Nisolo tena an’i Madagasikara nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny fivoaran’ny fikarohana mahakasika ny zavamaniry ampiasaina sy ahodina ho fanafody Iora-Amar 2025 tany Lucknow (Inde) ny ivontoeram-pikarohana momba ny zavamaniry hitsaboana (Cnarp) eto Madagasikara. Nandritra ny 10 andro, nifarana tamin’ity herinandro ity izany.
Nivoitra tamin’ny fihaonana ny maha zava-dehibe ny haivao amin’ny zavamaniry hitsaboana satria mitondra tombontsoa ho an’ny toekarena sy ny tontolo iaianana ho an’ny firenena aty amin’ny ranomasina Indianina izy ireny. Ankoatra ny fifanakalozana, nisitraka fiofanana avo lenta momba ny fikarohana sy ny fivarotana ny vokatra zavamaniry hitsaboana ny Malagasy mpikaroka. Nisy rahateo ny fihaonana mivantana tamin’ny mpitantana any an-toerana hanatsarana ny fifanakalozana amin’i Inde sy ny firenena mpandray anjara rehetra. Ahitana an’i Bangladesh, Comores, France, Iran, Maurice, Madagasikara, Mozambique, Malaisie, Sri Lanka, Afrika atsimo, Thaïlande, Royaume-Uni ary Philippines ireo nivory.
Vonjy
Hampiasaina ny drones hahafahana mijery ireo fanotofana tany tsy ara-dalàna. Giazana avy hatrany ireo kamiao tratra ary tsy handefitra ny Apipa.
Manao ny fomba rehetra hitsirihana ireo mpanototra tany tsy ara-dalàna, izay mamparefo ny lemak’Antananarivo ny Apipa. Miroso amin’ny fametrahana ny “digitalisation” ny ekipa ary mampiasa fitaovana manara-penitra, toy ny drones.
Hanamora ny fahitana ireo lemaka saro-pady tsy tokony hokasihana kanefa tandindomin-doza amin’ny fanotofana tany ny fampiasana ny drones. Hahafahana manao fanairana haingana sy midina ifotony mampitsahatra ny asa ihany koa. Ankoatra izany, ny fanarahana haingana ny kamiao izay manao ny fanotofana tsy ara-dalàna.
Arahi-maso akaiky ireo tsy fanarahan-dalàna mahakasika ny fanorenana sy fanotofana tany eto Antananarivo. Jerena akaiky ireo toerana rehetra ahitana tranga toy izany.
Tsy handefitra amin’ny tsy fanarahana ny lalàna ny fanjakana ary hanao be midina miaraka amin’ny “Brigade spécialisée” hanatanteraka fisafoana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Apipa.
Giazana avy hatrany ireo fiara na fitaovana ampiasaina amin’ny fanotofana tsy ara-dalàna. Tsy hisy indrafo fa efa ampy izay ny fampitandremana. Efa nisy kamiao sivy tratra nanototra antsokosoko ka ny dimy amin’ireo no efa giazana amin’izao fotoana. Tafatsoaka kosa ny efatra ary eo am-pitadiavana azy ireny ny tomponandraikitra.
Toerana maro amin’ny lemak’Antananarivo no ahitana fanotofana saingy ireo tsy nahazo fahazoan-dalana na ny taratasy ara-dalàna no hosaziana.
Tamin’ity herinandro ity ihany koa, tonga tao amin’ny Apipa ny avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hijery ny fiaraha-miasa fampiharana ny politikam-panjakana momba ny fiarovana an’ Antananarivo sy ny manodidina amin’ny tondradrano. Nanome toky ny tomponandraikitra fa tsy hisy ny tondradrano eto Antananarivo amin’ity taom-pahavaratra ity satria efa vita mialoha avokoa ny fanadiovana ny lakandrano sy ny tatatra rehetra hampikoriana tsara ny rano.
Tatiana A
Hita tany Chine, tamin’ny 5 000 taona lasa, ny zavamaniry soja, raha ara-tantara. Nitombo hatrany ny vokatra sy ny voly soja nanomboka ny taona 1980 ary miroborobo fatratra ankehitriny. Anisan’ny firenena namokatra azy io i Frantsa. Ahitana izany koa eto Madagasikara. Faritra maro eto amin’ny Nosy no ahitana mpamboly azy. Toy ny any amin’ny faritra Vakinankaratra, Soanierana Ivongo, Itasy… Mahatratra hatramin’ny 180 t isan-taona ny vokatra soja vokarin’ny kaominina Ambanivohitra Ambano. Misy isan-taona ny vokatra fa miova araka ny vanim-potoana ny vidim-bokatra, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanaovana fanadihadiana.
Misy karazany maro ny soja. Misy ny miloko mena ary misy ny mavo. Misy ihany koa ny vaventy sy madinika, izay samy manana ny mampiavaka azy, raha ny fanazavana. Natokana hanaovana menaka fotsiny ny soja madinika. Azo hanaovana karazana sakafo isan-karazany kosa indray ny soja vaventy.
Mitondra vokatsoa maro
Ahitana tombontsoa maro ny fihinana ny vokatra avy amin’ny soja. Anisan’izany ny otrikaina samihafa azo avy amin’ny voana soja 100g. Mahatratra 20,8 g ny gliosida. 419 ny kaloria. 34,5g ny proteinina. 13g ny “fibre alimentaire”. Rano avokoa ny 12% avy amin’ny voany iray. Ahitana singa mineraly ihany koa izy. 6 mg ny vitamine C. 277mg ny kalsioma…
Ankoatra izay, azon’ny olon-drehetra mihoatra ny fahenim-bolana ampiasaina ny vokatra soja. Miantoka ny fahasalaman’ny olona iray izany.
Nisy zaza tsy salama, anisan’ny saozanina tamin’izany. Lafo ny fitsaboana ara-medikaly an’io zaza io ka tsy naharaka ny enti-manana teo amin’ ny ray aman-dreniny. “Niresaka tamiko ny renin’ilay zaza tamin’izany ary nomeko soso-kevitra mahakasika ny fihinanana soja”, hoy Ratsiferana Lucia, tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny orinasa Lulu. « Notsaboina tamin’ny alalan’ny fihinanana soja ho toy ny foto-tsakafo mihitsy izany. Afaka roa taona taty aoriana, sitrana soamantsara ilay zaza vokatry ny fanarahana ny fihinanana sy ny fandrahoana ny soja natoroko”, hoy izy nitantara.
Soja miala hodiny no ampiasaina
Miparitaka eny an-tsena ny fivarotana vokatra soja, indrindra fa ny ronono, raha ny zava-misy eto Antananarivo. “Entanina ny olona hamantatra ny vokatra tsara kalitao”, hoy izy. Raha mitondra voana soja 3 kg eny amin’ny mpitoto eny an-tsena. 750g amin’ny vovony azo dia ratsy avokoa, raha ny fanazavany hatrany.
Mba hialana amin’izay, nanome torohevitra amin’ny fandrahoana soja ny tenany. Lomana amin’ny rano mangotraka mandritra ny minitra vitsy ny voana soja maina. Voasana ny hodiny avy eo ary ahodina ho lasa vokatra hafa ny nofony. Izay tena mila faharetana. Nilaza izy fa tsy mety voasana mihitsy ny soja ratsy kalitao. Azo antoka tsara sady mahasalama ny vokatra amin’izay fotoana izay.
Mampidi-doza ho an’ny fahasalamana
Anisan’ny mampidi-doza ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ihany koa ny vokatra soja. Ahitana ny akora ratsy antsoina hoe « phytoestrogene » ny vokatra soja. Mety hiteraka olana amin’ny fiasan’ny sela mpamokatra (hormone) sy mahatonga fahamombana ny fihinanana azy matetika noho izany. Tsy tsara ho an’ny vehivavy voan’ny homamiadan’ny nono ny fihinanana azy io, satria mety hitarika amin’ny fiverenan’ny aretina indray izany. Ankoatra izay, tsy tsara ho an’ny olona manana olana eo amin’ny aretina “thyroïde” ihany koa izy io, raha ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana. Tsy tsara ho an’ny zaza latsaky ny enim-bolana ihany koa izy io. Afaka manova ny heriny sy ny fiasan’ny fanafody hoanin’ny marary ny fihinanana soja. Ankoatra izay, misy ihany koa ny tsy mazaka ny fihinanana soja satria tafiditra ao anatin’ny sakafo mavesatra izy io.
“Anisan’ny mpanjifa ny vokatra soja ny mpianatra, ny olona diabetika, tsy mahazaka atody na rononon’omby ary ny olon-tsotra isan-tsokajiny”, hoy i Vonjiniarana, tomponandraikitra eo anivon’ny Art de soja. Nilaza izy fa natokana sy azo anaovana solon-tsakafo tsara izy io amin’ny ankapobeny. Marihina fa tsy tokony hihoatra ny roa vera isan’andro ny fihinana na fisotroana ny vokatra azo avy amin’ny soja. Tsy hiteraka tsy fahasalamana eo amin’ny olona iray no antony.
Nanatontosa : Mino
Niroso avy hatrany amin’ny asa heverin’ny maro fa mavesatra ny ben’ny Tanàna vaovao ao amin’ny kaominina Toamasina, Randriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain. Anisan’ny fepetra noraisina ny tsy maintsy nandrodanana ny tranovato naorina eo ambony tetezana ao Mangarivotra. Nanao izany mba hanaovan’ny rehetra fanarahan-dalàna. Tsy hijanona eo fa hitohy amin’ny fandrodanana ireo fanorenana tsy manara-dalàna ny mpitantana ny kaominina any an-toerana. “Ampy izay ny gaboraraka sy ny kolikoly ary ny matoatoa”, hoy ny ben’ny Tanàna.
Etsy andaniny, anisan’ny asa mavesatra natomboka ihany koa ny fanesorana fako tao bazarikely, niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Efa nisavovona nandritra ny fotoana lava izany fako izany. Asa miandry ny mpitantana vaovao koa ny tsy maintsy hanafoanana ireo mpiasa mandray karama nefa tsy hita manao ny asany akory. “Tsy azo ekena izany…”, hoy izy. Ezahina koa ny tsy maintsy handaminana ny fifamoivoizana sy ny tsy fanekena ny gaboraraka ; ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Notakin’ny ben’ny Tanàna ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ny asany mba tsy hisehoan’ny kolikoly sy ny tandrevaka.
Sajo sy Synèse R.
Manohy ny fomba fiasa nahazatra azy, amin’ny fihaonana amin’ny mpanao gazety, ny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra. Nitarika izany ny governora, Vyvato Rakotovao. Nambarany fa fomba fiasa eo anivon’ny faritra ny fandalana ny mangarahara ka azo noresahina sy nanontaniana avokoa ireo sehatra rehetra eo anivon’ny faritra. Anisan’izany ny lafiny toekarena, ny “Titre vert”, ny taninketsa indostrialy, ny voly vary safiotra. Nibahan-toerana kokoa ny fotodrafitrasa ka nitondrany fanazavana ny momba ireo lalan-dratsy eo an-tampon-tanàna sy ny mivoaka amin’ny kaominina manodidina. “Manana vina ny faritra amin’ny fanarenanana izany”, hoy izy. Nanteriny fa hiarahana miasa amin’ny any ivelany ary efa mandeha ny fanadihadiana momba ireo lalana efa tena simba. Manampy azy ireo ny minisiteran’ny Asa vaventy amin’ny fikojakojana ny lalam-pirenena faha-7.
Voaresaka koa ny angovo, ny tontolo iainana ary ny fandrakofana ala an’i Vakinankaratra.
Synèse R.
Mitohy ny hetsika eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tafiditra amin’ny fampandrosoana eny ifotony izany, ho an’ny faritra Androy.
Nanatanteraka atrikasa ho an’ny faritra, anisan’ny tantsoroka ara-teknika ho an’Androy, ny eo anivon’ny MFFT. Natao tao amin’ny Camp Flacourt Taôlagnaro ny hetsika, naharitra roa andro. Manohana izany kosa ny avy amin’ny tetikasa Mionjo.
Tanjon’ny atrikasa ny mba hipetrahan’ny fampandrosoana maharitra eny anivon’ny faritra. Ka anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny mpikambana eo anivon’ny Komitim-paritra momba ny Fanajariana ny tany (Crat), ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (CTD) sy ny fitaleavam-paritra (STD). Teo koa ireo fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena (OSC) sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. Manampy izany ireo tetikasa sy fandaharanasan’ireo mpiara-miombon’antoka.
Anisan’ny iompanan’ny atrikasa ny fanatsarana ny fandrafetana ny Drafi-panajariana ifotony ny tany (Dift) ho an’ireo kaominina miisa valo ao amin’ny faritra Anosy. Anisan’izany ny any Isoanala, Ianabinda, Ivahona, Jangany, Tranomaro, Tsivory, Ranopiso, Manantenina. Raisina sy hatao ho laharam-pahamehana ireo. Teo ihany koa ny fitondrana ny fanavaozana sy ny vina ny Drafi-panajariana ho an’ny faritra (SRAT). Natao hamaritana ny lalànan’ny fanajariana ny faritra ho amin’ny roapolo taona ho avy izy io.
Tsiahivina fa nampandraisina anjara avokoa ireo hery velona tamin’izao fanangonan-kevitra izao. Niatrika izany ireo solontenam-panjakana, nahitana ireo sefo distrikan’Amboasary Atsimo sy Betroka ary ny sekretera jeneralin’ny fileovan’i Taolagnaro. Teo koa ireo ben’ny Tanàna.
Synèse R.
Hahazo vahana ny oram-pahavaratra manerana ny Nosy, amin’ity herinandro ity. Mety hanantombo kokoa izany ho an’ny tapany atsimon’ny atitany, manomboka anio, ho an’ny tapany atsimon’Analamanga, ny distrika Anosibe an’Ala, Marolambo, Ifanadiana, ny ilany atsinanan’ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony.
Hisy fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo fitaleavana isam-paritra. Santionany amin’izany ny traikefa amin’ny fanaraha-maso ny sisintany, izay hotanterahina any Antsirabe, araka ny fampitam-baovao nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka nandritra ny fananganan-tsaina.
Mpiray ombona antoka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Foiben’ny fiaraha-miasa momba ny fikarohana ho an’ny fambolena hitondra fampandrosoana (Cirad). Misy ny tetikasa iarahana ho an’ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina ho fampandrosoana ny fikarohana momba ny fambolena sy ny fiofanana. Mifototra amin’ny fambolena sy ny fahasalamana ary ny tontolo iainana ny fikarohana sy ny haivao.
Olona 30 no hiasa amin’ny fanadiovana ny Canal GR, mandalo eny amin’ny fokontany Andrefan’Ankadimbahoaka, Anosizato Atsinanana I sy II, Ivolaniray, Anosibe Angarangarana, ka hatreny Ilanivato Ampasika. Asa tanamaro (Himo), izay nanomboka ny alatsinainy teo no hanatanterahina ny fanadiovana. Haharitra 7 andro ny asa, hiarahan’ny CUA sy ny BNGRC.
Manatsara ny fomba fiasa eny amin’ny tobim-pahasalamana ny tari-dalana « Kaizen ». Tanjona ny fanatsarana tsy an-kiato ny kalitaon’ny tolotra fahasalamana sy ny fomba fiasa. Nofanina, araka izany, ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony hanaraka io fomba fiasa fanaovana sivana ny fitaovana sy kirakira eny amin’ny tobim-pahasalamana io.
Efa azo tsapain-tanana ny vokatra tsara avy amin’ny fampiharana ny 5S eny ifotony. Dingana faharoa aorian’izay ny tari-dalana « Kaizen ».
Torolalana fizarana ny fitsipika sy ireo fahaiza-manao mila ananana no tena hatao amin’izany. Fahaiza-mandamina, mandrindra ary mampilamina ny toeram-piasana. Mamantatra ny fitaovana tena ilaina sy ampiasaina matetika ary mametraka izany amin’ny toerana mora raisina kanefa azo antoka. Fandaminana ireo antontan-taratasy isan-tsokajiny mba tsy hifangaro ka mora ny mikirakira sy ny mitady azy avy eo. Fahaizana manavaka tsara ireo fitaovana efa tena tsy ilaina intsony, mila havaozina sy hatsaraina na soloina tanteraka mihitsy hifanaraka amin’ny zava-misy….
Tatiana A
Natomboka tamin’ity herinandro ity ny asan’ny FabLab solidaire Hay Tao ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Fiaraha-miasa amin’ny Orange solidarité Madagascar sy ny Agence universitaire francophone (AUF) izany. Novatsiana fitaovana ilaina rehetra ny mpisitraka ny ivontoerana misy ny FabLab, ahitana kojakoja niomerika hatramin’ny imprimante 3D. Mbola hampiofana ireo liana sy vonona ny tomponandraikitra manomboka amin’ny famoronana ny tetikasa hatramin’ny famoahana ny « prototype ».
Singa iray manamafy ny fandaharanasan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa momba ny hay Tao sy ny teknolojia niomerika ny FabLab, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Oniversite, ny profersora Hajalalaina Aimé Richard.
Efa manana FabLab koa ny Oniversiten’Antananarivo ka ireo mpianatra eny amin’ny politeknika Vontovorona no mampiasa azy ho fampiharana ny lesona any am-pianarana.
Nanotrona ny hetsika tany an-toerana, ny talem-paritry ny AUF Afrique Australe sy ny ranomasimbe Indianina, ny Pr Aissatou Sy-Wonyu, sy ny filohan’ny Orange solidarité, i Benja Arson.
Vonjy
Afaka dimy volana ny fanadinana bakalorea. Dieny izao, efa manomboka ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny hiatrika izany. Tsy handeferana ny tsy fanajana ny fe-potoana sy ny antontan-taratasy tsy feno.
Nampahafantatra ny mi-nisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny amin’ ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fisoratana anarana ho an’ireo hiatrika ny fanadinana bakalorea 2025. Nanomboka ny 3 febroary ary hifarana ny 25 avrily ny fisoratana anarana ho an’ireo hiatrika izany. Efa voafaritra mazava ny vola alaina amin’ireo mpianatra hiatrika izany. Manana 5 volana hanomanana izany ireo mpiadina.
15 000 Ar ny vola aloan’ ireo misoratra ho mpianatra amina sekoly, 50 000 Ar kosa ho an’ireo kandidà mandeha tsotra ary 100 000Ar ho an’ ireo teratany vahiny.
Mila ampy tsara ireo antontan-taratasy rehetra ilaina ho amin’ny fisoratana anarana. Anisan’izany ny taratasy fanamarinana ny nandoavana ny vola. Ny taratasy mirakitra ny mombamomba ny mpiadina izay vita sonian’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka, taratasy fanamarinana avy amin’ny dokoteram-panjakana manome alalana fa afaka manao ny adina ara-panatanjahantena. Ankoatra ireo, ny taratasy fanamarinam-pahaterahana latsaky ny 3 volana alaina eny amin’ny kaominina, taratasy fanamarinam-ponenana, sary tapaka mazava tsara miisa 2, miisa 3 kosa ho an’ny mpiadina ny bakalorea teknika. Valopy misy hajia iray.
Ireo antontan-taratasy tsy ampy na tara amin’ny daty voafaritra dia tsy horaisin’ny Sampandraharahan’ny bakalorea ka mila mailo amin’ny famenoana ny taratasy ilaina rehetra sy ny fanajana ny daty farany ireo mpiadina.
Tsiahivina fa hotanterahina ny 21 jolay ka hatramin’ny 25 jolay izao ny fanadinana bakalorea ankapobeny. Ho an’ny bakalorea teknika kosa, ny 21 jolay hatramin’ny 25 jolay ho an’ny sokajy voalohany. Mitohy ny 28 ka hatramin’ ny 31 jolay izany ho an’ny andiany faharoa. Ho an’ireo hiatrika ny bakalorea teknika dia tsy maintsy manana ny BEP na ny mitovy amin’izany.
Tatiana A
Fanombohana ihany iny, araka ny fanazavan’ny filohan’ny klioba GNVB, ny kolonely Rajaonarison Fortunat, fa mbola hisy lalao maro hatao. “Hanao lalao ara-pirahalahiana maro amin’ny klioba samihafa izahay aorian’izao”, hoy ny fanazavany ary efa eo am-pandaminana ny mahakasika izany. Nambarany ihany koa fa nifandanja ny lalao ary afaka nitarafana ny lentan’ny mpilalaon’ny GNVB.
Nanohana iny “match de défi”, natao ny faran’ny herinandro teo iny ny fikambanana NAE, izay tarihin’ny filohany, Rabarijaona Heritiana. Fikambanana manampy ny tanora amin’ny sehatra maro toy ny fanabeazana sy ny fanatanjahantena, ny NAE ary izany indrindra no antony nanohanan’izy ireo ny fifaninanana volley. “Ny taranja volley no nahavita fifaninanana ho an’ny sokajy Jeunes, nanomboka U14 miakatra, tamin’ny taon-dasa, ka resy lahatra izahay hanohana”, hoy ny nambaran’ity filohan’ny fikambanana ity.
Raha hiverenana ny voka-dalao, nifandanja izany teo amin’ ny sokajy lahy sy vavy, araka ny nambaran’ny mpanazatra ny ekipa nasionaly. Tsy mora ny nanambatra tao anatin’ny fotoana fohy ny ekipa nasionaly ka anton’ny faharesena izany, araka ny nambaran’ny Coach Tojo. Araka izany, ny ekipan’ ny GNVB no nandresy tamin’ ny lalao ho an’ny vehivavy, nahazo ny seta 3 noho 1 tamin’ ny lalao mandroso ary mbola nandresy ihany koa tamin’ny lalao miverina.
Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, nanantombo ny ekipa nasionaly nanoloana ny GNVB, ka nahazo fandresena 3 no ho 0, tamin’ny lalao mandroso. Tamin’ny alalan’ny Tie Break (15-5) kosa no nandresen’ny GNVB ny nasionaly, tamin’ny lalao miverina.
Mi.Raz
Tonga ity ny taona 2025, hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy feo mandeha mahakasika ny fandaharanasan’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta. Tsiahivina, amin’ity taona ity, hisy hetsika goavana horaisin’i Madagasikara, dia ny fifaninanana eo anivon’ny ranomasimbe Indianina andiany faharoa. Marihina fa ny filohan’ny Federasiona malagasy ihany no filohan’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja bisikileta.
Miakatra ny haavo teknikan’ny Ankoay, lehilahy, tao anatin’izay 10 andro niatrehina ny fampivondronana eny Vontovorona izay, araka ny nambaran’ny mpanazatra an’izy ireo, ny Coach Ravonimbola Jeannot. Nandresy hatrany ny Ankoay tamin’ireo lalao ara-pirahalahiana natrehina hatreto, izay lalao hanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2025”.
Andrasana, anio, ny fahatongavan’ireo mpilalao mpilaravinahitra, handrafitra ny ekipa malagasy, taranja basikety, izay hiatrika ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2025”. Mpilalao 5 no andrasana amin’izany, ahitana an’i Mathias M’Madi, Jerry Pépin, Sitraka, Johan ary Lahontan Rija.
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Etihad Stadium Angleterre, amin’ny 11 ora alina, ora aty Madagasikara, ny fihaonana mandroso eo amin’ny Manchester City, mpampiantrano sy ny Real Madrid, klioba espaniola. Fihaonana izay tafiditra amin’ny lalao sakan’ny “Ligue des Champions 2025”. Hatao ny alarobia 19 febroary kosa ny fifanandrinana miverina.
Nifarana ny alahady lasa teo, tany Maroc, ny lalao fitsapana sady fanazaran-tena nataon’ny Barea de Madagascar, sokajy U17. Tsara ny vokatra satria tao anatin’ireo lalao 5 nataony, nahazo fandresena 3 sy ady sahala iray ary faharesena iray ny ekipam-pirenena zandriny. Nambaran’ireo mpilalao sy mpanazatra fa nahazoana traikefa ary nahafahana nijery ny lentan’ireo zandrikely ny fihaonana natao tany an-toerana.
Ankoatra izay, zava-dehibe ny nisian’ny fifanakalozana traikefa sy teknika teo amin’ireo mpilalao sy ny Malagasy teknisianina tamin-dry zareo maraokanina. Ny ekipan’ny Raja Club Athletic no nanasa ny Barea de Madagascar tamin’ity ary naharitra 1 volana ny fivahinianana tany an-toerana. Heverina fa hitondra aingavao ho an’ny taninketsan’ny baolina kitra eto an-toerana ny lalao natao tany Maroc.
Mba tsy hijanona hatreo ny fikarakarana ireo zandrikely ao amin’ny Barea U17 ireo fa hisy tohiny ka tokony ho efa mitsinjo ny fifaninanana hafa, toa ny Cosafa sy ny Lalaon’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indianina, CJSOI, hatao atsy Seychelles, ny volana jolay ho avy izao.
Tompondaka
Lasan’ilay Malagasy, i Claudine Nomenjanahary, ny tompondakan’i Frantsa, teo amin’ny atletisma fanao anaty efitrano, tamin’ny sabotsy lasa teo. Norombahiny ny medaly volamena teo amin’ny 60 m.
Norombahin’ny Malagasy atleta, ao amin’ny club Stade Sottevillais 76, ny medaly volamena sy ny anarana maha tompondakan’i Frantsa, eo amin’ny halavirana 60 m. Hazakazaka fanao anaty efitrano, notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny stadium Metropolitain Pierre Quinon. Tontosany tao anatin’ny fe-potoana 7 s 31% io halavirana io.
Tonga taoriany, ilay gaboney, i Moulin Pierrick Linda, izay nahavita izany, tamin’ny 7 s 38% ary fahatelo ilay kongoley, i Ngoye Akamari Natacha, 7 s 42% ny azy. Marihina fa iray klioba amin’i Claudine izy. “Efa tao anatin’ny tanjoko hatramin’ny ela ny handrombahako ity amboara ity. Mafy ny fifaninanana saingy efa tao anatiko ny fahavononana handrombaka fandresena“, hoy i Claudine.
Tsiahivina fa nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny famaranana, nitana ny laharana voalohany hatrany ny tovovavy. Nandritra ny manasa-dalana, 7 s 39% ny nahavitany izany ka nahazoany ny tapakila hiakarana eo amin’ny famaranana.
Tsy vao izao akory i Claudine no nametraka tantara ho an’ny atletisma malagasy fa efa hatramin’izay. Anisan’izany, ny nandrombahany ny medaly volamena tamin’ny “Lalaon’ny Nosy 2023”, notanterahina teto Madagasikara.
Ny volana desambra 2024, efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondakam-paritra tany Normandie France ihany koa ny tenany, ka ny 60 m amin’ny hazakazaka fanao anaty efitrano hatrany no nifaninanany, izay nahitana ireo andrarezina frantsay, ka nahavitany izany tao anatin’ny 7 s 39 %.
Tsiahivina fa efa atleta niofana tao amin’ny ivontoerana iraisam-pirenena any Senegal i Claudine, mialoha ny nandehanany tany France.
Tompondaka
Ilay reny mampianatra ny zanany hiteny voalohany mihitsy no tsy manisy hasiny ny tenindreny. 21 febroary, Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny. Ny paika na tetika hamerenana ny Malagasy hampiasa sy hiaina ny tenindreny no mila karohina haingana. Maninona ny reny no mampiasa ny teny vahiny hiresahany amin’ny zanany? Naninona no nahiliky ny Malagasy reny ny fiantsoana azy « neny » ka nasainy nosoloin’ny zanany « maman » ? Sns.
Nanjary nalaina mampiasa ny tenindreny ny Malagasy. Manomboka mipoitra etsy sy eroa ireo Malagasy tsy tia sy menatra ny mampiasa ny tenindreny. Mihazakazaka amin’ny fanivaivana sy fanimbana ny tenindreny ihany koa ny sasany. Raha niteny tamin’ny tenindreny mazava tsara ny Malagasy fahiny. Ankehitriny, miova izany ka natao izay hifanakaikezany amin’ny fanononana teny vahiny.
Tononkira mazava tsara, mampiasa ny faran-teny «-tra ». Nanjary hafahafa ny anononan’ny tanora azy ankehitriny… Satria, maka tahaka be fahatany ireo vahiny miteny na miresaka amin’ny teniny. Raha io tranga io no mitohy, ho very hasina tanteraka ny tenindreny sy ny reny tokony hampita izany amin’ny taranany. Avy amin’ny « reny » ny firenena. Noho izany, ho very hasina ihany koa ny firenena.
HaRy Razafindrakoto
Tsara toerana hibata ny “Prix Découvertes RFI 2025 » ny tarika Dina M. Efa manoritra ny lalany eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ry zareo.
“Rakemba”. Io ny lohatenin’ilay rakikiran’ny tarika Dina M, nivoaka ny faramparan’ny taona 2024 teo. Malaza be, satria maneho ilay « renibe », izay midika fahanterana, voky traikefa ary nahita karazam-piainana, izany. Tsy nosafidiana fahatany, fa mifanaraka amin’ilay tian’i Dina Mialinelina sy ny tariny voizina anatin’ny kanto hataony. « Tokotany midadasika hanehoana ny forona ny mozika izay nosafidianay. Tena misy fototra malagasy fa misy vina mitodika amin’izao tontolo izao ihany koa. Tsy mifidy ny mozika sy ny talenta fotsiny ianareo, fa mifidy ihany koa ny asa be sy ny finiavana tao ambadika tao », hoy ity mpanakanto ity, tao anatin’ny fanentanana nataony tao amin’ny RFI.
Tsy tongatonga ho azy ihany koa ny nahatafidiran’ny tarika Dina M. ho anisan’ireo hiatrika ny famaranana «Prix Découvertes RFI 2025 ». Azo lazaina ho tsara toerana mihitsy aza ity tarika malagasy ity, raha jerena amin’ny fironan’ny mpankafy ny mozika miaina manerana izao tontolo izao. Na izany, mbola manantena ireo mpankafy ny tena mozika hanohana sy hifidy azy ny tarika, indrindra ireo mpiray tanindrazana hiantefan’ireo hira voalohany.
Nampiara-peo tamin’ny Olombelo Ricky sy nampiakariny an-tsehatra tamin’ny « Manala azy », no nahatazanan’ny maro an’i Dina Mialinelina. Efa nialoha be izany anefa no nilomano tao anatin’ny mozika ity mpanakanto ity. Ny taona 2018 kosa izy no tena nifantoka tanteraka tamin’ny mozika, araka ny fitantarany. Lehibe indrindra amin’ireo tetikasan’i Dina Mialinelina ity tanterahiny miaraka amin’ny tarika izay natsangany ity. Miray tsikombakomba aminy amin’ny fisedrana ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ireo namany, ahitana an’i Hents Andriamasimana (gitara beso), i July Ratefy (vata maroafitsoka), i Kevy Rakotoarivelo (amponga maroanaka) ary i Tsanta Nasandratra (feo fanampiny).
Etsy ankilany, efa nambaran’i Rija Randrianivosoa, nandritra ny fandalovany teto Madagasikara ihany koa, ny firosoan’ilay tetikasa Dina sy Rija, vokarin’ny Saïry Production. Mbola fanandratana ny mozika malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena hatrany izany. Efa mizotra mankany ny lalan’i Dina Mialinelina…
Zo ny Aina
Tsy hisy fiforonana rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara mandritra ny herinandro fa tombanana hahazo vahana kokoa ny volonandro fahavaratra saika manerana ny Nosy, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Hanoram-baratra amin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy, mandritra ny herinandro. Tombanana ho betsaka kokoa izany ho an’ny afovoantany sy ny faritra afovoany atsinanana amin’ny fisasahan’ny herinandro. Hisy fidinana ny maripana ambony ho an’ny afovoantany sy ny morontsiraka atsinanana, rahampitso, fa hiverina hiakatra kosa izany amin’ny faran’ny herinandro.
Nohavaozina ny drafitra fitantanana ny loza ho an’ny faritra Vatovavy, nandritra ny telo andro, niarahana tamin’ireo distrika telo mandrafitra ny faritra: i Mananjary, Ifanadina ary i Nosivarika izany, hanamaivanana ny mety ho fiantraikan’ireo loza sy ahafahan’ny mponina miatrika mialoha izany, ho fiarovana ny ainy sy ny fananany. Faritra andalovan’ny rivodoza ary ahitana tondradrano sy fihotsahan’ny tany matetika ny faritra ary vao tsy ela no tena nitondra takaitra mafy tokoa. Tamin’ ny fandalovan’ilay rivodoza Batsiray sy Emnati.
Anio manomboka amin’ny 8 ora maraina, ho tapaka ny lalana amin’ny toerana sasantsasany eto Antananarivo, mandritra ny hetsika fahatsiarovana ny andro nahafatesan’ny kolonely Ratsimandrava. Voakasik’izany ny lalana Rakotomalala Joel, eo amin’ny Jirama Faravohitra. Eo koa ny lalana Tsiombikibo manoloana ny minisiteran’ny Rano ary ny lalana Pierre Rapiera, kaomisaria boriborintany faharoa.
Nankalaza ny faha-15 taona nijoroany, nandritra ny roa andro, teto Toamasina, ny sampam-piofanana Fitsaboana, eo anivon’ny Oniversiten’ i Barikadimy Toamasina. Notarihin’ny dokotera zokiolona eo anivon’ny sampam-piofanana, Ramawanasoa Marinette, sy ny teo anivon’ny fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny hetsika. “Ny fahasalaman’ny daholobe ho an’ny faritra Atsinanana” no lohahevitry ny fankalazana. Nahitana fifampiresahana sy fandinihana ary adihevitra hanatsarana ny lafiny fahasalamam-bahoaka. Anisan’izany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny aretina mitarazoka, ny aretin-tsaina ary ny aretina mila fandidiana.
Nasongadina koa ny lalana nolalovan’ny fakiolte tao anatin’ny 15 taona sy ny paikady hoentina manatsara ny 15 taona manaraka. Afaka mandefa mpianatra ho dokotera miisa 15 isan-taona hanao fianarana manokana any Antananarivo ny fakiolte. Tafiditra ao koa ny fampiofanana “paramédicaux” ka efa nahatratra 370 no nivoaka tao, araka ny fanazavan’ny dokotera Ramawanasoa Marinette hatrany. Ny taon-dasa, nahazo profesora miisa dimy ny fakiolte, ary 113 ny dokotera specialisé navoakan’ny Oniversiten’ i Toamasina.
Mpampianatra 18 no nisahana ny fampianarana teny am-boalohany, izay nahitana mpianatra miisa 113. Ankehitriny, 1 200 ny mpianatra ka mpampianatra miisa 68 no misahana izany.
Sajo
Raim-pianakaviana iray tra-doza natelin’ny ranomasina tao Tapakala, anatin’ny kominina manakaiky tanàna Toamasina ambanivohitra, tokony ho tamin’ny 3 ora tolak andro sy 50 minitra, ny alahady 9 febroary teo. Hatramin’ny fotoana hanoratana ny lahatsoratra, mbola tsy hita izay misy azy. Manao ny fikarohana kosa ny rehetra indrindra ireo fianakaviana sy ireo olona tonga nitsangatsagana teny an-toerana. Raha ny angom-baovao, avy nisotrosotro niaraka tamin’ny namany ary nitondra toaka mihitsy nosotroina teny an-toerana io lehilahy io sy ireo niaraka taminy. Tsy vitan’ izay, nitondra tsaky na masimasina saosisy sy sakafo misy kisoa ireo olona ireo. Nahatsapa ho mafana ka lasa nilomano io lehilahy voalaza io. Marihina, tsy filomanosana loatra io toerana io amin’ny ankapobeny. Maro ny antony ka voalohany amin’izany, noho izy toerana hivarinan’ny rano maloto avy ao amin’ny tetikasa Ambatovy makany an-dranomasina. Faharoa manonja noho ny faritra hafa ao Toamasina koa ny ao Tapakala.
Sajo
Nizara ny hafaliany tamin’ny vahoaka malagasy, omaly, ny fianakavian’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nasongadiny ny fahavitan’ny zanany lahimatoa ny fianarany.
Nahavita ny fianarany omaly, Rajoelina Razakandisa Arena, zanaka lahimatoan’ny filohan’ny Repoblika malagasy. Nahazo ny mari-pahaizana manokana momba ny fitantanana hotely, tao amin’ny Oniversite EHL Lausanne izy. Efa-taona no faharetan’ny fianarana nataony. Hiditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany ny tenany. 242 ny mpiray andiany, nahazo ny mari-pahaizana, omaly. Izy irery ny Malagasy tamin’izany.
Naneho ny hafaliany sy nizara izany tamin’ny mpiray tanindrazana ny filoham-pirenana Rajoelina Andry mivady. “Toy ny vao omaly no nampinarako anao namindra. Ankehitriny, noho ny fikirizana, ny filofosana tamin’ny fianarana dia tafita, tonga amin’ny tanjona nirinao ianao”, hoy ny filoham-pirenena.
Marihina fa ity oniversite an’ny Lausanne, Suisse ity dia anisan’ny toeram-pampianarana sangany manerana an’izao tontolo izao. Mitana ny laharana voalohany izy amin’ny fampianarana ny fitantanana hotely, araka ny fandaharan’ny QS World University Rankings. Manana ny maha izy azy ary miavaka amin’ny fampianarana sy ny fampiharana avy hatrany.
Manomana mpitarika matihanina ny oniversite. Efa miparitaka any amin’ny firenena 150 ny mpiofana sangany, nivoaka tao aminy. Tanora manana ny maha izy azy, afaka misehatra amin’ny fitantanana hotely sy ny fitantanam-bola ary ny fitantanana orinasa ireo vao nahavita fiofanana ireo.
r.r