Début fracassant des Barea, lors de la première journée du Festival U15 océan Indien qui s’est déroulée, hier, à l’Elgeco plus stadium By-pass. En démonstration face aux sélections seychelloises, les deux équipes malgaches ont gagné sur un score fleuve de 7 buts à 0, tant chez les filles que chez les garçons. Les Malgaches ont largement dominé leurs adversaires au cours de ces deux premières rencontres.
Avec un mécanisme bien rodé, nos jeunes ont montré une passionnante maturation tactique. Pendant le match des U15 féminins, Ravaka, à elle seule, a inscrit cinq buts. Les jeunes Barea garçons et filles fouleront à nouveau la pelouse de l’Elgeco plus stadium By-pass ce jour et rencontreront les sélections comoriennes.
Mparany
L’équipe nationale malgache de pétanque, récemment auréolée de succès, a été accueillie en grande pompe au Campus Yas Andraharo après avoir décroché le titre de champion du monde au tir de précision et une impressionnante deuxième place en triplette.
A cette occasion, la société Yas Madagascar a tenu à exprimer sa reconnaissance envers ces athlètes d’exception. Les joueurs vice-champions ont chacun reçu une récompense de 2.000.000 ariary, tandis que Jean-François Rakotondrainibe dit Zigle, figure de proue de l’équipe, a été honoré d’une prime de 3.000.000 d’ariary.
Cette cérémonie de remise de prix a souligné l’excellence de ces sportifs qui ont su porter haut les couleurs de Madagascar sur la scène internationale, particulièrement lors du prestigieux championnat du monde de pétanque à Dijon (France).
Madagascar peut s’enorgueillir de ses ambassadeurs sportifs dont le talent a brillé aux yeux du monde. Ce triomphe n’est que le début d’une nouvelle ère prometteuse pour le sport malgache, comme l’affirme la Fédération sport boules malagasy.
Naisa
Zazakely iray nentina moto no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Ankadilalana, manoloana ny tobin’ny zandarimaria, ny zoma alina teo. Fiara kely iray nitrongy mpandeha moto iray tamin’io alina io. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary, malalaka tsara ny lalana saingy tsy fantatra izay nahazo ilay fiara fa nifatratra tany amin’ity mpitondra moto ity. Nianjera ireo mpianaka nandeha tamin’ilay moto. Tsy vitan’izay fa mbola avo vava tamin’ireo zandary, nandrindra ny fifamoivoizana teny an-toerana, ny vehivavy iray miaraka tamin’ny zava-pisotro misy alikaola nivoaka avy ao anaty fiara. Nahitana fahasimbana na ilay moto na ilay fiara nitrongy. Tonga teny an-toerana ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana nanao ny fanadihadiana. Manentana hatrany ny zandary fa tsy miaraka ny zava-pisotro misy alikaola sy ny familiana saingy misy ihany ireo tsy mety manara-dalàna. Ny patsa iray tokoa anefa tsy omby vava rehefa ho avy ny loza ka tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany.
J.C
“Mbola ambany hatrany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy tany amin’ireo biraom-pifidianana narahin’ny Safidy maso. Eny, na niakatra aza izany ampitahaina amin’ny fifidianana kaominaly 2019”.
Io ny fanambaran’ ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), notarihin’ny mpitondra teniny, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, afakomaly, momba ny fizotran’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly teo. Nahatratra 39,3% ny taham-pahavitrihana, raha 33,3% izany tamin’ny 2019. Ny taham-pahavitrihana ambony indrindra ary nihoatra ny 45% dia tany amin’ny faritra Androy (54,8%), Fitovinany (47,8%), Atsimo Andrefana (47,4%). Ambany ary latsaky ny 30% ny tany amin’ny faritra Ihorombe (27%), Diana (28,7%).
Mametraka ahiahy momba ny fifidianana kaominaly sy monisipaly 2024 ny Safidy, araka ny fanambarany. Tsy mazava, ohatra, ny fanendrena mpikambana eo anivon’ny rantsamangaikan’ny Ceni, ka mampiahiahy ny amin’ny fahaleovantena sy ny tsy fiandaniana. Manamafy izany ny fanoloana lehibem-pokontany miverimberina rehefa ankatoky ny fifidianana. Nampisavorovoro koa ny fanavaozana miavaka ny lisi-pifidianana tamin’ny alalan’ny fakana ordonansa. Miisa 184 ireo fitarainana voarain’ny Safidy hatramin’ny nanombohan’ny fampielezan-kevitra. Miverimberina hatrany ny amin’ny fandraisan’ny mpiasam-panjakana anjara amin’ny fampielezan-kevitra, ny fanampiana lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny ordonansa, ny fahaverezan-jon’ny mpifidy tsy voasoratra anaty lisi-pifidianana, ny fanentsenana vato mialoha tao anaty vata fandatsaham-bato, ny tsy fanaovana fitantana an-tsoratra eo no ho eo.
R. Nd.
Samy manana ny kolontsainy ny Malagasy. Io fahasamihafana io, mbola nampian’ny kolontsaina nentin’ ny vahiny… Azo veroka amin’izany ny mety ho « endriky ny kolontsaina » malagasy ankehitriny. Na izany aza, « ao anaty ra ny kolontsaina », hoy ny mpandinika sasany. Izany hoe, sarotra ny manala azy tsy ho lova avy amin’ ny razana. Noho izany, tsy azo atao tery vay manta ny mampiditra kolontsaina amina olona, na faritra, na fiarahamonina iray.
Manana karazan-dihy maro ny Malagasy. Vitsy amin’ireny, anefa, no mbola dihizin’ny taranaka aty aoriana. Na, misy ihany ny hita eny an-tsehatra, saingy, efa niova izy ireny. Ny sasany aza, ilay fototra mihitsy no saro-tadiavina ao anatin’ilay dihy. Fantatra, anefa, fa misy rohy mampifamatotra ny tononkira sy ny feonkira, ny mpandihy sy ny tononkira, sns, eo amin’ny dihy malagasy.
Na efa am-polo taona aza no nivelatra be ny fampiasana ny fitaovan-tserasera sy fifandraisana manaraka ny fihazakazaky ny teknolojia. Mbola maro ny tsy mahay mampiasa izany hifanaraka amin’ny filany. Tafiditra ao anatin’izany ny Malagasy. Tsikera vokatry ny saina maloto, fifanebahana, fifanalam-baraka, lolompo tsy tafavoaka, fialonana, sns. Ny tahaka ireo no omen’ ny Malagasy lanja, any amin’ireny fitaovana ireny. Tsy mahay manararaotra amin’ny fananana zavatra tsara!
Anisan’ny sakana tsy ahafahan’ny mpanoratra mamoaka boky ny tsy fanomezana lanja ny famakiam-boky. Vahaolana naroson’izy ireo (mpanoratra) ny hamerenana indray ny boky ho anisan’ny fitaovana ampiasaina hampitam-pahalalana ho an’ny mpianatra. Mbola olana anefa izany satria: « lazaina sy voizina maneran-tany fa mihemotra ny olona mampiasa boky », hoy izy ireo.
Notanterahina tao amin’ny CCEsca Antanimena, ny faran’ ny herinandro teo, ilay seho an-tsehatra niarahan’i Erick Manana sy i Dama. Na tsy hipoka aza ny efitrano, tsapa hatrany ilay hafanana nampifamatotra azy mirahalahy sy ny mpijery teny an-toerana. Nasongadin’ny fizarana tsirairay izany. Na, i Erick Manana sy ny gitarany, na i Dama sy ny gitarany, samy afaka nitana izay hafanana izay avokoa. Vao mainka nihamafy izany tamin’ny fizarana faharoa, niarahan’izy ireo nihira. Tsikaritra teny an-toerana fa fihaonan’ny samy « be traikefa », ny seho !
Karazana andran-tsira ho an’ny taona ho avy ny seho. Fantatra mantsy fa hitohy hatrany ny fiarahana tahaka izao eo amin’ireto andrarezin’ ny hira malagasy ireto. Hanatanteraka seho maromaro any ivelany sy eto an-toerana izy mirahalahy, amin’ny taona 2025. Hotontosain’i Dama sy i Erick Manana ao anatin’ny
3 volana izany. Seho any Etazonia, Eorôpa, Canada, faranana eto an-toerana, any amina tanàn-dehibe.
Marihina fa ankoatra ilay fanomezana lanja ny tononkira. Anisan’ny mampitovy ireto mpanakanto ireto ny fananana feo sy feon-kira mahasarika ny sofina. Feo voajanahary sy mazava. Mifameno amin’ny feon-gitara tendren’izy ireo.
Ao anatin’ny rindrandamin’ny kanto no amoahan’i Erick Manana sy i Dama ny « Raha mba nanan’elatra », « Mbola ho avy » , « Tsy ferana », sns.
HaRy Razafindrakoto
Tontosa tetsy amin’ny Kianjan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy teo, ny fampisehoana nataon’i Goulam, mpanakanto kaomorianina, tonga nanatanteraka seho eto Madagasikara. Nihemotra tamin’ny 6 ora hariva ny fanombohan’ny fampisehoana, raha toa ka tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fotoana nifanomezana. Tsy niala fa teo hatrany ireo mpankafy tonga namaly ny antso. Nanafana ny fizarana voalohany, tamin’izany, ny Malagasy mpanakanto, Ckycky. Nisy ihany koa ireo mpanakanto tsy nampoizina nitondra ny anjara birikiny, toa an-dry Aryon Joy. Niakatra ny sehatra kosa i Goulam, tamin’ny 7ora sy 11 minitra teo ho eo. Nampiavaka ny seho ny fiakarany an-tsehatra niaraka tamin’ny mpitendry sy ny mpandihy avy eto an-tanindrazana. Akanjo amboniny fotsy sy pataloha mainty no nanamarika azy teny ambony sehatra nandritra ny andiany voalohany tamin’ny seho nataony. Nitondra ny saina malagasy sy ny saina kaomorianina kosa izy tamin’ny andiany faharoa. Marihina fa naharitra adiny telo teo ny faharetan’ny fampisehoana. Hetsika nokarakarain’ny lamako events, nampitondraina ny lohahevitra hoe: « lamako mifety », andiany voalohany.
Mino
Nandositra avokoa ny dahalo nangalatr’omby tao amin’ny tanànan’Agnala, kaominina Ambahita, distrikan’i Bekily, ny alarobia 11 desambra teo. Navoakan’ireo olon-dratsy ny omby miisa sivy tao am-bala. Hitan’ny tompon’omby anefa ireo mpandroba. Nanao hazolava, nivoaka avokoa ny olona mipetraka amin’ny manodidina ny tranon’ny lasibatra. Nandositra nitondra ireo omby halatra ny dahalo. Nanara-dia ny fokonolona. Nampandre ny mpitandro filaminana rahateo izy ireo. Nosakanana ny kizo tao Maroviro. Vokany, tratran’ny mpanara-dia tao amin’io fokontany io ireo olon-dratsy. Nifampitifitra ny roa tonta. Tsy nahatohitra ny fokonolona ireo mpangalatr’omby. Nanao tongotra an-katoka ireto farany. Tafaverina avokoa ireo omby nokasain’izy ireo hoentina antsokosoko.
Tsiferana R.
Notontosaina tao amin’ny Kianja Bataillon Médical Ampahibe, ny 10 desambra 2024 teo, ny lalao famaranana taranja basikety, ao anatin’ny « Tournoi de Noël ». Nifanandrina tamin’izany ny tomponandraikitra ambony sy sokajy mifangaro eo anivon’ny Foloalindahy. Ny lalao famaranana voalohany, nihaonan’ny ekipan’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka. Nivoaka mpandresy tamin’ity lalao ity ny ekipa avy eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika, tamin’ny isa 63 no ho 43. Ny lalao famaranana faharoa, nihaonan’ny ekipan’ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny avy ao amin’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 83 no ho 81 ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety. Tonga nanome voninahitra ny lalao sady nirary soa ireo mpilalao ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, nisolo tena ny minisitry ny Foloalindahy. Teo koa ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisitera ary ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ireo Etamazaoro telo.
Jean Claude
Hotanterahina ny alahady ho avy izao, any Mahajanga, ny fifanandrinana miverina eo amin’ny Fosa Juniors sy ny Tsaramandroso Formation FC (TFFC). Samy klioba avy any Boeny moa izy ireto, ary mbola manala vela ny TFFC, izay efa nomontsanin’ny Fosa 4 no ho 0, nandritra ny lalao mandroso. Ity fihaonana ity, izay tafiditra amin’ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, Pureplay Football League.
Nambaran-Randriamanampisoa Alfred, filohan’ ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), teny Carion fa hatao any Maurice, ny lalao miverina izay hihaonan’i Madagasikara sy i Eswatini, amin’ny ady tapakila hiatrehana ny fifanintsanana Chan 2024. Tsiahivina fa i Madagasikara no mampiatrano amin’io fifanandrinana io.
Notsenaina makotrokotroka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ireo mahery fo nandrombaka medaly, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, kick boxing. Samy nahazo medaly avokoa ireo mpikatroka 13 mianadahy nandray anjara.
Hotanterahina, anio sy rahampitso eny amin’ ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja fibatana fonjamby. Hifanindry an-dalana amin’izany ihany koa ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja Escrime.
Hiditra amin’ny andro faha-11 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Fifaninanana hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hangotraka ny fihaonana eo amin’ny Tam Anosibe sy ny Mang’Arts Manjakaray. Adin’ny samy kartie ny an’ny roa tonta. Hanala vela amin’ Anosibe amin’ity ry zareo Manjakaray. Samy teknisianina ny mpilalao mandrafitra ny andaniny sy ny ankilany. Na izany, manana ny mampiavaka azy izy ireo. Milalao ao anaty “avant” ny Tam, tarihin-dry Betsen sy ny namany. Mampiasa ny hazakazaka miaraka amin’ny tolototolotra, miainga amin’ny “trois quart aile” kosa ny Mang’Arts. Hifanehitra, araka izany, ireo mpilalao matanjaka sy ny mailaka. Hiady ny lalaon’ny roa tonta ka hirarian’ny rehetra mba ho mpitsara maharaka tsara ny fihaonana no hitantana izany.
Ankoatra izay, mbola ady tsy vita ihany koa ny an’ny FTBA Andohatapenaka sy ny UASC Cheminots (Besetroka). Hanokatra ny fihaonana ny fifanandrinan’ny Uscar sy ny USA Ankadifotsy (Tapany maitso).
Tompondaka
Higadona eto an-tanindrazana, anio, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe lehilahy, avy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany 2024. Ho tsenaina amin’ny fomba makotroka ireo maherifo ireo izay avy nitondra avo ny voninahi-pirenena tany Dijon, France. Raha tsiahivina nandrombaka ny amboara volamena teo amin’ny “tir de précision” i Zigle ary nahazo ny volafotsy kosa ny olon-telo miaraka. Ankoatra izay, mbola voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra nandritra izany fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024 izany koa ny tenany.
Hamakivaky ny tanàna ny delegasiona malagasy mialoha ny handraisana azy ireo amin’ny fomba ofisialy, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hisy ny fisaorana azy ireo sy ny fandraisam-pitenenana samihafa ataon’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Andrasana amin’io izay mety ho valin-kasasarana ho an’ireo mpilalao efatra mirahalahy, i Zigle sy i Tiana kely miampy an’i Donald sy Racle, kapitenin’ny ekipa ary i Hery, mpanazatra.
Tompondaka
Nisitraka fanomezana krismasy avy amin’ny Wednesday Morning Group (WMG) ireo mpianatra eo anivon’ny EPP Andranovelona, Ambohitrinindriana ary Fieferana Ambohimiarina Andrefana, ao anatin’
ny kaominina Ilafy, omaly. Nahitana fanomezana zavatra maro anaty fonosana ny tolotra, antsoina hoe “Colis de Noël”. Niampy fizarana mofo mamy avy amin’ny WMG ihany koa izany. «Tanjona nanaovana ny hetsika ny hamalifaliana ny ankizy amin’izao fotoana ankatoky ny Noely izao», hoy ny filohan’ny fikambanana WMG, i Fiona Tsiranana, tany an-toerana. Nisehatra tamin’ny EPP teto an-dRenivohitra foana ny fikambanana hatramin’izay. Mivelatra tsikelikely amin’ny sekoly ambaratonga voalohany any ambanivohitra izy amin’izao.
Fikambanam-behivavy manao asa soa ny WMG. Misehatra amin’ny fikarakarana sy fanampiana ny vehivavy hanana ny maha izy azy amin’ny alalan’ny famoronana asa. Eo koa ny fanomezana fanabeazana ireo ankizy eny amin’ny ambaratonga voalohany amin’ny alalan’ny fanabeazana amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Hisitraka ny fizarana toy ity natao ity ihany koa ny EPP any Fianarantsoa sy Sambava, amin’ny 19 desambra izao, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Mino
Tra-tehaky ny zandary ilay renim-pianakaviana namono zaza menavava tao amin’ny kaominina Mahabo, afakomaly.
Vehivavy 20 taona, nosamborin’ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Ankadisarotra, kaominina Mahabo, distrikan’Ambohidratrimo, ny 11 desambra teo. Hitan’ny fokonolona tao amin’io fokontany io ny zaza menavava iray, tamin’io andro io. Nihoson-dra tanteraka ny vavany ary notsatohana hazo ny tarehiny. Nampandre ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana, araka izany, ny solontenan’ny fokonolona. Notsirihin’ny mpitsabo ny vatana mangatsiakan’ilay zaza. Voamarina fa novonoina tokoa ity farany. Nanao ny fanadihadiana teo amin’ny mponina manodidina ny zandary. Voasambotra ny renin’io zaza io. Niara-nentina natao famotorana aminy ny ray aman-dreniny. Tsy fantatra mazava, hatreto, ny antony namonoan’io vehivavy 20 taona io ilay zanany. Manentana ny tanora tsy hiroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra, raha toa ka mbola tsy vonona hitaiza ny zandary. “Heloka eo anatrehan’ny lalàna ary mampigadra ny famonoan-jaza”, hoy izy ireo.
Tsiferana R.
Vita hatrany amin’ny 40% ny fanamboaran-dalana ao Antsirabe Renivohitra. Voakasik’izany ny lalana Le Myre de Villers, ka mirefy 2 km ny nasiam-panamboarana. Hatao godirao koa ny lalana eo Ampatana hatreny amin’ny farmasia Vakinankaratra, raha rarivato sy « béton » ny eny amin’ny sampanana Zaodahy mankany Ambohimena.
Natao ny 10-12 desambra teo ny atrikasa hanatsarana ny fambolena sy ny masomboly. Fotoana niarahan’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) sy ny foibem-pikarohana Fofifa. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Food-Sec Semence, vahaolana ho an’ny filan’ny mpamboly sy mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro, izy ity.
Azon’ny Malagasy mpandraharaha ny 45% ny tsenambaro-panjakana mifandraika amin’ireo tetikasa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Misy ny sivina apetraka amin’ny fandraisana ireo antontan-taratasy. Sakana ho an’ireo mpandraharaha sasany kosa ny tsy fahafehezana ireo fepetra manokana apetraka amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.
Manampy isa ireo fiaramanidina ampiasain’ ny Madagasacar Airlines ny ATR-72-500, hofainy amin’ny Aircraft, Crew, Maintenance, Insurance (ACMI). Manampy ilay fiaramanidina Q400 hofaina amin’ny Cem’Air nanomboka ny volana jona teo ity fiaramanidina ity. Tanjona ny hanamafy ny sidina anatiny ataony amin’izao vanim-potoanan’ ny fety izao.
Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny 11 desambra teo, ny fampindramam-bola mitentina 165 tapitrisa dolara an’i Madagasikara, andiany fahatelo. Hanamboarana fotodrafitrasa mba tsy hampitoka-monina ny any atsimon’ny Nosy sy aty Afrika io vola io. Tanjona ny hanamorana ny fifanakalozam-barotra eo amin’ny seranan-tsambon’i Toliara sy Beira atsy Mozambika.
Anisan’ny asa goavana hampiasana ny vola ny fanamboaran-dalana, hatao godirao ny lalam-pirenena RN55, mampitohy an’i Bevoay sy i Morombe, mirefy 78 km. Mandalo ny lemaka voatondraka Bas Mangoky, mamokatra hatrany amin’ny 29 000 taonina isan-taona, ity lalana ity. Hohatsaraina koa ny fotodrafitrasa hafa efa misy, toy ny fanarenana ny tetezan’i Manombo, amin’ny lalam-pirenena RN9. Hisy tetezana vaovao roa hafa koa hatao, mirefy 460 metatra tsirairay avy, ka lasa hifandray ny RN9 sy ny RN55, sady mahakasika faritra roa, Atsimo Andrefana sy Menabe.
Nilaza ny filoha lefitry ny Bad, i Solomon Quaynor, fa hampivoatra ny sosialy sy ny fiharian’ny mponina any Atsimo ny fisian’ny fotodrafitrasa toy izao. Nanamafy ny tomponandraikitry ny Bad eto Madagasikara, i Adam Amoumoun, fa hitombo ny velontena amin’ny fambolena, fiompiana, jono, azon’ny mponina atao, satria misokatra ny tsena ary miantraika amin’ny toekaren’i Madagasikara izany.
Njaka A.
Nisokatra ny 6 desambra teo, ny vanim-potoan’ny fizahantany, ho an’ny faran’ny taona 2024. Nisantatra izany, ho an’i Taolagnaro, ny fahatongavan’ny sambo vaventy, MS Hebridean Sky, mpitondra mpizahatany. Nijanona roa andro, ny 6 sy 7 desambra teo, ity sambo ity ary nikisaka any Toliara avy eo. Hiverina any Taolagnaro indray ny 23 sy 24 desambra ho avy izao. Fantatra fa miisa 10 ny sambo vaventy mpitondra mpizahatany handalo any amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala hatramin’ny jolay 2025.
Nisokatra ho an’ny daholobe ny seranan-tsambon’i Ehoala, nanomboka ny jolay 2009. Nahatratra 70 ny sambo vaventy mpitondra mpizahatany nandalo tany an-toerana, nitondra mpandeha miisa 51 457, manam-porofo fa varavarana misokatra ho an’ny faritra atsimon’i Madagasikara ny any Taolagnaro. Mitondra fampandrosoana sy fanoitran’ny toekarena ho an’ny faritra Anôsy.
Njaka A.
“Manana kandidà manana tombony manokana i Madagasikara amin’izao fifidianana izao. Noho ny fivezivezeny matetika eto anivon’ny kaontinanta, ankatoavin’ireo filoham-panjakana ny fanolorana izany kandidà malagasy izany”. Io ny tenin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tamin’ny fanolorana teny Iavoloha, afakomaly, an-dRandriamandrato Richard ho kandidà filohan’ ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA). Manana traikefany sy fahaiza-mifandray amin’ireo filoham-panjakana sy tomponandraikitra ambony aty Afrika izy. Tsara indrindra ny firotsahan-kofidiny. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry fa efa minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy efa minisitry ny Raharaham- bahiny izy. Eo koa ny asa ambony stratejika eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena teo anivon’ ny Comesa, Pnud, Banky iraisam-pirenena… Manampahaizana amin’ny fitantanam-bola sy diplaomasia ary fifandraisana iraisam-pirenena izy. Manentana ny fanohanan’ireo firenena namana ny filoha. “Hatramin’izay tsy mbola niady izany toerana izany i Madagasikara, fa izao mba afa-mitondra ny fomba fijery ara-toekarena sy sosialy, ny lafiny tontolo iainana, ny fampianarana, ny tanora… “, hoy ny kandidà Randriamandrato Richard. Fito ireo laharam-pahamehana aminy: voalohany ny toekarena hahazoan’ny olona misitraka ny tombontsoan’ny fitomboan’ny harinkarena aty Afrika.
Any amin’ny foiben’ny UA, Addis-Abeba, Etiopia, ny 15-16 febroary 2025, ny fifidianana amin’ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana faha-38 aty Afrika. Firenena 48 amin’ireo 54 mpikambana no handray anjara amin’ny latsa-bato. Manomboka izao, miroso amin’ny fandresen-dahatra ireo kandidà efatra atolotr’i Djibouti, i Kenya, i Maurice ary i Madagasikara.
R. Nd.