Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana skoto nasionaly, ny fikambanan’ny Mpanazava, ny Hetsika skoto, ny Tanora advantista ary ireo skoto anarivony maro. Haharitra herintaona ny fiaraha-miasan’izy ireo. Tanjona ny hampirisihana ny mponin’Antananarivo handray ny andraikiny ho olom-pirenena tomponandraikitra. Manodidina ny 18 000 ireo skoto handray anjara amin’ny hetsika mikendry ny hanarenana sy hanatsarana ny tanànan’Antananarivo. Efa nisy skoto 1 200 nandray anjara an-tsitrapo tamin’ny fanampiana sy fanaraha-maso ireo traboina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza lasa teo iny.
Maro ny sehatra ho voakasiky ny fiaraha-miasa. Anisan’izany ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolen-kazo, ny fanentanana, ny fanadiovana… Hisy fiheverana manokana ho an’ny olona marefo amin’ny alalan’ny hetsika fanentanana, fialamboly, fiofanana ary fanabeazana. Tena ilaina ny fampandraisana anjara ny mponina ho tomponandraikitra amin’ny tanànany hadio sy ho maitso ary milamina sy mirindra.
Tatiana A
Famedev, « Femmes en Action, Media, Genre et Développement », manitra hatrany ny sehatra iasany sy hitondrany fampandrosoana.
Efa ahitana mpikambana eo anivon’izy ireo koa izao ny amin’ny faritra Boeny, ao Mahajanga. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fankalazana nasionaly ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy tany Mahajanga ny fikambanana, ny sabotsy teo. Teo koa ny filaharambe sy ny tafatafa tamin’ireo solontena notarihin’i Sylvie. Anisan’ny nasongadin’izy ireo tamin’ny sorabaventy nentiny ny « Vehivavy miranga ». Midika fa mijoro sy vonona ho amin’ny fampandrosoana.
Nambaran’ny filoha mpitarika ny Famedev, Flavienne Ramarosaona tamin’izany fa eo hatrany izy ireo ho amin’ny hetsika fitovian-jo sy ny fizakan-tena ho an’ny vehivavy.
Tsiahivina fa anisan’ny tanjona sy fotokevi-dehibe ijoroan’izy ireo ny fiarovana ny fivoaran’ny serasera, ny fitovian-jo, ny tontolo iainana ary koa ny fampandrosoana.
Efa mijoro any Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony koa ny fikambanana ary efa nanao hetsika hatrany hatramin’ny niforonany tamin’ny marsa 2020. Mbola mikendry ny hanitatra ny fikambanana any amin’ny faritra hafa koa ny mpitantana ny Famedev.
Synese R.
Natao tany Antsirabe, ny 5 marsa teo, ny Fihaonamben’ny mpanjifa mpandraharaha, (Forum Clients) andiany faharoa. Voakasik’izany ireo mpandraharaha sy orinasa tena madinika sy salantsalany (TPE-PME). Mikarakara azy ny Sipem Banque, entina hanomezana torolalana hampiroboroboana ny fandraharahana any Vakinankaratra. Ao anatin’izany ny hikarohana fomba mahomby amin’ny sehatry ny ara-bola, ahafahana manitatra ny ambaindahin’ny fandraharahany. Fotoana nampihaonana mivantana ny mpisehatra rehetra amin’ny fandraharahana ity fotoana ity.
Notsindriana manokana tamin’ny fihaonambe ihany koa ny vehivavy mpandraharaha, noho ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Nilaza ny tale jeneraly lefitra (DGA) ny Sipem Banque, Randriatsimialona Lanja, fa « zava-dehibe ny fanomezan-danja ny fikirakirana ara-bola sy ny fanohanana ny vehivavy amin’ny fandraharahany. Satria, mpandraharaha vehivavy ny 63%-n’ny mpanjifa nahazo fampindramam-bola tato aminay, manaporofo fa atao laharam-pahamehana ny hampaleo tena azy ireo amin’ny fihariany ».
Fotoana nampahafantarana ny mpanjifa any Vakinankaratra ireo mpiray miombon’ antoka ara-barotra ihany koa ity fihaonambe ity. Anisan’ izany ny fanamorana ny fividianana fiara, angovo azo havaozina sy ny hafa.
Njaka A.
Mitentina 8,7 tapitrisa dolara ny tetikasa Fier natao hanamafisana ny famatsiam-bola ho an’ny angovo madio sy maharitra eto Madagasikara. Manohana ny tetikasa ODD, Pnud, Onudi ary UNCDF. Tetikasa iaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ireo minisitera voakasika.
Nifampizara lalan-tsaina entin’ny governemanta hampandrosoana ny faritra Boeny ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (Mef) sy ireo mpiasa avy ao amin’ny « Maison des finances » ao an-toerana. Voaresaka ny fomba hampandrosoana ny asa sy ny resaka sosialy eo anivon’ny Mef Mahajanga.
Voaresaka ireo fepetra ara-ketra vaovao nentin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola LFI 2025 nandritra ny « dialogue public-privé ». Singanina manokana ireo famerenana ny famerana ireo zana-bola sy ny fomba fampiharana ireo andinin-dalàna. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fifampihainoana sy ny fifampiresahana eo amin’ny minisitera sy ireo mpisehatra ara-toekarena
Mbola mihatra ireo fepetra « chimio-prophylactiques » na ny fihinanana fanafody, ho an’ireo mpandeha avy atsy amin’ny nosy Kaomoro tonga eto Madagasikara. Izany no atao dia ny hisorohana ny fifindran’ny cholera eto an-toerana. Tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra farany teo fa miverina misokatra ny fifamoivoizina an-dranomasina amin’ny nosy malagasy sy ny nosy Kaomoro.
Sesilany ny fotodrafitrasa apetraky ny filoham-pirenena nandritra ny diany tany Mahajanga, ny herinandro teo. Tapaka fa hamboarina ny seranan-tsambo ao an-toerana manomboka amin’ity taona ity. Haharitra 10 taona ny fanatanterahana ny asa mba hahafahana mamaly ny fifaninanana iraisam-paritra sy hamaliana ny tsena an-dranomasina eo amin’ny lakandranon’i Mozambika. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny fanamboarana ny toeram-piantsonana vaovao mirefy 150 m x 40 m. Eo ihany koa ny fanajariana ny « jetée sur pieux ». Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny fananganana toerana fitahirizana ireo « conteneurs » mahatratra hatrany amin’ny 110 00m2. Tanjona ny hametrahana ny fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy hiantohana ny fivezivezen’ny sambo am-pilaminana. Marihina fa ivon’ny fivezivezen’ny sambo amin’ny tapany andrefan’ny Nosy ary seranan-tsambo voalohany amin’ny fanjonoana makamba ny ao Mahajanga. Fantatra fa sakana amin’ny fandraisana ireo sambo lehibe ny fahateren’ny fotodrafitrasa.
Henintsoa H.
Vitaina anatin’ny fotoana fohy ny fanatanterahana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao Mahajanga. Napetraka ny zoma teo ny vato fototra hanatanterahana ny tetikasa.
Efa-bolana. Izay no faharetan’ny fanamboarana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro hapetraka ao Mahajanga. Hanana tanjaka 5MW ny tetikasa ka tanjona ny hanafoanana ny olan’ny delestazy ao an-toerana. Natomboka ny zoma teo ny fananganana ny tetikasa tao amin’ny fokontany Manjarisoa. Nitarika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Hanana tanjaka 3MW ny toby hapetraka raha 2MW ireo vatoaratra. Ity farany izay hapetraka any Amborovy. Hanatsara ny famokarana herinaratra ao Mahajanga ny tetikasa ka hisahana ny 23% amin’ny filana ao an-toerana ny atoandro raha 20% kosa izany ny alina.
Ankoatra izay, hampihena ny fandaniana amin’ny fividianana solika ny tetikasa satria hahafahana manao tahirim-bola hatramin’ny 5 313 092 000Ar isan-taona. Ahafahana manao tahirin-tsolika hatramin’ny 20 000m3 isan-taona ihany koa izany.
Vokatry ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana ny tetikasa. Hiantoka ny fanatanterahana izany ny fanjakana amin’ny alalan’ny orinasa Jirama.
Fotodrafitrasa
Ankilany, miroso avokoa ireo tetikasa ao Ambatomirahavavy, Ambohidrano Ilafy, ary Andoharanofotsy. Nanamafy ihany koa ny Filoham-pirenena ny hiarovana ireo takelaka hapetraka mba tsy mora harafesina noho ny rivo-dranomasina sy ny rivodoza mety hiseho. Notsindriany manokana ireo fambolena ambanin’ireo fotodrafitrasa mba hametrahana ny rafitra ara-toekarena noho izy mampidi-bola sy mamokatra angovo.
Henintsoa Hani
Natolotra ny fitsarana afakomaly ny sinoa valo sy malagasy telo, voasambotra tamin’ny tambajotra iray mpamarina vehivavy malagasy tany amin’ny faritra Atsinanana, ny herinandron’ny 23 febroary teo. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny efatra amin’izy ireo, eny Antanimora ny fito ambiny. Vehivavy malagasy asaina manambady am-pitaka na an-tery amin’ny teratany sinoa ny tena ao anatin’io tambajotra io. Nitaraina tamin’ny fianakaviany ny vehivavy iray izay tafody teto Madagasikara, niharam-boina sy voafitaka mahakasika ny tolotrasa any Chine. Tonga nitory teo anivon’ny mpitandro filaminana ny zanany taorian’izay. Voalaza tamin’izany fa tsy maintsy manambady sinoa raha te hiasa any Chine ka nanaiky io izy. Namidy sy nijaly ary niharan’ny herisetra isan-karazany anefa izy rehefa tonga tany Chine. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana ka nahitana ny tambajotra iray mpamarina olombelona tany Toamasina. Vokany, voasambotra tamin’izany ny teratany malagasy telo nivarotra sy teratany sinoa dimy hafa, mpividy vehivavy hataony vady, ka izao naiditra am-ponja izao.
Manodidina ny 40 hatramin’ny 180 tapitrisa Ariary ny hamarotana ny vehivavy malagasy iray any Chine, raha ny fanadihadiana nataon’ny sampandraharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy miady amin’ny hosoka (SCESLF). 70 tapitrisa Ariary no namarotana ny vehivavy izay tafody soa aman-tsara teto amin’ny Nosy. 3 tapitrisa Ariary tamin’io ihany no nomena azy sy ny ray aman-dreniny, mba ho fikarakarana ny fanambadiana sy ho vodiondry. Mahatratra dimy ny vehivavy voafitaka mahakasika izany, tamin’ity taona 2025 ity. Namidy sy noterena nanambady ary niharan’ny herisetra izy ireo. Efa tafody soa aman-tsara teto an-tanindrazana izy ireo taorian’ny fiaraha-mientan’ny tomponandraikitra.
Mino
Tontosa omaly ny lalao manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball tanterahina any Maorisy. Tafakatra famaranana ny GNVB, lehilahy, rehefa nandresy ny Saint Denis Olympique Volley-Ball avy any La Réunion tamin’ny tie break ( 25 – 22 / 23-25/25-23/19-25/16-14). Raha fintinina ny dingana nolalovan’ny GNVB, lehilahy, tsy mbola resy mihitsy ity ekipa Malagasy ity, nanomboka tany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hatramin’izao manasa-dalana izao. Ny tempo Gecko no hihaona amin’ny GNVB amin’ny famaranana.
Raraka teo amin’ny manasa-dalana ny GNVB, sokajy vehivavy
Tapitra teo amin’ny dingana manasa-dalana ny lalan’ny solontena malagasy, GNVB vehivavy, tao anatin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka faritra faha-7, taranja volley-ball, tanterahina any Maorisy. Resin’ny Tempo Gecko Volley Ball avy any La Réunion, tamin’ny seta 3 no ho 1 ny GNVB, vehivavy, ka nifarana hatreo ny lalan’izy ireo. Na izany aza, mbola hiady ny laharana fahatelo amin’ny City Ladies izy ireo ho amin’ny anio. Raha hiverenana ny lalan’ny GNVB, vehivavy, azo lazaina ho namiratra izy ireo nanomboka tany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hatramin’ny lalao ampahefa-dalana ary nitàna ny laharana voalohany tao amin’ny vondrona nisy azy. Mbola manantena ny hahazo ny medaly alimo izy ireo ho amin’ny anio.
Mi.Raz
Tontosa teny amin’ny Orange Digital Center, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ny fifaninanana taranja Échecs “Queens Women Open Tournament”. Fifaninanana natokana ho an’ny vehivavy malagasy mpilalao, ary hampiakarana ny fahaiza-manaon’izy ireo ity fandaharanasan’ny federasiona ity.
Efa manomboka ny fisoratana anarana amin’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga “Big Tanà”, taranja Bodybuilding. Fifaninanana izay hotontosaina eny amin’ny “Mining Business Center” Ivato, ny 20 marsa ho avy izao. Ny Klioba rehetra mijoro eo anivon’ny ligin’Analamanga no afaka mandray anjara.
Hotanterahina eny Ambohidava, anio sy rahampitso, ny fifaninanana hazakazaka moto “Enduro”, mitondra ny anarana hoe “4H Honda”, andiany faha-23. Tsiahivina fa handray anjara amin’io ireo mpanamory moto fanta-daza eto an-toerana sy avy any amin’ny faritra, toa an-dry Claudio Tida sy Mathias Plantive.
Hitohy anio sy rahampitso ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, taranja baolina kitra “La Liga”, diviziona voalohany. Araka ny fikarohana natao, hifampitana amin’ny FC Barcelone anio alina, ny ekipan’ny Osasuna. Rahampitso kosa, hifanandrina amin’ny Rayo Vallecano ny Real Madrid.
Hotanterahina any Antsirabe, ny alahady 6 avrily ho avy izao, ny andiany fahasivy amin’ny “Trail d’Ibity”. Hiavaka izy ity satria hatolotra manontolo ho an’ny fikambanana Antena, misahana ireo zaza tratry ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika ao amin’ny faritr’i Vakinankaratra ny vola rehetra azo amin’ny fifaninanana. Io no nambaran’i Vincent Blanchet, tale jeneralin’ny Alpha Ciment, anisan’ireo mpikarakara, tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy Tsaralalana. Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana, na ireo efa matihanina na tsia. Heverina hahatratra 2000 ireo handray anjara ka ankoatra ireo mpifaninana malagasy, hisy koa renioney sy maorisianina. Misy dingana telo ny “Trail d’Ibity”, dia ny halavirana 3 km sy ny 15 km ary ny 31 km. Takina amin’ireo mpifaninana ny fitaovana fitondra amin’ny hazakazaka, toy ny “casquette”, ny fitehirizan-drano sy ny fanafody hitsaboana raha sendra loza. Ilaina koa ny finday sy ny kiririoka hiantsoana raha toa very lalana. Nasiam-panovana ihany koa ny lalana hizorana fa tsy toy ny mahazatra. Ankoatra ny maha fifaninanana azy, hianoka ny hatsaran’ireo biby sy zavamaniry ao Ibity sy ny manodidina ny mpifaninana. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana koa ity “Trail d’Ibity” ity. Hahazo loka avy amin’ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka ireo telo voalohany isan-tsokajy.
Torcelin
Na dia amin’ny alarobia ho avy izao aza ny lisitr’i Corentin Martins, mpanazatra Barea vaovao, no hivoaka, nilaza ny loharanom-baovao iray fa miisa efatra ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana voaantso handrafitra ny Barea de Madagascar.
Afaka 11 andro eo, hiatrika ny fifanintsanana ahazoana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” ny Barea de Madagascar. Fihaonana izay hikatrohana amin’ny Les Fauves Centrafrique, tafiditra ao anatin’ny andro fahadimy ho an’ny sokajy “I”. Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasiona malagasy (FMF), mpilalao avy eto an-toerana miisa efatra ihany no nantsoin’i Corentin Martins, frantsay teknisianina vaovao an’ny Barea.
Tsy nilaza ny anaran’ireo mpilalao ireo moa ity mpampita vaovao ity. Ankoatra ireo avy eto an-toerana, misy ihany koa ny lohalaharana mifanintsana amin’ny diviziona voalohany any Eoropa, nanaiky ny hanao Barea. Ho fantatra ny 12 marsa ho avy izao ireo anarana mpilalao nantsoina hiaro ny voninahi-pirenena ireo.
Tsiahivina fa any Maroc, handray ny Barea de Madagascar ny Les Fauves an’i Centrafrique, ny alarobia 19 marsa ho avy io. Aorian’ity fifanandrinana amin’ny Centrafrique ity, handray ny Black Star Ghana ny Barea ny 24 marsa ho avy izao, any Maroc ihany.
Ambony ny herijika
Sedra iray ho an’ny Coach Martins ny lalao roa hifanandrinana amin’i Centrafrique sy i Ghana. Ambony anefa ny herijika hahafahan’ny Malagasy mpilalao amin’ity raha mahita fandresena amin’io ny Barea de Madagascar. Ampahatsiahivina ihany fa manana isa 7 izao ny ekipa nasionaly malagasy, ary eo amin’ny laharana fahatelo amin’ny vondrona “I”. Rehefa vita ny lalao iraisam-pirenena tahaka io, andrasana indray ny filaharan’i Madagasikara amin’ny Fifa.
Fitia Randria
Mahasarika ankizy sy tanora malagasy maro ny manohy fianarana any ivelan’ny Nosy, raha ny fanadihadiana natao. Nofinofin’izy ireo hatrany kosa ny handrato fianarana any ivelany noho ny eto Madagasikara. Vehivavy avokoa ny ankamaroan’ireo tia mandeha mianatra any ivelany ireo, raha ny fanazavana voaray. “Be mpisafidy indrindra ny mandeha any France sy Canada ary Etats-Unis”, hoy Rajaonah Haingo, tomponandraikitra amin’ny fikarakarana ny hetsika salon des etudes internationals. «Efa mahaliana ny tanora Malagasy ihany koa ny any amin’ny nosy Maurice. Noho izy io akaiky sy mbola azo lazaina ho mirary kokoa ny saram-pianarana. Toy izay ihany koa ny any Inde sy Turquie noho ny fanomezan’izy ireo vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra”, hoy hatrany izy. Lalam-piofanana tena mahaliana azy ireo ny mahakasika ny Management sy ny Medecine. Miha misokatra kosa ny lalam-piofanana hafa toy ny Informatika sy ny architecture, raha ny nambarany hatrany. Maro ny antony mahatonga azy ireo misafidy ny hianatra any ivelany. Voalohany, ny faniriana te hianatra kolontsaina hafa, eo koa ny tsy fitovian’ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara sy any ivelany. Manan-danja kokoa ny mari-pahaizana iraisam-pirenena azon’ny ankizy aorian’ny fahavitan’ny fianarana ka antony hisafidianan’ny tanora hianatra any. Manampy sy manamora betsaka ny fitadiavana asa eny anivon’ny orinasa ihany koa ny mianatra any ivelany.
Any amin’ny firenena toa an’i France, Allemagne, Italie, Inde ary Angleterre. Mila manomana vola manodidina ny 65 tapitrisa Ariary eo ny tanora iray raha maniry hianatra any ivelan’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany, ny saram-pitantanana mandritra ny herintaona, manodidina ny 2 000 hatramin’ny 3 000 euros. Manampy izany koa ny saram-piaramanidina sy ny vola atao antoka amin’ny banky raha sendra misy loza, hatramin’ny taom-pianarana. Efa ao ihany koa ny vidin-tsakafon’ny mpianatra, maraina sy atoandro ary hariva mandritra ny herintaona. Manampy izany ny hofan-trano, ny jiro sy rano ary ny wifi. Mahatratra hatramin’ny 300 tapitrisa Ariary kosa ny vola ilaina raha te hahavita fianarana hatramin’ ny farany ny tanora iray.
Fanabeazana eto an-toerana
Nilaza ireo mpianatra nanontaniana fa mbola misy lesoka ny fanabeazana eto Madagasikara, ka antony iray mandrisika azy ireo hianatra any ivelan’ny Nosy. Manampy betsaka ny tanora malagasy ny fanomezana sy ny fahazahoan’izy ireo vatsim-pianarana. Nanodidina ny 45 ireo tanora avy eto an-toerana nandrato fianarana tany Inde, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Parul Université. “Miara-miasa amin’ny orinasa lehibe maneran-tany ny ankamaroan’ny oniversite any an-toerana. Tombontsoa lehibe izany satria afaka mandray avy hatrany ireo mpianatra nivoaka, hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Amin’ny teny anglisy avokoa ny ankamaroan’ny fampianarana, afaka manaraka izany ny tanora iray raha mahazo tsara io fiteny io. “Entanina mba tsy hanao tsinontsinona ny fiteny sy ny fianarana anglisy ny tanora sy ny ankizy malagasy satria anisan’ny teny ampiasana voalohany maneran-tany izy io”, hoy hatrany ny tomponandraikitra.
Hetsika andiany faha-14
Nifarana omaly tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny hetsika fampahafantarana ny fianarana any ivelan’i Madagasikara na ny “salon des études internationales”. Hetsika andiany faha-14, izay karakarain’ny Mada jeune. Naharitra roa ny hetsika teny an-toerana, izay nahasarika tanora maro. Nahitana trano heva manodidina ny 30 isa ny nandray anjara tamin’ny hetsika. Nahitana oniversite avy any France, Canada, Inde, Maurice. Anisan’ny nampiavaka iny hetsika iny ny fisian’ireo firenena hafa nandray anjara. Toa an’i Dubai, Maroc, Thailande sy ny maro hafa. Ankoatra ny fitsidihana ny tranoheva, nisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra nataon’ny tomponandraikitra teny an-toerana. Natao hanampiana sy nanomezana toro-lalana ireo mpianatra mahakasika ny fisafidiana ny lalam-piofanana sy ny firenena handehanana.
Azo atao ny manaraka ny fiofanana eto Madagasikara ihany
Manodidina ny 20 hatramin’ny 60% ny vatsim-pianarana azon’ny ankizy iray arakaraka ny fahaizan’ny mpianatra omen’ireo firenena maro samihafa manao izany. Azon’ny tanora malagasy ny mandeha manaraka lalam-piofanana any ivelany. Tsy voatery mankany an-toerana anefa ireo mpianatra raha tsy manana fahafahana ara-bola, raha ny fanadihadiana natao. Efa maro rahateo ihany koa ny oniversite any ivelany, manao izany tolotra izany. Mba hanampiana ny tanora malagasy sahirana ara-bola sy tsy nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny oniversite. Efa misy, araka izany, ny fanarahana ny fampianarana any ivelany, izay atao eto Madagasikara amin’ny alalan’ny lesona ampitain-davitra”, hoy hatrany Rakotoarivony Seheno, tomponandraikitra eo anivon’ny oniversite mandefa ankizy mianatra any Inde. Hatreo amin’ny mari-pahaizana Licence ihany ny fanaovana izany hatramin’izao fa tsy maintsy makany kosa raha haka ny mari-pahaizana Master.
Nanatontosa : Mino
Manome fotoana sahady ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny fizahantany amin’ny taona ho avy ny agence Tropi’Com amin’ny hetsika «Tropic’Awards 2026» taorian’ny andiany voalohany natao teny amin’ny Canal Olympia teny Andohatapenaka, ny sabotsy teo. «Fahombiazana tanteraka ny hetsika ary mbola vonona hanatsara ny ezaka vita izahay», hoy ireo mpikarakara. Anisan’ny fanatsarana hatao ny fampandraisana anjaran’ny rafi-panjakana. Hampiroboroboana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra mba hisian’ny fifanakalozana bebe kokoa.
Tosika ho fampiroboroboana ny fizahantany ny hetsika toy izao ka ampirisihina ireo mpisehatra samihafa hanao mihoatra lavitra sy zava-bitany. Nisitraka amboara nandritra ny hetsika natao ireo mpisehatra 13 mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana.
Ankoatra izay, nifampizara sy nifanakalo hevitra tamin’ireo matihanina samihafa mahakasika ny tontolon’ny fizahantany ireo mpandray anjara rehetra. Voaresaka ireo fanamby sy fanararaotra ao anatin’ny tontolo. Marihina fa anisan’ny nanotrona ny fotoana ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa.
Henintsoa H.
“Aoka hazava ny andraikitry ny tsirairay manoloana ny fisian’ny traboina. Izahay solombavambahoaka dia tsy manana sora-bola natokana hamonjena ny olona traboina toy izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Betioky Atsimo tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Jean-Jacques, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny famonjena traboina. Raha misy ny mahita an’izay sora-bola izay ao anatin’ny toe-bolan’ny Antenimierampirenena, mitsanganà izy. Ny hany azon’ny solombavambahoaka atao raha misy izay voatsirambin’ny tanana na izay any am-paosy. Ny andraikitra amin’ny maha solombavambahoaka dia tsy maintsy mitondra ny fitarainan’ireo vahoaka any amin’ny fahefana mpanatanteraka. Mandraka androany, tsy mbola misy fanampiana tonga any Betioky Atsimo, araka ny nambarany. Manao antso avo ny fitondrana izy amin’izany.
“Amin’izao, betsaka ny ankizy tsy mianatra”, hoy izy. Satria mirodana ny sekoly. Ny ao amin’ny kaominina Soamanonga, ohatra: ny fokonolona ihany no nanao ny sekoly izay biriky tany. Tratran’ny orana izany dia nirodana. Nihotsaka ny tranon’ny Lycée sy ny CEG. Tsy misy fampianarana amin’izao. Momba ny ao an-tampon-tanàn’i Betioky Atsimo manokana, mahatratra 1 641 ny isan’ny traboina. 70 tafo ny trano rava, ary 96 ny tafo niala fa tratran’ny rivotra. Ankoatra an’izay, difotry ny rano ary betsaka maty ny biby fiompy. Etsy andaniny, ny aretina, ny lalana tapaka mampanahy an’Ampanihy sy i Betioky…
R. Nd.
Mihodina tsara ny trano fitahirizam-bokatra sy famokarana lagilasy any Ambatondrazaka. Nanohana ny fananganana azy ny Vondrona eoropeanina. Nidina tany an-toerana ny tale jeneralin’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny Vondrona eoropeanina, ny 4 marsa teo, nandinika ny tombontsoa ho azo amin’ity fotodrafitrasa ity.
Hapetraka ny rafitra niomerika ho fanaraha-maso ny fampiasana ny saribao miaro ny tontolo iainana. Hangonina ny antontam-baovao mialoha ny handrafetana ny tranokalam-pifandraisana. Efa voangona ny an’ny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana, ary hisy ny fiaraha-mientan’ny fanjakana, ny tsy miankina ary ny mpamatsy vola ho an’ny hafa.
Efa miparitaka amin’ny faritra maro ny vary nafarana 750 Ar ny kapoaka. Ifandrombahana tanteraka ny vokatra noho izy manala fahasahiranana ny mponina. Mbola manohy ny ezaka rehetra hanapariahana ny vary mora ny fanjakana mba hisitrahan’ny mpanjifa ny vokatra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.
Salotraina miisa 140 no nozarain’ny APMF maimaimpoana tao Masiakampy. Nisitraka izany ireo tompona kanoto hanamafisana ny fiarovan-tena amin’ny asa fitaterana an-dranomamy. Tanjona ny hanampiana azy ireo sy ireo mpandeha amin’ny fivezivezena hisorohana ny loza mety hiseho.
Naharitra 50 volana ny namolavolana ny tetikasa Fampivoarana ny fahaiza-mitantana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara (F3LTM). Nanatontosa azy ny Jica sy ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Natao omaly ny fivoriana faran’ny Vaomiera iombonana mpandrindra (CCC), andiany faha-8 sy ny fivoriana ara-teknika andiany fahefatra. Miisa enina ny vaomiera teknika (GTT) namolavola ny lafiny teknika sy ny fanaraha-maso. Nilaza ny sekretera jeneralin’ny MTP, Sambisolo Emile Joseph, fa voarafitra ny antontan-kevitra mirakitra ny fanaraha-maso, ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana, ny fitaovana ampiasaina, ny fitahirizana ny antontam-baovao. Nisy ny fampiharana tany amin’ny lalam-pirenena, RN1 sy RN2, mahakasika ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana.
Natolotry ny CCC ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), tamin’ity fivoriana farany, omaly, ity ny antontan-kevitra sy ny fitaovana nampiasaina momba ny fanaraha-maso sy ny fanadihadiana ny lalana sy ny tetezana.
Fampiofanana
Lasa mpampiofana ireo teknisiana malagasy nahazo ny traikefa sy fiofanana avy amin’ny teknsianina japoney. Hampita ny fahaiza-manaony izy ireo, miainga ao amin’ny minisitera MTP, mitohy any amin’ny injeniera malagasy hafa. Hanomboka amin’ny avrily 2025 ny andiany voalohany, eny amin’ny Ivontoerana nasionaly mahakasika ny fotodrafitrasa (ININFRA).
Njaka A.
Tontosa omaly, tetsy Mahamasina, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanan’ny skoto rehetra (miisa valo) eto Madagasikara. Niray hina sy niray saina izy ireo mba hifanome tanana amin’ny kaominina mahakasika ny fanentanana ny mponina amin’ny fanabeazana olom-pirenena. Eo koa ny fifanomezan-tanana manoloana ny fiakaran’ny rano sy fandraisana an-tanana ny traboina sy marefo. Mihoatra ny 1 200 ny skoto nifanome tanana tamin’ny BNGRC sy ny kaominina ary ny teo anivon’ny minisiteran’ny Mponina nandritra ireny voina nandalo ireny. “Misy ny andrasana amin’ny kaominina, misy koa ny tolo-tanana omen’ireo skoto eto Madagasikara”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala.
“Hahafahana mampiorina ny fotom-panabeazana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny fisian’ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa tahaka izao”, hoy ny Dr Razafimandimby Andrianjaka Rado, filoha iombonan’ny mpamakilay eto Madagasikara. “Zavatra mivaingana ny famenoana ny fanabeazana omen’ny sekoly sy ny sehatra maro samihafa mahakasika ny fanabeazana olom-pirenena vanona”, hoy hatrany izy.
Mino
Ho valin’ny fanambarana nataon’ny OSC, nitondra fanazavana ny governemanta tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Nodisoin’izy ireo io fanambarana io, araka ny fanehoan-kevitra.
Namoaka fanambarana indray ny vondrona fiarahamonim-pirenena OSC, manohitra ny tetikasa Arabe migodana, Antananarivo-Toamasina, indrindra ny ampahany voalohany (Antananarivo-Anjozorobe), mirefy 80 km. Rehefa zohina, miendrika filam-baniny ny fanambaran’izy ireo, satria nisy foana ny fifampidinihana nataon’ny fanjakana tamin’ny sehatra rehetra voakasika, ary anisany ny OSC. Mihonona amin’ny fitsikerana izy ireo, fa tsy nanome vahaolana mazava sy azo tsapain-tanana, nefa ny mponina voakasika aza tsy nanohitra ity tetikasa ity mihitsy.
Nanazava foana ny governemanta tamin’ny alalan’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, toy ny tao amin’ny televiziona TVM, ny 5 marsa teo. Nambarany fa, « diso tanteraka ny filazana fa potika ny fanamboarana ny arabe migodana. Voavaha ny ranobe teny amin’ny fiaingana PK 0 eny Tsarasaotra, satria efa noritina ny rano, vokatry ny orambe, farany teo ». Mahakasika ny tany mihotsaka, miara-miasa ny fanjakana sy ny mponina eny ifotony, toy ny Asa atakalo vola (Himo), omena tambin-karama 10 000 Ar isan’andro, isan’olona, miampy fanomezana vary, manala ny fasika nanototra ny tanimbary manodidina.
Narahina ny lalàna, nalaina ny hevitry ny vahoaka, ka ny septambra 2023 no azo ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana (PE). Ny oktobra 2024 vao nivoaka ny Drafi-pitantanana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy (PGES).
Nofintinin’ny minisitra Rafidison Richard, fa “fanambin’ny filoham-pirenena ny tetikasa goavana toy ny arabe migodana, izay mila fahasahiana sy fanohanan’ny rehetra”.
Njaka A.
Ny tsatoka antsy indray izao no fanaon’ ireo jiolahy sy/na ny ankizy ankehitriny. Saika mpianatra no tena resahina eto. Manahy amin’ny mety hipoiran’ny andian-jatovo hanao ny asan-jiolahy tahaka ny “Foroche” ny mpanaram-baovao ankehitriny.
Raha mandre sy manaraka akaiky ny tranga ny Malagasy maro, ireo ankizy sy tanora mihitsy ny ankabetsahany amin’ireo nahavanon-doza. Manodidina ny 12 taona – 16 taona eo izany.
Tsy mifidy horatraina fa izay mifanena dia mahazo avokoa. Raha hiverenana kely ny tranga ny 25 febroary lasa teo, nisy renim-pianakaviana iray niandry fiara haka azy hamonjy ny asany teo an-tsampanan-dalana efatra, Tanambao Verrerie, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany maraina, noravana andian-jiolahy mirongo antsy.
Tapaka ny tanany ary vola 600 Ariary sy vary masaka hoentina miasa no lasan’ ireo mpanao asa ratsy. Mbola tamin’io toerana io ihany, nisy tovolahy nifoha maraina hanao fanatanjahantena hiazakazaka, nosakanan’ireo andian-jiolahy indray. Vokany, tapaka ny tanany, lasa ny finday teny aminy.
Ankoatra izay, ny zoma 28 febroary teo, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva, nisy mpianatra ho mpitsabo mpanampy avy amin’ny sekoly tsy miankina iray hanao fanazaram-piofanana any amin’ny Hopitalibe, voasakan’andian-jatovo maditra teny an-dalana. Tapa-tanana ihany koa, ary norobain’ ireo nahavanon-doza avokoa ny fitaovam-pianarana rehetra miaraka amin’ny finday.
Ny alakamisy 27 febroary teo koa no nitrangan’ilay mpianatra notafihan’ny andian-jaza mihoa-pefy teo am-panaovana baolina, avy any Mangarano. Nalentik’izy ireo tany anaty kibon’ilay nahavanon-doza ny lelan’antsy.
Mirongatra ny fitsaram-bahoaka
Taratry ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny lafiny fitsarana, na koa ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana ka mahatonga ny firongatry ny fitsaram-bahoaka. Ny alatsinainy 3 marsa teo ihany, nahitana raim-pianakaviana iray indray, niharan’ny hatezeram-bahoaka, raha tratra namaky trano tao Ambalamanasy. Nambaran’ ity voasambotry ny fokonolona ity fa noana izy, ary tsy misy sakafo ny zanany, ka ireo antony roa ireo no nahatonga azy namaky trano, mba hahafahany mitady izay ho sakafo.
Leo resaka herisetra sy fandrobana ary vaky trano sy hala-boty mahazo ny ao an-toerana ny fokonolona. Tsy nisy azo hifandaharana fa daroka, vely kaboda, totohondry no nasetrin-dry zareo, tamin’ity mpangalatra ity. Tao kosa ireo efa miady amin’ izany fitsaram-bahoaka izany ka nanavotra ary nitondra azy teny amin’ny hopitaly.
Raha tsorina, efa endrika ra mandriaka avokoa izany fitsaram-bahoaka, firongatry ny tsatoka antsy. Fehiny, sempotry ny tsy fandriampahalemana i Toamasina.
Fihanaky ny zava-mahadomelina
Amin’ny ankapobeny, maro ny mitondra fanazavana, indrindra ireo mpanabe anivon’ny sekoly eto an-drenivohitr’ i Toamasina, noho ny ray aman-dreny miraviravy tanana amin’ny fomba fitaizana sy fanabeazana ny zanany. Hany ka tsy maharaka intsony ny ataon’ny zanany amin’ny fitsindromana zava-mahadomelina etsy sy eroa. Ny ray aman-dreny rahateo koa teren’ny fahasarotam-pianana andavanandro. Vokany, lasa raisin’ny ankizy sy ireo mpianatra ho lesona ny zavatra hasehon’ny fiarahamonina azy, izay saika mibahana tanteraka ny zava-mahadomelina. Ohatra, mianatra mandihy misy andrisika, hitsangantsangana miaraka amin’ny namana misy fanalana henatra, hifetifety etsy sy eroa, misy ihany koa ny fisotroana kely sy fandraisana na fifohana miafina. Ireo rehetra ireo mitambatra no mitarika ny tanora sy zatovo, lahy sy vavy, ho lasa mpandray zava-mahadomelina gaigilahy sy gaigivavy ary mitarika amin’ny fahasahiana manindrona antsy olona. Vokany, tao anatin’ny herinandro monja, efa olona miisa dimy naratra vokatry ny tomboka antsy etsy sy eroa ary mitondra takaitra mandra-pahafaty satria ao ny niala mihitsy ny rantsan-tanana. Manoloana ireo rehetra ireo, tsy nijery fotsiny ireo niharam-boina ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Randriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain. Tonga nitsidika ireo naratra teny amin’ny hopitaly ny tenany ary nilaza fa horaisiny manontolo ny fandaniana amin’ny fitsaboana. Akilany, nohamafisiny fa efa ao anatin’ny fandinihana ny paikady maharitra ho an’ny fandriampahalemana ny tenany sy ny ekipa miaraka aminy ary ny fitandroana ny filaminana.
Nanatontosa : Sajo