Dahalo mirahalahy mpangalatra omby nifanenjehan’ny zandarimaria nandritra ny hazalambo tao Ambalasoaray, fokontany Maevarano, kaomininina Mahasolo, afakomaly. Nangalatra omby tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy ireo. Naharay fampahafantarana ny mpitandro filaminana ka nanetsika ireo vatan-dehilahy hanidy ny kizo ahina handosiran’ireo tsy valahara. Nirondra fitaovam-piadiana rahateo ireo mpandroba ka nanao sarotra ny fanarahan-dia azy ireo. Nampian’ ny fokonolona ny zandary miisa enina. Nandrasana kendry tohana tao amin’ny kizo tao Mandalopaositra, fokontany Zatobe, kaominina Marotapona, ireo olon-dratsy tamin’ny 10 ora alina. Raikitra ny fifandonana. Vokany, lavo ny iray tamin’
ireo mpandroba. Latsaka ny fitaovam-piadiana nampiasainy. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny fokonolona sy ny zandary ao an-toerana.
Tsiferana R.
Dingana vaovao! Nampahafantarina, omaly, ny fanombohana ny Fandrahoan-tsakafo madio ho an’ny rehetra eto Madagasikara (MCCI). Iarahan’ ny fanjakana, amin’ny alalan’ ny minisiteran’ny Angovo (MEH), ny Indostria sy varotra (MIC), ny Tontolo iainana (Medd), ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika iraisam-pirenena (SeforAll, Pnud, Onudi, Pam, WWF, UKAid, MECS, Opec Fund), ny sehatra tsy miankina, ny mpikaroka, manatanteraka.
Mahatratra 8 800 t isan-taona ny saribao ekolojika vokarina eto Madagasikara. Tanjona ny hampitomboana avo dimy heny (44 000 t) amin’ny taona 2027, ka andrasana ny mpisehatra rehetra ao anatin’ ity fandaharanasa MCCI ity. Miandrandra izany ny sehatra tsy miankina, satria ilana famatsiam-bola ny tetikasa.
Maro ny karazana sy kojakoja angovo madio efa vokarina eto amintsika, saingy tsy mbola ampiasain’ny daholobe, toy ny saribao, ny solika éthanol, ny fatana, ny fandrahoan-tsakafo, ny fandoroana, sns. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa MCCI ny hanohanana ny mpamokatra, fa eo koa ny mpanjifa, amin’ny alalan’ny fampihenam-bidy mba ho zakan’ ny rehetra. Miteraka asa mivantana 700, asa ankolaka 2 500 ary mahakasika olona 50 000. Tanjona ny hisitrahin’ ny olona 5 tapitrisa izany.
Raha ny antontanisa ankehitriny, mbola ampiasaina amin’ny fandrahoan-tsakafo ny 80% ny angovo eto Madagasikara (68% kitay, 10% saribao, 2% hafa), ho an’ny herinaratra ny 2% (tohodrano, solika, masoandro), ho an’ny fitaterana ny 17%.
Njaka A.
Noraisina ny fahavitan’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44, tapany faharoa, (Amboasary-Vohidiala: PK 60 – Pk 133), ny 17 oktobra teo. Tsiahivina fa nanao ny asa ny orinasa sinoa CRBC, fa namatsy vola ny asa kosa ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny tetikasa Pact.
Nitombo avo telo heny ny vokatra ronono ary nihatsara ny taranak’omby gasy vokatry ny fampiasana ny teknika kijana mamokatra tao amin’ny tangorom-bohitra Itremo, faritra Amoron’i Mania. Tafakatra 4 litatra ny vokatra ronono, raha antsasa-litatra izany teo aloha. Afaka miteraka isan-taona ihany koa ireo ombivavy satria ampy sakafo.
Nanomboka omaly, any Cali Colombie, ny fivoriambe Cop16 mahakasika ny karazan-javamananaina. Dinihina ny hanaovan’ny mpitondra maneran-tany ho hamehana ny fiarovana ny karazan-javamananaina, hanatrarana ny tanjona 23 ao anatin’ny Kunning Montreal 2030 sy ny tanjona 2050. Haharitra 10 andro ny fivoriana.
Mandray anjara amin’ny fivoriana faha-13 an’ ireo komity teknika mamaritra ny anjara lamatra azo jonoina ao anatin’ny Vaomieran’ny lamatra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara. Maharitra efatr’andro ity fivoriana atao any Bangkok-Thailande ity, izay nanomboka ny alatsinainy teo.
Voaresaka nandritra ny fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ireo delegasionin’ny China Communication Construction Company (CCCC), omaly, teny amin’ny Lapan’Iavoloha ireo fotodrafitrasa goavana hapetraka eto Madagasikara. Vinam-piaraha-miasan’ny roa tonta ny hamboarina ny « route du soleil » mampifandray an’Antsiranana sy Taolagnaro. Lalana mirefy hatrany amin’ny 2 000 km izay hanamora sy hanafaingana ny fivezivezen’ny olona sy ny entana. Hovelomina ihany koa ireo lalamby eto Madagasikara hanamorana ny fitaterana samihafa. Tetikasa goavana apetraka eto amin’ny firenena ny hampiroboroboana ny angovo azo havaozina. « Mila ampitomboina avo telo heny ny famokarana angovo eto amintsika », hoy ny filoham-pirenena. Nambarany fa 1 600 MW ny famokarana herinaratra eto Madagasikara raha toa ka 1 800MW ny filàna. Ankoatra izay, hatsangana sy harenina ireo seranan-tsambo samihafa any amin’ny faritra. Tombony ho antsika ny fananana moron-dranomasina midadasika hanatsarana ny fifandraisana sy fitaterana. Vinam-pampandrosoana ny hanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra anatiny sy ivelany.
Henintsoa Hani
Miditra amin’ny andiany faharoa ny Fandaharanasa fampandrosoana ho amin’ny fandrindrana ny tanàn-dehibe (Padeve2). Nankatoavina tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany(MFFT), omaly, izany.
Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny MFFT, Randriamananjara San drina, fa anisan’ny hisitraka fotodrafitrasa iarahana amin’ ny AFD ny ao Antsiranana, Fianarantsoa, Antsirabe, Toliary, Toamasina ary Mahajanga. “Hisitraka fotodrafitrasa novolavolainy ireo ben’ny Tanàna amin’ireo tanàna ireo. Homena tohana amin’ny fahaiza-manao hampaharitra ny fotodrafitrasa koa izy ireo”, hoy izy.
Fandaminana ny asa sy ny fandaharanasa izao natao izao hiatrehana ny fanatanterahana ny tetikasa ho an’ny taona 2025. Niainga amin’ny filàn’ny mponina sy ny fahahafa-manaon’ilay tanàn-dehibe ary ny fotodrafitrasa ny masontsivana amin’ny fahazoana
ny “Padeve2”. Hitohy amin’ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny asa izany. Tanjona ny hametrahana tanàna mirindra sy tsara tantana ary mamaly ny filàn’ny mponina amin’ ireny tanàn-dehibe ireny.
Nahavita be ny “Padeve 1”
Mitentina 56 tapitrisa euros ny vola ampiasaina amin’izany, amin’ny alalan’ny mpamatsy vola, toy ny AFD, ka misy ampahany trosa fa eo koa ny omena maimaimpoana, araka ny nambarany hatrany. “Tsy mitovy arakaraka ny filàn’ilay tanàn-dehibe ny vola ho azon’ireo renivohi-paritra ireo”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny
efa nahavitana fotodrafitrasa maro ny “Padeve 1” amin’ireo tanàn-dehibe ireo. Anisan’izany ny tsena, lalana, zaridaina, fanajariana toerana ho an’ny fizahan-tany, abatoara, toeram-pidiovana…
Synèse R.
Nanomboka ny sabotsy 19 oktobra teo, ao amin’ny torapasik’i Hurghada Egypte, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), amin’ny baolina kitra lalaovina ambony fasika na ny beach soccer. Na tsy mandray anjara amin’izany aza ny Barea de Madagascar, voatendry hitsara ny lalao, any an-toerana, i Tsaralaza Maolidy (Naccache). Nialoha ny fanombohan’ny Can, mbola niatrika fiofanana niaraka tamin’ireo mpitsara 19 voatendry hitantana izany ny tenany nanomboka ny 15 ka hatramin’ny 18 oktobra lasa teo. Raha tsiahivina, mpitsara baolina kitra (foot-ball classique), i Naccache, saingy manana ny mari-pahaizana amin’ny fitsarana beach soccer ihany koa, ka izao izy nantsoin’ny Caf izao.
Raha teo amin’ny vokatra ho an’ny andro voalohany amin’ity Can ity, nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 4 no ho 3 nanoloana an’i Tanzanie, i Maroc. Nahazo fahombiazana ihany koa ny Faraonan’i Egypte, rehefa nandavo ny kintana maintin’i Ghana, tamin’ny isa 6 no ho 3. Samy ao amin’ny vondrona “A” avokoa izy ireo.
Nitranga ny tsy nampoizina ho an’ny vondrona “B” ny andro alahady. Resin’i Mauritanie tamin’ny isa 5 no ho 2 ny Liona an’i Teranga Sénégal, tompondaka farany. I Mozambique nanilika an’i Malawi, 4 no ho 3.
Hisolo tena an’i Afrika, amin’ny “Mondial 2025”, hatao atsy Seychelles, ny roa miatrika ny famaranana.
Tompondaka
Manao andrana iray volana any Egypta, i Tendry, lohalaharan’ny Barea de Madagascar izay milalao ao amin’ny klioban’ny Disciples FC Vakinankaratra. Araka ny vaovao voaray, miisa telo ireo klioba hanaovany fitsapana. Tsiahivina fa tamin’ny fihaonan’ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates no nahitan’ny mpitily an’i Tendry.
Hatao any Fianarantsoa, ny 26 oktobra hatramin’ny 3 novambra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Tontosa ny sabotsy 19 oktobra teo kosa ny fivoriana fampahafantarana ilay fiofanana ho an’ny mpanazatra, niveau 1.
Tapitra ny fandraisana anarana an’ireo ekipa handray anjara amin’ny fifaninanana Alley -Hoop, taranja basikety 3×3. Efa feno avokoa ny isa ho an’ny sokajy U17, U23 ary ny Elites, lahy sy vavy. Fifaninanana izay hatao ny 2 sy 3 novambra, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Hitohy anio, ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions (LDC) 2025”. Lalao tena andrasan’ny marony fihaonan’ny Real Madrid Espagne sy ny Dortmund Allemagne. Manala vela amin’ny espaniola ny ekipan’ny Dortmund amin’ity, tsiahivina fa resin’ny Real, 2 no ho 0, ny Dortmund, tamin’ny famaranan’ny LDC 2024 teo.
Notontosaina, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ampitain-davitra na “en ligne”. Voahosotra ho tompondaka, nandritra izany, ny Malagasy mpilalao échecs, Andriatahina Serge. Efa ela nilona teo amin’io taranja io i Serge, ka ankoatra ny maha filohan’ny ligin’Alaotra Mangoro azy dia nilalao an-taonany maro tao amin’ny Chess Club Moramanga koa ny tenany. Isa 5 no azon’i Serge nandritra ity fifaninanana afrikanina ity ary nahatafapetraka azy eo amin’ny laharana voalohany. Teratany egyptiana, i Adriano Leopoldo no nahazo ny laharana faharoa taorian’i Serge. Tsiahivina, Malagasy telo no nisolo tena an’i Madagasikara nandritra io fifaninanana io, nahitana an-dRakotonirina Jean Olivier, Randriambololona Jaona ary Andriatahina Serge. “African chess online for people with disability” no anarana nampitondraina ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika nampitain-davitra ity.
Eo amin’ity taranja ity hatrany, hotontosaina ny 1 hatramin’ ny 3 novambra izao ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara isam-bondrona. Fifaninanana hatao eto Antananarivo, izay hamaranana ny taom-pikatrohana 2024 ho an’ny Federasiona malagasin’ny lalaon-tsaina Echecs.
Mi.Raz
Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’ity fifaninanana ara-panatanjahantena, vehivavy, ho an’ny firenena aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika ity, i Madagasikara. Ao amin’ny vondrona « B » no misy azy ireo.
Hotanterahina manomboka anio, any Afrika Atsimo, ny fifanintsanana baolina kitra, sokajy vehivavy, Cosafa 2024. Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny komity mpikarakara ny fifaninanana, rahampitso no hiakatra kianja ny Barea de Madagascar, izay hifanintsana ao amin’ny vondrona « B ». Ry zareo nosy rahavavy, Maurice, no hifandona amin’izy ireo mandritra ny andro voalohany.
Eo amin’ny andro faharoa kosa, hihaona amin’i Malawi ny ekipam-pirenena malagasy. Amin’ny lalao farany, hifanandrina amin’i Botswana ny Barea. Tsara ny mampahafantatra fa ireo voalohany isan-tsokajy ihany no tafita any amin’ny dingana manaraka, ka hiatrika ny manasa-dalana avy hatrany.
Marihina fa hifarana ny 2 novambra ho avy izao ity fifaninanana Afrikanina ity.
Manarina ny ratsy
Fanamby goavana ho an’ny Barea, vehivavy, ity Cosafa ity. Tamin’ny taona lasa, tany Afrika Atsimo ihany, nandray anjara tamin’izany ny vehivavy malagasy mpilalao. Ratsy ny vokatra azon’izy ireo, faharesena telo tamin’ireo lalao telo natao no vitan’ny ekipa nasionaly. Fotoana iray ity hahafahan’ireo mpilalao 23 mirahavavy, nantsoin’i Portez l’Hydrensia sy Ramiaramanana Haingomalala Ninette, mpanazatra an’i Madagasikara, hanarenana io lesoka io.
Araka ny fikarohana natao, eo amin’ny faha-190, laharana navoakan’ny Fifa ny Barea, sokajy vehivavy, raha toa ka faha-194 i Maurice.
Fitia Randria
Mihamitombo ny olana atrehin’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Maro ireo olona matahotra ny hiditra birao kanefa misy zo voahitsakitsaka ao anatin’izany. Noho izany indrindra no antom-pisian’ny Hafari Malagasy, mampahafantatra ny zo didian’ny lalàna amin’ny olona iray, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany, tamin’izany, fa maro ireo olana mianjady amin’ny olona saingy ireto no hita matetika eo anivon’ny fiarahamonina: ny lehilahy tsy mamelona ny ankohonany, ny fanitsakitsaham-bady ary ny herisetra sy fikasihan-tanana (CBV). Olana mahatonga izany ny tsy fisian’ny fifampiresahana eo amin’ny mpivady. Manoloana izany, miditra an-tsehatra ny Hafari Malagasy mandamina. « Tsy terena hiaraka kanefa koa izahay tsy manery hisaraka », hoy hatrany ny mpitarika ny fikambanana. Nohamafisiny fa firenena tan-dalàna i Madagasikara ka matoa misy lalàna voahitsakitsaka dia misy zon’olombelona tsy voahaja koa ambadik’izany. Olana iray mahatonga ny korontana ara-tokantrano koa ny tsy fisian’asa amin’izao fotoana izao. Miezaka hatrany, araka izany, ny Hafari Malagasy mandrindra sy mihaino ny olan’ireo olona mahatsiaro ho voahitsakitsaka ao anatin’izany herisetra izany.
Jean Claude
Fahombiazana. Nizara traikefa sy namelabelatra ireo foto-kevitra sy paikady ary fomba fanaon’ireo mpanao fanatanjahantena matihanina eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana, ny sabotsy teo, teny amin’ny Club Olympique de Tananarive (Le COT) Ankadikely Ilafy, ny Dr Fabrice Lollia. Notsindriny manokana fa « ilaina ny fifantohana sy fahavonona hahombiazan’ny fandraharahana sy ny fitantanana orinasa ». Maro, hoy izy, ny tombontsoa amin’ny fivoizana ny toe-tsain’ireo mpanao fanatanjahantena matihanina eo amin’ny fandraharahana. Mila omen-danja ny tsirairay mba hahafahana mandroso sy miatrika ny manodidina fa indrindra ny hahazoam-bokatra. Mila jerena ihany koa ireo ambana mety hiseho sy paikady apatraka hanatsarana ny vokatra. Takina ao anatin’ny fitantanana ny fahaiza-miaraka amin’ny ekipa, ny faharetana, ny fikirizana ary ny fifanajana. Marihina fa voamarina sy azo tamin’ny alalan’ny fikarohana siantifika avokoa ireo foto-kevitra novoaboasany mba hipaka mivantana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana.
Traikefa
Nizara ny traikefany tamin’ireo mpandraharaha 20 nandray anjara tamin’ny hetsika nokarakarain’ny Peak Business Partner, Rakotozafy Rosa, atleta matihanina sy nitondra ny voninahi-pirenena teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. « Mifameno ny fanatanjahantena sy ny asa. Mila tazomina ao an-tsaina ny kolontsaina hahazo vokatra », araka ny fanazavany.
Samy miaina anaty fifaninanana ny mpandraharaha sy ny mpanao fanatanjahantena matihanina. Mila mifantoka amin’ny tanjona apetraka ny mpandraharaha hampahomby sy hampaharitra ny fitantanany.
Henintsoa H.
Mahatratra hatramin’ny 100 miliara Ar ny vola miditra amin’ny Jirama isam-bolana raha toa ka eo anelanelan’ny 140 ka hatramin’ny 170 miliara Ar ny fandaniana ataony. Noho izany, tsy maintsy manohana ara-bola ny Jirama ny fanjakana. Mivarotra herinaratra amin’ny fatiantoka ny orinasa satria 22 cents/KWh, izany hoe, 1000Ar ny vidin’ny famokarana, raha amidy 12 cents na 550Ar/Kmh izany.
Tafakatra 17 000 taonina ny cacao tsara kalitao naondran’i Madagasikara ny taona 2023, raha 6 000 t izany ny taona 2015. Nitombo avo telo heny ny vokatra tao anatin’ny 10 taona noho ny tetikasa « Pôles intégrés de croissance (PIC) ». Nanampy tamin’ny famokarana ny tetikasa ka nampiorina toerana misy aloka mirefy 4 000m2 any Ambanja, antony nahavokarana fototra cacao mihoatra ny 10 000 isa isan-taona.
Miisa 172 ny orinasa afakaba misehatra amin’ny lamba sy ny fanodinana sakafo miasa ara-dalàna manerana ny Nosy. Manan-danja eo amin’ny lafiny ara-toekarena ny fisian’ny faritra sy orinasa afakaba (ZEF). Natao mangarahara tamin’ny sehatra tsy miankina ny dingana arahina hisitrahana ireo karazana fahazoan-dalana omen’ny fanjakana. Firenena mandray ny vokatra sy ny entana vokarintsika i Etazonia sy Eoropa.
Nisitraka mari-pankasitrahana, ny zoma teo, ireo « épidémiologistes de terrain » vaovao miisa 30. Hifantoka amin’ny fitiliana ireo aretina izay mety hahazo ny olona sy ireo biby fiompy ireto mpisehatra ireto. Nakatona tamin’ny fomba ofisialy, nandritra io fotoana io ihany koa, ny atrikasa fanofanana momba ny fikojakojana ny fitaovana natao ho an’ny laboratoara any amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina. Nisy ny fampitaovana an’ireo tomponandraikitra ara-pahasalamana eto Madagasikara ary miisa 12 ireo mpiofana nisitraka izany.
Ankoatra izay, nahazo fampitaovana mitentina hatrany amin’ny 5,5 miliara Ar avy amin’ny AFD sy ny Vondrona eoropeanina ireo mpiahy ny fahasalaman’ny biby. Marihina fa mitotaly 119 ankehitriny ireo « épidémiologistes de terrain » eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambelena sy ny fiompiana izy ireo, amin’ny alalan’ireo teknisianina sy veterinera miahy ny fahasalaman’ny biby.
Henintsoa H.
Hisokatra tsy ho ela amin’ny firenena rwandais ny lanitr’i Madagasikara, ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy ny fitaterana ana habakabaka ary ny fampandrosoana ny toekarena.
Atao sonia tsy ho ela ny fifanarahana eo amin’i Madagasikara sy ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Rwandair. Voaresaka izany nandritra ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, sy ny masoivohon’i Rwanda, Emmanuel Hategeka, ny herinandro teo. Vonona hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena sy ny sehatry ny fizahantany eo amin’ny firenena roa tonta ireo tomponandraikitra. Hampivelatra ny firenena malagasy amin’ny fifandraisana amin’ny firenena hafa ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Rwandair. Tafiditra ao anatin’izany ireo fifanakalozana ara-barotra, ny sehatry ny fandraharahana ary ny fampiroboroboana ny fizahantany. Ankoatra izay, nidinika tamin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, ihany koa ity diplaomaty ity. Nifantoka tamin’ny fampiofanana sy fifampizarana traikefa eo amin’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ny fihaonana. Eo koa ny fiaraha-miasan’ny minisitera roa tonta ary ny fanomanana ny “Eductour” hisarihana ireo mpizahatany Rwandais ho avy eto amintsika. Notsindrina manokana ny hanamorana ny fahazoana « visa » hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eo amin’ny firenena roa tonta.
Toekarena
Vina ho an’ny fampandrosoana ny ara-toekaren’i Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Rwanda. Hojerena manokana ny fampiasam-bola sy ny fifanakalozana ara-barotry ny roa tonta. Ankoatra izay, mikasa ny hikarakara iraka ara-toekarena (mission économique) eo amin’i Rwanda sy Madagasikara ity masoivoho vao voatendry hiasa eto amintsika ity sy ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ho an’ny fampiroboroboana ny toekarem-pirenena.
Henintsoa Hani
Tontosa ny sabotsy teo ny fanolorana faneva ho an’ireo holafy efatra sy sakelika iray eo anivon’ny Vondron-kery manokana vonjy taitra na ny Groupement des forces spéciales d’intervention (GFSI), izay feno herintaona no nisiany, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanome voninahitra ny lanonana ny filohan’ny Repoblika sady lehibe fara tampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry, notronin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, ary ireo mpiara-miasa aminy. Notolorana ny brevet de mérite ny filoha Rajoelina Andry sy ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Hery fiarovana sy filaminana. Novolavolaina tao anatin’ny fanitsian-drafitry ny Tafika Malagasy ny GFSI satria ilaina amin’ireo ambana misy ankehitriny ity vondron-tafika ity. Amin’ny maha miaramila mpanao vy very ny ainy azy ireo, vonona mandrakariva amin’ny iraka rehetra, araka ny nambaran’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ka mijoro hatrany tsy hiraviravy tanana hitondra fandriampahalemana maharitra eto Madagasikara. Efa maro ireo asa nandraisan’ny GFSI anjara nandritra izay herintaona nisiany izay. « Nanampy tamin’ny fahazoana vokatra tsara nampihenana ny tahan’ny tsy fandriampahalemana izy ireo », hoy ny MFA. Notsongaina avy amin’ny Tafika telo: an-tanety, an-dranomasina ary ana habakabaka ny miaramilan’ny GFSI. Manana ny fahaiza-manao rehetra amin’ny famitana iraka, toy ny ady amin’ny fakana an-keriny sy fandravana tambajotran-jiolahy mpanao asa ratsy. Notolorana ny « Brevet forces spéciales Apinga » ireo miaramila rehetra nahavita fiofanana.
Jean Claude
Hitohy rahampiso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena “Top 12 Mada”, taranja rugby. Anisan’ ny fihaonana goavana ary hiendrika famaranana kely ny an’ny USA Ankadifotsy (Ankady) sy ny UAS Cheminots (Besetroka).
Very mantsy izay resy eo amin’ny roa tonta. Midina any amin’ny D2 amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Hangotraka, araka izany, ny lalaon’izy ireo. Fileovana samy manana ny fahaiza-manaony ny andaniny sy ny ankilany. Besetroka matanjaka ao anaty “avant” raha mailaka sy faingana kosa Ankady amin’ny filalaovana amin’ny “trois quart”. Ho lavo, araka izany, izay ratsy fanomanana sy diso paikady eo.
Ankoatra izay, hanohitra ny Cosfa (Bebaoty) indray ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Hanala vela rahateo ry zareo Anatihazo amin’ity. Tsara ho fantatra fa misy mpilalaon’ Anatihazo, mandrafitra ny Cosfa, amin’izao fotoana izao, toa an’i Mbola sy i Ginot. Mialoha io no hifanandrina ny Mang’Arts sy ny STM (Savony).
Hatao mialoha io ny ampahavalon-dalana amin’ny “Top 20”, hifandonan’ny Rosa sy ny US Ikopa. Etsy amin’ny kianja Malacam kosa no hifampitana ny CRAI sy ny AFA ary FTAT sy ny FTAM ary ny an’ny JSTA sy FBM. Ho fantatra eo izany ireo ekipa tafita amin’ny ampahefa-dalana amin’ity “Top 20”, ity.
Tompondaka
Hanomboka anio ary hitohy rahampitso, eny amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny amboara « Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA) », taranja baolina kitra. Lalao 8 no voalahatra amin’izany ka 4 hatao anio ary rahampitso ny 4 ambiny.
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fifaninanam-pirenena, taranja handball, sokajy Sénior, lahy sy vavy. Hanana ny lanjany lehibe izany satria hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI) izay ho tompondaka eo.
Hatao anio, ao amin’ny torapasika Hurghada, ao Egypte, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja beach-soccer. Hiady lohany amin’izany ireo firenena 8, ahitana an’i Egypte mpampiantrano, Maroc, Tanzanie, Ghana ao amin’ny vondrona “A” ary Senegal, Mozambique, Malawi, Mauritanie, sokajy “B”.
Nosongonan’ny Coelacanthes Comores ny filaharan’ny Barea ao amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa) sy ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf ). Faha-108 i Comores, raha faha-109 ny Barea eo amin’ny filaharana maneran-tany. Faha-24 ry zareo kaomorianina eto Afrika raha faha-25 ny Malagasy.
Ny alarobia teo no tafaverina an-tanindrazana ny Barea de Madagascar, taorian’ny fiatrehany ny andro fahatelo sy fahefatra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”, natao tany Maroc, ny zoma 11 sy ny alatsinainy 14 oktobra lasa teo, ao amin’ny vondrona “A”. Hatreto, tsy mbola misy nahazo ny tapakila hiatrehina izany ity sokajy misy ny Malagasy ity. Samy mbola manana herijika hiatrehana izany avokoa ny ekipa efatra dia i Tunisie, mitarika amin’ny isa 7, arahin’i Comores isa 6 ary Gambie isa 5 sy Barea isa 2. Hiankina amin’ny andro roa farany ny hahalalana izay ho tafita. Mila mandresy amin’ireo lalao roa farany hikatrohana amin’i Tunisie sy i Comores ny Barea. Mety hatao atsy Afrika Atsimo ny lalao hifanandrinana amin’i Comores.
Tsara ny mampahatsiahy fa tsy afaka milalao mandritra ny andro fahadimy, hikatrohan’ny Barea sy Tunisie, i Sonny Laiton, Malagasy mpiandry tsatoby, noho ny karatra mavo roa azony. Ankoatra izay, miisa valo ireo firenena efa tafita any amin’ny “Can”, anisan’izany i Maroc, mpampiantrano, Algerie, Cameroun, Sénégal, RD Congo, Angola, Burkina Faso ary Egypte.
Tompondaka