Nomontsanin’ilay teratany ogandey, i Jacob Kiplimo, ny zava-bita tsara indrindra maneran-tany eo amin’ny hazakazaka semi-marathon. Nandritra ny fifaninanana natao tao Barcelone Espagne, ny alahady 16 febroary lasa teo. Tontosany tao anatin’ny 56 mn 42 s izany. Natsarain’ity atleta, 24 taona, ity 48 s ny fe-potoan’ilay etiopianina, i Yomif Kejelcha, izay vitany tany Valence, ny volana oktobra 2024. 57 mn 30 s ny nanaovany io halaviran-dalana io. I Kiplimo izany no atleta voalohany nahavita nihazakazaka ny semi-marathon, latsaky ny 57 mn. Tonga faharoa, taoriany nandritra ity fifaninanana tany Barcelone ity, i Geoffrey Kipsang, izay tara 2 mn taoriany. 58 mn 44 s ny nahavitany io halaviran-dalana io.
Tsy voalohany no nanamontsanany ny zava-bita toa izao fa tsaroan’ny rehetra ihany koa ny nandravany ny fe-potoana ny taona 2021 tany Lisbonne. Ankoatra izay, tompondaka maneran-tany indroa nisesy teo amin’ny “cross” ary nandrombaka ny medaly alimo teo amin’ny halavirana 10 000 m, nandritra ny lalao Olympika natao tany Tokyo, ny taona 2021, izy.
Tompondaka
Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 16 marsa izao ny “XXL Smatchin by Be Connect”, andiany faha-11. Oniverite 50 hifaninana ary toerana 3 no handray izany.
Nitombo ny isan’ny mpandray anjara amin’ity andiany faha-11 ity, araka ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Oniversite 50 no hifaninana, raha toa ka 40 tamin’ny taon-dasa. Araka izany, toerana 3 no handray ny fifaninanana, hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, Kianja mitafon’i Mahamasina ary eo amin’ny Kianja Barea. Mandray anjara mavitrika ny avy any amin’ny faritra, izay ahitana sekoly 5 be izao, avy any Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina ary Toliara. 12 amin’ireo sekoly 50 ireo no mpandray anjara vaovao. Hampiavaka ny amin’ity taona ity koa ny fisian’ny “mascotte” manokana dia i Smacthy ary ny fisian’ny fifaninanana Slam ihany koa. Fifaninanana 5 no hitranga ankoatra ny lalao, ahitana ny Dance contest (mpandray anjara 16), ny DJ contest, ny E-Sport, ny Slam ary ny Dunk toy ny mahazatra.
Ekipa 48, lehilahy ary ekipa17, vehivavy
Amin’ireo sekoly 50 mandray anjara, 48 no isan’ny ekipa ho an’ny sokajy lehilahy, izay nozaraina vondrona 8, ahitana ekipa 6 avy. Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, ekipa 17 no hifaninana, nozaraina vondrona 4. Manodidina ny 148 eo ny isan’ny lalao hitranga manomboka ny 8 marsa hatramin’ ny 16 marsa, araka ny fandaharan-dalao, ka izany indrindra no antony nanaovana ny toerana ho 3 samihafa. Ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina avokoa ny hizotra ny lalao manomboka eo amin’ny ampahefa-dalana. Rehefa mitombo ny mpandray anjara, mitombo ihany koa ny mpanohana fa anisan’ny teo foana hatramin’izay ny orinasa Star, amin’ny alalan’ny vokatra XXL. Araka ny fandaharam-potoana, ny 8 hatramin’ny 13 marsa izao no hanaovana ny fifanintsanana isam-bondrona, ny 14 marsa ny ampahefa-dalana, ny 15 marsa ny manasa-dalana ary ny 16 marsa kosa ny famaranana. Amin’ny andron’ny fifaninanana mihitsy vao hisy ny fivarotana tapakila, raha ny fanazavana hatrany.
Mi.Raz
“Mbola betsaka ny ezaka mila atao satria mivoatra be ny tontolon’ny fanatanjahantena amin’izao fotoana izao”, hoy Razakarisoa Patrick, DTN ny taranja ping pong, anivon’ny Federasiona malagasin’ny FMTT, omaly. Nomarihiny ihany fa tsy vitan’ny ady tsotsotra sy mandeha ho azy intsony izany.
Anisan’ny vina tena goavana ho ezahiny hotratrarina amin’ny maha tale azy ny fitadiavana fotodrafitrasa maharitra, toy ny efitrano natokana hilalaovana “ping pong” sy ny fanofanana mpanazatra. “Izay tena vonona hampiakatra ny lentan’ireo ankizy malagasy eto an-toerana no hampiofanina amin’izany”, nambaran-dRazakarisoa Patrick, hatrany. Nohamafisiny ihany fa tena tsy ampy ny fotodrafitrasa eto Madagasikara.
Raha ny fanatanjahantena anaty efitrano tahaka ny “Ping pong”, tena misedra olana mihitsy, hoy izy, satria ankavitsiana ny toerana azo hilalaovana sy hampiasaina.
Ankoatra izay, efa betsaka izao ireo solofo mpandimby mitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy ankehitriny, toa an-dry Fabio, Antoine, Gracia, Océane… “Ilaina ny fanaraha-maso sy fanampiana ara-teknika ireo Malagasy mpilalao ireo, raha tiana ny ho lasa lavitra”. Raha ny hevitr’ity teknisianina ity.
Fanatanjahantena feno
Anisan’ireo fanatanjahantena feno ny taranja tenisy ambony latabatra. Araka ny fanazavana nataon’ny tale Patrick, mila fanomanana ara-batana sy ara-tsaina tanteraka izany.
Raha ho an’ny vatana, ilaina hatrany ny fanafanana vatana, vao afaka miatrika lalao iray. Eo ihany koa ny tanjaka, satria tsy maintsy mihetsika hatrany ny mpilalao iray manenjika ny baolina kely, ary segaondra vitsy eo dia tonga any aminao ilay baolina.
Ankoatra izay, mila mahazaka mijoro amin’ny fotoana maharitra ihany koa ny mpilalao iray ka misy ny fanazarantena manokana tokony hataon’ny mpilalao iray.
Eo amin’ny ara-moraly, tokony hatanjan-tsaina hatrany ireo pongiste. Sport d’affrontement izy ity ka mila saina ambony.
Ny taona 70
Nanomboka nilalao ny taranja tenisy ambony latabatra ny Malagasy, ny taona 70, raha ny filazanan’ny tale Razakarisoa Patrick. Maro ireo mpilalao nalaza tamin’ity taranja ity. Teo amin’ny lehilahy, ry Gaston Pierre, Son Be, Landy, Danny, Gerald, Seta, Faly, Jean Christian, Hubert,… Ny tena nampiaiky ny maro dia Raonindriaka Guy.
Raha ho an’ny vehivavy dia ry Bako, Lucienne, Rado, Misa,…
“Misy amin’izy ireo no efa nodimandry ary mbola betsaka kosa no mbola milalao”.
Olona tsy vahiny fa ampy traikefa sy fahaizana mahakasika ny taranja “Ping Pong”, Razakarisoa Patrick. Ny taona 1993 izy no nanomboka nandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy. Ary ny lalaon’ny Nosy, izay natao tany Maurice, ny taona 2003, no nilalaovany farany. Raha ny vaovao nampitainy, 41 taona nilalaovana izy vao nijanona.
Taorian’ izay, voaantso ho mpanazatra ny ekipam-pirenena ny tenany, nandritra ny fe-potoana maro, (2005-2015).
Nisongadina tanteraka ny Malagasy tamin’ny fotoana nitondrany. Porofon’izany ny nandrombahan’ny Malagasy medaly volamena enina, tamin’ireo fito hiadivana, tao anatin’ny fifaninanana ho an’ny lalaon’ny Nosy 2007, izay notanterahina teto Madagasikara.
Hirariana mba hitondra avo sy hampiakatra ny lazan’i Madagasikara amin’ny tenisy ambony latabatra Razakarisoa Patrick.
Nanatontosa : Fitia Randria
Raha tsorina dia misy rafitra roa eo anivon’ity sampandraharaha ity ka ny rafitra voalohany dia ireo solontenan’ny vondrona mpandraharaha, tarihin’ny filohany, manana lefitra. Miampy ireo mpanolotsaina miisa 30 mandrafitra an’ izany, solontena avy amin’ny vondrona nandray anjara tamin’ny fifidianana. Ireo no solombavambahoaka mpandraharaha anivon’ny Antenimieran’ny varotra. Ny rafitra faharoa kosa dia tarihin’ny tale jeneraly, ity farany izay notsongaina tamin’ny alalan’ny antso ampahibemaso fandraisana mpiasa “offre d”emploi”, ka ny mpikambana maharitra tarihin’ny filohany no misafidy izay ho tendrena arakaraka ny fahaiza-manaon’ny mpirotsaka nandefa antontan-taratasy ho amin’ny toeran’ny tale jeneraly. Ity farany no mitarika ny mpiasa mpanatanteraka, mikirakira ny karaman’ny mpiasa sy ny fampidiram-bola, ny famoahana, ny fampitaovana, ny maha olona. izay nahavoatendry an’ i Todisoa Francis.
Ankehitriny, vao roa taona monja no niatombohan’ny filoha am-perinasa, i Kotonirina Robert, mitarika ny rafitra mpanao lalàna eo anivon’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana, efa raikitra indray ny fitokonan’ny mpiasa, ny talata 18 Febroary lasa teo. Taitra ny filoha sy ireo mpikambana mandrafitra ny mpanao lalàna raha nahita ny varavarana nikatona, nofatorana ronjo vy. Efa nirafidrafitra ny sorabaventy, maneho ny fitakiana sy tsy fankasitrahana ny paikady havoakan’ny fivoriambe hotarihin’ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra an’izany, miisa 15 fotsiny, tsy ampy ny isa tena ara-dalàna. Fantatra mantsy fa hisy fivoriambe hankatoavana ny fanesorana ny tale jeneraly ny andron’io ka izao nisehoana romoromo sy korontana izao.
Nampiditra vola 1 miliara sy 500 tapitrisa Ariary
Nambaran’ireo mpiasa fa tao anatin’ny 15 taona, sambany vao izao, roa taona izay, no nahazo karama tsy tapaka isam-bolana ny mpiasa, miampy tombontsoa madinidinika izay tokony ho anjaran’ny tsirairay. “Aminay mpiasa dia mahay mitantana mpiasa io tale jeneraly io, tsy voabaikon’ ireo mpanao lalàna izy amin’ny famoaham-bola tsy ara-dalàna ka mahatonga azy ireo mitady ny fomba hanesorana azy. Betsaka ny sora-bola na faktiora tsy ara-dalàna sy lazaina fa asa vita ka tokony hefaina. Tsy resy lahatra ireo mpitsentsitra ny volan’ny Antenimieran’ny varotra ny tale jeneraly ka hoesorina”, hoy ireo mpiasa nitafa tamin’ny mpanao gazety. Nohamafisin’ny solontenan’ny mpiasa hatrany fa sambany tamin’izao vao nahazo tale jeneraly mahay mitantana sy tsy miray tsikombakomba amin’ny mpanodinkodim-bolam-panjakana ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana. Nandritra ny fitantanany, roa taona izay, nahatafiditra vola 1 miliara sy 500 tapitrisa Ariary ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana. Nohamafisin’ny valandresaka nataon’ny tale jeneraly, Todisoa Francis, izany. “Mahita ry zareo fa misy vola 1 miliara sy 500 tapitrisa Ariary niditra tao anatin’ny roa taona ka betsaka ny mitondra faktiora amiko, milaza fa misy asa vita etsy, misy entana novidiana aroa, saika zavatra tsy ara-dalàna daholo nefa ireny. tsy ekeko, volam-panjakana io, ilàna zavatra matotra ny famoahana azy. Faharoa, misy mpiasam-panjakana ato ka izay tsy mifanaraka amin’ ireo te hangalatra volam-panjakana dia hafindra toerana, tsy ekeko izany”, hoy ny tale jeneraly.
Manakantsakana ny fanatanterahana ny asa
Tontosa ny fivoriambe nakana ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fanesorana ny tale jeneraly tamin’ny isan’ny mpivory 22 tonga nanatrika. Anisan’ izany, voaisotra ny tale jeneraly, araka ny fanapahan-kevitry ny maro anisa. Nambaran’ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana, Kotonirina Robert, fa fanapahan-kevitry ny maro anisa io, na izany aza, tsara ny asa fa saingy saika sakantsakana amin’ny fanafainganana ny asa fampandrosona ho an’ny faritra, indrindra ireo mpandraharaha izany. Roa andro nitokonan’ny mpiasa, efa an-jatony ny antontan-taratasina mpandraharaha tokony hanondrana sy hamoaka entana ao amin’ny seranan-tsambo no nikatso.
Mateti-pitranga ny fitokonana
Raha tsiahivina dia anisan’ny sampandraharaham-panjakana, tantanin’ny tsy miankina, ahitana trangana fitokonana matetika ny Antenimieran’ny varotra, raha tsy hilaza afa-tsy ny taona 2012. Taona nisehoan’ny fitokonana lavareny tamin’ny fanesorana ny filohan’ny “comité ad’Hoc” Mandraina Felix. Nalaza tamin’ izany fotoana ny hoe “tsy misy miala eo”. Nikatso nadritra ny fotoana lavalava ny Antenimieran’ny varotra. Niseho ihany koa izany ny taona 2016, fitakiana karama indray kosa no nahatonga ny fitokonana, naharitra herinandro maromaro. Ho an’ny ekipa amin’ izao fotona izao, efa savorovoro ny nahatongavana teo. Ny 12 janoary 2024, ohatra, raha hanatanteraka fivoriambe voalohany hisafidianana ny filoha sy ny mambra ary ny mpanolotsaina, efa sakoroka.
Nanatontosa : Sajo
Maro ny olana saro-bahana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. «Tokony haverina sy homen-danja ny rafitra fokonolona eny anivon’ny fokontany», hoy ny sefo fokontanin’ Anosizato Atsinanana, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, manoloana ny olana sendrain’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao. Misy fokonolona manao tsinontsinona ny fiarahamonina. Misy indray ireo tena te handray andraikitra. Nambarany fa ahoana no hametrahana ny rafitry ny fokonolona amin’ny fikajiana ny fananana iombonana, toy ny lakandrano, tsy fanariana fako any anatin’ireny lakandrano ireny, satria miteraka fahatsentsenana izany ka dibo-drano tanteraka rehefa fotoam-pahavaratra toa izao. «Tsy misy afa-tsy ny fanomezan-danja ny rafitra fokonolona satria io ihany no afaka mampandroso ny firenena. Rehefa mandray anjara amin’ny fikarakarana ny fiarahamonina ny fokonolona, azo heverina fa misy akony any amin’ny fampandrosoana ny firenena manontolo koa izany», hoy izy. Nohamafisiny hatrany fa tokony hipaka any amin’ny isan-tokantrano ny fampandrosoana miainga ao anatin’io rafitra fokonolona io.
Jean Claude
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fihaonana an-tampon’ny birao foiben’ny Fiangonana loteranina malagasy nohavaozina (FLMN). Niarahany tamin’ny komity foibe sy ny solontenan’ny FLMN isan-tsinoda ary ny fitandremana maro sy ny zanaka am-pielezana maro samihafa manerana ny Nosy izany. «Andiany voalohany ny fihaonana izay nahafahana nanao ny dinikasa lehibe namaritana ny fandrosoan’ny Fiangonana», hoy ny filoha nasionaly, ny pasitora Andriamiharintsoa Solofo. Fotoana nahafahana nijery ny ezaka tokony hatao amin’ny fanitarana saha vaovao, antsoina hoe : «Triangle de Nord» mankany amin’ny faritra Atsinanana sy Toamasina ihany koa izany. Ankoatra izay, maro ny tetikasa ataon’izy ireo, toy ny fananganana fotodrafitrasa isan-karazany. Nambarany fa hojerena manokana ny hanatanjahana ny fiangonana an-drenivohitra sy ny hanitarana izay marefo ary ny hamelomana indray ireo fiangonana maty.
Finoana manana ny maha izy azy
Manana ny maha izy azy ny foto-pinoana ao amin’ity fiangonana ity, ary tsy tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe «Secte », raha ny nambaran’ny filoha nasionaly. Marihina fa nivelatra nanomboka ny taona 2022 io fiangonana io, teto Madagasikara. Nanodidina ny 10 tapitrisa Ariary ny vola lany nandritra izany fihaonana izany. Tsy nisy famatsiam-bola avy any ivelany fa niantoka ny vola rehetra tamin’izany ireo zanaka am-pielezana rehetra tonga nanatrika ny fotoana. Nanatanteraka ny tenin’Andriamanitra manao hoe: “Raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra”, hoy ny filohan’ny zanaka am-pielezana, Rakotomalala Ry Jean.
Mino
Amin’izao fotoana, miakatra ho 1 tapitrisa ireo mpisitraka fiahiana sosialy ao amin’ny Cnaps.
Tena ambany kosa izany raha ny taona 2023, indrindra ho an’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Nanodidina ny 7 hetsy ireo misitraka izany fiahiana sosialy izany teo aloha. 9 alina ireo mba misitraka fisotroan-dronono ary 250 000 ireo zaza sy reny mandray fanampiana mahakasika ny fianakaviana.
Nandritra ny atrikasa fakan-kevitra nataon’ny minisiteran’ ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, miaraka amin’ny Cnaps, no nahafantarana izany. Ireo mpiasa tsy manara-drafitra no tena tsy misitraka io fiahiana io, indrindra ireo mpiasa tena.
Efa lany andro ny lalàna mamaritra ny fisitrahana ny fiahiana sosialy satria efa tamin’ny taona 1960 no nandrafetana azy ka tsy manaraka ny zava-misy ankehitriny intsony.
Hivelatra kokoa amin’ireo mpanao asa tena ny tetikasa manomboka eto. Niompana amin’ny fisotroan-dronono sy ny fiahiana ara-pahasalamana ary ny fiahiana ny fianakaviana ny sosialy hatramin’izay ka izao hitarina amin’ny sehatra hafa izao.
Tatiana A
Hanomboka anio, atsy Cape Town Afrika Atsimo, ny fiadiana ny “Challenger Series Cup 2025”, taranja rugby, lalaovina olona 7 ho an’ny sokajy Senior, lehilahy. Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ izany ny Makis de Madagascar. Efa nanainga omaly ireo mpilalao 12 mirahalahy hiatrika izany fifaninanana izany. Tsiahivina, miray vondrona amin’i Canada sy i Hong-Kong Chine ny Makis, amin’ity fifaninanana ity. Araka ny fandaharam-potoana, hidona voalohany amin’ny Makis de Madagascar i Hong-Kong, aorian’io vao hikatroka amin’i Canada.
Tsiahivina fa mizara dingana roa ity fifaninanana ity ka ny voalohany hatao ny 1 sy 2 marsa ary ny faharoa ny 8 sy 9 marsa ho avy izao. Tafita amin’ny dingana manaraka ny ekipa 8 voalohany aorian’ireo dingana roa ireo ka miatrika ny ampahefa-dalana hatao any Cracovie Pologne, ny 11 sy 12 avrily ho avy izao.
Izay 4 voalohany tafita eo no manao ny “Play-off”, ny 3 sy 4 mai, any Los Angeles. Manao ny “circuits mondiaux 2025” kosa ireo roa voalohany manao famaranana.
Tompondaka
Ireo mpilalaon’ny Makis de Madagascar : 1-Yvon (Cosfa) ; 2-Nofy Tiana (Cosfa) ; 3- Mickael (Cosfa) ; 4-Fabrice (TFA) ; 5-Rado (TFA) ; 6-Jean-Marc (TFA) ; 7-Salotra (3FAI) ; 8-Tolotra (3FAI) ; 9-Laou (CRAI) ; 10-Mickael (SCB) ; 11-Romeo (FTM) ; 12-Jean-Yves (FTM). Razily (Mpanazatra)
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « World Cola PFL ». Nahazo vokatra tsara nanoloana ny ekipan’ny AS Ste Anne Avenir Anosy, ny Fosa Juniors Boeny, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Kianja CFFA Iavoloha. Lavon’ny Fosa tamin’ny isa, 2 no ho 0, ny Ste Anne.
Hotanterahina ny volana marsa ho avy izao ny fifaninanana “Smatchin” taranja basikety. Efa fantatra ireo mpifaninana ka sekoly 50 manerana ny Nosy no handray anjara, izay ahitana ekipa 48 ho an’ny sokajy ary ekipa 17 ho an’ny sokajy vehivavy.
Hotanterahina ny faran’ny herinandro izao, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny sokajy ankizy sy vehivavy. Mpikatroka 400 no andrasana amin’io fotoana io.
Notanterahina ny zoma lasa teo ny antsapaka amin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra « Ligue des Champions 2025 ». Araka ny vokatra azo, anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro, amin’io, ny fihaonan’ny Liverpool FC, klioba anglisy sy ny Paris Saint Germain (PSG), frantsay.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny ANS (Académie nationale du sport) Ampefiloha, ny fiofanana ho mpampianatra, ho an’ny taranja karate. Fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana DAF (Diplôme d’animateur fédéral). Mpiofana 15 manerana ny Nosy no miatrika izany, haharitra herinandro. Misy ny avy any Fort Dauphin, Fianarantsoa, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Hentitra ny federasiona ary nanamafy fa tsy afaka mampianatra karate intsony izay tsy manana ny mari-pahaizana mifanaraka amin’izany ary tsy ho ela ny fampiharana azy io. Izany, hoy ny filohan’ny federasiona, no antony nikarakarana izao fiofanana izao izay hiarahana miasa amin’ny MJS sy ny ANS. Nampahatsiahivin’ny filohan’ny FKM ihany koa fa mizara 3 ny fiofanana ho an’ny mpampianatra ny taranja karaté. Dingana voalohany ity DAf ity, hitohy amin’ny fiofanana hahazoana ny DIF (Diplôme d’instructeur féderal) izany ary mifarana amin’
ny fiofanana hahazoana ny “Brevet d’Etat”. Tokana ny tanjona dia ny hampivoarana sy hampiakarana ny lentan’ny mpikatroka eo amin’ny taranja karate malagasy.
Mi.Raz
Miezaka mitady vahaolana mahakasika ny baolina kitra eto Madagasikara ny minisitry ny Tanora sy
ny fanatanjahantena (MJS), Abdulah Marson Moustapha. Nisy ny fifampiresahany tamin’ny sekretera jeneralin’ny Caf, any Egypta.
Anisan’ireo taranja tena mahasarika ny tanora ny baolina kitra. Araka ny vaovao hita omaly, tao anaty pejin’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf), tonga nitsidika ny foiben’ny Caf any Egypta, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Abdulah Marson Moustapha. Nandray azy tany an-toerana ny sekretera jeneralin’ny Caf, Veron Mosengo Omba.
Nisy ny resadresaka nataon’ izy mirahalahy ireto ary nifantoka tanteraka tamin’ny fampandrosoana ny baolina kitra eto Madagasikara sy eto amin’ny kaontinanta afrikanina izany. Nodinihina koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny mety hampiantranoin’i Madagasikara, ireo fifaninanana afrikanina toy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina atao amin’ny torapasika “Beach Soccer”.
Nankasitraka ny ezaka vitan’ny Malagasy amin’ny finiavana hampivoatra ny tanora amin’ ity taranja ity, i Veron Mosengo Omba. Tsiahivina fa tsy olom-baovao eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny minisitra Abdulah Marson Moustapha. Efa niasa teo anivon’ny Caf, tamin’ny andron’i Ahmad Ahmad, Malagasy filohan’ny Caf teo aloha, ny tenany.
Fitia Randria
Valin’ny kianja?
Afaka telo andro eo sisa, ho tonga ny volana marsa. Hatramin’ny omaly, tsy mbola fantatra ny valin’ny fankatoavana, raha nahazo izany na tsia kianja ny Barea Mahamasina. Ampahatsiahivina ihany fa amin’ny volana manaraka io, hifanintsana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena “Mondial 2026”, indray ny ekipa nasionaly malagasy. Raha mahazo fankatoavana ny kianja Barea, hatao eo Mahamasina izany ny fihaonan’i Madagasikara sy i Ghana.
Hotanterahina etsy amin’ ny Kianjaben’i Mahamasina, ny 4 ka hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao, ny « SOS Sokake Cup » na « Eco-tournoi international », taranja baolina kitra. Fifaninanana ho an’olona 11 ary natokana ho an’ny sokajy U15, lahy sy vavy. Io no nambaran-dRazafindrakoto Léon, talen’ny alan-javaboahary arovana any Thonye, Nouvelle-Calédonie, sady mpikarakara ny hetsika, tamin’ny mpanao gazety, tetsy Ambohidahy, omaly. Araka ny anaran’ny fifaninanana, hiara-dalana ny baolina kitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Firenena efatra no hiatrika izany ka anisan’ny ho avy i Nouvelle-Calédonie. Ankoatra izay, eo koa ireo avy atsy
amin’ny Nosy rahavavy izay efa eo am-pamaranana ny fanaovan-tsonia amin’ny fihaviany. Hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny lehilahy, ny 67 City Football Club, mankalaza ny faha-10 taonany ary ny Yfomac kosa eo amin’ny vehivavy. Tanjona ny hiarovana ny fanondranana sy fandripahana ireo sokatra izay harem-pirenena. Hampahafantarina ireo ankizy ny maha sarobidy ny sokatra, anisan’ny mahasarika ny mpizahatany ary mampiditra vola ho an’ny fiarahamonina malagasy. Tsiahivina fa feno 20 taona amin’ity ny SOS Tortues, anisan’ny manana andraikitra goavana amin’ny fiarovana ny sokatra eto Madagasikara.
Torcelin
« Foko iray », anarana nasalotra ny hetsika momba ny lamaody notanterahin’i Sih Rakout tany Etazonia. Dingana lehibe ny tontosan’ity Malagasy mpamorona sy mpikaroka momba ny lamaody ity. Tao anatin’ny hetsika roa notanterahin’i Sih Rakout tany Washington sy New Work no nahitan’ny Malagasy monina any an-toerana sy ny Amerikanina fa « manana mpamorona sy mpikaroka momba ny tontolon’ny lamaody, mendrika sy itoeran’ny traikefa matanjaka i Madagasikara ».
« Foko iray », nametraka ny « vita malagasy » teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanehoan’i Sih Rakout ny fahaiza-manaony eo amin’ny famoronana lamaody ho an’ny lehilahy, ho an’ny vehivavy. Ahitana fiombonana am-po ho an’ireo izay mianjaika ao anatiny. Tany Etazonia no namoahany izany voalohany.
Raha tsiahivina, anisan’ny mametraka ho zava-dehibe ny fikarohana i Sih Rakout. Omeny sehatra lehibe amin’izany ireo akora fototra misy eto Madagasikara. Ireo no mitambatra no mametraka ny sanganasany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
HaRy Razafindrakoto
Ho fanamarihana ny « Iray volan’ny poezia ». Hotanterahina ao amin’ny Parc botanique Tsimbazaza, ny alahady 2 marsa izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ny hetsika « Tsy mba zaza ». Sady fifampiarahabana tratry ny taona ho an’ireo mpiangaly asa soratra izy io no hanoloran’izy ireo antsa samihafa ihany koa.
Hivoaka tsy ho ela ny andiany faharoa amin’ ny boky « Valihan’Ikaky ». Hanana endrika famintinana izay voarakitry ny laharana faharoa izy ity, sady hanohy sy hampita lesona vaovao. Tafiditra ao anatiny ny fahalalana iraisam-pirenena momba ny mozika sy fanolorana sy fanokafana tsikelikely momba ny maha « fanahy » ny valiha.
Manana ny maha izy azy ny mpamorona. Io no anisan’ny nisongadina tamin’ny fanatanterahina ny fihaonan’ny mpamorona samy mpamorona (zavakanto), ny faran’ny herinandro teo. Na izany aza, nanaiky ny rehetra fa ilaina ny mianatra sy mandalina mba tsy hijanona eo amin’ny sehatra mihidy ny zavakanto malagasy.
Hanana endrika miavaka ny hanamarihana ny « Volan’ny poezia » ho an’ny mpanoratra zandriny sy tsy mbola ao anaty fikambanana. Any amin’ny sekoly misy azy ireo ry zareo no hanatanteraka ny hetsika manandrify azy. Anisan’izany ny fiantsana tononkalo, velakevitra isan-karazany. Napetrak’ireto mpanoratra vao erotrerony ireto fa : « ny fifampizarana no hamoha ny talenta ».
Tao anatin’ny telo andro (21 febroary – 23 febroary). Nahatontosa fampisehoana an-tsehatra miisa dimy teto an-dRenivohitra sy ny manodidina akaiky ny tarika Todoroki&Kouka avy any Japon. Seho tafiditra amin’ny fandaharam-potoana fitetezana an’i Afrika tanterahin-dry zareo amin’ity taona 2025 ity.
Anisan’ny nampahafantaran’izy ireo tamin’izany ny fifamatoran’ny tontolon’ny mozika sy ny soratra. Ny amponga sy ny sodina tsofina mitsivalana izay ananan-dry zareo fahaizana manokana ny mampiaraka azy no nampiasain’i Shingo sy Koji Kishida tamin’izany.
Tany amin’ireo toerana rehetra nalehan’ny Todoroki &Kouka, tonga maro ny mpijery. Tao ireo mpanakanto malagasy efa manana ny lazany. Fa tsy vitsy ihany koa ireo nangetaheta te hahafantatra ny kolontsaina sy ny zavakanto japoney izay tsy mifanalavitra loatra amin’ny tazana eto Madagasikara.
« Somary fohy ihany ny fotoana nandalovanay eto Madagasikara. Azo lazaina ho indray mipimaso aza, satria maro ny zavatra na ny kanto tokony hifanakalozana. Nisy ny fiarahana tamin’ny mpanakanto malagasy manana ny maha izy azy tahaka an’i Dama. Nahaliana be anay izany. Ny feon-kira nalina tamin’ny « Sakura » (hira japoney), ny tonony tamin’ny teny malagasy », hoy i Koki Kishida, nitsoka ny « flûte traversière » na ilay sodina tsofina misompirana tahaka ny sodina hita eto Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto
Manana kolontsaina sy zavakanto tsy tambo isaina ny Malagasy. Nisy ihany anefa vanim-potoana « nampilentika » azy ireny. Notadiavina ny very, saingy, izay kely hita, nomena ny todi-damosina. Ny maro voatazona, anefa, hafahafa fivoaka !
Hira, tsy misy manana ny ananan’i Madagasikara. Fomba amam-panao, miova isaky ny 50km. Ny teny ibeazana, tsy tambo isaina ampiasaina isam-paritra, sns. Na maro tahaka izany aza ny kolontsaina sy ny zavakanto misy eto. Tsy misy lanjany manoloana ny tompony. Mbola mila beazina ny Malagasy. Lehibe indrindra amin’izany ny fampahafantarana fa azy ireny kolontsaina sy zavakanto, fomba amam-panao ireny. Noho izany, mila omeny hasina. Mila iainana fa tsy terena ankolaka na mivantana ho vakoka.
Mozika klasika efa tany amin’ny taona 1700, mbola tian’ny vahiny miaina amin’izao, satria, fantany tsara fa azy. Hainy tsara fa manana fiantraikany amin’ny fiainany ny fihainoana izany… Ny an’ny Malagasy, hira tamin’ny taona 1956, raha vantany vao henon’ny sofiny : «hiran’antitra izany» ! Satria, difotry ny lainga sy ny atsanga tsy aman’orana ny Malagasy ka nino avy hatrany fa sokajiana araka ny taona nipoirany ny hira.
Nahazo soa maro raha nahay…
Raha nitohy, anefa, ny fanabeazana ny Malagasy momba ny hira. Fantany sy niainany tsara fa mirakitra zava-panahy goavana be io zavakanto iray io. Hainy tsara fa tsy natao ho fampandihizana fitombenana ny hira. Notanterahiny niaraka tamin’ny hira ny fangatahana amin-Janahary izay hahasoa ny fiarahamonina misy azy, sns. Raha mitohy ny fahaizan’ny Malagasy ny hasin’ny teny. Mbola afaka tsara nitafa tamin’ireo fanahy hafa ankoatra ny azy izy. Mbola afaka nifehy zavaboahary maro (tany, biby, hazo, rano…) ihany koa.
… Izao vanim-potoana izao no mila hanehoana fa manana ny kolontsainy sy ny zavakantony ary ny fomba amam-panaony ny Malagasy. Io fahitana io no tsy ampy amin’ny taranaka ankehitriny ka mahatonga azy ireo hanao rapadango ny an’ny vahiny.
HaRy Razafindrakoto
Hojerena ny fomba hanatsarana ny seha-pihariana lamba sy akanjo eto Madagasikara. Eo koa ny fitsipika vaovao apetraky ny vondrona eoropeanina sy ny vondrona britanika. Tanjona ny hiantohana ny tontolo iainana sy sosialy sy hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny orinasa eto an-toerana.
Nampahafantatra ireo fepetra vaovao eny anivon’ny ladoany ny antenimieran’ny indostria sy ny varotra eto Antananarivo (CCIA) sy ny tomponandraikitry ny fadintseranana malagasy (DGD). Hetsika mahakasika mivantana ireo mpandraharaha sy tompona orinasa. Hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny mpandraharaha ireo fepetra vaovao ireo.
Hampahafantarina ny alarobia izao, ny fanovana mahakasika ny hetra entin’ny lalàna mifehy ny tetibola (LFI) 2025. Handray anjara mivantana amin’izany ireo tompon’andraikitra voakasika rehetra. Hetsika atao eny Antaninarenina iarahana amin’ireo orinasa madinika sy salantsalany (PMI/PME). Maimaimpoana ny fandraisan’anjara amin’ny hetsika.
Tandindomin-doza ny velaran-tany 200 ha amin’ny fambolen-bary ao Ambohitanilava-Ambohikely kaominina Tanambe, distrika Amparafaravola taorian’ny rotsakorana nifanesy. Vaky ny fefiloha ao an-toerana, antony nitondran’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana fanampiana sy fampitaovana hisorohana ny loza mety hiseho. Marihina fa fototry ny famokaram-bary ny faritra Alaotra.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao amin’ny Arena Sport Toamasina, ny hetsika “Tanora mandrafitra ny hoavy (TMH)”, izay nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Nandritra ny lahatenin’ny minisitra MJS, Marson Moustapha Abdulah, nanentana ireo tanora tsy ankanavaka izy mba havitrika amin’ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika misy eto Madagasikara.
Araka ny vaovao voaray omaly, nahatratra 300 isa teo ireo tanora tonga nanatrika ity lanonana ity teny an-toerana. Tsiahivina fa tanjona amin’ity tetikasa ity, ny hampiofanana ireo zatovo, lahy sy vavy, hanana fahaleovan-tena arakasa sy hampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana.
Marihina fa natao hanomanana ny fihaonamben’ny tanora afrikanina “Youth Connekt Africa Summit 2025” izay hotanterahina eto Madagasikara, ny volana novambra ho avy io, ity hetsika TMH ity. Ankoatra izay, nisaotra manokana ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, ny minisitra MJS, amin’ny finiavana lehibe izay ataony ho fanohanana ireo tanora malagasy.
Fitia Randria