IDEES EN GOGUETTE (Alliance92) 2025-01-22

Les Nouvelles - mer, 01/22/2025 - 14:42

Catégories: National

Olana amin’ny fananantany: Lasa antom-piveloman’ny olom-bitsy

Les Nouvelles - mer, 01/22/2025 - 07:50

Maro indrindra eny anivon’ny Fitsara­na ambony sy ny ambaratonga voalohany ny resaka taratasin’ady ma­ha­ka­sika ady tany. Efa lasa fitadiavam-bolan’ny olona maro samihafa izany, raha ny zava-misy.

Voalohany amin’ny ha­maroan’ny antotan-taratasin’ady tonga eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony ny resaka ady tany, raha ny fanadihadiana natao. Ambeti-tenin’ireo tomponandraikitra hatrany izany rehefa misy ny lanonana ofisialy samihafa. Milaza ihany koa izy ireo fa hiady amin’ny resaka halatra tany, izay misy hidiran’ny kolikoly, raha ny hita. Amin’ny ankapobeny, mifandray tanteraka ny kolikoly sy ny ady tany. Izay manam-bola na mahafantatra olona na mahitahita no matetika man­dresy amin’io taratasin’ady io, raha ny fanadihadiana natao. Amin’ny ankapobeny, misy ny tambajotra matanjaka amin’ny fakana sy fidirana an-keriny amin’ny tanin’olona. Matetika misy ifandraisan’ny mpitsara na lehiben’ny distrika na ben’ny Tanàna ary ny mpiasa eo anivon’ny fandrefesan-tany sy ny fananantany izany zava-misy izany.
Misy karazany maro ny fomba ataon’ny tambajotra mpanao izany rehefa hiditra na haka tanin’olona izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Mi­ditra sy manorina trano hain­gana eo ambonin’ny tany izay manan-tompo izy ireo. Atao izany amin’ny fotoana izay tsy maha eo an-toerana ny tompony. Mampilaza amin’ny ekipa eo anivon’ny fitsarana avy hatrany izy ireo ary manao izay hifanarahana, toy ny fanomezana ilan-tany sy ny maro hafa.
Tsy maintsy manana karine ny mpikambana ary mandoa vola latsakemboka. “Mi­antoka ny vola entin’ireo tomponandraikitra miakatra any an-drenivohitra”, hoy ny fanazavan’ireo mponina iharan’ny fangalarana tany.

Tanin’ny tokantrano 1 500 any Mangarivotra homena olon-kafa
Tokantrano manodidina ny 1 500 any Mangarivotra, izay nandoa latsakemboka 50 000 Ar isaky ny adiresy no omena olona ambony avy eto Anta­na­narivo, raha ny fanadihadiana natao. Fotoana maromaro taty aoriana, nipoitra tampoka ny tompon’ny tany, tsy nanaiky fa nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny fitsarana izy taorian’izay. Nandresy teo ani­von’ny fitsarana ary very vola ireo olona an’arivony.
Fomba faharoa ataon’ny mpanambola ny manisy orimbato amin’ny tanin’olona na efa misy mipetraka aza eo amboniny. Fihetsika hahafahana manome volabe ho an’ ny mpiasan’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany ary ny fi­tsarana izy io. Rehefa vita ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta, tonga mandrava ny trano ireo vaditany sy mpitandro filaminana. Olona maro, araka izany, ny mahantra tampoka noho izany zava-misy izany. Amin’ny ankapobeny, efa lasa antom-piveloman’ny fikambanana mpangalatra tany ny fanaovana ireo fombafomba sy fihetsika maro samihafa ireo. Maro, araka izany, ny very vola.

Arahi-maso ny fananganana fikambanana
Nametraka fepetra hentitra ny prefektoran’i Toamasina fa arahi-maso ireo mpanangana fikambanan mpangalatra tany, nandritra ny fandalovan’ny mi­nisitry ny Fitsinjaram-pahefana, Andriantsitohaina Naina, tany Toamasina, ny 04 aogositra 2024 lasa teo. “Tapaka nandritra izany, fa samborina avy hatrany ireo minia manao izany”, hoy ny prefet an’ i Toa­masina, Benandrasana Cyril. Nohamafisin’ny prefet fa manana andraikitra sy adidy ny mpanao gazety hitaiza ny olona amin’ny famantarana izay voalazan’ny lalàna mom­ba ny fananantany.

Didim-pitsarana no tanterahina

Tora-bato, horakoraka, ompa sy ny maro hafa no ataon’ ireo mponina amin’ireo tomponandraikitra maro samihafa tonga mandrava tranon’olona, raha ny zava-misy. Voakasik’izany avokoa na ireo vaditany na ireo mpitandro filaminana. « Tsy maintsy ampandrenesina ny fitsarana, izay mpamoaka didy, sy ny mpampanoa lalàna ambony, izay lehibe eo anivon’ny fitsarana, rehefa misy didy mivoaka fanesorana olona eo amin’ny tranony », hoy ny Maître Rarivoarivony Andriatafaina Haja Fitiavana, filohan’ny vaditany sy mpanao lavanty eto Madagasikara, raha nanaovana fanadihadiana. Nambarany fa tsy maintsy ampandrenesina izy hahalalany ireo didy mi­fandraika aminy. Ankoatra izay, omena fotoana ihany koa ireo olona iharan’ny fandrodanana trano sy ireo voalaza ho tompon’ny tany. “Manatanteraka ny voasoratr’ilay didim-pitsarana fotsiny izahay ety ambany”, hoy ny fanazavan’ity filohan’ny vaditany sy mpanao lavanty eto Madagasikara ity.
Marihina fa efa betsaka ireo vaditany misedra olana eo amin’ny fanatanterahana ny asany, raha ny fanazavana voaray.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

Ampasimbe Brickaville : Lehilahy iray maty voatsatoka antsy

Les Nouvelles - mer, 01/22/2025 - 07:49

Lehilahy iray tokony ho 40 taona eo ho eo no maty voa­tsatoka antsy, afakomaly ta­min’ny 5 ora sy sasany maraina, tany amin’ny kaominina Ampasimbe, Brickaville. Na­hita olona iray efa maty tao anaty alan’Ambodimanga Be­navony, 300 metatra miala ny tanàna ao Sahanibibaka, ireo mponina handeha hanao ny asa aman-draharahany, ta­min’io fotoana io. Nampaha­fantatra ny tomponandraikitra sy ny mpitandro filaminana avy hatrany izy ireo taorian’ny tranga. Tonga nijery sy nanao fizahana ny razana ny mpitsabo avy any Ampasimbe sy ireo zandary avy amin’ny borigadin’i Rano­mafana Atsina­nana sy avy any Ampasimbe.
Tsindron’antsy telo teo amin’ny tendany sy ny tanany roa no nihatra tamin’ity lehilahy maty ity, niteraka ny fahafatesany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Ankoatra izay, tsy nahitana taratasy nahafantarana azy ny razana. Na teo aza izany, fantatry ny mponina teny an-toerana fa mponina avy any amin’ny
distrika Vatomandry ity niharan-doza ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny borigadin’i Ranomafana Atsinanana. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary mahakasika ity raharaha ity.

Mino

Catégories: National

Distrika Manjakandriana : Nanangana fikambanana ireo ben’ny Tanàna

Les Nouvelles - mer, 01/22/2025 - 07:49

Nampitovy tadin-dokanga ho an’ny tombontsoa iraisana. Nanangana fikambanana ireo ben’ny Tanàna rehetra voafidy ao amin’ny distrika Manjakandriana, omaly.

Nofidin’izy ireo ho filohan’izany fikambanana izany ny ben’ny Tanàna voafidy tao amin’ny kaominina Nandihizana Carion, Rakoto­nirina Zo Ny Aina. “Tanjona amin’ny fananganana fikambanana toy izao ny fampisitrahana tombontsoa iombonana ho an’ny kaominina tsirairay. Anisan’izany ny fanohanana sy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana na koa ireo avy amin’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka”, hoy ity filohan’ny fikamban’ny ben’ ny Tanàna eo anivon’ny distrika Manjakandriana ity.
Nanamafy izany ireo ben’ny Tanàna namany fa anisan’izany koa ny fanomezana tantsoroka ho an’ireo mpitantana eny ifotony ireo. “Hifam­pizara traikefa sy hifanakalo fahaiza-manao izahay rehetra samy ben’ny Tanàna”, hoy izy ireo.
Nankasitraka ireo ben’ny Tanàna namany nametraka fitokisana taminy ny filoha mitarika ity fikambanana ity. Nambarany fa anisan’ny vina maharitra iarahan’izy rehetra ny hampitoviana tantana ny fampandrosoana isaky ny kaominina.
Tsiahivina fa efa fanao sy fomba fiasa nataon’ireo samy ben’ny Tanàna ny fampivondronan-kery tahaka izao ary tsy ijerena loko politika na firehana. Itoviana kosa ny fampandrosoana miaraka ny kaominina tantanina.

Synèse R.

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - mer, 01/22/2025 - 07:48

Hanamarika ity herinandro ity ny atrikasa lehibe hotanterahina any Mantasoa, mandritra ny roa andro (hanomboka rahampitso). Mikendry ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara izany, araka ny nambaran’ny minisitra mpiahy.

Tonga nitsidika ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao amin’ny toeram-piasany, Ambohidahy, ny masoivohon’i Norvezy vaovao eto Madagasikara, Hajaina Gjermund Saether. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny fahavononan’ity firenena ity hanohy ny fanohanany an’i Madagasikara amin’ny ezaka fanatsarana sy fampiroboroboana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.

Nitafa tamin’ny minisitry ny Fampiananarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny filohan’ny Fikambanan’ny orinasa ao Vakinankaratra (Fiova), niaraka amin’ny talem-paritry ny ETFP Vakinankaratra. Manana anjara toerana amin’ny fanohanana ny tanora ao Vakinankaratra ny Fiova ary anisan’ireo tantsoroka ataony ny fanomezana fizaran’asa ho an’ireo tanora.

Nitafa tamin’ny minisitry ny Fanabeazam-pire­nena ny sendikan’ny mpitsirika ara-pedagojia eto Madagasikara, notarihin’ny filohany. Mizara roa ny andraikitr’ireto mpitsirika ireto. Miandraikitra ny fitsirihana ara-pedagojia izay tantanin’ny foibem-pitondrana misahana ny tantsoroka an-tsekoly sy ny fitsirihana ara-pedagojia.

Catégories: National

Miss maman Madagasikara : Hisafidianana ireo reny mendrika

Les Nouvelles - mer, 01/22/2025 - 07:48

Efa lasa fikambanana amin’ izao fotoana ny Miss maman Madagasikara (MMM), manana tanjona handrisika ny reny hikajy ny endrika sy bika fa koa handray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina. Hetsika nahafantarana azy nandritra ny taona efatra nifanesy ny fikarakarana fifaninanana Miss maman eto Madagasikara. Hiditra amin’ny andiany fahadimy izany amin’ity taona ity. «Ni­sokatra tamin’ny fiandohan’ny volana ny fandraisana ny anaran’ireo vonona hifaninana ary hikatona ny 26 janoary ho avy izao, ho an’ny faritra Ana­lamanga», hoy ny filohan’ny fikambanana Salabert Rosi­nah, omaly, teny Ambohibao. Fanehoana ny reny mendrika ny fifaninanana ka tsy ny ha­tsarana hita maso no hifantenana azy ireo fa ny hatsarana avy ao anaty hivoaka hita taratra ety ivelany. Mbola miatrika fiofanana ireo nisoratra anarana hifaninana ka ani­san’ny hitsarana azy ireo ny vokatry ny fiofanana ataony. Ny akanjo entina mifaninana, ohatra. Miantefa amin’ireo reny rehetra 25 taona no ho miakatra, tafiditra ao koa ireo manana fahasembanana, ny fifaninanana.
Ankoatra ny fifaninanana, hijery manokana ny hanampiana ny reny ny fikambanana ka hisy fampiofanana maimaimpoana hiteraka asa karakaraina tsy ho ela. «Entanina ny vehivavy rehetra hiditra ho mpikambana ao amin’ny fi­kambanana fa eo anivon’izany no hitondrana ny fiofanana», hoy ny mpanolotsaina, Hari­mampianina Lova.

Vonjy

Catégories: National

Fiakaran’ny vidim-piainana: Mihena ny fahefa-mividy sy ny fanjifana ny entana

Les Nouvelles - mar, 01/21/2025 - 07:59

Amin’ny ankapobeny, miakatra ny vi­din-javatra rehetra amin’ny tany iray ary mitohy sy ma­haritra. Tam­bin’ izay, mihena ny fahefa-mividy, mihakely na tsy voavidy intsony ny tolotra misy raha oharina amin’ny teo aloha.

Tokony ho voalohany manome aina ny toekarena malagasy ny fambolena sy ny fiompiana atao eto an-toerana. Raha nitombo kely izany ny taona 2023, nampiakatra kely ny harinkarena faobe ho 3,8%, nihena indray izany tamin’ny taon-dasa, noho ny faharatsian’ny andro izay hitohy amin’ity taona 2025 ity. Manaraka izay, ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, nefa ratsy ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, manaraka ny indostria mpanao lamba sy ny serasera eto amintsika. Ny hafa, toy ny fizahantany tsy mankaiza firy, indrindra noho ny fahalafosan’ny saran-dalana. Na izany aza, miverina tsikelikely ihany ny mpizahatany.
Efa lafo ny vidim-piainana tamin’ny taona 2023, niha sa­rotra izany tamin’ny 2024, indrindra noho ny fihenam-bokatra rehetra na ny vidin’ny harena an-kibon’ny tany nihena ny vidiny any ivelany. Tsy ampy ny fampiasam-bola teto an-toerana. 7,9 % monja ny nindram-bola tamin’ny banky, izay tsy nankany amin’ny famokarana ny betsaka.
Nihem-bidy avokoa ireo vokatra lehibe fanondrana, toy ny lavanila, jirofo, nickel sy cobalt; vokatra ratsy amin’ny ankapobeny ny avy any ivelany, satria mora ny hanafarana azy ireny nefa amidy lafo amin’ny mpanjifa eto an-toerana; ny fanitsiana tetibola taona 2024, nanampiana ny vidin’ny angovo; ny trosa nahatratra 55,6 % amin’ny harin-karena faobe (PIB) tamin’ny taona 2023.
Vahaolana, ny taona 2025 hatramin’ny 2026, tokony hisy ny fanavaozana ny fitantanam-bolam-panjakana; tokony hitombo ny fampiasam-bola avy amin’ny tsy miankina, hatsaraina sy hampitomboina ny fotodrafitrasa, hasongadina manokana ny angovo. Tsy tokony ho betsaka intsony ny fatiantoka amin’ny tetibolam-panjakana raha oharina amin’ny harin-karena faobe.

Lafo loatra ny sakafo

Ny hamaritana ny fiakaran’ny vidim-piainana dia avy amin’ny fiakaran’ny vidin-javatra, tsy mifandanja ny tolotra sy ny tinady ary maivana ny sandam-bola. Antony mahatonga izany ny fiantraikan’ny filana fototra, ny fanitsiana ny tetibola, ny zava-misy any ivelany ary ny fahamaivananan’ny sandam-bola.
Voasokajy ho anisan’ny tany mahantra i Madagasikara sy ipetrahan’ny tsy fitoviana be loatra. 80% miaina latsaky ny 1,90 dolara isan’andro, betsaka ny any ambanivohitra.

Miankina amin’ny vidin-tsolika

Araka ny vaovao farany, nidina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny vidin-tsolika eny amin’ny mpaninjara eto amintsika (Lasantsy: 5700Ar/L, Ga­zoala : 4760 Ar/L). Tamin’ny volana jolay 2022 no nisy fiakaran’ny vidin-tsolika farany teto Madagasikara (Lasantsy: 5900 Ar/L, Gazoala: 4900 Ar/L).
Feo mandeha matetika na misy aza ny fidiran’ny fanjakana, tombanana fa mety hisondrotra ny vidin-tsolika amin’ity taona 2025 ity. Tsy izay anefa ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Manaraka tsikelikely ny tena vidiny. Antony iray lehibe mampidangana ny vidim-piainana ny vidin-tsolika, ka tsy maintsy ferana. Satria betsaka ny sehatra miankina aminy, ohatra, ny fitaterana. “Efa amin’ny vidiny tsy tena izy io nampiharina tamin’ny 2022 io sady efa roa taona izao tsy nisy fiakarany koa rariny raha zahana amin’izay ny vidiny eny amin’ny mpaninjara”, hoy ny mpaninjara iray.

CREATOR: gd-jpeg v1.0 (using IJG JPEG v62), quality = 85

Fambolena sy fiompiana

Mila fanohanan’ny fanjakana

Araka ny nambaran’ny Instat na Ivontoerana momba ny antontanisa, roa taona nifanesy izay (2023 sy 2024), nitombo ny fiakaran’ny vidim-piainana teto Madagasikara. Isan-taona, raha ny salanisa, 9,9% ny fiakaran’ny vidim-piainana. Tena ahitana izany ny vidin-tsakafo, indrindra ny vary, izay mafy amin’ny tokantrano maro hatramin’izao.
Voalaza fa ny antony voalohany, noho ny fiovan’ny toetr’andro izay maina amin’ny faritra maro fa eo koa ny fanararaotan’ny mpivarotra sasany. Mahakasika vokatra maro, 90 %, nitombo daholo ny vidiny. Tsy afaka amin’izay fisondrotana izay koa ireo entana avy any ivelany.
Vahaolana naroso ny fahafahan’ny ny fanjakana miditra amin’ny fanampiana (subvention) ny vokatry ny fambolena sy fiompiana eto an-toerana ary manara-maso izany. Jerena sy hatsaraina ny lalan’ny famatsiana rehetra sy ny tahiry misy, tsy ambanin-javatra ny fanamboaran-dalana mankany amin’ny kaominina mpamokatra rehetra. Araka ny nambaran’ny Instat, manana andraikitra ny Banky foibe amin’ny fanatsarana ny politika ara-bola eto an-toerana. Toy izany koa ny hetra, hamaivanina ny mahakasika ny filana fototra rehetra (PPN), avahana tsara ny varotra ary ampitomboina ny fampiasam-bola amin’ny angovo, fambolena sy fiompiana, fizahantany, teknolojia vaovao, ny fiarovana ny tontolo iainana …

Nanatontosa : Mathieu R.

Catégories: National

Serasera sy kolontsaina : Ho mpiara-miasa akaiky i Egypta

Les Nouvelles - mar, 01/21/2025 - 07:58

Efa nisy ny fiaraha-miasa hatramin’izay, saingy nohama­fisina izany. Tonga nitsidika ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, tetsy amin’ny birao fiasany etsy Nanisana, ny masoivohon’i Egypta miasa eto, Rabab Said Abdou Abdelhadi. Niompana tamin’ny lafiny serasera sy ny kolontsaina ny dinika teo amin’ny roa tonta. Anisan’ny nivoaka tamin’izany ny fandefasana mpanao gazety hiatrika fiofanana any Egypta, ka hisy 10 ireo nosafidiana, handeha amin’ity herinandro ity. Eo amin’ny lafiny kolontsaina kosa, hisy ny fampiofanana sy fifampizarana traikefa eo amin’ ny Malagasy sy egyptianina mpanakanto. Hisy mpanakanto avy any Egypta ho avy eto, hanatontosa izay. Anisan’ny nodinihina ihany koa ny lafiny fiarovana sy fitantanana ireo harembakoka eto Madagasikara. Iaraha-mahalala fa anisan’ireo
firenena voalohany maneran-tany manana traikefa amin’ny fitantanana ny vakoka i Egypta, noho ny fananany maro amin’ izany. Hotontosaina tsy ho ela ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta.

Zo ny Aina

Catégories: National

Fiaraha-miasa : Hanampy ny tanora eo amin’ny demokrasia ny UE

Les Nouvelles - mar, 01/21/2025 - 07:57

Natao sonia tany Toliara, ny herinandro teo, ny fampahafantarana ny paikady iarahan’ny Vondrona eoropeanina sy ny minisiteran’ny Tetibola sy ny toekarena (MEF). Niatrika izany ny masoivohon’ i Alemaina sy i Frantsa ary ny UE. Teo koa ny avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo.

Fandaharanasa hatramin’ ny taona 2027 izany ka mitentina 5 000 miliara Ar. Nivoitra tamin’izany ny fam­pivondronana ny hery mba hahomby ny ho fiantraikany ho an’ireo mpahazo tombontsoa. Anisan’ny mpisehatra amin’ izany ny AFD, GIZ, BEI, DGECHO, KFW.

Hiompanan’ny tetikady ny famatsiam-bola ho an’ny ta­nora amin’ny fanamafisana ny fanabeazana sy ny fanofanana ary ny fahasalamana. Eo koa ny fiainana ara-demokratika sy ny maha olom-pirenena. Ny momba ny tontolo maitso ho fampiroboroboana ny toeka­rena amin’ny alalalan’ny fambolena sy ny ala ary ny jono. Ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ambanin’ ny tany sy anaty rano miaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tetikady farany ny angovo azo havaozina, mikendry ny fampitomboana sy fanatsa­rana ny fahazoana herinaratra eny ambanivohitra.

Nitohy tany Mangily Ifaty ny fitsidihan’ireto delgasionina ireto ka ny momba ny angovo azo havaozina vatsian’ny AFD vola sy ny UE no notsidihina tamin’izany. Eo koa ny fijerena ny tetikasa “Fanainga+”. Na­tomboka ny taona 2018 izany ary notanterahin’ny ekipa UE sy ny avy amin’i Monaco.

CMS sy i Synese R.

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 01/21/2025 - 07:56

Nanatanteraka fanazarantena sy fiofanana ho an’ny mpanazatra ny eo anivon’ny ligin’Analamangan’ny taranja kung fu, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika izany ny Grand Maitre Avoko. Ny faritra Itasy indray no hisitraka ity fanazarantena sy fiofanana ity amin’ny fotoana manaraka. Hotanterahina ny 25 janoary izao kosa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, ho an’ny taranja Kung fu.
Ao anatin’ny fifaninanana rezionaly ho an’ny sokajy Jeunes amin’izao ny eo anivon’ny ligin’ Anala­mangan’ny taranja Volley-ball. Fifaninanana tanterahina eny amin’ny kianja Akany Sambatra Itaosy. Lalao teo amin’ny 30 teo no notontosaina ny sabotsy 18 sy alahady 19 janoary lasa teo, mbola hitohy ny faran’ny herinandro izao izany, araka ny fandaharam-potoana.
Niatrika ny lalao voalohany tao amin’ny Paris Fc, sokajy U19, i El Hadary, Malagasy mpilalao baolina kitra, omaly, tany France. Nihaona tamin’ny FC Metz ny tenany sy ity kliobany vaovao ity. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta, ary 70 minitra ihany ny fe-potoana nomena ity Malagasy lohalaharana ity, tamin’izany. Marihina fa tsy nahatafiditra baolina i El Hadary tamin’io fifanandrinana io.
Mitarika vonjimaika eo amin’ny laharana voalohany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, ny klioba Real Madrid, amin’izao fotoana izao. Manana isa 46 izy ireo, ary manaraka azy ao kosa, ny Atletico Madrid, 44 isa, raha toa ka fahatelo, ny Fc Barcelone, 39 isa.

Catégories: National

“RNS 2025” : Feno 50 taona ny hetsika

Les Nouvelles - mar, 01/21/2025 - 07:56

Hotanterahina ao Vichy France, ny fihaonana ara-panatanjahantena sy kolotsaina, ho an’ireo Malagasy mipetraka any Eoropa sy ny manodidina, na Rencontre nationale sportive (RNS 2025). Hatao mandritra ny herinandron’ny paska izany, hanomboka ny 19 ka hatramin’ny 21 avrily ho avy izao.
Hiavaka ny amin’ity satria feno 50 taona ny nanaovana ny hetsika. Araka izany, nambaran’ireo mpikarakara fa atao manetriketrika ny fifankahitana any an-toerana. An­koatra ny fifaninanana ara-panatanjahantena efa mahazatra, hisy koa ny fampirantiana ireo vokatra malagasy, toy ny asa tanana sy ireo sakafo malagasy, ho hita amin’ireo tranoheva mandritra ny hateloana.
Mialoha ny tena fihaonana, efa nisy ny fifaninanana ho an’ny sary famantarana ny “RNS 2025” ka nandrombaka ny fandresena i Mitia Bac­hasse, mpianatra amin’ny Sam­pana tsena sy varotra ary efa mpandray anjara hatrany amin’ny RNS, toy ny fanaovana asa an-tsitrapo amin’ny taranja basikety.
Tsiahivina fa faninefany amin’izao ny tanànan’i Vichy no hampiantrano ny “RNS”. Nanomboka ny taona 2022 ka hatramin’ny 2024, miisa 12 ny taranja hifaninanana amin’ity ka anisan’ny malaza indrindra ny basikety sy ny baolina kitra. Mahatratra hatrany amin’ny 8 000 ireo mpitsidika andrasana amin’ity faha-50 taonan’ny “RNS” 2025 ity.

Tompondaka

Catégories: National

Open Casablanca : « Maro ny tokony hohatsaraina », hoy Razafindrakalo R. Natacha

Les Nouvelles - lun, 01/20/2025 - 07:54

Naneho ny heviny ny Malagasy mpikatroka ny taranja Judo, Razafindrakalo Ralevazaha Natacha, taorian’ ny fififaninanana “Open d’Afri­que de Casablanca” nataony tany Maraoka, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa mbola maro ny tokony hohatsaraina amin’ny fahaiza-manaony. “Na tsy nahazo medaly aza aho, nisy lesoka sy traikefa maro noraisiko”, hoy ny nambarany. Fanom­bohana ihany iny, hoy izy, fa mitohy ny lalana. Tsiahivina fa ny sabotsy lasa teo no niakatra an-tsehatra i Natacha, teo amin’ny sokajy latsaky ny 48kg. Niezaka mafy izy tamin’ny fihodinana voalohany ary naharesy ny mpifanandrina taminy. Teo amin’ny dingana faharoa kosa izy no resy ka tsy afaka niatrika ny fiadiana ny medaly alimo. Laharana voalohany, malagasy, eo amin’ity sokajy ity, Ralevazaha Natacha ary tompondakan’i Madagasikara nisesisesy.

Mi.Raz

Catégories: National

ny PASITERA Dr Andriamahazosoa : “Mpitarika sy mpanitsy ny fanjakana ny fiangonana”

Les Nouvelles - lun, 01/20/2025 - 07:54

Tsy nitsitsy fitenenana hatrany. Nambaran’ny filohan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, tamin’ny fanambarana nataony fa tsy maintsy hirodana raha manorina eo ambony fasika.

Nanteriny tamin’izany ny tokony hanohizana ny fotokevitra efa novoiziny.”Tsy azo atao fitaovana politika ny fiangonana ary tsy tompon’ny fanjakana na mpanompony. Ny fiangonana no fieritreretan’ny fanjakana ary ho mpitarika sy mpanitsy azy”, hoy izy teny Ivato, tamin’ ny fanokafana ny taom-piasan’ny FJKM. Fotoana koa io nanambarana ny handehanany hisotro ronono sy nanaovany veloma ny fitantanana ny fiangonana.
Mbola nohamafisiny ny tsy fankatoavana ny fanambadian’ny mitovy fananahana sy ny fivavahana satanika. Teo koa ny hafatrafatra amin’ny tokony hanajana sy hiarovana ny tontolo iainana.
Teo amin’ny teny fampianarana kosa no nanambaran’ny mpitandrina Andriamampi­anina Zaka Hary Masy, fa tokony hojerena ny hananana kalitao sy ny hamaroana. Eo koa ny hahefana be sy tsara ary betsaka mandrakariva eo anivon’ny FJKM ka tokony hirosoana any amin’ny asa maha vokatra izany. “Itarihana antsika izany… “, hoy izy.
Tsiahivina fa tonga maro niatrika izao fotoam-pivavahana izao ireo mpanao politika, toa ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny filoha nasionalin’ny MMM, Andria­nai­na­rivelo Hajo. Teo koa ireo solombavambahoaka sy ireo ben’ny Tanàna manodidina an’Antananarivo.

Synèse R.

Catégories: National

Famotsoran-keloka faobe avy amin’ny filohan’ny Repoblika : Voafonja miisa 450 misitraka izany ho an’ny fonjaben’Ambalatavoahangy

Les Nouvelles - lun, 01/20/2025 - 07:53

Araka ny didim-panjakana laharana faha-2024/2 147, ny 10 janoary 2025, nilazan’ny filoham-pirenena ny famotsoran-keloka faobe, izay mifanaraka amin’ny didy aman- dalàna mifandraika amin’ny sazy mahavoaheloka ny tsirairay avy, ary mbola misy andinin-dalàna miisa 25 be izao kosa izay karazan-keloka tsy ahafahana misitraka izany fampihenan-tsazy faobe izany.

Anisan’ny tsy hisitrahina an’izany famotsoran-keloka faobe izany ny fanondranana olona antsoko­soko, ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy, ny famotsiam-bola, ny fa­nondranana antsokosoko ny harem-pirenena, toy ny andramena, volamena sy maro hafa. Tafiditra ao koa ny vono olona sy ny fananganana tambajotran-jiolahy entina handravana sy hanaovana fanafihana mitam-piadiana, ny fa­me­renan-keloka (récidive), ny fanafihana filoham-pirenena, ity farany izay voafaritry ny lalàna famaizana laharana faha-87. Ary ny fanafihana fiarovam-pirenena ao anatin’ny fanjakana, voafaritry ny andininy faha-90 sy 91 amin’ny lala­na famaizana, raha tsy hilaza afa-tsy ireo aloha ho an’ny tsy fisitrahana ny fanalefahan-tsazy faobe.
Amin’ny ankapobeny, mi­to­taly 1 333 ny isan’ny voafonja ao amin’ny fonjaben’ Amba­latavoahangy, raha nahatratra hatramin’ny 450 kosa ireo misitraka ny famotsoran-keloka avy amin’ny filoham-pirenena, Andry Nirina  Rajoelina. Amin’ izany indrindra, mahatratra hatramin’ny 59,71 isan-jato ny voafonja efa voatsara, raha 34,43 isan-jato mbola miandry fotoam-pitsarana azy ary ny 5,86 isan-jato nanao fampiakarana sy fangatahana fanohanana didy nivoaka taminy.

Nananatra ireo voafonja ny lehiben’ny fonja…
Mitsinjara dimy ny karazan-keloka hifonjan’ ireo voafonja ao Ambalatavoahangy. Voalohany  30,38 isan-jato ny halatra sy fakana zavatr’olona antsokosoko sy mitovitovy amin’ izany, faharoa 9,15 isan-jato ny vonoan’olona mifandraika tamina halatra, fahatelo, 8,33 isan-jato ny  fanolanana. Ny taona 2024, iray tamin’ ireto no tsy maintsy namoahana didy famosirana, raha 7,37 isan-jato izany ny taona 2023. Raha tsorina dia niakatra ny tahan’ny fanolanana sy olona voafonja amin’ izany ny taona 2024. Fahefatra 4, 43 isan-jato ny fikambanan-jiolahy ary ny fahadimy farany: 3,53 isan-jato ny halatra omby. Raha hiverenana ny amin’ ireo 450 nisitraka ny famotsoran-keloka, 121 aloha hatreto no nivoaka avy hatrany izay notontosaina ny zoma tolakandro teo ny fikirakirana ny antotataratasy mahakasika izany, tao ny sasany avy hatrany dia nandeha nandro sy nijibika ranomasina mba tsy hiverenana anaty fonja, hialàn’ny ratsy. Ny ambiny kosa hivoaka tsikelikely, arakaraka ny momba azy sy saziny. Teto dia tsodrano no nomen’ny lehiben’ny fonja ny mba tsy hiverenan’ireo hivoaka ny fonja. “Hiverina ami’ny fiarahamonina ianareo, mahaiza manova toetra, raha tsy nanao na inona na inona ianao fa ataonao hoe endrikendrika ny nahatafiditra anao tato amin’ny fonja dia mitandrema ihany, fitaizana tato mba hanovana izay tsy nety teny anivon’ny rafi-piarahamonona” hoy Zafilahy Stephanson Vonjy.

Miisa 60 voaheloka mandra-pahafaty, ny telo vehivavy

Mahatratra hatramin’ny 60 kosa ireo voaheloka an-terivozona mandra-pahafaty ao Ambalatavoahangy, ary vehivavy ny telo amin’ ireo. Ireto farany dia antontan-taratasin’ady tsaraina eo anivon’ny Sampam-pitsarana ady heloka be vava avokoa ( Cour criminelle ordinaire), nahatsarana antontan-taratasin’ady miisa 204 ny taona 2024, raha 29 kosa ny C.C.S (Cour criminelle spéciale) izay miisa 29. Raha ny fotoam-pitsarana na koa hoe ny ady notsaraina teo anivon’ny Sampam-pitsarana ambaratonga voalohany dia nahatratra 1 830 ny fanamelohana, ireo rehetra ireo manome fanamelohana am-ponja nitotaly 2 063 ho an’ny taona 2024. Raha hiverenana ny fivoahana amin’ny fonja tato anatin’ny telo taona nifanesy, mitotaly 1 671 ny taona 2022, 1 791 ny taona 2023 ary nahatratra 1 877 ny fivoahana ny fonja ny taona 2024.

Fonja mamokatra mahavelotegna
« Amin’ny ankapobeny manana toby famokarana, fambolena sy fiompiana, ny fonjaben’ Ambalatavoahangy ao Fanadrana, Antanandava, Foulpointe ary mahavokatra toy ny vary, mangahazo, vomanga, anana izany. Saika voafonja efa voatsara ary azo antoka tsy handositra no hapetraka any an-toerana, mbola tsy nisy nandositra rahateo amin’ ireny toerana voalaza ireny” hoy ny lehiben’ny fonja. Nohamafisiny fa efa miroborobo ihany koa ny fampiofanana asa tanana fikirakirana hazo ho an’ny lehilahy, zaitra sy rary ho an’ny vehivavy, ka mitotaly  707 ny efa notolorana mari-pankasitrahana na Certificats. Raha tsorina, « fonja mahavelotegna ary manao fomba fitaizana ny mba hananan’ireo voafonja fitondrantena marina sy madio rehefa eny anivon’ny rafi-piarahamonina ny mpandraharahan’ny fonja ato Ambalatavoahangy” hoy izy nanamafy.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 01/20/2025 - 07:51

Hampanofaina ho birao ny hotely Kintana 5 eny amin’ny CCI Ivato, na koa havadika ho toeram-pivarotana azo tsidihin’ny mpizahatany mandalo eto Madagasikara. Niaraka naorina tamin’ny efitrano fivoriana CCI Ivato ny hotely Kintana 5, saingy tsy nampidi-bola mihitsy. Nandaniana vola 15 tapitrisa dolara ny nananganana azy tamin’ny taona 2008, ahitana rihana 32.

Mitokona ny mpanao fanaka any Ambaton­dra­zaka, mitaky ny hamoahana ireo hazo tsy ara-dalàna nogiazan’ny fanjakana. Mampahatsiahy ny minisiteran’ny Tontolo iainana fa misy ny lalàna mifehy ny fi­tran­drahana, ny fivarotana ny hazo eny am-potony, na voahodina (bois carré, batane, planche…). Tsiahivina fa tazonina vonjimaika any am-ponja ny olona 3, arahi-maso ara-pitsarana ny 3 ary nohafahana vonjimaika ny 10 tamin’ireo voarohirohy.

Vita ny asa fanamboarana ny ampahan-dalana Amoron’Akona, By-Pass, notanterahin’ny orinasa Etec. Asa voalohany natao ny fanadiovana ny tatatra, nanesorana ny rano sy fanadiovana ny fivoahan’ny rano maloto. Niditra tamin’ny fandrakofana godirao avy eo, namerenana amin’ny laoniny ny lalana. Tsiahivina fa mitohy hatrany ny fanarenan-dalana eto an-dRenivohitra.

Catégories: National

Fahavitantena ara-tsakafo: Fikaonandoha mahakasika ny fanodinam-bokatra

Les Nouvelles - lun, 01/20/2025 - 07:51

Hatao ny 23 sy ny 24 ja­noary ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny fikaonandoham-pirenena mahakasika ny fanodinam-bokatra ara-pambolena. Handray anjara ao daholo ny mpisehatra voakasika rehetra, hidinika ny zavatra manan-danja, ny fanamby hapetraka ary ny vahaolana horaisina. Tanjona ny hampitomboana sy ny hisian’ny fiantraikany tsara amin’ny famokarana eto amintsika. Hisy ny drafitrasam-pirenena havoaka aorian’ny fivoriana.
Mivelona amin’ny sehatry ny fambolena ny 80% ny malagasy. Avy amin’ny fambolena ny 26% ny Harin-karena faobe (PIB). Saingy kely ny tahan’ny vokatra, satria tsy ampy ny fitaovam-pamokarana mekanika, fa mbola fitaovam-pamokarana nentin-drazana no ampi­asaina. Eo koa, ny fiovan’ ny toetr’andro, tsy ahafahan’ny firenena manana vokatra ampy sy mahaleo tena ara-tsakafo. Maro, ankehitriny, ny hetsika tohanan’ny fanjakana mivantana, sy ny fiarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, ny tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena. Mila ha­tsaraina sy zava-baovao anefa ireny ezaka ireny, mahatonga ity fikaonandoham-pirenena voalohany hatao ity.
Hanokatra ny fotoana ny filoha Rajoelina, izay karakarain’ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fiompiana (Minae) sy ny sekretariam-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo ary ny fandaharanasa Fihariana.

Njaka A.

Catégories: National

RAVINCE: mpamantatra ny toetry ny andro

Les Nouvelles - sam, 01/18/2025 - 18:00

Catégories: National

Sombim-baovao

Les Nouvelles - sam, 01/18/2025 - 07:17

Araka ny fampitam-baovao avy amin’i Bandy Akama, mpanao gazety sy tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny klioba Elgeco Plus, omaly, voafidy ho mpanazatra hitondra ny klioba Elgeco Plus, Rafanomezantsoa Oelison na I Careca. Tsiahivina fa efa nitantana ity ekipa ity ihany i Careca teo aloha.

Tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Mpanjakan’i Espagne, ny ekipan’ny Real Madrid FC, afakomaly. Lavon’izy ireo ta­min’ny isa 5 no ho 2, ny Celta Vigo, nandritra ny fihaonana ampahavalon-dalana. Nahatafiditra baolina roa tamin’ity moa i Endrick, brezilianina lohalaharan’ny Real Madrid.

Hotanterahina ny fiandohan’ny volana febroary izao, any Kenya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Échecs, ho an’ny sokajy “Jeunes”. Hivoaka tsy ho ela ny anaran’ireo solontena malagasy amin’izany. Hatao any Maorisy kosa ny an’ny sokajy Seniors, ny volana avrily.

Hotontosaina ny 1 hatramin’ny 14 avrily izao, any Nizeria, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Volley-ball, ho an’ny sokajy vehivavy. Marihina fa nosarahina ny fifaninanana ho an’ny sokajy lehilahy sy vehivavy tamin’ity ka any Lybie no hatao ny an’ny lehilahy, ny 17 hatramin’ny 30 avrily izao

Catégories: National

Tenisy – Afrika Aostraly: resin’i Zimbabwe i Madagasikara

Les Nouvelles - sam, 01/18/2025 - 07:15

Nitohy omaly, tany Whindoek Namibie, ny fifanintsanana isan-tarika amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, sokajy U14 sy U16, lahy sy vavy. Resin’ny ekipan’i Zimbabwe, tamin’ny isa 2 no ho 0 teo amin’ ny manasa-dalana, ny Akomba de Madagascar U14, lehilahy.
Ho an’olon-tokana, resin’i Mauchi, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/1), Rakotondramboa Sébastien. Tsy niady mihitsy ny fihaonan’izy mirahalahy fa toy ny nanaovan’ilay zimbaboeanina fanazarantena fotsiny ny tovolahy. Teo amin’ny fihaonana faharoa, Razafindrazaka Ny Avo, niondrika teo anatrehan’i Badza, tamin’ny seta 2 ihany koa (6/7 ; 4/6).
Niady ny laharana fahatelo tamin’i Botswana i Madagasikara taorian’io saingy mbola resy tamin’ny isa 2 no ho 0 indray. Namotsotra ny medaly alimo izany ny tovolahy malagasy, tamin’ity. Na izany aza, nahazo traikefa ny mpilalao. Nambaran’ny tale teknika malagasy, mitondra ny ekipa any an-toerana fa mahavelombolo ny vokatra azon’ny Akomba, tamin’ity fifaninanana ity.

Tompondaka

Catégories: National

Baolina kitra-Barea U17: voaasa hiatrika fifaninanana iray volana any Maroc

Les Nouvelles - sam, 01/18/2025 - 07:14

Nanainga afakomaly hariva, tetsy Ivato, hihazo an’i Maroc, ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Mada­gascar, sokajy zandriny, U17 lehilahy. Araka ny vaovao voaray, omaly, hiatrika lalao ara-pirahalahiana any Maroc ireto Barea zandriny ireto, mandritra ny iray volana. Tsara marihina fa nahazo fanasana avy amin’ilay klioba any an-toerana, Raja Club Athletic, izy ireo.
Raha tsy misy ny fiovana farany, hifanandrina amin’i Maroc, U17, koa ny ekipa nasionaly malagasy. Mpilalao miisa 15 eo no mandrafitra ny ekipam-pirenena, ary raha ny tazana, dia mpilalao avy amin’ ny klioba Elgeco Plus ihany no lany raha ny eto Antanana­rivo. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­narisoa Yvon Nambinina no mpanazatra ireto Malagasy mpilalao ireto.
Ampahatsiahivina ihany fa ity teknisianina ity no nitondra ny Barea U15, nandritra ny “Ocean Indian Tournament 2024” izay natao teto Anta­nanarivo, ny volana desambra 2024 lasa teo. Nahazo ny laharana voalohany moa i Madagasikara tamin’izany.

F.R

Catégories: National

Pages