisa no tavela amin’ireo karazana tapakila tsotra. Ny famandrihana rehetra, efa jifa avokoa nialohan’ny fotoana. Miandry ny fotoana sisa…
Zo ny Aina
“Metal Madness Legends”, hotontosaina anio ity seho ho an’ny mozika mavesatra ity. Eny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy ny fotoana, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hifandimby an-tsehatra, mandritra izany, ry Kazar, Apost, Seth on fire ary Egraygore. Tohin’ny seho izay niarahana tamin’i Milon Kazar omaly ihany izy ity, karakarain’ny OZ Rekordz.
Harty Andriambelo & Friends, eny amin’ny Fara West Café Faravohitra, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Fofompofony sahady amin’ny “Festival Madajazzcar” izay hanomboka amin’io herinandro io. Hitondran’i Harty sy ny namany mozika maroloko ho an’ny mpankafy. Hiray sehatra aminy, mandritra izany, ry Nini, Tsanta, Poun ary Tonny Toufa.
Tanterahina anio, eny amin’ny Musée de la Photo Anjohy, ny famelabelaran-kevitra, iarahana amin-dRanaivo Andrianasolo, mpandalina sy mpahay tantara. Ny mahakasika ny “Almanach et tetiandro Merina” no resahina mandritra izany. Ahafantarana ny niandohan’izany sy ny fomba fampiharana izany.
Tontosaina anio tolakandro, eny Antsahamanitra, ny fampisehoana fankalazana ny faha-25 taonan’ny tarika Nabaoh. Mpanakanto maro no hiara-paly amin’ny tarika sy hifampizara sehatra amin’izy ireo mandritra ny fampisehoana. Efa vonona ny tarika hanome ny tsara indrindra avy aminy, hikalo ireo hira nahafantarana sy nankafizana ny tarika tao anatin’izay 25 taona izay.
Tanterahina anio maraina, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny tafatafa hiarahana amin’i Johary Ravaloson, Malagasy mpanoratra. Fizarana ny fomba fijery eo amin’ny sehatry ny haisoratra ankehitriny, indrindra ny eto Madagasikara. Fampahafantarana ny fomba fanoratany sy fizarana torolalana ho an’ny mpanoratra, indrindra ireo vao misandratra sy maniry hiditra eo amin’izany sehatra izany no handravaka ny hetsika. Tanjona ao anatin’izany ny fampitomboana sy fampivelarana ny haisoratra malagasy. Eo ihany koa ny fampidirana izany eo amin’ny sehatry ny matihanina kokoa.
Anisan’ireo Malagasy mpanoratra manana ny lazany, eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena i Johary Ravaloson. Ankoatra an’i Hary Rabary sy Michèle Rakotoson dia izy no Malagasy mpanoratra malaza ankehitriny. Anisan’ny nampalaza azy ny asa sorany “Tribunals des cailloux” sy ny “Fitiavana – Tanindrazana- Fozaorana”. Boky anisan’ny navoakany farany ireo, saingy anisan’ny be mpanjifa sy maro mpankafy ihany koa.
Maro ny efa niandry ity fotoana ity, ahafahana mitafa mivantana amin’i Johary Ravaloson, indrindra iresahana manodidina ny asa sorany.
Lin
Anisan’ny maha firenena ny firenena iray ny fananany fomba amam-panao sy kolontsaina mampiavaka azy. Manana izany tokoa isika saingy mandefitra lava noho ny antony maro.
Na tsy fomban’ny Malagasy aza ny maniratsira zokiolona, efa lany andro izany ka aleo vingavingaina fa manao kirin’antitra, sns. Mandefitra ny zokiolona!
Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Mipoitra avokoa izao atsanga tsy aman’orana izao. Saika mirona any amin’ny fankahalana ny lamina voajanahary narahin’ny Malagasy avokoa ireo lohahevitra dinihina. «Ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy», «Ny vehivavy sy ny miralenta», sns. Mandefitra ny lehilahy!
Mbola henatra baben’ny kolontsaina malagasy hatramin’izao ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa mifanentana amin’ny kolontsaina sy zavakanto malagasy. Noho ny fananan’ny Malagasy kolontsaina maro, tokony hanana toerana maro hanehoana izany ihany koa i Madagasikara. Mandefitra ny kolontsaina!
Voakitika hatrany amin’ny hasina maha olona
Amin’ny teny vahiny ny teny hanazavan-javatra amin’ny mpianatra malagasy. Zaza malagasy beazina amin’ny fiteny vahiny. Mandefitra ny tontolon’ny fanabeazana! Samy manana ny soatoaviny ny faritra. Manana ny soatoavina iraisany ny Malagasy. Mandefitra manoloana ireo mpampandihy fitombenana. Mandefitra ny fady! Ilay fanahy maha olona, nosoloina vola, voninahitra, fahefana, sns. Tsy miteny ireo «manam-panahy»!
… Rehefa mandefitra lava, lany henatra no hiafarany. Tsy mahavita ny adidiny ireo raiamandreny fa vao mainka aza manampy ireo «tanora fanahy» hanaotao foana. Raha mbola hoenti-mandefitra tahaka izao ny fomba amam-panao, ny soatoavina, ny kolontsaina, ny fanahy maha olona, sns. Hahazo vahana eto amin’ity Nosy ity ireo mpamingavinga!
HaRy Razafindrakoto
Mandeha ny fanamboarana tetezana any amin’ny lalam-pirenena faha-7, (PK 416+300), any Mahazengy Fianarantsoa. Nametrahana tetezamby vonjimaika any an-toerana, satria tapaka ny vahilava noho ny rivodoza Alvaro, ny janoary 2024 teo. Efa vita ny tetezana beton (dalot cadre), ka hoesorina amin’ny novambra ho avy izao ny tetezamby vonjimaika eo amboniny.
Misitraka ny « famatsian-jiro mora » ny any Matsiatra Ambony. Miisa 3 113 ny kaontera anjaran’i Fianarantsoa, ka efa voapetraka ny 485 amin’ireo any amin’ny fokontany miisa dimy, nanomboka ny 11 septambra teo. Marihina fa ireo tokantrano tena sahirana no misitraka ity « famatsian-jiro mora » ity, ka 30 000 Ar ihany no aloa.
Hisokatra ny 1 oktobra izao ny taom-pamarotana sy fanondranana lavanila voaomana. Manana sivy volana hatramin’ny 30 jona 2025 ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana hanondrana lavanila voaomana ho an’ny taom-panondranana 2024-2025. Tsy maintsy manao fanambarana ny tahirina lavanila mialoha ny fikaton’ny taom-pamarotana sy fanondranana kosa ireo mpandraharaha.
Tsara toerana amin’ny resaka toekarena manga i Madagasikara ka antony nampiantranontsika ny Forum LMMA aty amin’ny ranomasimbe Indianina mandritra ny efatr’andro. Hifanakalo hevitra sy traikefa amintsika ireo firenena 9 mandray anjara amin’ny hetsika.
“Pays de vie, Région d’enfance ,Ville de cœur : Manakara au profond de soi”
Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana rahampitso, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, 1ère division, taranja volley-ball. Hatao anio kosa ny lalao ampahefa-dalana, ho an’ny sokajy lehilahy, raha ny fandaharam-potoana. Raha ny voka-dalao nandritra ny lalao ampahefa-dalana omaly, anisan’ny tafakatra amin’ny manasa-dalana ny GNVB rehefa nandavo ny Bi’As tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-15/25-15/26-24). Nanjakan’ny GNVB tanteraka ny lalao teo amin’ny roa tonta. Tafakatra amin’ny manasa-dalana koa ny MVBC rehefa nahazo fandresena nanoloana ny Mami, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-18/25-11/25-24). Nafana ny fifandonana teo amin’ny AMVB sy ASI tamin’ny ampahefa-dalana, omaly, ary tany amin’ny tie break vao afaka namaritra ny mpandresy, dia ny ASI izany. Seta 3 no ho 2 (25-18/25-22/17-25/20-25/9-15), araka izany, no nisarahan’ireto ekipa roa ireto. Lalao farany nitranga omaly, ny fihaonan’ny ECVB sy ny Squad ka nivoaka ho mpandresy ity farany, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-20/25-16/25-12).
Ho amin’ny anio, hifandona amin’ny ampahefa-dalana ny GNVB 1 sy ny ASSM, sokajy lehilahy, ny GNVB 2 sy ny ASI 2, ny Cosfa sy ASI 1 ary ny Mama sy ny Pole.
Mi.Raz
Hotanterahina ny 23 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra anaty efitrano, Futsal. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny sokajy U13, U15, U17 ary ny zokiny Vétérans sy super Vétérans no handray anjara. Hifarana ny 15 oktobra ho avy io ny fisoratana anarana.
Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja Ambohidratrimo sy Elgeco plus, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions”. Nahazo fandresena indray ny klioban’ny FC Avenir du Sud, ary azo antoka fa tafakatra any amin’ny diviziona voalohany “Pureplay Football League”. Mitana ny laharana voalohany izy ireo, manana isa 11.
Hanomboka anio hatramin’ny alahady ho avy izao, any Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, sokajy lahy sy vavy, ho an’ny olona telo miaraka. Tsiahivina fa hisolotena an’i Madagasikara any amin’ny fifanintsanan’ny Nosy, izay voalohany amin’izany. Omena lelavola 1 tapitrisa Ariary kosa izay mahazo ny laharana faharoa.
Nahazo fandresena tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne “La Liga” indray ny ekipan’ny FC Barcelone, ny alarobia lasa teo. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Getafe FC. Tsiahivina fa nandritra ny lalao enina nataon’ny FC Barcelone, tamin’ity fifanintsanana ity, nahita fandresena foana izy ireo. Ny 26 oktobra ho avy io, hifandona amin’ny Real Madrid izy ireo.
Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara nandritra ny fifaninanana « Olympiades d’échecs », andiany faha-45, natao tany Budapest, ny 10 hatramin’ny 23 septambra teo, na dia tsy nahazo medaly aza. Atleta malagasy 3 mianadahy no nahazo anaram-boninahitra, taorian’ny fifaninanana. Anisan’izany i Miora Ismael, izay nahazo ny “Candidat Maitre” (CM). Tao amin’ny sokajy “Open” no nifaninan’ity tompondakan’i Madagasikara, lalaon-tsaina échecs ity. Teo amin’ny laharana faha-105 tamin’ny mpandray anjara 188 no nisy an’i Madagasikara, teo amin’io sokajy “Open” io.
Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, laharana faha-98 amin’ny mpandray anjara 169 no nisy an’i Madagasikara, izay tena nahitana fivoarana lehibe ho an’ny Malagasy mpanao échecs, vehivavy. Ankoatra izay, nahafahan’i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra sy Randriatsiferana Dimbiharentsoa Christiana nahazo ny anaram-boninahitra “Woman Candidat Maitre” (WCM) izany fiakaran’ ny laharan’i Madagasikara izany. Tsiahivina fa atleta malagasy 9 mianadahy (5 lahy sy 4 vavy) no niatrika ity “Olympiades d’échecs” natao tany Budapest ity, ny herinandro lasa teo.
Mi.Raz
Hanomboka anio ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, izay hatao any Dubaï. Ny ekipa nasionalin’i Espagne no hifandona amin’i Madagasikara.
Hotontosaina anio, ao amin’ny kianja Sevens Stadium Dubaï, ny fihaonan’ny Makis Ladies de Madagasikara sy ny Las Leonas Espagne. Lalao izay tafiditra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena taranja rugby, sokajy vehivavy, « WXV III », hatao manomboka anio hatramin’ny 12 oktobra, any Dubaï. Tsiahivina fa amin’ity ny Makis Ladies vao hifandona amin’ny ekipam-pirenena eoropeanina eo amin’ny baolina lavalava lalaovin’olona 15. Araka ny fikarohana natao, efa nanao lalao andrana tamin-dry zareo Springboks Afrika Atsimo, ny ekipam-pirenena espaniola. Lavon’ny Springboks, tamin’ny isa 36 no ho 19 ry zareo Las Leonas, ny 19 septambra lasa teo. Eo amin’ny laharana faha-13 maneran-tany izy ireo amin’ny filaharana navoakan’ny World Rugby. Ny 20 septambra teo kosa, nomontsanin’ny Lionesses Kenya, 63 no ho 19 ny XV Makis Ladies, tany Kenya. Faha-25 kosa no misy ny Makis amin’ny filaharan’ny World Rugby. Raha ny vaovao voaray tany an-toerana, omaly, efa vonona tanteraka ireo Malagasy mpilalao rehetra ary hanome ny tsara indrindra avy amin’izy ireo mba hahazoana vokatra tsara tsy ho ampoizin’ny rehetra.
Aorian’ity lalao ity, hikatroka amin’i Hong Kong indray ny Makis Ladies, ny zoma 4 oktobra ho avy izao, raha toa ka ny 11 oktobra indray izy ireo no hanao ny lalao fahatelo, izay hifanandrinana amin’i Samoa.
Fitia Randria
Manodidina ny 150 000 taonina ny famokarana trondro eto Madagasikara. « Vokatra azo avy eny an-dranomasina sy an-dranomamy ary ny fiompiana izany », hoy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Rakotosoa Rado, nandritra ny fanokafana ny Tsenaben’ny hazandrano andiany fahefatra, omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Imasoana, hoy izy, ny fiompiana anatirano mba hampakarana ny tahan’ny fihinana trondro isam-batan’olona eto Madagasikara izay tsapa fa mbola ambany. Tanjona ny hahatonga izany ho 11 kilao isan’olona, isan-taona, raha mbola 7 kilao isan’olona, isan-taona, izany amin’izao fotoana. Misy ny paikady hataon’ny minisitera enti-manatanteraka ny vina apetraka hampakarana ny famokarana sy hanatrarana ny fanjarian-tsakafo ary ho loharanon-karena ho an’ny tokantrano. Eo ihany koa ny fampiofana omena hampiroboroboana ny lalam-pihariana sy hampirisihana ny olona hisehatra ao anatin’ny jono.
Marihina fa haharitra efatr’andro ny Tsenaben’ny hazandrano andiany fahefatra. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny « Hazandrano antoky ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara ». Maherin’ny 100 ireo tranoheva mampiranty sy mampahafantatra ny vokatra ataony eny an-toerana.
Henintsoa H.
La candidature de Harilala Ramanantsoa, l’actuelle Présidente de la délégation spéciale d’Antananarivo (PDS), aux élections communales à Antananarivo, sous la bannière de l’Irmar, ne relève plus de la spéculation. Son dossier a été déposé hier auprès de l’Ovec à Nanisana.
C’est prévisible juste après sa nomination en tant que Présidente de la délégation spéciale d’Antananarivo. A ce moment-là, Harilala Ramanantsoa a déjà été une candidate qui ne dit pas encore son nom et n’attend plus que le moment venu pour se déclarer non pas sur les réseaux sociaux, mais auprès même de l’Ovec.
Depuis sa prise de fonction, Harilala Ramanantsoa a été pressentie pour être la candidate de la plateforme présidentielle. Sa nomination à la tête de la Capitale, n’est pas le fruit du hasard. Des noms ont quand-même circulé en coulisses, sans pour autant faire l’unanimité malgré qu’ils soient tous des politiciens chevronnés.
L’Irmar a ainsi porté son choix sur une femme d’affaires et engagée qui n’est pas membre de la plateforme. D’ailleurs, cette dernière a déjà indiqué qu’elle reste ouverte à toute collaboration même si le candidat ou la candidate ne porte pas d’étiquette politique. Sous cet angle, autant dire que la candidature de Harilala Ramanantsoa ne souffre d’aucune contestation. Et le fait de se présenter sous les couleurs de l’Irmar, en dit long sur sa détermination à redorer le blason de la ville des Mille.
6 autres candidats en lice
Comme il fallait s’y attendre, la majorité des candidats ont attendu le dernier jour de dépôt des dossiers d’hier, pour se bousculer au portillon. Après plusieurs semaines de tergiversations, le Tim s’est finalement résigné à désigner un candidat de remplacement de Marc Ravalomanana, qui n’est autre que son fils, Tojo Ravalomanana. La carte joker de l’ancien président qui ne semble pas être un candidat de consensus de l’opposition, sous cet angle.
Autre candidat ayant également déposé son dossier hier à l’Ovec Isotry sous la bannière du Mouvement Gasikara, Gascar Fenosoa, fraîchement élu député dans le 3e arrondissement d’Antananarivo, ambitionne rapidement de gravir les échelons politiques en se présentant aux élections communales. Et Comme il l’a déjà indiqué auparavant, sa plateforme présentera des candidats à la mairie dans tout le pays. Ainsi, 279 candidatures au nom du Mouvement Gasikara ont été enregistrées auprès des Ovecs répartis dans tout le pays.
D’autres candidatures ont également créé la surprise, en la personne de Tahina Razafinjoelina, candidat à l’élection présidentielle de 2023 et non moins ancien directeur de campagne de Marc Ravalomanana.
Un candidat inattendu, à l’image de l’ancien Premier ministre de la Transition, Monja Roindefo a également déposé son dossier, pour briguer la mairie de la capitale hier, non pas au nom de son parti mais en tant qu’indépendant. Il en est de même pour le candidat soutenu par la conseillère municipale Lalatiana Ravololomanana en la personne de Ndriana Razanamasy. A rappeler que l’ancien ministre de l’Elevage et également candidat aux présidentielles de 2013 et 2018, Joseph Martin Randriamampionona dit Dadafara a déjà déposé sa candidature, mercredi.
Rinah Rakotomanga
Pour sa part, l’ancienne conseillère de la Présidence, Rinah Rakotomanga a finalement décidé de faire marche arrière. Pour des raisons de santé, elle se voit alors obligée de se retirer de la course bien qu’elle en ait déjà fait l’annonce de sa candidature quelques semaines auparavant.
« Je mentirais à la population si je me présentais alors que je ne serais même pas là durant la campagne électorale », a-t-elle annoncé hier à Isotry en marge de son rendez-vous avec les membres de l’Ovec. « Je suis venue ici pour faire part de ma décision et témoigner mon respect aux membres de l’Ovec qui m’ont déjà donné un rendez-vous », a-t-elle expliqué. Tous les candidats attendent alors la publication officielle de leurs candidatures.
T.N
L’attirance de la destination aux souvenirs d’hier, au dynamique d’aujourd’hui et à la préparation de demain”
Nisitraka fotodrafitrasa moderina hianaran’ny zanany ny mponina ao amin’ny fokontany Amboniavaratra, kaominina Ampanotokana, distrikan’i Mahitsy. Triatra sady simba nandritra ny taona maromaro, tsy afaka nampiasa ireo efitrano fianarana ireo intsony ny mpianatra tao an-toerana. Nanoloana io, nandray an-tanana ny fanarenena ny sekoly tamin’ny lafiny rehetra, ny orinasa Tozzi Green. Nohavoazina avokoa ny efitrano rehetra mandrafitra ny toeram-pianarana. Tsy vitan’izay, nisitraka latabatra, hatramin’ny kitapo entina mandranto fianarana ireo kilonga mianatra eo anivon’ity EPP ao Amboniavaratra ity. Nankasitraka manokana ny ezaka ataon’ny vondrona Tozzi Green ny solontenan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao an-toerana. Voavaly rahateo koa ny fangatahan’izy ireo amin’ny fanamboarana hatry ny ela io sekoly io. Tsihiavina, nanavao ny lalam-bahoaka mirefy 11 km mahery miala ao Mahitsy mampifandray ireo tanàna anatin’ny kaominina Ampanotokana ity orinasa ity. Mandray anjara mivantana amin’ny alalan’ny famatsiana ara-tsakafo ireo mpianatra amin’ny alalan’ ny «cantine scolaire» sy sehatra hafa koa izy ireo.
Tsiferana R.
Fotoana mampiray ireo mpankafy fiara ny «Salon de l’auto» 2024. Hiavaka tanteraka ny andiany faha-14 amin’ity taona ity. Hisy ny lalao «Tombola SMS» hahazoana fiara vaovao, moto, finday avo lenta avy amin’ny Telma Madagascar ary loka maro samihafa avy amin’ireo mpanohana ny «Salon de l’auto». Marihina fa natokana ho an’ny mpanjifa Telma Madagascar ny lalao ka tsy voafetra ny fandraisana anjara ho an’ny tsirairay. Atao ny 13 oktobra kosa ny fisarihana izay tsara vintana. «Toy ny tamin’ny taon-dasa, hanolotra karazana fiara vaovao avokoa ireo mpikambana ao amin’ny Vondron’ny mpandraharaha mpanafatra fiara eto Madagasikara (GCAM) ka afaka misafidy izay tiany ilay tsara vintana», hoy ny mpikararaka ny hetsika sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny Telma Madagascar, Raharimanjato Eli Malala, omaly, tetsy Andranobevava.
Ankoatra izay, hampiranty sy hanolotra ireo fiara vaovao sy hiaka farany ny GCAM. Ho hita mandritra ny hetsika ihany koa ny fiaingan’ny «Grand Rallye International de Madagascar», ny zoma 11 oktobra. «Zava-baovao amin’ity andiany faha-14 ny fampisehoana ny fiara mandeha amin’ny herinaratra (hybride) ho fitsinjovana sy fiarovana ny tontolo iainana» hoy ny sekretera jeneralin’ny GCAM, Ramaroson Rado.
Tsiahivina fa hotanterahana ny 10-13 oktobra eny amin’ ny CCI Ivato ny Salon de l’auto 2024. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe «fahafahana mihetsika sady maharitra» (Mobilité et Durabilité).
Henintsoa Hani
Hotanterahina ny 23 oktobra ka hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena amin’ ny baolina kitra lalaovina anaty efitrano «futsal». Fifaninanana karakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hisy sokajy dimy izany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izany, ny U13 ; U15 ; U17 ary ny «véteran» mihoatra ny 35 taona sy ny mihoatra ny 45 taona.
Hiditra amin’ny andro faharoa anio ny
fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra «world cola ligue des champions» na ny D2 National. Eny amin’ny kianja Ambohidratrimo no hifampitana ny FC Theo sy ny AS Fosa. Hifampitana, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium kosa ny FCA Ilakaka sy ny FC Avenir du Sud. Mety efa ho fantatra eo izay hisalotra ny anaram-boninahitra.
Hitohy ny sabotsy 28 sy ny alahady 29
septambra izao, ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”. Lalao 29 no hatao mandritra io roa andro io ary kianja 3 no handray ireo lalao ireo, toy ny efa mahazatra: Andraisoro, CEG Nanisana ary Fokontany Amboditsiry.
Hatao ny 1 novambra izao, ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana “Combat International”, ahitana taranja 3 (K1, Jiu-Jitsu, pancrace). Fifaninanana karakarain’ny klioban’ny Guerreros Team, taranja JJB.