SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 03/11/2025 - 07:40

Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, ny faran’ny herinandro izao, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, eo amin’ny sokajy N1B sy U16. Anisan’ny hifandona amin’izany ny ekipan’ny ASSM sy ny NBE, eo amin’ ny sokajy latsaky ny 16 taona, lehilahy, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Anisan’ny nitondra ny anjara birikiny ny ekipa nasionaly vehivavy, taranja karate, nandritra ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy tany Antsirabe, ny 8 marsa teo. Nanatanteraka fampisehoana niavaka sy Kata izy ireo nandritra ny hetsika nokarakaraina tany an-toerana. Mandaloany Antsirabe ireo ekipa nasionaly amin’izao miatrika fampivondronana.
Notontosaina ny alahady farany teo, teny Ambohidava, ny fifanintsanana amin’ny hazakazaka kodiaran-droa “Moto enduro”, 4H Honda. Nanjakan’i Lucas Robert sy Razafimahefa Miaro ny fifaninanana. Laharana faharoa kosa ilay Malagasy fanta-daza, Claudio Tida. Tsara marihina fa tsy tafiditra anaty fifaninanana nasionaly ny 4H Honda.
Hotanterahina manomboka anio ny fihaonana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions 2025”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonan’ny Liverpool FC, anglisy, sy ny Paris Saint Germain FC, France. Tsiahivina fa any Angleterre no hatao ny fifanandrinana.

Catégories: National

Rallye – Mada 2024 : Hatolotra etsy Soarano ny amboara

Les Nouvelles - mar, 03/11/2025 - 07:39

Hotanterahina ny sabotsy 15 marsa ho avy izao, ny lanonana fanolorana ireo amboara ho an’ireo mpandresy sy tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny taom-pilalaovana 2024 eo amin’ny taranja hazakazaka fiarakodia. Raha tsiahivina, voahosotra teo amin’ny sokajy rallye, Andrianjafy Mathieu, mpanamory avy amin’ny klioba Asacm. Tompondaka lefitra Ratsimbarisoa Herman, avy amin’ny TMF. Raha ho an’ny mpanamory mpanampy kosa indray, voalohany Rakotomalala Andry Tahina, avy amin’ny Asacm ihany.
Mbola i Mathieu ihany koa no tompondaka teo amin’ny kilasy M12/4 roues motrices. Ho an’ny kilasy R5/N4, voalohany ny mpanamory avy amin’ny klioba TMF amin’ny alalan-dRasoamaromaka Faniry, raha Rakotoniaina Yves Maurice, klioba ASA Tana ny faharoa. Teo amin’ny kilasy M11, Rakotonindrina Gaston, mpanamory ao amin’ny Asacm.
Ankoatra izay, nisy koa ny fifaninanana teo amin’ny Cross Car ka tompondaka Razanamparany Jhimmy, klioba MSA. Ho an’ny slalom, Ramiandrisoa Olivier avy amin’ny Asacm no nitana ny laharana voalohany, raha nahazo ny toerana faharoa Rakotojohary Juan, FMMSAM.

Torcelin

Catégories: National

Ekipa nasionaly malagasy: Mpilalao vaovao dimy hantsoina hanatevina ny Barea

Les Nouvelles - mar, 03/11/2025 - 07:39

Afaka 11 andro eo, hiatrika ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” ny Barea de Madagascar. Ho fantatra rahampitso ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly.

Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fo­to­ana izao, mpilalao dimy vaovao no nantsoin’i Corentin Martins, Frantsay teknisianina mitondra ny ekipa nasionaly malagasy, handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao, anarana dimy no efa malaza, saingy andrasana rahampitso ny fanambarana ofisialy mahakasika izany.
Anisany i Geordan Dupire, (FC Swift Hesperange), Tom­my Iva (OS Orleans France), Mathieu Acapandié (FC Nantes France), Samuel Noi­reau Dauriat (EA Guingamp France), Jean Harisson Marcelin (Beitar Jerusalem FC Israel). Ankoatra izay, tsara ny mampahatsiahy fa miisa efatra ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana nantsoin’i Coach C. Martins.
Ankoatra an’i Dax, mpilalaon’ny Fosa Juniors Boeny, mandeha ihany koa ny resaka fa nantsoina hanatevina ny ekipa nasionaly ihany koa i Lalaina, CFFA Andoharano­fotsy, i Tony, vodilaharan’ny Elgeco Plus. Efa nahazo ny taratasy fiantsoana azy avokoa ireo mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifanintsanan’ny «Mondial 2026» ity.
Tsara ny mampahafantatra fa hatao any Maroc avokoa ny lalaon’ny Barea. Ny 19 marsa ho avy io, hifandona amin’ny les Fauves Cen­trafrique ny ekipa malagasy. Ny 24 marsa izao kosa, handray an’i Ghana any an-toerana i Madagasikara. Andra­sana ny daty handehanan’ny delegasionina malagasy ho any Maroc. Tsiahivina fa manana isa 7 ary laharana fahatelo ao amin’ny vondrona I misy azy ny ekipa nasionaly malagasy.

Fitia Randria

Catégories: National

Fanatsarana an’Antananarivo: Skoto 18 000 hifanolo-tanana amin’ny CUA

Les Nouvelles - mar, 03/11/2025 - 07:38

Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra sy ny fikambanana skoto nasionaly, ny fikambanan’ny Mpanazava, ny Hetsika skoto, ny Tanora advantista ary ireo skoto anarivony maro. Haharitra herintaona ny fiaraha-miasan’izy ireo. Tanjona ny hampirisihana ny mponin’Antananarivo handray ny andraikiny ho olom-pirenena tomponandraikitra. Manodidina ny 18 000 ireo skoto handray anjara amin’ny hetsika mikendry ny hanarenana sy hanatsarana ny tanànan’Antananarivo. Efa nisy skoto 1 200 nandray anjara an-tsitrapo tamin’ny fanampiana sy fanaraha-maso ireo traboina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza lasa teo iny.
Maro ny sehatra ho voakasiky ny fiaraha-miasa. Anisan’iza­ny ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolen-kazo, ny fanentanana, ny fanadiovana… Hisy fiheverana manokana ho an’ny olona marefo amin’ny alalan’ny hetsika fanentanana, fialamboly, fiofanana ary fanabeazana. Tena ilaina ny fampandraisana anjara ny mponina ho tomponandraikitra amin’ny tanànany hadio sy ho maitso ary milamina sy mirindra.

Tatiana A

Catégories: National

Fikambanam-behivavy : Tafajoro ao Mahajanga ny Famedev

Les Nouvelles - lun, 03/10/2025 - 07:39

Famedev, « Femmes en Action, Media, Genre et Développement », manitra hatrany ny sehatra iasany sy hitondrany fampandrosoana.

Efa ahitana mpikambana eo anivon’izy ireo koa izao ny amin’ny faritra Boeny, ao Mahajanga. Ani­san’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fankalazana nasionaly ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy tany Mahajanga ny fikambanana, ny sabotsy teo. Teo koa ny filaharambe sy ny tafatafa tamin’ireo solontena notarihin’i Sylvie. Anisan’ny nasongadin’izy ireo tamin’ny sorabaventy nentiny ny « Vehivavy miranga ». Midika fa mijoro sy vonona ho amin’ny fampandrosoana.
Nambaran’ny filoha mpitarika ny Famedev, Flavienne Ramarosaona tamin’izany fa eo hatrany izy ireo ho amin’ny hetsika fitovian-jo sy ny fizakan-tena ho an’ny vehivavy.
Tsiahivina fa anisan’ny tanjona sy fotokevi-dehibe ijoroan’izy ireo ny fiarovana ny fivoaran’ny serasera, ny fitovian-jo, ny tontolo iainana ary koa ny fampandrosoana.
Efa mijoro any Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony koa ny fikambanana ary efa nanao hetsika hatrany hatramin’ny niforonany tamin’ny marsa 2020. Mbola mikendry ny hanitatra ny fikambanana any amin’ny faritra hafa koa ny mpitantana ny Famedev.

Synese R.

Catégories: National

Antsirabe : Fihaonamben’ny mpandraharaha madinika

Les Nouvelles - lun, 03/10/2025 - 07:39

Natao tany Antsirabe, ny 5 marsa teo, ny Fihaonam­ben’ny mpanjifa mpandraharaha, (Forum Clients) andiany faharoa. Voakasik’izany ireo mpandraharaha sy orinasa tena madinika sy salantsalany (TPE-PME). Mikarakara azy ny Sipem Banque, entina hanomezana torolalana hampiroboroboana ny fandraharahana any Vakinankaratra. Ao anatin’izany ny hikarohana fomba mahomby amin’ny sehatry ny ara-bola, ahafahana manitatra ny ambaindahin’ny fandraharahany. Fotoana nampihaonana mivantana ny mpisehatra rehetra amin’ny fandraharahana ity fotoana ity.
Notsindriana manokana tamin’ny fihaonambe ihany koa ny vehivavy mpandraharaha, noho ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Nilaza ny tale jeneraly lefitra (DGA) ny Sipem Banque, Randriatsimialona Lanja, fa « zava-dehibe ny fanomezan-danja ny fikirakirana ara-bola sy ny fanohanana ny vehivavy amin’ny fandraharahany. Sa­tria, mpandraharaha vehivavy ny 63%-n’ny mpanjifa nahazo fampindramam-bola tato aminay, manaporofo fa atao laharam-pahamehana ny hampaleo tena azy ireo amin’ny fihariany ».
Fotoana nampahafantarana ny mpanjifa any Vaki­nan­karatra ireo mpiray miombon’ antoka ara-barotra ihany koa ity fihaonambe ity. Anisan’ izany ny fanamorana ny fividianana fiara, angovo azo havaozina sy ny hafa.

Njaka A.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 03/10/2025 - 07:39

Mitentina 8,7 tapitrisa dolara ny tetikasa Fier natao hanamafisana ny famatsiam-bola ho an’ny angovo madio sy maharitra eto Madagasikara. Manohana ny tetikasa ODD, Pnud, Onudi ary UNCDF. Tetikasa iaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ireo minisitera voakasika.
Nifampizara lalan-tsaina entin’ny governemanta hampandrosoana ny faritra Boeny ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (Mef) sy ireo mpiasa avy ao amin’ny « Maison des finances » ao an-toerana. Voaresaka ny fomba hampandrosoana ny asa sy ny resaka sosialy eo anivon’ny Mef Mahajanga.
Voaresaka ireo fepetra ara-ketra vaovao nentin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola LFI 2025 nandritra ny « dialogue public-privé ». Singanina manokana ireo famerenana ny famerana ireo zana-bola sy ny fomba fampiharana ireo andinin-dalàna. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fifampihainoana sy ny fifampiresahana eo amin’ny minisitera sy ireo mpisehatra ara-toekarena
Mbola mihatra ireo fepetra « chimio-prophylactiques » na ny fihinanana fanafody, ho an’ireo mpandeha avy atsy amin’ny nosy Kaomoro tonga eto Madagasikara. Izany no atao dia ny hisorohana ny fifindran’ny cholera eto an-toerana. Tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra farany teo fa miverina misokatra ny fifamoivoizina an-dranomasina amin’ny nosy malagasy sy ny nosy Kaomoro.

Catégories: National

Mahajanga : Hamboarina ny seranan-tsambo

Les Nouvelles - lun, 03/10/2025 - 07:38

Sesilany ny fotodrafitrasa apetraky ny filoham-pirenena nandritra ny diany tany Mahajanga, ny herinandro teo. Tapaka fa hamboarina ny seranan-tsambo ao an-toerana manomboka amin’ity taona ity. Haharitra 10 taona ny fanatanterahana ny asa mba hahafahana mamaly ny fifaninanana iraisam-paritra sy hamaliana ny tsena an-dranomasina eo amin’ny lakandranon’i Mozambika. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny fanamboarana ny toeram-piantsonana vaovao mirefy 150 m x 40 m. Eo ihany koa ny fanajariana ny « jetée sur pieux ». Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny fananganana toerana fitahirizana ireo « conteneurs » mahatratra hatrany amin’ny 110 00m2. Tanjona ny hametrahana ny fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy hiantohana ny fivezivezen’ny sambo am-pilaminana. Marihina fa ivon’ny fivezivezen’ny sambo amin’ny tapany andrefan’ny Nosy ary seranan-tsambo voalohany amin’ny fanjonoana makamba ny ao Mahajanga. Fantatra fa sakana amin’ny fandraisana ireo sambo lehibe ny fahateren’ny fotodrafitrasa.

Henintsoa H.

Catégories: National

Tobim-pamokarana herinaratra 5MW: Hovitaina ao anatin’ny efa-bolana

Les Nouvelles - lun, 03/10/2025 - 07:38

Vitaina anatin’ny fotoana fohy ny fanatanterahana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao Mahajanga. Napetraka ny zoma teo ny vato fototra hanatanterahana ny tetikasa.

Efa-bolana. Izay no faharetan’ny fanamboarana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro hapetraka ao Mahajanga. Hanana tanjaka 5MW ny tetikasa ka tanjona ny hanafoanana ny olan’ny delestazy ao an-toerana. Natomboka ny zoma teo ny fananganana ny tetikasa tao amin’ny fokontany Manjarisoa. Nitarika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Hanana tanjaka 3MW ny toby hapetraka raha 2MW ireo vatoaratra. Ity farany izay hapetraka any Amborovy. Hanatsara ny famokarana herinaratra ao Mahajanga ny tetikasa ka hisahana ny 23% amin’ny filana ao an-toerana ny atoandro raha 20% kosa izany ny alina.
Ankoatra izay, hampihena ny fandaniana amin’ny fividianana solika ny tetikasa satria hahafahana manao tahirim-bola hatramin’ny 5 313 092 000Ar isan-taona. Ahafahana manao tahirin-tsolika hatramin’ny 20 000m3 isan-taona ihany koa izany.
Vokatry ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana ny tetikasa. Hiantoka ny fanatanterahana izany ny fanjakana amin’ny alalan’ny orinasa Jirama.

Fotodrafitrasa

Ankilany, miroso avokoa ireo tetikasa ao Ambato­mi­rahavavy, Ambohidrano Ilafy, ary Andoharanofotsy. Nana­mafy ihany koa ny Filoham-pirenena ny hiarovana ireo takelaka hapetraka mba tsy mora harafesina noho ny rivo-dranomasina sy ny rivodoza mety hiseho. Notsindriany ma­nokana ireo fambolena ambanin’ireo fotodrafitrasa mba hametrahana ny rafitra ara-toekarena noho izy mampidi-bola sy mamokatra angovo.

Henintsoa Hani

Catégories: National

Vehivavy Mpibaiko Alika

Les Nouvelles - sam, 03/08/2025 - 17:56

Catégories: National

Famarinana olona: Sinoa valo sy Malagasy telo voarohirohy

Les Nouvelles - sam, 03/08/2025 - 08:56

Natolotra ny fitsarana afakomaly ny sinoa valo sy malagasy telo, voasambotra tamin’ny tambajotra iray mpamarina vehivavy malagasy tany amin’ny faritra Atsinanana, ny herinandron’ny 23 febroary teo. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny efatra amin’izy ireo, eny Antanimora ny fito ambiny. Vehivavy malagasy asaina manambady am-pitaka na an-tery amin’ny teratany sinoa ny tena ao anatin’io tambajotra io. Nitaraina tamin’ny fianakaviany ny vehivavy iray izay tafody teto Madagasikara, niharam-boina sy voafitaka mahakasika ny tolotrasa any Chine. Tonga nitory teo anivon’ny mpitandro filaminana ny zanany taorian’izay. Voalaza tamin’izany fa tsy maintsy manambady sinoa raha te hiasa any Chine ka nanaiky io izy. Namidy sy nijaly ary niharan’ny herisetra isan-karazany anefa izy rehefa tonga tany Chine. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana ka nahitana ny tambajotra iray mpamarina olombelona tany Toamasina. Vokany, voasambotra tamin’izany ny teratany malagasy telo nivarotra sy teratany sinoa dimy hafa, mpividy vehivavy hataony vady, ka izao naiditra am-ponja izao.
Manodidina ny 40 hatramin’ny 180 tapitrisa Ariary ny hamarotana ny vehivavy malagasy iray any Chine, raha ny fanadihadiana nataon’ny sampandraharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy miady amin’ny hosoka (SCESLF). 70 tapitrisa Ariary no namarotana ny vehivavy izay tafody soa aman-tsara teto amin’ny Nosy. 3 tapitrisa Ariary tamin’io ihany no nomena azy sy ny ray aman-dreniny, mba ho fikarakarana ny fanambadiana sy ho vodiondry. Mahatratra dimy ny vehivavy voafitaka mahakasika izany, tamin’ity taona 2025 ity. Namidy sy noterena nanambady ary niharan’ny herisetra izy ireo. Efa tafody soa aman-tsara teto an-tanindrazana izy ireo taorian’ny fiaraha-mientan’ny tomponandraikitra.

Mino

Catégories: National

Volley-CCCZone 7 : Tafakatra famaranana ny GNVB, lehilahy

Les Nouvelles - sam, 03/08/2025 - 08:56

Tontosa omaly ny lalao manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball tanterahina any Maorisy. Tafakatra famaranana ny GNVB, lehilahy, rehefa nandresy ny Saint Denis Olym­pique Volley-Ball avy any La Réunion tamin’ny tie break ( 25 – 22 / 23-25/25-23/19-25/16-14). Raha fintinina ny dingana nolalovan’ny GNVB, lehilahy, tsy mbola resy mihitsy ity ekipa Malagasy ity, nanomboka tany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hatramin’izao manasa-dalana izao. Ny tempo Gecko no hihaona amin’ny GNVB amin’ny famaranana.
Raraka teo amin’ny manasa-dalana ny GNVB, sokajy vehivavy
Tapitra teo amin’ny dingana manasa-dalana ny lalan’ny solontena malagasy, GNVB vehivavy, tao anatin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka faritra faha-7, taranja volley-ball, tanterahina any Maorisy. Resin’ny Tempo Gecko Volley Ball avy any La Réunion, tamin’ny seta 3 no ho 1 ny GNVB, vehivavy, ka nifarana hatreo ny lalan’izy ireo. Na izany aza, mbola hiady ny laharana fahatelo amin’ny City Ladies izy ireo ho amin’ny anio. Raha hiverenana ny lalan’ny GNVB, vehivavy, azo lazaina ho namiratra izy ireo nanomboka tany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hatramin’ny lalao ampahefa-dalana ary nitàna ny laharana voalohany tao amin’ny vondrona nisy azy. Mbola manantena ny hahazo ny medaly alimo izy ireo ho amin’ny anio.

Mi.Raz

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - sam, 03/08/2025 - 08:55

Tontosa teny amin’ny Orange Digital Center, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ny fifaninanana taranja Échecs “Queens Women Open Tournament”. Fifaninanana natokana ho an’ny vehivavy malagasy mpilalao, ary hampiakarana ny fahaiza-manaon’izy ireo ity fandaharanasan’ny federasiona ity.

Efa manomboka ny fisoratana anarana amin’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga “Big Tanà”, taranja Bodybuilding. Fifaninanana izay hotontosaina eny amin’ny “Mining Business Center” Ivato, ny 20 marsa ho avy izao. Ny Klioba rehetra mijoro eo anivon’ny ligin’Analamanga no afaka mandray anjara.

Hotanterahina eny Ambohidava, anio sy ra­hampitso, ny fifaninanana hazakazaka moto “En­duro”, mitondra ny anarana hoe “4H Honda”, andiany faha-23. Tsiahivina fa handray anjara amin’io ireo mpanamory moto fanta-daza eto an-toerana sy avy any amin’ny faritra, toa an-dry Claudio Tida sy Mathias Plantive.

Hitohy anio sy rahampitso ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, taranja baolina kitra “La Liga”, diviziona voalohany. Araka ny fikarohana natao, hifampitana amin’ny FC Barcelone anio alina, ny ekipan’ny Osasuna. Rahampitso kosa, hifanandrina amin’ny Rayo Vallecano ny Real Madrid.

Catégories: National

Trail d’Ibity andiany 9: Hamonjena ny ankizy tsy ampy sakafo

Les Nouvelles - sam, 03/08/2025 - 08:55

Hotanterahina any Antsirabe, ny alahady 6 avrily ho avy izao, ny andiany fahasivy amin’ny “Trail d’Ibity”. Hiavaka izy ity satria hatolotra manontolo ho an’ny fikambanana Antena, misahana ireo zaza tratry ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika ao amin’ny faritr’i Vakinankaratra ny vola rehetra azo amin’ny fifaninanana. Io no nambaran’i Vincent Blanchet, tale jeneralin’ny Alpha Ciment, anisan’ireo mpikarakara, tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy Tsaralalana. Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana, na ireo efa matihanina na tsia. Heverina hahatratra 2000 ireo handray anjara ka ankoatra ireo mpifaninana malagasy, hisy koa renioney sy maorisianina. Misy dingana telo ny “Trail d’Ibity”, dia ny halavirana 3 km sy ny 15 km ary ny 31 km. Takina amin’ireo mpifaninana ny fitaovana fitondra amin’ny hazakazaka, toy ny “casquette”, ny fitehirizan-drano sy ny fanafody hitsaboana raha sendra loza. Ilaina koa ny finday sy ny kiririoka hiantsoana raha toa very lalana. Nasiam-panovana ihany koa ny lalana hizorana fa tsy toy ny mahazatra. Ankoatra ny maha fifaninanana azy, hianoka ny hatsaran’ireo biby sy zavamaniry ao Ibity sy ny manodidina ny mpifaninana. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana koa ity “Trail d’Ibity” ity. Hahazo loka avy amin’ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka ireo telo voalohany isan-tsokajy.

Torcelin

Catégories: National

“Mondial 2026” : Mpilalao efatra ihany ny avy eto an-toerana voaantso Barea

Les Nouvelles - sam, 03/08/2025 - 08:55

Na dia amin’ny alarobia ho avy izao aza ny lisitr’i Corentin Martins, mpanazatra Barea vaovao, no hivoaka, nilaza ny loharanom-baovao iray fa miisa efatra ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana voaantso handrafitra ny Barea de Madagascar.

Afaka 11 andro eo, hiatrika ny fifanintsanana ahazoana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” ny Barea de Madagascar. Fihaonana izay hikatrohana amin’ny Les Fauves Centra­frique, tafiditra ao anatin’ny andro fahadimy ho an’ny so­kajy “I”. Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasiona malagasy (FMF), mpilalao avy eto an-toerana miisa efatra ihany no nan­tsoin’i Corentin Martins, frantsay teknisianina vaovao an’ny Barea.

Tsy nilaza ny anaran’ireo mpilalao ireo moa ity mpampita vaovao ity. Ankoatra ireo avy eto an-toerana, misy ihany koa ny lohalaharana mifanintsana amin’ny diviziona voalohany any Eoropa, nanaiky ny hanao Barea. Ho fantatra ny 12 marsa ho avy izao ireo anarana mpilalao nantsoina hiaro ny voninahi-pirenena ireo.

Tsiahivina fa any Maroc, handray ny Barea de Mada­gas­car ny Les Fauves an’i Centrafrique, ny alarobia 19 marsa ho avy io. Aorian’ity fifanandrinana amin’ny Centra­frique ity, handray ny Black Star Ghana ny Barea ny 24 marsa ho avy izao, any Maroc ihany.

Ambony ny herijika
Sedra iray ho an’ny Coach Martins ny lalao roa hifanandrinana amin’i Centrafrique sy i Ghana. Ambony anefa ny herijika hahafahan’ny Mala­gasy mpilalao amin’ity raha mahita fandresena amin’io ny Barea de Madagascar. Ampa­hatsiahivina ihany fa manana isa 7 izao ny ekipa nasionaly malagasy, ary eo amin’ny laharana fahatelo amin’ny vondrona “I”. Rehefa vita ny lalao iraisam-pirenena tahaka io, andrasana indray ny filaharan’i Madagasikara amin’ny Fifa.

Fitia Randria

Catégories: National

Fandrantoana fianarana any ivelany: Be mpisafidy ny mankany France sy Canada ary Etats-Unis

Les Nouvelles - ven, 03/07/2025 - 07:50

Ny vehivavy no tena tia mandranto fianarana any ivelan’i Madagasikara. Mahasarika ny an­ka­maroan’ny tanora ny mandeha any France, Canada ary Etats-Unis.

Mahasarika ankizy sy tanora malagasy maro ny manohy fianarana any ivelan’ny Nosy, raha ny fanadihadiana natao. No­finofin’izy ireo hatrany kosa ny handrato fianarana any ivelany noho ny eto Madagasikara. Vehivavy avokoa ny ankamaroan’ireo tia mandeha mianatra any ivelany ireo, raha ny fanazavana voaray. “Be mpisafidy indrindra ny mandeha any France sy Canada ary Etats-Unis”, hoy Rajaonah Haingo, tomponandraikitra amin’ny fikarakarana ny hetsika salon des etudes internationals. «Efa mahaliana ny tanora Malagasy ihany koa ny any amin’ny nosy Maurice. Noho izy io akaiky sy mbola azo lazaina ho mirary kokoa ny saram-pianarana. Toy izay ihany koa ny any Inde sy Turquie noho ny fanomezan’izy ireo vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra”, hoy hatrany izy. Lalam-piofanana tena mahaliana azy ireo ny mahakasika ny Management sy ny Medecine. Miha misokatra ko­sa ny lalam-piofanana hafa toy ny Informatika sy ny architecture, raha ny nambarany hatrany. Maro ny antony mahatonga azy ireo misafidy ny hianatra any ivelany. Voalohany, ny faniriana te hianatra kolontsaina hafa, eo koa ny tsy fitovian’ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara sy any ivelany. Manan-danja kokoa ny mari-pahaizana iraisam-pirenena azon’ny ankizy aorian’ny fahavitan’ny fianarana ka antony hisafidianan’ny tanora hianatra any. Mana­mpy sy manamora betsaka ny fitadiavana asa eny anivon’ny orinasa ihany koa ny mianatra any ivelany.
Any amin’ny firenena toa an’i France, Allemagne, Italie, Inde ary Angleterre. Mila ma­nomana vola manodidina ny 65 tapitrisa Ariary eo ny tanora iray raha maniry hianatra any ivelan’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany, ny saram-pitantanana mandritra ny herintaona, manodidina ny 2 000 hatramin’ny 3 000 euros. Manampy izany koa ny saram-piaramanidina sy ny vola atao antoka amin’ny banky raha sendra misy loza, hatramin’ny taom-pianarana. Efa ao ihany koa ny vidin-tsakafon’ny mpianatra, maraina sy atoandro ary hariva mandritra ny herintaona. Manampy izany ny hofan-trano, ny jiro sy rano ary ny wifi. Mahatratra hatramin’ny 300 tapitrisa Ariary kosa ny vola ilaina raha te hahavita fianarana hatramin’ ny farany ny tanora iray.

Fanabeazana eto an-toerana
Nilaza ireo mpianatra nanontaniana fa mbola misy lesoka ny fanabeazana eto Madagasikara, ka antony iray mandrisika azy ireo hianatra any ivelan’ny Nosy. Manampy betsaka ny tanora malagasy ny fanomezana sy ny fahazahoan’izy ireo vatsim-pianarana. Nanodidina ny 45 ireo tanora avy eto an-toerana nandrato fianarana tany Inde, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Parul Université. “Miara-miasa amin’ny orinasa lehibe maneran-tany ny ankamaroan’ny oniversite any an-toerana. Tombontsoa lehibe izany satria afaka mandray avy hatrany ireo mpianatra nivoaka, hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Amin’ny teny anglisy avokoa ny ankamaroan’ny fampianarana, afaka manaraka izany ny tanora iray raha mahazo tsara io fiteny io. “Entanina mba tsy hanao tsinontsinona ny fiteny sy ny fianarana anglisy ny tanora sy ny ankizy malagasy satria anisan’ny teny ampiasana voalohany maneran-tany izy io”, hoy hatrany ny tomponandraikitra.

Hetsika andiany faha-14

Nifarana omaly tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny hetsika fampahafantarana ny fianarana any ivelan’i Madagasikara na ny “salon des études internationales”. Hetsika andiany faha-14, izay karakarain’ny Mada jeune. Naharitra roa ny hetsika teny an-toerana, izay nahasarika tanora maro. Nahitana trano heva manodidina ny 30 isa ny nandray anjara tamin’ny hetsika. Nahitana oniversite avy any France, Canada, Inde, Maurice. Anisan’ny nampiavaka iny hetsika iny ny fisian’ireo firenena hafa nandray anjara. Toa an’i Dubai, Maroc, Thailande sy ny maro hafa. Ankoatra ny fitsidihana ny tranoheva, nisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra nataon’ny tomponandraikitra teny an-toerana. Natao hanampiana sy nanomezana toro-lalana ireo mpianatra mahakasika ny fisafidiana ny lalam-piofanana sy ny firenena handehanana.

Azo atao ny manaraka ny fiofanana eto Madagasikara ihany
Manodidina ny 20 hatramin’ny 60% ny vatsim-pianarana azon’ny ankizy iray arakaraka ny fahaizan’ny mpianatra omen’ireo firenena maro samihafa manao izany. Azon’ny tanora malagasy ny mandeha manaraka lalam-piofanana any ivelany. Tsy voatery mankany an-toerana anefa ireo mpianatra raha tsy manana fahafahana ara-bola, raha ny fanadihadiana natao. Efa maro rahateo ihany koa ny oniversite any ivelany, manao izany tolotra izany. Mba hanampiana ny tanora malagasy sahirana ara-bola sy tsy nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny oniversite. Efa misy, araka izany, ny fanarahana ny fampianarana any ivelany, izay atao eto Madagasikara amin’ny alalan’ny lesona ampitain-davitra”, hoy hatrany Rakotoarivony Seheno, tomponandraikitra eo anivon’ny oniversite mandefa ankizy mianatra any Inde. Hatreo amin’ny mari-pahaizana Licence ihany ny fanaovana izany hatramin’izao fa tsy maintsy makany kosa raha haka ny mari-pahaizana Master.

Nanatontosa : Mino

Catégories: National

« Tropic’Awards 2025 »: Fahombiazana tanteraka ny hetsika

Les Nouvelles - ven, 03/07/2025 - 07:49

Manome fotoana sahady ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny fizahantany amin’ny taona ho avy ny agence Tropi’Com amin’ny hetsika «Tropic’Awards 2026» taorian’ny andiany voalohany natao teny amin’ny Canal Olympia teny Andohatapenaka, ny sabotsy teo. «Fahombiazana tanteraka ny hetsika ary mbola vonona hanatsara ny ezaka vita izahay», hoy ireo mpikarakara. Anisan’ny fanatsarana hatao ny fampandraisana anjaran’ny rafi-panjakana. Hampiroboroboana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra mba hisian’ny fifanakalozana bebe kokoa.
Tosika ho fampiroboroboana ny fizahantany ny hetsika toy izao ka ampirisihina ireo mpisehatra samihafa hanao mihoatra lavitra sy zava-bitany. Nisitraka amboara nandritra ny hetsika natao ireo mpisehatra 13 mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana.
Ankoatra izay, nifampizara sy nifanakalo hevitra tamin’ireo matihanina samihafa mahakasika ny tontolon’ny fizahantany ireo mpandray anjara rehetra. Voaresaka ireo fanamby sy fanararaotra ao anatin’ny tontolo. Marihina fa anisan’ny nanotrona ny fotoana ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa.

Henintsoa H.

Catégories: National

Depiote Rabenirina Jean-Jacques: “Tsy manana sora-bola hamonjena traboina izahay”

Les Nouvelles - ven, 03/07/2025 - 07:49

“Aoka hazava ny an­draikitry ny tsirairay manoloana ny fisian’ny traboina. Izahay solombavambahoaka dia tsy manana sora-bola natokana ha­monjena ny olona traboina toy izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Betioky Atsimo tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Jean-Jacques, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny famonjena traboina. Raha misy ny mahita an’izay sora-bola izay ao anatin’ny toe-bolan’ny Antenimieram­pirenena, mitsanganà izy. Ny hany azon’ny solombavambahoaka atao raha misy izay voatsirambin’ny tanana na izay any am-paosy. Ny andraikitra amin’ny maha solombavambahoaka dia tsy maintsy mitondra ny fitarainan’ireo vahoaka any amin’ny fahefana mpanatanteraka. Man­draka androany, tsy mbola misy fanampiana tonga any Betioky Atsimo, araka ny nambarany. Manao antso avo ny fitondrana izy amin’izany.
“Amin’izao, betsaka ny ankizy tsy mianatra”, hoy izy. Satria mirodana ny sekoly. Ny ao amin’ny kaominina Soa­manonga, ohatra: ny fokonolona ihany no nanao ny sekoly izay biriky tany. Tratran’ny orana izany dia nirodana. Nihotsaka ny tranon’ny Lycée sy ny CEG. Tsy misy fampianarana amin’izao. Momba ny ao an-tampon-tanàn’i Betioky Atsimo manokana, mahatratra 1 641 ny isan’ny traboina. 70 tafo ny trano rava, ary 96 ny tafo niala fa tratran’ny rivotra. Ankoatra an’izay, difotry ny rano ary betsaka maty ny biby fiompy. Etsy andaniny, ny aretina, ny lalana tapaka mampanahy an’Ampanihy sy i Be­tioky…

R. Nd.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - ven, 03/07/2025 - 07:48

Mihodina tsara ny trano fitahirizam-bokatra sy famokarana lagilasy any Ambatondrazaka. Nanohana ny fananganana azy ny Vondrona eoropeanina. Nidina tany an-toerana ny tale jeneralin’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny Vondrona eoropeanina, ny 4 marsa teo, nandinika ny tombontsoa ho azo amin’ity fotodrafitrasa ity.

Hapetraka ny rafitra niomerika ho fanaraha-maso ny fampiasana ny saribao miaro ny tontolo iainana. Hangonina ny antontam-baovao mialoha ny handrafetana ny tranokalam-pifandraisana. Efa voangona ny an’ny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana, ary hisy ny fiaraha-mientan’ny fanjakana, ny tsy miankina ary ny mpamatsy vola ho an’ny hafa.

Efa miparitaka amin’ny faritra maro ny vary nafarana 750 Ar ny kapoaka. Ifandrombahana tanteraka ny vokatra noho izy manala fahasahiranana ny mponina. Mbola manohy ny ezaka rehetra hanapariahana ny vary mora ny fanjakana mba hisitrahan’ny mpanjifa ny vokatra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

Salotraina miisa 140 no nozarain’ny APMF maimaimpoana tao Masiakampy. Nisitraka izany ireo tompona kanoto hanamafisana ny fiarovan-tena amin’ny asa fitaterana an-dranomamy. Tanjona ny hanampiana azy ireo sy ireo mpandeha amin’ny fivezivezena hisorohana ny loza mety hiseho.

Catégories: National

Jica sy MTP : Antontan-kevitra fikojakojana ny lalana sy ny tetezana

Les Nouvelles - ven, 03/07/2025 - 07:48

Naharitra 50 volana ny namolavolana ny tetikasa Fampivoarana ny fahaiza-mitantana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara (F3LTM). Na­natontosa azy ny Jica sy ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Natao omaly ny fivoriana faran’ny Vaomiera iombonana mpandrindra (CCC), andiany faha-8 sy ny fivoriana ara-teknika andiany fahefatra. Miisa enina ny vaomiera teknika (GTT) namolavola ny lafiny teknika sy ny fanaraha-maso. Nilaza ny sekretera jeneralin’ny MTP, Sambisolo Emile Joseph, fa voarafitra ny antontan-kevitra mirakitra ny fanaraha-maso, ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana, ny fitaovana ampiasaina, ny fitahirizana ny antontam-baovao. Nisy ny fampiharana tany amin’ny lalam-pirenena, RN1 sy RN2, mahakasika ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana.
Natolotry ny CCC ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), tamin’ity fivoriana farany, omaly, ity ny antontan-kevitra sy ny fitaovana nampiasaina momba ny fanaraha-maso sy ny fanadihadiana ny lalana sy ny tetezana.

Fampiofanana
Lasa mpampiofana ireo teknisiana malagasy nahazo ny traikefa sy fiofanana avy amin’ny teknsianina japoney. Hampita ny fahaiza-manaony izy ireo, miainga ao amin’ny minisitera MTP, mitohy any amin’ny injeniera malagasy hafa. Hanomboka amin’ny avrily 2025 ny andiany voalohany, eny amin’ny Ivontoe­rana nasionaly mahakasika ny fotodrafitrasa (ININFRA).

Njaka A.

Catégories: National

Pages