Vaovao tambatra

Les Nouvelles - ven, 06/28/2024 - 11:15

Mitentina 226 000Ar isam-bolana ny tolotra internet omen’i Starlink. Tsy ao anatin’izany ireo kojakoja samihafa mifanaraka aminy izay vidiana mitokana 1 120 000Ar. Lafo ireo tolotra ireo raha oharina amin’ny vidiny ankapobeny ary mbola lafo aty amin’ny tsena aty Afrika ihany koa.

Nampidi-bola 54,384 miliara Ar ireo letisia 16 860,3 taonina naondrantsika izay vidiana amin’ny 3 225,6 Ar ny kilao. Nitombo ny habetsaky ny vokatra naondrana tamin’ny taon-dasa, izay milanja 15 695,4 t. Nihena izany raha oharina tamin’ny taona 2022 izay mahatratra hatrany amin’ny 17 135,2 t.

Milanja 60 017,4 taonina ny « graphite » naondran’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa. Vidiana 2 083,7 Ar ny kilao ary mitentina 125,058 miliara Ar ny totalim-bidin’ireo vokatra. Nihena izany raha oharina tamin’ny taona 2022 izay mahatratra 107 291,3 taonina ny graphite naondrana izay nampidi-bola 209,453 miliara Ar.

Nahiditra vonjimaika am-ponja eny Anta­nimora ilay mpivarotra amoron-dalana tratra nanao hosoka ny daty fara fahazoana mihinana ny yaourt namidiny. Fepetra noraisina taorian’ny fanairana nataon’ilay orinasa mpamokatra ny entana nanaovany hosoka teny amin’ny minisitera.

Catégories: National

Lalana RN12 Amboarina ny tetezan’i Faraony

Les Nouvelles - ven, 06/28/2024 - 11:13

Mandroso ny fanarenana vonjimaika ny lalam-pirenena RN 12, nanomboka ny 17 jona lasa teo, tarihin’ny ekipan’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Fitovinany. Manomboka eo amin’ny tetezan’i Faraony ny asa, mankany Manakara ary hitohy hatrany Vohipeno. Nohamafisina tamin’ny Béton armé  ny arabe sy ny sisiny, hiarovana ny lalana tsy ho mora simba sy tsy hihotsaka sady tsy hiangonan’ny rano. Nasiam-panamboarana ny fivarinan’ny rano sy ny lakandrano. Tanjona ny hanamafisana sy ny hanatsarana ny lalam-pirenena, izay vatsian’ny fanjakana foibe vola.
Mitotaly 302 km ny lalam-pirenena faha-12, mampitohy faritra telo (Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana). Efa vita godirao ny ampahany, Vohipeno hatrany Farafangana. Ary izao harenina izao ny eo Manakara hatrany Vohipeno.
Anisan’ny efa narenina, vita godirao ihany koa ny lalana mampitohy an’Irondro sy Manakara, tamin’ny faran’ny desambra 2023. Famatsiam-bola avy any amin’ny Banky iraisam-pirenena.

Njaka A.

Catégories: National

Siansa momba ny ita sy ny serasera (Sic): sehatra miara-dalana amin’ny tontolon’ny asa

Les Nouvelles - ven, 06/28/2024 - 11:11

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fivoaran’ny olombelona, eo amin’ny tontolon’ny asa, ny siansa momba ny ita sy ny serasera (Scie­nce de l’information et de la communication, Sic). Antony nitondrana fanazavana bebe kokoa mahakasika izany teny amin’ny Oniversiten’Anta­na­narivo, ny herinandro lasa teo. Nifarimbona ny Agence Peak sy ny fikambanana Arisera nikarakara ny hetsika «Wel’ Com», niarahana tamin’ireo manam-pahaizana momba ny Sic, ny Dr Fabrice Lollia sy Dr Razafindranavo Hervé. Tan­jona ny hitondra fanavaozana sy hizarana fahalalalana lalina kokoa momba ny siansa momba ny ita sy ny serasera. Nasongadin’i Dr Fabrice Lollia fa « anisan’ny namolavola ny fahombiazana sy nahamatihanina azy teo amin’ny sehatry ny asa ny Sic ». Nivoitra, nandritra izany, fa fahalalana ara-tsaina (théorie) mifanaraka tsara amin’ny teknolojia samihafa sy mamaly ny filan’ny tontolon’ny asa ny SIC. Sakana ho an’ny fifehezana ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety kosa izany raha toa ka mifamahofaho ny fahalalana entiny. Etsy ankilany, nilaza ny Dr Razafindranaivo Hervé fa tanjona ny hahaizan’ny mpianatra mampifandray ny fahalalana ara-tsaina sy ny fampiharana izany eo amin’ny sehatry ny asa sy haha matihanina azy amin’ny ho avy.

Fampifandraisana
Sehatra natao hampiharana ny Sic eo amin’ny sehatrasa isan-karazany ny hetsika nataon’ny “Wel’com”. Nason­gadina manokana ny maha zava-dehibe ny fahaiza-ma­nao momba izany eo amin’ny tontolon’ny asa.

Henintsoa Hani

Catégories: National

Fetim-pirenena: olona 4 000 nilahatra manohana ny Base Toliara

Les Nouvelles - ven, 06/28/2024 - 11:08

Vonona hampihodina ny toekarena hiadiana amin’ny fahantrana ny mponina manohana ny hanokafana ny orinasa Base Toliara. Nanao filaharambe izy ireo nandritra ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena tany an-toerana.

Anisan’ny nampiavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena, ny 26 jona teo, tany Toliara I, ny filaharambe nataon’ny olona manohana ny Base Toliara, manodidina ny 4 000 avy amin’ny fikambanana miisa 55, sady nitondra sora-baventy.
Tsy very fanantenana izy ireo, toa an’i Aurélie. «Tsa­pako fa tena sahirana ny vahoakan’i Toliara. Manga­taka amin’ny filoham-pirenena izahay, ny hanokafana ny Base Toliara. Manana diplaoma ny zanakay nefa tsy ma­nana asa », hoy izy. Manam­py izany i Manjosoa, « Tsy afaka mamelona ny ankohonana izahay rehefa tsy misy asa. Tsy manan-katao izahay nefa manana diplaoma. Tsy hijaly intsony izahay raha misokatra ity orinasa ity ».
Tsy tongatonga ho azy ny datin’ny 26 jona, satria tsapan’ireo fikambanana miisa 55 ireo fa lalana mankany amin’ny fahaleovantena ara-toekarena, ny fisian’ny orinasa indostrialy vaventy, sady hitondra fampandrosoana any an-toerana.

Hiteraka asa maro
Notsorin’ i Maria , filohan’ ny fikambanana Ampela Miavotse, fa «hiteraka asa mivantana sy tsy mivantana ny fisian’ity orinasa ity. Hiroborobo ny varotra eto an-toerana, ny fitaterana, ny fisakafoana sy ny fiantranoana, ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, sns ».
Toa an’i Nomenjanahary Crépin Espérant, solontenan’ ny mpanjono, nilaza fa « tohananay tanteraka ny Base, satria inoanay fa hanampy anay ara-pitaovana izy ». Ho an’i Martial, « marobe ny tanora tsy an’asa ka lasa mitarika posy bisikileta sisa. Hamaha izany ny fisian’ny Base Toliara ».
Nohamafisin’izy ireo fa « mamafy lainga ny mpanohitra ny Base, milaza fa miteraka aretina ity tetikasa ity. Efa an-taonany maro ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy any Taolagnaro sy Toamasina, fa tsy mitombina izany na kely aza ».

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

Taratry ny kanto

Les Nouvelles - ven, 06/28/2024 - 10:46

Krutambull eny amin’ny La Tetinturerie Ampasanimalo. Manomboka amin’ny 8 ora ny sehon-dry zalahy ireto, hitondrany indray ny ragga muffin nahafantarana azy. Manana hira vaovao maro koa ny tarika tao anatin’izay fotoana tsy nahitana firy azy izay. Toa ny mahazatra, hikisaka eny amin’ny Le Garage Antsahavola izy ireo amin’ny 10 ora alina.

“After work”, eny amin’ny Gassy Country House Ivato. Anio, manomboka amin’ny 6 ora hariva ny kalokalo an-gitara, iarahan’i Fanilo Poppin’s eo amin’ny gitara sy i Misaina eo amin’ny feo. Hitety karazan-kira maro izy ireo, mialoha ny hidirana amin’ny tapany faharoa, izay hivadika ho fandihizana.

Tanterahina eny amin’ny AFT Andavamamba, manomboka ny 1 jolay 2024 hatramin’ny 31 jolay 2024, ny “Tantara fohy” fampirantiana, “Art plastique”, iarahana amin’ny mpikambana ao amin’ny “Plum’art”. Ny sanganasan’ireo mpikambana sokajina ho vao misandratra no ho hita mandritra izany. Natao izany ho fanandratana sy fanomezana sehatra azy ireo.

Hisy ny velakevitra iarahana amin-dRanjatohery Harilala, eny amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, anio. Hiresahana mahakasika ireo andrarezin’ny teny malagasy sahala amin-dRabary, Randzavola Henri, Ravelojaona no horesahina amin’izany. Tafiditra ao anatin’ny famaranana ny “Iray volan’ny teny malagasy” ihany koa ny hetsika.

Catégories: National

“Metal scène 2024”: hiray sehatra ry Manïa, Apost ary Iniah

Les Nouvelles - ven, 06/28/2024 - 10:45

Fotoana manaraka ho an’ireo mpankafy ny mozika mavesatra. “Metal scène 2024”, hotontosaina ny 30 jona ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny eny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy. Tarika telo efa manana ny lanjany eo amin’ny mozika metal no hifampizara sehatra mandritra izany: ny tarika Apost, Iniah ary Manïa.
Nosafidiana manokana ireto tarika ireto, araka ny filan’ny mpankafy. Efa elaela no tsy tazana an-tsehatra ankalamanjana ny tarika Apost, na dia nanohy ny mozika teo ihany aza. Manana hira vaovao hozaraina amin’ny mpankafy ry Abass sy ny tariny
amin’io. Tarika iray manana sanganasa maha te hihaino foana kosa ny Iniah. Hain’izy ireo ny nanafangaro ny mavesatra sy ny maivana, hanome mozika mora raisin’ny sofina. Vao namoaka rakitsary medley izy ireo, hanomezana fofony ny mozikan’ny Iniah. Seho manaraka taorian’ny tetsy amin’ny Ivokolo Analakely kosa ity ho an’ny Manïa. Manan-kozaraina amin’ireo mpankafy izy ireo, toy ny “Lasanao”, hira vaovao hivoaka rakitsary tsy ho ela.
Ny Giant no hikarakara ny hetsika. Efa fantatra eo amin’ny sehatry ny fikarakarana seho rock rahateo, satria izy ireo no niketrika ny “Rage of Rock”, ny Tselatra sy Kiaka, sns. Nosafidian’ny mpikarakara manokana ny Kianja Maitso Analamahitsy, noho izy toerana kelikely afaka hilalaovana feo tsara, ka mampiaina kokoa ny fampisehoana.

Zo ny Aina

Catégories: National

Mandray anjara amin’ny hetsika ny tarika LohArano

Les Nouvelles - ven, 06/28/2024 - 10:43

Hetsika lehibe ho an’ny tontolon’ny gadona metal sy Rock maneran-tany , atao isan-taona, ny « Hellfest Open Air Festival ». Miditra amin’ny andiany faha-17 izany amin’ity taona ity.

Tanterahina ao Clisson Frantsa, ny 27 hatramin’ny 30 jona 2024, ny «Hellfest Open Air Festival». Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny mozika mavesatra, andraisan’ny tarika avy amin’ny firenena maro anjara. Anisany sy misolo tena ny fianakaviamben’ny mozika metal eto Madagasikara, ny tarika LohArano. Ankoatra ny fampivondronana ny mpiangaly ity gadona ity, manerana izao tontolo izao, tanjona ny hisian’ny fifampizarana eo amin’ny samy mpanakanto mpihira mivoy ny mavesatra.
Efa any an-toerana ny tarika LohArano miatrika ny “Hellfest Open Air Festival”, amin’izao. Tsiahivina fa anisan’ny mandray anjara amin’ity hetsika lehibe ity ihany koa ireo tarika malaza eo amin’ny gadona metal sy rock. Anisan’izany ny Metallica, Avenged Seven Fold, Simple Plan, Baby Metal, Mr Bungle…. An-jatony ny tarika mivoy ireto gadona ireto mandray anjara amin’ny seho. Ho an’ny tarika LohaArano manokana, ao amin’ny sokajy “HellStage” no misy azy ireo, ary efa nisy ny fiakarana an-tsehatra, omaly. Anisan’ny nifampizara sehatra ta­min’izy ireo, tamin’izany, ny tarika Anenged Seven Fold, izay anisan’ny manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny gadona metal sy rock.
Reharehan’izy ireo ny fandraisana anjara amin’ity fampisehoana ity sy ny fihaonana amin’ny tarika mivoy ny gadona mavesatra, avy amin’ny lafivalon’ny tany. Ankoatra izay, mifanindry an-dalana amin’izay hatrany, manatanteraka fitetezam-paritra any Frantsa ihany koa ny tarika, nanomboka ny fiando­han’ity volana ity.

Lin

Catégories: National

« Art oratoire »: hisy ny « Festival de la Parole 2024 »

Les Nouvelles - ven, 06/28/2024 - 10:38

Efa manomana sy eo am-pikarakarana ny «Festival de la Parole 2024», ny tomponandraikitra. Anisan’izany ny «Club d’art oratoire et Débat» (CAOD), avy ao amin’ny sampam-piofanana Lalàna sy siansa politika eny Ankatso, miaraka amin’ny mpanohana maro. Lohahevitra hovoizina mandritra izany ny hoe «Fetsival de la Parole : Une plateforme pour le changement». Fampiroboroboana ny fampandraisana anjara ny vahoaka, indrindra ny tanora, no tanjona amin’ny hetsika.
Taorian’ny fandraisana anjara tamina fifaninanana iraisam-pirenena maro. Hisy ihany koa ny hetsika mahakasika izany eto an-toerana. Ao anatin’izany ny ahitana fifaninanana kabary, fandresena lahatra ary fanentanana ny olona mahakasika ny fikajiana sy fanavotana ny tontolo iainana. Raha tsiahivina, vao avy nandrombaka ny «Tournoi inter-universitaire de debats de la Hayes» ny mpianatra avy eo amin’ny Université Ca­tholique de Madagascar (UCM).

Lin

Catégories: National

Zavakanto sy mozika: hiseho any Miarinarivo ny Jazz Club CGM/GZ

Les Nouvelles - ven, 06/28/2024 - 10:36

«Hetsika ara-javakanto sy concert de jazz». Lohateny sady lohahevitry ny hetsika iray karakarain’ny Jazz Club CGM/GZ Antananarivo sy ny ankizy ary ny tanora tezaina ao amin’ny centre Alabri Mia­rinarivo Itasy. Amin’ny ankapobeny, hanana endrika fanabeazana feno, hatrany, ity hotanterahina amin’ny sabotsy 29 jona, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, eo amin’ny Place B Miarinarivo, ity. Marihina fa fanohizana ny efa nataon’ny Jazz Club CGM/GZ Antana­narivo, tany an-toerana io seho omban-javakanto (zavatra kanto) amin’ny faran’ny herinandro io.
Fantatra fa anisan’ny mandray anjara lehibe amin’ny fanabeazana ireo ankizy sy tanora ao amin’ny centre Alabri Miarinarivo Itasy ny tontolon’ny mozika sy ny hira, indrindra fa ny jazz. Mitondra fisokafan’ny saina sy fo hikaroka ny tsara kokoa hatrany rahateo ny filalaovana sy ny fahenoana ny jazz. Misy rahateo ny fiaraha-misalahy ho fampitiavana ny jazz eo amin’ny Jazz Club CGM/GZ Anta­nanarivo sy ny centre Alabri Miarinarivo Itasy.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Pages