Niatrika filankevitra kaominaly tsy ara-potoana fanindroany ireo mpanolotsain’ny Tanàna miisa 19 mianadahy avy amin’ny vovonana Irmar, izay mpiray lisitra amin’ny ben’ny Tanàna voafidy, ny mpitsara Andriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain. Manodidina ny valo ireo avy amin’ny MTS sy ny firaisankina, raha samy manana lisitra iray avy ny amin’ny tsy miankina. Notanterahina tany an-toerana, nanomboka ny
11 hatramin’ny 13 marsa lasa teo, ny fivoriana.
Tsy maintsy hotratrarina ny tanjon’ny filoham-pirenena amin’ny maha kandidà voafidy azy amin’ny avy amin’ny vovonana Irmar. « Tsy tratra anefa izany raha tsy misy ny fiaraha-miasa amin’ny mponina any Toamasina sy ireo mpanolotsaina », hoy ny ben’ny Tanàna voafidy, ny mpitsara Andriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain. « Ezaka atao ny hampitovy ny fomba fijery mba hanasoavana ny tanàna hatrany ifotony », hoy hatrany izy. Etsy ankilany, nilaza ny fahavononany amin’ izany ireo mpanolotsaina miisa 19 mianadahy nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa nataon’izy ireo. Nolanian’izy ireo koa ny volavolan-dalàna maro natolotry ny mpanatanteraka. Anisan’izany ny fampiakarana ny saran’ny fanaovana sora-piakohonana, ny hametrahana fiantsonana ho an’ireo fiara sy moto eny amin’ny Boulevard Ratsimilaho. Eo koa ny fanavaozana ny fomba fisitrahana rano. Toy izany koa ny fanafoanana ny famokarana posy vaovao ary hasiana fanovana ny laharana ho an’ireo posy tsirairay. Famerenana ny mpivarotra ho any anatin’ny tsena, mba tsy hivarotra amoron-dalana intsony. Ny fametrahana rafitra hanara-maso ny fahadiovana sy fidiovana momba ny tanàna eny anivon’ny fokontany ihany koa.
Hirosoana ny tsena
manara-dalàna
Hapetraka ny maha tsena ara-dalàna ireo mpivarotra rehetra any an-tanànan’i Toamasina. Tanjona ny hahafahana mampiditra hetra anatin’ny kitapombolan’ny kaominina. “Manoloana izany, tsy azo ekena intsony ny fivarotana ivelan’ny tsena, amoron-dalana, izay betsaka ny manao azy satria natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-dalana”, hoy ny ben’ny Tanàna voafidy. Etsy ankilany, anisan’ny tsena na varotra tsy manara-dalàna ny varotra mandehandeha eny ambony kalesa, raha ny nambarany. Tsy mandoa hetra ireny ka hapetraka ny lamina mba handoavan’izy ireny hetra ho an’ ny kaominina. Nohamafisiny fa tsy vitan’ny tsy mandoa hetra izy ireny fa antony mahatonga ny fitohanana eo amin’ny fifamoivoizana ihany koa. Tanjona ny hisian’ny tsena manara-dalàna izay antoky ny filaminana. “Raha tsy milamina ny tsena, mirongatra ho azy ny asan-jiolahy amin’ny fanendahana sy harom-paosy, ary indrindra ny fivarotana zava-mahadomelina”, hoy izy nanamafy. Samy manantena sy miandrandra fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana ny rehetra mba hahatonga ny renivohitry ny faritra Atsinanana handroso ara-toekarena ao anatin’ny dimy taona manaraka.
Manoloana ireo fanapahan-kevitra noraisina ireo, isan’ andro ny fidinana ifotony isam-pokontany ataon’ny kaominina, mba hahafahana manatratra ireo tanjona napetraky ny kaominina. Atomboka amin’ny fanovana ny toe-tsaina eo amin’ny tsirairay ny fanovana apetraka.
Apetraka ny paikady
Mirongatra ny haintrano any Toamasina, hita sy tsapa ho sahirana ny mpamonjy voina eo am-panatanterahana ny asany. Manoloana izany, mila apetraka ny paikady vaovao entina hanatsarana ny fomba fiasa. Voalohany ny fanokafan-dalana, izay sakana ho amin’ny fidiran’ireo fiarabe mpamonjy voina matetika. Ankoatra izay, apetraka ny lalàna ahafahan’ny hafa mivezivezy ary asiana lalana hidiran’ny fiaraben’ny mpamonjy voina any anaty elanelan-trano. Hitarina ny lalankely eny anelanelan-trano any an-toerana, iaraha-miasa amin’ny sefo fokontany.
Matotra ny fiaraha-miasa
Hatreto, azo tarafina ho matotra ny fiaraha-miasa eo anoloan’ny samy mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina. Na dia eo aza ny fifangaroan’ny antoko politika amin’ireo mpanolotsaina any an-toerana. Raha atambatra, miisa 10 ny mpanohitra ary sivy ny avy amin’ny fanohanana ny fitondrana. Ankoatra izay, hita taratra sahady ihany koa ny fahavononan-dRasolonjatovo Fidel, voafidy teo anivon’ ny antoko politika Tim. Izay nirotsaka tamin’ny anaran’ny kandidà tsy miankina ary tokana eo anivon’ny filankevitra kaominaly ho filoha lefitra izy. Hatramin’izao, hita ho matotra ny fiaraha-miasa ary samy milaza fa hitondra fanovana goavana ho an’ i Toamasina izao fiaraha-miasa izao.
Nodimandry omaly, maraina, ny mpanazatran’ny klioban’ny Elgeco, taranja baolina kitra, ny Coach Blaise, araka ny loharanom-baovao. Raha ny vaovao voaray, nitambotsitra noho ny fahazoana fandresena tamin’ ny lalao baolina kitra, ny alahady lasa teo, no nitarika tamin’izao fahafatesany izao.
Mamaram-parana ny fiofanana ataony, eo amin’ny taranja Muay Thai, amin’ity herinandro ity, ny Tale Teknika nasionalin’ ny federasionina malagasy ny Muay Thai, Maitre Razanajatovo Gildas. Ao anatin’ny fanadinana izy amin’izao ary eo am-piandrasana ny mari-pahaizany. Ny fiandohan’ny volana avrily izao izy no higadona eto an-tanindrazana.
Nanao fampitam-baovao ny federasionina malagasin’ ny Volley ball fa hisy ny fitiliana ireo tanora mpanao Volley anaty efitrano manerana ny Nosy, 14 hatramin’ ny 17 taona, hitsongaina izay handrafitra ny ekipa nasionalin’ny volley ball, handray anjara amin’ny andiany faha-13 amin’ny CJSOI hatao any Seychelles.
Hatao ny 22 marsa izao, eny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga “Big Tana”, taranja Bodybulding. Avy hatrany dia hitohy amin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izany, ny sabotsy 29 marsa. Efa nahavita ny fifaninanana avokoa ny ankamaroan’ny ligim-paritra manerana ny Nosy.
Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2025, ho an’ny taranja atletisma izay nomarihina tamin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny cross-country. Fihaonana, notanterahina tany amin’ny ligin’Ihosy ny sabotsy 15 marsa lasa teo, fantatra fa ao anatin’ny fanomanana ireo fihaonana iraisam-pirenena indray ny federasionina malagasy ny atletisma (FMA).
Miisa 4 ireo fifaninanana any ivelan’i Madagasikara, tsy maintsy hatrehina. Anisan’ireny ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “sur piste”, hatao any Algerie ny 14 ka hatramin’ny 18 jolay ho avy izao. Natokana ho an’ny sokajy U18 sy U20 lahy sy vavy izy io. Aorian’io, ny lalao ho an’ny vaomieran’ny ranomasimbe indianina (CJSOI), ho an’ireo atleta latsaky ny 18 taona. Hampiantrano izany i Seychelles, ny 28 jolay ka hatramin’ny 10 aogositra 2025.
Eo koa ny sokajy “senior” lahy sy vavy, izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny “sur piste” hatrany. Fihaonana hatao any Japon ny 11 ka hatramin’ny 20 septambra ho avy izao ary ny mamarana azy ny “Relais de ST Benois” atsy La Réunion ho an’ny sokajy “senior” ny 11 novambra 2025.
Ezahina araka izay tratra ny hiatrehana ireo fihaonana rehetra ireo araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly. Efa nampahafantarina ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena rahateo ireo fandaharam-potoana ireo.
Tompondaka
Efa ela niandrasana ny mpankafy rugby. Tonga ny fotoana hiatrehana ny lalao manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”. Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka izany dingana izany. Hangotraka ny fihaonana satria hidona ireo sangany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra) sy ny FTM Manjakaray (Dakar). Adin’ny samy kartie ireo ary efa ela nifampiandry. Raha tato anatin’ny 4 taona lasa aloha, tsy mbola nandresy an-dry zareo Manjakaray ry zareo Ankasina. Ity izany no tsotsorimamba isarahana ho an’ny andaniny sy ny ankilany.
Efa samy nanomana ary vonona hidona ny roa tonta. Hangotraka, araka izany, ny fifanandrinan’izy ireo. Na izany aza, heverin’ny rehetra fa manatombo kely amin’ny traikefa ireo mpilalaon’ny FTM saingy manana ny fahaiza-manaony koa ny Boaikely manohitra.
Fihaonana iray hanan-danja ihany koa ny an’ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra) sy ny Cosfa (Bebaoty). Ekipa diso mifankahalala tsara izy ireo ka tsy hifampikoso-maso. Matanjaka ny miaramila saingy havanana amin’ny hazakazaka koa ny Uscar. Mialoha ireo lalao ireo ny ankatoky ny famaranana ho an’ny D1, sokajy vehivavy, ka hifampitana ny FTM sy ny SCB Besarety ary ny FTFA Antohomadinika sy ny RCTS Soavimasoandro.
Tompondaka
Hotontosaina ny alarobia 26 marsa amin’ny 4 ora hariva, ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fifaninanana “match de Gala pour la Jeunesse», karakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Hifandona amin’izany ny “All Stars” misy ireo Malagasy mpanao fanatanjahantena kalaza sy ny “Team heros” ahitana ireo andrarezin’ny taranja baolina kitra.
Namoaka ny filaharana ofisialy ho an’ireo klioba nandray anjara tamin’ny CCC Zone 7 farany teo, ny teo anivon’ny Kaonfederasionina afrikanin’ny volley-ball (CAVB). Laharana faharoa ny ekipan’ny GNVB, lehilahy, izay aorian’ny ekipan’ny Tampon Gecko Renioney. Laharana fahefatra kosa ny GNVB, vehivavy, ary laharana faha-5 no misy ny ekipa malagasy vehivavy, ny Squad X.
Hotontosaina ny faran’ity herinandro ity, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny dingana famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety. Hifandona eo amin’ny U16, lehilahy, ny ASSM sy ny Cosfa, U16 Vehivavy, ny Fandrefiala sy Lucadro. Ho an’ny N1B kosa, hifandona eo amin’ny lehilahy, ny AKKB sy ny ASSM ary hifanandrina eo amin’ny vehivavy kosa, ny JCBA sy ny ACA.
Niatrika fifaninanana isan-tarika niarahana tamin’ny ekipan’i Angola, ny Malagasy mpanao Judo, Rasoanaivo Lauara, ny 14 hatramin’ny 16 marsa lasa teo, tany Huambo Angola. “Angola National Team Championship” no anaran’ity fifaninanana ity. Azo lazaina ho tsara ny vokatra ho azy sy ny ekipany satria tafiditra laharana fahatelo izy ireo ary nahazo ny medaly alimo. Ny “Elite Judo Club” ao Angola no nisoloan’i Laura tena niaraka tamin’ny mpikatroka angolais. Na tsy ekipa malagasy aza ity nilalaovany ity, nanome ny tsara indrindra avy aminy Rasoanaivo Laura. Naharesy foana izy tamin’ ny ady rehetra natrehiny ary anisan’ny singa iray nitondra fandresena ho an’ny ekipany izy.
Tsiahivina fa fifaninanana nivondronan’ny firenena afrikanina maro sy nahitana fandraisana anjaran’ny mpikatroka maro ity fifaninanana avo lenta ity. Firenena nandray anjara tamin’izany, i Angola mpampiantrano, ny Repoblika Demokratika Congo, i Afrika Atsimo ary i Congo.
Nanamporofo ny maha kalaza azy eto Afrika indray i Laura, araka izany, tamin’ity fifaninanana afrikanina ity ary eo am-panomanana ireo fifaninanana hafa anatin’ny fiadiana ny tapakilan’ny lalao olympika 2028, hatao any Los Angeles ny tenany amin’izao. Mbola misy fifaninanana manodidina ny 5 eo miandry azy hahazoany izay tapakila izay.
Mi.Raz
Hifantoka any Maroc ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra ny mpiondana baolina kitra, anio. Hotanterahina any an-toerana ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026». Hifampitana amin’izany ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves Centrafrique.
Hotanterahina anio, manomboka amin’ny 7 ora alina, ao amin’ny Kianja Larbi Zaouli Maroc, ny lalao hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves Centrafrique. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahadimy, hiadian-toerana amin’ny «Mondial 2026», ho an’ny sokajy I. Efa any an-toerana avokoa ireo mpilalao hiatrika izany.
Vonona ny Barea de Madagascar, izay hanala vela manoloana ny Fauves. Raha tsiahivina, indroa resin-dry zareo Centrafrique ny Barea, nandritra ny fifanintsanana ho an’ny «Can 2024». Niondrika tamin’ny isa 3 no ho 0, tetsy Mahamasina ary mbola resy 2 no ho 0, teo amin’ny lalao miverina, tany Bangui.
Nambaran’i Corentin Martins, mpanazatran’ny Barea, fa “mpilalao manana ny fahaiza-manaony amin’ny famonoam-baolina ny Malagasy saingy tsy ampy fifantohana”. Nifantoka tamin’izay indrindra ny fanomanan-tena nataon’ny Barea, nanomboka ny alahady lasa teo. Nahitsy, araka izany koa, ny tsy hisian’ny baolina maty any amin’ny fiafaran’ny fotoana izay nanjo ny Barea tao anatin’ireo lalao efatra nataony.
Tsiahivina fa io no fihaonana voalohany iarahan’i Corentin Martins amin’ny Barea. Salama tsara avokoa ireo mpilalao rehetra ary ambony ny toe-tsaina entina hiatrika ny lalao amin’ity anio ity. Efa any an-toerana ihany koa ny ekipan’ny Les Fauves Centrafrique. Araka ny tati-baovao, mailo tanteraka ry zareo amin’ ity lalao hifanandrinany amin’ny Barea de Madagascar ity. Nanova mpanazatra ihany koa izy ireo ka ilay kameroney, i Rigobert Song, no mitondra azy ireo amin’ity lalao ity. Raha tsiahivina, mitana ny laharana fahatelo ny Barea de Madagascar, manana isa 7, raha fahadimy ny Les Fauves, amin’ny isa 4.
Tompondaka
Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianjan’Alarobia ny fampivondronana ireo atleta malagasy, hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate, hatao any Nizeria, ny 22 hatramin’ny 27 jolay izao. 33 mianadahy, mpikatroka mendrika nandritra ny fifaninanam-pirenena farany teo, ireo miatrika fampivondronana ireo, araka ny fanazavan’ny filohan’ ny Federasionin’ny karate-do malagasy (FKM), Ratefinanahary Emile. Araka izany, haharitra hatramin’ny fiandohan’ny volana jona izao ny kotrana sy fanazaran-tena ataon’ireto atleta ireto ary hizara 3 ny fandaharam-potoanan’izy ireo amn’izany. Intelo isan’andro no anaovana izay fanazaran-tena izay, ka amin’ny 5 ora sy sasany hatramin’ny 7 ora latsaka fahefany maraina, ny tapany voalohany (Kianjan’Alarobia), mitohy amin’ny 12 ora hatramin’ny 2 ora atoandro (Gymnase Ankoay). Ny hariva kosa amin’ny 5 ora sy sasany hatramin’ ny 7 ora sy sasany (Gymnase Ankoay).
Ho an’ireo any amin’ ny faritra, eny amin’ny renivohi-paritany izy ireo no mivondrona ary misy ny fiarahana amin’ny avy eto Antananarivo amin’ny ampahan’ny fampivondronana hatrehan’izy ireo, hahafahana mampitovy tantana ny lentan’ny mpikatroka tsirairay. Ny fiandohan’ny volana jona no hanaovana ny fitsapana ireo mpikatroka ka hamoahana ny lisitra faran’izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao any Nizeria. Tsy manenjika isa ny federasionina fa izay miankina amin’ny teknika ny isan’ny mpikatroka malagasy, raha ny fanazavan’ny filohan’ny FKM. Maminavina ny handefa atleta 20 mianadahy kosa ny federasionina.
Eo amin’ny hoenti-manana kosa, miaraka mifarimbona ny FKM, ny MJS, ny mpanohana, ny ray aman-dreny ary ny ligy.
Mi.Raz
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny “Invictador Jiu Jitsu Tournament”, taranja Jiu-jitsu brezilianina. Klioba maro no nandray anjara ka nahazo ny anaram-boninahitra betsaka sy voahosotra ho mendrika indrindra ny Checkmat, manaraka azy ny Southside ary ny fahatelo ny Guerreros.
Nahavita ny fiadiana ny tompondakany avy ny ligin’Atsinanana sy ny ligin’Itasy, taranja Bodybuilding, ny faran’ny herinandro teo. Ny 29 marsa izao kosa no hanatanterahana ny Big Mada, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hatramin’ ny 20 marsa izao ny fara-fandraisana ny anaran’ireo handray anjara amin’izany.
Handeha mivantana amin’ny fahitalavitra TVM ny lalao hifandonan’ny Barea amin’ny Centrafrique sy Ghana, izay hatao any Maraoka, ny alarobia 19 marsa (7 ora hariva) sy alatsinainy 24 marsa (10 ora sy sasany alina). Lalao tafiditra anatin’ny andro fahadimy sy fahenina amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2026.
Raikitra ny fifaninanana “Morengy Iarivo”, karakarain’ny Poezy Company sy Boite Noire, izay hatao ny 6 avrily izao, eny amin’ny Kianjan’ny kanto. Mpiangaly morengy kalaza maro no hifampitady amin’io fotoana io, ka anisan’izany ny ady eo amin’i Armand, avy amin’ny Boite Noire sy i Balack Canon, avy amin’ny Scorpion Noir Nosy Be. Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny fifaninanana.
Tontosa soa aman-tsara tany Ihosy, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja cross-country. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasionina malagasy (FMA). Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny Senior, vehivavy, i Sendrafefinirina Marie avy amin’ny Cam Itasy. Vitany tao anatin’ny 35 mn 19 s ny halavirana 10 km. Resiny, Ralisinirina Mathe, avy amin’ny 3FB Analamanga, tompondaka farany. Nionona tamin’ny laharana faharoa ny tovovavy. 36 mn 29 s ny fotoana vitany. Fahatelo, Ravoniarisoa Chantal, Cam Itasy, nahatontosa ny hazakazany tao anatin’ny 36 mn 53 s.
Ho an’ny lehilahy, voalohany i Soja Valabe, atletan’ny Assaff Anosy. 30 mn 10 s ny fe-potoana namitany ny halavirana. Tara 1 segondra taoriany, Ratsiorisoa Alain, avy amin’ny Cam Itasy. Niady hatramin’ny farany ny hazakazaka teo amin’izy mirahalahy. Fahatelo, Rakotonirina Jean Claude, atletan’ny Crown Vakinankaratra, 30 mn 20 s. Nahatratra 209 mianadahy mianaka ireo nandray anjara. Tsy nandefa solontena ny ligin’Atsinanana sy Bongolava ary Diana.
Tompondaka
Nanjakan’ny ekipan’ny UBM Ambohitrimanjaka ny famaranana teo amin’ny sokajy Sénior, lehilahy, nandritra ny fiadiana ny amboara nanokafana ny taom-pilalaovana ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Lasan-dry zalahy ny lelavola sy ny amboara.
Norombahin’i Rija sy Yves ary i Jacky, mpilalaon’ny UBM Ambohitrimanjaka ny lelavola 2 tapitrisa Ar miampy amboara teo amin’ny fifaninanana nanamarihana ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2025, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana nokarakain’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), notanterahina teny amin’ny Kianja Soamandrakizay, ny sabotsy sy alahady lasa teo.
Adin’ny samy UBM ny famaranana. Resin-dry Rija, tamin’ny isa 13 no ho 11, ry Donald sy Onja ary Zakabe. Nahitana endri-dalao mahafinaritra sady teknika ambony teo amin’ireo mpilalao na dia efa mifankahalala sy mifankazatra aza no nihaona. Marihina fa nahatafita ekipa telo niatrika ny manasa-dalana ity klioba UBM ity.
Ho an’ny vehivavy, lasan’ny ekipan’ny SBA, nahitana an’i Judicael sy i Hasina ary i Rindra ny laharana voalohany, rehefa nandavo an’i Ando, Angela, Tahina avy amin’ny C2BA. Niady hatramin’ny farany ny lalaon’izy ireo satria nisaraka tamin’ny isa tery, 13 no ho 12.
Ny ekipan’ny CBP indray no tompondaka teo amin’ny Jeunes, nisy an’i Nantenaina sy Tsiry ary i Ricka. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 13 no ho 5 ry Clarito, Tsoa, Andry mpilalaon’ny C2BA.
Nanarina io faharesena indroa miantoana io kosa ity ekipan’i Vakinankaratra ity, teo amin’ny sokajy vétérans”. Lasan’i Dadah sy i Papasolo ary i Dezy ny 750 000 Ar sy ny medaly. Niondrika teo anatrehan-dry zalahy, tamin’ny isa 13 no ho 6, ny ekipan’ny CAI, nisy an’i Dô, Patrick, Zôzô.
Nahatratra 187 ireo mpifaninana teo amin’ny Senior, lehilahy, raha 30 ny vehivavy. Nisy 29 ny sokajy Jeunes ary 46 ireo zokiolona vétérans.
Tompondaka
Amin’izao fotoana izao, mbola maro ny vehivavy tsy afaka mivelatra amin’ny sehatra maro. Manoloana izany, miezaka ny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vehivavy eo amin’ny firenena Raboanaritompo Jessica Soary, Malagasy vehivavy mpikatroka karate. Manana tanjona goavana ny hampivelatra sy hanentana ireo vehivavy hitia fanatanjahantena ny tenany amin’izao fotoana izao.
“Ho ahy, ny vehivavy dia manana ny hery sy ny fahavitrihana hiatrika ny zava-misy rehetra”, hoy i Jessica Soary. Nomarihiny fa tsy mifidy sarangan’olona izany, na renim-pianakaviana izy, na mpandraharaha, na atleta. Na inona na inona andraikiny sy ny asany eo anivon’ny fiarahamonina.
Nambarany fa manana tanjaka sy fahaiza-manao tsy manampaharoa ny vehivavy.
Maro nefa ny tsindry sy ny ambana mahazo azy ireny. “Indrisy, mbola betsaka ny sakana sedrainy amin’ny sehatra maro, anisan’izany ny resaka fanatanjahantena. Izany no naharisika ahy hanohana ny Malagasy vehivavy, mba hahatsapan’izy ireo fa afaka mivelatra sy mivoatra amin’izay sehatra rehetra tiany hidirany ry zareo. Tsy misy ny fetra ho an’ny vehivavy mahery”, hevitr’ity Malagasy vehivavy ity.
Fahafahana mitovy
Matetika miteraka olana hatrany eo anivon’ny fiarahamonina ny zon’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mahakasika izay lohahevitra iray izay, naneho ny heviny i Jessica Soary, fa tokony hitovy ny fahafahan’ny lehilahy sy ny vehivavy. « Tsy midika akory izany fa mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra. » Raha fehezina, tokony tsy hisy mihitsy ny resaka miralenta eo amin’ny sehatra ara-tsosialy, toekarena, ary indrindra ny fanatanjahantena.
Sazy henjana !
Mbola tsy lefy eto Madagasikara ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, ao anatin’izany ny resaka fanolanana sy ny vono sy ny daroka. Raha ny fahitan’i Jessica ny zava-misy, tokony hampiharana sazy henjana ireo lehilahy manao fihetsika mahery sy tia mikasi-tanana tovovavy. Raha ny soso-kevitra nomeny, tokony hogadraina sy handoa onitra, amin’ny sahaza azy, izy ireny satria tranga tsy azo leferina mihitsy ny mampiseho hery mihoatra ny tokony ho izy amin’ireo andriambavilanitra.
Ankoatra izay, ilaina koa ny fanabeazana sy ny fampianarana izany eny ifotony mba hampiova ny toe-tsain’ny tsirairay ka hampitsahatra tanteraka ny herisetra.
Efa nahazo medaly maro i Jessica
Tsara ny mampahafantatra fa Raboanaritompo Jessica Soary, atleta vehivavy mpikatroka taranja karate, sokajy -68 kg. 19 taona izy ankehitriny, ary efa manana ny lanjany sy ny lazany amin’ity taranja ity. Efa tompondaka lefitra nandritra ny fifaninanana “Ambassador’s Cup International 2019”. Ankoatra izay, voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny lalao isan-tarika ihany koa izy ny 2019, ny 2020. Indroa voalohany tamin’ny lalaon’ny tsirairay sy isan-tarika ihany koa, tamin’ny Lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay notontosaina teto Madagasikara. Farany, nandrombaka ny medaly volamena tamin’ny fifaninanam-pirenena, teo amin’ny sokajin-dalao, tsirairay sy ny isan-tarika ihany koa ny tenany, ny 2023 lasa teo ihany.
Ankoatra ny taranja karate, manao “musculation” sy “crossfit” ity vehivavy ity. Nomarihiny fa tsy najanony velively ny taranja karate, fa mbola manohy izany sy miatrika fanazarantena ny tenany ary ny fifaninanana farany teo ihany no tsy natrehiny.
“Matokisa tena fa mahavita ianao! Aza avela hisy hisakana anao, na inona, na inona! Matanjaka sy mendrika ianao”, hoy ny hafatra avy amin’i Jessica Soary.
Nanatontosa :
Fitia Randria
Nahitam-pahombiazana ny andiany voalohany. Efa miditra amin’ny andiany faharoa kosa izao ny « Viavy Film Festival ». Hotontosaina ny 25 hatramin’ny 28 marsa izao izany, ao amin’ny Cinépax Madagascar. Araka ny anarany, natao hanasongadinana ny sarimihetsika vokarin’ireo vehivavy ny hetsika. Handrisihana ireo vehivavy mpanatontosa sarimihetsika, izay efa maro no milomano ao anatin’
ny sehatra amin’izao fotoana izao. Efa tany amin’ny volanja janoary no nasaina handefa ny sanganasany ireo vehivavy mpanoratra sy mpanatontosa sarimihetsika. Vitsivitsy no voarain’ny komity mpikarakara hifaninana amin’ity, raha oharina tamin’ny andiany voalohany. Ampy handrisika ireo mpanoratra sy mpanatontosa kosa anefa ireo tantara voaray, satria efa nahazoana traikefa tamin’ny andiany voalohany. Izay tantara mandresy lahatra indrindra ny mpitsara dia horaisin’ny komity mpikarakara ny “Viavy Film Festival” ny fanatontosana azy. Hisy tantsoroka ihany koa ho an’ny mpanatontosa, mba hampisy kalitao ny vokatra.
Mazava loatra fa hatao tanjon’ny hetsika ny hanehoana hoe mahavita ny sarimihetsika misy kalitao ireo vehivavy mpanatontosa ireo. Mba tsy ho any amin’ny filalaovana, fampiakanjoana, fanamboarana ny taovolo, sns, fotsiny ny andraikitry ny vehivavy anatin’ny sarimihetsika. Hiara-dalana amin’ny hetsika ny fizarana traikefa anatina atrikasa vitsivitsy, mahakasika ny fanatontosana, ny fandraisam-peo, sns, anaty sarimihetsika.
Zo ny Aina
Hizara ny traikefany i Anjara Rakotozafiarison. “Ahoana nyhitondrana ny anjara biriky amin’ny maha mpitendry zavamaneno?” Anisan’ny hovoaboasan’ity mpitendry gitara ity izany, anio amin’ny 2 ora, etsy amin’ny CGM Analakely. Natao ho an’ireo efa mpitendry matihanina na tsia na mbola mpianatra mozika aza, ny fifanakalozana. Fotoana iresahana ny asa manodidina ny mozika rahateo io.
Naverin’ireo ankizy sy tanora taizan’ny ONG Bel avenir ny “Waka Waka”. Ilay hiram-pandresena nampalaza an’i Shakira izy ity, izay nindramin’izy ireo hampiasaina amin’ireo fanentanana isan-karazany, andraisan’ny Bel Avenir anjara. Anisan’ny nampiasa ny zavakanto ho fitaovana amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy izy ireo.
Nisongadina ny literatiora malagasy, nandritra ny hetsika ho an’ny boky afrikanina, tany Paris, ny faran’ny herinandro teo. Nisolo tena ireo mpanoratra malagasy nanatrika izany i Michèle Rakotoson, Johary Ravaloson ary Jean-Luc Raharimanana. Nanasongadina sy nanome voninahitra an-dRabearivelo izy ireo nandritra izany.
Niteraka resabe ilay mpanakanto namalan-kira, nandritra ny fifaninana “Smatch’in” teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nitondra fanazavana izy, fa noho ny tsy fahenoana ny “retour”, izany hoe, lafiny teknika, no nahatonga izany. Nanahirana ihany satria teo ampovoan’ny kianja ireo mpanakanto no nihira. Soa fa navotan’ireo namany hafa, izay tsy nanana olana loatra izany.
Fararanon-danonana ny teny Anosizato, ny faran’ny herinandro teo. Na dia antomotra aza vao fantatra ny fisian’ny hetsika, rakotra mpifety ny « THB Mifety » tao amin’ny Santilo, nanomboka ny zoma hatramin’ny sabotsy teo. Mazava loatra fa noho ny fisian’ireo mpanakanto nanafana ny sehatra no antony voalohany. I Samöela no nanokatra izany ny zoma. Avy hatrany dia nasesin’ity mpanakanto ity ireo hirany mazala sady mihetsika, ka nampiakatra ny hafanan’ireo mpijery. Notohizany tamin’ireo somary milamindamina izany ny tapany faharoa, izay niarahan’ny teny an-tsehatra sy ny mpijery niredona avokoa.
Natao ho an’ireo tanora kokoa ny sabotsy. I Raouto no efa nambara voalohany fa hanafana ny fotoana rehefa harivariva. Ny atoandro anefa, dia efa feno avokoa ireo toerana nomanin’ny mpikarakara. Mbola tsy nampoizina, niaka-tsehatra nanokatra ny fotoana i Cky Cky. Niakatra vetivety ny hafanana, izay tody tamin’ny fara-tampony rehefa nanesy ireo hirany malaza amin’izao fotoana Raouto. Niandraikitra ny fanentanana toa ny mahazatra i Barhone.
Zo ny Aina
Zavakanto marolafy. Aingam-panahy sy karoka manokana, efa avy narantin’i Tsiriniaina Hajatiana Irimboahangy tany amin’ny Fondation H Paris, no harantiny indray etsy amin’ny IFM Analakely.
I Tsiriniaina Hajatiana Irimboahangy no nahazo ny loka voalohany tamin’ny “Prix Paritana 2024”,andiany fahavalo. Anisan’ny loka azony nandritra izany ny fikotrehana zavakanto tao amin’ny Cité internationale des arts tany Paris, ny faramparan’ny taona 2024. Narahina ny fampirantiana voalohany tao amin’ny Fondation H any Paris izany, izay nitondrany ny tetikasa “Ridô – Dévoiler les souvenirs”. Efa fantatra tamin’ny fanambarana ny vokatry ny fifaninanana ihany koa fa hampiranty etsy amin’ny IFM Analakely ny nahazo ny voalohany, aorian’ny any Frantsa. Araka izany, hosokafana anio ny fampirantiana “Ridô – Dévoiler les souvenirs”, entin’i Tsiriniana Irimboahangy. Hisokatra ho an’ny besinimaro kosa izany manomboka rahampitso 18 marsa, ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 19 avrily.
Tsy diso safidy ny mpitsara matoa ity tetikasan’i Tsiriniaina Irimboahangy ity no nasongadina tao anatin’ny maro. Tetikasa maneho ny zavakanto marolafy, manasongadina ihany koa ny talenta maro ao anatin’ity mpahay kanto ity izany. Hainy ny nanambatra ny zavakanto mahazatra ny maso amin’ireo maoderina manaraka ny teknolojia. Nivelatra sy feno kokoa, rehefa nampiasany “video”, ohatra. Tsy ny endrika hanehoana ny fampirantiana ihany no miavaka, fa indrindra koa ny votoatiny. Maneho ny karazan-tadidy mitambolina ao anatiny ny mpanakanto, navoitrany amin’ ireo karazan-kanto nosafidiany mba hamoaka ny lohahevitra. Mifototra kokoa amin’ny tantarany, saingy maneho ilay fototra maha Malagasy amin’ny ankapobeny izany. Mamaka any amin’ny nipoirana mihitsy, izay vao ifangaroan’ireo tadidy manokana, hampitain’
ny kanto.
Misongadina ao, ohatra, ny horonantsary kely, maneho ny renibeny nanome tsodrano azy nialoha ny nandehanany tany Frantsa. Izay endrika fisarahana izay, manelanelana ny lasa tsy hay hadinoana sy ny hoavy mbola tsy fantatra, kanefa ihany koa mamaritra ny ankehitriny no hampiainan’i Tsirinaina Irimboangy ny sanganasany. Ilay endriky ny lambam-baravarana, natao hanakona ny anaty efitra tsy ho hitan’ny maso miranga, kanefa koa natao ahitan’ny anatiny izay miseho any ivelany, dia manamafy izay hafatra ampitain’ny mpanakanto izay. Misy tantara mifanjohy amin’ireo karazan-kanto rehetra hanehoany izany, nanamarika vanim-potoana maro, izay misy ampahany betsaka tamin’ny fiainan’i Tsiriniaina Irimboahangy. Mazava loatrafa tetikasa mitohy fa tsy mifarana, mivoatra manaraka ny fotoana izy ity. Mitombo hatrany mantsy ny tadidy, ary manaraka izay koa ny aingam-panahy azo haseho maso sy henoin’ny sofina ary raisin’ny fanahy anatin’ity tetikasa “Ridô – Dévoiler les souvenirs” ity. Anjaran’ireo mpitsidika kosa no mandray ny hampitain’ny mpanakanto ao anatin’izany.
Zo ny Aina
Simba ny lalana sasany ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro vokatry ny ora-mikija nisesy any an-toerana. Anisan’izany ny any amin’ny fokontany Asokaky sy Betsioky, izay mampitaraina ny rehetra satria tapaka ny fifamoivoizana. Nijery ireo tany an-toerana, ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny 14 marsa teo, ary nambarany fa tsy maintsy karohina ny vahaolana, hanarenana haingana ny simba.
Nahatratra 1 668 ny mpizahatany miampy mpiasan’ny sambo miisa 896 tao anatin’ny sambo vaventy Costa Deliziosa, nigadona tany Toamasina, ny talata 11 marsa teo. Nidina an-tanety ny 1 182 tamin’ireo mpandeha, nitsidika ny hakanton’i Toamasina ara-pizahantany. Anisan’izany ny fitsangatsanganana tamin’ny Lakandranon’i Pangalana, fandehanana fiara 4×4 hatrany amin’ny tanànan’i Ariane, nitety tanàna sy tsena, sns.
Miisa 23 ny mpiofana nahazo ny mari-pahalalana ho an’ny teknisianina ambony ara-pambolena (DTSA), tao amin’ny EFTA Analamalotra Toamasina, ny 3 marsa teo. Nisalotra ny anarana indray mihira hoe « Sandratra », ka vehivavy ny 7 amin’izy ireo. Naharitra roa taona ny fiofanana. Tanjona ny hampahaleo tena ny tanora mpandraharaha, hampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra.