AMBARAO JOEL, Quand la matière est ART

Les Nouvelles - mer, 09/04/2024 - 15:06

Catégories: National

IDEES EN GOGUETTE (Alliance92) 2024-09-04

Les Nouvelles - mer, 09/04/2024 - 14:59

Catégories: National

Antoko Ilo Mada : « Mety ny PDS no ho kandidà ben’ny Tanàna »

Les Nouvelles - mer, 09/04/2024 - 07:52

“Mpandraharaha ny fahafantarako an-dRtoa Rama­nantsoa Harilala, tsy ao anatin’ny antoko na vondrona antoko. Raha izay izany no hanomanan-dry zareo eo amin’ny fitondrana ny sain’ny mponin’ Antananarivo, na anoman-dry zareo ny sain’ny Irmar na ny TGV: matoa apetraka, toy ny mizotra mankany… ” Io ny fijerin’ny filoha nasionalin’ny antoko Ilo Mada, Andriana­rimalala Heritiana, ny amin’ny mety hanolorana ny Filo­han’ny delegesiona manokana (PDS), Antananarivo Re­nivohitra, ho kandidà ben’ny Tanàna. Mety ho izy izany no ho kandidàn’ny fitondram-panjakana amin’ny fifidianana. Aroso ihany ny fanontaniana hoe: tena izy tokoa sa tsia?
Raha ny lojikan’ny politika, araka ny nambarany: tokony ho olona eo anivon’ny fitondrana ihany no nasolo ny PDS teo aloha, izay loholon’ny loko volombosary tao anatin’ny Antenimierandoholona. Raha nesorina izy, tokony ho olon’ny loko volomboasary ihany no manolo azy. Maninona no tsy izay? Mbola baraingo koa… Tsy manana olona àry ve ny eo anivon’ny TGV sy ny Irmar sa izy no olona hita sy mendrika ary mety handresy lahatra ny mponin’Antana­narivo? Aleo apetraka ho PDS izy, na 90 andro fotsiny mialoha ny fifidianana ben’ny Tanàna aza fa mety hatao kandidà. Izy izany no hanomanana ny sain’ny vahoakan’ Antananarivo hoe mety ho izy no kandidà ben’ny Tanàna avy amin’ny fitondram-panjakana.

R. Nd.

Catégories: National

Rugby – “XXL Top 12” : hanala vela amin’ny FTM ny TFMA

Les Nouvelles - mer, 09/04/2024 - 07:51

Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, federaly I. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro amin’izany, ny lalao izay hihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny TFMA Ankasina. Mbola manala vela ny mpilalaon’Ankasina amin’ity lalao ity. Tsiahivina fa ny 17 marsa lasa teo, teny Andohatapenaka ihany, lavon’ny FTM tamin’ny isa 33 no ho 28, ny Boay kely manohitra, TFMA. Ho toy ny famaranana kely moa ity fifandonana ity, ny FTM Manjakaray no laharana voalohany amin’ny “Top 12”, ary fahatelo kosa ny TFMA.
Mialoha ity lalao iray ity, hifandona amin’ny USA Ankadifotsy ny ekipan’ny Savony STM.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny ekipan’ny FTM no tompondakan’i Madagasikara farany teo, ary tsy mbola nahita faharesena mihitsy izy ireo hatramin’ny nanombohan’ny fifanintsanana.

Fitia Randria

Catégories: National

PDS Antananarivo : nihaona tamin’ny mpandresin’ny « Econnect »

Les Nouvelles - mer, 09/04/2024 - 07:51

Mitombo hatrany ireo tetikasa entina manatsara ny fiainana andavanandron’ny mponina eto Antananarivo. Anisan’izany ny tetikasa “Econnect”, izay mitondra fanatsarana amin’ny sehatra maro ho an’ny mpiara-belona.

Nihaona tamin’ny filohan’ ny Delegasionina ma­no­kan’ny tanànan’Anta­nanarivo, Ramanantsoa Hari­lala, ireo tomponandraikitry ny tetikasa miisa efatra, voafantina tao anatin’ny «Econnect». Tao anatin’izany no nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny fanatanterahana ny tetikasan’izy ireo. Raha tsiahivina, hisitraka tombontsoa aterak’ireto tetikasa ireto ny tanànan’Antanana­rivo. Ankoatra ny 5000 euros, azon’izy ireo tamin’ny nahavoafantina azy ireo, misy koa ny fanjohiana azy ireo amin’ny fanatanterahana ny tetikasany.
Tetikasa miisa efatra, ahitana ny mahakasika ny fahasalamana, ny fitaterana, ny fako ary ny fampianarana sy fampahafantarana ny lalàna no voafantina hisitraka ny «Econnect». Tetikasa firosoana tsikelikely amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra izy ity. Anisan’izany ny CPP System, hampiasana tapakila sy hampienana ny fivezivezen’ny lelavola ao anaty fiara fitateram-bahoaka, eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka. Eo ihany koa ny MedDoc Healthcare, karne niomerika hampiasain’ny ma­rary rehefa mankeny amin’ny tobim-pahasalamana. Ma­nam­py ireo ny tetikasa “STCV”, mandrindra ny fako sy ny manodidina izany mba hampihena ny fako eny An­dralanitra. Ary ny fahefatra dia ny tetikasa mampahafantatra ny lalàna tokony ho fantatry ny rehetra.
Tetikasa iarahan’ny ta­nànan’Antananarivo amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Frantsay sy ny Region îles de France izy ity. Araka ny nambaran’ny Tomponan­draikitra avy amin’ny Region îles de France, tanjon’ny tetikasa ny hitondra fanatsarana amin’ny fiainana andavanandron’ny mponin’Antananarivo. Eo ihany koa ny fitondrana vahaolana amin’ny sehatry ny fahasalamana sy fitanterana, ny fandrindrana ny fako ary ny fitantanan-draharaha.

Lin

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - mer, 09/04/2024 - 07:50

Tanora mpianatra miisa 10 000 no nisitraka fanentanana momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida, nandritra ny fidinana teny amin’ ireo Oniversite, tamin’ireo renivohi-paritany 3 : Antananarivo, Mahajanga ary Toamasina. Nisy fanaovana fitiliana ny tsimokaretina maimaimpoana ankoatra ny fanentanana. Hitohy amin’ny Oniversite hafa ny fanentanana.

Manomboka miditra an-tsekoly ireo mpianatra ho an’ny taom-pianarana 2024-2025. Hatry ny alatsinainy teo izany ho an’ny sekoly tsy miankina. Mitohy amin’ ity herinandro ity ho an’ireo sekolim-pinoana sasany. Amin’ny alatsinainy izao kosa no fidirana ofisialy ho an’ny sekolim-panjakana.

Hahazo vahany ny orana tandrifin-drahona amin’ny faritra maro eto Madagasikara, raha ny tom­ban’ny Foibe famantarana ny toetr’andro, omaly. Noho ny fisian’ny fikorontanana any ambony tsy taka-maso any, hahazo vahana ny orana tandrifin-drahona amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Mety arahin-kotroka izany indraindray. Haharitra ao anatin’ny efatr’andro izany. Hiverina ho maina kosa ny andro aorian’izay, raha ny tombana hatrany.

Catégories: National

Mandela Washington Fellowship … : misokatra ho an’ny tanora mpitarika ny vatsim-piofanana

Les Nouvelles - mer, 09/04/2024 - 07:50

Hifarana ny 10 septambra izao ny fandefasana antontan-taratasy hifaninanana hahazoana ny vatsim-piofanana “Man­dela Washington Fellow­ship for Young African Lea­ders » ho an’ny taona 2025.

Anisan’ny tanora malagasy efa nisitraka ny fiofanana i Yvan Fabius, izay nitondra fanentanana tany amin’iny faritra Atsinanana iny, ho an’ ireo tanora maniry ny handray anjara. Efa an-jatony ireo tanora liana taorian’ny fanentanana natao ary maniry ny hisoratra anarana.

Ny taona 2019 i Yvan fabius no voafantina rehefa nanandrana intelo nisoratra anarana. Niofana tany Eta­zo­nia nandritra ny enim-bolana izy ary nitondra fiovana goavana tamin’ny sehatry ny fandraharahana nataony izany.
Mampiakatra ny lentan’ny fandraharahana sy ny fomba fitarihana ny fiofanana azo. Nahafahana nihaona tamin’ ireo mpandraharaha goavana amin’ny firenen-dehibe ihany koa. Manampy amin’ny fahasahiana manao dingana ary lasa manana toe-tsaina mia­bo, manana fikirizana hatrany.

700 isan-taona ireo tanora aty Afrika misitraka ny vatsim-piofanana “Mandela Washing­ton Fellowship for Young African Leaders». Manodidina ny 10 ny tanora malagasy misitraka izany isan-taona.

Ireo mpitarika sy efa nahavita zavatra teo anivon’ny fiarahamonina no tena kendrena. Mila mahay miteny anglisy ary manana tetikasa mitondra fiovana ho an’ny fiarahamonina. Mila manana tanjona mazava sy miabo.

Tatiana A

Catégories: National

1er Bataillon Parachutiste Ivato : nahazo traikefa avy amin’ ny Tafika amerikanina

Les Nouvelles - mar, 09/03/2024 - 07:54

Notanterahina teny amin’ny tobin’ny 1er Bataillon Parachutiste Ivato, ny 30 aogositra 2024 teo, ny fanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo miaramila 30 mirahalahy ao amin’ity vondron-tafika ity. Nahavita fanazarantena sy ny taktika ary ny fototra maha miaramila, niarahana tamin’ny Tafika amerikanina, izy ireo nandritra ny enina herinandro. Nanatrika ity fotoana ity ny mazaoro jeneralin’ny Tafika, ny Amiraly GA Jacquy Ho­noré, nisolo tena ny jeneraly lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika. Nankasitraka manokana ireo mpampiofana sy ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara ity manamboninahitra ity amin’ny nahafahan’ireo miaramila malagasy nisitraka izao fanazarantena izao. « Maniry ny hiroboroboan’ny fiaraha-miasa hatrany eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, indrindra eo amin’ny lafiny ara-tafika », hoy izy. Nanotrona izao lanonana ara-miaramila izao koa ny masoivohon’i Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara, Claire Pierangelo, ary ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny Etama­zaoron’ny Tafika sy ny Tafika an-tanety. Nanome voninahitra ny lanonana koa ny ben’ny Tanànan’Ivato, Penjy Andria­na­risoa.

J.C

Catégories: National

Rafanomezantsoa Jean Nirina : «Mila fankaherezana sy tohana ny filoha Rajoelina»

Les Nouvelles - mar, 09/03/2024 - 07:54

Tafajoro ny Malagasy manohana ny Filoha Andry nirina Rajoelina, izay tarihin’i Jean Nirina Rafanomezantsoa, najoro ny vovonana natao hanampy ny Filoha eo sehatra rehetra ary hanampy ihany koa amin’ny sehatry ny asa sosialy sy ny maha olona ho fanampiana ny vahoaka madinika.

«Maro ny sakana mahazo ny filoha amin’ny fanohanany ireo vahoaka madinika. Mila tohana sy fankaherezana izy ka tonga izao ny fotoana tena tokony hanohanantsika azy », hoy ny fanazavan’ny mpitarika ny Vovonana Mala­gasy manohana ny filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety. Nambarany fa mitodika any amin’ny vahoaka madinika rahateo ny filoham-pirenena satria tafiditra ao anatin’ ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fiahiana ny sosialim-bahoaka. Ao anatin’izany ny famoronana asa, ny fananana trano fonenana, ny fiahiana ny fahasalamana ary ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. «Andao hotohanantsika izay ezaka ataon’ny filoham-pirenena izay», hoy hatrany izy. Nanipy resaka momba ny hoavin’ny firenena koa ireo mpanohana ny filoham-pirenena ireo amin’io fifidianana ben’ny Tanàna ho avy io. Mila mifidy sy mahay mametraka isika satria miankina amin’ny tsirairay ny hoavin’ny tanàna, araka ny nambarany. Manoloana izany, mitsangana ho arofanina ny fikambananay. Tokony homena tanana hatrany ny filoham-pirenena. Samy tomponandraikitra tamin’ny fametrahana azy isika, araka ny fanazavany. Tsy misy afa-tsy ny fijerena ny sosialim-bahoaka ihany raha te hanavotra haingana ny firenena. Omeo lanja io sosialim-bahoaka io fa izay ihany no vahaolana hiadiana amin’ny fahantrana, hoy izy teo am-pamaranana.

Jean Claude

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 09/03/2024 - 07:53

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U16, taranja basikety, natao tany Antsirabe, ny MB2All sy ny JCBA. Nandresy ny Phoenix, tamin’ny isa 64 no ho 29, ny MB2All, teo amin’ny sokajy vehivavy. Isa 68 no ho 45 kosa no nandavoan’ny JCBA ny ACMBA, teo amin’ny lehilahy.
Hatao ny 5 hatramin’ny 8 septambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Acmil Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’i Vakinankaratra, taranja karaté. Fifaninanana hifantenana izay hisolontena an’ity faritra ity, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, hatao ny faran’ny volana oktobra izao.
Nifarana afakomaly, teny amin’ny Palais des sports Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping-pong”, lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondaka tamin’izany i Océane Rakotondrazaka, vehivavy mpilalao izay efa tompondaka tamin’ny taona lasa, ary i Lino ny an’ny lehilahy.
Nahatafiditra baolina roa, afakomaly, tao amin’ny Kianja Santiago Bernabeu, i Kylian Mbappé, frantsay mpilalao baolina kitra ao amin’ny Real Madrid, Espagne. Lavon’izy ireo 2 no ho 0 ny Real Betis, Espagne. Manomboka misongadina tanteraka ity mpilalao ity ao Espagne ao.

Catégories: National

COSTM Judo Club : nahazo medaly tamin’ny “Tournoi de Capricorne”

Les Nouvelles - mar, 09/03/2024 - 07:53

Tsara ny vokatra ho an’ny COSTM Judo Club nandritra ny fifaninanana “Tournoi de Capricorne” natao tany To­liara, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo medaly 17 be izao (volamena 7, volafotsy 8 ary alimo 2) ny mpikatroka nisolontena ity klioba sangany ao Toliara ity. Raha ny filaharana kosa, laharana faharoa no misy ny COSTM, satria nahazo ny laharana voalohany ihany koa izy ireo, teo amin’ny fifaninanana ho an’ny ekipa. “Henjana ihany ny fanomanana satria maro ny zavatra nalamina, teo ny fanazarantena sy ny fanaraha-maso ny fahasalamana sy ny lanjan’ny ankizy tsirairay, fa nandeha tsara tamin’ny tokony ho izy izany”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny klioba, Rafanomezana Harilala. Na­hafa-po kosa ny vokatra ary mila ampiakarina indray amin’ny fifaninanana manaraka. Tanjona ny hitazomana ny anaram-boninahitra efa azo sy ny hampitomboina izany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny klioba hatrany. Tsiahi­vina, mpikatroka 31 mianadahy no niatrika ity andiany faha-28 “Tournoi de Capricorne”, ity ho an’ny COSTM Judo Club. Nanana solontena tamin’ny sokajy rehetra (Poussins, Minimes, Cadets, Juniors, Seniors) izy ireo.

Mi.Raz

Catégories: National

Barea de Madagascar : efa any Tunisie ry Loic sy Tsiry ary Berajo

Les Nouvelles - mar, 09/03/2024 - 07:53

Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, nigadona omaly, any Tunisie, namonjy ny fampivondronan’ny Barea de Madagascar i Loic Lapoussin sy i Tsiry ary i Berajo. Efa niatrika ny fanazarantena niaraka tamin’ireo namany i Lapoussin. Tsy mbola nanao izany kosa ry Berajo sy i Tsiry, noho ny fahatongavan’izy mirahalahy tamin’ny 10 ora alina. Nilaza ihany koa ity loharanom-baovao iray ity fa hivoaka anio ny lisitra ofisialin’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, hiatrika ity fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025” ity. Raha tsiahivina dia i Tunisie, mpampiantrano no hifandona amin’ny ekipa malagasy ny alakamisy ho avy izao. Hatao ny 9 septambra kosa, any Tunisie ihany, ny fifanandrinan’i Comores sy i Madagasikara.
Ankoatra izay, nilaza ny avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra fa tsy mbola misy filazana ofisialy ny hahafahan’ny Televiziona malagasy (TVM) mandefa mivantana ny sary any Madagasikara, saingy hiezaka izy ireo ny hifampiresaka amin’ny tompon’ny sary mba hahafahan’ny Malagasy rehetra manohana ny ekipa Barea.

Fitia Randria

Catégories: National

Famosirana : miankina amin’ny didy raikitra ny fampiharana

Les Nouvelles - lun, 09/02/2024 - 07:52

Tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny fanatanterahana ny famosirana amina raharaha fanolanana, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakoto­mandimby Benjamin Alexis, tamin’ny mpanao gazety teny Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fihaonany tamin’ny vadintany sy mpanao lavanty. Misy fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny lehiben’ny fampanoavana sy ny dokotera amin’izany: tsy maintsy misy olona mijery ny fanatanterahana azy, ary misy taratasy hoe vita tokoa. Didy raikitra vao atao ny famosirana. Izay no ifampitaizana eo amin’ny fiarahamonina.
“Inona no tianareo: minisitry ny Fitsarana tsy matahotra an’Andriamanitra sy mampirafy ary mpanao kolikoly ve sa minisitry ny Fitsarana milaza ampahibemaso hoe mpivavaka ary tsy manao kolikoly aho?”, hoy kosa izy ny amin’ny maha laika ny fanjakana. Tsy midika hoe miady ny fiangonana sy ny fanjakana ny hoe fanjakana laika. Any Alemaina, ohatra: ny fanjakana no manome vola ny fiangonana. Nefa manao ahoana ny demokrasia any Alemaina, fa tsy izany no demokrasia madio indrindra? Nahita ny fanajan’ny mpitondra fanjakana ny fiangonana izy. Iza ny fiangonana nisy teto Mada­gasikara ka nanelingelina fanjakana? Tsy misy. Tsy vao mainka aza mivavaka ho an’ny mpitondra fanjakana ny fiangonana. Aza ampiadiana ny fiangonana sy ny fanjakana fa tsy mahasoa ny firenena izany, araka ny nambarany.

R. Nd.

Catégories: National

Raharaha Anjozorobe : « Fahavalom-bahoaka ireo mpaka an-keriny », hoy ny MFA

Les Nouvelles - lun, 09/02/2024 - 07:52

« Sokajiana ho fahavalom-bahoaka ireny nitranga tany Anjozorobe ireny ary tena famonoan’olona… », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Foloalindahy, omaly, teny Ampahibe. Mitohy ny hazalambo na efa tratra aza i Rakom.

Nitondra fanazavana momba ilay raharaha fakana an-keriny na­moizana ain’olona tao Ma­rotsipoy, distrikan’Anjozorobe, ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana (Emmo/Nat), omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Nambarany fa nivory maika ireo minisitra miantsehatra amin’ny fitandroana ny filaminana ka nijery manokana ny fomba fandrindrana sy fametrahana fampandriam-pahalemana maharitra na an-drenivohitra izany na ambanivohitra. Tafiditra ao anatin’izany ny famongorana ireo mpaka an-keriny. «Ma­noloana ireo famoizana ain’olona nalain’ireo mpaka an-keriny tao Marotsipoy, tsy miraviravy tanana fa mandray ny andraikitra tanteraka ny mpitandro filaminana», hoy izy. Nolazain’ny MFA fa sokajiana ho fahavalom-bahoaka ireo mpaka an-keriny ary tena famonoan’olona ireny ka hataonay hazalambo. Efa tratra Rasolofonirina Théo na Ratex na Rakom, lehiben’ireo mpaka an-keriny sy ireo na­many. Mandeha ny fikarohana ny fanadihadiana ireo olona tratra, araka ny filazany. «Manome baiko ireo mpisehatra ao amin’ny Harato 2 mba tsy hiraviravy tanana fa hampiasa ny hery sy ny fitaovana rehetra eo am-pelatanana», hoy hatrany ny MFA. Manga­taka tolo-tanana amin’ireo tomponandraikitra rehetra eny ifotony na olom-boafidy koa ny MFA mba hifanome tanana hatrany amin’ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ireo mpaka an-keriny.

Jean Claude

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 09/02/2024 - 07:50

Notolorana fitaovana entina hiarovana ny ala sy hiatrehana ny afo, ny herinandro lasa teo, ny Vondrona olona fotony (VOI) any amin’ny kaominina Manakambahiny Atsinanana, distrika Ambaton­drazaka. Tohana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena, Conservation International (CI), mitantana ny Tandavanala Ankeniheny-Zahamena (Caz). Manohana ny hetsika ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra Alaotra Mangoro (Dredd).

Miisa 6 500 ny karatany nozaraina tany
amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Vatovavy, ny herinandro lasa teo. Nihoatra tamin’ny tanjona napetraka tany am-boalohany io, satria 5 000 no tokony hotratrarina. Tafiditra ao anatin’ny hetsika «Karatany faobe», notanterahin’ny fandaharanasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Anisan’ny nisitraka izany ny mpamokatra kafe, vary, mangahazo, katsaka, tantely, sns.

Tsy mihetsika manodidina ny 5 000 Ar ny sandan’ny Ariary, mihoatra amin’ny 1 euro. Araka ny tsenam-bola ny zoma 30 aogositra teo, misanda
4 973,30 Ar ny 1 euro, ary 4 542,19 Ar ny 1 dolara. Tsy maintsy mandray fepetra ny Banky foiben’i Mada­gasikara (BFM), amin’ny fampifadanjana ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ny vola vahiny. Eo amin’ny tsenam-bola ho an’ny mpanjifa anefa, mihoatra ny
5 000 Ar ny hividian’ny mpanjifa azy.

Catégories: National

Jirama : ahitana lohahevitra 4 ny drafi-panarenana

Les Nouvelles - lun, 09/02/2024 - 07:50

Nihaona ny zoma 30 aogositra teo, teny Ampan­drianomby, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean Baptiste Olivier, niaraka tamin’ny teknisiana miara-miasa aminy, andaniny, sy ny tomponandraikitry ny Jirama, notarihin’ny tale jeneraly (DG), Ron Weiss. Fivo­riana nampahafantarana ny paikady entina hanarenana ny orinasa Jirama. Miompana amin’ny lohahevitra lehibe efatra ny drafi-panarenana. Ny fanatsarana ny rafi-pitantanana, ny fanarenana ny ara-bola, ny ara-teknika ary ny fanavaozana ny tolotra ho an’ny mpanjifa. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa sy ny hampitomboana ny taha sy ny isan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara.
Momba ny lafiny famokarana herinaratra, anisan’ny hanatanterahina ireo drafi-panarenana ireo ny fanovana na ny fampihenana ny fampiasana solika gazoala ho solika menaka mavesatra «fuel», hampiodinana ireo milina manodina herinaratra. Eo koa ny fiampitana mankany amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina, toy ny fananganana toby mamokatra herinatra avy amin’ny masoandro, ohatra.
Na izany aza, tsy mipaka any amin’ny besinimaro ny fanavaozana, satria tsy mbola foana ny delestazy, noho ny tsy fahampian’ny herinaratra vokarina. Ao anatin’ny vanim-potoana maintany rahateo isika, ka tsy ampy ny tosiky ny rano manodina ny milina any amin’ireo tohodrano.

Njaka A.

Catégories: National

Famokarana : sakafon-trondro tsara ny olitra lalitra

Les Nouvelles - lun, 09/02/2024 - 07:49

Mila manaraka ny fenitra ilaina ny fiompiana trondro. Singanina amin’izany ny lafiny sakafony, raha te hanana vokatra tsara fitombo sady tsara kalitao. Tsy maintsy mamokatra na manana sakafo sahaza sy manaram-penitra ny mpiompy trondro. Mamokatra olitra avy amin’ny lalitra mainty, antsoina hoe «Black Soldier Flies» (BSF), ny orinasa Omniverdi, any Mangily, kaominina Belalanda, distrika Toliara II.
Lalitra mainty ompiana manokana, hakana olitra ny BSF. Manatody manodidina ny 500 ka hatramin’ny 700 ny lalitra vavy iray. Foy ny atody afaka 3 andro, ka lasa olitra (pulpe) afaka 15 andro eo ho eo. Mety tsara hatao sakafom-biby, sy ny trondro io olitra io. Mamokatra manodidina ny 500 kilao isan’andro ny Omniverdi. Afaka atao sakafo ho an’ny fiompiana manara-penitra hafa koa ity karazana olitra ity, toy ny akoho gasy manaram-penitra, ohatra. Nitsidika ny toerana ny minisitry ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga (MPE B), Mahatante Paubert, niaraka tamin’ny manam-pahefana any Mangily, ny herinandro lasa teo.

Njaka A.

Catégories: National

Padel – « Island Cup 2024 »: hampiantrano ny fifaninanana i Madagasikara

Les Nouvelles - sam, 08/31/2024 - 09:03

Sambany! Hampiantrano ny andiany voalohany amin’ny fifaninanan’ny Nosy, “Island Padel Cup”, i Madagasikara. Hotontosaina manomboka ny 4 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, eny Soavina Atmos­phère, ny fifaninanana. Fire­nena telo no hifanintsana amin’io lalao io: i Madagasikara, mpampiantrano, sy ny Nosy rahavavy La Réunion ary i Maurice.
Araka ny fanazavana azo teny an-toerana, hahatratra 50 mahery eo ireo mpilalao padel hifanintsana eny an-toerana. Raha ny fanazavana nataon’ny mpikarakara, miisa 14 ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ka ny fito lehilahy ary tahaka izay ihany koa ny isan’ny vehivavy.
Ampahatsiahivina fa efa manana ny lanjany amin’ity taranja ity i Madagasikara. Efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika ny Malagasy mpilalao tamin’ity taom-pilalaovana ity.
Tsiahivina fa tsara toerana amin’ny filaharan’ny “Orange MPPTour” ireo atleta mandrafitra ny ekipa nasionaly. Nambaran’i Gary Ah-Waye, iray amin’ireo mpikarakara ny hetsika fa ity no fifanintsanana Padel lehibe indrindra teto Madagasikara.
Tsara ny mampahafantatra fa hifandimby hihaona ireo firenena telo ireo, ka izay firenena roa mahazo vokatra tsara indrindra no hiatrika amin’ny dingana famaranana.

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - sam, 08/31/2024 - 09:02

Nanatanteraka fanambaram-pananana teny amin’ny HCC ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, ny alakamisy lasa teo. Nambarany fa voafaritry ny didy aman-dalàna tokony hotanterahin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta ny fanambaram-pananana ka izany no antony nanaovany izany vantany vao nandray ny toerana maha minisitra azy izy.
Nahita vokatra tsara nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny diviziona faharoa, taranja baolina kitra, ny solontenan’ Ana­lamanga, AS Ste Anne. Nandresy ny ekipan’Itasy, Jet Kintana, tamin’ny isa 4 no ho 2, izy ireo, tany Ambositra, omaly. Amin’ny andro farany kosa dia ny AS Avenir Androy no hifandona amin’izy ireo.
Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy U20, taranja basikety, hatao any Farafangana. Hifaninana eo amin’ny sokajy lehilahy, ny DTSC sy ny NBE ary ny Fandrefiala sy ny BCTT. Hifanandrina eo amin’ny vehivavy kosa ny JEA sy ny MB2ALL ary ny EBF sy ny ACA.
Hiverina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”, federaly 1. Anisan’ ireo lalao tena andrasan’ny maro amin’izany, ny fifanandrinan’ny Tam Anosibe sy ny TFA Anatihazo, ny Cosfa miaramila sy ny Mang’Art.

Catégories: National

Baolina kitra – « Can 2025 »: hanala vela amin’i Tunisie i Madagasikara

Les Nouvelles - sam, 08/31/2024 - 09:02

Hotanterahina ny 5 septambra ho avy izao, ao amin’ny Kianja Hamadi Aguerbi Rades, Tunisie, ny lalao hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy ny Aigle de Cartage Tunisie. Fihaonana izay tafiditra amin’ny andro voalohany, fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can 2025”, izay hatao any Maroc. Mbola manala vela ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity fifanandrinana ity. Raha tsiahivina, ny voromahery tonizianina no nanintsana ny Barea, 3 no ho 0, teo amin’ny ampahefa-dalan’ny “Can 2019”, izay notontosaina tany Egypte.
Efa nanainga ny alarobia lasa teo ny delegasiona malagasy voalohany, izay ahitana ny mpanazatran’ny ekipa nasionaly Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô. Ankoatra izay, hatao ny 9 septambra ho avy izao, any Tunisie ihany, ny andro faharoan’ity fifanintsanana ity, ho an’ny Barea. Ny Nosy rahavavy Comores no hifandona amin’ireo malagasy mpilalao amin’izany.
Marihina fa i Comores, izay iray vondrona amin’i Madagasikara ihany koa, ao anatin’ny fifanintsanana hangalana ny tapakilan’ny “Mondial 2026”. Efa lavon’ny Barea 2 no ho 1, ireto kaomorianina ireto, tamin’izany.

Fitia Randria

Catégories: National

Pages