Anisan’ny nivoitra tamin’ny fananganan-tsaina, teny amin’ny fonjaben’ Antanimora, ny alatsinainy 14 oktobra teo, ny toromarika sy hafatrafatry ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Belalahy Hanitriniaina. Nambarany fa naharay fitarainana ny eo anivon’ny minisitera ka hodinihina ny fahamarinany. “Handraisana fepetra izy ireny ka tsy hasiana famindram-po amin’ireo tratra manao izany. Efa maromaro ny tomponandraikitra nahantona tamin’ny asany tato ho ato”, hoy izy. Nanteriny fa manana zo tanteraka hitondra ny fitarainany eny anivon’ny fitsarana ny vahoaka ary antony nahatonga ilay andry napetraky ny filohan’ny Repoblika ho fanandratana ny maha olona sy ny andry fahatelo momba ny fitsarana tsara tantana izany. Nohitsiny fa mandray fepetra ny fitsarana mba hitondra fanadiovana. “Tsy ny vitsy anisa no handoto ny fitsarana iray manontolo”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nitondrany fanazavana koa ny momba ny fifaninanana hidirana amin’ny fitsarana. Nambarany fa tokony handeha amim-pahamarinana ny fitsarana ny fanadinana sy ny laza adina. “Tsy tokony hiseho ny filazana fa olon’ny minisitra na ny sekretera jeneraly, na tomponandraikitra ambony ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana”, hoy ihany izy.
Synèse R.
Miverina indray ny solika mitapoka. Miisa 24 mianadahy ireo ahina ho nanapoka solika anjatony litatra. Maro ireo nametraka fitarainana tato anatin’ny volana vitsy fa simba ny fiara vokatry ny haratsian’ny solika. Fantatra aorian’ny fanamboarana ny fiara fa nandrotsahana solika mitapoka ny fiara na moto iray nisedra olana. Nametraka fitarainana ireo mpandraharaha niharan’ny fahasimban’ny fitaovana amina fiara vokatr’izany. Nanao be midina tao Toamasina ny zandary avy any an-dRenivohitra, nohamafisin’ ny zandary tao an-toerana. Raikitra avy hatrany ny fisavana trano tamin’ ireo efa nahazoana angom-baovao. Fantatra tamin’izany fa miisa 24 mianadahy ireo voasaringotra amin’ ity raharaha ity ka vehivavy ny efatra ary efa nahatratra anjatony litatra ny solika sy ny ranoka fampifangaroana amin’ izany, toy ny solitany, asidra, lasantsy. “Handamina an’ i Toamasina amin’ny zavatra tsy mety maro miseho eto no nanendren’ny fitondram-panjakana ahy ary tsy maintsy fongorina izany, teto no nahalalako izany Rôrô, Cocaïne, Héroïne izany, ny angom-baovao azoko nandritra izay fotoana fohy nahatongavako izay”, hoy ny kaomandim-paritanin’ny zandary, ny Jly Razafialison Cyr. Nohitsiny fa zary lasa vavahadin’ny zava-mahadomelina i Toamasina.
Synèse R.
Andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana ny 15 oktobra. Nitsidika sady nanentana ny ankizy tezaina ao amin’ny foibe fitaizana ny zaza kamboty Felana Maitso eto Antananarivo, ny alatsinainy teo, ny vondron’ny teratany kameroney eto Madagasikara, nanamarihana izany. Nohazavaina tamin’ny ankizy ny maha zava-dehibe ny fanasana tanana sy ny fomba fanaovana azy.
Fikambanana sosialy sy tompon’andraikitra ny vondrona teratany kameroney eto amintsika, ka nanolotra fanomezana ho an’ny akany Felana Maitso, toy ny vary 100 kilao, menaka 32 litatra, voamaina 20 kilao, paty «spaghetti sy macaroni» 4 baoritra, akanjo 1 gony, bisiky, zava-pisotro mamy, savony, sns.
Nilaza ny filohan’ny fikambanana, Paul Roger Tseumeu, fa «hotohizana any amin’ny sekoly sy ny toerana fanabeazana ankizy ny hetsika toy izao. Tsotra nefa manan-danja amin’ny fisorohana ny aretina, mba hisian’ny fahasalamana ho an’ny daholobe». Nankasitraka ny fikambanana ny tomponandraikitry ny akany, Ramaromandray Lilia Olga, satria mampazoto ny ankizy tezaina ao ny firaisankina nasehony.
Njaka A.
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), manoloana ny tranga niseho teny Tsimbazaza, omaly. Ahin’izy ireo ho tsy voahaja ny zo fototra eo amin’ny fahahalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Nambaran’ny OJM fa ahina ny tsy fanajana ny zo fototra ho an’ny olom-pirenena amin’ny hahazoana vaovao. Nisehoana fanakanana ny ampahany tamin’ny mpanao gazety ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, omaly. Nisy lisitry ny orinasan-gazety nomena ireo mpiambina teny am-bavahady ka ireo mpanao gazety voarakitra tanatin’ny lisitra ihany no nomena alalana hiiditra. Navela niditra ihany ireo mpanao gazety rehefa nifampiresaka saingy tsy navelan’ireo mpiambina namonjy ny toeram-pivoriana izy ireo. Voalaza ho ny fahateren’ny toerana no antony nanakanana azy ireo. Niravona ny olana taorian’ny fandraisana andraikitra marolafy.
Notsiahivin’ny OJM anefa ny And 77 amin’ny Lalàmpanorenana fa azon’ny daholobe atrehina ny fivoriana ao amin’ny Antenimiera, raha tsy hoe misy ny fangatahan’ny ampahefatr’ireo mpikambana hanao fivoriana mikaton-trano. “Lanonana azon’ny daholobe atrehina ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana. Maro ireo mpanaraka ireo mpikambana ao amin’ny governemanta nahazo nanatrika ny fotoana. Teo ihany koa ireo mpaka sary, tsy mpanao gazety”, hoy ny fanambarana. Nahagaga ny OJM ny fanapahan-kevitra hoe singanina manokana ireo orinasan-gazety mahazo na tsia manatrika ny lanonana eny Tsimbazaza.
Zo fototra ny fahazoana vaovao
Nambaran’ny OJM koa fa voalazan’ny Lalàmpanorenana ny fahazoan’ny olom-pirenena vaovao. “Zo fototra izany. Antoka isitrahan’ny olom-pirenena izany zo fototra izany ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahan’ny mpanao gazety mitrandraka vaovao marina sy marim-pototra”, hoy ihany ny OJM. Nambarany koa fa zon’ny mpanao gazety ny mitrandraka vaovao, tsy azo sakantsakanana, tsy misy fandrahonana, lavitry ny herisetra, ho amin’ny tranga momba ny tombontsoam-bahoaka. Anisan’izany ireo dinika sy kabary ao amin’ny Antenimierampirenena sady iankinan’ny fiainam-pirenena tokoa, araka ny fanambarana hatrany.
Synèse R.
Efa ao anatin’ny fametrahana paikady hiatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna ny kandidà, Ravalomanana Tojo. Anisan’ny efa nametrahana izany sy nanombohana ny fanakaikezana ny vahoaka ny eny Ambohimanarina.
Nialoha izany, nitsodrano ny zanany, Ravalomanana Tojo, sady naraham-bavaka teny Faravohitra, ny sabotsy teo, ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana. Namba-rany tamin’izany fa tsy maintsy faranana ny fanapotehana ny eto Antananarivo Renivohitra. “Hatomboka ny fanavotana ireo vahoaka… Hatsangantsika ny efa rava fa ampy izay ny fanapotehana ity tanànantsika ity”, hoy izy. Notanisain’ny kandidà Ravalomanana Tojo kosa ireo olana samihafa sedrain’Antananarivo sy ny fahasahiran’ny mponina ao aminy. Manoloana izany ny nanentanany ny rehetra hiroso ho any amin’ny fanovana. Nanaovany antso avo ny hijoroan’ny rehetra mba hampanjakana ny mazava. Na izany aza, niantsoany ny fahavitrihan’ny olom-pirenena hifidy izany sy handraisana an-tanana ny ho avy ary hitsinjovana ny taranaka ihany koa.
Hiaraka hampandresy
Etsy andaniny, nanome toky ny hiara-kiasa hampandresy ny kandidà Ravalomanana Tojo sy ireo mpanolotsaina miaraka aminy, ireo depiote Tim voafidy tamin’ireo boriborintany eto an-dRenivohitra. Nambaran’ny depiote, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, nisolo tena azy ireo tamin’izany fa nahavelompanantenana izao satria tojo an’i Tojo Ravalomanana Antananarivo sy ny vahoaka. Nitsodrano ity kandidà ity ireto solombavambahoaka ireto avy eo.
Synèse R.
Mitohy ny hetsika “Opération Coup d’arrêt”, fampandriana fahalemana ataon’ny
mpitandro filaminana any amin’ny faritra Atsimo. Dahalo dimy no maty voatifitra, ankoatra ireo omby arivo tratra…
Minisitra efatra avy amin’ny governemanta notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy, ahitana ny MSP, MDG, minisitry ny Atitany, no nigadona any Atsimon’ny Nosy, omaly, mitady ny paikady hanamafisana hatrany ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Namory ireo tomponandraiki-panjakana izy ireo sady nanome toromarika ireo olom-boafidy avy ao amin’ny faritra Androy. Nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny vahoaka tao Imanombo sy ny manodidina. Teo koa ny fanolorana ireo vokatra azo tamin’ny hetsika « Opération Coup d’arrêt » nataon’ny mpitandro filaminana any Androy. Anisan’ireo vokatra azo nandritra ny hetsika ny omby arivo, dimy ireo dahalo maty voatifitra raha valo kosa ireo voasambotra. Basy telo no tratra nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo. Haverina amin’ny tompony ireo omby ireo ka natsangana ny kaomisionina iraisana handrindra ny famerenana izany. Taorian’ izay, nihazo an’i Miary Lomby, distrikan’i Betroka, toerana ahitana alan-drongony ireto delegasiona ireto. « Mitohy ny ezaka atao amin’ny famongorana ny asan-dahalo sy ny ady amin’ny fanapotehana zava-mahadomelina », hoy ny MFA.
Jean Claude
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny Malagasy mpikatroka amin’ny taranja MMA (Martial Mixed Arts)/ i Tojo Heriniriana. Miatrika fifaninanana matihanina any Shanghai Chine, izy, nanomboka tamin’iny volana septambra iny, izay nisafidy manokana ny hifantoka amin’ny taranja MMA. Nahazo fandresena indray izy, omaly, tao anatin’ny fifaninanana “Main évent”, izay tafiditra anatin’ny “WFC Championship 2024”. Teratany Khazakstan, i Mohamed, no nifanandrina tamin’i Tojo ka resiny tamin’ny TKO teo amin’ny fihodinana voalohany. Nambaran’i Tojo fa efa tsara ny toerany amin’izao satria efa fandresena roa sahady izao no azony hatramin’ny nanombohan’ity fifaninanana matihanina hatrehany any Chine ity. Tsiahivina, ny 7 septambra lasa teo no niatrika ny ady voalohany tany Chine i Tojo ary nahazo ny fandresena, 30 segondra niadiana, tamin’ny fihodinanana faharoa, tamin’ny “soumission”. Tamin’ny alalan’ny “clé bras” no nandavoany ny mpifanandrina taminy. Mbola hitohy sy mbola maro ny ady miandry azy, izay miankina amin’ny mpikarakara ny “WFC Championship”, araka ny nambarany. Nangataka ny fanohanana avy amin’ny mpiray tanindrazana i Tojo Heriniriana satria voninahi-pirenena no anton-diany any Chine sy hiatrehany ny fifaninanana matihanina toy izao.
Mi.Raz
Nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny ekipa malagasy, taranja ping-pong, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Fifaninanana natao tany Addis-Abeba Ethiopie, ny faran’ny herinandro teo. Resin’i Nigeria ny Malagasy. Samy resy tamin’ny seta 3 no ho 0 avokoa Andriantahina Tina sy Raharimanana Hanitra ary Jaoferson Fara.
Laharana faha-6 tamin’ireo firenena 9 nandray anjara ny Malagasy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tennis, sokajy U12. Fifaninanana nifarana ny alahady lasa teo, tany Gaborone Botswana. Teo amin’ny lalao farany, resin’i Botswana tamin’ny isa
2 no ho 1 ny Malagasy, nahitana an’i Realy, Koloina ary i Onintsoa.
Efa migadona any Tanzanie ny ekipan’ny GNBC (Gendarmerie nationale de basket-ball club). Hiatrika ny dingana voalohany amin’ny “Road to BAL” izy ireo. Tsiahivina fa hanomboka rahampitso 15 hatramin’ny 20 oktobra izao ny fifaninanana.
Hatao ny 14 hatramin’ny 22 desambra izao ny andiany faha-16 amin’ny “Challenge de Baobab”, taranja basikety. Fifaninanana hatao ao amin’ny “Complexe Sportive” Ampisikina Mahajanga, natokana ho an’ny sokajy Seniors, lahy sy vavy.
Norombahin-dRasoamaromaka Faniry sy Randriambololona Mahenintsoa (Mahents), mpanamorin’ny klioba TFM sy Asacm, mitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany faha-45 amin’ny “Grand Rallye international de Madagascar”. Dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara notanterahina teto Antananarivo sy ny manodinana, ny 11 ka hatramin’ny 13 oktobra lasa teo, nokarakarain’ny ASA Tana, izy ity. Tontosan’izy mirahalahy tao anatin’ny 2 ora 14 mn 45, 1 s ny hazakazaka. Saika lasan’izy mirahalahy ireo avokoa ny ankamaroan’ireo dingana manokana “ES” notanterahina tamin’ity. Tonga teo amin’ny laharana faharoa i Mathieu sy i Andry Tahina, avy amin’ny Asacm. Tara 5 mn 34, 4 s taorian’ireo tompondaka ry zalahy. Fahatelo, i Daniel sy i Andy, mpamily avy amin’ny ASA Tana sy Asacm. 2 ora 27 mn 46, 8 s ny fe-potoanan-dry zalahy. Mpanamory 14 tamin’ireo 31 nandray ny fiaingana sisa no hany tonga hatramin’ny farany. Dingana manaraka ho an’ny mpifaninana ny rallye karakarain’ny AC 501, hatao ny 15 – 17 novambra ho avy izao sady mamarana ny taom-pilalaovana 2024.
Torcelin
Faharesena faharoa ho an’ny Barea de Madagascar, amin’ny ady tapakilan’ny “Can 2025”, ny omaly, tany Maroc. Lavon’ny Scorpion Gambie, 1 no ho 0, izy ireo.
Ratsy ny vokatra azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny Stade El Abdi Maroc. Resin’ny Scorpion Gambie, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny ekipa nasionaly malagasy. Mbola lavitra ny fandraisana anjara amin’ny “Can Maroc 2025”, ho an’ ny Malagasy mpilalao. Taorian’iny andro fahefatry ny fifanintsanana iny, mitana ny laharana farany hatrany ny Barea, izay manana isa roa.
Raha iverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, nanindry tamin’ny fitazomana baolina ny Barea, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Tany amin’ny minitra faha-28, nanao fahadisoana i Sonny Laiton, mpiandry tsatobian’ny ekipa malagasy ka nahazo “penalty” ny gambianina saingy azon’ity mpiandry haraton’ny Barea ity izany. Taorian’io, tsy nisy ny fanafihana nampatahotra na ho an’ny andaniny na ho an’ny ankilany, ka ady sahala 0 no ho 0 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Teo amin’ny fidirana faharoa, nanomboka nametraka ny tena lalaony ry zareo maingoka gambianina, ka nahakobana ny harato i Barrow, mpilalaon’i Gambie, minitra faha-63. Niezaka ihany ny mpanazatran’ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix, na Coach Rôrô, nanova paikady saingy tsy nampiova ny isa teny amin’ny solaitrabe izany.
Tsara marihina fa lalao roa sisa no hataon’i Madagasikara amin’ity Can ity, ka i Comores sy Tunisie no miandry azy ireo. “Hiasa isika manomboka izao, hanarina ireny lesoka hita nandritra ny andro voalohany sy faharoa ary fahatelo sy fahefatry ny fifanintsanana handraisana anjara amin’ny Can ireny. Mbola olana ny tsy famonoana baolina”, hoy ny Coach Rôrô.
Isa iray ihany
Raha isa enina na efatra no noheverin’ny delegasiona Barea de Madagascar ho azo tamin’ity andro fahatelo sy fahefatry ny ady tapakilan’ny “Can 2025” ity, dia isa tokana ihany no hita. Tsiahivina fa mety hisy fiantraikany amin’ny filaharan’ny Fifa ireny faheresen’ny Barea omaly, tany Maroc, ireny.
Fitia Randria
Cette publication est protégée par un mot de passe. Pour la voir, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :
Mot de passe :
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampisehoana fampahafantarana ny “Héritage”, niarahana tamin’i Dadju sy Tayc sy ireo mpandresin’ny fifaninanana “Tremplin héritage”, nahitana an’i Ismael sy Bab’s ary Yvaniat. Hipoka mpankafy an’ireto mpanakanto vahiny ireto ny kianja ary tafiditra ho anisan’ireo seho tsara kalitao iny fampahafantarana ny «Héritage» iny. Tsiahivina fa anisan’ireo fampisehoana fitetezana firenena maro ho fampahafantarana izany iny fampisehoana iny.
Anisan’ny fahombiazana ho an’ny mpikarakara iny seho lehibe natao teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina iny. Samy afapo ny rehetra na ny mpandray anjara na ny mpijery. Afapo tamin’ny fankafizana nasehon’ireo mpijery azy koa mantsy ireo mpanakanto nanafana ny sehatra. Tsy nampoizin’ny maro ny seho natolotr’ireo mpandresin’ny fifaninanana “Tremplin héritage”, izay tena nitondra hafanana ho an’ny sehatra. Tsy niala fa niandry hatrany ny fotoana niakaran’ireo vahiny mpanakanto ny mpankafy azy ireo, na dia tamin’ny 9 ora alina aza izy ireo vao niaka-tsehatra. Vao mainka nafana ny sehatra tao amin’ny Kianja Barea niaraka tamin’ny hira “I love you”, “Contrat”, “Wablé”, “Le Temps”, “ Do do” sns.
Lin
Tanterahina anio, eny amin’ny Craam Ankatso, ny hetsika «Fetin’ny Repoblika», ahitana fampisehoana sy velakevitra mahakasika ny fanjakana sy ny Repoblika. Eo ihany koa ny momba ny «Hip Hop». Hisy ny fampisehoana iarahana amin’ny mpanakanto miangaly ny gadona Rap, mivondrona ao anatin’ny Kolontsaina mainty.
Ny haify sy ny nahandro no nasongadina teny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fanokafana ity ivontoeran-javakanto sy kolontsaina vaovao ity sy ny fampirantiana “Saison Inaugurale Histoires de Famille. Karazana nahandro miisa 7 no naseho tamin’izany, fiaraha-miasan’ny mpikarakara sy ny Chef Lalaina Ravelomanana no nahatanteraka izany.
Anisan’ireo nahazo tombony sy nahita fahombiazana tamin’ny fivahinianana sy fitrandrahana nataony tao amin’ny Fondation H Ambatomena i Dalila Dalléas Bouzar, mpanakanto mpanao hosodoko alzerianina manana ila frantsay. “Be zavakanto azo trandrahina sy hakana fahaiza-manao eto Madagasikara”, hoy izy.
“Mozika mikolo saina, tsy misy efitrefitra, ho an’ny fanabeazana”. Tanterahina eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, ny 19 oktobra 2024, ny fampisehoana iarahana amina mpanakanto miisa folo samy manana ny maha izy azy. Ny Lofo Madagasikara no mikarakara ny hetsika. Tanjona ny hampiraisana ny mozika eto Madagasikara.
Fahombiazana efa nampoizina ihany. Rakotra olona manoloana ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina, hatreny amin’ ny morondranomasina, ny faran’ny herinandro teo. Olona aman’alina, tonga niala voly nanatrika ny «Star Tour» tao an-toerana ireo. Ny takarivan’ny zoma dia efa nanomboka ny fanentanana isan-karazany. Na tsy mbola nisy mpanakanto aza, efa tomefy olona ny espace pression. Vao nanomboka ny fanentanana kosa i Barhone sy i Eric Fou Hehy dia nihavory tsikelikely ireo liana tamin’ny fampisehoana teo amin’ny sehatra lehibe, ny sabotsy. Taorian’ny fanentanana samihafa, nanokatra ny fampisehoana i Trezey. Mbola nangatsiatsiaka na ny mpanakanto na ny mpijery tamin’io. Nanomboka nafana kosa rehefa nandimby azy an-tsehatra i Ckiky. Efa tena anatin’ny ambiansy tanteraka kosa ny niakaran’i Stéphanie, ary tsy nidina intsony izany na dia vita aza ny anjarany. Notohizan’ireo mpikosoka kapila tamin’ny alim-pandihizana goavana rahateo izany.
Mbola fihaonan’ny tia sy ny manina hafa ihany koa ny alahady. Taorian’ny seho goavana tao Antsonjombe, nihaonana tamin’ireo mpankafy azy ny tarika AmbondronA iny omaly iny. Nahazo ny anjarany ny mponin’i Toamasina, satria ireo nisafidy ny seho an’efitrano dia efa nanokanan’ny tarika fotoana ny alin’ny zoma teo.
Tsiahivina fa sady fanombohana ny «Oktoberfest» iny «Star Tour» tao Toamasina iny.
Zo ny Aina
Mahavelombolo ny mahita ireo katitakely efa miantsehatra eo amin’ny gadona Jazz sy ireo andrarezina mampita traikefa sy fahaiza-manao amin’izy ireo. Azo antoka, araka izany, ny fivoarana sy ny hoavin’ity gadona ity.
Seho lehibe no nentina namaranana ny “Festival Madajazzcar” andiany faha-35, omaly. Anisan’ izany, ny hetsika natao teny amin’ny CGM Analakely, niarahana tamin’ny The Clarisse Sister’s, Bandy Baraka Big Band, Big Band Kely ary ny Jazz Club CGM. Teo ihany koa ny “Jazz & Buffet”, teny amin’ ny Karibotel Analakely, niarahana tamin’i Mahefa Randriamiandrisoa, Yrinaf, Miantsa Randriamihajasoa, Santatra Andria ary Vatsiahy Ravaloson. Efa manomboka mihamaro ny mpankafy ity gadona ity eto Madagasikara, raha tarafina amin’ity andiany faha-35 ity. Tsiahivina fa tanjona ny hanasongadina ny vehivavy mpiangaly Jazz sy hampiroboroboana izany tamin’ity andiany ity.
Zary lasa fotoan-dehibe ho an’ny mpankafy Jazz eto Madagasikara, ny “Festival Madajazzcar”, na dia eo aza ireo hetsika ankoatra azy. Tao anatin’izay andiany 35 nifanesy izay no nezahina nampahafantarina ny gadona Jazz teto Madagasikara. Efa manomboka hita ny vokatr’izany ezaka tao anatin’ny taona maro izany, ankehitriny. Mitombo ary mihamaro hatrany na ireo mpankafy, na ireo mpanakanto miangaly ny gadona. Tamin’ ity andiany faha-35 ity, anisan’ ny nizara ny traikefa sy ny fahaiza-manaony ho an’ny Malagasy miangaly ny gadona Jazz ny The Clarisse Sister’s sy ny MalagaSwiss Jazz United. Ireto tarika ireto izay manana ny maha izy azy, miantsehatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ankoatra ny fampisehoana, nisy ny atrikasa sy velakevitra. Teo ny niarahana tamin’i Stewy Von Wattenwyl sy Isabella Bleich ary Sarahfina, nianarana ny fototry ny gadona Jazz sy ny famoronana eo amin’izany gadona izany. Nisy koa ny velakevitra niarahana tamin’i Brigitte Rakotomalala, vehivavy malagasy mpiangaly Jazz, niresahana ny lohahevitra “Ny vehivavy sy ny Jazz eto Madagasikara”.
Lin
Hovitaina amin’ity herinandro ity ny lalana eny Ampasika, eo amin’ny fihodinana (rond –point), mankany Itaosy. Efa natao omaly alina, ny eo amin’ny hotely Etoile rouge, mialoha ny hikisahana eo amin’ny fivarotan-tsolika Jovena. Manatanteraka ny asa ny orianasa Magic. Tsiahivina fa efa natao ny eny Bel’air, Ankorondrano Ivandry, Ambodin’Isotry, sns.
Manodidina ny 5 000 Ar ny 1 euro. Raha ny tsenambola navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), misanda 4 994,94 Ar ny 1 euro ny 11 oktobra teo, izany hoe, 5,06 Ar sisa no tsy maha 5 000 Ar azy. Misanda 4 576 Ar kosa ny 1 dolara, izany hoe, mihoatra 76 Ar amin’ny 4 500 Ar. Midika ireo fa miha mitotongana hatrany ny sandan’ny vola malagasy miohatra amin’ny vola vahiny. Etsy ankilany, mahatratra 7,6 % ny fiakatry ny vidim-piainana.
Anisan’ny niofana amin’ny fiompiana trondro, any Manankasina, kaominina sy distrika Arivonimamo, i Heriniaina. Efa nahavita ny tahalaka izy, andrasana ny fampidirina ny zana-trondro avy any amin’ny CDA Mahajanga. Manohana an’i Heriniaina hanatanterahina ireo ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Itasy.
Voasambotry ny polisy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka (Cybercriminalité), teny Tanjombato, ny talata teo, ny lehilahy iray mpisoloky amin’ny alalan’ny facebook. Mody mitady sarina vehivavy ao amin’ny facebook izy ka mamorona kaonty sandoka. Mampiresaka lehilahy nofidiany mialoha izy ka hanaovany resaka miendrika fivarotan-tena miaraka amin’ny sarin’ireo vehivavy nalainy tao anaty facebook. Rahonany sady ampitahoriny ireo olona ireo fa hoe havoakany ho hitan’ny olona rehetra ny resaka nifanaovan’izy ireo na koa halefany amin’ireo olona akaiky azy ireo izany. Matahotra ho afa-baraka ireo olona ka mifampiraharaha amin’ity mpisoloky ity. Vola 20 000Ar ka hatramin’ny 7 hetsy Ar no alainy amin’ireo olona voasolokiny ireo. Raha vao tsy mandefa ny vola tadiaviny ireo olona iharan’ny fisolokiana dia avoakany ny resaka rehetra nifanaovan’izy ireo. Tao anatin’ny famotorana no niaiky izy fa efa ela no nanao ity asa fisolokiana ity. Olona 30 no efa lasibatr’ilay jiolahy. Tsy misy afa-tsy ny mitandrana ihany amin’ny fikirakirana itony facebook itony.
J.C
Naseho ambany faneva ireo zazavao 65 mirahalahy avy amin’ny antokon-taona 2024/1, eo anivon’ny Akademia miaramila Antsirabe, ny 10 oktobra lasa teo. Nanaraka ny fiofanana fototra ara-miaramila na ny Fetta izy ireo mialoha izao lanonana izao. Niandraikitra manokana io fiofanana io ny eo anivon’ny Bataillon des opérations et services (Bat. Ops). Nitarika ny lanonana ny Jly Ratsarahevitra Andriamisetra, kaomandin’ny Akademia miaramila. Tonga nanome voninahitra ny lanonana tany an-toerana ireo manam-boninahitra eo anivon’ny Tafika sy zandarimaria.
Tsiferana R.