Anisan’ny firenena manana « zavatra » tranainy na taloha, maro i Madagasikara. Iray amin’ireny ny hira. Feo aloaky ny vava, zavamaneno, gadona, dihy miaraka aminy raha ilaina, sns. Samy tranainy avokoa. Mila havaozina? Tsy vitsy amin’ny mpihira na tarika mpihira amin’izao fotoana izao no mamerina na mamelona na manavao indray azy ireny. Ireo rehetra maha hira ny hira (tonony, feo, zavamaneno…) no voakitika avokoa. Tsy tokony hiova na hovaina, anefa, ny fototra. Tononkira, feonkira (feon-javamaneno), fomba nanononana ny tononkira, firindran’ny feo, sns, mazava tsara. Na tsy ho tafaverina tanteraka sy iray manontolo aza. Tsy tokony hokitihina ny fototra.
… Ankehitriny, na mazava tsara izao aza fa : «… tiako loatra ianao » ny voalazan’ny tononkira, ny nanononan’ilay tompony azy hatrany am-boalohany. Nanjary « … fa tiako loatsa ianao ». « … Ny zava-drehetra… », nanjary « ny zava-jehetsa… ». Antony lehibe mahatonga ny tranga tahaka ireny ny fanomezan-kasina fatratra ny teny vahiny sy ny fomba fanononana azy ireny. Ny mpihira (na mpanakanto) tanora no tena havanana amin’ny fanovana ny fototra tahaka io. Te haneho ny mpihira tanora, ankehitriny, fa mahay milalao feo maro… Saingy, na ny filatsaky ny faran-teny na ny feo natokana ho an’ny karazan-kira samy hafa, sns. Samy tsy voahaja avokoa.
HaRy Razafindrakoto
« Feo roa, sehatra iray ». Rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora, eny amin’ny CCIvato ilay fiarahana an-tsehatr’i Denise sy i D-Lain. Hafa noho ny mahazatra, satria hatao amin’ny rindra miavaka daholo ireo hira nosafidian’izy ireo hampiaraham-peo. Efa ela ny famerenana, ka na ireo mpankafy aza efa dodona ny hahita ny vokatra ihany koa.
Anio ny ivon’ny “Festival Amoron’i Mani’Art” andiany faharoa, any Ambositra. Aorian’ny “carnaval”, hifandimby ny fifaninanana amin’ny karazan-kanto isan-karazany: slam, hip-hop, dancehall, sns. Manaraka izany ny “defile de mode”, anatin’ny lohahevitra ny kolontsaina an-tanàn-dehibe hatrany. Hifarana rahampitso kosa ny hetsika, ka amin’izay ihany koa no ho fantatra ireo mpandresy.
Mila haverina amin’ny tena anarany ny “mpanakanto”? Tsy ilay anarana voalaza ao anaty kara-panondrom-pirenena akory fa ilay anarana nalaina tamin’ny kanto ataony. Ny mihira, mpihira. Ny mpitendry zavamaneno, mpitendry zavamaneno. Ireo mpilalao tantara, antsoina hoe “mpilalao tantara”, sns. Mafonja kokoa ny fahombiazana na ny tsy fahombiazana raha tafapetraka tsara io. Tsy ho voahoso-potaka miaraka ny “mpanakanto”!
Efa mivoaka tsikelikely ny anaran’ireo tarika handray anjara amin’ny “Festival Antsika Jiaby” andiany faharoa. Hotontosaina ny 6 hatramin’ny 9 jona izy ity, any Paris, France. Efa fantatra fa ho avy any ry Wawa, Mily Clément, Tarika Rebika, Poopy, Bodo, TGC, Mashmanjaka, Da Hopp, Oladad, Lôla, sns. Mbola hiampy izany, ary handrasana fatratra ihany koa ny daty sy ny mpandray anjara amin’ny andiany voalohany aty Madagasikara.
Omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, no namoahana ilay boky « Handroso i Madagasikara » fa amin’ny fomba ahoana? nosoratan-dRakotomahenina Nary Todison. Amin’ny ankapobeny, mirakitra ny tetikasa ho fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny lafiny maro ity boky vaovao ity.
Ny Malagasy ihany no afaka hampandroso an’i Madagasikara… », hoy ny mpanoratra. Zavatra mora tanterahina izany. Tsy mitaky fitaovana lehibe sy lafo vidy. Tsy mitaky volabe ny fanatanterahina azy. Kanefa ahazoana fahombiazana goavana. Mifototra amin’ireo ny tolo-kevitra rehetra omen’ny mpanoratra ao anatin’ity boky manana pejy 53 ity.
… Rehefa betsaka ny vokatra. Hihena ny vidiny. Omena ny tanora manam-pahaizana ny famokarana ny vary. Omena fitaovana maoderina izy ireo. Atao raharaham-panjakana ny vary… Azo tanterahina tsara izany, raha ny fanazavan’ny mpanoratra. Nanterina hatrany fa « soratana ny tolo-kevitra mba ho an’ny taranaka ».
Nanangona : HaRy Razafindrakoto
Manan-danja eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fampandrosoana ny vokatra andrasana amin’ny fanadihadiana maharitra eny anivon’ny tokantrano (EPM) hatao. Ahafahana mamaritra ireo politikam-panjakana sy ireo fotodrafitrasa hatsangana enti-mamaly ny filan’ny mponina ireo antotanisa hangonina. Niainga tamina kajy statistika ny nahazoana ireo tokantrano 17 000 manerana ny Nosy hanaovana ny fanadihadiana. Nisy ihany koa ny sivana efatra napetraka enti-manatanteraka ny tetikasa. « Misongadina manokana ny eto Antananarivo. Hiavaka ny vokatra ho azo raha oharina ny amin’ireo any amin’ny tontolo ambanivohitra sy any amin’ireo renivohi-paritra hafa noho izy manana tanjaka ara-toekarena », hoy ny tale misahana ny statistika momba ny tokantrano eo anivon’ny ivontoeram-pirenena momba ny antotanisa (Instat), Rakotondradany Iary Michael.
Miisa 250 ireo mpanao fanadihadiana hisandrahaka manerana ny Nosy, misy olona efatra ihany koa ny handrafitra ny ekipa iray. Marihina fa hanomboka ny volana marsa ka haharitra telo volana ny tapany voalohan’ny EPM, atao amin’ny tapan-taona manaraka ihany koa ny dingana faharoa. Miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny minisiteran’ny Toekarena sy fitantanam-bola izay tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Hatrany amin’ny 1,5 tapitrisa dolara ny tetibola hanatanterahina ny EPM 2025.
Henintsoa Hani
Mitotongana, lasa 4 920,55 Ar ny euro iray, omaly. Tsy mitsaha-miakatra izany tao anatin’ny tapa-bolana. Marin-toerana kosa ny dolara izay nisanda 4 701,80 Ar. Tsy mifandanja ny fanondranana sy ny fanafarana entana ataon’i Madagasikara. Betsaka ny entana fototra hafarantsika sy ny solika izay hamoahana vola vahiny.
Mamolavola ireo paikady hamerenana ny famokarana sy hampivoarana ny rojom-pihariana kafe ny fitondram-panjakana. Nivoitra nandritra ny fihaonana an-tampony fahatelo momba ny kafe afrikanina tao Dar Es Salaam ny fanjifana ny vokatra anatiny sy ny fanodinana miteraka tataom-bidy ho an’ireo firenena mpamokatra kafe.
54,9% ny Malagasy feno taona misitraka asa ka misehatra eo amin’ny fambolena ny 60,7%. Ambany io taha io raha oharina amin’ny sehatra hafa mampidi-bola. Marefo ihany koa ny toekarem-pirenena manoloana ireo loza voajanahary ka mahatonga ny tokantrano malagasy miaina anaty fahantrana lalina.
Hatao ny 20 marsa 2025 ho avy izao, ny fiaraha-midinika eo amin’i Madagasikara sy ny UE (Vondrona eoropeanina), araka ny Fifanarahana Samoa, andiany voalohany. Toy ny tamin’ny taona 2024, handray anjara amin’ny fivoriana daholo ny minisitra ao anatin’ny governemanta, tarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian.
Miara-miombon’antoka ny Sipem Banque sy ny orinasa Pharmadiff Solair. Azo atao ny mandoa tsikelikely ny entana ao amin’ny Pharmadiff Solair amin’ny alalan’ny findramam-bola ao amin’ny Sipem Banque. Voakasik’izany ny fitaovam-pitsaboana samihafa amidin’ny Pharmadiff, miainga any amin’ny madinika indrindra hatramin’ny vaventy (« concentrateur d’oxygène, tensiomètre, réspirateur, … »). Toraka izany koa ny karazana fitaovana sy kojakoja angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro (jiro, stabilisateur kits solaires, …). Nilaza ny tale jeneraly lefitra (DGA) ny Sipem Banque, Randriatsimialona Lanja, fa zava-baovao ity fiaraha-miasa ity, satria fampiroboroboana ny tolotra ara-bola vaovao sy maitso. Laharaham-pahamehana ny fanohanana ny orinasa sy mpandraharaha madinika sy salantsalany (TPE-PME-PMI). Haingana sy nohamoraina ny fikarakarana ny antontan-taratasy. Nambaran’ny mpitantana ny Pharmadiff, Rakotoarisoa Rosa, fa misy ny antoka, 6 volana hatramin’ny 25 taona ny entana rehetra.
Azo atao ny manatona ireo masoivohon’ny banky miisa 29 manerana ny Nosy, sy ny tranombarotra misy ny Pharmadiff Solair.
Njaka A.
Arovana amin’ny tondradrano sady hatsaraina ny fari-piainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva. Diovina sy hamafisina ny lakandrano, haorina ny trano fonenana sy fotodrafitrasa maro.
Mitohy ny fanatanterahana ny Tetikasa fampiroboroboana ny tanàn-dehibe sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro eto Antananarivo (Produir). Mamatsy vola azy ny Banky iraisam-pirenena, tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT). Nijery ifotony ny fivoaran’ny asa, omaly, ny filoha Rajoelina Andry. Nitondra ny fanazavana ny tetikasa ny minisitra MDAT, Andriantsitohaina Naina. Misy ny fanorenana trano vaovao eny Andavamamba sy ny fitantanana ny fotaka eny Namontana. Miisa 29 ny trano lehibe, ahitana rihana iray, afaka mandray tokantrano 84. Eo koa ny trano mitokana miisa 87, izany hoe, mitotaly 171. Ankoatra ny trano fonenana, misy fotodrafitrasa goavana koa eny Namontana, toerana fikirakirana sy fitantanana ny fotaka alaina avy ao anaty lakandrano. Hoesorina ny tsikafona, ka hatao farihy manana velarany 7 000 m2 ary 1,5 metatra ny halaliny. Misy ny fitaovana avo lenta hanivanana ny fotaka mialoha ny hitaterana azy any amin’ny toerana manokana eny Iarinarivo.
« Arahiko maso akaiky »
Nilaza ny filoha Rajoelina Andry, fa « zava-dehibe ny fitsidihana natao androany, entina hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina. Arahiko maso akaiky ity tetikasa ity. Tanjona mba hisosa tsara ny rano, ka tsy ho dibo-drano, ho tratry ny tondradrano intsony. Hita amin’izao fa azo atao tsara ny manatsara ny trano fonenan’ ny mponina ety amin’ny faritra iva ».
Tsiahivina fa efa vita ny fanamafisana sy fanadiovana ny reniranon’Ikopa sy Sisaony. Miditra amin’ny fanamafisana sy fanadiovana ny lakandrano C3 indray ny tetikasa Produir, mirefy 12 km, miainga any Anosibe, mandalo Andavamamba, 67 ha, Antohomadinika, miafara eny Ambodimita.
Njaka Andriantefiarinesy
Notontosaina, omaly, teny amin’ny Espace Rose By-pass, ny famoahana ny andiany “Masova”, ho an’ny lalam-piofanana Transit-Douanes, eo anivon’ny INSPNMad.
Mpianatra 94 mianadahy no navoaka nandritra izany, nahazo ny mari-pahaizana DTS sy Licence. 56 amin’izy ireo nahavita ny fianarana mahakasika ny Transit ary ny 38 kosa nanaraka ny fiofanana Commerce international. Nambaran’ny talen’ny fampianarana, Randrianasolo Jean De Dieu fa hiadivan’ny orinasa ny mpianatra mivoaka avy eo anivon’ny INSPNMad, rehefa any amin’ny sehatry ny asa noho izy ireo manana ny maha izy azy. Azo antoka, araka izany, ny hoavin’ireo tanora mahavita fianarana amin’ity lalam-piofanana Transit-Douanes ity ary misy mihitsy no manangana orinasa ho azy manokana. Tsiahivina fa efa nanomboka ny taona 2000 no nisy ity lalam-piofanana ity teo anivon’ ny INSPNMad ary mpianatra maro no efa navoakany. Efa miitatra manerana ny Nosy ihany izany lalam-piofanana izany izay efa misy any Toamasina, Fianarantsoa ary Antsirabe.
Aorian’izao fahavitan’ny fianarana izao, hizara roa ireo mpianatra, ka misy ny tonga dia hiasa avy hatrany ary misy kosa ireo izay mbola hanohy fianarana Master 1, Master 2, araka ny fanazavana hatrany. Nanamafy ny filoha Tale jeneralin’ny sekoly, fa mbola malalaka ny asa ho an’ity lalam-piofanana ity eto Madagasikara ary anisan’ny sekoly matihanina ny INSPNMad amin’ ny fampitàna fahalalana ho an’ny mpianatra ary manana mpampianatra manana traikefa ihany koa.
Mi.Raz
Nitohy omaly, tany Nairobi Kenya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny taranja tenisy, sokajy U14, lahy sy vavy. Nifarana teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana ny lalan-dRazafindrazaka Ny Avo, ho an’ny lalao an’olon-tokana, lehilahy. Resin’ilay maraokanina, i Youssef Hakmi, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1; 6/0), ny tovolahy. Tsy nifandanja ny fihaonana fa manatombo be amin’ny traikefa sy ny teknika nentina teny ambony kianja i Hakmi. Porofon’izany, tsy nahazo afa-tsy lalao iray monja i Ny Avo tao anatin’ny seta 2 nilalaovana.
Raha hiverenana kosa ireo voka-dalao hafa, tapitra teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ihany koa ny dian’i Ny Avo sy ilay namibianina, i Johan Theron, ho an’ny fihaonan’olon-droa. Resin’ireo maraokanina, Ali Ben Mahmoud sy i Youssef Lahmar, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 6/4), izy mirahalahy. Teo amin’ny olon-tokana vehivavy, niondrika teo anatrehan’ilay maraokanina, i Mathlouthi, i Matei Eliana Randrianasolo. Seta 2 no ho 0 no nandavoany azy.
Nitohy tamin’ny fiadiana ny laharana faha-17 amin’ny 24 ny lalao omaly ka resin’i Matei, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2 ; 6/1), ilay tonizianina, i Hadija Msangi. Niondrika teo anatrehan’ilay maraokanina, i Alia Alami, kosa i Onintsoa. Hiady ny toerana faha-9 amin’ny 16 kosa Ny Avo amin’ity anio ity.
Tompondaka
Voahosotra ho tompondakan’ny Tama Beach, taranja volley, andiany faha-8, tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, i Juliette sy i Miangola, ho an’ny sokajy U21, vehivavy. I Brad sy i Allan kosa teo amin’ny U21, lehilahy. Ho an’ny sokajy Seniors, nahazo fandresena i Marina sy i Julienne teo amin’ny vehivavy, ary i Marinot sy i Kevin kosa no nandresy teo amin’ny lehilahy.
Miditra amin’ny andro fahefatra, anio, ny fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana “Diplôme d’animateur fédéral”, taranja Karate, izay hatao eny amin’ny ANS Ampefiloha. Mpiofana 15 izy ireo no manaraka izany hatramin’ny sabotsy izao ary hanatanteraka fanadinana ny alahady 2 marsa mialoha ny hahazoana ny diplaoma.
Hotanterahina ny faran’ny herinandro izao ny hetsika “Fitsangantsanganana milalao” , hatao eny amin’ny Espace A Miel Ambatolampy. Lalao basikety sy fifaninanana lomano no hotontosaina mandritra izany ary ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana. Hisy ny loka goavana ho an’ny mpandresy.
Hivoaka amin’ity herinandro ity ny taratasy fahazoan-dalana ho an’ny Federasiona malagasin’ny kung fu wushu, taorian’ny nahavitan’izy ireo ny fifidianana, ny faran’ny herinandro teo. Hiditra avy hatrany amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa ny federasiona tarihin’ny Maître Gao, vantany vao azony izany taratasy fahazahoan-dalana avy amin’ny MJS izany.
Nomontsanin’ilay teratany ogandey, i Jacob Kiplimo, ny zava-bita tsara indrindra maneran-tany eo amin’ny hazakazaka semi-marathon. Nandritra ny fifaninanana natao tao Barcelone Espagne, ny alahady 16 febroary lasa teo. Tontosany tao anatin’ny 56 mn 42 s izany. Natsarain’ity atleta, 24 taona, ity 48 s ny fe-potoan’ilay etiopianina, i Yomif Kejelcha, izay vitany tany Valence, ny volana oktobra 2024. 57 mn 30 s ny nanaovany io halaviran-dalana io. I Kiplimo izany no atleta voalohany nahavita nihazakazaka ny semi-marathon, latsaky ny 57 mn. Tonga faharoa, taoriany nandritra ity fifaninanana tany Barcelone ity, i Geoffrey Kipsang, izay tara 2 mn taoriany. 58 mn 44 s ny nahavitany io halaviran-dalana io.
Tsy voalohany no nanamontsanany ny zava-bita toa izao fa tsaroan’ny rehetra ihany koa ny nandravany ny fe-potoana ny taona 2021 tany Lisbonne. Ankoatra izay, tompondaka maneran-tany indroa nisesy teo amin’ny “cross” ary nandrombaka ny medaly alimo teo amin’ny halavirana 10 000 m, nandritra ny lalao Olympika natao tany Tokyo, ny taona 2021, izy.
Tompondaka
Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 16 marsa izao ny “XXL Smatchin by Be Connect”, andiany faha-11. Oniverite 50 hifaninana ary toerana 3 no handray izany.
Nitombo ny isan’ny mpandray anjara amin’ity andiany faha-11 ity, araka ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Oniversite 50 no hifaninana, raha toa ka 40 tamin’ny taon-dasa. Araka izany, toerana 3 no handray ny fifaninanana, hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, Kianja mitafon’i Mahamasina ary eo amin’ny Kianja Barea. Mandray anjara mavitrika ny avy any amin’ny faritra, izay ahitana sekoly 5 be izao, avy any Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina ary Toliara. 12 amin’ireo sekoly 50 ireo no mpandray anjara vaovao. Hampiavaka ny amin’ity taona ity koa ny fisian’ny “mascotte” manokana dia i Smacthy ary ny fisian’ny fifaninanana Slam ihany koa. Fifaninanana 5 no hitranga ankoatra ny lalao, ahitana ny Dance contest (mpandray anjara 16), ny DJ contest, ny E-Sport, ny Slam ary ny Dunk toy ny mahazatra.
Ekipa 48, lehilahy ary ekipa17, vehivavy
Amin’ireo sekoly 50 mandray anjara, 48 no isan’ny ekipa ho an’ny sokajy lehilahy, izay nozaraina vondrona 8, ahitana ekipa 6 avy. Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, ekipa 17 no hifaninana, nozaraina vondrona 4. Manodidina ny 148 eo ny isan’ny lalao hitranga manomboka ny 8 marsa hatramin’ ny 16 marsa, araka ny fandaharan-dalao, ka izany indrindra no antony nanaovana ny toerana ho 3 samihafa. Ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina avokoa ny hizotra ny lalao manomboka eo amin’ny ampahefa-dalana. Rehefa mitombo ny mpandray anjara, mitombo ihany koa ny mpanohana fa anisan’ny teo foana hatramin’izay ny orinasa Star, amin’ny alalan’ny vokatra XXL. Araka ny fandaharam-potoana, ny 8 hatramin’ny 13 marsa izao no hanaovana ny fifanintsanana isam-bondrona, ny 14 marsa ny ampahefa-dalana, ny 15 marsa ny manasa-dalana ary ny 16 marsa kosa ny famaranana. Amin’ny andron’ny fifaninanana mihitsy vao hisy ny fivarotana tapakila, raha ny fanazavana hatrany.
Mi.Raz
“Mbola betsaka ny ezaka mila atao satria mivoatra be ny tontolon’ny fanatanjahantena amin’izao fotoana izao”, hoy Razakarisoa Patrick, DTN ny taranja ping pong, anivon’ny Federasiona malagasin’ny FMTT, omaly. Nomarihiny ihany fa tsy vitan’ny ady tsotsotra sy mandeha ho azy intsony izany.
Anisan’ny vina tena goavana ho ezahiny hotratrarina amin’ny maha tale azy ny fitadiavana fotodrafitrasa maharitra, toy ny efitrano natokana hilalaovana “ping pong” sy ny fanofanana mpanazatra. “Izay tena vonona hampiakatra ny lentan’ireo ankizy malagasy eto an-toerana no hampiofanina amin’izany”, nambaran-dRazakarisoa Patrick, hatrany. Nohamafisiny ihany fa tena tsy ampy ny fotodrafitrasa eto Madagasikara.
Raha ny fanatanjahantena anaty efitrano tahaka ny “Ping pong”, tena misedra olana mihitsy, hoy izy, satria ankavitsiana ny toerana azo hilalaovana sy hampiasaina.
Ankoatra izay, efa betsaka izao ireo solofo mpandimby mitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy ankehitriny, toa an-dry Fabio, Antoine, Gracia, Océane… “Ilaina ny fanaraha-maso sy fanampiana ara-teknika ireo Malagasy mpilalao ireo, raha tiana ny ho lasa lavitra”. Raha ny hevitr’ity teknisianina ity.
Fanatanjahantena feno
Anisan’ireo fanatanjahantena feno ny taranja tenisy ambony latabatra. Araka ny fanazavana nataon’ny tale Patrick, mila fanomanana ara-batana sy ara-tsaina tanteraka izany.
Raha ho an’ny vatana, ilaina hatrany ny fanafanana vatana, vao afaka miatrika lalao iray. Eo ihany koa ny tanjaka, satria tsy maintsy mihetsika hatrany ny mpilalao iray manenjika ny baolina kely, ary segaondra vitsy eo dia tonga any aminao ilay baolina.
Ankoatra izay, mila mahazaka mijoro amin’ny fotoana maharitra ihany koa ny mpilalao iray ka misy ny fanazarantena manokana tokony hataon’ny mpilalao iray.
Eo amin’ny ara-moraly, tokony hatanjan-tsaina hatrany ireo pongiste. Sport d’affrontement izy ity ka mila saina ambony.
Ny taona 70
Nanomboka nilalao ny taranja tenisy ambony latabatra ny Malagasy, ny taona 70, raha ny filazanan’ny tale Razakarisoa Patrick. Maro ireo mpilalao nalaza tamin’ity taranja ity. Teo amin’ny lehilahy, ry Gaston Pierre, Son Be, Landy, Danny, Gerald, Seta, Faly, Jean Christian, Hubert,… Ny tena nampiaiky ny maro dia Raonindriaka Guy.
Raha ho an’ny vehivavy dia ry Bako, Lucienne, Rado, Misa,…
“Misy amin’izy ireo no efa nodimandry ary mbola betsaka kosa no mbola milalao”.
Olona tsy vahiny fa ampy traikefa sy fahaizana mahakasika ny taranja “Ping Pong”, Razakarisoa Patrick. Ny taona 1993 izy no nanomboka nandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy. Ary ny lalaon’ny Nosy, izay natao tany Maurice, ny taona 2003, no nilalaovany farany. Raha ny vaovao nampitainy, 41 taona nilalaovana izy vao nijanona.
Taorian’ izay, voaantso ho mpanazatra ny ekipam-pirenena ny tenany, nandritra ny fe-potoana maro, (2005-2015).
Nisongadina tanteraka ny Malagasy tamin’ny fotoana nitondrany. Porofon’izany ny nandrombahan’ny Malagasy medaly volamena enina, tamin’ireo fito hiadivana, tao anatin’ny fifaninanana ho an’ny lalaon’ny Nosy 2007, izay notanterahina teto Madagasikara.
Hirariana mba hitondra avo sy hampiakatra ny lazan’i Madagasikara amin’ny tenisy ambony latabatra Razakarisoa Patrick.
Nanatontosa : Fitia Randria
Raha tsorina dia misy rafitra roa eo anivon’ity sampandraharaha ity ka ny rafitra voalohany dia ireo solontenan’ny vondrona mpandraharaha, tarihin’ny filohany, manana lefitra. Miampy ireo mpanolotsaina miisa 30 mandrafitra an’ izany, solontena avy amin’ny vondrona nandray anjara tamin’ny fifidianana. Ireo no solombavambahoaka mpandraharaha anivon’ny Antenimieran’ny varotra. Ny rafitra faharoa kosa dia tarihin’ny tale jeneraly, ity farany izay notsongaina tamin’ny alalan’ny antso ampahibemaso fandraisana mpiasa “offre d”emploi”, ka ny mpikambana maharitra tarihin’ny filohany no misafidy izay ho tendrena arakaraka ny fahaiza-manaon’ny mpirotsaka nandefa antontan-taratasy ho amin’ny toeran’ny tale jeneraly. Ity farany no mitarika ny mpiasa mpanatanteraka, mikirakira ny karaman’ny mpiasa sy ny fampidiram-bola, ny famoahana, ny fampitaovana, ny maha olona. izay nahavoatendry an’ i Todisoa Francis.
Ankehitriny, vao roa taona monja no niatombohan’ny filoha am-perinasa, i Kotonirina Robert, mitarika ny rafitra mpanao lalàna eo anivon’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana, efa raikitra indray ny fitokonan’ny mpiasa, ny talata 18 Febroary lasa teo. Taitra ny filoha sy ireo mpikambana mandrafitra ny mpanao lalàna raha nahita ny varavarana nikatona, nofatorana ronjo vy. Efa nirafidrafitra ny sorabaventy, maneho ny fitakiana sy tsy fankasitrahana ny paikady havoakan’ny fivoriambe hotarihin’ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra an’izany, miisa 15 fotsiny, tsy ampy ny isa tena ara-dalàna. Fantatra mantsy fa hisy fivoriambe hankatoavana ny fanesorana ny tale jeneraly ny andron’io ka izao nisehoana romoromo sy korontana izao.
Nampiditra vola 1 miliara sy 500 tapitrisa Ariary
Nambaran’ireo mpiasa fa tao anatin’ny 15 taona, sambany vao izao, roa taona izay, no nahazo karama tsy tapaka isam-bolana ny mpiasa, miampy tombontsoa madinidinika izay tokony ho anjaran’ny tsirairay. “Aminay mpiasa dia mahay mitantana mpiasa io tale jeneraly io, tsy voabaikon’ ireo mpanao lalàna izy amin’ny famoaham-bola tsy ara-dalàna ka mahatonga azy ireo mitady ny fomba hanesorana azy. Betsaka ny sora-bola na faktiora tsy ara-dalàna sy lazaina fa asa vita ka tokony hefaina. Tsy resy lahatra ireo mpitsentsitra ny volan’ny Antenimieran’ny varotra ny tale jeneraly ka hoesorina”, hoy ireo mpiasa nitafa tamin’ny mpanao gazety. Nohamafisin’ny solontenan’ny mpiasa hatrany fa sambany tamin’izao vao nahazo tale jeneraly mahay mitantana sy tsy miray tsikombakomba amin’ny mpanodinkodim-bolam-panjakana ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana. Nandritra ny fitantanany, roa taona izay, nahatafiditra vola 1 miliara sy 500 tapitrisa Ariary ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana. Nohamafisin’ny valandresaka nataon’ny tale jeneraly, Todisoa Francis, izany. “Mahita ry zareo fa misy vola 1 miliara sy 500 tapitrisa Ariary niditra tao anatin’ny roa taona ka betsaka ny mitondra faktiora amiko, milaza fa misy asa vita etsy, misy entana novidiana aroa, saika zavatra tsy ara-dalàna daholo nefa ireny. tsy ekeko, volam-panjakana io, ilàna zavatra matotra ny famoahana azy. Faharoa, misy mpiasam-panjakana ato ka izay tsy mifanaraka amin’ ireo te hangalatra volam-panjakana dia hafindra toerana, tsy ekeko izany”, hoy ny tale jeneraly.
Manakantsakana ny fanatanterahana ny asa
Tontosa ny fivoriambe nakana ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fanesorana ny tale jeneraly tamin’ny isan’ny mpivory 22 tonga nanatrika. Anisan’ izany, voaisotra ny tale jeneraly, araka ny fanapahan-kevitry ny maro anisa. Nambaran’ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana, Kotonirina Robert, fa fanapahan-kevitry ny maro anisa io, na izany aza, tsara ny asa fa saingy saika sakantsakana amin’ny fanafainganana ny asa fampandrosona ho an’ny faritra, indrindra ireo mpandraharaha izany. Roa andro nitokonan’ny mpiasa, efa an-jatony ny antontan-taratasina mpandraharaha tokony hanondrana sy hamoaka entana ao amin’ny seranan-tsambo no nikatso.
Mateti-pitranga ny fitokonana
Raha tsiahivina dia anisan’ny sampandraharaham-panjakana, tantanin’ny tsy miankina, ahitana trangana fitokonana matetika ny Antenimieran’ny varotra, raha tsy hilaza afa-tsy ny taona 2012. Taona nisehoan’ny fitokonana lavareny tamin’ny fanesorana ny filohan’ny “comité ad’Hoc” Mandraina Felix. Nalaza tamin’ izany fotoana ny hoe “tsy misy miala eo”. Nikatso nadritra ny fotoana lavalava ny Antenimieran’ny varotra. Niseho ihany koa izany ny taona 2016, fitakiana karama indray kosa no nahatonga ny fitokonana, naharitra herinandro maromaro. Ho an’ny ekipa amin’ izao fotona izao, efa savorovoro ny nahatongavana teo. Ny 12 janoary 2024, ohatra, raha hanatanteraka fivoriambe voalohany hisafidianana ny filoha sy ny mambra ary ny mpanolotsaina, efa sakoroka.
Nanatontosa : Sajo
Maro ny olana saro-bahana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. «Tokony haverina sy homen-danja ny rafitra fokonolona eny anivon’ny fokontany», hoy ny sefo fokontanin’ Anosizato Atsinanana, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, manoloana ny olana sendrain’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao. Misy fokonolona manao tsinontsinona ny fiarahamonina. Misy indray ireo tena te handray andraikitra. Nambarany fa ahoana no hametrahana ny rafitry ny fokonolona amin’ny fikajiana ny fananana iombonana, toy ny lakandrano, tsy fanariana fako any anatin’ireny lakandrano ireny, satria miteraka fahatsentsenana izany ka dibo-drano tanteraka rehefa fotoam-pahavaratra toa izao. «Tsy misy afa-tsy ny fanomezan-danja ny rafitra fokonolona satria io ihany no afaka mampandroso ny firenena. Rehefa mandray anjara amin’ny fikarakarana ny fiarahamonina ny fokonolona, azo heverina fa misy akony any amin’ny fampandrosoana ny firenena manontolo koa izany», hoy izy. Nohamafisiny hatrany fa tokony hipaka any amin’ny isan-tokantrano ny fampandrosoana miainga ao anatin’io rafitra fokonolona io.
Jean Claude
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fihaonana an-tampon’ny birao foiben’ny Fiangonana loteranina malagasy nohavaozina (FLMN). Niarahany tamin’ny komity foibe sy ny solontenan’ny FLMN isan-tsinoda ary ny fitandremana maro sy ny zanaka am-pielezana maro samihafa manerana ny Nosy izany. «Andiany voalohany ny fihaonana izay nahafahana nanao ny dinikasa lehibe namaritana ny fandrosoan’ny Fiangonana», hoy ny filoha nasionaly, ny pasitora Andriamiharintsoa Solofo. Fotoana nahafahana nijery ny ezaka tokony hatao amin’ny fanitarana saha vaovao, antsoina hoe : «Triangle de Nord» mankany amin’ny faritra Atsinanana sy Toamasina ihany koa izany. Ankoatra izay, maro ny tetikasa ataon’izy ireo, toy ny fananganana fotodrafitrasa isan-karazany. Nambarany fa hojerena manokana ny hanatanjahana ny fiangonana an-drenivohitra sy ny hanitarana izay marefo ary ny hamelomana indray ireo fiangonana maty.
Finoana manana ny maha izy azy
Manana ny maha izy azy ny foto-pinoana ao amin’ity fiangonana ity, ary tsy tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe «Secte », raha ny nambaran’ny filoha nasionaly. Marihina fa nivelatra nanomboka ny taona 2022 io fiangonana io, teto Madagasikara. Nanodidina ny 10 tapitrisa Ariary ny vola lany nandritra izany fihaonana izany. Tsy nisy famatsiam-bola avy any ivelany fa niantoka ny vola rehetra tamin’izany ireo zanaka am-pielezana rehetra tonga nanatrika ny fotoana. Nanatanteraka ny tenin’Andriamanitra manao hoe: “Raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra”, hoy ny filohan’ny zanaka am-pielezana, Rakotomalala Ry Jean.
Mino
Amin’izao fotoana, miakatra ho 1 tapitrisa ireo mpisitraka fiahiana sosialy ao amin’ny Cnaps.
Tena ambany kosa izany raha ny taona 2023, indrindra ho an’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Nanodidina ny 7 hetsy ireo misitraka izany fiahiana sosialy izany teo aloha. 9 alina ireo mba misitraka fisotroan-dronono ary 250 000 ireo zaza sy reny mandray fanampiana mahakasika ny fianakaviana.
Nandritra ny atrikasa fakan-kevitra nataon’ny minisiteran’ ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, miaraka amin’ny Cnaps, no nahafantarana izany. Ireo mpiasa tsy manara-drafitra no tena tsy misitraka io fiahiana io, indrindra ireo mpiasa tena.
Efa lany andro ny lalàna mamaritra ny fisitrahana ny fiahiana sosialy satria efa tamin’ny taona 1960 no nandrafetana azy ka tsy manaraka ny zava-misy ankehitriny intsony.
Hivelatra kokoa amin’ireo mpanao asa tena ny tetikasa manomboka eto. Niompana amin’ny fisotroan-dronono sy ny fiahiana ara-pahasalamana ary ny fiahiana ny fianakaviana ny sosialy hatramin’izay ka izao hitarina amin’ny sehatra hafa izao.
Tatiana A
Hanomboka anio, atsy Cape Town Afrika Atsimo, ny fiadiana ny “Challenger Series Cup 2025”, taranja rugby, lalaovina olona 7 ho an’ny sokajy Senior, lehilahy. Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ izany ny Makis de Madagascar. Efa nanainga omaly ireo mpilalao 12 mirahalahy hiatrika izany fifaninanana izany. Tsiahivina, miray vondrona amin’i Canada sy i Hong-Kong Chine ny Makis, amin’ity fifaninanana ity. Araka ny fandaharam-potoana, hidona voalohany amin’ny Makis de Madagascar i Hong-Kong, aorian’io vao hikatroka amin’i Canada.
Tsiahivina fa mizara dingana roa ity fifaninanana ity ka ny voalohany hatao ny 1 sy 2 marsa ary ny faharoa ny 8 sy 9 marsa ho avy izao. Tafita amin’ny dingana manaraka ny ekipa 8 voalohany aorian’ireo dingana roa ireo ka miatrika ny ampahefa-dalana hatao any Cracovie Pologne, ny 11 sy 12 avrily ho avy izao.
Izay 4 voalohany tafita eo no manao ny “Play-off”, ny 3 sy 4 mai, any Los Angeles. Manao ny “circuits mondiaux 2025” kosa ireo roa voalohany manao famaranana.
Tompondaka
Ireo mpilalaon’ny Makis de Madagascar : 1-Yvon (Cosfa) ; 2-Nofy Tiana (Cosfa) ; 3- Mickael (Cosfa) ; 4-Fabrice (TFA) ; 5-Rado (TFA) ; 6-Jean-Marc (TFA) ; 7-Salotra (3FAI) ; 8-Tolotra (3FAI) ; 9-Laou (CRAI) ; 10-Mickael (SCB) ; 11-Romeo (FTM) ; 12-Jean-Yves (FTM). Razily (Mpanazatra)
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « World Cola PFL ». Nahazo vokatra tsara nanoloana ny ekipan’ny AS Ste Anne Avenir Anosy, ny Fosa Juniors Boeny, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Kianja CFFA Iavoloha. Lavon’ny Fosa tamin’ny isa, 2 no ho 0, ny Ste Anne.
Hotanterahina ny volana marsa ho avy izao ny fifaninanana “Smatchin” taranja basikety. Efa fantatra ireo mpifaninana ka sekoly 50 manerana ny Nosy no handray anjara, izay ahitana ekipa 48 ho an’ny sokajy ary ekipa 17 ho an’ny sokajy vehivavy.
Hotanterahina ny faran’ny herinandro izao, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny sokajy ankizy sy vehivavy. Mpikatroka 400 no andrasana amin’io fotoana io.
Notanterahina ny zoma lasa teo ny antsapaka amin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra « Ligue des Champions 2025 ». Araka ny vokatra azo, anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro, amin’io, ny fihaonan’ny Liverpool FC, klioba anglisy sy ny Paris Saint Germain (PSG), frantsay.