Kianja Barea: 40 nisitraka fiofanana tamin’ny Caf

Les Nouvelles - ven, 08/09/2024 - 14:47

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Miisa 40 ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny nahazo fiofanana tamin’izany. Anisany ny teo anivon’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo tomponandraikitra ao amin’ ny klioba 16 mandrafitra ny Cfem ary ny zandary sy ny polisim-pirenena.
Tanjon’ny FMF amin’ity hetsika ity ny tsy hisian’ny olona maty intsony rehefa misy lalao iraisam-pirenena. Tsiahivina fa i Ababacar Sene sy Fergani Hafid no mpampiofana nale­fan’ny Caf raha toa ka i Katharina Steinberg no solotenan’ny Fifa nandritra izay telo andro izay. Ankoatra izay, nilaza ny Federasiona fa hisy ny fampiofanana manaraka, izay hiarahan’izy 40 mianadahy ireo amin’ny Fifa. Tsara ny mampahafantatra fa na misy aza ny fiofanana dia tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf hatrany i Madagasikara.

Fitia Randria

Catégories: National

Fifaninanana iraisam-pirenena: misongadina amin’ny sehatry ny robotika i Madagasikara

Les Nouvelles - ven, 08/09/2024 - 14:32

Nitondra avo ny anaran’i Madagasikara ireo Malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena robotika. Nanasongadina ny fahaizana manetsika sy mibaiko robot hanao zavatra iray izy ireo.

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny Telma Mada­gas­car Andraharo, omaly, ireo tanora malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana ma­hakasika ny robotika. Fifani­nana iraisam-pirenena “Pan-African Robotics Competi­tion » (PARC) 2024. Notante­ra­hina tany Sénégal, ny 22-27 jolay lasa teo. Efa manomboka misongadina eo amin’ny sehatry ny robotika i Mada­gasikara. Nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fifaninanana ireo tanora malagasy nandray anjara tamin’izany. “Zava-dehibe ary tena hifotorana ny lafiny fanabeazana sy fakana traikefa rehefa miatrika fifaninanana tahaka izao”, hoy Andrianarison Faly Christian, mpitarika ny ekipa, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety. « Anjara andraikitray tamin’ny sehatry ny robotika ny fanomanana sy fibaikoana ny zavatra tokony hataon’io robot io. Asan’ny robot ny mandeha sy miala amin’ny sakana rehetra eny an-tanimboly », hoy hatrany izy. Nanomboka ny volana mey izy ireo no nanomana ny “programmation” re­hetra. Nanetsehana, nibaikoana sy ny fialan’ilay robot ny sakana rehetra amin’ny ala­lan’ny fampiasana solosaina. Notakiana tamin’izy ireo ny famoronana robot mandrindra ny fomba fambolena sy nahafahana mikajy ny vokatra.
Lohahevitra tamin’ny fifaninana ny hoe: “the future is now” na ny “anio ny hoavy”. Mbola mpianatra avokoa izy dimy mirahalahy nandrafitra ny ekipa “team Robotiako”. Ezaka hotratrarin’izy ireo ny hampihatra eto an-toerana ny traikefa rehetra azo nandritra ny fifaninana natao tany ive­lany.

Mino

Catégories: National

Vaovao tambatra

Les Nouvelles - ven, 08/09/2024 - 14:30

Mihena iray metatra ny haavon’ny rano any Andekaleka, miantoka betsaka ny herinaratra mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (Ria). Mahatonga izany ny vanim-potoan’ny maintany, ka tsy maintsy ahena ny tosiky ny rano ahafahana mameno ny tohodrano manosika ny milina mamokatra herinaratra any Andekaleka, Mandraka ary Antelomita. Hitohy ny delestazy, noho izany, omaly nanomboka tamin’ny 1 ora tolakandro sy tamin’ny 5 ora hariva.

Mety hiakatra 25% ny « Impôt sur les revenus salariaux et assimilés (IRSA) » alaina amin’ny ampahan-karama ambony sy antenantenany raha toa ka 20% izany teo aloha. Atao izany mba hampitomboina ny vola miditra ho an’ny fanjakana malagasy hatra­min’ny taona 2027 sy ahafahana misitraka ny Facilité élargie de crédit (FEC) sy ny Facilité pour la résilience et la durabilité (FRD) ao anatin’ny fifanarahana miaraka amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena.

Nihena 56,5% ny nikela naondrantsika, nidina ny vidiny sy ny habetsany. Nihena ihany koa ny vola azo avy amin’ny kobalta. Mahatonga izany ny famokarana mihoa-pampana maneran-tany sy ny fitomboan’ny tinady.

Catégories: National

Afo tany Isalo: olona iray voasambotra

Les Nouvelles - ven, 08/09/2024 - 14:28

Nanome fampitam-baovao ny Madagascar National Parks (MNP), sampana Ranohira, fa nirehitra ny tanety ma­no­didina ny 2 ha tany amin’ny valanjavaboahary Isalo, ny sabotsy 3 aogositra teo tokony ho tamin’ny 12 atoandro. Voafehy ny ampitso 4 aogositra tamin’ny 4 ora maraina ihany izany. Miisa efatra mitsitokotoko ny fiandohan’ny afo tany andrefana sy avaratry ny « Fenêtre de l’Isalo ».
Efa nandray andraikitra ny MNP talohan’ny nitrangan’ny afo. Nampitomboina 7 lahy ny mpiambina ny « Fenêtre de l’Isalo » nanampy ny mpiasan’ny AGP. Nahitana olona maromaro niditra tany amin’ny faritra ambenana ka voasambotra ny olona iray ary nalefa any Ranohira.
Anisan’ny nanafaingana ny fihitaran’ny afo ny andro mi­gaingaina sady nandrivotra. Matevina ny bozaka sy ny zavamaniry satria ny taona 2017 no nisy trangan’afo farany. Novo­noina mivantana ny afo sady nasiana aro afo mba tsy hahakasika ny « Fenêtre de l’Isalo » sy ny sori-dalana Malaso ary ny ala manodidina.
Nifarimbona nanatanteraka izany ny mpiasan’ny Dredd Ranohira miisa 2, ny zandary 3, ny avy ao amin’ny kaominina Ranohira miisa 6, ny MNP (28), ny mponina (26), ny mpitaridia 29 ny PLAE 15 ny hotely Jardin du Roi (7).

Njaka A.

Catégories: National

Mpanjono: tanjona ny hananana matihanina 37 500 isa

Les Nouvelles - ven, 08/09/2024 - 14:26

Mandray anjara feno amin’ ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Miantoka ny famatsiana ny mpiara-belona manerana ny Nosy ary manome lanja ny vokatra malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo. Tantsaha avokoa ny 75% ny Malagasy ka ampirisihina ny hanatonan’izy ireo ny biraom-panjakana sy hiditra anatin’ireo fikambanana tantsaha mba hampahafantatra ny vokatra ataony sy hitady lalam-barotra.
Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny jono eto Madagasi­kara. Tanjona, araka izany, ny hahamatihanina ny mpanjono hatrany amin’ny 37 500 manerana ny Nosy. Ankehitriny, tafakatra 3 700 ireo nisitraka fiofanana raha toa ka 2 300 izany teo aloha. Mbola mitohy, araka izany, ny fampiofanana omen’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ho an’ny famokarana anaty rano.

Toekarena

« Mbola malalaka ny tsenan’ny jono eto amintsika noho izy ahitana rohim-pihariana maro », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Katsaka hatrany amin’ny 350 000 taonina isan-taona no ilaina ho an’ny famokarana provandy. Nilaza izy fa anisan’ny mampidi-bola betsaka eto amin’ny firenena ny jono. Ny taona 2022, nahatratra hatrany amin’ny 560 miliara Ar ny azo tamin’ity seha-pihariana ity.
Ankoatra izay, takina ny habetsaky ny vokatra sy ny hatsaran’ny kalitao miditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Atao izany mba hampiakarana ny vokatra aondrana sy hampakarana ny sandam-bola.

Henintsoa Hani

Catégories: National

TEASER IO VACANCES MAHAJANGA 4

Les Nouvelles - jeu, 08/08/2024 - 14:15

Catégories: National

Taratry ny kanto

Les Nouvelles - jeu, 08/08/2024 - 13:57

Any Antsirabe ny Hosana Ambohijatovo. Hisy
ny seho indroa miantaona izay hataon’izy ireo, ny zoma
9 aogositra ao amin’ny O’Carrefour ary ny alahady 11 aogisitra, ao amin’ny Kianja Maitso SPAAM Antsenakely. Seho fiderana tafiditra anatin’ny fitetezam-paritra hataon’ izy ireo, ho fanamarihana ny faha-60 taona nisiany izany.

Hisy ny atrikasa momba ny feo, izay tontosaina any Toamasina. Hizara ny traikefany ho an’ireo mpihira te ho matihanina i Heman, mpitarika ny Meva Gospel. Hatao ny 12, 13 ary 14 aogositra izany, eny amin’ny Trano Mora Man­garano. Intelo misesy ny atrikasa ka hizara ho vondrona telo ihany koa ireo izay liana hanatsara ny fomba fihirany.

Hitohy androany, amin’ny alalan’ny “Jazz V.I.P”, eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Analakely, ny “Fes­tival Jazz Tohatohabato”, andiany faha-13. Anisan’ ny hampiavaka ity fampisehoana ity ny fandraisan’ireo Tomponan­draikitra ambony maro samihafa, na ny ara-panjakana izany, na ny eo anivon’ny sehatra isan-kara­zany.

Ao anatin’ny hetsika “Ensemble le RDV”, eny amin’ny CGM Analakely, anio, indray no hampahafanta­rana momba ny tontolon’ny “Cirque”, indrindra ireo mpisehatra ao anatin’izany. Hetsika hampahafantarana asa iray eo amin’ny tontolon’ny zavakanto izy ity, hampiroboroboana sy hampahafantarana ny mahakasika zavakanto iray.

Catégories: National

Fety aman-danonana: mahazo vahana amin’ny ampahany ny « Gasigasy »

Les Nouvelles - jeu, 08/08/2024 - 13:55

Nanana ireo fomba nentiny nanatanteraka lanonana ny Malagasy. Niova tsikelikely izany taty aoriana. Tafiditra rahateo ny atao hoe « fety »… Amin’izao vanim-potoana izao, maro ny miezaka mamerina ny fahiny. Saingy, amin’ ny ampahany ihany .

Rehefa mandia fotoan-dehibe ifaliana ny Mala­gasy, manatanteraka lanonana izy. Fitokanana trano vao vita, fitsofan-drano samihafa, fifampiarahabana isan-karazany, sns. Samy nandray anjara tamin’ny fanomezana aina azy ireny ny mpianakavy sy ny mpiara-monina… Niova tsikelikely io endrika io. Niditra teto Mada­gasikara rahateo ny antsoina hoe « fety », izay nanomboka nifangaro tamin’ny « lano­nana » teo amin’ny fomba­fomba nanatanterahina azy. Ny antom-pisiana no mety
ho samihafa. Nanjary nanao « fety », ohatra, ny Malagasy rehefa misy ireo « atao komonio voalohany », na ireo « raisina ho mpandray ny fana­san’ny Tompo », sns. Tsy an’ ny Malagasy ireo.

Taona vitsivitsy izay, na­nomboka nitodika tany amin’ ny azy ny ankamaroan’ny Mala­gasy rehefa hanatanteraka « fety » aman-danonana. Misy ny hoe : « tsara raha manao fitafy gasigasy ». Tahaka izany koa ny hoe : « Mitady tarika na mpihira afaka maneho zavatra gasigasy izahay hanafana mariazy »… Saingy, rehefa tomorina akaiky, ny endrika ivelany no omena vahana kokoa amin’ireny. Tsy ny fototra loatra no maha maika sy tian-kiverenana fa finiavana te haneho « efa lamaody amin’ izao ny manatanteraka fety gasigasy, ka aleo mba manao izany ihany koa. Andao hitafy lamba. Asio feom-baliha kely eny antsefantsefan’ny fandaharam-potoana. Aza hadi­noina ny mirandrana, sns » !

… Maivana sy tsy tsara fototra ny endriky ny fivere­nan’ny Malagasy ao anatin’ny « gasigasy », satria, « fanarahana lamaody » no mibahana ao an-tsainy. Io tranga io no mahatonga ny mpandinika
ny fiarahamonina hilaza fa :
«  tsy finiavana hampanjary ny hasina ao aminy no laharam-pahamehana amin’ny Mala­gasy miaina amin’izao vanim-potoana izao, fa ilay endrika ivelany hamotika azy tsy ho ela » !

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Sombim-baovao

Les Nouvelles - jeu, 08/08/2024 - 13:50

Nasehon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao amin’ny tambajotran-tseratserany, omaly, fa hatao ao amin’ny kianja Hamadi Aguerbi Rades Tunisie avokoa ny lalaon’ny Barea, eo amin’ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can 2025. Ny 5 septambra lalao atao amin’i Tunisie.Ny 9 septambra kosa no hifanandrina amin’i Comores.

Hotontosaina ny alahady 11 aogositra izao, eny amin’ny kianja mitafon’i Besarety, ny « Resadresaka sy tantaran’ny Kung Fu ». Ireo loholona Wisa manerana an’i Madagasikara no hifandrimbona hitondra ny resaka mandritra io fotoana io. Hisy fanentanana mahakasika ny Kung fu, dihy ary fampisehoana samihafa.

Hihemotra ny sabotsy 10 aogositra ny fanokafana ofisialy, ny fifaninanam-pirenena, taranja Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires), hatao any Antsirabe. Efa nanom­boka kosa ny fifanintsanana ho an’ny taranja iraisana, toy ny baolina kitra, basikety ary ny volley ball.

Hatao ny 22 hatramin’ny 31 aogositra ho avy izao, any Antsirabe ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, taranja volley ball, ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona, lehilahy sy vehivavy. Hitohy amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara (2è division) izany, ny 7 hatramin’ny 14 septambra izao, any Alaotra Mangoro.

Catégories: National

Wake Up 2024: tsy nitsanga-menatra ny Malagasy

Les Nouvelles - jeu, 08/08/2024 - 13:47

Nampiseho ny vokatra azon’ireo solontena malagasy, niatrika ny fifaninana dihy ho an’ny ranomasimbe Indiana, ny federasiona malagasin’ny “danse urbaine”, ny talata lasa teo. Fifaninanana natao tany Maorisy ny 18 hatramin’ny 21 jolay ka mpandihy malagasy 3 no nifaninana tamin’izany. Samy nahazo vokatra tsara avokoa izy 3 mianadahy ireo. Nahazo ny laharana voalohany, teo amin’ny Hip Hop, i Fabyo Kydo. Samy nahazo ny tompondaka lefitra kosa i Petit Coca, teo amin’ny Afrostyle sy i Bboy Loup-Kass, teo amin’ny Breaking Dance. Nambaran’ny filohan’ny komisionan’ny Hip Hop eo anivon’ny federasiona, Rehava Angeluc fa nandalo sedra maro ireto atleta malagasy vao tonga tamin’izao tanjona izao ary ezaky ny federasiona notohanan’ny komisiona ny rano­masimbe Indiana no nahafahan’izy ireo niaro ny voninahi-pirenena. Mbola handray anjara hatrany i Madagasikara amin’ ny fifaninanana iraisam-pirenena ka manao antso avo amin’ ireo mpanohana mba hanome tanana azy ireo. Ny 25 novambra hatramin’ny 1 desambra izao indray no ho an’ny La Réunion hiatrika ny fifaninanana manaraka ny atleta mala­gasy, eo amin’ity taranja “danse urbaine” ity.

Mi.Raz

Catégories: National

Anosizato: six personnes écrouées pour association de malfaiteurs

Les Nouvelles - jeu, 08/08/2024 - 10:42

Des présumés détrousseurs dont quatre femmes, ont été déférés au parquet d’Anosy, hier, et sont tous placés sous mandat de dépôt à la maison centrale d’Antanimora. Ils ont longtemps écumé Anosizato et ses environs.

Les éléments du poste fixe d’Anosizato épaulés par la structure d’autodéfense communautaire « andrimasom-pokonolona » ont capturé en début de semaine, sept individus soupçonnés d’être des pickpockets. A l’issue de leur défèrement hier, six d’entre eux ont été placés sous mandat de dépôt, et le septième, sous contrôle judiciaire. Parmi eux figure un récidiviste en la matière.
Leur mode opératoire était bien rôdé. Les quatre femmes se font passer pour des femmes de joie et attirent leur proie à leur piège. Elles accostent et séduisent les noctambules avant de les prendre au dépourvu en sautant à leurs épaules. Leurs acolytes qui attendent un peu loin, viennent par la suite chercher noise et frappent les proies. Ils s’emparent en même temps de leurs biens.
Le Fokonolona d’Anosi­za­to s’est plaint de leurs agissements et a collaboré avec les forces de l’ordre afin d’y mettre un terme. Ce qui fut chose faite. Sauf qu’il n’y a pas qu’à Anosizato que ce gen­re de vols à la tire se pratique. D’autres endroits de la capitale sont autant réputés dangereux en la matière. Alors, la prudence est de mise où que l’on soit et quelle que soit l’heure, car même dans les taxis-be, les dé­trousseurs osent passer à l’acte.

LR

Catégories: National

Résilience des populations vulnérables: 1,5 million d’euros de l’UE pour le Grand Sud

Les Nouvelles - jeu, 08/08/2024 - 10:14

A travers le projet « Avotse », l’Union européenne a débloqué 1,5 million d’euros afin de soutenir les populations vulnérables pour faire face aux chocs climatiques. S’étalant sur trois ans, de juin 2024 à mai 2026, ce projet a comme objectif de renforcer la résilience des populations cibles au risque de sécheresses et autres dangers connexes qui frappent régulièrement différentes régions du pays, en particulier le Grand Sud de Mada­gascar. En effet, depuis quel­ques années, des chocs climatiques ont gravement affecté la situation humanitaire de cette partie du pays, affaiblissant les capacités d’adaptation de ses populations.

En étroite collaboration avec le Bureau national de gestion des risques et catastrophes (BNGRC) et la Di­rection générale de la météorologie (DGM), un consortium, constitué par Huma­nité & Inclusion (HI), Action contre la faim (ACF), « Sehatra ampandrosoana haingana ny ivom-paritra (Sahi) » ainsi que « Welt hunger hilfe (WHH) », se charge de la mise en œuvre du projet.

250.000 personnes ciblées

Bien que le lancement officiel du projet n’a eu lieu qu’hier à l’hôtel Ibis Ankorondrano, sa mise en œuvre a déjà commencé en juin en ciblant 250.000 personnes issues des 16 communes des districts d’Amboasary Atsimo, Ambovombe, Beloha et Ampanihy Andrefana. Les actions se focalisent sur la redynamisation des plateformes de coordination (AA) et des Systèmes d’alertes précoces (Sap), permettant d’anticiper et d’atténuer les conséquences des risques tels que la sécheresse. Le développement des protocoles d’actions d’anticipation sécheresse inclusifs dans les régions Androy, Anosy et Atsimo-Andrefana est également au programme, cela en étroite collaboration avec les communautés et les institutions locales.

Sera R.

Catégories: National

Teneur en protéines: trente-sept insectes inventoriés à Madagascar

Les Nouvelles - jeu, 08/08/2024 - 10:12

Trente-sept insectes, répartis dans six ordres des invertébrés, ont été inventoriés comme étant comestibles à Madagascar, de source hier auprès des jeunes chercheurs de « Mikaroka ho an’ny fanjarian-tsakafo (Mikasa) », une plateforme de communication en nutrition, travaillant en collaboration avec l’Office national de nutrition (ONN).

Une quinzaine de ces insectes font partie des Coléoptères, 5 des Hémiptères, 2 des Hymé­noptères, 8 des Lépidop­tères et 6 des Orthoptères. D’après ces jeunes, leur in­troduction dans l’alimentation améliorera la sécurité nutritionnelle et alimentaire à Madagascar. « Ces insectes sont riches en protéines de haute qualité, en calcium, en fer, en vitamines et en différents micronutriments. Ils peuvent apporter 9 fois plus de protéines que la viande de bœuf », a fait savoir un de ces chercheurs œuvrant dans le domaine de la transformation au sein de Mikasa, Fe­lamboahangy Rasoa­ra­hona. Elle a cité comme exemple la guêpe, com­munément appelée « fanenitra », dont la teneur en protéine est de 80%, contre 25% seulement pour la viande de bœuf. Il en est de même pour le grillon (angelikary ou pindy), dont la teneur en protéine est de 69%. « La transformation des insectes en protéine lors de leurs invasions est beaucoup plus intéressante et à moindre coût que l’aspersion d’insecticides », a-t-elle fait remarquer.

Elevage écologique
Selon toujours les jeunes chercheurs de Mikasa, l’élevage d’insectes comestibles émet moins de gaz à effet de serre que l’élevage de porc. « L’élevage porcin rejette 4 fois plus de gaz à effet de serre que l’élevage de criquets et 10 fois plus que l’élevage de grillons », ont-ils souligné. Cela, sans parler des risques encourus, notamment l’insécurité, qu’occasionnent les élevages porcins et bovins.
Actuellement, la production d’insectes s’oriente vers l’élevage massif de criquets et de ver de farine. « D’ici peu, nous vulgariserons les techniques de production pour faire tache d’huile », a indiqué Fe­lamboahangy Rasoara­hona.

Sera R.

Catégories: National

Médaille de la fierté…

Les Nouvelles - jeu, 08/08/2024 - 10:03

La performance des athlètes malgaches aux Jeux olympiques de Paris est devenue, ces derniers temps, un sujet qui fait débat notamment sur les réseaux sociaux. Leur élimination précoce a fait couler beaucoup d’encre. Certains n’hésitent pas à blâmer ces athlètes, sans même avoir pris le temps de considérer les efforts qu’ils ont fournis pour en arriver là. En effet, participer aux Jeux olympiques est déjà un sacre en soi, pour un athlète.
Il faut préciser que si un athlète obtient son ticket pour les Jeux olympiques, c’est qu’il dispose déjà de performances hors pairs, tant au niveau national que régional. Des épreuves de qualifications sont organisées au préalable par le Comité national olympique, puis par la Fédération internationale de la discipline à laquelle participe l’athlète souhaitant participer aux jeux. Pour le cas de notre pays, les athlètes à l’affiche des jeux de Paris sont parmi les meilleurs. Même si certains d’entre eux ont déjà été éliminés, cela n’enlève en rien la performance qu’ils ont déjà acquises avant ces jeux.
Plus qu’une compétition, les Jeux olympiques sont pour nos athlètes et pour le pays une expérience de plus qui devrait permettre de voir les points à améliorer dans le futur. Si certains pays arrivent à récolter des médailles, ce n’est pas le fruit d’un simple hasard. Il y a des efforts de la part des athlètes, mais aussi de la part des entités qui les prennent en charge. Force est de constater que les pays occupant la première place en nombre de médailles, sont ceux qui accordent une importance particulière aux sportifs qui vivent de leur passion.

Tsilaviny Randriamanga

Catégories: National

Investiture de Paul Kagamé: Andry Rajoelina invité à Kigali

Les Nouvelles - jeu, 08/08/2024 - 10:00

Figurant parmi les hautes personnalités invitées pour l’investiture du président rwandais Paul Kagamé, qui se tiendra le 11 août, le président Andry Rajoelina, fera le déplacement à Kigali dans les prochains jours. Le conseil des ministres spécial d’hier a adopté l’envoi d’une délégation à cette cérémonie historique. Cette visite officielle du président Andry Rajoelina au Rwanda constitue également une étape importante dans le raffermissement des relations existantes entre les deux pays.
Ce sera donc la troisième visite du président malgache au Rwanda en moins de deux ans. Les 7 et 8 août 2023, il était à la tête d’une délégation dans le pays des Mille collines. Une visite visant à s’inspirer du changement et du développement observés à Kigali. Pas plus tard que le 6 avril de cette année, à l’invitation du président Kagamé, cette fois accompagné de la première dame, il a assisté à la commémoration du 30e anniversaire du génocide au Rwan­da.

Mparany

Catégories: National

Vaovao tambatra

Les Nouvelles - mer, 08/07/2024 - 10:56

Mahatratra 55,5 taonina ny horita azon’ireo mpanjono ao amin’ny faritra SAVA nandritra ny fisokafan’ny Jono tao an-toerana, ny 01 aogositra teo. Vokatra azo tamin’ny fiaraha-mitantana ny harena anaty rano iarahan’ny minisitera sy ny mpanjono madinika. Marihina fa nikatona roa volana ny jono horita tao Sava.

Hiverina amin’ity volana ity ny sidina mampitohy an’i Taolagnaro sy Toliara ataon’ny kaompania Madagascar Airlines. Hanomboka ny 15, 23 ary 25 aogositra izao ny fiverenan’ny sidina mba hahafahan’ireo mpiala sasatra sy mpizahatany manararaotra ny tolotra omen’ny kaompania.

Tapaka fa hanohy mampiasa ny volany avy ny firenena afrikanina sy ny rafitra panafrikanina momba ny fandoavam-bola (PAPSS) nandritra ny fivoriambe ny Caucus africain 2024, natao tany Abuja-Nizeria. Hanamora ny fifanakalozana ara-bola amin’ny fomba azo antoka sy mahomby amin’ny sisintany afrikanina io rafitra io.

Catégories: National

Sandam-bola ariary: manodidina ny 5 000 Ar ny 1 euro

Les Nouvelles - mer, 08/07/2024 - 10:52

Tsy mitsaha-mitotongana ny sandam-bola ariary. Mano­didina ny 5 000 Ar ny sandan’ny 1 euro, ankehitriny. Raha ny tsenam-bola navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), omaly 6 aogositra, misanda 4 941 Ar ny 1 euro, ary 4 565 Ar ny 1 dolara.
Mandrindra ny lafiny sandam-bola ny BFM. Araka ny fampahalalam-baovao navoakany, omaly 6 aogositra, mahatsapa ity antokon-draharaha ity fa anisan’ny mahatonga io fitotongan’ny ariary io, ny fidangan’ny vidin-javatra. Toy ny fihenan’ny tolotra amin’ny vokatra eto an-toerana, indrindra ny vary.
Nasondrotra ny zanabola
Manoloana izany, fepetra noraisin’ny BFM ny hanitsiana ny tontolo ara-bola samihafa, satria tsy tratra ny fifandanjana eo amin’ny tolotra sy ny tinady. Nanomboka omaly 6 aogositra, nampiakarina ho 9,5% ny tahan’ny zanabola, fametrahan’ny banky vola isan’andro ao amin’ny BFM (taux de facilités de dépôt), sy ho 11,5% ho an’ny tahan’ny fampindramam-bola ataon’ny BFM ho an’ny banky isan’andro (taux des facilités de prêt marginal).

Njaka A.

Catégories: National

FOFIFA: mikatso ny asam-pikarohana rehetra

Les Nouvelles - mer, 08/07/2024 - 10:51

Mijanona avokoa ny asam-pikarohana momba ny fambolena ataon’ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (Fofifa) ao anatin’izao fitokonana izao. Misy akona betsaka amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra izay tena miankina amin’ny fikarohana atao ny zava-misy. Ankehitriny, miombom-po sy mitaky ny fametraham-pialan’ny Tale jeneraly ihany koa ireo rantsa-mangaikan’ny Fofifa any amin’ny faritra noho ny tsy fahaizana mitantanana sy mifandray amin’ireo mpiara-miasa aminy hatramin’izay telo volana mahery kely nandraisany ny fitantanana izay. « Maro ireo mpiasa tokony ho any ivelany saingy tsy lasa noho ny tsy fandraisan’andraikitry ny Tale jeneraly io ihany », hoy ireo mpiasa. Nambarany fa miantraika amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, eto an-toerana sy any ivelany, ny fomba fiasan’ny mpitantana azy ireo.

Fihaonana
Lavin’ireo mpiasa tanteraka ny fangatahana fihaonana ataon’ny Tale jeneraly androany, eny Ampandrianomby. « Efa nomenay 72 ora izy hampiantso anay saingy tsy nataony izany », hoy hatrany ny fanazavana voaray. Tsy hijanona ny fitakiana raha tsy mahazo valinteny mahafa-po ireo mpiasa. Tsiahivina fa nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ny alatsinainy teo, nidinihana ny zava-misy. Nilaza ny minisitra fa tsy manakana ny hetsika ataon’ny mpiasa sady tsy hihaino feon-dakolosy tokana fa hihaino izay hambaran’ny Tale jeneraly ihany koa.

Henintsoa Hani

Catégories: National

Minisiteran’ny fambolena: nizara masomboly hiatrehan’ ny tantsaha ny voly avotra

Les Nouvelles - mer, 08/07/2024 - 10:49

Mitohy ny fizarana kojakojam-pamokarana ho an’ny voly avotra amin’ity taom-pambolena 2024 ity. Anisan’ny nisitraka izany ny tantsaha any Alaotra Mangoro sy Bongolava.

Mitohy ny fanohanana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ny tantsaha mahafeno fepetra mahaloa ny 10% ny vidin’ny kojakojam-pamokarana.
Voakasik’izany ny entina hiatrehana ny voly avotra amin’ity taom-pambolena 2024 ity, miisa 25 ny tantsaha, mpamboly vary nisitraka tohana tany amin’ny distrikan’i Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, ny 2 aogositra teo. Nahazo masomboly vary an-drano milanja 375 kilao, zezika NPK 750 kilao ary zezika biolojika 1 250 kilao.
Torak’izany koa ny any amin’ny distrika Tsiroano­mandidy, faritra Bongolava. Miisa 81 ny tantsaha any amin’ny kaominina Bemahata­zana nahazo tohana amin’ny seha-pihariana vary an-drano, ny 2 sy 3 aogositra teo. Hoentin’izy ireo hiatrehana ny voly avotra amin’ity taom-pambolena 2024 ity izany. Nahitana masomboly vary an-drano milanja 729 kilao, zezika NPK 1 215 kilao ary zezika biolojika milanja 6 075 kilao.

Faritra miisa 20
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Purpa, avy amin’ny Tahirimbola ho fampandrosoana ny famokarana (FDA), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) no nanatanterahina ireo, mandritra ny roa taona (2022-2024). Fama­tsiam­bola avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) sy ny Tahirim­bola afrikanina ho an’ny fampandrosoana (FAD). Tanjona ny hampitomboana ny vokatra, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Miisa 126 000 ny tantsaha kendrena hisitraka ny tetikasa Purpa any amin’ny faritra 20 eto amin’ny Nosy. Manodidina ny 18,866 miliara Ar ny famatsiam-bola, honerana tsikelikely mandritra ny 40 taona.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

Indray mijery

Les Nouvelles - mer, 08/07/2024 - 10:46

Nidinika niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny BNGRC ireo solontena avy ao amin’ny Unicef ny herinandro lasa teo, tetsy amin’ny Foiben’ny BNGRC. Miompana amin’ny dingana arahina amin’ny fanafarana sy famoahana ireo kojakoja maha olona eny anivon’ny fadintseranana izany.
Tsy hisy tranga miavaka mety hanova ny firafitry ny toetr’andro eto Madagasikara, amin’ity herinandro ity. Ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro izay hihamahazo vahana mankany amin’ny faran’ny herinandro. Hisy orana tandrifin-drahona manamorona an’Atsimo Atsinanana sy Taolagnaro manomboka anio.
Hisokatra manomboka ny 19 aogositra ho avy izao ny fanofanana arakasa mahakasika ny asa mifandray amin’ny fanaovana printy ao amin’ny CFP Ampa­sampito. Ahitana karazam-piofanana telo izany : PAO, Agent de maintenance du système d’impression ary Sérigraphie. Manao antso amin’ireo tanora vonona sy mahafeno fepetra ny minisitera tomponandraikitra satria maimaimpoana ny fanofanana.
Nandray ny solontenan’ny ivontoeram-pikarohana momba ny ranomasina, CNRO, avy any Nosy-Be ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, Pr Randrianam-binina Blanchard. Misehatra amin’ny fikarohana momba ny tontolon’ny ranomasina sy ny fanofanana ny ivontoerana ka nijery ny fiaraha-miasa ny roa tonta nandritra ny dinidinika natao.

Catégories: National

Pages