Plastika ny 10% ny fako eto Madagasikara, izay mahatratra 68 985 taonina. Natao ny 8 aogositra teo ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fikambanana Fakotory. Tanjona ny hanodinana ny fako plastika, vita amin’ny akora vinyl, ho lasa kitapo fiantsenana ho solon’ny harona plastika.
Simba ny fitaovana fampiakaran-tosika ny ranon’ny Jirama eny Nanisana, ka tsy maintsy naato ny famatsiana, omaly. Voakasiky ny fahatapahan-drano ny eny Ankerana, Ankadindramamy,…, Ambatobe, Masinandriana, Analamahitsy, Andranobevava, Ambohitrarahaba, Antanandrano, Manjaka, Ambohipanja, Ankadikely Ilafy, Ivandry, Soavimasoandro, sns.
Miisa 293 ny mpamboly sy mpiompy, anaty fikambanana 4, sy olon-tokana 16, nahazo fitaovam-pamokarana any amin’ny kaominina Befandriana Avaratra, Morafeno, Ambodimotso Sud, Ambararata, Tsiamalao, any amin’ny distrika Befandriana Avaratra, faritra Sofia. Anisan’izany ny angadin’omby, hersa, « pulverisateur », motopompy, fivelesam-bary, fihavana, masomboly, zezika. Ho an’ny fiompiana, nisy ny akoho fakana nofo, provandy, fefy grillage, fisotroana sy fihinanan-tsakafo, sns.
Nijery ifotony tany Ambositra ny ekipan’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny 3 aogositra teo. Nanatanteraka izany ny Fitantanana ny fotodrafitrasa (Dinfra) ao amin’ny minisitera foibe, niaraka tamin’ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Amoron’i Mania. Nojerena ny fivoaran’ny asa efa mandeha amin’ny lalam-pirenena fahafito, RN7, eo amin’ny halaviran-dalana, PK 258, eo Ambositra hatrany amin’ny PK 311 Ambatofitorahana.
Nisy fotoana niatoan’ny asa, noho ny antony maro samihafa, ka izao miverina amin’ny laoniny izao, izay tanterahin’ny orinasa EHS. Avy amin’ny Fidiram-bola anatin’ny fanjakana (RPI) ny famatsiam-bola hanaovana azy. Anisan’ny asa atao ny fanampenana ny lavaka sy fanatsarana ireo lalana tena ratsy.
Mirefy 13 km ny asa efa vita, eo amin’ny PK 258 sy PK 270 amin’ny 53 km tokony hatao hatrany Ambatofitorahana. Araka ny fampahalalam-baovao, tombanana hatrany amin’ny 47% io asa vita io. Nomena toromarika ny orinasa EHS hanafaingana ny asa. Arahi-maso ny fitaovana ampiasaina amin’ izany. Nojerena koa ny fahafahany manampy isa ny mpiasa, hanatrarana ny fe-potoana napetraka amin’ny oktobra ho avy izao.
Njaka A.
Misy ny tetikasa goavana, hitaterana herinaratra hanatsarana ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), ho an’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra ary Itasy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Tana Medium Ring » (TMR) ity asa ity, vatsian’ny banky sinoa Exim Bank. Tanjona ny hampitomboana ny tahan’ny mpanjifa misitraka herinaratra, araka ny voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), ho fampivoarana ny maha olona sy fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara.
Tariby mirefy 185 km
Hanatanteraka ny tetikasa TMR ny orinasa TPBEA. Miisa 8 ny toby « sous station » hatsangana, miaraka amin’ny andry « pylône » milanja ny tariby mpitatitra herinaratra mirefy 185 km. Mahatratra 90 kiloVolt ny tanjaky ny herinaratra mahery vaika entiny. Tafiditra ao anatin’ny asa ihany koa ny fanorenana toerana fanamboarana fitaovana manova herinaratra « unité de montage de transformateurs », MT/BT eny Imerintsiatosika.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny filoha Rajoelina, natrehin’ny praiminisitra Ntsay Christian, sy ireo minisitra isan-tokony misahana ny fampandehanan-draharaha ity tetikasa ity, ny 7 aogositra teo.
Njaka A.
Tsy mitovy avokoa ny hetra alaina amin’ny karaman’ny tsirairay. Mijanona ho 20 % ihany kosa ny tahan’ny Irsa alaina amin’ny ampahan-karama ambony indrindra.
Manamafy ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra (DGI) fa mijanona ho 20% ny tahan’ny hetra alaina amin’ny ampahan-karama ambony indrindra taorian’ny filazana niparitaka fa hiakatra ho 25 % ny tahan’ny Hetra alaina amin’ny karama (Irsa). Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF), Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, fa « tafiditra tao anatin’ny adihevitra nifanaovana tamin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny fampakarana ny hetra alaina amin’ny karama ho 25 % saingy tsy nisy fanapahan-kevitra mahakasika izany fa nijanona ho adihevitra fotsiny ihany ». Samihafa avokoa ny hetra alaina ary miankina amin’ny karama raisin’ny tsirairay izany. Izany hoe, misy ny sokajina mpiasa tsy hakana hetra mihitsy (0 %), misy ny mandoa hetra 5 %, 10 %, 15 % ary 20 %. Ka ity farany no nitondrana adihevitra niaraka tamin’ny FMI, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Notsindrian’ny minisitra fa « misoratra anaty memorandum avokoa ny adihevitra atao raha voarakitra ao anaty tableau des repères kosa ny fanapahan-kevitra ary hita ao anatin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola (loi des finances) ».
Mifandanja
Mila mifandanja ny vola miditra sy mivoaka, izany hoe, na ahena ny fandaniam-bola na hampakarina ny hetra. Nisafidy ny hampidina ny fandaniam-bola ny governemanta. Nampahatsiahy ny minisitra fa efa nisy ny adihevitra nitondrany fanazavana teny amin’ny Antenimierampirenena mahakasika ny fanafoanana ny fanalefahan-ketra momba ny vary sy ny momba ny rano. Saingy nifanaiky ny rehetra fa tsy ampiharina izany.
Henintsoa Hani
Nanadio ny Kianja Barikadimy ao Toamasina avokoa ireo klioba sy olon-tsotra ao an-toerana, omaly. Ity fotodrafitrasa ity izay efa nahitana fahasimbana amin’ny toerana sasany. Nitarika ny hetsika ny ligim-paritra Atsinanana izay nanentana mba hikajiana io kianja io, izay hany mampiavaka ny faritra.
Nifarana omaly, ny fisoratana anarana amin’ny Mobil Rally of Boeny. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny familiana fiarakodia. Mpikarakara izany ny klioba Gojang. Any Mahajanga no hanatontosana izany ny 15 ka hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao.
Hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja handball, sokajy zandriny, lahy sy vavy. Miisa 6 ny sokajy hiatrika izany dia ny Minime, ny Cadet ary ny Junior, lahy sy vavy.
Mitana ny laharana fahatelo ny ekipa malagasy taorian’ny dingana voalohany amin’ny “Masters 2024”, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana tanterahina any France. Manana isa 8 i Madagasikara. Mitarika ny ekipan’i Helfrick, isa 13 arahin’i France 2, isa 9. Tsiahivina fa ny 22 aogositra ny dingana faharoa hatao ao Nevers.
Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Miisa 40 ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny nahazo fiofanana tamin’izany. Anisany ny teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo tomponandraikitra ao amin’ ny klioba 16 mandrafitra ny Cfem ary ny zandary sy ny polisim-pirenena.
Tanjon’ny FMF amin’ity hetsika ity ny tsy hisian’ny olona maty intsony rehefa misy lalao iraisam-pirenena. Tsiahivina fa i Ababacar Sene sy Fergani Hafid no mpampiofana nalefan’ny Caf raha toa ka i Katharina Steinberg no solotenan’ny Fifa nandritra izay telo andro izay. Ankoatra izay, nilaza ny Federasiona fa hisy ny fampiofanana manaraka, izay hiarahan’izy 40 mianadahy ireo amin’ny Fifa. Tsara ny mampahafantatra fa na misy aza ny fiofanana dia tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf hatrany i Madagasikara.
Fitia Randria
Nitondra avo ny anaran’i Madagasikara ireo Malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena robotika. Nanasongadina ny fahaizana manetsika sy mibaiko robot hanao zavatra iray izy ireo.
Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny Telma Madagascar Andraharo, omaly, ireo tanora malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana mahakasika ny robotika. Fifaninana iraisam-pirenena “Pan-African Robotics Competition » (PARC) 2024. Notanterahina tany Sénégal, ny 22-27 jolay lasa teo. Efa manomboka misongadina eo amin’ny sehatry ny robotika i Madagasikara. Nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fifaninanana ireo tanora malagasy nandray anjara tamin’izany. “Zava-dehibe ary tena hifotorana ny lafiny fanabeazana sy fakana traikefa rehefa miatrika fifaninanana tahaka izao”, hoy Andrianarison Faly Christian, mpitarika ny ekipa, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety. « Anjara andraikitray tamin’ny sehatry ny robotika ny fanomanana sy fibaikoana ny zavatra tokony hataon’io robot io. Asan’ny robot ny mandeha sy miala amin’ny sakana rehetra eny an-tanimboly », hoy hatrany izy. Nanomboka ny volana mey izy ireo no nanomana ny “programmation” rehetra. Nanetsehana, nibaikoana sy ny fialan’ilay robot ny sakana rehetra amin’ny alalan’ny fampiasana solosaina. Notakiana tamin’izy ireo ny famoronana robot mandrindra ny fomba fambolena sy nahafahana mikajy ny vokatra.
Lohahevitra tamin’ny fifaninana ny hoe: “the future is now” na ny “anio ny hoavy”. Mbola mpianatra avokoa izy dimy mirahalahy nandrafitra ny ekipa “team Robotiako”. Ezaka hotratrarin’izy ireo ny hampihatra eto an-toerana ny traikefa rehetra azo nandritra ny fifaninana natao tany ivelany.
Mino
Mihena iray metatra ny haavon’ny rano any Andekaleka, miantoka betsaka ny herinaratra mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (Ria). Mahatonga izany ny vanim-potoan’ny maintany, ka tsy maintsy ahena ny tosiky ny rano ahafahana mameno ny tohodrano manosika ny milina mamokatra herinaratra any Andekaleka, Mandraka ary Antelomita. Hitohy ny delestazy, noho izany, omaly nanomboka tamin’ny 1 ora tolakandro sy tamin’ny 5 ora hariva.
Mety hiakatra 25% ny « Impôt sur les revenus salariaux et assimilés (IRSA) » alaina amin’ny ampahan-karama ambony sy antenantenany raha toa ka 20% izany teo aloha. Atao izany mba hampitomboina ny vola miditra ho an’ny fanjakana malagasy hatramin’ny taona 2027 sy ahafahana misitraka ny Facilité élargie de crédit (FEC) sy ny Facilité pour la résilience et la durabilité (FRD) ao anatin’ny fifanarahana miaraka amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena.
Nihena 56,5% ny nikela naondrantsika, nidina ny vidiny sy ny habetsany. Nihena ihany koa ny vola azo avy amin’ny kobalta. Mahatonga izany ny famokarana mihoa-pampana maneran-tany sy ny fitomboan’ny tinady.
Nanome fampitam-baovao ny Madagascar National Parks (MNP), sampana Ranohira, fa nirehitra ny tanety manodidina ny 2 ha tany amin’ny valanjavaboahary Isalo, ny sabotsy 3 aogositra teo tokony ho tamin’ny 12 atoandro. Voafehy ny ampitso 4 aogositra tamin’ny 4 ora maraina ihany izany. Miisa efatra mitsitokotoko ny fiandohan’ny afo tany andrefana sy avaratry ny « Fenêtre de l’Isalo ».
Efa nandray andraikitra ny MNP talohan’ny nitrangan’ny afo. Nampitomboina 7 lahy ny mpiambina ny « Fenêtre de l’Isalo » nanampy ny mpiasan’ny AGP. Nahitana olona maromaro niditra tany amin’ny faritra ambenana ka voasambotra ny olona iray ary nalefa any Ranohira.
Anisan’ny nanafaingana ny fihitaran’ny afo ny andro migaingaina sady nandrivotra. Matevina ny bozaka sy ny zavamaniry satria ny taona 2017 no nisy trangan’afo farany. Novonoina mivantana ny afo sady nasiana aro afo mba tsy hahakasika ny « Fenêtre de l’Isalo » sy ny sori-dalana Malaso ary ny ala manodidina.
Nifarimbona nanatanteraka izany ny mpiasan’ny Dredd Ranohira miisa 2, ny zandary 3, ny avy ao amin’ny kaominina Ranohira miisa 6, ny MNP (28), ny mponina (26), ny mpitaridia 29 ny PLAE 15 ny hotely Jardin du Roi (7).
Njaka A.
Mandray anjara feno amin’ ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Miantoka ny famatsiana ny mpiara-belona manerana ny Nosy ary manome lanja ny vokatra malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo. Tantsaha avokoa ny 75% ny Malagasy ka ampirisihina ny hanatonan’izy ireo ny biraom-panjakana sy hiditra anatin’ireo fikambanana tantsaha mba hampahafantatra ny vokatra ataony sy hitady lalam-barotra.
Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny jono eto Madagasikara. Tanjona, araka izany, ny hahamatihanina ny mpanjono hatrany amin’ny 37 500 manerana ny Nosy. Ankehitriny, tafakatra 3 700 ireo nisitraka fiofanana raha toa ka 2 300 izany teo aloha. Mbola mitohy, araka izany, ny fampiofanana omen’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ho an’ny famokarana anaty rano.
Toekarena
« Mbola malalaka ny tsenan’ny jono eto amintsika noho izy ahitana rohim-pihariana maro », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Katsaka hatrany amin’ny 350 000 taonina isan-taona no ilaina ho an’ny famokarana provandy. Nilaza izy fa anisan’ny mampidi-bola betsaka eto amin’ny firenena ny jono. Ny taona 2022, nahatratra hatrany amin’ny 560 miliara Ar ny azo tamin’ity seha-pihariana ity.
Ankoatra izay, takina ny habetsaky ny vokatra sy ny hatsaran’ny kalitao miditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Atao izany mba hampiakarana ny vokatra aondrana sy hampakarana ny sandam-bola.
Henintsoa Hani
Any Antsirabe ny Hosana Ambohijatovo. Hisy
ny seho indroa miantaona izay hataon’izy ireo, ny zoma
9 aogositra ao amin’ny O’Carrefour ary ny alahady 11 aogisitra, ao amin’ny Kianja Maitso SPAAM Antsenakely. Seho fiderana tafiditra anatin’ny fitetezam-paritra hataon’ izy ireo, ho fanamarihana ny faha-60 taona nisiany izany.
Hisy ny atrikasa momba ny feo, izay tontosaina any Toamasina. Hizara ny traikefany ho an’ireo mpihira te ho matihanina i Heman, mpitarika ny Meva Gospel. Hatao ny 12, 13 ary 14 aogositra izany, eny amin’ny Trano Mora Mangarano. Intelo misesy ny atrikasa ka hizara ho vondrona telo ihany koa ireo izay liana hanatsara ny fomba fihirany.
Hitohy androany, amin’ny alalan’ny “Jazz V.I.P”, eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Analakely, ny “Festival Jazz Tohatohabato”, andiany faha-13. Anisan’ ny hampiavaka ity fampisehoana ity ny fandraisan’ireo Tomponandraikitra ambony maro samihafa, na ny ara-panjakana izany, na ny eo anivon’ny sehatra isan-karazany.
Ao anatin’ny hetsika “Ensemble le RDV”, eny amin’ny CGM Analakely, anio, indray no hampahafantarana momba ny tontolon’ny “Cirque”, indrindra ireo mpisehatra ao anatin’izany. Hetsika hampahafantarana asa iray eo amin’ny tontolon’ny zavakanto izy ity, hampiroboroboana sy hampahafantarana ny mahakasika zavakanto iray.
Nanana ireo fomba nentiny nanatanteraka lanonana ny Malagasy. Niova tsikelikely izany taty aoriana. Tafiditra rahateo ny atao hoe « fety »… Amin’izao vanim-potoana izao, maro ny miezaka mamerina ny fahiny. Saingy, amin’ ny ampahany ihany .
Rehefa mandia fotoan-dehibe ifaliana ny Malagasy, manatanteraka lanonana izy. Fitokanana trano vao vita, fitsofan-drano samihafa, fifampiarahabana isan-karazany, sns. Samy nandray anjara tamin’ny fanomezana aina azy ireny ny mpianakavy sy ny mpiara-monina… Niova tsikelikely io endrika io. Niditra teto Madagasikara rahateo ny antsoina hoe « fety », izay nanomboka nifangaro tamin’ny « lanonana » teo amin’ny fombafomba nanatanterahina azy. Ny antom-pisiana no mety
ho samihafa. Nanjary nanao « fety », ohatra, ny Malagasy rehefa misy ireo « atao komonio voalohany », na ireo « raisina ho mpandray ny fanasan’ny Tompo », sns. Tsy an’ ny Malagasy ireo.
Taona vitsivitsy izay, nanomboka nitodika tany amin’ ny azy ny ankamaroan’ny Malagasy rehefa hanatanteraka « fety » aman-danonana. Misy ny hoe : « tsara raha manao fitafy gasigasy ». Tahaka izany koa ny hoe : « Mitady tarika na mpihira afaka maneho zavatra gasigasy izahay hanafana mariazy »… Saingy, rehefa tomorina akaiky, ny endrika ivelany no omena vahana kokoa amin’ireny. Tsy ny fototra loatra no maha maika sy tian-kiverenana fa finiavana te haneho « efa lamaody amin’ izao ny manatanteraka fety gasigasy, ka aleo mba manao izany ihany koa. Andao hitafy lamba. Asio feom-baliha kely eny antsefantsefan’ny fandaharam-potoana. Aza hadinoina ny mirandrana, sns » !
… Maivana sy tsy tsara fototra ny endriky ny fiverenan’ny Malagasy ao anatin’ny « gasigasy », satria, « fanarahana lamaody » no mibahana ao an-tsainy. Io tranga io no mahatonga ny mpandinika
ny fiarahamonina hilaza fa :
« tsy finiavana hampanjary ny hasina ao aminy no laharam-pahamehana amin’ny Malagasy miaina amin’izao vanim-potoana izao, fa ilay endrika ivelany hamotika azy tsy ho ela » !
HaRy Razafindrakoto
Nasehon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao amin’ny tambajotran-tseratserany, omaly, fa hatao ao amin’ny kianja Hamadi Aguerbi Rades Tunisie avokoa ny lalaon’ny Barea, eo amin’ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can 2025. Ny 5 septambra lalao atao amin’i Tunisie.Ny 9 septambra kosa no hifanandrina amin’i Comores.
Hotontosaina ny alahady 11 aogositra izao, eny amin’ny kianja mitafon’i Besarety, ny « Resadresaka sy tantaran’ny Kung Fu ». Ireo loholona Wisa manerana an’i Madagasikara no hifandrimbona hitondra ny resaka mandritra io fotoana io. Hisy fanentanana mahakasika ny Kung fu, dihy ary fampisehoana samihafa.
Hihemotra ny sabotsy 10 aogositra ny fanokafana ofisialy, ny fifaninanam-pirenena, taranja Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires), hatao any Antsirabe. Efa nanomboka kosa ny fifanintsanana ho an’ny taranja iraisana, toy ny baolina kitra, basikety ary ny volley ball.
Hatao ny 22 hatramin’ny 31 aogositra ho avy izao, any Antsirabe ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley ball, ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona, lehilahy sy vehivavy. Hitohy amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara (2è division) izany, ny 7 hatramin’ny 14 septambra izao, any Alaotra Mangoro.
Nampiseho ny vokatra azon’ireo solontena malagasy, niatrika ny fifaninana dihy ho an’ny ranomasimbe Indiana, ny federasiona malagasin’ny “danse urbaine”, ny talata lasa teo. Fifaninanana natao tany Maorisy ny 18 hatramin’ny 21 jolay ka mpandihy malagasy 3 no nifaninana tamin’izany. Samy nahazo vokatra tsara avokoa izy 3 mianadahy ireo. Nahazo ny laharana voalohany, teo amin’ny Hip Hop, i Fabyo Kydo. Samy nahazo ny tompondaka lefitra kosa i Petit Coca, teo amin’ny Afrostyle sy i Bboy Loup-Kass, teo amin’ny Breaking Dance. Nambaran’ny filohan’ny komisionan’ny Hip Hop eo anivon’ny federasiona, Rehava Angeluc fa nandalo sedra maro ireto atleta malagasy vao tonga tamin’izao tanjona izao ary ezaky ny federasiona notohanan’ny komisiona ny ranomasimbe Indiana no nahafahan’izy ireo niaro ny voninahi-pirenena. Mbola handray anjara hatrany i Madagasikara amin’ ny fifaninanana iraisam-pirenena ka manao antso avo amin’ ireo mpanohana mba hanome tanana azy ireo. Ny 25 novambra hatramin’ny 1 desambra izao indray no ho an’ny La Réunion hiatrika ny fifaninanana manaraka ny atleta malagasy, eo amin’ity taranja “danse urbaine” ity.
Mi.Raz
Des présumés détrousseurs dont quatre femmes, ont été déférés au parquet d’Anosy, hier, et sont tous placés sous mandat de dépôt à la maison centrale d’Antanimora. Ils ont longtemps écumé Anosizato et ses environs.
Les éléments du poste fixe d’Anosizato épaulés par la structure d’autodéfense communautaire « andrimasom-pokonolona » ont capturé en début de semaine, sept individus soupçonnés d’être des pickpockets. A l’issue de leur défèrement hier, six d’entre eux ont été placés sous mandat de dépôt, et le septième, sous contrôle judiciaire. Parmi eux figure un récidiviste en la matière.
Leur mode opératoire était bien rôdé. Les quatre femmes se font passer pour des femmes de joie et attirent leur proie à leur piège. Elles accostent et séduisent les noctambules avant de les prendre au dépourvu en sautant à leurs épaules. Leurs acolytes qui attendent un peu loin, viennent par la suite chercher noise et frappent les proies. Ils s’emparent en même temps de leurs biens.
Le Fokonolona d’Anosizato s’est plaint de leurs agissements et a collaboré avec les forces de l’ordre afin d’y mettre un terme. Ce qui fut chose faite. Sauf qu’il n’y a pas qu’à Anosizato que ce genre de vols à la tire se pratique. D’autres endroits de la capitale sont autant réputés dangereux en la matière. Alors, la prudence est de mise où que l’on soit et quelle que soit l’heure, car même dans les taxis-be, les détrousseurs osent passer à l’acte.
LR
A travers le projet « Avotse », l’Union européenne a débloqué 1,5 million d’euros afin de soutenir les populations vulnérables pour faire face aux chocs climatiques. S’étalant sur trois ans, de juin 2024 à mai 2026, ce projet a comme objectif de renforcer la résilience des populations cibles au risque de sécheresses et autres dangers connexes qui frappent régulièrement différentes régions du pays, en particulier le Grand Sud de Madagascar. En effet, depuis quelques années, des chocs climatiques ont gravement affecté la situation humanitaire de cette partie du pays, affaiblissant les capacités d’adaptation de ses populations.
En étroite collaboration avec le Bureau national de gestion des risques et catastrophes (BNGRC) et la Direction générale de la météorologie (DGM), un consortium, constitué par Humanité & Inclusion (HI), Action contre la faim (ACF), « Sehatra ampandrosoana haingana ny ivom-paritra (Sahi) » ainsi que « Welt hunger hilfe (WHH) », se charge de la mise en œuvre du projet.
250.000 personnes ciblées
Bien que le lancement officiel du projet n’a eu lieu qu’hier à l’hôtel Ibis Ankorondrano, sa mise en œuvre a déjà commencé en juin en ciblant 250.000 personnes issues des 16 communes des districts d’Amboasary Atsimo, Ambovombe, Beloha et Ampanihy Andrefana. Les actions se focalisent sur la redynamisation des plateformes de coordination (AA) et des Systèmes d’alertes précoces (Sap), permettant d’anticiper et d’atténuer les conséquences des risques tels que la sécheresse. Le développement des protocoles d’actions d’anticipation sécheresse inclusifs dans les régions Androy, Anosy et Atsimo-Andrefana est également au programme, cela en étroite collaboration avec les communautés et les institutions locales.
Sera R.
Trente-sept insectes, répartis dans six ordres des invertébrés, ont été inventoriés comme étant comestibles à Madagascar, de source hier auprès des jeunes chercheurs de « Mikaroka ho an’ny fanjarian-tsakafo (Mikasa) », une plateforme de communication en nutrition, travaillant en collaboration avec l’Office national de nutrition (ONN).
Une quinzaine de ces insectes font partie des Coléoptères, 5 des Hémiptères, 2 des Hyménoptères, 8 des Lépidoptères et 6 des Orthoptères. D’après ces jeunes, leur introduction dans l’alimentation améliorera la sécurité nutritionnelle et alimentaire à Madagascar. « Ces insectes sont riches en protéines de haute qualité, en calcium, en fer, en vitamines et en différents micronutriments. Ils peuvent apporter 9 fois plus de protéines que la viande de bœuf », a fait savoir un de ces chercheurs œuvrant dans le domaine de la transformation au sein de Mikasa, Felamboahangy Rasoarahona. Elle a cité comme exemple la guêpe, communément appelée « fanenitra », dont la teneur en protéine est de 80%, contre 25% seulement pour la viande de bœuf. Il en est de même pour le grillon (angelikary ou pindy), dont la teneur en protéine est de 69%. « La transformation des insectes en protéine lors de leurs invasions est beaucoup plus intéressante et à moindre coût que l’aspersion d’insecticides », a-t-elle fait remarquer.
Elevage écologique
Selon toujours les jeunes chercheurs de Mikasa, l’élevage d’insectes comestibles émet moins de gaz à effet de serre que l’élevage de porc. « L’élevage porcin rejette 4 fois plus de gaz à effet de serre que l’élevage de criquets et 10 fois plus que l’élevage de grillons », ont-ils souligné. Cela, sans parler des risques encourus, notamment l’insécurité, qu’occasionnent les élevages porcins et bovins.
Actuellement, la production d’insectes s’oriente vers l’élevage massif de criquets et de ver de farine. « D’ici peu, nous vulgariserons les techniques de production pour faire tache d’huile », a indiqué Felamboahangy Rasoarahona.
Sera R.