Anisan’ireo mpanety volo etsy Ambohijatovo, manana ny traikefany, Randrianarivelo Hery Mamy Holin, lehilahy iray 55 taona. Araka ny fitantarany, omaly, teny an-toerana, talentany ny manety volo ary tsy nisy olona nampianatra azy tamin’izany fa nataony fotsiny ilay izy ary hainy hoazy avy eo. Araka ny fanazavana nataony, nanomboka ny taona 2005 teo izy no nanomboka ity asa ity ary roapolo taona aty aoriana, mbola manao izany ho fivelomana izy. Nampahatsiahiviny fa nivarotra fitaovana fanetezam-bolo “tondeuse” tamin’ilay havany no nahitany toerana iray teo Ambohijatovo, nahafahany miasa tahaka izao. “Tratran’ ilay tompon-tsena moa aho tamin’izay ka nilazany fa tokony tsy mbola hiasa raha tsy misy ny fifanarahana. Taorian’izay dia natao ny fifampiresahana teo amiko sy ilay tompon-toerana ary nandeha tsara ny asa”, hoy i Hery Mamy. Ny endri-bolo tsotra na ny “demi-coco” no mpanjifa voalohany nataony tamin’izany. Nambarany fa tsy mbola fantany io, saingy nezahiny ny hahafantatra izany, ary taorian’izay, niezaka nitrandraka ireo endri-bolo maro karazana misy ny tenany ary efa voafehiny izany ankehitriny. “Somary nisy tahotra ihany aho tamin’izany saingy rehefa nataoko ilay izy dia toy ny milalao izany aho manao ilay asa”, hoy ity lehilahy iray ity. Nohamafisiny fa toy ny talenta nentim-paharazana ihany ity fanetezam-bolo ity, ny raibeny no nanana talenta tamin’izany, fahiny, ary ity farany ihany no manety ny volon-dry zareo tamin’izany fotoana.
Mahavelona tsara
Nomarihin’i Hery Mamy, omaly, fa azo atao tsara ny mivelona amin’ny asa fanetezana volo. “Ity asa ity no amelomako ny ankohonako hatramin’izay ary nahafahako nampita ny zanako rehetra”, hoy ny nambarany. Raha ny fanampim-panazavana nomeny, efa manana ny mari-pahaizana Bacc sy Master ny ankamaroan’ireo zanany. Misy aza no efa miasa eto an-tanindrazana sy any ivelany. Ampahafantarina ihany fa efa niasa tamin’ny sambo lehibe iray ity mpanety volo ity teo aloha, izany hoe, tantsambo. Najanona tamin’io asa io moa izy sy ny namany Malagasy mitovy aminy, tamin’izany, satria nitondra entana tsy ara-dalàna ilay sambo nampiasa azy ireo. Faniriany fony mbola kely ny ho lasa dokotera, ary nolazainy fa toy ny manao izany asa izany ihany ny tenany satria maro ireo olona no mirana sy mahatsiaro tena salama tsara rehefa miova tsara ny endriky ny volony.
Fialamboly
Ankoatra ny manety, manana fialamboly toy ny olona rehetra ihany koa i Hery Mamy. Anisan’izany ny mihaino hira, mijery horonantsary, mitsangantsangana miaraka amin’ny fianakaviana. Manao fanatanjahantena ihany koa ny tenany saingy tsy nifantohany be izany fa nataony ho fitaizam-batana fotsiny ihany. “Ny boxe thailandaise sy ny volley-ball no nataony. Nanome hafatra ho an’ny tanora moa ity lehilahy iray ity mba tsy hifidy asa ary manentana azy ireo hampiasa ny talenta hatao fitadiavam-bola ary tsy ho kivy amin’izay rehetra mitranga. Nohamafisiny hatrany fa tsy misy ny asa mahamenatra rehefa ataonao matotra tsara sy am-pitiavana tsara izany.
Nanatontosa : Fitia Randria
23 mirahavavy ireo nahavita fiofanana mahakasika ny haitao ara-kajy mirindra tao Manakara, faritra Fitovinany, ka notolorana mari-pankasitrahana sahaza izany. Tonga tany ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, nisaotra ireo vehivavy manana fikirizana amin’ny fianarana ny fikirakirana izany haitao ara-kajy mirindra izany.
Fisokafana amin’ny sehatra marolafy indrindra ny fiseraserana, eny hatrany ivelany, ny fahaizana sy fifehezana izany. Nentanina ireo vehivavy hahay hampiasa izany ho fampiroboroboana ny serasera sy fihariana ary ny varotra taozavatra izay mampalaza ny faritra Fitovinany.
« Hahafahana mitady fanofanana hahafahana mivoatra hatrany sy hifandraisana amin’izao tontolo izao amin’ny fampiasana ny teknolojia ny fahaizana mikirakira ny haitao ara-kajy mirindra », hoy hatrany ny minisitra.
Tamin’izany koa no nandinihina ny toerana hametrahana ny « Maison digitale » ao Manakara izay niarahana tamin’ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Arson Benja.
Tatiana A
Araka ny vaovao niely tao anaty tambajotra, omaly, dia nisongadina indray i Njiva, lohalaharan’ny Barea. Nahatafiditra baolina telo, tamin’ny lalao nihaonana tamin’ny Khonkaen FC, ny tenany, ny alahady lasa teo, tany Thailande. Nandresy tamin’ny isa 7 no ho 4 moa ry Njiva sy ny klioba misy azy: Ratchaburi FC.
Mandray anjara amin’ny atrikasa tanterahina amin’ity herinandro ity, any Afrika Atsimo, ny tale teknika nasionalin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Rasoanaivo Rado, sy ny tomponandraikitra misahana ny baolina kitra, sokajy vehivavy eto Madagasikara, Todiniaina Lomie.
Voahosotra ho tompondakan’i France alohan’ny fotoana indray ny klioban’ny Paris Saint Germain (PSG) ny sabotsy lasa teo. Niampy telo indray ny isan’izy ireo rehefa nandresy ny SCO Angers 1 no ho 0. Tsiahivina fa manana isa 74 izy ireo amin’izao fotoana izao ary manaraka azy aoriana kosa ny Marseille, manana isa 52.
Hotanterahina anio ny lalao ampahefa-dalana mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, “Ligue des Champions 2025”. Anisan’ny fifanandrinana azo heverina ho toy ny famarananakely ny fihaonan’ny Arsenal FC (anglisy) sy ny Real Madrid FC (espaniola), tompondakan’ny LDC farany teo.
Anisan’ireo sekoly manana klioba eo amin’ny taranja lomano ny Esca Antanimena. Feno dimy taona amin’ity ny Club natation Esca. Tsy navelan’izy ireo handalo fotsiny izany fa nankalazainy niaraka tamin’ireo mpianatra beazina ao an-toerana. Tamin’ny alalan’ny fifaninanana isaka ny kilasy, no natao ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny dobo filomanosana Esca. Nahatratra 400 mianadahy ireo nifaninana nanomboka tany amin’ny kilasy faharoa ka hatramin’ny ambaratonga ambony. Nambaran-dRakoto Olivia, filohan’ ny Club natation Esca fa mivoatra ary mandroso io taranja io. Notsiahivina fa raha 10 ny isan’ireo mpilomano manana kara-pilalaovana federaly tany am-boalohany, ankehitriny, efa mahatratra 46 izany ary efa maro ireo niatrika fifaninanana iraisam-pirenena sy mandrafitra ny ekipam-pirenena.
Tanjona ho an’ny mpitantana ny hampiroborobo ny taranja lomano, izany hoe, hampiditra ny tanora rehetra ho tia lomano ka hahazo fiofanana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy. Raha ho an’ny fimy taona manaraka, maniry ny hanatevina ny isan’ny mpilomano ao aminy izy ireo ary hamoaka elita maromaro. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilomano novolavolaina tao amin’ny ESCA, Andrianifahanana Zoé, Malagasy voalohany niatrika ny lalao Olympika tany Moscou, ny taona 1980, izay lasa mpanabe ao an-toerana ankehitriny.
Torcelin
Anatin’ny fanomanana sahady ny fifaninanana nasionaly, izay hatao any Mahajanga, ny eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), amin’izao fotoana izao. Fepetra maro no horaisina amin’ity taona ity mba hanatsarana ny fifaninanana. Anisan’ny zava-dehibe ny mahakasika ny taranjam-panatanjahantena hifaninanana izay hisy vaovao amin’ity taona ity, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love). 21 no isan’izany taranja izany ka ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny eo anivon’ny birao. Taranjam-panatanjahantena vaovao ireo lalaovina eny amin’ny morontsiraka, toy ny Rugby beach, hand beach, beach soccer ary ny beach volley. Fepetra voalohany tsy maintsy arahina ny hananan’ny mpilalao “licence”. Eo ihany koa ny tsy maintsy hiatrehana ny fifaninanana rezionaly mba hisorohana ny olana nitranga tamin’ny taon-dasa,teo amin’ny resaka mpikaraman’ady sy ny hosoka. “Fitaratra eny anivon’ny fiarahamonina ny mpiasam-panjakana ka tokony haseho amin’ny fifaninanana toy izao izany”, hoy ny no hamafisin’ity filohan’ny Asief ity. Araka ny fandaharam-potoana, hisokatra ny sabotsy 5 avrily teo ny fifaninanana rezionaly ho an’ny ligin’Analamanga. Miantso ny mpiasam-panjakana tsy ankanavaka ny filohany amin’ny fanaovana fanatanjahantena izay fanafody tsy vidiam-bola sy ho fampisehoana ny firaisankinan’ny mpiasam-panjakana.
Mi.Raz
La société Star Madagascar et le ministère du Tourisme et de l’artisanat (MTA) ont procédé hier à Antaninarenina à la signature de convention de partenariat favorisant la valorisation des déchets plastiques tout en soutenant le savoir-faire artisanal.
L’objectif étant de promouvoir l’utilisation de matériaux recyclés dans le secteur de l’artisanat, mais également d’accompagner les artisans dans l’exploration des opportunités offertes par l’économie circulaire. A noter que les déchets plastiques mettent un certain temps à se désintégrer allant de 50 ans à une centaine d’années. D’après une étude réalisée en 2014 par Naldeo, un bureau d’étude et de conseil indépendant, 10% des déchets produits à Madagascar sont constitués de plastique. « La sensibilisation de l’ensemble des acteurs du secteur aux enjeux environnementaux liés à leurs activités est plus que primordiale », a indiqué le MTA.
A travers cette initiative soucieuse de l’environnement, les deux parties incarnent la force d’une collaboration public-privé constructive, orientée vers un développement plus résilient, responsable et durable. « C’est là un partenariat en parfaite cohérence avec les priorités nationales en matière de durabilité », a conclu le ministère.
Jean Riana
Ambatovy vient de célébrer la première promotion de son programme de formation de conducteurs de Dumpers ADT 745, à Moramanga. Baptisée « Promotion Mamiratra », elle rassemble des jeunes de 18 à 25 ans, issus des douze villages riverains de la Mine. Ces jeunes, sélectionnés sur des critères rigoureux, ont suivi six mois de formation intensive alliant théorie et pratique. Le programme met l’accent sur la conduite sécurisée, la maîtrise des engins lourds et les responsabilités d’un opérateur. Cette initiative traduit l’engagement d’Ambatovy pour l’employabilité des communautés locales. Elle vise à doter les jeunes de compétences techniques en phase avec les besoins du marché du travail. En agissant ainsi, Ambatovy renforce son ancrage local et contribue au développement durable des zones minières.
Arh.
L’euro a franchi, une nouvelle fois, le seuil symbolique des 5.000 ariary sur le marché interbancaire des devises (Mid). Hier, la monnaie européenne s’échangeait à 5.001, 53 ariary. Un niveau qui reflète une tendance récurrente à l’approche des fêtes, période marquée par une forte demande en devises étrangères.
Cette envolée de l’euro n’est pas une surprise pour les économistes. Elle s’explique notamment par un déséquilibre structurel entre importations et exportations. Madagascar continue d’importer massivement des produits stratégiques tels que le carburant, les denrées de première nécessité ou les biens manufacturés. En revanche, ses exportations restent limitées à quelques matières premières non transformées comme la vanille, le litchi, le café et des minéraux, avec une part modeste de produits finis, notamment dans le textile.
Ce déséquilibre crée une pression continue sur les réserves de devises du pays. La baisse de l’ariary est ainsi alimentée par une offre insuffisante face à une demande croissante en devises étrangères.
A cela s’ajoutent les fluctuations des monnaies sur le marché international, sur lesquelles Madagascar n’a aucune prise. « La valeur de l’euro à l’échelle mondiale influence directement notre taux de change », explique un économiste de l’Université d’Antananarivo.
La dépréciation actuelle n’est pas inédite. En 2022 et 2024, l’ariary avait déjà atteint des seuils historiques face aux principales devises du Mid. Malgré quelques périodes d’accalmie, la tendance reste globalement à la baisse.
Si certains observateurs considèrent ce phénomène comme temporaire et saisonnier, les impacts sur l’économie nationale sont bien réels. La montée de l’euro renforce la perception d’une fragilité persistante de la monnaie locale et accentue les vulnérabilités structurelles de l’économie malgache.
Arh.
L’International Tourisme fair Madagascar (ITM) revient pour sa 11e édition qui se déroulera au CCI Ivato du 12 au 15 juin. Le lancement officiel de cet événement qui entend réduire l’impact environnemental en misant sur la digitalisation s’est déroulé hier à la Cité des Cultures à Antaninarenina.
Organisée par l’Office national du tourisme de Madagascar (ONTM), sous l’impulsion du ministère du Tourisme et de l’artisanat (MTA), avec le soutien du Gouvernement via le projet Pic, cette édition s’inscrit dans une dynamique résolument responsable, axée sur le thème « Vers un tourisme plus durable ». L’objectif étant de positionner Madagascar comme destination phare du tourisme durable et responsable, tout en promouvant des initiatives respectueuses de l’environnement. « 20.000 visiteurs sont attendus à cet événement qui verra la participation de près de 500 exposants issus d’une dizaine de nationalités différentes » a déclaré Ionjaniaina Ranaivoarimanana, Président du Conseil d’Administration de l’ONTM.
L’artisanat va toujours de pair avec le tourisme, c’est pourquoi les organisateurs ont tenu à ce que la 11e édition de l’ITM se tienne en parallèle avec la 2e édition de l’International Handicraft fair Madagascar (IHM). Ainsi, « Les inscriptions pour la participation à cet événement sont désormais ouvertes en ligne» a fait savoir Danny Barivelo, Directeur Exécutif de l’ONTM. La digitalisation de l’ITM met en avant une orientation qui se tourne vers l’innovation et l’écoresponsabilité. « La croissance doit se faire dans le respect de l’écosystème et de nos cultures » a spécifié Viviane Dewa, ministre du Tourisme et de l’artisanat.
Espace d’échanges
« Comme toujours, l’ITM demeure un espace d’échanges, un lieu d’apprentissage et de collaboration de professionnels pour renforcer les liens entre les acteurs du tourisme » a indiqué la ministre. Elle a ajouté que ce sera également une occasion de discuter des solutions pour établir des stratégies en vue d’un tourisme plus équitable et surtout respectueux de l’environnement tout en profitant de la présence de spécialistes venant du monde entier.
Et le tourisme étant un vecteur de développement majeur, ce grand rendez-vous bénéficie d’une large gamme de sponsors comme Yas Madagascar, Mada-Ozi, Radisson Blu Hotel, Vitafoam, Vanilla Pay International, Le Centell, BNI Madagascar, EcoZipo, Al Bouraq Travel, Andao Company. Le lancement officiel s’est poursuivi de la cérémonie de signature de conventions avec ces premiers sponsors car il est sûr que d’autres vont venir gonfler ce panel jusqu’au jour J.
Jean Riana
La commune d’Amboanana située à 18km d’Arivonimamo, est désenclavée face à la détérioration de la route qui favorise fortement l’insécurité. Face à cette situation, l’ONG Association d’Aide Humanitaire (A2H) a décidé de prêter main forte à la population de la commune en tentant de résoudre le problème. A cet effet, l’association prendra en charge la réhabilitation de la route mais également celle de l’Ecole primaire publique (EPP) sur place. « Ce n’est pas la première fois que l’ONG se rend dans cette commune. Nous avons entendu les doléances de la population et après discussion, nous avons convenu de l’aider », a indiqué le PCA de l’ONG, Iadjah Andriamihaja Andriatsimiandriambony, dimanche à Amboanana. A noter que l’ONG est dirigée par le PCA, le Vice-président, le Général Angelo Ravelonarivo et le SGA en la personne du sénateur Hajatiana Tahina Andrianandrasana.
Le PCA explique que les partenaires de l’ONG sont déjà convaincus des projets avancés et ont opté pour les moyens techniques des travaux. Ainsi, tout le matériel sera fourni par l’ONG et les travaux de main d’œuvre seront assurés par la population. Outre les grands projets, l’association vient également en aide aux plus démunis à travers des dons de PPN. « A cause du mauvais état de la route avec la pluie, nous n’avons pu emmener que le nécessaire. Une fois la route plus praticable, nous en emmènerons plus », a fait savoir le PCA.
T.N
Nambaran’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Vakinankaratra, ny Kly Randriampeno Sammy, fa azo ihorianana ny fandriampahalemana any an-toerana. Anisan’izany ny any amin’ny distrikan’i Mandoto. Efa voafehy izany izao. “Mitady hahazo vahana kosa anefa ny fitsaram-bahoaka sy ny fanolanana. Efa nomena baiko ireo zandary mba hanao fanentanana sy hampianatra ireo vahoaka any ifotony manoloana ireo tsy fanarahan-dalana ireo”, hoy izy. Natsidiny sahady ny ho fiatrehana ny fetin’ny paka ka hametrahana fepetra matipaika izany ho fitandroana ny filaminana eny an-dalana sy ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana.
Tsiahivina fa anisan’ny nanamarika ny “Andron’ny zandary” koa ny tao Vakinankaratra. Nisy ireo nosalorana mariboninahitra, ireo nahavita be teo anivoan’ny zandary sy ny avy amin’ny sivily. Teo koa ireo nahazo ny « Officier et Chevalier de l’ordre national ». Manampy izany ny fanaovam-beloma ireo zandary nahavita ny adidy aman’andraikiny napetraky ny vahoaka taminy ka nisaorana azy ireo. Io ilay antsoina hoe « Adieu au arles ». Teo koa ny fitokanana ireo fotodrafitrasa vaovao sy nohavaozina. Anisan’izany ny vavahady miditra ao amin’ny “Groupement” ao Vakinankaratra sy ny fitokanana ireo toerana hafa.
Synèse R.
Tafiditra ao anatin’ny famaranana ny volana ramadany izao hetsika izao. Manaraka ny foto-kevitry ny finoana silamo mizara sy miara-paly amin’ny mpiara-belona. Anisan’ireo marefo sy mila tohana ara-tsakafo ireo voafonja ka antony nisafidianana manokana azy ireo hisitraka ny fanomezana, raha ny fanazavana voaray. Nahitana vary 40 gony amin’ny 50 kilao sy menaka 140 litatra, macaroni 250 kilao ary sakafo fanampiny, ny tolotra tamin’izany. Tanjona ny hijerena ny maha olona sy hanasoavana ny mpiara-belona, araka ny Politika ankapoben’ny fanjakana, izay tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nahazo toromarika ny talen’ny sampandraharahan’ny Asa sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika hidina ifotony, nijery ireo voafonja sy nanolotra fanampiana ho azy ireo.
5 000 mahery ireo voafonja etsy Antanimora
Maherin’ny 5 000 ireo voafonja etsy Antanimora. Mitsinjara amin’ny kartie samihafa ny lahy sy ny vavy ary ireo ankizy tsy ampy taona. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fandraharahan’ny fonja eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, Volazara Sakina Mohamady, fa manokana teti-bola hamatsiana sakafo ny voafonja ny fanjakana. Mihinana sakafo tsy miovaova ireo voafonja ireo, raha ny zava-misy. Anisan’izany ny fihinanana vary, ny voamaina ary ny mangahazo. Manampy betsaka ireo voafonja ireo ny fanampiana tahaka izao satria ahafahana manatsara ny kalitaon’ny sakafo hohaniny. Mba hahatrarana ny kaloria ilain’izy ireo isan’andro sy manaja ny “diète carcérale” eo amin’ny tsirairay. Ilaina hatrany ny fihinanana ny sakafo miovaova sy maro karazana ary amin’ny lokony maro.
Fotodrafitrasa hizarana ireo voafonja
“Efa tsy araka ny fetra tokony ho zakany intsony ny fonja etsy Antanimora mandray ireo voafonja 5 000 ireo”, hoy izy ireo nanazava teny an-toerana. Efa nametraka fotodrafitrasa hanapariahana azy ireo ny fanjakana, raha ny fanazavana voaray. Hatramin’ izao, mahatratra sivy ny fonja efa naorin’ny fitondram-panjakana, telo ny “Maison de force”, enina ny “Maison centrale. Ho an’ny eny Ambohidrabiby Avaradrano manokana, efa mamindra tsikelikely ireo voafonja ny tomponandraikitra.
Ny kartie natokana ho an’ny vehivavy, izay ahitana voafonja 800. Efa nanaovana fanentanana ny hamindrana ireo manana fianakaviana akaiky eny. Ny fonjan’ny Manjakandrina, efa vita ny fandraisana vonjimaika ny fotodrafitrasa ary afaka mandray vehivavy manodidina ny 480 io toerana io.
Hetsika maneho fifankatiavana
Maneho fihetsika fifankatiavana sy firaisankina amin’ireo voafonja ny fikambanana Dawoodi Bohra, tarihin’i Ibrahim Mourtaza. Manana andraikitra amin’ny fanohanana ireo voafonja ireo ny fikambanana amin’ny alalan’ny asa sosialy izao, araka ny fampianarana nampitain’ny mpitarika ara-panahy ny fikambanana Dawoodi Bohra, Syedna Mufaddal Saifudin. “Manan-danja ny olombelona tsirairay na voafonja aza, ary ny fanomezana sakafo dia anisan’ny filana fototra amin’ny maha olombelona”, hoy izy. Efa niara-niasa tamin’ny fanjakana hatramin’izay ny fikambanana raha tsiahivina. Nisongadina ny hetsika famatsiana sakafo ireo traboina teny Anosizato, nandritra ny fiakaran’ny rano farany teo.
Nanatontosa : Mino
Mitaraina manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny solika fandrehitra ireo mampiasa izany. Voatery mampihena ny vokatra jifainy ireo mpividy. Ao koa ireo nisafidy hanajanona tanteraka izany ka hiverina hampiasa ny arina fandrehitra, izay tsy mitsaha-miakatra isan-taona sy mamotika ny tontolo iainana.
Mitentina 8 tapitrisa dolara ny tetibola ilain’i Madagascar Airlines ho an’ny fampitaovana sy hanamboarana ireo kojakojam-piaramanidina hisorohana ny olana ara-teknika samihafa. Ny taona 2024, nisitraka milina roa sy « train d’atterrissage de secours » ny kaompania. Andrasana ny volana jolay kosa reo fitaovana ampiasana sy hifameno amin’izany.
Azo trandrahina sy ahodina ho tonga fitaovana azo ampiasaina ny fako. Napetraka ny paikady entina hisorohana ny fiparitahany sy ho fitsinjovana ny fahadiovan’ny tontolo iainana. Naranty nandritra ny fankalazana ny « Festival zéro déchet » tao Antsirabe ireo vokatra azo tamin’ny fanodidina ny fako ao an-toerana ireo.
Nitombo enina isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania Emirates mampitohy an’i Dubai sy Antananarivo, nanomboka ny alarobia teo. Porofo izao fa mahasarika ny teratany vahiny i Madagasikara. Betsaka ihany koa ny fangatahana voarain’ny kaompania Emirates hampifandray ny Nosy malagasy amin’ireo firenena hafa.
Tsy niova ny vidin’ny lasantsy sy ny gazoala. Nijanona toy ny tamin’ny volana marsa ny vidin’izany amin’ity volana avrily ity. Izany hoe, 5 320Ar/l ny vidin’ny lasantsy (SP 95) ary 4 970Ar/l kosa ny gazoala. Ho an’ny solika fandrehitra, niakatra 3 030Ar/l ny vidiny mihatra nanomboka ny sabotsy teo sy mandritra ny volana avrily, raha ny navoakan’ny ny Ofisim-pirenena momba ny akoranafo (OMH) raha toa ka vidina 2 830Ar/l izany ny volana marsa teo. Izany hoe, nahitam-piakarana 200 Ar (+7,1%) tamin’ny vidiny teo aloha ny vidiny ho amin’ity volana ity. « Mbola latsaky ny 600 Ar amin’ny vidiny tena izy (vérité de prix) ny vidin’ny solika fandrehitra », hoy ny tale jeneraly mpisolo toeran’ny OMH, Raveloson Cydolain, nandritra ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety, ny sabotsy teo.
Fampiharana fahefatra ny fiovan’ny vidin-tsolika izay faritan’ny didim-panjakana laharana 2025-045, tamin’ny 17 janoary 2025, ny amin’ity volana avrily ity. Noho izany, mila mizatra amin’ny fiovan’ny vidin-tsolika ny mpanjifa. Na izany, “malalaka ny safidy amin’ny fampiakarana na tsia ny vidin-tsolika ho an’ireo toby mpaninjara izany (station-service) izay any amin’ny toerana mihoatra ny 15 km miala ny toby fitahirizan-tsolika (dépôt pétrolier)”, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Henintsoa Hani
Ce jour au ministère des Affaires étrangères (MAE) à Anosy, se déroulera la commémoration (la 31e du genre) de la Journée internationale de réflexion sur le génocide perpétré contre les Tutsis au Rwanda. La cérémonie réunira, entre autres, le coordonnateur résident des Nations unies à Madagascar, la ministre des Affaires étrangères Rasata Rafaravavitafika, ainsi que la communauté rwandaise. A titre de rappel, le génocide a commencé dans la nuit du 6 au 7 avril 1994, perpétré par le gouvernement extrémiste Hutu Power contre les Tutsis du Rwanda.
Selon l’Organisation des Nations unies pour l’éducation, la science et la culture (Unesco), cette journée internationale de réflexion a été établie par l’Assemblée générale des Nations unies en 2003 pour honorer la mémoire des victimes et sensibiliser à l’horreur de ce crime. Pendant les 100 jours qui ont suivi le début du génocide, plus d’un million de membres de la minorité tutsis ont été systématiquement assassinés. Des Hutus modérés et d’autres opposants aux massacres ont également été tués durant cette période tragique.
L’Unesco s’engage à promouvoir l’enseignement des génocides comme un outil essentiel pour comprendre les causes, les dynamiques et les conséquences de tels crimes et renforcer la résilience face à toute forme de discrimination et à prévenir de futures atrocités.
F.M
Les rues ont été maculées de sang ces deux dernières semaines. Au moins deux accidents se produisent chaque jour surtout dans la capitale malgache, même si statistiquement parlant, le nombre de morts est faible, se comptant par les doigts, contrairement à celui des blessés. Les dégâts matériels ne sont pas en reste, avec des véhicules en tout genre, réduits du jour au lendemain en tas de ferrailles.
La plupart des accidents de la circulation se produisent dans les portions de route bien entretenues, sans nids-de-poules (ni d’autruches) et en ligne droite, selon les remarques de la police. Certes il y a le cas des couvercles de dalle, volées par des individus malintentionnés, comme celles près du marché Pochard ou encore à Anosibe, surprenant parfois certains conducteurs, notamment ceux qui n’ont pas l’habitude de passer par ces endroits. Cependant, le taux d’accidents liés à ces problèmes d’infrastructures est
moindre.
Sur la rocade Tsarasaotra-Ivato par exemple, les accidents qui s’y produisent, engendrant généralement des pertes en vie humaine, surviennent à cause de l’imprudence des conducteurs, l’alcool au volant ou au guidon, l’excès de vitesse donnant tout son sens au concept de « rouler à tombeau ouvert »… Et, pour se justifier ou pour décliner leur irresponsabilité, les usagers de la route parlent de « lolo » (fantômes) comme sources d’accident. Or même si dans certains cas, des forces soi-disant surnaturelles poussent les conducteurs à commettre l’irréparable, les dégâts causés par une embardée à une vitesse de 30 km/h ne seront jamais les mêmes que ceux à 100 km/h.
A se demander si les accidents de la circulation devraient encore être rapportés dans la rubrique « faits divers » ou s’ils deviennent des « faits banaux », sauf ceux qui engendrent de pertes importantes notamment en vie humaine comme c’était le cas jeudi à Ambohimangakely. Si les chauffards et les motards imprudents étaient les seuls à en faire les frais, c’est leur problème, mais des fois des innocents en paient le prix fort. Il ne faut pas avoir peur des chevaux sous le capot mais de l’âne derrière le volant.
Rakoto
Le ministère de la Décentralisation et de l’aménagement du territoire (MDAT) a émis un communiqué hier par rapport aux faits qui se sont déroulés à Nosy Sakatia où les habitants ont mené une manifestation précipitée ne s’appuyant que sur des rumeurs.
«Le site d’Ampasindava-Sakatia a été décrété et classifié Réserve foncière touristique (RFT) depuis les années 2000. Il est immatriculé sous le Titre n°1807-BO, pour une superficie totale de 17 hectares 34 ares et 81 centiares », informe le MDAT. Le ministère ajoute qu’un opérateur malgache dont la société Green Mada Land, a obtenu un bail emphytéotique de 50 ans renouvelable, après avoir rempli l’ensemble des conditions requises par des textes en vigueur.
Le déplacement d’une délégation composé du Préfet de police de Nosy Be, d’un géomètre privé et des représentants de la société à Nosy Sakatia la semaine dernière, entrait dans le cadre de la mise à jour des données foncières. « La première descente le 3 avril avait pour but de rencontrer les riverains afin de les informer de la réalisation d’un lever topographique », a affirmé le Préfet de police de Nosy Be, Angelo Tilahizandry joint au téléphone. « L’objectif de la descente des autorités était de pouvoir délimiter le périmètre, à recenser les constructions, le nombre d’habitants, la superficie, le nombre d’arbres… », a expliqué Iavy Tatiana Rambeloson, déléguée du tourisme à Nosy Be joint également par téléphone.
Manipulation politique
Concernant la manifestation effectuée par les habitants, le Préfet Angelo Tilahizandry a évoqué une manipulation politique. Les autorités voyant l’attitude réticente des habitants, ont rebroussé chemin sans même avoir pu entamer ce qu’elles étaient venues faire. Le MDAT déplore également le fait que des manipulations politiques interfèrent avec une opération administrative courante et que des opérateurs étrangers ou locaux sans droits ni titres financent des opérateurs de déstabilisations.
« Il a d’ailleurs été constaté que la majorité des meneurs ne sont même pas issus de la localité concernée », rapporte le ministère.
Les responsables ont indiqué que Madagascar a un capital touristique à valoriser incluant Nosy Sakatia, et les habitants devraient prendre en compte que l’affluence touristique sur leur île est dans leur avantage. « Nosy Sakatia figure parmi les réserves foncières touristiques (RFT) dont l’objectif est de mettre en valeur des zones avérées d’intérêt touristique. Il y a également la facilitation d’implantation d’investisseurs aussi bien nationaux qu’étrangers sur des sites exempts de tout litige foncier », a indiqué le Préfet.
Jean Riana
Notanterahina omaly ny fihaonana isam-bolana eo amin’ny mpanao gazety sy ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra. Anisan’ny nitondra fanazavana ny talem-paritry ny Asa vaventy, Raselison Arséne. “Miroso ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena fahafito (RN7)”, hoy izy. Eo koa ny fanamboarana ny lalana eo Antsirabe sy ny ao Ambatolampy. Nohazavainy ireo lalana an-dalam-panamboarana sy ireo simba ka mila fanamboarana.
Ho an’ny talem-paritry ny fahasalamana, ny Dr Rakotomahazo Robinson Désiré, nambarany ireo trangan’aretina miparitaka sy ny vahaolana naroson’izy ireo ho amin’izany. Ny pesta,VIH Sida, ny gripa. Eo koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fomba fandraisana marary.
Nohamafisin’ny governora, Vyvato Rakotovao, fa zava-dehibe ny fomba fiasa manamafy ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana sy ireo mpanao gazety.
Synèse R.
Nitondra fanazavana sy ny fahitany ny firosoan’ny tetikasa Base Toliara ny loholona Tsiebo Mahaleo.
Nohitsiny tamin’izany ny avy amin’ny mpanohitra.
“Lonilony politika sy alahelon-tseza ary fitadiavana tombontsoa manokana no ambadiky ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara. An’ny kaominina dimy voakasik’io tetikasa io, vahoaka atao hoe 90 % dia manohana ary mangataka ny fanatanterahana azy.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard Victor, manoloana ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara. Tsy tongatonga ho azy ny hoe: maninona no mifanandrify amin’ny fiomanana ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) no misy an’izao korontana izao? Hetsika fanakorontanana no misy amin’izao. Hanome endrika ratsy an’i Madagasikara ny tanjona tian-dry zareo hahatongavana. Satria hoe tsy milamina ny eto Madagasikara, tsy voafehy ny fandriampahaleman’ireo mpandry anjara amin’izany fihaonana izany.
Toy izay koa ny hanoherana ny tetikasa Tanamasoandro, ny lalana migodana Antananarivo-Toamasina. Ny eny Ambatolampy Tsimahafotsy, foronina ny lainga mba hitroatra ny olona. Nefa rehefa tonga ny fitondram-panjakana nanazava hoe tsy misy tanimbary voakasiky ny tetikasa eny dia nilamina. Ny mpanao politika manao izany, raha vao tsy izy no hoe eo amin’ny fitondrana: tsy maintsy voizina sy atao hatrany izay hikorontanan’ny tany sy ny fanjakana. Ny seza ipetrahany no tanindrazan’ireny olona ireny. Na inona na inona hahasoa ny vahoaka, tsy maintsy toheriny hatrany. Tsy ny fanjakana no toheriny fa ny fampandrosoana. “Aoka ny vahoaka tsy ho latsaka ao anatin’ny vela-pandrika na mety atao fitaovana hahazoan-dry zareo seza politika”, hoy izy.
R. Nd.