Ho fanomezan-danja ny akora vokariny, nampanao fifaninanana « Tombola » ho an’ireo mpanjifany ny orinasa Alpha ciment. Norombahin-dRafaralahindrianiaina Bruno avy eto Antananarivo ny loka goavana.
Natao ny alarobia 10 jolay lasa teo, tetsy Tsaralalàna, ny fanolorana ny loka ho an’ireo mpanjifa nahazo tamin’ny «Tombola Miara-manorina mba haharitra», nokarakarain’ny orinasa Alpha ciment. Nandrombaka ny amboara lehibe, tapakila fahazoana mividy ny akora «bon d’achat» mitentina 10 tapitrisa Ar, Rafaralahindrianiaina Bruno, nanjifa izany teny amin’ny toeram-pivarotana eny Ilafy.
Notsiahivin’i Vincent Blanchet, tale jeneralin’ny orinasa fa tanàn-dehibe 5 no nanaovana ny fifaninanana dia Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa, Toliara, Toamasina, nahitana mpaninjara 493. Nahatratra 600 ireo tapakila natonta ka nisy 500 ireo nandray anjara. Nahafa-po ny vokatra satria nihoatra noho ny noeritreretina. Naharitra 1 volana ny fifaninanana, nanomboka ny 26 mey ka hatramin’ny 26 jona lasa teo. Niisa 16 ireo mpandresy, tamin’ity andiany ity ka mpanjifa avy eto Antananarivo no nahazo ny voalohany manerana ny Nosy.
Nahazo “bon d’achat” 2 tapitrisa Ar ihany koa Andrianjatovo Jacques Léonce, nitana ny laharana voalohany ho an’ ny vondrom-paritra Antananarivo. Simenitra milanja 3 taonina ny an-dRakotoarimanana Alain François, nahazo ny laharana faharoa raha 1 taonina ny an-dRahajanirina, fahatelo. Samy notoloran’ny Alpha ciment fanomezana daholo kosa ireo mpaninjara, tamin’ity.
Ho an’ny vondrom-paritra Antsirabe, voalohany Mandimbison Mickael. Tany Fianarantsoa, nibata ny loka Ramaharosandratana Abdon Jean de la Croix. Tany Toamasina, lasan’i Tiana ary i Sendra ny tany Toliara.
Torcelin
Hiara-hiasa ny APMF sy ny polisim-pirenena amin’ny fanotana « Pièce d’identité de Marin » (PIM) ho an’ireo tantsambo malagasy. Mahatratra 11 000 ireo tantsambo teratany malagasy ary miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa ny 5 000 amin’ireo. Hanamafy ny fitokisan’ireo mpampiasa, ny mpampitao sy ny tompon-tsambo, ny fitokisan’ireo firenena hafa ny tantsambo malagasy mandalo amin’ny taniny sy ny fari-piadidiany ny fananany ny PIM.
Hihatra amin’ity volana ity ny vidin-tsolika tena izy. Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny fanitsiana ho an’ny vidin-tsolika, mba hampihenana ny elanelana misy eo amin’ny vidiny antonony eny amin’ny tobin-tsolika sy ny vidin-tsolika (PRC) kajian’ny Office malgache des Hydrocarbures. Na izany, tokony ho ferana ho 200 Ar isaky ny litatra ny fiakarana.
Hamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro 11 Megawatts ireo plaques solaires amina velarana 88 000m2 eny ambonin’ny tafon’ny zones industrielles nataon’ny Groupe Filatex. Marihina fa efa nanangana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro any amin’ny faritra ihany koa ny orinasa izay mamokatra herinaratra 50 MGW.
Manaja tanteraka ny tontolo iainana ny fambolena lomotra eto amintsika. Manodidina ny 3 000 taonina ny vokatra amin’izao fotoana izao, tanjona ny hampakarana izany ho 25 000 taonina maina, ho an’ny taona 2030. Ny lomotra izay anisan’ny miantoka ny fiveloman’ireo hazandrano isan-karazany.
An-tapitrisa isan-taona ny taratasy zarain’ny Paositra malagasy (Paoma) raha ana hetsiny kosa ireo entana tanteriny manerana ny Nosy. Nisy, araka izany, ny fampitaovana, toy ny moto, kitapo (sac porte-document et sac à dos) an’ireo faktera maherin’ny 200 eo anivon’ny Paoma tetsy Alarobia, ny zoma teo, hanatsarana ny fomba fiasa sy ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. « Vola madiodion’ny Paositra malagasy no nahazoana ireo fitaovana ireo », hoy ny tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Paositra malagasy, Andrianasolomampionona Désiré Joseph. Nambarany fa mbola hitohy manerana ny Nosy ny hetsika. Kendrena manokana ny hampakarana ny lentan’ny mpiasa sy hanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa. Ho avy tsy ho ela rahateo, hoy izy, ny sambo hitatitra entana mankany ivelany izay hampiasain’ny Paoma hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra hatrany.
Fifaninanana
Manana ny anjara toerana lehibe eto amin’ny firenana ny Paositra malagasy amin’ny fananany ireo masoivoho marobe manerana an’i Madagasikara. Mivoatra manaraka ny toetrandro ihany koa ny tolotra omeny na eo aza ny firoboroboan’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Nilaza ny tale jeneraly mpisolo toerana fa mbola tsy azo ialana ny fizarana taratasy indrindra any amin’ireo faritra saro-dalana. Ankehitriny, miomana amin’ny fiatrehana ny varotra ampitain-davitra ny Paoma manoloana ny sehatry ny fifaninanana.
Henintsoa H.
Lafo ny vidim-piainana, ankehitriny. Izany no nahatonga ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Accès banque sy ny tranombarotra Taïwan motor, hitsinjovana ny mpanjifa. Azo aloa tsikelikely ao anatin’ny 24 volana ny vidin’ny moto. Tolotra manan-kery nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana jolay teo.
Nambaran’ny tomponanandraikitry ny Taïwan motor, Tsifaniaina Henintsoa, fa afaka misitraka izany ny mpanjifan’ny roa tonta, manana fidiram-bola na mikarama isam-bolana. Natao ity tolotra vaovao ity, mba hanamarihina ny fisokafan’ny magazay vaovao eny Ankazomanga, manampy ny eny Ivato. Hita ao aminy ny karazana moto 4T, manana tanjaka 100 Cc hatramin’ny 1 200 Cc.
Nambarany ihany koa fa fiaraha-miasa voalohany izao ataon’ny roa tonta izao, fa azo vinavinaina ny andiany manaraka.
Njaka A.
Tsy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-piarahamonina malagasy. Tsy manaraka intsony ny lamina voajanahary, ny zava-misy. Voasarontsarona amin’ny « lafo ny fiainana », fa tsy misy sahy mampibaribary ny fototry ny olana…
Tranga misy any amin’ny ankohonana malagasy maro. Ray niteraka tsy mendrika ny ho fitaratry ny zanany. Reny nitondra sivy volana an-kibo, tsy mahavita manabe ny taranany intsony, noho ny asa aman-draharaha sahaniny hono… Tsy tazana sy tsy iainana ao anatin’ny ankohonan’ny Malagasy intsony ilay fisian’ny hasina ao aminy. Samy manao izay hitsin’ny sainy ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Maro aza ny mifamadi-drafitra, ka ny zanaka indray no mampita « anatra » any amin’ireo nahitany masoandro. Maty hasina ny ankohonana sasany. Noho izany, mila omen-kasina na velomin-kasina indray. Ny tokantrano malagasy tsirairay (indrindra fa ireo maty na very hasina) no mila manatanteraka izany.
Tsy zava-baovao teo amin’ny Malagasy ny mamerin-kasina fa efa hainy sy niainany tany ambadik’Imanareza. « Rehefa fady dia fady », hoy izy. Raha mbola ankohonana malagasy, manana ny fadiny, satria, manana ny razany. Amin’izao vanim-potoana izao, henatra ny filazana ny fady. Ho an’ny hafa aza, nanjary « finoana » ny fahalalana ny fady.
Ankoatra ny fanajana ny fady, ilain’ny ankohonana malagasy, ankehitriny, ny mamantatra ny momba azy. Maro amin’ny taranaka malagasy no tsy manana fototra noho io tsy fahalalana ny fototra io. Ny olona tsy misy fotony, mora mirona amin-javatra tsy azy akory. Mangalatra sy mirehareha amin’ny « zavatry » ny hafa.
… Zava-dehibe ho an’ny ankohonan’ny Malagasy, amin’izao vanim-potoana izao ny mamerin-kasina sy mifamerin-kasina. Tahaka izany ihany koa ny fahafantarana ireo rehetra momba ny fototra nipoirana. Raha ireo no tontosa, hipoitra hanaraka izany ny fitiavan-tanindrazana sy ny tena fahaleovantena!
HaRy Razafindrakoto
Safidy goavana! Fa manana ny antony azy manokana, izay tsy mbola nambarany aloha hatreto i Arnaah. Eny, niverina ho Arnaah indray ny anarana entin’ity mpanakanto ity an-tsehatra, ary manaporofo izany ilay rakitsara vaovao, navoakany omaly. “Mavandy” ny lohateniny, izay hira noforonin’i Nofar Tafara, natao hifanaraka amin’ny feo sy ny gadona mety amin’i Arnaah, toy ny nahafantarana azy taloha.
Dia ahoana ilay Marinna Lemary, anarana nentiny fony izy nanapa-kevitra ny hiala amin’ny “hiran’izao tontolo izao”, ka hirona manontolo amin’ny fiderana an’Andriamanitra? Tsy mbola nahazoana fanazavana ihany koa ity mpanakanto ity, mahakasika izay.
“Heverinao moramora ramose, ny mameno ilay banga navelako e?”. Izany ny ampahan’ny tononkiran’ny “Mavandy”. Hira mifono hafatra ka miantefa amina olona manokana ve? Avela ny mpankafy azy haminavina. Ny azo antoka aloha, efa hiaka-tsehatra hiaraka amin’i Ceasar any Antalaha izy, ny 2 aogositra ary any Sambava, ny 3 aogositra. Hofongarina hanampy ireo hira vaovao ny taloha efa nampiriminy ela.
Zo ny Aina
Zavakanto anisan’ny maro mpankafy sy miroborobo ny “Slam poésie”. Tsy mikely soroka ihany koa ireo tomponandraikitra manatevina ny fahaiza-manaon’ireo liana amin’izany.
Mikarakara hetsika momba ny « Slam Poésie », eny amn’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely), ny Madagaslam Section Tanà (MST). Hetsika natao ho an’ny mpiangaly Slam poésie, indrindra ireo vao misandratra. Tanjona ny hitrandrahana ireo talenta vaovaon’ity taranja ity eto amintsika. Raha tsiahivina, efa nisy ny hetsika sy fifaninana natao ho an’ny eny anivon’ny sekoly. Tsy ampy anefa izany, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra satria voafetra ihany ny ankizy afaka mandray anjara tamin’izany. Ity hetsika ity, araka izany, no hanomezana sehatra bebe kokoa ho azy ireo.
Atrikasa sy dinika arahina adihevitra no ho hita mandritra izany, eny amin’ny CGM, anio. Hitarika ny atrikasa i Tagman namgat sy Seth Seven. Mandritra ny tafa arahina adihevitra no hiresahina ny lohahevitra “Mouvement Slam: hier, aujourd’hui…” Jery todika ny lasa sy fiatrehina ny ankehitriny ary fametrahana vina amin’ny ho avy, araka izany, no hatao mandritra ity hetsika ity. Ao anatin’izany no hanomanana sahady ireo fifaninanana maro ho ataon’ny MST. Anisan’izany ny fifaninanana rejionaly sy nasionaly ary ny fifaninanana ho an’ny katita kely.
Anisan’ny zavakanto nentim-bahiny manana ny toerany eto Madagasikara ny Slam poésie. Na ankizy na tanora dia efa mirotsaka miangaly azy ity avokoa. Manana kalitao ihany koa ny Slam poésie malagasy rehefa miakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Raha tsiahivina, laharana fahefatra no nisy an’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany farany teo. Mbola mandray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany ihany koa i Madagasikara, amin’ny alalan’i Konahy Junior. Fifaninanana izay atao any Togo, ny volana novambra 2024.
Lin
Nampahafantarina tetsy amin’ny Gare Soarano, ny alakamisy teo, ireo mpandraharaha mendrika sy nandrombaka ny amboara «Trophées du Jeune Entrepreneur (TJE)», andiany 2024, hetsika izay karakarain’ny BNI Madagascar.
Miisa efatra ireo tanora mpandraharaha nandresy lahatra ny mpitsara. Norombahin-dRanaivozanany Randja, mpitantanana ny orinasa FOODMARK, toeram-pisakafoanana, ny TJE Croissance + raha voatondro ho Startup TJE kosa i Tsisatrana Landry, mpitantana sady tompon’ny orinasa Cycle Co. Tetikasa vaovao miompana amin’ny fanamboarana cyclopousse mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Voatondro ho Coup de cœur TJE Croissance+ Rabetsaroana Soamiadana tamin’ny tetikasa fananganana vovonana (plateforme en ligne) handika an-tsary ireo lalàna velona ho azon’ny besinimaro. Nahazo ny Coup de cœur Startup TJE Rakotondrainibe Hery Andrianina, tamin’ny alalan’ny tetikasa Équipe.mg. Ity farany izay tambajotra sosialy voalohany hampiroboroboana ny literatiora malagasy.
Tohana
20 taona nanohanana ny tanora mpandraharaha ny BNI Madagascar. Nahatratra 100 tapitrisa Ar ny fampidramam-bola tsy misy zana-bola ho an’ny TJE Croissance +, ary 50 tapitrisa Ar ho an’ny Startup TJE. Nanome tolotra Connexion internet 27Go mandritra ny enim-bolana ho an’ny Coup de cœur TJE Croissance+ ny Telma, sy Coaching iarahana amin’ny Nexta ary 27Go mandritra ny telo volana ho an’ny coup de cœur Startup TJE.
Henintsoa Hani
Hatao ny 17 hatramin’ny 20 jolay ho avy izao, etsy amin’ ny zaridaina Antaninarenina, ny Foaran’ny fromazy aty afovoan-tany. Voakasik’izany ireo mpisehatra amin’ny ronono, ao anatin’ny faritra Analamanga, Itasy, Bongolava ary Vakinankaratra. Miainga any amin’ny mpiompy ombivavy beronono, ny mpanangom-bokatra ary ny mpanodim-bokatra.
Andiany voalohany ity hatao ity, karakarain’ny M’Anja Events, tohanan’ny Malagasy Dairy Board (MDB) sy ny Federasion’ny trano fandraisam-bahiny sy ny fisakafoana eto Madagasikara (Fhorm), miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka hafa. Ho maimaimpoana ny fidirana.
Nambaran-dRajaofera Anjara, tompon’andraikitra ao amin’ ny M’Anja Events, fa hasongadina amin’ity hetsika ity ny fromazy sy ny vokatra ronono tena vita malagasy. Anisan’ny hampiavaka azy ny fisian’ny fotoana hisotroan’ny mpitsidika ronono mafana, ny fanandramana fromazy maimaimpoana, sy ny hafa.
Ankoatra ny varotra fampirantiana, misy toerana manokana hanomezan’ny MDB torolalana manodidina ny seha-pihariana. Ahitana tranoheva miisa 27 ka mpamokatra divay malagasy ny roa, izay tsy afa-misaraka amin’ny fromazy.
Njaka A.
Bruit du moteur…il traverse le fleuve pour rejoindre l’autre contrée
Notanterahina tetsy Analakely, omaly, ny atrikasa sy fampiofanana ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany (MFFT). Niompana amin’ny hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro an-tanàn-dehibe ny fampiofanana. “Hampidirina ao anaty tetikasa hatreny anivon’ny kaominina amin’ny faritra manerana ny Nosy izany, indrindra ny an-tanàn-dehibe”, hoy ny talen’ny teti-pivoarana eo anivon’ny MFFT, Rateloson Tahiana Harisoa. Nanteriny fa efa iainana andavanandro ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Mila fiomanana anefa ny fiatrehana izany ka hampidirina anaty tetikasa sy fandaharanasa momba ny drafi-panajariana ny tanàn-dehibe izany, araka ny nambarany. “Vinavinaina mialoha ireo tetikasa ireo sy ny mety ho fampitaovana na koa ny fotodrafitrasa, hiatrehana ny voka-dratsin’ny toetr’andro sy hiarovana ny tanàn-dehibe na koa ny kaominina”, hoy ihany izy. Notsindriny fa manampy amin’ny fametrahana ny drafitra ny MFFT ary manangana ny fotodrafitrasa sy ny tanàn-dehibe… Nentaniny ny mpiasan’ny minisitera mba hamolavola tetikasa any anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra any. Hametraka ny drafi-panajariana amin’ny tanàn-dehibe sady tafiditra amin’ny fampiharana ny fiofanana nataon’izy ireo rahateo izany.
Tsiahivina fa notolorana mari-pankasitrahana ireo mpiasa nahavita izao fiofanana izao.
Synèse R.
Nihoatra ny hatramin’izay! Nahatratra 3 000 taonina ny lavanila naondran’i Madagasikara tany ivelany, nanomboka ny desambra 2023. Fatra ambony indrindra io raha toa ka manodidina ny 2 000 taonina ny salanisa fanondranantsika isan-taona hatramin’izay. Midika izany fa manomboka miverina amin’ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny sehatry ny lavanila malagasy, raha nisy fikorontanany ny teto an-toerana amin’ny vidin’ny lavanila maitso miainga any amin’ny tantsaha.
Raha nitombo ny vokatra naondrana, miovaova kosa ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nidina ny vidiny, izay manodidina ny 40 dolara hatramin’ny 70 dolara ny kilao, ho an’ny lavanila ho ampiasain’ny orinasa indostrialy mpanodina sakafo, sokajiana hoe lavanila mena.
Lafo kokoa ny vidin’ny lavanila sokajiana hoe « gourmet » na « bourbon gold » izay tsara kalitao, ka mihoatra ny 100 dolara ny kilao. Kely ny vokatra satria 10 hatramin’ny 15% ihany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Njaka A.
Miompana amin’ny fanadihadiana ara-tsiantifika ny hazo sarobidy ny tetikasa “G3D”. Manaitra ny tomponandraikitra ny mpanatanteraka azy fa tokony hisy ny lalàna sy fepetra mandrindra ny fitantanana azy ireo.
Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ny 30% ny voamboana sy ny andramena (Dalbergia) sy ny 36% ny volombodipona (Diospyros). Tandindomin-doza ny 82% amin’ireo hazo ireo satria maro ny fitrandrahana tsy ara-dalàna noho ny maha mbola voarara ny fikapana azy. Manamarina izany ny profesora Radanielina Tendro, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite Antananarivo. Nambarany fa «mitohy ny fitrandrahana anaty ala matoa misy ny mpivarotra fanaka vita amin’ny voamboana, toy ny eny amin’ ny faritr’Analamahitsy. Tsy mirindra ny asa fanaraha-maso sy ny fitantanana eto amintsika. Ny minisiteran’ny Tontolo iainana no miandraikitra ny hazo, nefa ny minisiteran’ny Varotra no miahy ireny fivarotana fanaka ireny ».
Misy ny tetikasa “G3D”, mahakasika ny hazo sarobidy, notohanan’ny Vondrona eoropeanina, ao anatin’ny fandaharanasa “Rindra”, Fed faha-11. Nanaovana fikarohana, nanisana ny isany sy ny toerana ahitana azy eto Madagasikara. Avy amin’io tetikasa io no nananganana laboratoara miisa telo, ka ny roa ao amin’ny fakiolten’ny Siansa ary eny amin’ny Agronomia ny iray. Ahafahana manao fanadihadiana ara-tsiantifika ny zavamaniry eto amintsika ireo fotodrafitrasa ireo, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Olana anefa ny tsy fisian’ny lalàna sy fepetra ary fankatoavana avy amin’ny fanjakana.
Fizaram-baovao
Nisy, noho izany, ny fizaram-baovao mahakasika ny tetikasa “G3D” teny amin’ny Akademia Malagasy, ny 10 jolay teo. Tetikasa niarahan’ny sampana Biolojia sy Ekolojia ao amin’ny fakiolten’ny Siansa, ny sampana Ala sy ny fambolena ao amin’ny Sekoly ambony momba ny siansan’ny Agronomia, ny Missouri Botanical Garden (MBG) nanatanteraka, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd).
Njaka Andriantefiarinesy
Natomboka tamin’ity herinandro ity ny fivoriana hananganana ny politika nasionaly mahomby mamaritra sy mampandray anjara ireo mpiantsehatra amin’ny fampiatiana sy fampizakan-tenan’ny olona manana fahasembanana. Mila mahomby sy mitondra fanovana anaty fampanjakana ny zon’olombelona izany.
Mpianatra avy amin’ny oniversite sy Lycée maro izay mivondrona ao anatin’ny tambajotran’ny tanora miaro ny fahitsiana no niaraka tetsy Mahamasina, tamin’ity herinandro ity. Hetsika nokarakarain’ny Bianco sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nentanina ho tanora tompon’andraikitra sy ho sahy mijoro miady amin’ny kolikoly izy ireo.
64,39% ny taham-pahafahana fanadinana BEPC teto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Nisy fikorontanana ny fizarana ny valim-panadinana tamin’ny finday ka nampisavoritaka ny ray aman-dreny. Efa niala tsiny noho izany ny tomponandraikitry ny orinasan-tserasera voakasika. 74,94% kosa ny taha ho an’ny Cisco Avaradrano. Niakatra ny vokatra tamin’ity taona ity.
Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanofanana momba ny fahaiza-mitarika ho an’ireo tovovavy 18 voasafidy ho “Masoivoho mandritra ny iray andro” nokarakarain’ny Unicef sy ny masoivoho vahiny maromaro miasa eto amintsika. Omaly, tovovavy enina amin’ireo 18 no niaraka amin’ ny masoivoho vahiny iray avy nijery sy niaina ny tontolo andron’ny masoivoho. Nifarana tamin’ny lanonana nokarakarain’ny masoivoho britanika miaraka amin’ny vehivavy mpitarika amin’ny sehatra maro ny hetsika. Nanatrika ny hetsika fizarana ny valin’ny tatitry ny UNFPA momba ny toe-piainan’ny mponina maneran-tany teny Anosy koa izy ireo, omaly.
Andiany faharoa ny hetsika “Masoivoho mandritra ny tontolo andro”. Tanjona ny handrisika ny zatovovavy ho lasa mpitarika, ho mpandray anjara amin’ny fiovana hahatonga ny vehivavy hahaleo tena. Anton’ny fifaninanana koa no hampahafantatra ny tena andraikitry ny masoivoho sy ny ekipany amin’ny firenena iasany.
Nandray anjara tamin’ny fikarakarana ireo vosafidy ny masoivoho britanika, Japon, Alemana, Etazonia, Unicef, Vondrona eoropeanina. Elysa Sederanirina Soanomeny, Amboaraiterantsoa Tan Stacy Cassidie, Rakotorisoa Naval, Rakotobe Irintsoa Tsiky, Andrianarivony Christina Dewa, Ravololoniananalala Sahnie Luicia Joelinah ireo tafita tamin’ny fifaninanana.
Vonjy
Figurant parmi les prétendants sérieux au perchoir de l’Assemblée nationale, Justin Tokely, seul candidat en lice, a fait l’unanimité dans l’hémicycle, hier à Tsimbazaza. D’ailleurs, c’est du jamais vu depuis le début de la 4e République, le président de la Chambre basse, est élu à 100 % des voix. Tous les 160 députés présents ont voté pour lui. Début d’une nouvelle ère à l’Assemblée nationale.
C’est l’aboutissement d’un parcours personnel et politique atypique pour Justin Tokely, député élu dans le district de Sambava. Administrateur civil de formation, il a déjà été Chef du district d’Andapa (2005 – 2009), puis d’Ambilobe (2009-2014) avant d’être nommé gouverneur de la région Sava (2019 – 2022) et nommé ministre de l’Intérieur et de la Décentralisation en 2022.
Lors du remaniement au début du deuxième mandat du président Andry Rajoelina, Justin Tokely a été de nouveau appelé au sein du gouvernement, en tant que ministre de l’Intérieur (2024-mey 2024). Mais en se portant candidat aux élections législatives, il a démissionné de son poste, avant d’atterrir dans le palais de Tsimbazaza et de devenir le nouveau patron de l’Assemblée nationale.
Désormais, Justin Tokely a la charge de faire respecter le règlement intérieur de l’Assemblée nationale, modifié et approuvé par la Haute cour constitutionnelle (HCC), déterminant les règles disciplinaires s’appliquant à ses membres.
Un discours rassembleurs
La majorité, l’opposition et même les indépendants sont unanimes: Justin Tokely est l’homme qu’il faut à la place qu’il faut. Mais reste à savoir si cela vaudrait pour toute la législature. En tout cas, après avoir obtenu la confiance totale de l’Assemblée nationale, de il a tenu un discours qui se veut rassembleur tout en promettant de faire Tsimbazaza, une institution démocratique représentant le peuple.
«Personne ne peut vous museler, peu importe votre parti ou plateforme. Tous les députés seront traités de la même façon au sein de cette institution», a-t-il déclaré, hier.
Bureau permanent
Aussitôt, le président de l’Assemblée nationale élu, l’élection des membres du bureau permanent s’est déroulée. Les six sièges de Vice-président de l’Assemblée nationale ont été tous raflés par les députés élus sous les couleurs de la plateforme Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar).
Pour la Province d’Antsiranana, le député élu dans le district de Sambava, Norbert Mamangy est élu Vice-président de l’Assemblée nationale. L’élue d’Analalava, l’ancienne ministre Princia Soafilira, pour Mahajanga. A Antananarivo, l’élu du 1er arrondissement, Augustin Andriamananoro a succédé au député Naivo Raholdina si à Toliara l’élu de Toliara I, Roberto Tinoka occupe désormais le poste de Vice-président. Pour Toamasina et Fianarantsoa, l’élue de Toamasina I, Irma Naharimamy récupère sa fonction de Vice-présidente si à Fianarantsoa, l’élue d’Ambositra Haingo Fomendraza, dévient Vice-présidente de la Chambre.
Tsilaviny Randriamanga
Nifarana teo amin’ny dingana manasa-dalana, ny dian’ny Les Bleus France teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “Euro 2024”. Noravan’ny La Roja Espagne ny nofinofin’ny Frantsay handrombaka indray ny amboara. Ny talata lasa teo, tao amin’ny kianja Munich, lavon’ny Espaniola tamin’ny isa tery 2 no ho 1 izy ireo. Taorian’iny lalao iny, nankahery ireo mpilalao i Emmanuel Macron filoham-pirenena, raha mitaky ny fialan’i Deschamps kosa ny mpijery sy ireo mpanao gazety.
Raha ny fizotran’ny lalao, nanokatra ny isa voalohany ny frantsay, tamin’ny alalan’i Kolo Muani, teo amin’ny minitra faha-9, taorian’ny tolotra tsara nataon’i Mbappé ary niantefa teny amin’ny lohany izay nampiditra izany malalaka. Efa tany amin’ny minitra faha-21 vao tonga ny valin-kafatra ho an’i Espagne, taorian’ny daka mihodina nataon’i Lamine Yamal. Sahala 1 sy 1 ny isa teo. Samy niezaka nanafika ny roa tonta saingy nahay nanararaotra ny valim-panafihana ny La Roja, ka nampiditra ny baolina faharoa i Olmo, teo amin’ny minitra faha-25. Daka izay voadonan’i Koundé, ka nanamora ny baolina hiditra tany anaty haraton’ny frantsay. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa, 2 no ho 1 io.
Fizaram-potoana faharoa, nanindry ny frantsay, saingy nisavoana hatrany ny dakan’i Mbappé sy i Griezmann.
Tompondaka
Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, etsy Mahamasina ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ny fanatanjahantena ho an’ny fampivoarana sy ny fandriampahalemana. Hisy hazakazaka iarahan’ny rehetra mihodina ny kianja, arahin’ny fiarahana manao Zumba. Ankoatra izay, eo koa ireo fifaninanana isan-tokony, ao anatin’ny firahalahiana.
Hatao ny 15 ka hatramin’ny 18 jolay ho avy izao, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny “Forum africain du mini-basket”. Hetsika karakarain’ny Fiba Afrique miaraka amin’ny Fondation Fiba. Zavatra maro no hatao amin’izany, toy ny kaonferansy, iarahana amin’ ireo tomponandraiki-panjakana sy ireo manam-pahaizana avy amin’ny Fiba sy ny hafa.
Tafita amin’ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny kaontinanta amerikana, taranja baolina kitra “Copa America”, ny Albiceleste Argentine. Fihaonana izay tanterahina any Etazonia. Ny talata lasa teo, resiny teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa 2 no ho 0 i Canada. Baolina matin’i Alvarez (22 mn) sy i Messi (51 mn).
Hitohy ny alahady izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifaninanam-pirenena, “Federak 2” Top 20. Anisan’ny hifandona ny Asa Ambohimanarina sy ny US Ikopa. Ny SCB Besarety sy ny CRAI Ambalavao Isotry ary ny 3FAI sy ny XV Beravina Itaosy. Eo koa ny an’ny Afa Ankazomanga sy ny FTA Andavamamba.