Eco brèves

Les Nouvelles - jeu, 11/21/2024 - 07:24

Les exportations de produits et marchandises à l’étranger en 2023 ont rapporté 3.227.416.000 dollars américains à Madagascar, garantissant ainsi 40,52% du produit intérieur brut (PIB). Elles sont en croissance en comparaison aux années précédentes, selon le ministère de l’Industrialisation et du commerce. Par ailleurs, ce département se charge de superviser le secteur privé afin d’accroître le commerce extérieur.

Catégories: National

IDEES EN GOGUETTE (Alliance92) 2024-11-20

Les Nouvelles - mer, 11/20/2024 - 07:47

Catégories: National

Vehivavy mandraharaha : mitaky ezaka ny fitadiavana lalam-barotra

Les Nouvelles - mer, 11/20/2024 - 07:47

Manaraka fiofanana ho fampivoarana ny lalam-barotra eto an-toerana sy any Afrika ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo vehivavy mpandraharaha miisa 20 avy amina faritra fito eto Ma­dagasikara. Fiofanana atao eny amin’ny Nexius Andra­nobevava, mandritra ny herinandro. Tanjona ny hanomezana ireo torolalana amin’ny fitadiavana lalam-barotra eto Afrika, hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra. Tafiditra ao anatin’izay ny fanamafisana ny fahaiza-manaony mifanaraka amin’ny filan’ny tsena eto amin’ny faritra. Misitraka izany ny avy eto Analamanga, Vaki­nan­karatra, Amoron’i Mania, Matsiatra ambony, Ihorombe, Anosy ary Atsinanana. « Mazàna mbola any amin’ireo firenena  francophone no mahasarika ny vehivavy mpandraharaha ary anisan’ireo vokatra fanondrana ny avy amin’ny asa tanana, ny lamba ary ny tontolon’ny niomerika », hoy ny filohan’ny vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM), Razakaboana Fanja, ny alatsinainy teo, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa «Recamp» karakarain’ny Co­me­sa Federation Women in Business (COMFWB Chap­ter Madagascar) sy ny GFEM. Mamatsy vola ny tetikasa ny Comesa, izay tafiditra indrindra amin’ny fankalazana ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana.

Fanamby
Malalaka ny lalam-barotra eto Afrika saingy mila miomana amin’ireo fanamby samihafa ireo mpandraharaha raha te hanondrana any ivelany. Mila fantarina ny filan’ireo firenena ary tokony hisokatra amin’ny lalam-barotra eto an-toerana ny mpandraharaha iray vao manondrana any ivelany, araka ny fanazavana voaray. Mitaky vola ny fanondranana entana sy ny fidirana eo amin’ny tsena any ivelany.

Henintsoa H.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - mer, 11/20/2024 - 07:46

Manomboka miakatra ireo vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Voa­kasik’izany ny menaka, ny siramamy, ny entona fandrehitra ary ny arina. Mampitandrina ireo mpivarotra minia manararaotra mampiakatra ny vidin’entana tafahoatra sy ny fivarotana entana lany daty ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Velon-taraina manoloana ny zava-misy sahady ny mpanjifa amin’izao iray volana mialoha ny fetin’ny noely izao.
Nankatoavin’ny solombavambahoaka ny hidiran’i Madagasikara ao amin’ny Zlecaf. Aha­fa­hantsika mifanakalo ara-barotra malalaka amin’ireo firenena anatin’ny Vondrona afrikanina ny fidirana ao amin’ny Zlecaf. Mahatratra 1,2 lavitrisa ny mpanjifa ao anatin’izany izay hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny firenena sy ny sehatry ny fandraharahana. Vonona hanamafy ny ezaka ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena i Madagasikara.
Misitraka fiofanana amin’ny alalan’ny tetikasa E-vohary ny ao Itasy, hanatsarana ny fari-piainan’ ny mponina sy hanamafisina ny traikefany. Misy ny fampiofanana momba ny fanodinana lafarinina ho lasa paty gasy, ny fanodinana ny ovy ho lasa “chips ” ary ny voankazo ho lasa “pâtes de fruits”.Teo ihany koa ny fampiofanana momba ny fitehirizana sakafo. Liana sy mavitrika amin’ny fandraisan’anjara ny mponina hanatsarany ny fidiram-bolany.

Catégories: National

alan’i Makira : Vola 16 tapitrisa dolara hiarovana azy

Les Nouvelles - mer, 11/20/2024 - 07:46

Hanokana 16 tapitrisa dolara ny orinasa iraisam-pirenena Rio Tinto, ao anatin’ny tetikasa Redd+. Entina hitantanana sy hiarovana ny valanjavaboaharin’i Makira, any avaratr’i Mada­gasikara, io fampiasam-bola io, iarahana amin’ny fikambanana Wildlife Conservation Society (WCS), ny Everland ary ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd).
Anisan’ny ala mando mikitroka, hany sisa tavela eto Madagasikara, ny any Makira. Mahatratra 372 000 ha ny velarantany voakasiky ny tetikasa Redd+ any an-toerana. Ahitana mponina miisa 90 000, amina tanàna 120. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mponina any an-toerana amin’ny teknikam-pambolena maharitra, sady hisorohana ny fandripahana ala.
Tafiditra ao anatin’izao fampiasam-bolan’ny Rio Tinto izao ny fahafahana miditra amin’ny tsena karbona. Hanamafy ny hanatrarana ny tanjona napetrak’i Madagasikara eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity fiaraha-miombon’antoky ny tsy miankina sy ny fanjakana ity.

Njaka A.

Catégories: National

Fifanakalozana : hiara-hiasa ny CCIFM sy ny Nosy Mayotte

Les Nouvelles - mer, 11/20/2024 - 07:46

Vita sonia, omaly, teny amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France Madagascar (CCIFM) Androhibe, ny fifanaraham-piaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Nosy Mayotte. Tanjona ny hampiroboroboana ireo tetikasa ara-toekarena iombonana, hisarihana ny fampiasam-bola ho an’ny fampandrosoana ny nosy roa tonta.

Hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny sehatry ny fizahantany, ny fambolena, ny jono ary ireo tetikasa momba ny fotodrafitrasa maharitra sy lovain-jafy izao fiaraha-miasa izao noho isika nosy mifanakaiky. « Hametra­hana sampandraharaha ma­ho­rey eo anivon’ny CCI mba hanamorana ny fifandraisana sy ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin’ireo sehatra samihafa, Tafiditra ao anatin’izay ireo fiofanana isan-karazany », hoy ny filankevitry ny departemanta mahorey, Ben Issa Ousseni, omaly. Noho izany, afaka manatona eny anivon’ny CCI Mayotte ireo orinasa malagasy any an-toerana mba hisitrahany ireo tombontsoan’ny fiaraha-miasa. « Afaka manatona eto anivon’ny CCIFM ihany koa ireo orinasa mahorey eto Madaga­sikara mba hisitrahany ireo fiofanana samihafa », araka ny fanazavan’ny filohan’ny CCIFM, Raharinosy Johanne.

Fifanarahana
Kendrena manokana ao anatin’izao fiaraha-miasa izao ny hanondranana ny vokatra eto an-toerana, hisarihana ireo mpampiasa vola mahorey ho avy eto Madagasikara ary hiantsoana ireo mpampiasa vola malagasy ho tonga any Mayotte. Hojerena manokana ireo tetikasa vatsian’ny mpamatsy vola ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fananganana ireo tetikasa filamatra, toy ny fotodrafitrasa an-dranomasina sy ana habakabaka, hanamora ny fifandraisan’ny roa tonta amin’ireo nosy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Manamarika dingana lehibe amin’ny fananganana faritra ara-toekarena mitambatra ao anatin’ny ranomasimbe Indianina mifototra amin’ny soatoavina iombonana amin’ny fiaraha-miasa sy ny fanavaozana izao fifanaraham-piaraha-miasan’ny CCIFM sy ny Nosy Mayotte izao.

Henintsoa Hani

Catégories: National

Pages