Vaky trano: kandidà depiote lasibatra

Les Nouvelles - jeu, 06/27/2024 - 11:00

Lasibatry ny vaky trano ny kandidà solombavambahoaka iray monina ao amin’ny fokontany Andamasiny, kaominina ambanivohitra Mitsinjo, Toliara, afakomaly alina. Novakian’ireo olon-dratsy ny fitaratra. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo ary nandroba ny entana sarobidy, tamin’ny 9 ora alina. Voaroba ny solosaina miisa roa sy finday telo. Nanamafy koa ny tompon-trano fa lasan’ireo tsy valahara ny antontan-taratasy sarobidy samihafa. Nitsoaka nandositra ireo jiolahy taorian’ny asa ratsiny. Niroso amin’ny famotorana momba ity raharaha ity ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tsy manana ny mombamomba ireo nahavanon-doza hatreto ny tompon-trano lasibatra.
Fotoana mampirongatra ny tsy fandriampahalemana rahateo ny volonandro fety toy izao. Fanararaotan’ireo mpanao ratsy sy mpanao hala-boty, lasibatra amin’izany ny fitaovana sarobidy, ny kojakojan-tokantrano, hatramin’ny biby fiompy.

Tsiferana R.

Catégories: National

Trafikan-tsokatra: olona efatra voasambotra

Les Nouvelles - jeu, 06/27/2024 - 10:58

Naiditra vonjimaika am-ponja ireo olona telo voasambotra teto Antananarivo momba ny trafikan-tsokatra, afakomaly. Nahatraran’ny mpitandro filaminana zana-tsokatra miisa 37 teny amin’ireo olona ireo. Kazaran-tsokatra ahina ho lany tamingana « radiata » ny 36 tamin’ireo biby ireo. Anisan’ny maro mpitady eo amin’ny tsena maizina iraisam-pirenena rahateo io sokatra io. Karazany “pyxis” kosa ny iray fanampiny. Efa mpivelona amin’ny famarotana io karazam-biby arovana io ireto olona telo ireto. Ankoatra azy ireo, olona iray hafa koa nosamborin’ny mpitandro filaminana tany Toliara. Mpiara-miombona antoka ihany izy ireo. Mitohy ny fikarohana ny atidoha miray tendro amin’ireo olona efatra ireo. Tsy maintsy fongorana ifotony ireo olon-dratsy minia mivarotra ny harem-pirenena an-tsokosoko tahaka izao, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana.

Tsiferana R

Catégories: National

Judo – Lalao Olympika: ofisialy ny fandraisana anjaran’i Laura

Les Nouvelles - jeu, 06/27/2024 - 10:55

Nanambara tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ilay mpanao judo malagasy, Rasoanaivo Laura, fa anisan’ireo mpifaninana hiatrika ny lalao Olympika “JO 2024” hatao any Paris France, afaka iray volana. Tsy maintsy niandry ny lisitra navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenena ny amin’ireo atleta tafita amin’izany ny tenany. Izay izany vao ofisialy ny fandraisany anjara amin’ity fihaonana goavana maneran-tany ity. «Afaka ihany ny tebitebiko sy ny adintsaiko, ny fijaliana ara-batana, taorian’ny ezaka natao nandritra ny taona maro sy ny fiandrasana ity lisitra ity», hoy izy. Nahatratra ny iray amin’ny tanjona tratrariny izany ity tompondakan’i Madagasikara sy Afrika ity.
Raha tsiahivina efa namoaka mialoha ny komity olympika malagasy (Com) fa tafita amin’ny lalao Olympika hatao any France, i Laura. Noho ny laharany teo amin’ny sehatra afrikanina sy ny isa azony nandritra ireofifaninanana iraisam-pirenena maro natrehiny no nahatonga ny Com hilaza izany.

Tompondaka

Catégories: National

Baolina kitra – «Euro 2024»: sahirana vao tafita amin’ny 1/8 i France

Les Nouvelles - jeu, 06/27/2024 - 10:54

Ambivitra vao tafakatra amin’ny dingana ampahavalon-dalana i France, eo amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina «Euro 2024». Fifaninanana tanterahina any Allemagne. Ny talata lasa teo, nisaraka ady sahala, 1 sy 1, tamin’i Po­logne, teo amin’ny andro fahatelo sady farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ry zareo. Baolina tokana, tafiditr’i Mbappé, tamin’ny alalan’ ny Pénalty.
Tetsy an-kilany, resin’i Autriche tamin’ny isa 3 no ho 2 i Pays-Bas. Io faharesen-dry zareo Hollandais io no nahazoan’ny frantsay ny tapakila hanohizany ny diany. Nita­zona ny laharana faharoa i France manarakaraka an’i Autriche. Taorian’ny fahavitan’ny lalao, nanambara ireo frantsay mpijery baolina fa diso fanantenana tamin’ny endri-dalao nasehon’ny Les Bleus satria Pénalty no hany baolina tokana matin’ny ekipany ary tsy nahitana endri-dalao mahafinaritra.
Ankoatra izay, nisaraka ady sahala 0 no ho 0 tamin’i Slovenie i Angleterre. Tsy afapo tamin’ny vokatra azon’ny anglisy ihany koa ireo mpomba azy ireo ka nitaky ny hialan’i Southgate, mpanazatrany. Samy tsy nisy nitoko koa Danemark sy i Serbie.
Hatreto, 11 ireo firenena efa tafita amin’ny dingana ampahavalon-dalana amin’ity «Euro 2024» ity dia i Allema­gne, Suisse, Espagne, Italie, Angleterre, Danemark, Slo­vénie, Autriche, France, Pays-Bas, Portugal.

Tompondaka

Catégories: National

Indray mijery

Les Nouvelles - jeu, 06/27/2024 - 10:46

Ho maina ny andro ho an’ny afovoantany sy ny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy, manomboka anio. Vinavinaina ho maina koa izany any amin’ny faritra hafa. Mety hisy fiakarana ny maripana ambony saika manerana ny Nosy, manomboka rahampitso. Manodidina ny 5 – 24°C izany ny maraina ary eo anelanelan’ny 18 – 35°C ny tolakandro.

Anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina izao ka tokony ho efa miomana amin’ny fanatanterahana hetsika “Famorana zaza faobe manerana ny Nosy”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Nambarany ihany koa ny tokony hanamafisana hatrany ny fanaovam-baksiny ho an’ny ankizy.

Nanatanteraka Fizarana arendrina sy biscuit teny Ambohitahara, fokontany Ambohidratrimo, i Souleman mpikabary, afakomaly. Ankizy 200 mahery, teny an-toerana, no nisitraka izany. Tafiditra ao anatin’ny fanampiana sy fanomezan-tanana ho an’ireo fikambanam-behivavy ihany koa ny hetsika nataony.

Catégories: National

CSB Ampataka: afaka misitraka vaksiny isan’andro ny mponina

Les Nouvelles - jeu, 06/27/2024 - 10:44

Anisan’ny CSB nisitraka tombontsoa tamin’ny tetikasa Miarova ny ao Ampataka, izay tarihin’ny lehibeny, Andrianantenaina Princi. Vata fampangatsiahana vaventy mandeha amin’ny herin’ny masoandro no azon’izy ireo tamin’izany.
Afaka manao vaksiny isan’andro ny CSB amin’izao fotoana, satria efa arifomba ny vata fampangatsiahana fitehirizana ireo vaksiny ary mandeha andro aman’alina mihitsy izany. Efa niofana amin’ny fikarakarana ireo fitaovana ihany koa ny lehiben’ny CSB.
Teo aloha, voatery mandeha an-tongotra any Morondava maka ireo vaksiny isam-bolana ary voafetra anaty fotoana fohy ihany ny fitehirizana izany. Nandeha tamin’ny solika fandrehitra ny vatakely fitehirizana ny vaksiny tamin’izany ka manano sarotra rehefa tsy misy ny solika na tapaka ny jiro any amin’ireo toerana misy herinaratra. Potika ny vaksiny ary ariana fotsiny mihitsy.
Toerana saro-dalana, any amin’ny 50km miala ny arabe no misy ny CSB Ampataka. Tsy misy fiara fitateram-bahoaka fa dia an-tongotra no hamonjen’ny olona ny tanànan’i Morondava.
6 288 ny mponina amin’ireo fokontany 5 manodidina. Misy ireo mipetraka any amin’ny 22 km miala amin’ny CSB.
Miara-miasa amin’ireo mpanentana ara-pahasalamana ny CSB mitety fokontany manao
vaksiny mahazatra ho an’ireo ankizy sy reny bevohoka ary ny vaksiny covid19 ho an’ireo olona marefo.

Tatiana A

Catégories: National

Mpino silamo Chiite Nankalaza ny Aïd al-Ghadir

Les Nouvelles - jeu, 06/27/2024 - 10:39

Nankalaza ny Aïd al-Ghadir ny mpino silamo Chiite eto Antananarivo, ny talata lasa teo. Niara-niombom-bavaka sy nisaotra an’Andria­manitra tetsy Andohatape­naka izy ireo nandritra izany. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy fiaraha-mifety teo amin’ireo mpino ny fotoana. “Fety lehibe ho an’ny mpino silamo izy io satria andro fanehoana sy fampahafantarana ny lehibe mpitarika, taorian’ny mpaminany farany”, hoy ny filoha nasionalin’ny Ummi Madagasikara, Sheikh Rijaly. “Rehefa akaiky ho tapitra ny fampielezana nataon’ny mpaminany farany tety an-tany dia nomen’Andriamanitra baiko izy ny hampahafantatra ampahibemaso ny olona izay nandimby toerana azy mandra-pahatonga ny farandro”, hoy hatrany izy. Lamina napetrak’ Andria­manitra ny tsy maintsy hisian’ny mpitarika ny zanak’olombelona ety ambonin’ny tany. Nambarany fa mankalaza izany avokoa ny mpino silamo rehefa mahatsapa ny hasarobidin’io andro io. Fotoana mifanindry amin’ny 18 ny volana «Dul-Hiju»1445 izy io.
Nirary soa ny vahoaka malagasy ihany koa izy ireo amin’ny fahatrarana ny asaramanitry ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Mba hijoro hatrany ny vahoaka manoloana izao fankalazana ny fetim-pirenena izao fa tsy hiraviravy tanana. Nifanandrify tamin’ny fankalazana ny 25 jona moa io andro io, ankatoky ny Asara­manitra. Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny ara-toekarena sy sosialin’ny firenena ihany koa ny mpino silamo, izay marihina fa 15 isan-jaton’ny mponina.

Mino

Catégories: National

Fanabeazana sy fiarenana ara-tsakafo: mpianatra 24 000 hisitraka sakafo any an-dakilasy

Les Nouvelles - jeu, 06/27/2024 - 10:38

Nidinika ny sahanasa iarahana ho an’ny taom-pianarana 2024-2025 ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny herinandro lasa teo, nandritra ny roa andro.

Notombanana ny asa vita ho an’ny taom-pianarana 2023-2024 ary nojerena manokana ireo sekoly hisitraka ny tohana ara-tsakafo, ao anatin’ny tetikasa fiarenan’ny Rafitra ara-tsakafo eto Madagasikara (FSRP). Mite­tina 40 tapitrisa dolara ny vola hampiasaina amin’ny tetikasa avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Haharitra telo taona ny asa fanohanana ny fanjakana amin’ny ezaka ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana. Zava-dehibe ny fitazomana ny ankizy tsy handao ny sekoly any amin’ireo toerana iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahantrana.
Hisitraka sakafo mafana hozaraina any an-dakilasy ny mpianatra 24 000 eny anivon’ny sekoly 800. Ireo mpamboly miisa 20 000 eny an-toerana ihany no hividianana ny vokatra hampiasana eny amin’ny toeram-pisakafoana. Faritra voakasiky ny tetikasa ny any Androy, Anosy, Atsimo An­drefana, Atsimo Atsinanana, Vatovavy sy Fitovinany , Vakinankaratra Analamanga ary Itasy. “Tsapa fa nitondra tombontsoa ho an’ny mponina niantefany ny fividianana ny akora fototra eny amin’ny tantsaha”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny FSRP, Rafali­manana Olivia. Mitondra fidiram-bola tsy tapaka ho an’ny mpamboly ny fividianana ny akora fototra sady miantoka ny kalitaon’ny sakafo omena ny mpianatra.
Efa nankatoavin’ny fanjakana malagasy ity fomba fiasa ity hoentina manamafy ny fanjarian-tsakafo sy ny fanabeazana ary ny fiarenana ho fanampiana ny toekarena eny ifotony. Hitondra ny fahaiza-manaony anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny Pam miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tanjona ny hahazoan’ny mpianatra sakafo raha vao miandoha ny taom-pianarana ho avy ka vonona hifanome tanana amin’ny fanjakana ny Pam, araka ny fanazavan’ny solontenany eto amintsika, i Mamadou Mbaye.

Vonjy

Catégories: National

Famoahana voka-pifidianana: miantso fanajana ny fahamarinana ny FFKM

Les Nouvelles - jeu, 06/27/2024 - 10:34

“Miantso ny FFKM ny hanajana hatrany ny fahamarinana, indrindra ny voka-pifidianana. Fa mariky ny fanajana ny safidin’ny vahoaka izay tompon’ny fahefana izany, ary antoka amin’ny hisian’ny fandriampahalemana sy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra”. Io ny hafatry ny FFKM tamin’ny 23 jona ary nampitainy, afakomaly, amin’ny fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialy. Mitaona ireo depiote nofidin’ny vahoaka hisolo vava azy hanatanteraka ny andraikitra amin’ny fanajana ny fahamarinana. Fa ny fahamarinana no manandratra avo ny firenena.
Manaraka izay, manainga anareo mba hanaja sy hanatanteraka amin’ny asa sy ny teny izay nampanantenainareo ny vahoaka nifidy anareo nandritra ny fampielezan-kevitra nataonareo. Ataovy lohalaharana ny hikatsaka ny tombontsoa ho an’ireo vahoaka maro anisa izay miaina anaty fahasahiranana lalina ankehitriny. Lehibe ny andraikitrareo, araka ny fahefana omen’ny Lalàmpanorenana anareo, ka tanteraho amim-pahamendrehana izany. Satria “Ny fahotan’ny tany mahamaro mpanapaka; fa ny fisian’ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana”. (Oha 28: 2), ary “Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina”. (Oha 28: 28).
Miantso ny rehetra mba hanamafy ny fifankatiavana sy ny fanajana ka hikatsaka izay hahasoa sy hahatsara ny firenena sy ny vahoaka malagasy ny FFKM. Aoka hialana ny hambompo sy ny fikatsahana ny tombontsoa manokana, ary ny FFKM dia maneho ny fahavononany hatrany hijoro ho raiamandreny.

R. Nd.

Catégories: National

Pages