S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 21 min 28 sec

VAOVAO TAMBATRA

ven, 01/31/2025 - 07:52

Hatomboka ny volana marsa ny fananganana ny tobim-pamokaran-drano 50 000m3 isan’andro eny Amoronakona. Hamokatra rano 30 000m3 isan’andro koa ny tobim-pamokarana apetraka ao Ambohitri­manjaka. Eo ihany koa ny fampitaovana ny toby mpamokatra rano ao Mandroseza, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAEP sy Tana Water III.

Heverina hamokatra zezika organika 30 000 t isan-taona ireo ozinina enina hapetraka amina faritra enina eto Madagasikara. Hiara-hiasa ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina hanatanterahana ny tetikasa. Tanjona ny hampitomboina sy hanatsara hatrany ny vokatra eto amintsika.

Nihena -5% ny hetra avy amin’ny fanafarana solika avy any ivelany ny taona 2024. Nitombo +42% kosa anefa ny fanafarana solitany fandrehitra. Andoavan’ny fanjakana volabe anefa ny vidin’ny solitany fandrehitra, ka anisan’ny paikady ho raisina ny hampihenana ny fanafarana, sady hampifanintsiana azy amin’ny tena vidiny iraisam-pirenena.

Vonona hiara-hiasa amin’ny Ministeran’ny fanabezam-pirenena ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) amin’ny fampiroboroboana ny indostria malagasy. Mila apetraka eny an-tsekoly ny fitiavana ny vokatra eto an-toerana hamantaran’ny ny lanjan’ny indostria sy ny vokatra malagasy.

Catégories: National

Alaotra PC 23 : Hozaraina ny ketsa iombonana

ven, 01/31/2025 - 07:52

Hita ny vahaolana ! Tara ny fotoana fanentsana ny vary vakiambiaty any Alaotra, sompitr’i Madagasikara, satria tsy ampy ny rotsakorana. Voakasik’izany ny faritra lemaka PC 23. Vahaolana noraisin’ny fitondram-panjakana ny fanaovana « ketsa iombonana » ho an’ny mpamboly. Sambany nampiharina tany an-toerana ity paikady ity, ka natao ho vala fakan-tahaka ihany koa amin’ny tranga toy izao, tafiditra anaty fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro.
Nidina ifotony tany an-toerana, omaly, ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison Sergio François sy ny mpiara-miasa aminy, toy ny talen’ny Fofifa Cala Alaotra Mangoro. Hita fa azo hatomboka amin’ny herinandro ho avy io ny fizarana ny ketsa amin’ny tantsaha sy ny federasiona any amin’ny PC 23.
Nanararaotra niresaka ny olana sedrainy tamin’ny minisitra Minae ny tantsaha. Vahaolana naroson’ny minisitra ny hanajana ny tontolo iainana, ka mila mandray fepetra hisorohana ny haintany. Satria, iarahan’ny rehetra mahita fa sakana lehibe amin’ny fahombiazan’ny fambolena.

Njaka A.

Catégories: National

Tenisy – Afrique U18  : Resy teo amin’ny fihodinana voalohany i Mirija

jeu, 01/30/2025 - 07:52

Ratsy ny vokatra ho an’Andriantefihasina Mirija, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy U18 taranja tenisy. Fihao­nana, notanterahina tany Le Caire Egypte, ny 27 janoary lasa teo. Vao teo am-piandohana dia efa resy ity hany solontena malagasy ity. Samy tsy tafavoaka ny fihodinana voalohany ny tovolahy na ho an’ny lalao ho an’olon-tokana na teo amin’ny olon-droa.
Teo amin’ny fihaonana olon-tokana, niondrika teo anatrehan’ilay afrikanina tatsimo, i John Bothma, tamin’ny seta 2 no ho 0 (1/6 ; 3/6) ny tenany. Nanan-tombo teo amin’ ny fahaiza-manao ilay mpifanandrina taminy. Tsy niady mihitsy ny seta voalohany satria tsy nahazo afa-tsy lalao iray monja i Mirija. Teo amin’ny seta faharoa vao nifandanjalanja ny fihaonan’izy mirahalahy izay nahazoan’i Mirija lalao telo.
Niditra teo amin’ny lalao ho an’olon-droa indray ka niaraka tamin’ilay botsoane, i Ntungamili Raguin ity Mala­gasy mpilalao ity. Nifandona tamin’ireo tonizianina mirahalahy, i Ibrahim Snoussi sy i Alaa Trifi, izy ireo. Tsy tafavoaka ihany koa fa niondrika tamin’ny seta 2 no ho 0 (3/6 ; 4/6).
Mbola sakana lehibe ho an’i Madagasikara i Afrika Atsimo sy ry zareo magrebianina. Na izany aza, tsara foana ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena toy izao satria hahazoana isa ary fangalana traikefa.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

jeu, 01/30/2025 - 07:51

Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, ny fifaninanana « Fety de Baskety e !”, karakarain’ny AT2B (Andraisoro Tia Basket ball), ho fankalazana ny faha-15 taona nijoroan’ny kliobany. Eny amin’ny kianja Andraisoro ihany no hanaovana ny lalao, amin’ny faran’ity herinandro ity.
Hitohy any Bongolava indray ny fanazaran-tena sy fiofanana ho an’ireo Maitres, izay tarihan’ny Grand Maitre Avoko, ho an’ny taranja Kung fu. Ny sabotsy 1 febroary izao no hanatanterahana izany, any an-toerana ka hifanindry an-dalana amin’izany koa ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao ho an’ny ligin’i Bongolava.
Norombahin-dRabeson Liva, Malagasy mpanao Taekwondo ny ho tompondaka, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa Masters II, sokajin-danja -68 kg. Fihaonana, natao ny alahady lasa teo, tao amin’ny Complexe sportifCamille Muffat, tao Clichy. Resiny teo amin’ny famaranana, i Nabil Daoud, avy amin’ny IDF ESN Mugunghwa Tigers Tae.
Miakatra ao amin’ny National 1 amin’ny taona ho avy, ilay Malagasy mpilalao ping-pong, Rakotoarisoa Setra monina any Frantsa. Nisitrahany izany ny fahazoany ny fifaninanana niadiana toerana tamin’ny National 2 natao ny alahady lasa teo, tao Istres, atsimon’i Frantsa.

Catégories: National

Volley : Hatao any Maorisy ny CCCZone 7

jeu, 01/30/2025 - 07:51

Fantatra, ny toerana sy daty ofisialy hanatanterahina ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, aty amin’ny faritra faha-7, taranja Volley ball. Araka izany, i Maorisy indray no handray ny fifaninanana, amin’ity andiany faha-29 ity. Firenena 6 no handray anjara, hahitana an’i Comores, La Réunion, Maurice, Madagasikara, Mayotte ary Seychelles. Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny CAVB (Confédération Africaine de Volley Ball), ny 25 febroary no fahatongavan’ny komity mpanara-maso any an-toerana. Ny 26 sy 28 febroary kosa no andrasana ny fahatongavan’ny mpilalao sy ny mpanazatra rehetra avy amin’ny firenena vahiny. Ny 28 febroary no hirosoana ny fanadihadiana mialoha sy ny fivoriana ara-teknika. Hanomboka ny lalao ny 1 marsa ka hitohy hatramin’ny 8 marsa.
Ho an’i Madagasikara manokana, ny ekipan’ny GNVB hatreto no efa nahazoana vaovao fa ho isan’ny mpandray anjara amin’ity andiany faha-29 ny CCCZone 7 hatao any Maorisy ity, raha toa ka andrasana ny fahavononan’ireo ekipa hafa izay mendrika ny handray anjara amin’izany. Efa anatin’ny fiomanana tanteraka ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, na ny sokajy lahy izany, na ny sokajy vavy.

Mi.Raz

Catégories: National

Judo-Grand Slam : Solontena malagasy i Laura sy i Lova

jeu, 01/30/2025 - 07:51

Hatao any Paris, ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ny “Grand Slam de Paris”, taranja Judo, taona 2025. Toy ny isan-taona, manana solontena i Madagasikara.

Rasoanaivo Razafy Laura (-57kg) sy Randrianasolo Lova Mahaisoa (-81kg) no hisolo tena ny Malagasy amin’ny “Grand Slam de Paris 2025”. Fandraisana anjara faharoa ho an’i Laura ity “Grand Slam” ity ary tafiditra anatin’ny fifaninanana hahazoana tapakila amin’ny lalao olympika ho avy. Araka ny efa notaterina teto, fifaninanana iraisam-pirenena 6 mandritra ny taona no hiantohan’ny federasiona iraisam-pirenena sy ny federasiona malagasy ary ny kaomity olympika malagasy, ho an’ity judokas malagasy ity, mandra-pahatonga ny lalao olympika. Anisan’izany io “Grand Slam” hatao ny 1 sy 2 febroary io. Mazava ny tanjona ho an-dRasoanaivo Razafy Laura, fa ankoatra ny hampitomboany ny isany, eo koa ny fanatsarany ny lalany mihoatra ny vitany tamin’ny “Grand Slam” nataony tamin’ny taon-dasa. Tsiahivina fa nihintsana teo amin’ny fihodinana voalohany, nandritra ny ady voalohany natrehany i Laura, tamin’ny taona 2024. Maro anefa ny traikefa azony, na tamin’ ny “Grand Slam” izany, na tamin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena maro niseharany, ka manantena ny hahazo vokatra tsara kokoa izy amin’ity.
Ho an-dRandrianasolo Lova Mahaisoa kosa, fanindroany ihany koa izy izao no hiatrika ny “Grand Slam”, taorian’ny fandraisany anjara tamin’ny taona 2023. Tom­bony lehibe ary mampitombo ny fanantenana ny fisian’ny Malagasy mpikatroka roa hiatrika ity fifaninanana ity. Mpikatroka samy manana ny maha izy azy na i Laura, na i Lova ary efa maro ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehan’izy ireo, ka azo lazaina ho efa manana traikefa sy afaka mifaninana tsara amin’ireo kalaza manerana an’i Afrika sy maneran-tany izy mianadahy ireto. Antony nisafidianana azy ihany koa izany.
Tsiahivina, judokas 318 maneran-tany avy amin’ny firenena 54 no hifaninanana sy hifanome fotoana any Paris mandritra ity fifaninanana “Grand Slam de Paris 2025”, taranja Judo ity.

Mi.Raz

Catégories: National

Cenhosoa – Fitantanam-bola : Tale vaovao, ny Kly Randrianarisoa Andry Aurélien

jeu, 01/30/2025 - 07:50

Notontosaina omaly, tao amin’ny trano fivoriana an’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana (Cenho­soa) ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale misahana ny fitantanam-bola eo anivon’ny Cenhosoa. Nandray ny fitantanana ny tale vaovao, ny Kly Randrianarisoa Andry Aurélien, voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 15 janoary 2025 lasa teo, misolo toerana ny Jly Andria­masinoro Fanjanirina, voatendry amin’ny andraikitra hafa eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Nitarika ny famindram-pitantanana ny tale jeneralin’ny Cenhosoa, ny Profesora Jly Ratovondrainy Willy notronin’ny mpandrindra ankapoben’ireo tetikasa eo anivon’ny minisiteran’ny Folo­a­lindahy, ny Jly Razafitombo Ely ary ireo mpikambana amin’ny filankevi-pitantanan’ny Cenhosoa. Nanomboka ny 3 mey 2019 no niasa ny fitantanam-bola ao amin’ny Cen­hosoa, ny tale teo aloha. Nosoritany nandritra ny lahateniny ny anjara biriky napetrany ho an’ity hopitaly ity. Mbola notsindrian’ny tale jeneralin’ny Cenhosoa rahateo koa izany. Anisan’izany ny fijerena ny maha olona sy ny fotodrafitrasa maro napetraka ao an-toerana. Nanamafy ny fahavononany hanatsara ha­trany ny ezaka efa natomboka ny tale vaovao. Niantso ihany koa ny fiaraha-miasa avy amin’ny tsirairay hanatanterahana ireo tetikasa rehetra napetraka entina hanatsarana ny hopitaly. Nanamafy ny fahatokisana amin’ny fahaiza-manaon’ny tale vaovao, ny tale jeneralin’ny Cenhosoa amin’ny adidy sy andraikitra miandry azy, entina mamita ireo tetikasa goavana ao amin’ny hopitaly.

Jean Claude

Catégories: National

IDEES EN GOGUETTE (Alliance92) 2025-01-29

mer, 01/29/2025 - 07:49

Catégories: National

Kaominina ambonivohitr’ i Toamasina : 60 taona aty aoriana vao nisy famindram-pahefana teo amin’ny ben’ny Tanàna

mer, 01/29/2025 - 07:41

Tontosa ny alatsinainy 27 janoary teo, tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina ny famindram-pitantanana eo amin’ny ben’ny Tanàna teo aloha sy ny vaovao, izay hitantana ny tanàna ao anatin’ny dimy taona manaraka indray.

Nanatanteraka izany Ra­ko­tonirina Nantenaina Herilala, ben’ny Tanàna teo aloha sy ny mpitsara, Randriafanomezantsoa Lova­heritiana Alain, ben’ny Tanàna vaovao. Lanonana ara-panjakana, nisy akony manokana teo amin’ny mponin’i Toa­masina sy ny mpiasan’ny kaominina izany. Nitarika izany ny prefektoran’i Toamasina, Be­nan­drasana Cyril. Tonga na­notrona teny an-toerana ny governora mpisolo toerana, Rakotovao Andry, ary ireo olona manan-kaja maro. Famindram-pitantanana narahana fanolorana ny fanalahidin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina.
Ben’ny Tanàna nahavita ny fe-potoam-piasana fanintelony ny mpitantana teo aloha.
Raha tsiahivina, nitondra ny tanàna voalohany tany Toamasina ny ben’ny Tanàna teratany vahiny, Boiron Fran­cois, tamin’ny taona 1958. Ben’ny Tanàna faharoa, i Bezaka Alexis tamin’ny taona 1959. Izy io no teratany malagasy voalohany nitantana ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina. Ben’ny Tanàna fahatelo i Romuald, nitondra tamin’ny taona 1966. Toa­rian’izay, nanomboka nitondra ny filohan’ny kaomity mpanatanteraka notendren’ny fitondrana foibe, nanomboka tamin’ny taona 1977 hatramin’ny 1986. Voatendry tamin’izany, i Stephen Jacques. Tamin’ity taona 2025 ity indray vao nisy ny famindram-pitantanana teo amin’ireo mpitantana teo aloha sy vaovao.
Ben’ny Tanàna voafidy fahasivy

Hatramin’izao fotoana izao, miisa 17 raha atambatra ny ben’ny Tanàna voafidy sy olom-boatendry nifandimby nitantana ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina. Efa niovaova arakaraka ny fitondrana foibe ny fiantsona ireo olom-boatendry rehetra nandritra izany.
Raha ben’ny Tanàna fahasivy kosa Randriafanomezan­tsoa Lovaheritiana Alain. Efa nandalo teo amin’ny kaominina ambonivohitr’ I Toamasina ny “PCE” ( President du Comité Exectif ) filohan’ny kaomity mpanatanteraka. Niova ho lehiben’ny fivondronana, Andriamorasata Julien, no nisantatra izany, ny taona 1999, ary tonga hoe PDS na filohan’ny delegasiona manokana izany.
Raha ireo ben’ny Tanàna sivy voafidim-bahoaka kosa voalohany amin’ izany ilay teratany vahiny, i Boiron Francois, faharoa i Bezaka Alexis, fahatelo i Romuald, fahefatra ny fiverenan’ i Bezaka Alexis ny taona 1996, fahadimy Ratsiraka Rolland, fahenina, Rakotomanana Geravais, fahafito, Ratsiraka Elisé, fahavalo, Rakotonirina Nantenina  ary fahasivy ity farany Randriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain. Ankoatra ireo dia olom-boatendry avokoa.

Nametraka mamy

Sambany tao anatin’ny 60 taona no nisy ben’ny Tanàna nahavita soamantsara ny fe-potoam-piasany. Tsy nilatsaka intsony ka nahafahana nanao famindram-pitantanana tena demokrasia. Nazava ny lahatenin’ ny ben’ny Tanàna teo aloha, “matoa aho afaka nahavita soamantsara ny fitantanako dia noho ianao mpanolotsaina, izay niara-nisalahy andro aman’alina isika roa lahy”, hoy hatrany izy. Nambarany tamin’izany fa nanolo-kevitra azy isaky ny nisy olana ity mpanolotsaina ity.
Tsy hadinon’ ity farany koa ireo mpiara-miasa rehetra, anisan’ny tsy nitrangana fitsipaham-pitokisana nataon’ny filankevitry ny tanàna ny fitantanany noho ny ezaka niaraha-nanao. Izay tonga amin’ny famindram-pitantanana tena demokrasia izao. Noporofoin’ny ben’ny Tanàna teo aloha fa na efa anatin’ny fanomanana ny famindram-pitantanana ny tenany dia mbola nanamafy ny fiaraha-miasa tamin’ ireo mpiara-miombon’ antoka hafa. Nahafahana nanolotra fitaovam-piasana ho an’ny mpiasan’ny kaominina mba hanatsarana ny asa. Natolotra ny 20 janoary teo izany ary nahazo ny anjarany hatrany ny teo anivon’ny fokontany. Vokatry ny fiaraha-miombon’antoka avy amin’ny Pnud, ny USAID, ny tetikasa Prodigy (Projet de Gouvernance Digitale et de Gestion de l’Identité Malagasy). Nahitana fitaovana ho an’ny sora-piankohonana, zavamaneno samihafa toy ny speaker sy ny solaitra fotsy ho an’ny mpanentana anivon’ny fokontany. “Natao izany mba ho an’ny tanàna iraisan’i Toamasina sy hihatsara hatrany sy ho lovan’ny taranaka”, hoy hatrany Rakotonirina Nantenaina Herilala, ben’ny Tanàna teo aloha.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

Ben’ny Tanàna Tota : “Hotanterahina ny nampanantenaina”

mer, 01/29/2025 - 07:40

Notontosaina teny amin’ny kaominina Andoharanofotsy, omaly, ny fametrahana amin’ny toerany ny ben’ny Tanàna, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta. “Tsy maintsy tanterahina izay rehetra nolazaina. Maro no efa vita, ary hampitomboina avo folo heny noho ny teo aloha ny asa fampandrosoana ny tanànan’Ando­harano­fotsy”, hoy izy.
Araka ny tantara, i Maire Tôta irery ihany no Ben’ny Tanàna lany indroa teny amin’ity kaominina ity. Tsara ny mampatsiahy fa efa nitondra ity kaominina eny amin’ny distrikan’Atsimondrano ity ny tenany.
Fanamby lehibe ny tsy maintsy hamitana ny tsenan’ Andoharanofotsy. Ampaha­fatarina ihany koa fa nahazo kianja vaovao ny kaominina Andoharanofotsy, rehefa nangataka izany tany amin’ny Filoham-pirenena, Rajoelina Andry ny tenany.
Tonga nanatrika ity hetsika ity teny an-toerana ireo olom-panjakana maro, toy ny minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson, izay nisolo tenan’ny fitondram-panjakana.

Fitia Randria

Catégories: National

Tale jeneralin’ny Fananan-tany : “Miasa hatrany eo anilan’ ny kaominina izahay”

mer, 01/29/2025 - 07:40

Nidina ifotony nijery ny fanarenana ny fefiloha vaky eny Malaza – Faliarivo ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), omaly.

Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fanajariana ny tany, Rakotomalala Mian­galy, ary nanafarany ireo ben’ny Tanàna ny momba ny fanajariana ny kaominina iadidian’izy ireo. “…Miasa hatrany ary eo akaikin’ny ben’ny Tanàna izahay”, hoy izy. Nanentanany ireo mpitantana eny ifotony ireo ny amin’ny tokony hijerena akaiky ny fanorenana fotodrafitrasa, hiso­rohana mialoha ny tranga tahaka izao fiakaran’ny rano izao, amin’ny alalan’ny drafitra fanajariana ny tany sy ny tanàna. Notanisainy amin’izany ny fijerena ny vina ho an’ny fampitomboana ny velaran-tany azo hambolena sy ny tany ho amin’ny fanorenana. “Anton’izany ny ahafahana mitantana ny rano…”, hoy ihany izy. Eo koa ny fanaraha-maso ny fahazoan-dalana manorina. Jerena manokana ny toerana fanariana fako…
Nanteriny fa tokony hahatsapa tena ny olona amin’ny tokony hahalalana fa tsy azo anorenana ny toerana iray… Eo ny fandraisan’ny minisitera fepetra amin’ny fandrodanana rehefa misy fiantraikany amin’ny tombontsoa iombonana izany. Voatsiahy tamin’izany koa ny andraikitry ny Apipa amin’ny fanaraha-maso ny fiakaran’ny rano, ny fitetezana ireo fefiloha ahina ho vaky eto amin’ny lemak’Antananarivo.

Synèse R.

Catégories: National

INDRAY MIJERY

mer, 01/29/2025 - 07:39

Ny bibilava no manamarika ny fankalazana ny taom-baovao sinoa amin’ity taona ity. Nanamarika izany ny Institut Confucius ao amin’ny oniversiten’ i Maha­anga, ny alatsinainy teo. Natolotra nandritra izany koa
ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika tao an-toerana.

Vita omaly, ny fampiofanana nandritra ny hefarana ireo mpamily miisa 120 eo anivon’ny Société Muni­cipale d’Assainissement (SMA). Tanjona ny hahatonga ireo mpamily ho matihanina ara-pitondran-tena, ara-
tontolo iainana ary indrindra arakasa. Tetikasa efa novolavolain’ny ben’ny Tanàna amin’izao fotoana izao, Ramanantsoa Harilala, fony izy mbola filohan’ny delegasion’ny Tanànan’Antananarivo.

Notanterahina, ny faran’ny herinandro teo, ny tomban’ezaka momba ny fanavahana fako ifotony eo anivon’ny fokontany Ampefiloha Cité secteur 3 sy 4. Hita fa tsara ny vokatra, efa mananika ny 70% ny mponina
ao Ampefiloha Cité no manaraka izany. Tetikasa Gesda vatsian’ny Jica ny fanavahana ifotony ny fako iarahana amin’ny minisiteran’ny Rano sy ny kaominina ary ny fokontany Ampefiloha.

Nohavaozina ny mpikambana ao amin’ny “Club heure creuse” eny anivon’ny CEG valo ao Mahajanga. Natao hiarovana ny ankizy amin’ ny herisetra eny an-tsekoly ny fikambanana. Misy mpikambana 50 (25 vavy,
25 lahy) miaraka amin’ny mpanabe mianadahy. Izy ireo indray no hanentana ny namany. Tetikasa iarahan’ny DRPS Boeny sy ny Dren Boeny ary tohanan’ ny Unicef.

Catégories: National

Ligin’ny atletisma Ihorombe : Tanjona ny handrombaka ny laharana voalohany

mar, 01/28/2025 - 07:48

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Fa­­haleovantena Ihosy ny taom-pilalaovana 2025, ho an’ny ligin’ny atletisma Ihosy. Nambaran-dRavelomanan­tsoa Brillant Fabrice, filohan’ny ligy, fa tanjona ny handrombaka ny laharana voalohany amin’ireo fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara isan-tokony. Anisan’izany ny fifaninanam-pirenena amin’ny “Cross country”, hatao any an-toerana ny 15 marsa ho avy izao. Ankoatra izay, ny hananan’ny ligin’Ihosy atleta hiatrika ny “CJSOI 2025” hatao any Seychelles, ny volana jolay ho avy izao. Nampirisika ny tanora sy ny mpianatra ny tenany hanao fanatanjahantena fa mahasoa izany.
Ho fanamarihina ny fisokafan’ny taom-piasana vaovao, nisy ny hazakazaka firaisankina na “cross de cohesion”, ni­arahan’ireo hery velona rehetra tany an-toerana, toy ny olon-tsotra sy ireo manamboninahitra sivily sy miaramila, ny mpianatra sy ireo atleta avy amin’ny seksiona Ihosy. Ha­za­kazaka fitaizam-batana sy fiaraha-mientana fotsiny izany.
Taorian’io, nisy ny “course relais pedestre mixte”, mirefy 2500 m inenina mifampitohy nifanandrinan’ireo toeram-pampianarana samihafa tao an-tampon-tananan’Ihosy. Nahatratra 7 ireo nifanandrina tamin’izany dia ny LPNYA, ny La Source, CEG Ihosy, Lycée General Ihosy, Orchidée, Le Défi, Kolejy Advantista. Nifan­garoan’ny lahy sy vavy izany ka nandrombaka ny laharana voalohany ny LPNYA Ihosy raha faharoa ny Lycée Le Defi ary fahatelo ny Lycée La Sour­ce. Nanatrika ny fotoana ny talem-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena mpisolo toerana, Tsilihy David.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

mar, 01/28/2025 - 07:48

Hontanterahina ny 1 hatramin’ny 3 marsa izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny sokajy vehivavy sy ny ankizy. Fifaninanana hotontosaina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Ity no fifaninanana voalohany hisantarana ny taom-pikatrohana 2025 ho an’ny taranja karate.

Hatao etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahama­sina, ny alahady 23 febroary izao, ny tapany faharoa amin’ny fifaninanana « Boxe Anglaise », karakarain’ny Lion Force. Tanjona ny hamohazana indray ity taranja ity ary handray anjara amin’io avokoa ireo kalaza eny anivon’ny ligim-paritra manerana ny Nosy.

Notontosaina omaly, tany Rabat Maroc, ny an­tsapakin’ny « Can 2025 », hahafantarana izay ho mpiray vondrona amin’ity fifaninanana afrikanina ity. Tsiahivina fa nanatrika izany tany an-toerana, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred.

Nandeha nisotro ronono eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra i Sylvio Ouassiero, Malagasy vodilaharana. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar ny tenany, teo aloha. Tsiahivina fa efa nandalo klioba maro i Sylvio, anisan’izany ny AJ Auxerre, le Standard de Liège, Les Lusitanos, le CS Fola Esch, le F91 Dudelange.

Catégories: National

Minisitrin’ny MJS : Manentana ny tanora hamboly hazo

mar, 01/28/2025 - 07:47

Tonga nanatanteraka hetsika fambolen-kazo, tany Ma­rohogo, faritra Boeny, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, ny sabotsy lasa teo. Tonga nanotrona izany, ny lehiben’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Abdulah Moustapha Marson, izay sady mpiahy ny faritra Boeny. Manoloana ny zava-misy iainan’izao tontolo izao, nanentana ny tanora malagasy hamboly hazo ny minisitry ny MJS. “Ny ala no antoky ny rano sy ny angovo. Ary tanjona ny hamerenana an’i Madagasikara ho rakotra ala”, hoy izy. Ankoatra izay, notokanan’ny minisitra, Abdulah Moustapha Marson, ny sabotsy teo ihany koa, ny toerana natokana ho an’ny tanora any Mahajanga, Espace des Jeunes Mahajanga. Misy ny tomponandraikitra hisahana ny fandrindrana ny fandaharam-potoana sy ny hetsika rehetra handeha eny an-toerana. Tsara marihina fa anisan’ireo zava-dehibe amin’ity fitondram-panjakana izay tarihan’ny Filoha Rajoelina Andry ity, ny fampivoarana ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny fiarovana ny tontolo maitso sy ireo biby eto Madagasikara.

F.R

Catégories: National

Mpanazatran’ny Barea : Efa milamina ny fifanarahana, miandry sisa

mar, 01/28/2025 - 07:47

Hivoaka alohan’ny faran’ny volana ny anaran’ny mpanazatra hitondra ny Barea de Madagascar. Anisan’ireo tsara toerana amin’izany i Corentin Martins.

Vita ihany ! Araka ny fa­na­dihadiana natao, omaly, hivoaka amin’ity herinandro ity ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitantana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasiona ma­lagasin’ny baolina kitra (FMF), efa milamina avokoa ny fandaminana rehetra. Anio ihany ilay teknisianina vaovao no ha­nainga any amin’ny tany iaviany hamonjy an’i Madaga­sikara.
Hatreto aloha, mbola ba­raingo amin’ny rehetra hoe iza no anarana hisolo an-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô ? Nilaza ity mpampita vaovao ity fa anisan’ireo tsara toerana amin’izany i Corentin Martins, frantsay. Tsiahivina fa fanamby goavana no miandry ny mpanazatra vaovao. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny hahazoan’ny Barea tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany Mondial 2026, izay hatao any Meksika sy Etazonia, ny taona 2026.
2 volana sisa

Manana fotoana eo amin’ny roa volana latsaka eo sisa ny teknisianina hitadiavana mpilalao mendrika hiaro ny voninahi-pirenena malagasy. Ny marsa ho avy io, hifandona amin’i Centrafrique sy i Ghana ny Barea. Tsy mbola fantatra ny kianja hilalaovana amin’izany. Tsara ny mampahafantatra fa andrasana amin’ny volana febroary ho avy io, ireo “inspecteur Caf”, hitily ny kianja Barea Mahamasina, izay tsy nahazo fankatoavana tany amin’ity Kaonfederasiona afrikanina ity. Araka ny fantatra, teratany malagasy no hanampy ity “Coach” ity saingy tsy mbola voafaritra mazava.

Fitia Randria

Catégories: National

Famoahana voka-pifidianana : Nisaorana ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana

mar, 01/28/2025 - 07:47

Notanterahina teny amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha, ny fananganan-tsaina ho an’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nankasitrahana manokana tamin’izany ireo nahavita ezaka.

Nankasitrahan’ny sekretera jeneralin’ny mini­siteran’ny Fitsarana, Belalahy Hanitriniaina, ny eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana (Taf). “Nahavita ezaka lehibe izy ireo tamin’ny namoahana ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsainan’ny Tanàna ara-potoana”, hoy izy. Nisolo tena ny minisitra ny tenany tamin’izao fananganan-tsaina izao. Nanteriny koa fa teo ny fahavitan’ny atrikasa momba ny Vina Stratejika 2035 ho an’ny fitsarana. No­tanterahina teny amin’ny Sekolim-pirenena mampiofana ho mpitsara sy mpirakidraharaha (ENMG) izany.
Etsy andaniny, nambarany fa tanterahina any Soisa amin’izao fotoana izao ny fi­haonana an-tampony momba ny zon’olombelona. Efa any an-toerana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Fitsa­rana, Rakotomandimby Ben­jamin Alexis. Natao handini­hana ny fampiharana ny zon’ olombelona amin’ny ankapobeny eto Madagasikara izany fivoriana izany.

Fahaizana mandray olona…
Mbola notsiahiviny fa taonan’ny asa ny 2025 ka nampahereziny ny mpiara-miasa rehetra mba ahatratra ny tanjona napetraka eo anivon’ny minisitera. Anisan’izany ny fanamafisana vina momba ny ady amin’ny kolikoly. Eo koa ny fahaizana mandray ny vahoaka manan-draharaha eny amin’ny fitsarana. “Ma­nana toerana lehibe amin’izany ady izany ny eo anivon’ny Pac, ka entanina mba hiasa amin’ny fahitsiana sy amim-pahamarinana”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Catégories: National

Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Arovantsika amin’ny taniny ny tantsaha”

lun, 01/27/2025 - 07:53

Fanamby goavana. Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina fa manana andraikitra eo amin’ny fambolena ny eo anivon’ny minisitera tantaniny.

Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny “Journée de concertation nationale sur la transformation agricole”, natao teny Ivato, ny herinandro teo, ny eo anivon’ny MFFT. Voaresaka tamin’izany fa andraikitry ny fanjakana ny fanovana ny tontolo fambolena ho antoka sy fiarovana ara-tsakafo sy famokarana maharitra ary fanamafisana ny fampandrosoana ny toekarena. Nambaran’ny minisitra, An­driantsitohaina Naina, fa anisan’ny fototry ny fambolena amin’izany ny tany. “Tsy maintsy arovana ny tanin’ny tantsaha. Eo koa ny fizarana karatany sy ny titra faobe”, hoy izy. Nanteriny koa fa hanakaiky vahoaka ny fitondram-panjakana amin’ny fa­nanganana ny toeram-pitantanan’ny fananan-tany eny ifotony (BSFI). Manampy izany ny fitadiavana mpiara-miombon’ antoka, mifantoka amin’ny sehatry ny fambolena.
Fanatsarana fotodrafitrasa…
Etsy andaniny, nohavao­zina koa ny momba ny Plof sy ny Sif ary ny fanaovana sari­tany amin’ny solosaina “Bor­nage digital”. Eo koa famoronana ny katalaongin-tany, araka ny nambarany. “Ta­fiditra amin’ny fanamorana ny fiaraha-miasa amin’ireo tetikasa ara-pambolena izany”, hoy ihany izy.

Ankoatra izany, manohana ireo faritra eo amin’ny fambolena koa ny eo anivon’ny MFFT amin’ny alalan’ny Tahiry ho an’ny fampandrosoana ny eny ifotony (FDL) ka hanatanteraka fanatsarana fotodrafitrasa. Anisan’ izany ny fikojakojana sy fanotofana lalana any ambani­vohitra mba hanatrarana ireo faritra sarotra volena. “Tanjona amin’izany rehetra izany ny ho fam­pitomboan’ny vokatra sy fanatsarana ny varotr’ireo tantsaha”, hoy ny minisitra Andriantsitohaina Naina.

Synèse R.

Catégories: National

Rasoaniaina Malalatiana : “Mifampiresaka ihany no vahaolana”

lun, 01/27/2025 - 07:53

“Raha te hitady filaminana isika eto Madagasikara, mifampiresaka ihany no vahaolana. Tsy misy fitiavan-tena tokony hapetraka”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny vehivavy sady mpikamban’ny birao foibe eo anivon’ny antoko MFM, Rasoaniaina Malalatiana, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fisian’ny mpanao politika mpanohitra sasany tsy manaiky ny valim-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna farany teo. Rehefa jerena ny fifidianana amin’ izao, hita sy voaporofo izay nolazain’ny MFM. Nanomboka ta­min’ny fifidianana Repoblika no niteny an’izay ny antoko: diovina aloha ny tokotany. Antsoina amin’izany ny vahoaka mala­gasy, anisan’ny tomponandraikitra koa eo anatrehan’izay.
“Raha niteny izahay tamin’ireny fotoana ireny hoe diovy aloha ny tokotany, fifampiresahana no hanadiovana tokotany”, hoy izy. Inona ny fifampiresahana? Hahitsy ny lalàm-pifidianana. Lalàm-pifidianana tokana no hatao. Miara-misalahy amin’ny adihevitra fanaovana an’izay ny fiarahamonina sivily sy ny mpanao politika.

R. Nd.

Catégories: National

Toamasina : 147 ireo antontan-taratasin’ady vita fitsarana tamin’ny andiany faharoa

lun, 01/27/2025 - 07:52

Nisokatra nanom­boka ny 04 novambra hatramin’ny 16 de­sam­bra 2024, ny fotoam-pitsarana mahakasika ny ady heloka bevava an­diany faharoa. Naha­fahana nanao izany ny ordonnance laharana faha-142-CC/CA/­Toa/14, tamin’ny 11 ok­tobra lasa teo. Navoa­kan’ny filoha voalo­han’ny fitsarana am­bony mpisolo toerana, Raso­avololona Perrault Zafinera izany.

13 ireo mpitsara na mpa­moaka didy misahana ny fotoam-pitsarana. Mifandimby isan’andro izy ireo manatanteraka ny asa mandritra izany. Raha niisa efatra kosa izany, izay nifandimby isan-kerinandro teo anivon’ny mpampanoa lalàna am­bony, ny 04 novambra hatramin’ny 16 desambra 2024. Ankoatra izay, misy ihany koa ireo olon-tsotra izay voasafidy sy voatsongo manokana hanampy azy ireo, eny anivon’ ny fiarahamonina. Natao ho mpitsara mpanampy ary miakatra arakaraka ny antsapaka atao isaky ny antontan-tataratasin’ady iray hotsaraina izy ireo, amin’ny ankapobeny. Mbola hilana hevitra sy fankatoavana avy amin’ny mpampanoa lalàna ambony sy ny mpisolovava ary ny voampanga kosa izany.
Nahatratra 147 ny isan’ny antontan-taratasin’ ady notsaraina andiany faharoa, teo anivon’ny fitsarana voalohany, tany Toamasina tamin’ny taona 2024 lasa iny. Nisy ireo voa­tery nahemotra amin’ny fotoam-pitsarana andiany voalohany amin’ity taona 2025 ity. Teo koa ireo tsy maintsy namoahana didy fampisamborana mba hahafahan’izy ireo miatrika ny fitsarana azy. Voakasik’izany, ny raharaha halatra sy fisolokiana teo amin’ny tetikasa Ambatovy. Marihina fa mahatratra valo ireo olona voarohirohy mahakasika izany hatramin’izao, raha ny fanazavana voaray.
Nihazona ny laharana voalohany amin’ny taratasin’ady eny anivon’ny fitsarana ireo an­tontan-taratasin’ady voalaza ireo. Ankoatra izay, mahaka­sika ny raharaha vono olona ny 45 amin’ireo. Momba ny tambajotran-jiolahy sy ny fanafi­hana mitam-piadiana kosa ny 29 hafa.
Laharana fahatelo amin’ny taratasin’ady eny anivon’ny fitsarana ny ady heloka be­vava. Tafiditra ao anatin’izany, ny fanolanana izay manodi­dina ny 24 ireo dosie momba izany. Tsy maintsy namoa­hana didy famotsorana kosa ny raharaha iray tamin’izany.
Raharaha fahefatra ny fa­mosaviana miisa enina enina. Fahadimy ny halatra taolam-paty miisa 03 telo, raha roa ny fanaovana firaisana ara-nofo amin’olona fady.

Niavaka ny andiany faharoa

Niavaka tamin’ny raharaham-pitsarana ady heloka bevava hatramin’izay iny an­diany faharoa iny. Voalohany, teo ny fahasiahan’ny mpampanoa lalàna ambony nanao fanohanana didy, izay navoakan’ny mpitsara mpamoaka didy. Toy ny niseho tamin’ny 06 novambra lasa teo. Nitsa­rana ny anton-tataratasin’ ady laharana faha-13-Toa/24 izany. Naha voarohirohy tovolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ka nahafatesana raim-pianakaviana iray tao Mangarivotra atsimo sy nandratrana mafy renim-pianakaviana iray hafa.
Ankoatra izay, nitombona ny fiampangana ireo voasazy, nampiharina ny didy faran’ izay henjana. Nifamototra anefa ny didy nivoaka ka nohafa­han’ny mpitsara mpamoaka didy ireo voampanga roa lahy. Tsy niandry ela fa nanao fanohanana ilay didy ny mpam­0panoa lalàna ambony.

Matetika tsy tonga ny mpitory

Eo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava, matetika tsy tonga manatrika ny fotoam-pitsarana ny mpangataka onitra sy ny vavolombelona. Vokany, mora ho an’ny voampanga ny manda ny fiampangana azy. Manana mpiaro na mpisolovava maimaimpoana omen’ny lalàna azy ireny voampanga tsa­raina ireny, izay hefain’ny fanjakana.
Raha tsy manatrika ny mpangataka onitra sy ny vavolombelona, malalaka tsara ny fandavan’ny voampanga sy ny fiarovan’ny mpisolovava azy. Manamora ny faharesen-dahatry ny mpitsara mpamoaka didy izany zava-misy izany.
Misahana ny fanaparitahana ny fiantsoana ho an’ireo hiatrika fotoam-pitsarana ny vaditany, raha ny fanadihadiana natao. Tsy misy antony tsy tokony hahatongavan’ny mpitory eny anivon’ny fitsarana, araka izany. Olana miseho matetika, ny fifindra-monina tampoka ataon’ny mpitory na ny mpangataka onitra ary ny vavolombelona ka tsy fantatra ny misy azy. Faharoa, voasoratra anatin’ny famotorana ny fokontany hipetrahan’izy ireo, fa tsy misy laharan-trano.
“Tsy izahay vaditany no mandray ny mombamomba ny olona mpangataka onitra fa tsy mazava ny adiresin’ireo handefasana azy”, hoy ny filohan’ny antenimierampirenena ho an’ny mpisolovava sy mpanao lavanty eto Madagasikara, Maitre Rarivoarivony Andriatafaina Haja Fitiavana. Nam­ba­rany fa antony iray hafa mahatonga azy ireo tsy hahavoaray ny taratasy fiantsoana izany.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

Pages