VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 09/23/2024 - 07:50

Eo anelanelan’ny 6%-9% ny fiakaran’ny vidim-piainana mandritra ity volana septambra ity, araka ny vinavinan’ny roa ampahatelon’ny banky eto Mada­ga­sikara. Vinavinain’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) fa ho 8% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainaa amin’ity taona ity, noho ny fiantraikan’ny vidin-tsolika, ny tahan’ ny fifanakalozana vola vahiny ary ny mety ho fiakaran’ ny vidim-piainana mandritra ny volana desambra

Mahatratra 250 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka amin’ny fiankinandoha amin’ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny solika. 1 200Ar (25 cents) ny vidin’ny famokarana nefa amidy 10 cents. Namory 431 tapitrisa Dolara hanatsarana ny fampia­sana angovo maoderina ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ka manohana ny fampiasam-bola amin’ny angovo azo avy amin’ny rano, amin’ny alalan’ny tetikasa Sahofika sy Volobe.

Voaresaka ny tetikasa fanodinana fako avy amin’ny indostria hahazoana Ethanol, ny tantsoroka amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ary koa ny fampanarahana fenitra ny asa eny anivon’ny indostria ho antoka amin’ny fidiran’ny vokatry ny indostria eto Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ireo no votoatin’ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny solontena maharitry ny Onudi eto Madagasikara.

Catégories: National

injenera vaovao 97: hitondra ny anjara birikiny

Les Nouvelles - lun, 09/23/2024 - 07:50

Miampy 97 indray ireo injenera navoaka’ny Sekoly am­bony momba ny hay famokarana sy ny Zava-boary (ESSA) eny anivon’ny Oniversiten’An­tananarivo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ireo andiany « Andrarangy, Mahasedra ». Vondrona manam-pahaizana sy hitondra ny an­jara birikiny amin’ny fampandrosoana ny famokarana. Matoky, araka izany, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana fa vonona hanolo-tanana, hanarina sy hampandroso ny famokarana eto amin’ny firenena ireto tanora ireto, izay hiankinan’ny fiainan’ny 70% ireo mponina eto Mada­ga­sikara.

Famokarana

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiantohana ny hoavin’ny famokarana eto Madagasikara ireo tanora injenera mivoaka eny amin’ny ESSA. Midadasika sy mbola ahitana sehatra maro azo trandrahina ny faritra ambanivohitra raha ny eto amin’ny firenena izay ivon’ny fanamby miandry ireo injenera vaovao miisa 97. Ireto farany izay vo­nona ny hiatrika ny fanamby amin’ny famokarana sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’i Madagasikara. Araka izany, andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny fananan’ ireo injenera fahaiza-manao sy fahalalana amin’ny sehatry ny famokarana maharitra. Na izany aza, ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hanolotra vahaolana maharitra sy maharaka ny fanamby goavana mitranga eto amin’ny firenena.

Henintsoa H.

Catégories: National

Ankazobe : may ny manodidina ny alan’Ambohitantely

Les Nouvelles - lun, 09/23/2024 - 07:49

Niredareda ny afo, omaly, manodidina ny tahirin’ala Ambo­hitantely, distrika Ankazobe. Tonga hatrany amin’ny sisin’arabe ny afo ka sarotra ny fifamezivezena, araka ny loharanom-baovao any an-toerana. Maty tanteraka kosa ny afo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Foibem-pirenena fanofanana teknisian’ny ala (CNFTF) Angavokely.
Tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoan’ny haintany isika izao, fotoana mampirongatra ihany koa ny doro tanety. Antony voalohany manimba ny tontolo iainana ny doro tanety ataon’ny olombelona izay mifototra amintsika ihany.
Tsiahivina fa nirehitra nanomboka ny alatsinainy 9 septambra teo ihany koa ny tahirin’ala eny Angavokely, distrika Manjakandriana. Nafana ny andro, nitsoaka ny rivotra ka nananosarotra ny namonoana azy. Niisa 27 ny lohan’afo hita ary tombananana fa mety niniana natao ity tranga niseho tao Angavokely ity.
Marihina fa nihetsika daholo ny fokonolona sy ny komitin’ ny ala sy ny tontolo iainana ary ny mpiofana sy ny mpiasa ao CNFTF.

Henintsoa H.

Catégories: National

Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana : nanome 67 tapitrisa dolara an’i Madagasikara

Les Nouvelles - lun, 09/23/2024 - 07:49

Mitentina 67 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola nomen’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) an’i Madagasikara ho fampandrosoana ny firenena sy ho fampiroboroboana ny toekarena.

Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Bad, ny zoma teo, ny fanomezana tohana ara-bola hatrany amin’ny 67 tapitrisa dolara na 50 tapitrisa DTS an’i Madagasikara, ho amin’ity taona ity. Ampahany voalohany amin’ilay fanam­piana mitentina 100 tapitrisa dolara ho an’ny firenena Mala­gasy izy io. Andrasana amin’ ny taona ho avy kosa ny tapany faharoa amin’izany.
Natao ho an’ny fampandehanan-draharaham-panja­kana, izay tafiditra ao anatin’ ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR) ho amin’ny taona 2024 ity azo ity. « Misy fepetra takina ny fahazoana ny fanohanana, tafiditra ao ana­tin’izay ny fanolorana drafi-panarenana ny Jirama », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabari­nirinarison Rindra Hasimbelo. Na izany aza, natao hamatsiam-bola sy hampiroboroboana ny toekarena eto Mada­gasikara ny fanampiana voaray, araka ny fifanarahan’ireo tomponandraiki-panjakana sy ny Bad. Tafiditra ao anatin’ izany ny sehatry ny angovo, ny miralenta ary ny tontolo iainana.

Fanohanana
Voalaza ao anatin’ny LFR 2024 fa mbola hisitraka tohana ara-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ihany koa i Madagasikara. Noho izany, manantena ny fankatoavan’ny filankevi-pitantanan’ny Bretton Woods ny hahazoantsika fa­nampiana mitentina 100 tapitrisa dolara hanohanana ny politikam-pampandrosoana an’i Madagasikara. Kendrena ao anatin’izay ny fitantanana mangarahara, ny « stabilité macro-budgétaire », ny fifaninanana eo amin’ny tsenam­baro-panjakana, ny fitanta­nana eo amin’ny sehatry ny angovo, ny fifandraisam-davitra ary ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany.

Henintsoa Hani

Catégories: National

Ambiance Chauffeur et Receveur de Taxibe

Les Nouvelles - sam, 09/21/2024 - 18:02

Catégories: National

“Miss Madagascar” : maro ireo fanatsarana entina

Les Nouvelles - sam, 09/21/2024 - 08:12

“177 ny mpifaninana maneran-tany, ka azo lazaina fa efa tsara toerana ihany i Madagasikara nandritra ny Miss Monde farany teo. Na izany aza, ezahina mba ho tafakatra ambonimbony kokoa ny naoty rehetra”, hoy ny nambaran’i Nicha, filoha lefitry komity mpikarakara ny “Miss Madagascar”. Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, nilazan’izy ireo ny andinindininy rehetra momba ny fifaninanana izay ho “Miss Madagascar” andaniny, sy izay miandry ny lany eo amin’ny “Miss Monde”.
“Anisan’ireo hatsaraina ny lafiny fitafiana satria hifaninanana koa ny “world designer”. Efa manana ny mpampiakanjo azy ny mpifaninana isam-paritra, ka hanaraka izay lany eo ny azy. Eo koa ny fanaovana ireo Challenges rehetra miandry any amin’ny “Miss Monde”: “Beauty purpose”, fanatanjahantena, fahaiza-miaina, sns. “Tsy ny volo sy ny tarehy loatra no hahalany azy fa hoe iza marina izy any anatiny any? Hamolavola azy ireo amin’izay tokony ho fantany rehetra ireo coachs ireo”, hoy ry zareo avy ao amin’ny Komity mpikarakara.
Ny 23 hatramin’ny 28 septambra izao no hiditra ny trano manokana hiofanany ireo tovovavy miisa 19, hifaninana. Ho fantatra amin’io 28 septambra io, etsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka kosa izay hisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Madagascar”.

Zo ny Aina

Catégories: National

Fondation H Ambatomena : niavaka sy tsy nanam-paharoa ny « Injay ! »

Les Nouvelles - sam, 09/21/2024 - 08:11

Andrarezin’ny teatra sy haisoratra ary mozika no niray sehatra nanolotra seho iray ho an’ny mpankafy zavakanto teny amin’ny Fondation H Ambatomena. Seho tena kanto no natolotr’izy ireo ho an’ny mpankafy azy, izay nahafa-po tanteraka ny mpijery.

Tontosa omaly, teny amin’ ny Fondation H Amba­tomena, ny seho «Injay !», niarahana tamin’i Fanja Andriamamantena sy Michèle Rakotoson ary Chris­tiane Ramanantsoa. Seho sy dinika ary fifampizarana niarahana tamin’ireto mpanakanto, samy manana ny maha izy azy, ireto no nandravaka ny Fondation H, omaly. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny famaranana ny dingana faharoa amin’ny fampirantiana « Memoria: récits d’une autre Histoire ». Tonga maro nianoka izany fampisehoana tsy manam-paharoa izany ny mpankafy zavakanto isan-karazany. Ankoatra ny fampitambarana ireto andriambavilanitra andrarezin’ny kanto malagasy ireto, tanjon’ny hetsika koa ny fanomezana se­hatra ireo Malagasy mpanakanto isan-tsokajiny.
Fampisehoana anisan’ny niandrasan’ny maro ny « Injay ! » niarahana tamin’i Fanja Andriamamantena sy Michèle Rakotoson ary Chris­tiane Ramanantsoa. Tao anatin’izany no nahitana seho an-tsehatra notontosain’i Chris­tiane Ramanantsoa, noravahina ny antsa haisoratra nosoratan’i Michèle Rakotoson, laroina ny hiran’i Fanja Andria­manantena. Nandritra izany fotoana izany ihany koa no nahafahan’ireo mpankafy nitafa tamin’ireto andrarezin’ny zavakanto malagasy ireto sy niresahina mahakasika ny fiaimpiainan’ny zavakanto malagasy ankehitriny.
Anisan’ny fanamby sy vinan’ny Fondation H, ny fa­nomezana sehatra ireo mpanakanto maro samihafa. Porofon’izany izao fampiraisana sehatra an’i Fanja Andria­mamantena sy Michèle Rako­toson ary Christiane Rama­nan­tsoa izao. Hitohy ny ezaka ary tsy miova ny tanjona, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Fondation H. Antenaina, araka izany, ny mety ahitana mpanakanto samy andrarezin’ny kanto ma­lagasy hiray sehatra eny an-toerana aorian’izao.

Lin

Catégories: National

Faribolana Sandratra 35 taona :15 hiatrika famaranana antsa tononkalo

Les Nouvelles - sam, 09/21/2024 - 08:11

“Andeha isika hamorona olona tahaka antsika”… Io ny lohahevitra amin’ilay fifaninanana karakarain’ny Faribolana Sandratra, tafiditra anaty fanamarihana ny faha-35 taona nijoroany. Hiatrika famaranana amin’ny fiantsana tononkalo ireo 15 mianadahy tafakatra tamin’ny fifaninanana andiany voalohany, tetsy amin’ny CGM Analakely, ny volana aogositra lasa teo. Tsiahivina fa tsy ao anaty Faribolana Sandratra ireo mpifaninana. Ny asa soratr’ireo « mpiraifaribolana », anefa, no masontsivana velomin’izy ireo.
Nahatratra 26 ireo nifaninana ka ny 15 no hiatrika ny dingana famaranana izay hotanterahina etsy amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM) Analakely, ny 28 septambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. “Ho fampiroboroboana ny literatiora hatrany ny tanjon’ny Fari­bolana Sandratra, manandratra ny teny malagasy ary misokatra amin’ny fiara-miasa hatrany izahay…” hoy i Nari­lala, poeta, anisan’ireo komity mpikarakara ity hetsika ity ao amin’ny Faribolana Sandratra.
Mpitsara matihanina sy manana ny toerany eo amin’ny sehatry ny haisoratra no hitsara ireo mpifaninana. Hisy mpanakanto hanafana ny sehatra, toa an-dry Serge Gpe. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ny hetsika.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Fampiroboroboana ny indostria : miara-miasa ny SIM sy ny fanjakana

Les Nouvelles - sam, 09/21/2024 - 08:10

Vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny indostria ny Sendi­kan’ny indostria eto Madaga­sikara (SIM). Nifampidinika ny lalan-tsaina hampandrosoana ny sehatry ny indostria eto amin­tsika ny minisitry ny Fampiro­boroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana (Mic), Ralambofiringa David, sy ny filohan’ny SIM, Rasamimanana Tiana, nandritra ny fihaonany tetsy Ambohidahy, ny alarobia teo. Voaresaka, nandritra izany, ny fisokafana amin’ny sehatra tsy miankina ahafahana mampitombo ny anjara biriky entin’ ny indostria amin’ny harin-karena faobe. Fantatra, misy sokajy telo ny indosria eto Ma­dagasikara, eo ny milina na ozinina madinidinika « One District One Factory (odof) hampandrosoana ny faritra. Eo ihany koa ny indostria antonontonony ary ireo indostria vaventy mpamokatra siramamy, menaka, simenitra sns. “Ny voalohany dia ny fampihodinanana ireo indostria efa misy sy ny fijerena ny rojom-pihariana. Mila mamokatra akora fototra eto an-toerana aloha satria hiha hahantra ihany ny firenena raha sanatria tapitra aondrana avokoa ireo akora fototra ireo”, hoy ny minisitra.

Paikady
Nitondra ny zava-misy iainan’ireo mpandraharaha amin’ ny fampihodinana ny indostria ireo mpikambana eo anivon’ny SIM. Ilaina, araka izany, ny manana paikady voarafitra miainga amin’ny atontanisa marina ny fampiroboroboana ny indostria izay iarahana manatanteraka amin’ny sehatra tsy miankina. Ankoatra izay, hiara-miasa amin’ny minisitera hafa ny Mic hanatrarana ny tanjona.

Henintsoa H.

Catégories: National

Elections communales: la Ceni allège les dossiers de candidature

Les Nouvelles - sam, 09/21/2024 - 07:47

Une semaine avant la date limite de dépôt de candida­tures aux élections communales ce 26 septembre, la Ceni a proposé au gouvernement d’alléger les dossiers de candidatures en retirant de la liste une des pièces exigées, le certificat de nationalité. Le Conseil du gouvernement a adopté un décret allant dans ce sens.
Bonne nouvelle pour les candidats aux élections communales. Le certificat de nationalité est rayé de la liste de dossiers exigés. Suite à la demande de la Ceni et vu les difficultés rencontrées par le candidat, à obtenir cette pièce, « la décision a été prise mercredi en Conseil du Gouvernement compte-tenu de l’évolution de la situation », a indiqué la ministre de la Com­mu­nication et de la culture (MCC), Volamiranty Donna Mara.
« Le certificat de nationalité n’est plus exigé pour compléter le dossier de candidature. La liste des pièces à fournir est ainsi celle indiquée dans le texte électoral de 2014 », a indiqué pour sa part, le rapporteur général de la Ceni, Soava Andriamarotafika hier. Ce texte n’exige pas l’obtention d’un certificat de nationalité dans les dossiers requis.
Malgré cela, le casier judiciaire et le certificat fiscal, figurent encore dans le registre, mais si leur obtention relève aussi d’un parcours de combattant, notamment en termes de délais. Le ministère de la Justice a déjà réagi en allongeant le délai de réception des demandes tous les jours de 9 à 16h même les weekends. Les candidats devront également justifier le paiement de la caution, une déclaration de leur biens, sans oublier de fournir une copie de naissance, leur Carte nationale d’identité, ou encore sa carte d’électeur.
A noter que le pays compte 1.695 communes dont moins de 15% seulement ont déjà enregistré de candidatures.

T.N

Catégories: National

Lettre d’engagement de paiement, signée par Marc Ravalomanana: Me Hanitra reconnait son existence

Les Nouvelles - sam, 09/21/2024 - 07:47

Alors que l’opposition a jusqu’à présent toujours nié l’existence d’une lettre d’engagement de paiement d’impôt, signée par Marc Ravalomanana en 2018, la députée Hanitra Razafimanantsoa a reconnu hier que l’ancien président a bel et bien signé cette fameuse lettre. C’est la confusion totale au sein de la plateforme Firai­san­kina.

Fini les tergiversations. En 2018, Marc Ravalo­manana s’est engagé auprès du fisc, à régler ses arriérés d’impôt, pour pouvoir se porter candidat aux élections présidentielles. L’élue du Tim dans le IIIe arrondissement, Hanitra Razafimanantsoa, l’a con­firmé hier auprès du conseil d’Etat à Anosy, lors de la déposition d’une requête en annulation de la décision de la Ceni, à l’encontre du candidat du Firaisankina, Marc Ravalomanana.
Selon ses explications, « la lettre prévoit effectivement que Marc Ravalomanana accepte de payer ses arriérés ». Ce­pendant, le concerné n’est pas tenu de s’y confirmer qu’ après « apurement des voies de recours ». Tel serait alors le contenu de la lettre d’engagement.
« Cela ne signifie pas que Marc Ravalomanana procèdera immédiatement au règlement de ses arriérés fiscaux, mais utilisera d’abord toutes les voies de recours en sa possession », a-t-elle précisé. D’ailleurs, une procédure serait déjà en cours auprès du Centre fiscal d’après Me Hanitra Raza­fimanantsoa.
« Il n’y a pas de délai de recours. Cela implique que personne ne peut limiter la procédure qui dépendra totalement du rythme de l’administration et de la Justice », a-t-elle souligné. La députée défend ainsi Marc Ravalomanana en indiquant qu’il n’est également pas tenu de procéder au règlement des impôts de la société mais « uniquement de sa propre personne ».
Cette déclaration contredit toutefois les dires du SG du Tim, Rina Randriamasinoro qui a, à maintes reprises, contesté l’inexistence de cette lettre. « Si cette lettre existe, que le Centre fiscal la publie pour que tout le monde puisse la voir », avait-il indiqué cette semaine dès l’annonce de la ministre de l’Economie et des Finances sur le non octroi du certificat de régularité fiscal du candidat. La confusion règne au sein du Firaisankina car au final, il s’avère que les raisons du rejet de la candidature de Marc Ravalomanana, avancées par l’Ovec et la Ceni, sont fondées.

T.N

Catégories: National

Assainissement de la capitale: la PDS et le Préfet au même diapason

Les Nouvelles - sam, 09/21/2024 - 07:46

La nouvelle PDS d’Antananarivo, Harilala Ramanantsoa a rendu une visite de courtoisie au préfet de la capitale, le Général Angelo Ravelonarivo, hier à Tsimbazaza. L’assai­nissement de la ville a été au centre de leur discussion.
«Cela fait 3 semaines que j’ai été nommée PDS et je ne peux que constater la gabegie qui règne dans la Capitale», a déclaré la PDS. Raison d’ailleurs de sa nomination. «Les priorités à présent sont la sécurité, l’hygiène et la propreté, les infrastructures et la circulation», a-t-elle souligné. Pour y parvenir, la PDS entend miser sur la transparence en assurant la rentrée d’argent dans les caisses de la commune, principale source de revenus pour réaliser les différents projets.
Pour sa part, le préfet Angelo Ravelonarivo s’est montré rassurant. «Nous allons aider la PDS dans ses missions, pour faciliter le développement de la ville», a-t-il indiqué.

T.N

Catégories: National

Nouveaux sortants de l’Eniap: « La nation attend beaucoup de vous », dixit le PM

Les Nouvelles - sam, 09/21/2024 - 07:46

Célébration du vingtième anniversaire de l’Ecole nationale des inspecteurs et agents de police (Eniap) An­tsirabe, inauguration d’in­frastructures et sortie officielle de la promotion San­dratra. Cette triple cérémonie a été conduite par le Premier ministre Christian Ntsay qui a adressé un message fort aux nouveaux sortants de l’Eniap et à l’ensemble des éléments des Forces de défense et de sécurité.
«Cette prestigieuse école de police a formé plusieurs milliers de policiers depuis 20 ans maintenant. C’est un grand pas en avant dans la mise en place d’une paix du­rable et une sécurité pé­renne et il faut la féliciter pour cela mais des efforts con­tinus restent nécessaires. Je m’adresse spécialement à vous, les 1217 élèves inspecteurs et élèves agents de police. La population et le pays attendent beaucoup de vous. Vous êtes formés pour les pro­téger», a déclaré le Pre­mier ministre dans son discours.
Il a également rappelé que, d’ici peu, le pays se rendra aux urnes. «C’est une période charnière dans la vie de chaque Malgache et celle du pays. Vous, les nouveaux sortants, tout comme les autres éléments des FDS, vous avez la mission sacrée d’assurer le bon déroulement de ces élections», a-t-il ajouté avant de préciser que «L’in­sécurité ne nous mènera nulle part».
Le ministre de la Sécurité publique, le Contrôleur général de police Herilala Rakotoarimanana, a quant à lui félicité les 220 élèves inspecteurs et les 997 élèves agents de police. «Vous êtes actuellement membres à part entière de la grande famille de la police nationale. Soyez-en fiers. Restez professionnels et intègres. N’oubliez pas que nous sommes redevables envers la société», a-t-il lancé.
Avant la cérémonie de sortie de promotion, le Pre­mier ministre a inauguré trois nouveaux bâtiments qui serviront respectivement de salle de cours, dortoir et réfectoire pour les stagiaires de l’Eniap.

Mparany

Catégories: National

Processus électoral en marche: le gouvernement met en garde les fauteurs de troubles

Les Nouvelles - sam, 09/21/2024 - 07:45

Le processus électoral est en marche. Madagascar s’achemine vers les élections communales et municipales du 11 décembre. Dans moins d’une semaine, le dépôt des candidatures sera clôturé, annonçant prochainement le début de la campagne électorale. De son côté, le Gouvernement est à pied d’œuvre pour relever le défi de l’organisation et la sécurisation du scrutin. A ce sujet, il fait ainsi appel à la sagesse du pays et a lancé une mise en garde aux fauteurs de troubles durant tout le processus.

«Le gouvernement a tout mis en œuvre pour organiser des élections libres, transparentes, avant, pendant et après», a déclaré la ministre de la Communication et de la culture (MCC) Vola­miranty Donna Mara, hier à Anosy.
D’après elle, il est primordial d’instaurer un climat propice au bon déroulement des élections. Dans cette optique, l’Etat ainsi que les organes électoraux multiplient les concertations pour atteindre les objectifs fixés. C’est pourquoi, «le Gouver­nement lance une mise en garde à quiconque chercherait à porter atteinte à au bon déroulement des scrutins ou à créer des troubles», a-t-elle précisé.
«Toutes les mesures ont déjà été prises pour garantir la tenue de ces élections dans un climat favorable et apaisé», a-t-elle poursuivi. La MCC estime alors que rien ne devrait plus entraver la bonne marche des élections.

Manifestation autorisée à Tanjombato
De son côté, après la manifestation avortée au Magro Behoririka la semaine dernière, l’opposition dirigée par Marc Ravaloman­ana, entend organiser un grand rassemblement ce jour, pour dénoncer la décision de l’Ovec et de la Ceni, de rejeter la candidature de Marc Ravalomanana.
Questionné à ce sujet, le préfet d’Antananarivo, Angelo Ravelonarivo a indiqué que le rassemblement a été autorisé. «Il n’y a aucune raison à ce qu’elle ne soit pas accordée puisqu’il s’agit d’un endroit sûr», a-t-il fait savoir. Mais «les forces de l’ordre y seront toujours déployées pour éviter les mauvaises surprises», a-t-il noté.
Cependant, le SG du Tim, Rina Randriamasinoro a déclaré hier vers la fin de l’après-midi que ce rassemblement se tiendra finalement au QG Bel-Air. «S’ils ne quittent pas leur QG, il n’y aura aucun problème», a indiqué le préfet.
Dans tous les cas, les forces de l’ordre seront sur place et se tiendront prêtes pour toute éventualité. A l’ordre du jour, les partisans de Marc Ravalomanana devraient attendre la suite de la procédure pour présenter un candidat à la mairie de la capitale, compte-tenu du rejet de la candidature de leur leader.

T.N

Catégories: National

Solofo Lalaina : nirotsaka ho ben’ ny Tanàna ao Ivato

Les Nouvelles - ven, 09/20/2024 - 07:51

Tafapetraka, omaly, teo anivon’ny OVEC etsy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Ivato ho an’i Lalaina . “Ivato tonga saina, miaraka amin’i Lalaina” no teny filamatra entiny. Mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko TGV, miaraka amin’ny fitondram-panjakana izy, ary maro ny fikambanana manohana azy amin’izany. “Ny fahatsapana ny fahasahiranan’ny vahoaka no anisan’ny nanosika ahy handray ny andraikitra, ankoatra ny maha zanatanin’Ivato aho”, hoy izy nandritra ny fanaterany ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina
Manana vina manokana hanatsarana ny fiainam-bahoaka hitantanana ny kaominina Ivato izy. Niara-dalana taminy nandritra izany ihany koa ireo mpanolotsainy, izay notsongaina avy eny ifotony sy mahalala ny filàna sy ny olan’ny vahoaka. Hotanterahina afaka telo volana ny fifidianana raha toa ka tsy misy ny fiovana.

Lin

Catégories: National

Rio Tinto QMM : nizara kit scolaire tany amin’ ny faritra Anôsy

Les Nouvelles - ven, 09/20/2024 - 07:51

Anisan’ny nanampy betsaka ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy, ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny Rio Tinto QMM. Tamin’ny alalan’ny fizarana fitaovam-pianarana.

Nifarana afakomaly ny fi­za­rana fitaovam-pianarana nataon’ny Rio Tinto QMM, tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy. Nisi­tra­ka izany ireo mpianatra 11 258 ao anatin’io distrika io. Tanjon’ny hetsika ny hanatsara ny fidiran’ny an­ki­zy any an-tsekoly sy hampihena ny tahan’ny ankizy miala an-daharana. Ha­ne­nana ny fandaniana sy ny vola mivoaka eo amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra iha­ny koa.

Natomboka ny 9 septambra teo, tany amin’ny EPP Ampasy Nahampoana, ity hetsika ara-tsosialy ity. Anisan’ny nahazo tombontsoa tamin’izany, ireo mpianatra eny anivon’ ny ankanin-jaza hatramin’ny CM2. Mpianatra avy amin’ny EPP 38, miparitaka amin’ny kaominina valo, izay manakaiky ny Rio Tinto QMM, toy ny any Ampasy Nahampoana, Mandromon­dro­mo­tra, Taolagnaro, Manam­ba­ro, Sa­ri­sambo, Soanierana, Iabo­a­koho ary Mahatalaky no niositraka izany.
Sehatra ahafahana mampandroso
“Resy lahatra izahay fa anisan’ny fitaovana iray hahafahana mankany amin’ny fampandrosoana ny fanatsarana sy fanampiana amin’ny fidiran’ny mpianatra tahaka izao”, hoy i Isabelle Wabete, Tale mpanatanteraka ao amin’ny Rio Tinto QMM. “Manantena izahay fa hitondra fiovana eo amin’ny fiarahamonina ny tetikasa tahaka izao”, hoy Rakotovelomanan­tsoa Voahary, governoran’ny fa­ritra Anôsy. Nisaotra ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fahombiazana sy fahatanterahan’ny tetikasa ihany koa izy tamin’izany.
Manodidina ny 215 000 dolara ny tetibola natokana nanaovana izao tetikasa izao. Niaraha-niasa tamin’ny faritra Anôsy, ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena (Dren) ary ny fari-piadidian’ny sekoly (Cisco) any Taolagnaro. Marihina fa efa nisy koa ny fandaharanasa nataon’izy ireo hamatsiana vatsim-pianarana ho an’ny tanora any amin’ity distrika ity.

Mino

Catégories: National

Ninah Raharivololoniaina : nirotsaka ho ben’ny Tanàna ao Ivato

Les Nouvelles - ven, 09/20/2024 - 07:50

Tafapetraka, omaly, teo anivon’ny Ovec etsy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna eo anivon’ny kaominina Ivato ho an-dRaharivololoniaina Ninah, omaly. “Ivato tsy manavaka” no teny filamatra entiny. Manana vina manokana hanatsarana ny seha-politika hitantanana ny kaominina Ivato izy. “Ho avy tsy ho ela ny fotoana ahafahana mamelabelatra izany”, hoy ny nambaran’ny nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety. Niara-niatrika ny fametrahana ny antontan-taratasin’
ity kandidà avy amin’ny antoko tsy miankina ity teny an-toerana ireo mpanolotsaina sy ny solontenan’ny vahoakan’Ivato avy amin’ny fokontany 12 mandrafitra azy. Hotanterahina 11 desambra ny fifidianana.

Tsiferana R.

Catégories: National

Rakotoarijaona Jerry: «Tsy mipetraka ny ahiahy hoe atahorana Ravalomanana»

Les Nouvelles - ven, 09/20/2024 - 07:49

“Angamba, tsy mipetraka loatra ny ahiahy hoe: tena atahorana ara-politika tokoa ve Ravalomanana?”, hoy ny fijerin’ny filohan’ny Vahaolana anio sy rahampitso (Var), Rakotoarijaona Jerry, ny amin’ny firotsahan-kofidin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ho ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, mahabe resaka eo amin’ny tontolo politika amin’izao. Tsy mbola voafidy tamin’ny fifidianana madio izy, na tamin’ny 2001 na 2006. Indroa nirotsa-kofidina taorian’izay, fa tsy voafidy… Hanangana krizy sy korontana no hahazoany tombontsoa. Tsy hoe hiasa irery koa ny ben’ny Tanàna rehefa voafidy eo, ka afa-kanao didy jadona na hangoron-karena. Misy ny mpanolotsain’ny Ta­nàna hofidina miaraka amin’ny ben’ny Tanàna, miara-kitondra ny tanàna.
Akana hetra ho an’ny fanjakana ny karaman’ny mpiasa isam-bolana, ohatra, misy hetra aloa ny saran-jiro sy rano amin’ny Jirama… Maha­lasa saina raha misy olona avela tsy handoa hetra an-tapitrisa maro eto Madaga­sikara. Vola azo hanaovana fampandrosoana amin’ny za­vatra hafa izany: toeram-pitsaboana, efitrano fianarana… Hojerem-potsiny ve izany? Efa hita ny toeran’ny filoha teo aloha: mody manao hoe tra-pahavoazana. Tamin’ny 2001, nitaky an’izany hetra izany koa ny fanjakana notarihin’ny amiraly Ratsiraka. Saingy tsy nanaiky izy, efa indroa nanangana krizy teto amin’ny firenena: 2009 sy 2022. Fantatr’An­tananarivo sy ny Malagasy ny atao amin’ny olona toy izany, fa fanjakana tan-dalàna sy fehezin’ny lalàna ny eto Ma­dagasikara.

R. Nd.

Catégories: National

TEASER Vacances Mahajanga 10-Voandalana

Les Nouvelles - jeu, 09/19/2024 - 14:43

Pas un jour sans, en attendant….

Catégories: National

Pages