Hotontosaina any Addis Abeba, ny 14 hatramin’ny 16 oktobra ho avy izao, ny fihaonana an-tampon’ireo tanora aty Afrika. Hifanakalo hevitra mahakasika ny fitsinjaran-tsakafo sy ny “agroécologie” izy ireo. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara, ka Andrianarimalala Helisoa Mampionona no hisolontena ny Malagasy amin’izany.
Ny resaka momba ny fandraharahana eo anivon’ny fambolena sy ny fiompiana, manoloana ny krizin’ny toetr’andro, na ny “Entrepreneuriat agroécologique face à la crise climatique” no handraisany fitenenana, mandritra ny hetsika.
“Vonona tanteraka aho ny hanome ny tsara indrindra avy amiko, amin’ity fihaonana ity. Manome toky fa hizara ny traikefako amin’ireo Malagasy izay maniry ny ho lasa lavitra
amin’ity tontolon’ny fandraharahana ity, rehefa tafaverina eto an-tanindrazana”, hoy i Helisoa Mampionona.
Nambarany ihany fa sambany i Madagasikara no tafiditra amin’ity fihaonana goavana ity. Ny fikambanana Alliance for Food Sovereigty in Africa (AFSA), no mikarakara ny fihaonana. Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, izy ireo, omaly, teny Ambohijatovo. Notoloran’ny minisitra vatsin-dalana moa ity vehivavy mpandraharaha ity.
F.R
” Bordée par l’Ocean Indien, soulignée par le Canal de Pangalane, s’impose la ville de Manakara “
Mitodika mankany amin’ ny fanatsarana ny famokarana ny kaominina Ambolotarakely, distrika Ankazobe. Notokanana ny 2 oktobra teo ny tohodrano nohavaozina, nataon’ny Fandaranasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Mahatondraka tanimbary 300 ha ity fotodrafitrasa ity, raha 30 ha teo aloha. Nilaza ny filohan’ny mpampiasa rano, ao amin’ny tambajotra Tsara, Randrianantenaina Jean Claude, fa mahatratra 250 ary mety ho tafakatra 500 ny tokantrano misitraka ny tohodrano raha 30 teo aloha. Vinavinaina ho 100 taonina ny voka-bary ho azo amin’ity taona ity, sady afaka mamboly indroa, raha 20 taonina sady indray mandeha ihany taloha. Nilaza ny solontena lefitry ny Pnud eto Madagasikara, Jean François Dubuisson, fa tanjona nanohanana ny fanarenana ity tohodrano ity ny hampitomboana ny tahan’ny famokarana, indrindra ny vary eto Madagasikara. Eo koa ny fanomezana antoka ny fitantanana ny rano. Mamokatra voly an-tanety koa ny any Ambolotarakely, toy ny voanjobory, tsaramaso, katsaka, sns. Nambaran’ny ben’ny Tanàna, Benjamin Patrick, fa mirona amin’ ny famokarana ny mponina, ankehitriny, taorian’ny tsy fandrampahalemana teo, ka efa milamina ny tanàna amin’ny ankapobeny.
Njaka A.
Ny alatsinainy lasa teo, namoaka ny sazy ho an’i Samuel Eto’o Fils, filohan’ny federasiona baolina kitra Cameroun (Fecafoot), tao amin’ny tambanjotra serasera ny vaomieran’ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Nosaziana enim-bolana tsy mahazo mijery sy manatrika ny lalao hataon’ny ekipam-pireneny ny Liona tsy voafolak’i Cameroun, ny tenany. Anton’izany ny fihetsika manohitra ny toe-tsaina “Fair-play”. Raha tsiahivina, tsy faly tamin’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara nanome “penalty” an’i Bresil nandritra ny ampahavalon-dalana niadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy U20 vehivavy izy. Fihaonana natao tany Colombie, ny alakamisy 12 septambra, lasa teo. Tsiahivina fa resy tamin’ny isa 3 no ho 1 i Cameroun taorian’ny fanalavam-potoana.
Tsy vao izao no nahazo sazy tamin’ny Fifa ity mpitantana ny baolina Kamerone ity. Ny volana jolay 2024 lasa teo, nasaina nandoa honitra mitentina 200 000 dôlara izy noho ny fanaovana sonia fifanarahana ara-bola, tamin’ny orinasa Paris sportif.
Nanao fampakarana tamin’izany fitoriana nataon’ny kaonfederasiona taminy izany izy. Ankoatra izay, nisy koa ny fanamelohana azy, ho nanamboatra ny voka-dalao ka nampakarana ny ekipan’ny Victoria United de Limbe, ho diviziona voalohany saingy afaka noho izany raharaha izany izy.
Tompondaka
Hotanterahina ny alahady 6 oktobra ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny ankatoky ny famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja Rugby, sokajy vehivavy. Hifanandrina amin’izany ny UAS Cheminots sy ny Fanja Anjanahary.
Tontosa ny talata lasa teo, tamin’ireo kianja enina manerana ny Nosy, ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja baolina kitra vehivavy «sénior» sy U17. Teo amin’ny sokajy zokiny, nisongadina ny fandresen’ny Ascuf ny AS Amimi, tamin’ny isa mavesatra 10 no ho 1.
Hiditra amin’ny dingana fahefatra amin’ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny familiana fiarakodia ny federasiona sport automobile de Madagascar (FSAM). Hatao ny 11 – 13 oktobra ho avy izao, ny andiany faha-45 amin’ny Grand rallye International de Madagascar, karakarain’ny klioba ASA Tana.
Mitohy eny amin’ny Club Olympique de Tananarive, ny dingana faharoa amin’ny ITF World Tennis Tour J30, sokajy zandriny lahy sy vavy. Manohy ny lalany hatrany ireo Malagasy mpilalao eo amin’ny olon-tokana lehilahy. Tafita ary niatrika ny ampahefa-dalana, izy mirahalahy.
“Hatsarao ny fahaiza-manao!”, io no lohahevitra amin’ny fiofanana karakarain’ny FIVB (Fédération Internationale de Volley Ball), natokana ho an’ny mpanazatra niveau 1. Anisan’ny hisitraka izany ny mpanazatra eto Madagasikara, ka ny mpampiofana iraisam-pirenena, Razafinjatovo Jean Honoré, no hitarika izany. Hizara ny traikefany izy amin’ny maha mpampiofana iraisam-pirenena azy. Tsiahivin fa efa niatrika fiofanana ho an’ny mpanazatra tany ivelany, ny Coach Razafinjatovo Jean Honoré, ka manana ny fahaizana amin’izany. Araka ny fandaharam-potoana, ny 5 hatramin’ny 9 novambra izao no hanaovana ny fiofanana, ka ny 4 oktobra izao no fara-fandraisana ny fisoratana anarana. Misy sarany 300 000Ar ny fandraisana anjara amin’ity fiofanana ity, izay hahazoana ny mari-pankasitrahana avy amin’ny FIVB. Misokatra ho an’ny mpanazatra malagasy izay maniry ny handalina sy hanatsara ny lafiny fanazarana ireo ekipa na mpilalao sahaniny ny fiofanana. Tanjona ny hampivoarana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ireo mpanazatra.
Mi.Raz
Rahampitso no hanomboka ny fifaninanana, eo amin’ny sokajy nisy an-dRasoanaivo Razafy Laura, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja judo, sokajy juniors.
Efa fantatra ny hifanandrina voalohany amin’i Laura, dia i Eva Ognivova (athlète individuelle neutre), eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 70 kg. Fifaninanana tanterahina any Dushanbe Tadjikistan, nanomboka omaly ary hitohy hatramin’ny 6 oktobra izao. Ao amin’ny vondrona D no misy an’i Laura amin’ny sokajy misy azy ary ahitana mpikatroka 9 ny hiady amin’ny fihodinana voalohany. 39 kosa no isan’ny judokas hifaninana amin’ny sokajy -70 kg juniors, izay nozaraina vondrona 4. Azo lazaina ho mafy ny miandry ity solontena malagasy ity. Saingy, efa nanoman-tena am-bolana maro i Laura ka vonona ny hiaro ny voninahi-pirenena. Matoky tena ihany koa izy, amin’ny maha laharana faha-4 azy maneran-tany eo min’ny sokajy juniors -70kg. Efa nisy fotoana aza nahazo ny laharana voalohany maneran-tany, teo amin’io sokajy io izy ka manantena ny hahazo vokatra tsara.
Tsiahivina fa i Laura irery no solontena malagasy miatrika ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany ity, izay notohanan’ny Federasiona iraisam-pirenenan’ny taranja judo. Noho ny vokatra tsara azony tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro no anton’izao fanampian’ny FIJ azy izao. Delegasiona miaraka amin’i Laura any an-toerana, ny filoha lefitry ny Federasiona malagasin’ny judo sy ny mpanazatra azy, Randrianintovina Arsène.
Mi.Raz
Tonga eto Madagasikara, hivory mahakasika sehatra maro, momba ny toekarena ny delegasion’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), izay tahirin’i Frédéric Lambert, lehiben’ny iraka aty Afrika sy ny solontenan’ny FMI eto Madagasikara, Kodjovi Eklou. Nandray azy ireo, ny alatsinainy maraina teo, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ireo mpiara-miasa aminy. Hifantoka betsaka amina lohahevitra mandrafitra ny andininy fahadimy ao ao anatin’ny FMI ny fivoriana hatao. Tafiditra ao anatin’izay ny « Actualisation de la viabilité de la dette, la matrice d’évaluation des risques, les bésoins en matière de capacités ». Voaresaka ihany koa ny momba ny « Diagnostic de la gouvernance sur la lutte contre la corruption, l’Impact de l’éducation sur la croissance, et Projet de déclaration de service ». Hojerena ihany koa ny mahakasika ny Facilité élargie de crédit (Fec) sy ny « Facilité pour la résilience et la durabilité (FRD) » izay tsy maintsy mifanaraka amin’ny rafitry ny fandaharanasa sy ny fampiharana ny firafitra ara-pitaovana sy ny tetibola ho an’ny taona 2025. Haharitra andro maromaro ny fivoriana ka hifarana ny 11 oktobra. Hitandahatra mandritra izany fihaonan’ny delegasion’ny Tahirimbola iraisam-pirenena izany ireo tomponandraikitra voakasika eo amin’ny sehatra isan-tsokajiny avy. Taorian’io, nandray ny talen’ny Foibem-pitondrana ankapoben’ny hetra, Germain, sy ny tale jeneralin’ny fadintseranana, Lainkana Zafivanona Ernest, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Voaresaka, nandritra izany, ny fidiram-bolan’ny fadintseranana sy ny vola miditra amin’ny hetra anatiny.
Henintsoa Hani
Hiditra lalindalina kokoa amin’ny fifanakalozana ara-barotra i Madagasikara sy Egipta ho an’ny fampiroboroboana ny indostira sy ny fampandrosoana ny firenena. Samy manana vokatra tsara kalitao ny roa tonta ka ahazoana tombontsoa ny fampiakarana ny habetsahan’ny fifanakalozana.
Vonona ny hiara-miasa hampivoatra ny famokarana eto Madagasikara ny Programme alimentaire mondial (Pam) amin’ny alalan’ny tetikasa fanovana haingana ny tontolo ambanivohitra. Hisy ny fotodrafitrasa samihafa hanatanterahina ny tetikasa sy ny famatsiam-bola mitentina 150 000 dolara amin’ny ady amin’ny valala.
Vahaolana amin’ny famatsiana herinaratra an-tanàn-dehibe ny fampiroboroboana ny angovo azo avy amin’ny masoandro. Hametrahana fitaovana hamokatra 350 MW fanampiny eto an-toerana hamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra.
Misanda 5 003,02 Ar ny euro iray, raha 4 542,33 Ar kosa ny dolara, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), omaly. Mitotongana ny sandam-bola malagasy. Tsy mifandanja ny fanondranana sy ny fanafarana entana ataon’i Madagasikara. Betsaka ny entana fototra sy solika hafarantsika izay tena hamoahana vola vahiny (devise).
Maro ny fotodrafitrasa vita any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Tanteraka izany vokatry ny fandaharanasa vatsian’ny Tahirimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed), tamin’ny alalan’ny Tantsoroka famatsiam-bola ho an’ny fambolena sy ny seha-pihariana ho an’ny rehetra (Afafi), tapany Atsimo. Misitraka izany ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Atsinanana. Anisan’ny zava-bita ny fanajariana lemaka miisa 10 sy tohodrano maro. Mahatratra 64 ny lavadrano ho an’ny rano fisotro. Eo koa ny trano fitahirizam-bokatra miisa 8. Milanja 250 taonina ny masomboly, ahitana karazany 34 nahazo fankatoavana, novokarin’ny tantsaha miisa 659. Mirefy 144 km ny lalan-tany narenina. Fiofanana sy fampitaovana. Ankoatra ireo, nisy ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy fampitaovana. Tao anatin’izany ny fanomezana moto sy ordinatera ho an’ny mpiasa ara-teknikan’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (STD), fanofanana fiompiana trondro, fampitaovana ny dokotera sy mpitsabo biby. Narenina ny ozinina mpamokatra siramamy any Mahatalaky, sns.
Njaka A.
Voaantso teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny minisitry ny Rano sy ny fahadioavana ary ny fidiovana, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, ary ny tale jeneralin’ny Jirama mahakasika ny olan’ny famatsiana herinaratra sy rano.
Voaresaka nandritra ny fivoriana vonjimaika ny tsy maintsy hitondrana vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka hamahana ny olan’ny famatsiana rano sy herinaratra amin’izao fotoana. Tafiditra tanteraka anatin’ny haintany ihany isika izao ka mampihena ny rano ampiasain’ny isan-tokantrano. « Efa nampanantena ny hitadiavana vahaolana haingana mahakasika ny zava-misy aho, antony nampiantsoko ireo tomponandraikitra handinihina ny vahaolana ho tanterahina momba ireo olana ireo », hoy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Hitohy isan-kerinandro ny fivoriana hijerena sy hanarahana ny vahaolana rehetra efa napetraka nandritra ny fivoriana natao. Tsy maintsy mitondra vahaolana ny tomponandraikitra rehefa misy ny olana fa indrindra hitondra ny filan’ny vahoaka malagasy amin’ny fiainana andavanandro, hoy hatrany ny filoha.
Tsy fahampiana
Ambany tanteraka ny tohodrano ao Andekaleka ka mahatonga ny delestazy isan’andro. Marihina fa mahatratra 300 tapitrisa litatra isan’andro ny filàna rano eto Antananarivo, raha 200 tapitrisa litatra monja ny famokarana, izany hoe, tsy ampy 100 tapitrisa litatra. Vahaolana fohy ezaka naroson’ireo tomponandraikitra ny fampitomboana ny fitsinjarana ny rano ataon’ny Jirama eny anivon’ny fokontany samihafa. Andalam-pametrahana ireo lavadrano izay hamokatra rano 20m3 isan’andro ihany koa ny fitondram-panjakana sy ny fitarihana rano avy eny Mandroseza. Miara-miasa amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro ihany koa ny Jirama hijerena ny hanaovana orana artifisialy, araka ny fivoriana nataon’ireo tomponandraikitra voakasika, ny herinandro teo. Tsiahivina fa mahatratra 30-40 MW ny fahabangana eo amin’ny famokarana herinaratra, izany hoe, 20 ka hatramin’ny 25% amin’ny filàna, izay hita fa tena ambony tokoa.
Henintsoa Hani
Mihamafy hatrany ny fahatapahan-jiro sy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Andro aman’alina ny fiandrasana laharana sy izay andehanan’ny rano eny amin’ny paompim-pokonolona. Na ireo tanàna nisitraka rano naharitra hatrizay aza lasa mijaly rano ankehitriny.
Fotoana mampirongatra ny karazan’aretina, indrindra ho an’ny sokajin’olona marefo, ny fotoan’ny hafanana migaina raha ny nambaran’ny dokotera. Atao laharam-pahamehana ny fisotroana rano matetika, ny fihinanana voankazo sy legioma. Ahena ny fihinanana menaka sy lafarinina ary ny zavatra matavy.
Mandray anjara amin’ny «Village de la Francophonie» hotanterahina ao Paris i Madagasikara manomboka anio hatramin’ny 6 oktobra ho avy izao. Fihaonana an-tampony andiany faha-19 ho an’ny Vondron’ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay, ahitana firenena 88 maneran-tany. Ireo mpianatra monina any an-toerana no hisolotena an’i Madagasikara ary hanao hetsika ara-kolontsaina sy fizahantany, entina manasongadina ny firenentsika.
Kanadianina mpampiasa maro no ho tonga
eto Madagasikara, amin’ny 16 hatramin’ny 25 novambra ho avy izao. Mikarakara ny hetsika ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana sy ny Corporation de développement économique de Victoriaville et sa région (CDEVR) ary ny HR. Pro izay mpiara-miasa amin’izy ireo. Raha misy liana amin’ny fandraisana mpiasa hankany Canada dia afaka miditra amin’ny rohy: job-ref-l08p3x9t2y@emploi.beetween.com.
«Amin’ny 12 oktobra no havoakanay ny lisitry ny biraom-pifidianana. Amin’izay no ahitana na misy fiovana na tsia». Io ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni, Rakotondrasoa Tseheno, teny Alarobia, omaly, momba ny fiatrehana fifidianana kaominaly amin’ny 11 desambra. Roa andro alohan’ny fifidianana no anomezan’ny lalàna fahefana ny Ceni hamindra biraom-pifidianana, raha misy antony manokana. Raha sanatria misy trano na sekolim-panjakana mirodana, ohatra: azony atao ny manova na mamindra azy roa andro mialoha ny fifidianana. Notsiahiviny fa 700 farafahabeny ny isan’ny mpifidy amin’ny biraom-pifidianana iray. Ny Ceni no mahita izay farany vitsy: 20 sa 100 sa 200… ? Tsy mbola navoaka ofisialy aloha izay. Tsy tokony hiova fa toy ny tamin’ny fifidianana depiote ny isan’ny biraom-pifidianacnamiisa 28 124. Ho hita eo ihany ny fanampiana biraom-pifidianana, raha misy ny fangatahana. Lalan-tsain’ny Ceni ny hoe efa ampy ny isan’ny biraom-pifidianna teo aloha. Mifanaraka hatrany amin’ny lalàna ny fizarana azy eny amin’ny tanàna.
Misy kandidà avokoa ny kaominina rehetra 1 695 manerana an’i Madagasikara. Nefa misy ny kaominina tsy misy mpifaninana fa kandidà tokana. Eo amin’ny 80 eo izay. Tsy mbola ofisialy izay, fa mbola misy ny fifanolanana eny amin’ny Ceni. Misy fiovana kosa ny kaominina: ny distrikan’Antanimora, kaominina teo aloha, natao distrika tamin’ny fifidianana depiote teo. Miova izany ny isana kaominina amin’io distrika io amin’ izao fifidianana ben’ny Tanàna izao.
R. Nd.
Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny lisitr’ireo mpikatroka hifantenana hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu breziliana “World Championship”. Fifaninanana izay hatao any Abu Dhabi, ny 6 hatramin’ ny 16 novambra izao. Mpikatroka 24 no voaantso amin’ izany ary hiatrika fampivondronana voalohany ny alarobia 2 oktobra izao, araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Jiu-jitsu breziliana. Eny amin’ny Dojo Chekmat Madagascar Antaninandro no hanatanterahina io fampivondronana io. Natao iray volana mialoha mihitsy, araka izany, ny fampivondronana. Tanjona ny hahafahana manomana tsara ireo atleta malagasy. Eo koa ny hahazo vokatra tsara mandritra ity fifaninanana maneran-tany ity. Nomarihin’ ny federasiona fa misy atleta 8 vonona hianto-tena saingy miaraka miatrika fampivondronana avokoa izy 24 mianadahy. Eo an-dalam-pitadiavana mpanohana kosa ny federasiona sy ireo atleta hanampy azy ireo hiatrika ity fifaninanana goavana ity. Tsiahivina fa tamin’ny alalan’ireo fifaninanana natao teto an-toerana hatramin’izay no nahafahana nisafidy ireto mpikatroka havondrona ireto.
Mi.Raz
Ireo hiatrika fampivondronana
Andy (Checkmat), Zo Aina (Guerreros), Tsinjo (One Tribe), Nofy (Checkmat), Diary (Southside), Fifaliana (One Tribe), Tafita (Guerreros), Bryan (Check-mat), Mikaia (Southside), Yusha (Attila), Jeremia (Combat Club), Voady (Guerreros), Mathieu (Estrela), Saïda (Southside), François (BJJ Esca), Avotra (One Tribe).
Mianto-tena: Willy (Checkmat), Chafik (Checkmat), Nomasy (Checkmat), Aiky (Checkmat), Tsiresy (Checkmat), Adriano (Guerreros), Christian (Guerreros), Tsivery (Guerreros).
Ny 11 oktobra ho avy izao no hiatrika ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025” hatao any Maroc indray i Madagasikara. Ny ekipam-pirenen’i Gambie no hifanandrina amin’ny Barea de Madagascar amin’izany. Lalao izay hatao any Maroc. Efa manatanteraka fampivondronana etsy Mahamasina ny mpanazatran’ny ekipa, ny Coach Rôrô.
Nahita vokatra tsara ny klioban’ny 3FB, ny alahady lasa teo, nandritra ny andro fahafiton’ny
fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, federaly I. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 39 no ho 20 ny klioban’ny TFA Anatihazo. Ankoatra izay, nomontsanin’ny FTM Manjakaray, 86 no ho 18, ny ekipan’ny UASC.
Hotontosaina anio ny andro faharoan’ny
fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions 2025”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonan’ny Arsenal, klioba anglisy, sy ny Paris Saint Germain, avy any France. Hampiantrano ity fifanandrinana ity ny Arsenal FC.
Hitohy anio ny fifaninanana N1A, taranja basikety, rehefa naka aina kely omaly. Hisantatra ny lalao ny SBC sy ny MBC eo amin’ny lehilahy, ny Fandrefiala sy ny MB2ALL kosa ho an’ny sokajy vehivavy.
Tonga nitsidika ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Ambohijatovo, ny Consul honoraire an’i Sénégal eto Madagasikara, Souleymane Diagne. Nifampiresahana ny fampivoarana ny fanatanjahantena sy ny tanora eto Madagasikara ka hisy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Sénégal momba izany. Araka ny vaovao voaray, omaly, manana vina hanangana ivontoeram-piofanana ara-panatanjahantena na “Centre sport étude” lehibe eto Madagasikara i Sénégal. « Hitady toerana hanaovana io tetikasa io isika na hanavao ireo ivontoerana izay efa mitsangana eto Madagasikara. Hanangana ny kaomisionina hisahana izany manokana izahay », hoy ny minisitry ny MJS. Ankoatra izay, nilaza ity Consul senegaley ity fa hifampiresaka amin’ny Federasiona misahana ny baolina kitra any Sénégal, mba hahafahan’ny ekipam-pirenena Barea de Madagasikara manao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa nasionalin’izy ireo. Hotontosaina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina izany, amin’ny taona ho avy io, raha mahazo fankatoavana avy amin’ny Caf ny kianja.
F.R
Niavaka ny vokatra azon’ny Malagasy tamin’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “ITF Tennis World Tour Junior J30”. Nahazo amboara telo i Madagasikara ka ny roa tamin’ireo norombahin-dRakotomalala Mahefa avokoa.
Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ ny Club Olympique de Tananarive (COT), ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “ITF Tennis Tour Junior J30”. Tsy nitsanga-menatra ireo Malagasy mpilalao satria nandrombaka amboara telo. Anisan’ny niavaka tamin’izany ny zava-bitan-dRakotomalala Mahefa izay nanao pao-droa.
Norombahiny ny teo amin’ ny olon-tokana sy ny olon-droa miaraka, lehilahy. Adin’ny samy Malagasy ny famaranana teo amin’ny olon-tokana, izay nifanandrinany tamin’Andriantefihasina Mirija. Nampiseho endri-dalao nahafinaritra izy mirahalahy ary tena mendrika ny lantana lalao famaranana ny fihaonana. Nisaraka tamin’ny seta 2 no ho 1 ny lalaon’izy ireo. Lasan’i Mirija ny seta voalohany, 6/2 avy eo tsy namelan’i Mahefa raha tsy azony ny seta roa manaraka, izay niafara tamin’ ny (6/3; 6/4).
Mbola norombahin-dRakotomalala Mahefa ihany koa ny medaly volamena ho an’ny olon-droa, niarahany tamin’i Mirija. Resin’izy mirahalahy tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1; 6/0), ireo teratany Indianina, i Megh Patel Maulik sy i Tanay Mukesh Sharma. Tsy niady mihitsy ny lalao fa nataon’ireo Malagasy tsy nisotro rano mihitsy ry zalahy.
Ho an’ny sokajy vehivavy, voahosotra ho tompondaka teo amin’ny olon-droa ihany koa Andriantefihasina Elisoa sy ilay italianina, i Nicole Ballotta, rehefa nandavo ireo afrikanina tatsimo, i Dube Lea sy i Nikilitha Ndungane. Seta roa (6/3; 6/3), no nibatan-dry Elisoa ny amboara. Tompondaka lefitra i Elisoa teo amin’ny lalao ho an’ olon-tokana, rehefa niondrika teo anatrehan’ilay afrikanina tatsimo, i Roxy Bredenkamp, teo amin’ny famaranana.
Torcelin
Un malaise profond au sein de l’opposition. La candidature d’un des ténors de l’opposition à la tête de la région Boeny a mis en lumière les difficultés traversées par un groupement qui peine à rassembler autour d’une idéologie commune. Ce ne sera donc pas demain que les hommes politiques se réuniront autour d’un idéal. Loin de là. En effet, la candidature de Rivo Rakotovao, qui se rabat sur la mairie de Mahajanga, faute d’envergure nationale, n’a pas fait l’unanimité dans son propre camp. Il suffisait donc d’attendre les élections communales pour que les vieux démons de la politique politicienne refassent surface.
Il s’agit pourtant du camp de ceux qui ont tout fait pour que les dernières élections présidentielles n’aient pas lieu. Eh bien, sans surprise, les rassemblements dans ces circonstances particulières n’étaient que de façade. Et pourtant, il ne s’agit même pas d’être candidat pour la ville de Mahajanga. Loin de minimiser l’importance de ce qui devrait être le rôle du premier magistrat de la cité des fleurs, il est difficile d’imaginer comment il pourra ensuite bénéficier d’une aura nationale. Certes, sur le plan politique, il pourra jouer cette carte pour se refaire une virginité, mais au niveau national, cela est loin d’être un tremplin.
En tout cas, si l’on en croit les chiffres fournis par la CENI, en ce qui concerne les candidatures aux communales, une grande partie des circonscriptions électorales ne compte qu’une seule candidature. En effet, il est indiqué que sur les 1.695 communes, près de 157 n’ont qu’un seul candidat en lice pour les élections du 11 décembre. Jusqu’ici, l’opposition n’est présente que dans quelques communes, notamment les chefs-lieux de provinces, y compris la capitale. Et cette dernière est malheureusement devenue un théâtre d’affrontements qui risque, une fois de plus, de perdurer avec les élections à venir, au détriment des intérêts de la ville, sauf si les électeurs décident autrement.
Rakoto
Face aux problèmes énergétiques et de coupures d’eau que traverse le pays, le président de la République, Andry Rajoelina, propose des solutions à court et à long terme pour y remédier. Hier, lors de son intervention sur la chaîne nationale malgache (TVM), le Chef de l’Etat, Andry Rajoelina, a reconnu les problèmes de la Jirama et a proposé des solutions pour rassurer la population.
La forte densité de la population à Antananarivo, la saison de sécheresse actuelle, les constructions illicites et la vétusté des infrastructures de la Jirama sont les principaux facteurs de cette coupure d’eau et d’électricité. Le besoin en eau de la population desservie par la Jirama est de 300 millions de litres par jour, tandis que la production actuelle n’est que de 200 millions de litres. Concernant l’énergie, la vente à perte de 500 ariary par kilowatt est l’un des principaux problèmes, et les besoins augmentent de plus en plus.
A court terme
Le président de la République a promis de porter une attention particulière à ces problèmes en proposant des solutions. Concernant l’eau, il a souligné l’importance de prioriser la distribution d’eau en bonbonnes à la population. Une augmentation urgente de la capacité de la station de pompage de Mandroseza est également prévue pour augmenter la pression de l’eau.
Pour l’électrification, un parc solaire fournissant 100 MW supplémentaires pour Tana Ville sera opérationnel dans un an au maximum, et les autres provinces bénéficieront chacune de 200 MW supplémentaires pour augmenter leur puissance. 47 districts bénéficieront également de 50 MW chacun.
Pendant le pic de consommation, de 17 heures à 21 heures, le président a promis l’utilisation de grands groupes thermiques, malgré le coût élevé de 200 millions d’ariary pour une durée de quatre heures.
Perspectives durables
La multiplication des forages dans les fokontany est en cours de préparation, avec un objectif de 35 ou plus pour constituer une réserve d’eau importante, surtout pendant la saison sèche. Le projet de Madagascar inclut également un système de traitement conteneurisé pour le traitement des eaux usées, afin de subvenir aux besoins des régions éloignées ou pour stocker l’eau.
Le grand projet de Tana water III concernant l’alimentation en eau potable d’Antananarivo, le projet consiste à augmenter la capacité de production des usines d’eau potable, des ouvrages de transfert et du réseau de distribution ainsi qu’à remplacer les conduites vétustes. Le projet desservira environ 1.250.000 habitants. 105 km de réseau doivent être remplacés dû aux vieillissements de l’infrastructure.
Le “Tana Water III” est un grand projet visant à améliorer l’alimentation en eau potable d’Antananarivo. Il comprend l’augmentation de la capacité de production des usines, la modernisation des infrastructures de transfert et de distribution (105 km de réseau doivent être renouvelés en raison du vieillissement des infrastructures), ainsi que le remplacement des conduites vétustes et des nappes phréatiques allant de 75km. Ce projet réglerait définitivement le problème d’eaux à Antananarivo.
Pour une indépendance énergétique, l’Etat prévoit une installation de barrage hydroélectrique donnant jusqu’à 1000 MW pour les 4 ans à venir. “Volibe, Antetezambato, Sahofika, Mandraka, Ranomafana” sont les barrages potentiels pour atteindre ce grand projet.
Annuellement, une somme avoisinant les 250 millions de dollars est financée de l’Etat pour combler la perte de la Jirama, « Si on investit cette somme pharaonique dans les parcs solaires, nous pouvons être l’un des meilleurs vitrine de l’Afrique sur l’utilisation de l’énergie dans les années à venir » a expliqué le président de la République.
MRS
Tontosa ny sabotsy 28 septambra 2024, teny amin’ny Kianja Analamaitso Analamahitsy, ny fampisehoana «Metal Madness Legends». Fampisehoana nankafizana gadona metaly rano iray izy ity, niarahana tamin’ireo tarika mivoy izany gadona izay. Anisan’izany ny Kazar, Apost, Egraygore ary Seth on fire. Fahombiazana no azo ilazana ity fampisehoana nokarakarain’ny Oz Rekordz ity. Sambany mantsy no nisy fampiraisana sehatra tarika efatra manana ny maha izy azy teo amin’ny tontolon’ny metaly. Mitohy ny dia ary efa eo am-panomanana ilay hetsika anisan’ny lehibe eo amin’ny tontolon’ny gadona metaly malagasy ireo mpikarakara.
Ambohipihaonan’ny mpankafy gadona metaly, ny tetsy amin’ny Kianja Analamaitso Analamahitsy, nandritra ilay lamesa lehibe «Metal Madness Legends». Re nandritra ny fampisehoana ireo hira nanamarika ny gadona metaly nanomboka ny taona 1990 tany ho any hatramin’izao. Nasongadina manokana ny tarika Kazar. Izy ireo izay anisan’ny namakilay ny gadona metaly teto Madagasikara. Nanome tsiro ny fampisehoana ny fahaizan’i Milon miangaly ny gitarany. Nanampy tosika izany ihany koa ry Lalah sy ireo mpikambana nandrafitra ny tarika. Tsy ambakan’izany ihany kosa anefa ny an’ireo tarika hafa.
Maro mpankafy ary manana ny maha izy azy ny gadona metaly eto Madagasikara na dia tsy faheno sy tsy malaza be sahala amin’ny gadona hafa aza. Mipetraka hatrany ihany koa ny maha kanto ny gadona, noho izy mitaiza sy manabe, indrindra amin’ny alalan’ny lahatsoratra sy ny tononkira.
Lin