S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 2 heures 17 min

« Metal Madness Legends » : mbola manana ny mpankafy azy ny gadona metaly

lun, 09/30/2024 - 07:49

Tontosa ny sabotsy 28 septambra 2024, teny amin’ny Kianja Analamaitso Anala­mahitsy, ny fampisehoana «Metal Madness Legends». Fampisehoana nankafizana gadona metaly rano iray izy ity, niarahana tamin’ireo tarika mivoy izany gadona izay. Anisan’izany ny Kazar, Apost, Egraygore ary Seth on fire. Fahombiazana no azo ilazana ity fampisehoana nokarakarain’ny Oz Rekordz ity. Sambany mantsy no nisy fampiraisana sehatra tarika efatra manana ny maha izy azy teo amin’ny tontolon’ny metaly. Mitohy ny dia ary efa eo am-panomanana ilay hetsika anisan’ny lehibe eo amin’ny tontolon’ny gadona metaly malagasy ireo mpikarakara.
Ambohipihaonan’ny mpan­kafy gadona metaly, ny tetsy amin’ny Kianja Ana­lamaitso Analamahitsy, nandritra ilay lamesa lehibe «Metal Madness Legends». Re nandritra ny fampisehoana ireo hira nanamarika ny gadona metaly nanomboka ny taona 1990 tany ho any hatramin’izao. Nasongadina manokana ny tarika Kazar. Izy ireo izay anisan’ny namakilay ny gadona metaly teto Madaga­sikara. Nanome tsiro ny fampisehoana ny fahaizan’i Milon miangaly ny gitarany. Nanam­py tosika izany ihany koa ry Lalah sy ireo mpikambana nandrafitra ny tarika. Tsy am­bakan’izany ihany kosa anefa ny an’ireo tarika hafa.
Maro mpankafy ary manana ny maha izy azy ny gadona metaly eto Madagasikara na dia tsy faheno sy tsy malaza be sahala amin’ny gadona hafa aza. Mipetraka hatrany ihany koa ny maha kanto ny gadona, noho izy mitaiza sy manabe, indrindra amin’ny alalan’ny lahatsoratra sy ny tononkira.

Lin

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

lun, 09/30/2024 - 07:49

Lasan’i Faniry Fanomezantsoa ny laharana voalohany teo amin’ny fifaninanana miantsa tononkalo, nokarakarain’ny Faribolana Sandratra, ho fanamarihana ny faha-35 taona nijoroany. Teny amin’ny CGM Analakely, ny faran’ny herinandro teo, no nanaovana ny famaranana. Niisa 13 mianadahy izy ireo no nifaninana ary tena sahirana ny vondron’ny mpitsara noho ny fahaizan’ireo mpifaninana.
Nisokatra ho an’ny daholobe, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, ny ivontoerana fampirantiana vaovao an’ny Hakanto Contemporary Ankadimba­hoaka. Izy ity izay ivontoerana vaovao. Efa ahitana rantin-javakanto maro samihafa eny an-toerana. Anisan’izany ny “Saison Histoires de famille”, ny rantin-tsarin’i Dany Be…
Nahasarika mpankafy maro ny hetsika famelabelaran-kevitra niarahana tamin’i Johary Ravaloson, teny amin’ny IFM Analakely, ny sabotsy 28 septambra 2024. I Johary Ravaloson, izay mpanoratra anisan’ireo manana ny maha izy azy ankehitriny. Anisan’ny tena nandrasan’ny maro ny famelabelarana mahakasika ny fomba fanoratany.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny AFT Andavamamba, ny “Salon de la gastronomie”, andiany fahafolo. Izy ity izay hetsika natao hanasongadinana ny tontolon’ny nahandro sy ny haify. Fampirantiana karazan-tsakafo, famelabelaran-kevitra maro samihafa, ary fizarana traikefa sy fahaiza-manao no nandravahana ny hetsika.

Catégories: National

« Miss Madagascar »: Voahosotra i Cyria Olivine

lun, 09/30/2024 - 07:49

Temagnombe Cyria Olivine, Miss Androy. Taorian’ny lanonam-pamaranana dia voahosotra hitondra ny anaram-boninahitra ho «Miss Madagascar» ity tovovavy ity. Tsy mora ny asan’ireo mpitsara, izay nisafidy tamin’izy 19 mirahavavy solontenan’ireo faritra manerana ny Nosy. Tsy mora ihany koa ny masontsivana nosedrain’ireo mpifaninana, indrindra nandritra ny famaranana tetsy amin’ny Canal Olympia Andoha­tapenaka, ny alin’ny sabotsy teo.
Nosinganina tao anatin’ny maro i Cyria Olivine, ka izy no handeha hisolontena an’i Madagasikara any amin’ny «Miss Monde» manaraka eo. Teo amin’ny 1 e Dauphine Ramindrisoa Sonia, «Miss Diana». 2e Dauphine kosa Randriamanoelina Sonia Fitia, «Miss Analamanga». Teo amin’ireo fifaninana isan-tsokajy, mendrika tamin’ny «Challenge World designer» I OlyH, avy any Menabe, izay hisolontena ihany koa ny mpamoron-damaody malagasy any amin’ny Miss Monde.
22 taona, mirefy 1,73 m ary mbola mpianatra i Cyria Olivine. Efa nahazo ny fiofanana rehetra ilaina amin’ny fiatrehana ny Miss Monde izy. Mbola hanaraka azy akaiky amin’izany ny komity mpikarakara. Goavana ny fanamby miandry azy.

Zo ny Aina

Catégories: National

Tarika AmbondronA : Avo dia avo ny lentan’ny seho !

lun, 09/30/2024 - 07:48

Tsy nisy nahavita ny nataon-dry zalahy, hatreto ! Mitoetra ny lazany, mamaly fitia ireo mpankafy, mampiakatra ny lentan’ny fampisehoana hataony hatrany ry AmbondronA.

Mipetraka ho tantara indray iny! Raha any amin’ny fanatanjahantena dia iny no zava-bita tsara indrindra mila montsanina, ho an’ireo hanao manaraka. Asa, mety ry AmbondronA ihany no hanamontsana izany? Ireo izay nanatrika ny seho tao amin’ny Coliseum Antson­jombe aloha dia afaka manamarina izany avokoa. Avo dia avo ny fanamby napetraka, kanefa tontosan’ny tarika nihoatra noho ny niheverana azy izany.
Tamin’ny 8 ora maraina dia efa nananosarotra ny fifamezivezena nanodidina an’Analamahitsy. Niara-nirona ireo mpinamana manao an­diany, saika niakanjo fotsy sy mainty tamin’ny ankapobeny: mpankafy AmbondronA tsy miala mihitsy, indrindra rehefa fotoan-dehibe toy ny omaly izy ireny.
Tamin’ny 12 ora, efa na­nomboka fefika ny Coliseum. Nitohana ny fifamoivoizana tao ivelany, satria mbola maro ny tsy tafiditra. Fotoana fohy taorian’izay, naneno ny fanamafisam-peo nampiditra ny vahiny, hanokatra ny seho…
Da Hopp! Eny, tarika mpanao Rap Gasy voalohany indrindra teto amin’ny tanàna no nosafidian’ny “Ilay Tanàna” hampiditra ny fampisehoana. Porofo io fa tsy misy fetra ny mozika, ary afaka miara-lavorary, satria tena noraisan’ireo mpankafy izany.
Mazava loatra fa sehatra efa nafana no novantanin-dRakix sy ny namany ka niakatra ambony be ny ambian­sin’ny mpankafy. Notetezina ny 22 taona, tanaty hira. Misy zokiny, misy zandriny rahateo ny mpankafy satria mpampihavana koa ny AmbondronA. Tsy vitan’izay fa nahay nisafidy ireo mpiara-miasa mitovy tanjona: Ivenco sy mi’Ritsoka nanambatra ny fanamafisam-peo sy hazavana, Nyr Image teo amin’ny écran géant.
Toa vetivety ny ora maro niarahana. Mbola anatin’ny fanoratana ny tantarany ry AmbondronA, ary azo antoka ny am-polo taona manaraka. Marina fa tsy maridrefy ny famenoana ny Coliseum, saingy mametraka ny haavon’ny tarika iray manokana ny mpankafy azy kosa izany. Rahoviana indray?

Zo ny Aina

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

lun, 09/30/2024 - 07:48

Nilanja 85 kilao ny trondro, tilapia sy karpa, azo tao amin’ny dobo anatin’ny toby miaramila Ensoa Antsirabe. Vokatra voalohany azo ny 27 septambra teo, tao amin’ireo dobo efatra natao ho fiompiana fitaratra. Miisa 2 800 ny zana-trondro narotsaka tao, nohatavezina nandritra ny 8 volana. Misy milanja 1,5 kg ny trondro iray. Nanome tantsoroka ara-teknika sady namatsy sakafo sy nanara-maso ny ekipan’ny DRPEB Vakinankaratra.
Nitarina hatramin’ny 4 oktobra ny fe-potoana fara-fisoratana anarana amin’ny fifaninana hiditra amin’ ny taona voalohany any amin’ny Sekoly fampiofanana ho teknisian’ny fambolena (EFTA). Misokatra ho an’ny tanora 18-25 taona, manana ny mari-pahaizana bakalorea A2, C, D, S, OSE, na baccalauréat agricole, na Diplôme téchnicien agricole. Afaka mandalo ny biraon’ ny Drae na ny EFTA akaiky azy izay mila fanazavana fanampiny.
Natsangana ny vaomiera manokana,
«Comité Ad’hoc », any Amoron’i Mania, handinika ny fanitarana ny famatsiana herinaratry ny Jirama, ao anatin’ny tetikasa Lead. Voakasik’izany ireo kaominina ao anaty distrika telo (Ambositra, Manandriana, Ambatofinandrahana). Anisan’ny asa hatao ny hamadihana ny tanjaky ny herinaratra ho «Moyenne tension» (MT). Hiitatra any amin’ny faritra Ihorombe, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana ity tetikasa ity.

Catégories: National

Ady amin’ny fitomboan’ny moka

sam, 09/28/2024 - 18:02

Catégories: National

Tarika AmbondronA : avo dia avo ny tanjona hotratrarina

sam, 09/28/2024 - 07:50

Mametraka fanamby amin’ny tenany ihany ry zalahy… Hikatsaka ny lafatra kokoa noho izay efa vitany ny tarika AmbondronA, mandritra ilay fampisehoana goavana izay hotontosainy rahampitso, etsy amin’ny Coliseum Antson­jombe. Ho fanatrarana izany, tsy misy afa-tsy ny fiomanana mialoha, hametrapetrahana ny rehetra manomboka any amin’ny madinika indrindra, hatrany amin’ny goavana in­drindra.
Nanomboka ny talata lasa teo no nampidirina tsikelikely ireo fitaovana hampiasaina amin’ny seho. Matihanina maro amin’ny resaka fampisehoana no miara-misalahy amin’ny tarika amin’ny fanatontosana izany. Tazana eny an-toerana ny Mi’Ritsoka, Ivenco, Nyr Image, sns. Ny alakamisy teo dia efa nirafitra ny endriky ny sehatra: tsy mbola hita tao amin’ny Coliseum izany. Omaly zoma kosa no efa tontosa ny lafiny feo sy teknika rehetra, ka miandry ny fotoan-dehibe ho an’ny rahampitso sisa. Izy dimy mirahalahy mihitsy no mirotsaka an-tsehatra mandamina ny pitsopi­tsony rehetra. Samy feno fitaintainana satria nampiakarina ambony kokoa ny tanjona hotratrarina.
Izany rehetra izany, maneho ny fahavononan’ny tarika AmbondronA, hizara izay kantony indrindra amin’ity seho goavana rahampitso ity. Efa vonona toa izany koa ireo mpankafy, izay nirohotra nanjify vantany vao nivoaka ny tapakila. Kely sisa no tavela amin’ireo karazana tapakila tsotra. Ny famandrihana rehetra, efa jifa avokoa nialohan’ny fotoana. Miandry ny fotoana sisa…

Zo ny Aina

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

sam, 09/28/2024 - 07:50

“Metal Madness Legends”, hotontosaina anio ity seho ho an’ny mozika mavesatra ity. Eny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy ny fotoana, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hifandimby an-tsehatra, mandritra izany, ry Kazar, Apost, Seth on fire ary Egraygore. Tohin’ny seho izay niarahana tamin’i Milon Kazar omaly ihany izy ity, karakarain’ny OZ Rekordz.
Harty Andriambelo & Friends, eny amin’ny Fara West Café Faravohitra, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Fofompofony sahady amin’ny “Festival Madajazzcar” izay hanomboka amin’io herinandro io. Hitondran’i Harty sy ny namany mozika maroloko ho an’ny mpankafy. Hiray sehatra aminy, mandritra izany, ry Nini, Tsanta, Poun ary Tonny Toufa.
Tanterahina anio, eny amin’ny Musée de la Photo Anjohy, ny famelabelaran-kevitra, iarahana amin-dRanaivo Andrianasolo, mpandalina sy mpahay tantara. Ny mahakasika ny “Almanach et tetiandro Merina” no resahina mandritra izany. Ahafantarana ny niandohan’izany sy ny fomba fampiharana izany.
Tontosaina anio tolakandro, eny Antsahamanitra, ny fampisehoana fankalazana ny faha-25 taonan’ny tarika Nabaoh. Mpanakanto maro no hiara-paly amin’ny tarika sy hifampizara sehatra amin’izy ireo mandritra ny fampisehoana. Efa vonona ny tarika hanome ny tsara indrindra avy aminy, hikalo ireo hira nahafantarana sy nankafizana ny tarika tao anatin’izay 25 taona izay.

Catégories: National

IFM Analakely : hitafa amin’ny mpankafy azy i Johary Ravaloson

sam, 09/28/2024 - 07:50

Tanterahina anio maraina, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny tafatafa hiarahana amin’i Johary Ravaloson, Malagasy mpanoratra. Fizarana ny fomba fijery eo amin’ny sehatry ny haisoratra ankehitriny, indrindra ny eto Madagasikara. Fampahafantarana ny fomba fanoratany sy fizarana torolalana ho an’ny mpanoratra, indrindra ireo vao misandratra sy maniry hiditra eo amin’izany sehatra izany no handravaka ny hetsika. Tanjona ao anatin’izany ny fampitomboana sy fampivelarana ny haisoratra malagasy. Eo ihany koa ny fampidirana izany eo amin’ny sehatry ny matihanina kokoa.
Anisan’ireo Malagasy mpanoratra manana ny lazany, eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena i Johary Ravaloson. Ankoatra an’i Hary Rabary sy Michèle Rakotoson dia izy no Malagasy mpanoratra malaza ankehitriny. Anisan’ny nampalaza azy ny asa sorany “Tribunals des cailloux” sy ny “Fitiavana – Tanindrazana- Fozaorana”. Boky anisan’ny navoakany farany ireo, saingy anisan’ny be mpanjifa sy maro mpankafy ihany koa.
Maro ny efa niandry ity fotoana ity, ahafahana mitafa mivantana amin’i Johary Ravaloson, indrindra iresahana manodidina ny asa sorany.

Lin

Catégories: National

Mandefitra lava : mila mifoha amin’ny torimasony ny Malagasy

sam, 09/28/2024 - 07:49

Anisan’ny maha firenena ny firenena iray ny fananany fomba amam-panao sy kolontsaina mampiavaka azy. Manana izany tokoa isika saingy mandefitra lava noho ny antony maro.

Na tsy fomban’ny Ma­lagasy aza ny maniratsira zokiolona, efa lany andro izany ka aleo vingavingaina fa manao kirin’antitra, sns. Mandefitra ny zokiolona!
Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Mipoitra avokoa izao atsanga tsy aman’orana izao. Saika mirona any amin’ny fankahalana ny lamina voajanahary narahin’ny Malagasy avokoa ireo lohahevitra dinihina. «Ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy», «Ny vehivavy sy ny miralenta», sns. Mandefitra ny lehilahy!
Mbola henatra baben’ny kolontsaina malagasy hatramin’izao ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa mifanentana amin’ny kolontsaina sy zavakanto malagasy. Noho ny fananan’ny Malagasy kolontsaina maro, tokony hanana toerana maro hanehoana izany ihany koa i Madaga­sikara. Mandefitra ny kolon­tsaina!

Voakitika hatrany amin’ny hasina maha olona
Amin’ny teny vahiny ny teny hanazavan-javatra amin’ny mpianatra malagasy. Zaza malagasy beazina amin’ny fiteny vahiny. Mandefitra ny tontolon’ny fanabeazana! Samy manana ny soatoaviny ny faritra. Manana ny soatoavina iraisany ny Malagasy. Mandefitra manoloana ireo mpampandihy fitombenana. Mandefitra ny fady! Ilay fanahy maha olona, nosoloina vola, voninahitra, fahefana, sns. Tsy miteny ireo «manam-panahy»!
… Rehefa mandefitra lava, lany henatra no hiafarany. Tsy mahavita ny adidiny ireo raiamandreny fa vao mainka aza manampy ireo «tanora fanahy» hanaotao foana. Raha mbola hoenti-mandefitra tahaka izao ny fomba amam-panao, ny soatoavina, ny kolontsaina, ny fanahy maha olona, sns. Hahazo vahana eto amin’ity Nosy ity ireo mpamingavinga!

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

sam, 09/28/2024 - 07:49

Mandeha ny fanamboarana tetezana any amin’ny lalam-pirenena faha-7, (PK 416+300), any Mahazengy Fianarantsoa. Nametrahana tetezamby vonjimaika any an-toerana, satria tapaka ny vahilava noho ny rivodoza Alvaro, ny janoary 2024 teo. Efa vita ny tetezana beton (dalot cadre), ka hoesorina amin’ny novambra ho avy izao ny tetezamby vonjimaika eo amboniny.
Misitraka ny « famatsian-jiro mora » ny any Matsiatra Ambony. Miisa 3 113 ny kaontera anjaran’i Fianarantsoa, ka efa voapetraka ny 485 amin’ireo any amin’ny fokontany miisa dimy, nanomboka ny 11 septambra teo. Marihina fa ireo tokantrano tena sahirana no misitraka ity « famatsian-jiro mora » ity, ka 30 000 Ar ihany no aloa.
Hisokatra ny 1 oktobra izao ny taom-pamarotana sy fanondranana lavanila voaomana. Manana sivy volana hatramin’ny 30 jona 2025 ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana hanondrana lavanila voaomana ho an’ny taom-panondranana 2024-2025. Tsy maintsy manao fanambarana ny tahirina lavanila mialoha ny fikaton’ny taom-pamarotana sy fanondranana kosa ireo mpandraharaha.
Tsara toerana amin’ny resaka toekarena manga i Madagasikara ka antony nampiantranontsika ny Forum LMMA aty amin’ny ranomasimbe Indianina mandritra ny efatr’andro. Hifanakalo hevitra sy traikefa amintsika ireo firenena 9 mandray anjara amin’ny hetsika.

Catégories: National

Hier pas si loin, Aujourd’hui c’est maintenant MANAKARA

ven, 09/27/2024 - 18:07

“Pays de vie, Région d’enfance ,Ville de cœur : Manakara au profond de soi”

Catégories: National

Volley-« Mada D1 » : hiditra amin’ny manasa-dalana rahampitso

ven, 09/27/2024 - 07:47

Hiditra amin’ny lalao ma­nasa-dalana rahampitso, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, 1ère division, taranja volley-ball. Hatao anio kosa ny lalao ampahefa-dalana, ho an’ny sokajy lehilahy, raha ny fandaharam-potoana. Raha ny voka-dalao nandritra ny lalao ampahefa-dalana omaly, anisan’ny tafakatra amin’ny manasa-dalana ny GNVB rehefa nandavo ny Bi’As tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-15/25-15/26-24). Nanjakan’ny GNVB tanteraka ny lalao teo amin’ny roa tonta. Tafakatra amin’ny manasa-dalana koa ny MVBC rehefa nahazo fandresena nanoloana ny Mami, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-18/25-11/25-24). Nafana ny fifandonana teo amin’ny AMVB sy ASI tamin’ny ampahefa-dalana, omaly, ary tany amin’ny tie break vao afaka namaritra ny mpandresy, dia ny ASI izany. Seta 3 no ho 2 (25-18/25-22/17-25/20-25/9-15), araka izany, no nisarahan’ireto ekipa roa ireto. Lalao farany nitranga omaly, ny fihaonan’ny ECVB sy ny Squad ka nivoaka ho mpandresy ity farany, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-20/25-16/25-12).
Ho amin’ny anio, hifandona amin’ny ampahefa-dalana ny GNVB 1 sy ny ASSM, sokajy lehilahy, ny GNVB 2 sy ny ASI 2, ny Cosfa sy ASI 1 ary ny Mama sy ny Pole.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

ven, 09/27/2024 - 07:47

Hotanterahina ny 23 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra anaty efitrano, Futsal. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny sokajy U13, U15, U17 ary ny zokiny Vétérans sy super Vétérans no handray anjara. Hifarana ny 15 oktobra ho avy io ny fisoratana anarana.
Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja Ambohidratrimo sy Elgeco plus, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions”. Nahazo fandresena indray ny klioban’ny FC Avenir du Sud, ary azo antoka fa tafakatra any amin’ny diviziona voalohany “Pureplay Football League”. Mitana ny laharana voalohany izy ireo, manana isa 11.
Hanomboka anio hatramin’ny alahady ho avy izao, any Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, sokajy lahy sy vavy, ho an’ny olona telo miaraka. Tsiahivina fa hisolotena an’i Madagasikara any amin’ny fifanintsanan’ny Nosy, izay voalohany amin’izany. Omena lelavola 1 tapitrisa Ariary kosa izay mahazo ny laharana faharoa.
Nahazo fandresena tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne “La Liga” indray ny ekipan’ny FC Barcelone, ny alarobia lasa teo. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Getafe FC. Tsiahivina fa nandritra ny lalao enina nataon’ny FC Barcelone, tamin’ity fifanintsanana ity, nahita fandresena foana izy ireo. Ny 26 oktobra ho avy io, hifandona amin’ny Real Madrid izy ireo.

Catégories: National

Olympiades d’Echecs : nahazo ny « Candidat Maitre » i Ismael

ven, 09/27/2024 - 07:46

Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara nandritra ny fifaninanana « Olympiades d’échecs », andiany faha-45, natao tany Budapest, ny 10 hatramin’ny 23 septambra teo, na dia tsy nahazo medaly aza. Atleta malagasy 3 mianadahy no nahazo anaram-boninahitra, taorian’ny fifaninanana. Ani­san’izany i Miora Ismael, izay nahazo ny “Candidat Maitre” (CM). Tao amin’ny sokajy “Open” no nifaninan’ity tompondakan’i Madagasikara, lalaon-tsaina échecs ity. Teo amin’ny laharana faha-105 tamin’ny mpandray anjara 188 no nisy an’i Madagasikara, teo amin’io sokajy “Open” io.
Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, laharana faha-98 amin’ny mpandray anjara 169 no nisy an’i Madagasikara, izay tena nahitana fivoarana lehibe ho an’ny Malagasy mpanao échecs, vehivavy. Ankoatra izay, nahafahan’i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra sy Randriatsiferana Dimbiharentsoa Chris­tiana nahazo ny anaram-boninahitra “Woman Candidat Maitre” (WCM) izany fiakaran’ ny laharan’i Madagasikara izany. Tsiahivina fa atleta malagasy 9 mianadahy (5 lahy sy 4 vavy) no niatrika ity “Olympiades d’échecs” natao tany Budapest ity, ny herinandro lasa teo.

Mi.Raz

Catégories: National

Rugby « WXV III »- sokajy vehivavy : hifanandrina amin’i Espagne ny Makis Ladies

ven, 09/27/2024 - 07:46

Hanomboka anio ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, izay hatao any Dubaï. Ny ekipa nasionalin’i Espagne no hifandona amin’i Madagasikara.

Hotontosaina anio, ao amin’ny kianja Sevens Stadium Dubaï, ny fi­haonan’ny Makis Ladies de Madagasikara sy ny Las Leonas Espagne. Lalao izay tafiditra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena taranja rug­by, sokajy vehivavy, « WXV III », hatao manomboka anio hatramin’ny 12 oktobra, any Dubaï. Tsiahivina fa amin’ity ny Makis Ladies vao hifandona amin’ny ekipam-pirenena eoropeanina eo amin’ny baolina lavalava lalaovin’olona 15. Araka ny fikarohana natao, efa nanao lalao andrana tamin-dry zareo Springboks Afrika Atsimo, ny ekipam-pirenena espaniola. Lavon’ny Springboks, tamin’ny isa 36 no ho 19 ry zareo Las Leonas, ny 19 septambra lasa teo. Eo amin’ny laharana faha-13 maneran-tany izy ireo amin’ny filaharana navoakan’ny World Rugby. Ny 20 septambra teo kosa, nomontsanin’ny Liones­ses Kenya, 63 no ho 19 ny XV Makis Ladies, tany Kenya. Faha-25 kosa no misy ny Makis amin’ny filaharan’ny World Rugby. Raha ny vaovao voaray tany an-toerana, omaly, efa vonona tanteraka ireo Malagasy mpilalao rehetra ary hanome ny tsara indrindra avy amin’izy ireo mba hahazoana vokatra tsara tsy ho ampoizin’ny rehetra.
Aorian’ity lalao ity, hikatroka amin’i Hong Kong indray ny Makis Ladies, ny zoma 4 oktobra ho avy izao, raha toa ka ny 11 oktobra indray izy ireo no hanao ny lalao fahatelo, izay hifanandrinana amin’i Samoa.

Fitia Randria

Catégories: National

Hazandrano : 150 000 taonina ny vokatra eto amintsika

ven, 09/27/2024 - 07:45

Manodidina ny 150 000 taonina ny famokarana trondro eto Madagasikara. « Vo­ka­tra azo avy eny an-dranomasina sy an-dranomamy ary ny fiompiana izany », hoy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Rakotosoa Rado, nandritra ny fanokafana ny Tsenaben’ny hazandrano andiany fahefatra, omaly, teny amin’ny Kian­ja Barea Mahamasina. Imasoana, hoy izy, ny fiompiana anatirano mba hampakarana ny tahan’ny fihinana trondro isam-batan’olona eto Madagasikara izay tsapa fa mbola ambany. Tanjona ny hahatonga izany ho 11 kilao isan’olona, isan-taona, raha mbola 7 kilao isan’olona, isan-taona, izany amin’izao fotoana. Misy ny paikady hataon’ny minisitera enti-manatanteraka ny vina apetraka hampakarana ny famokarana sy hanatrarana ny fanjarian-tsakafo ary ho loharanon-karena ho an’ny tokantrano. Eo ihany koa ny fampiofana omena hampiroboroboana ny lalam-pihariana sy hampirisihana ny olona hisehatra ao anatin’ny jono.
Marihina fa haharitra efatr’andro ny Tsenaben’ny ha­zandrano andiany fahefatra. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny « Hazandrano antoky ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara ». Mahe­rin’ny 100 ireo tranoheva mampiranty sy mampahafantatra ny vokatra ataony eny an-toerana.

Henintsoa H.

Catégories: National

Communales à Antananarivo: Harilala Ramanantsoa investie candidate de l’Irmar

ven, 09/27/2024 - 07:16

La candidature de Harilala Ramanantsoa, l’actuelle Présidente de la délégation spéciale d’Antananarivo (PDS), aux élections communales à Antananarivo, sous la bannière de l’Irmar, ne relève plus de la spéculation. Son dossier a été déposé hier auprès de l’Ovec à Nanisana.

C’est prévisible juste après sa nomination en tant que Présidente de la délégation spéciale d’Antananarivo. A ce mo­ment-là, Harilala Ramanan­tsoa a déjà été une candidate qui ne dit pas encore son nom et n’attend plus que le moment venu pour se déclarer non pas sur les réseaux sociaux, mais auprès même de l’Ovec.
Depuis sa prise de fonction, Harilala Ramanantsoa a été pressentie pour être la candidate de la plateforme présidentielle. Sa nomination à la tête de la Capitale, n’est pas le fruit du hasard. Des noms ont quand-même circulé en coulisses, sans pour autant faire l’unanimité malgré qu’ils soient tous des politiciens chevronnés.
L’Irmar a ainsi porté son choix sur une femme d’affaires et engagée qui n’est pas membre de la plateforme. D’ailleurs, cette dernière a déjà indiqué qu’elle reste ouverte à toute collaboration même si le candidat ou la candidate ne porte pas d’étiquette politique. Sous cet angle, autant dire que la candidature de Harilala Rama­nantsoa ne souffre d’aucune contestation. Et le fait de se présenter sous les couleurs de l’Irmar, en dit long sur sa détermination à redorer le blason de la ville des Mille.

6 autres candidats en lice
Comme il fallait s’y attendre, la majorité des candidats ont attendu le dernier jour de dépôt des dossiers d’hier, pour se bousculer au portillon. Après plusieurs semaines de tergiversations, le Tim s’est finalement résigné à désigner un candidat de remplacement de Marc Ravalomanana, qui n’est autre que son fils, Tojo Ravalomanana. La carte joker de l’ancien président qui ne semble pas être un candidat de consensus de l’opposition, sous cet angle.
Autre candidat ayant également déposé son dossier hier à l’Ovec Isotry sous la bannière du Mouvement Gasikara, Gascar Fenosoa, fraîchement élu député dans le 3e arrondissement d’Anta­nanarivo, ambitionne rapidement de gravir les échelons politiques en se présentant aux élections communales. Et Comme il l’a déjà indiqué auparavant, sa plateforme présentera des candidats à la mairie dans tout le pays. Ainsi, 279 candidatures au nom du Mouve­ment Gasikara ont été enregistrées auprès des Ovecs répartis dans tout le pays.
D’autres candidatures ont également créé la surprise, en la personne de Tahina Razafinjoelina, candidat à l’élection présidentielle de 2023 et non moins ancien directeur de campagne de Marc Ravalomanana.
Un candidat inattendu, à l’image de l’ancien Premier ministre de la Transition, Monja Roindefo a également déposé son dossier, pour briguer la mairie de la capitale hier, non pas au nom de son parti mais en tant qu’indépendant. Il en est de même pour le candidat soutenu par la conseillère municipale Lalatiana Ravololomanana en la personne de Ndriana Razanamasy. A rappeler que l’ancien ministre de l’Ele­vage et également candidat aux présidentielles de 2013 et 2018, Joseph Martin Ran­dria­mampionona dit Dada­fara a déjà déposé sa candidature, mercredi.

Rinah Rakotomanga
Pour sa part, l’ancienne conseillère de la Présidence, Rinah Rakotomanga a finalement décidé de faire marche arrière. Pour des raisons de santé, elle se voit alors obligée de se retirer de la course bien qu’elle en ait déjà fait l’annonce de sa candidature quelques semaines auparavant.
« Je mentirais à la population si je me présentais alors que je ne serais même pas là durant la campagne électorale », a-t-elle annoncé hier à Isotry en marge de son rendez-vous avec les membres de l’Ovec. « Je suis venue ici pour faire part de ma décision et témoigner mon respect aux membres de l’Ovec qui m’ont déjà donné un rendez-vous », a-t-elle expliqué. Tous les candidats attendent alors la publication officielle de leurs candidatures.

T.N

Catégories: National

Le bellissime de l’âme de la ville aux doux parfums_Manakara

jeu, 09/26/2024 - 08:16

L’attirance de la destination aux souvenirs d’hier, au dynamique d’aujourd’hui et à la préparation de demain”

Catégories: National

IDEES EN GOGUETTE (Alliance92) 2024-09-25

jeu, 09/26/2024 - 08:03

Catégories: National

Pages