Hifantoka any Maroc ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra ny mpiondana baolina kitra, anio. Hotanterahina any an-toerana ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026». Hifampitana amin’izany ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves Centrafrique.
Hotanterahina anio, manomboka amin’ny 7 ora alina, ao amin’ny Kianja Larbi Zaouli Maroc, ny lalao hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves Centrafrique. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahadimy, hiadian-toerana amin’ny «Mondial 2026», ho an’ny sokajy I. Efa any an-toerana avokoa ireo mpilalao hiatrika izany.
Vonona ny Barea de Madagascar, izay hanala vela manoloana ny Fauves. Raha tsiahivina, indroa resin-dry zareo Centrafrique ny Barea, nandritra ny fifanintsanana ho an’ny «Can 2024». Niondrika tamin’ny isa 3 no ho 0, tetsy Mahamasina ary mbola resy 2 no ho 0, teo amin’ny lalao miverina, tany Bangui.
Nambaran’i Corentin Martins, mpanazatran’ny Barea, fa “mpilalao manana ny fahaiza-manaony amin’ny famonoam-baolina ny Malagasy saingy tsy ampy fifantohana”. Nifantoka tamin’izay indrindra ny fanomanan-tena nataon’ny Barea, nanomboka ny alahady lasa teo. Nahitsy, araka izany koa, ny tsy hisian’ny baolina maty any amin’ny fiafaran’ny fotoana izay nanjo ny Barea tao anatin’ireo lalao efatra nataony.
Tsiahivina fa io no fihaonana voalohany iarahan’i Corentin Martins amin’ny Barea. Salama tsara avokoa ireo mpilalao rehetra ary ambony ny toe-tsaina entina hiatrika ny lalao amin’ity anio ity. Efa any an-toerana ihany koa ny ekipan’ny Les Fauves Centrafrique. Araka ny tati-baovao, mailo tanteraka ry zareo amin’ ity lalao hifanandrinany amin’ny Barea de Madagascar ity. Nanova mpanazatra ihany koa izy ireo ka ilay kameroney, i Rigobert Song, no mitondra azy ireo amin’ity lalao ity. Raha tsiahivina, mitana ny laharana fahatelo ny Barea de Madagascar, manana isa 7, raha fahadimy ny Les Fauves, amin’ny isa 4.
Tompondaka
Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianjan’Alarobia ny fampivondronana ireo atleta malagasy, hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate, hatao any Nizeria, ny 22 hatramin’ny 27 jolay izao. 33 mianadahy, mpikatroka mendrika nandritra ny fifaninanam-pirenena farany teo, ireo miatrika fampivondronana ireo, araka ny fanazavan’ny filohan’ ny Federasionin’ny karate-do malagasy (FKM), Ratefinanahary Emile. Araka izany, haharitra hatramin’ny fiandohan’ny volana jona izao ny kotrana sy fanazaran-tena ataon’ireto atleta ireto ary hizara 3 ny fandaharam-potoanan’izy ireo amn’izany. Intelo isan’andro no anaovana izay fanazaran-tena izay, ka amin’ny 5 ora sy sasany hatramin’ny 7 ora latsaka fahefany maraina, ny tapany voalohany (Kianjan’Alarobia), mitohy amin’ny 12 ora hatramin’ny 2 ora atoandro (Gymnase Ankoay). Ny hariva kosa amin’ny 5 ora sy sasany hatramin’ ny 7 ora sy sasany (Gymnase Ankoay).
Ho an’ireo any amin’ ny faritra, eny amin’ny renivohi-paritany izy ireo no mivondrona ary misy ny fiarahana amin’ny avy eto Antananarivo amin’ny ampahan’ny fampivondronana hatrehan’izy ireo, hahafahana mampitovy tantana ny lentan’ny mpikatroka tsirairay. Ny fiandohan’ny volana jona no hanaovana ny fitsapana ireo mpikatroka ka hamoahana ny lisitra faran’izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao any Nizeria. Tsy manenjika isa ny federasionina fa izay miankina amin’ny teknika ny isan’ny mpikatroka malagasy, raha ny fanazavan’ny filohan’ny FKM. Maminavina ny handefa atleta 20 mianadahy kosa ny federasionina.
Eo amin’ny hoenti-manana kosa, miaraka mifarimbona ny FKM, ny MJS, ny mpanohana, ny ray aman-dreny ary ny ligy.
Mi.Raz
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny “Invictador Jiu Jitsu Tournament”, taranja Jiu-jitsu brezilianina. Klioba maro no nandray anjara ka nahazo ny anaram-boninahitra betsaka sy voahosotra ho mendrika indrindra ny Checkmat, manaraka azy ny Southside ary ny fahatelo ny Guerreros.
Nahavita ny fiadiana ny tompondakany avy ny ligin’Atsinanana sy ny ligin’Itasy, taranja Bodybuilding, ny faran’ny herinandro teo. Ny 29 marsa izao kosa no hanatanterahana ny Big Mada, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hatramin’ ny 20 marsa izao ny fara-fandraisana ny anaran’ireo handray anjara amin’izany.
Handeha mivantana amin’ny fahitalavitra TVM ny lalao hifandonan’ny Barea amin’ny Centrafrique sy Ghana, izay hatao any Maraoka, ny alarobia 19 marsa (7 ora hariva) sy alatsinainy 24 marsa (10 ora sy sasany alina). Lalao tafiditra anatin’ny andro fahadimy sy fahenina amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2026.
Raikitra ny fifaninanana “Morengy Iarivo”, karakarain’ny Poezy Company sy Boite Noire, izay hatao ny 6 avrily izao, eny amin’ny Kianjan’ny kanto. Mpiangaly morengy kalaza maro no hifampitady amin’io fotoana io, ka anisan’izany ny ady eo amin’i Armand, avy amin’ny Boite Noire sy i Balack Canon, avy amin’ny Scorpion Noir Nosy Be. Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny fifaninanana.
Tontosa soa aman-tsara tany Ihosy, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja cross-country. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasionina malagasy (FMA). Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny Senior, vehivavy, i Sendrafefinirina Marie avy amin’ny Cam Itasy. Vitany tao anatin’ny 35 mn 19 s ny halavirana 10 km. Resiny, Ralisinirina Mathe, avy amin’ny 3FB Analamanga, tompondaka farany. Nionona tamin’ny laharana faharoa ny tovovavy. 36 mn 29 s ny fotoana vitany. Fahatelo, Ravoniarisoa Chantal, Cam Itasy, nahatontosa ny hazakazany tao anatin’ny 36 mn 53 s.
Ho an’ny lehilahy, voalohany i Soja Valabe, atletan’ny Assaff Anosy. 30 mn 10 s ny fe-potoana namitany ny halavirana. Tara 1 segondra taoriany, Ratsiorisoa Alain, avy amin’ny Cam Itasy. Niady hatramin’ny farany ny hazakazaka teo amin’izy mirahalahy. Fahatelo, Rakotonirina Jean Claude, atletan’ny Crown Vakinankaratra, 30 mn 20 s. Nahatratra 209 mianadahy mianaka ireo nandray anjara. Tsy nandefa solontena ny ligin’Atsinanana sy Bongolava ary Diana.
Tompondaka
Nanjakan’ny ekipan’ny UBM Ambohitrimanjaka ny famaranana teo amin’ny sokajy Sénior, lehilahy, nandritra ny fiadiana ny amboara nanokafana ny taom-pilalaovana ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Lasan-dry zalahy ny lelavola sy ny amboara.
Norombahin’i Rija sy Yves ary i Jacky, mpilalaon’ny UBM Ambohitrimanjaka ny lelavola 2 tapitrisa Ar miampy amboara teo amin’ny fifaninanana nanamarihana ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2025, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana nokarakain’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), notanterahina teny amin’ny Kianja Soamandrakizay, ny sabotsy sy alahady lasa teo.
Adin’ny samy UBM ny famaranana. Resin-dry Rija, tamin’ny isa 13 no ho 11, ry Donald sy Onja ary Zakabe. Nahitana endri-dalao mahafinaritra sady teknika ambony teo amin’ireo mpilalao na dia efa mifankahalala sy mifankazatra aza no nihaona. Marihina fa nahatafita ekipa telo niatrika ny manasa-dalana ity klioba UBM ity.
Ho an’ny vehivavy, lasan’ny ekipan’ny SBA, nahitana an’i Judicael sy i Hasina ary i Rindra ny laharana voalohany, rehefa nandavo an’i Ando, Angela, Tahina avy amin’ny C2BA. Niady hatramin’ny farany ny lalaon’izy ireo satria nisaraka tamin’ny isa tery, 13 no ho 12.
Ny ekipan’ny CBP indray no tompondaka teo amin’ny Jeunes, nisy an’i Nantenaina sy Tsiry ary i Ricka. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 13 no ho 5 ry Clarito, Tsoa, Andry mpilalaon’ny C2BA.
Nanarina io faharesena indroa miantoana io kosa ity ekipan’i Vakinankaratra ity, teo amin’ny sokajy vétérans”. Lasan’i Dadah sy i Papasolo ary i Dezy ny 750 000 Ar sy ny medaly. Niondrika teo anatrehan-dry zalahy, tamin’ny isa 13 no ho 6, ny ekipan’ny CAI, nisy an’i Dô, Patrick, Zôzô.
Nahatratra 187 ireo mpifaninana teo amin’ny Senior, lehilahy, raha 30 ny vehivavy. Nisy 29 ny sokajy Jeunes ary 46 ireo zokiolona vétérans.
Tompondaka
Amin’izao fotoana izao, mbola maro ny vehivavy tsy afaka mivelatra amin’ny sehatra maro. Manoloana izany, miezaka ny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vehivavy eo amin’ny firenena Raboanaritompo Jessica Soary, Malagasy vehivavy mpikatroka karate. Manana tanjona goavana ny hampivelatra sy hanentana ireo vehivavy hitia fanatanjahantena ny tenany amin’izao fotoana izao.
“Ho ahy, ny vehivavy dia manana ny hery sy ny fahavitrihana hiatrika ny zava-misy rehetra”, hoy i Jessica Soary. Nomarihiny fa tsy mifidy sarangan’olona izany, na renim-pianakaviana izy, na mpandraharaha, na atleta. Na inona na inona andraikiny sy ny asany eo anivon’ny fiarahamonina.
Nambarany fa manana tanjaka sy fahaiza-manao tsy manampaharoa ny vehivavy.
Maro nefa ny tsindry sy ny ambana mahazo azy ireny. “Indrisy, mbola betsaka ny sakana sedrainy amin’ny sehatra maro, anisan’izany ny resaka fanatanjahantena. Izany no naharisika ahy hanohana ny Malagasy vehivavy, mba hahatsapan’izy ireo fa afaka mivelatra sy mivoatra amin’izay sehatra rehetra tiany hidirany ry zareo. Tsy misy ny fetra ho an’ny vehivavy mahery”, hevitr’ity Malagasy vehivavy ity.
Fahafahana mitovy
Matetika miteraka olana hatrany eo anivon’ny fiarahamonina ny zon’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mahakasika izay lohahevitra iray izay, naneho ny heviny i Jessica Soary, fa tokony hitovy ny fahafahan’ny lehilahy sy ny vehivavy. « Tsy midika akory izany fa mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra. » Raha fehezina, tokony tsy hisy mihitsy ny resaka miralenta eo amin’ny sehatra ara-tsosialy, toekarena, ary indrindra ny fanatanjahantena.
Sazy henjana !
Mbola tsy lefy eto Madagasikara ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, ao anatin’izany ny resaka fanolanana sy ny vono sy ny daroka. Raha ny fahitan’i Jessica ny zava-misy, tokony hampiharana sazy henjana ireo lehilahy manao fihetsika mahery sy tia mikasi-tanana tovovavy. Raha ny soso-kevitra nomeny, tokony hogadraina sy handoa onitra, amin’ny sahaza azy, izy ireny satria tranga tsy azo leferina mihitsy ny mampiseho hery mihoatra ny tokony ho izy amin’ireo andriambavilanitra.
Ankoatra izay, ilaina koa ny fanabeazana sy ny fampianarana izany eny ifotony mba hampiova ny toe-tsain’ny tsirairay ka hampitsahatra tanteraka ny herisetra.
Efa nahazo medaly maro i Jessica
Tsara ny mampahafantatra fa Raboanaritompo Jessica Soary, atleta vehivavy mpikatroka taranja karate, sokajy -68 kg. 19 taona izy ankehitriny, ary efa manana ny lanjany sy ny lazany amin’ity taranja ity. Efa tompondaka lefitra nandritra ny fifaninanana “Ambassador’s Cup International 2019”. Ankoatra izay, voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny lalao isan-tarika ihany koa izy ny 2019, ny 2020. Indroa voalohany tamin’ny lalaon’ny tsirairay sy isan-tarika ihany koa, tamin’ny Lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay notontosaina teto Madagasikara. Farany, nandrombaka ny medaly volamena tamin’ny fifaninanam-pirenena, teo amin’ny sokajin-dalao, tsirairay sy ny isan-tarika ihany koa ny tenany, ny 2023 lasa teo ihany.
Ankoatra ny taranja karate, manao “musculation” sy “crossfit” ity vehivavy ity. Nomarihiny fa tsy najanony velively ny taranja karate, fa mbola manohy izany sy miatrika fanazarantena ny tenany ary ny fifaninanana farany teo ihany no tsy natrehiny.
“Matokisa tena fa mahavita ianao! Aza avela hisy hisakana anao, na inona, na inona! Matanjaka sy mendrika ianao”, hoy ny hafatra avy amin’i Jessica Soary.
Nanatontosa :
Fitia Randria
Nahitam-pahombiazana ny andiany voalohany. Efa miditra amin’ny andiany faharoa kosa izao ny « Viavy Film Festival ». Hotontosaina ny 25 hatramin’ny 28 marsa izao izany, ao amin’ny Cinépax Madagascar. Araka ny anarany, natao hanasongadinana ny sarimihetsika vokarin’ireo vehivavy ny hetsika. Handrisihana ireo vehivavy mpanatontosa sarimihetsika, izay efa maro no milomano ao anatin’
ny sehatra amin’izao fotoana izao. Efa tany amin’ny volanja janoary no nasaina handefa ny sanganasany ireo vehivavy mpanoratra sy mpanatontosa sarimihetsika. Vitsivitsy no voarain’ny komity mpikarakara hifaninana amin’ity, raha oharina tamin’ny andiany voalohany. Ampy handrisika ireo mpanoratra sy mpanatontosa kosa anefa ireo tantara voaray, satria efa nahazoana traikefa tamin’ny andiany voalohany. Izay tantara mandresy lahatra indrindra ny mpitsara dia horaisin’ny komity mpikarakara ny “Viavy Film Festival” ny fanatontosana azy. Hisy tantsoroka ihany koa ho an’ny mpanatontosa, mba hampisy kalitao ny vokatra.
Mazava loatra fa hatao tanjon’ny hetsika ny hanehoana hoe mahavita ny sarimihetsika misy kalitao ireo vehivavy mpanatontosa ireo. Mba tsy ho any amin’ny filalaovana, fampiakanjoana, fanamboarana ny taovolo, sns, fotsiny ny andraikitry ny vehivavy anatin’ny sarimihetsika. Hiara-dalana amin’ny hetsika ny fizarana traikefa anatina atrikasa vitsivitsy, mahakasika ny fanatontosana, ny fandraisam-peo, sns, anaty sarimihetsika.
Zo ny Aina
Hizara ny traikefany i Anjara Rakotozafiarison. “Ahoana nyhitondrana ny anjara biriky amin’ny maha mpitendry zavamaneno?” Anisan’ny hovoaboasan’ity mpitendry gitara ity izany, anio amin’ny 2 ora, etsy amin’ny CGM Analakely. Natao ho an’ireo efa mpitendry matihanina na tsia na mbola mpianatra mozika aza, ny fifanakalozana. Fotoana iresahana ny asa manodidina ny mozika rahateo io.
Naverin’ireo ankizy sy tanora taizan’ny ONG Bel avenir ny “Waka Waka”. Ilay hiram-pandresena nampalaza an’i Shakira izy ity, izay nindramin’izy ireo hampiasaina amin’ireo fanentanana isan-karazany, andraisan’ny Bel Avenir anjara. Anisan’ny nampiasa ny zavakanto ho fitaovana amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy izy ireo.
Nisongadina ny literatiora malagasy, nandritra ny hetsika ho an’ny boky afrikanina, tany Paris, ny faran’ny herinandro teo. Nisolo tena ireo mpanoratra malagasy nanatrika izany i Michèle Rakotoson, Johary Ravaloson ary Jean-Luc Raharimanana. Nanasongadina sy nanome voninahitra an-dRabearivelo izy ireo nandritra izany.
Niteraka resabe ilay mpanakanto namalan-kira, nandritra ny fifaninana “Smatch’in” teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nitondra fanazavana izy, fa noho ny tsy fahenoana ny “retour”, izany hoe, lafiny teknika, no nahatonga izany. Nanahirana ihany satria teo ampovoan’ny kianja ireo mpanakanto no nihira. Soa fa navotan’ireo namany hafa, izay tsy nanana olana loatra izany.
Fararanon-danonana ny teny Anosizato, ny faran’ny herinandro teo. Na dia antomotra aza vao fantatra ny fisian’ny hetsika, rakotra mpifety ny « THB Mifety » tao amin’ny Santilo, nanomboka ny zoma hatramin’ny sabotsy teo. Mazava loatra fa noho ny fisian’ireo mpanakanto nanafana ny sehatra no antony voalohany. I Samöela no nanokatra izany ny zoma. Avy hatrany dia nasesin’ity mpanakanto ity ireo hirany mazala sady mihetsika, ka nampiakatra ny hafanan’ireo mpijery. Notohizany tamin’ireo somary milamindamina izany ny tapany faharoa, izay niarahan’ny teny an-tsehatra sy ny mpijery niredona avokoa.
Natao ho an’ireo tanora kokoa ny sabotsy. I Raouto no efa nambara voalohany fa hanafana ny fotoana rehefa harivariva. Ny atoandro anefa, dia efa feno avokoa ireo toerana nomanin’ny mpikarakara. Mbola tsy nampoizina, niaka-tsehatra nanokatra ny fotoana i Cky Cky. Niakatra vetivety ny hafanana, izay tody tamin’ny fara-tampony rehefa nanesy ireo hirany malaza amin’izao fotoana Raouto. Niandraikitra ny fanentanana toa ny mahazatra i Barhone.
Zo ny Aina
Zavakanto marolafy. Aingam-panahy sy karoka manokana, efa avy narantin’i Tsiriniaina Hajatiana Irimboahangy tany amin’ny Fondation H Paris, no harantiny indray etsy amin’ny IFM Analakely.
I Tsiriniaina Hajatiana Irimboahangy no nahazo ny loka voalohany tamin’ny “Prix Paritana 2024”,andiany fahavalo. Anisan’ny loka azony nandritra izany ny fikotrehana zavakanto tao amin’ny Cité internationale des arts tany Paris, ny faramparan’ny taona 2024. Narahina ny fampirantiana voalohany tao amin’ny Fondation H any Paris izany, izay nitondrany ny tetikasa “Ridô – Dévoiler les souvenirs”. Efa fantatra tamin’ny fanambarana ny vokatry ny fifaninanana ihany koa fa hampiranty etsy amin’ny IFM Analakely ny nahazo ny voalohany, aorian’ny any Frantsa. Araka izany, hosokafana anio ny fampirantiana “Ridô – Dévoiler les souvenirs”, entin’i Tsiriniana Irimboahangy. Hisokatra ho an’ny besinimaro kosa izany manomboka rahampitso 18 marsa, ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 19 avrily.
Tsy diso safidy ny mpitsara matoa ity tetikasan’i Tsiriniaina Irimboahangy ity no nasongadina tao anatin’ny maro. Tetikasa maneho ny zavakanto marolafy, manasongadina ihany koa ny talenta maro ao anatin’ity mpahay kanto ity izany. Hainy ny nanambatra ny zavakanto mahazatra ny maso amin’ireo maoderina manaraka ny teknolojia. Nivelatra sy feno kokoa, rehefa nampiasany “video”, ohatra. Tsy ny endrika hanehoana ny fampirantiana ihany no miavaka, fa indrindra koa ny votoatiny. Maneho ny karazan-tadidy mitambolina ao anatiny ny mpanakanto, navoitrany amin’ ireo karazan-kanto nosafidiany mba hamoaka ny lohahevitra. Mifototra kokoa amin’ny tantarany, saingy maneho ilay fototra maha Malagasy amin’ny ankapobeny izany. Mamaka any amin’ny nipoirana mihitsy, izay vao ifangaroan’ireo tadidy manokana, hampitain’
ny kanto.
Misongadina ao, ohatra, ny horonantsary kely, maneho ny renibeny nanome tsodrano azy nialoha ny nandehanany tany Frantsa. Izay endrika fisarahana izay, manelanelana ny lasa tsy hay hadinoana sy ny hoavy mbola tsy fantatra, kanefa ihany koa mamaritra ny ankehitriny no hampiainan’i Tsirinaina Irimboangy ny sanganasany. Ilay endriky ny lambam-baravarana, natao hanakona ny anaty efitra tsy ho hitan’ny maso miranga, kanefa koa natao ahitan’ny anatiny izay miseho any ivelany, dia manamafy izay hafatra ampitain’ny mpanakanto izay. Misy tantara mifanjohy amin’ireo karazan-kanto rehetra hanehoany izany, nanamarika vanim-potoana maro, izay misy ampahany betsaka tamin’ny fiainan’i Tsiriniaina Irimboahangy. Mazava loatrafa tetikasa mitohy fa tsy mifarana, mivoatra manaraka ny fotoana izy ity. Mitombo hatrany mantsy ny tadidy, ary manaraka izay koa ny aingam-panahy azo haseho maso sy henoin’ny sofina ary raisin’ny fanahy anatin’ity tetikasa “Ridô – Dévoiler les souvenirs” ity. Anjaran’ireo mpitsidika kosa no mandray ny hampitain’ny mpanakanto ao anatin’izany.
Zo ny Aina
Simba ny lalana sasany ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro vokatry ny ora-mikija nisesy any an-toerana. Anisan’izany ny any amin’ny fokontany Asokaky sy Betsioky, izay mampitaraina ny rehetra satria tapaka ny fifamoivoizana. Nijery ireo tany an-toerana, ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny 14 marsa teo, ary nambarany fa tsy maintsy karohina ny vahaolana, hanarenana haingana ny simba.
Nahatratra 1 668 ny mpizahatany miampy mpiasan’ny sambo miisa 896 tao anatin’ny sambo vaventy Costa Deliziosa, nigadona tany Toamasina, ny talata 11 marsa teo. Nidina an-tanety ny 1 182 tamin’ireo mpandeha, nitsidika ny hakanton’i Toamasina ara-pizahantany. Anisan’izany ny fitsangatsanganana tamin’ny Lakandranon’i Pangalana, fandehanana fiara 4×4 hatrany amin’ny tanànan’i Ariane, nitety tanàna sy tsena, sns.
Miisa 23 ny mpiofana nahazo ny mari-pahalalana ho an’ny teknisianina ambony ara-pambolena (DTSA), tao amin’ny EFTA Analamalotra Toamasina, ny 3 marsa teo. Nisalotra ny anarana indray mihira hoe « Sandratra », ka vehivavy ny 7 amin’izy ireo. Naharitra roa taona ny fiofanana. Tanjona ny hampahaleo tena ny tanora mpandraharaha, hampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra.
Mihaino ny mponina ny fanjakana! Ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, indray no nihaona tamin’ny vahoaka, omaly zoma, teny Anosiarivo Ambohimanga Rova, taorian’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao, Andriamanohisoa Gérard, ny alakamisy. Mihaino sy miresaka amin’ny vahoaka voakasiky ny fanamboarana ny arabe migodana mampitohy an’ Antananarivo sy Toamasina. Nidinika sady nandray ny hetahetan’ny mponina eny an-toerana ny minisitra Rafidison Richard Théodore, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Satria, nanome toromarika manokana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny hanakaikezana ny vahoaka, sady mila hafainganina ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra mahakasika ny vola fanonerana (indemnité d’expropriation) ho an’ny olona rehetra voakasiky ny tetikasa.
Misokatra ho an’ny rehetra
Nohamafisin’ny minisitra, fa misokatra mandrakariva ny varavaran’ny minisitera MTP, mandray ny fitarainana na ny fiaraha-miasa entina hampandroso ny tetikasa fanamboarana ny arabe migodana.
Tsiahivina fa notandrovina ny tsy handalovan’ny soritry ny lalana eny Ambohimanga Rova, satria manana sata vakoka iraisam-pirenena ny Unesco. Kendrena koa ny tsy hanotofana tanimbary be loatra. Miainga eny Tsarasaotra Ivato ny PK0 ho an’ny arabe migodana ary any Anjozorobe ny PK 80 amin’ny ampahany voalohany. Hatrany Toamasina kosa ny ampahany faharoa, mitotaly 260 km.
Njaka A.
Hojerena ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Afrika atsimo eo amin’ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka. Hampitomboina ny sidina ho tonga eto amintsika na avy amin’ireo kaompaniam-pitaterana avy ao Afrika na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hojerena koa ny sehatry ny fitaterana an-dalamby hampandrosoana sy hanitarana ny zotra efa misy.
Tsy mbola nampiditra gogo an-dranomamy « poisson chat » eto Madagasikara ny fitondram-panjakana. Ananantsika io gogo io saingy anaty ranomasina no misy azy. Takina ny fanarahan-dalana sy ny fahazoan-dalana samihafa rehefa vita ny fanadihadiana ara-tontolo iainana ho an’ny fiompiana hazandrano atao.
Tafiditra ho mpikambana eo anivon’ny EDBM ny filohan’ny CSI teo aloha, Rabenarivo Sahondra, sy ny tale jeneralin’ny vondrona Arbiochem, Andriamanalina Rivo. Marihina fa andraikitry ny EDBM ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ho an’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.
Manafosafo ny 5 000 Ar indray ny euro iray. Porofo izao fa mitotongana ny Ariary sy ny toekarem-pirenena. Ambony ny fanafarantsika entana raha oharina amin’ny fanondranana atao. Anisan’ireo vokatra afarantsika ny solika, ny kojakoja fampiasa andavanandro. Mbola ambany lavitra kosa ny lavanila, letisia, sy lamba aondran’i Madagasikara any ivelany.
Napetraka ny rafitra hiadiana amin’ny kolikoly eny anivon’ny Fitantanam-paritry ny fambolena sy ny fiompiana (Drae) faritra Atsinanana. Tonga tany Toamasina, ny 5 marsa teo, ny rantsamangaikan’ny Bianco ao amin’ny minisitera Minae (UAI LCC/ Minae), nihaona tamin’ny mpiasa any an-toerana. Nohazavaina ny paikady mifanaraka amin’ny Politka ankapoben’ny fanjakana (PGE) isaky ny sehatrasam-panjakana rehetra.
Tsiahivina fa efa novolavolaina tamin’ny taona 2023 ny Politika anatiny hiadiana amin’ny kolikoly (PILCC) ao amin’ny minisitera Minae, hampiharina mandritra ny 3 taona (2023-2025). Anisan’ny andraikitry ny UAILCC ny fanentanana sy fampianarana, ny fisorohana ary ny fanaraha-maso ny kolikoly. Voakasik’izany ny tsenambaro-panjakana, ny fandraisana mpiasam-panjakana, ny fizarana fitaovana sy kojakojam-pamokarana ary ny fampandehanana ny tetikasa eo anivon’ny minisitera. Raisin’izy ireo koa ny fitarainana avy any amin’ny sokajin’olona samihafa.
Hitohy ny amin’ny fitantanam-paritra hafa ity fanentanana sy fametrahana ny ady amin’ny kolikoly ity.
Njaka A.
Voaresaka nandritra ny fikaonandohan’ ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ireo paikady maharitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Mila hamafisina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena.
Vaindohan-draharaha ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatry tsy miankina. Nifanakalo hevitra momba ireo paikady maharitra ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ny roa tonta tetsy amin’ny Carlton, ny alatsinainy teo. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hampiroborobo ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Voaresaka nandritra ny fivoriana natao fa dingana lehibe hampiroboroboana ny fandraharahana sy hanatsara ny tontolon’ny asa eto Madagasikara ny fifandraisan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, izay fototry ny fandrosoana.
Ankoatra izay, nisy ny famakafakana ny tatitry ny asa tamin’ny taon-dasa, ny tombana sy ny vina ho amin’ny hoavy. Nifanakalo hevitra mahakasika ireo laharam-pahamehana ho an’ny taona ho avy ny mpandray anjara samihafa. Nofintinin’ireo komity ihany koa ireo tondro ara-toekarena sy ara-pandraharahana eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena.
Mifampiankina
Mbola ny 36% ny mponina no misitraka ny herinaratra eto Madagasikara. Ambany io taha io raha oharina amin’ireo firenena aty atsimon’i Sahara izay manodidina ny 48,4%, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. 14% ny mponina no mampiasa ny angovo madio ho an’ny fandrahoan-tsakafo. Miankindoha amin’ny fampiasana ny arina fandrehitra kosa ny Malagasy an-tapitrisa maro. Tanjona ny hampakarana hatrany amin’ny 80% ny tahan’ny fisitrahana herinaratra ho an’ny taona 2030. Azo avy amin’ny angovo azo havaozina sy ny « mix énergétique »ny 85%. Tombanana hatrany amin’ny 7 miliara Ar ny fanatanterahana ny tetikasa. Angatahana ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina enti-manatanteraka ny vina indrindra amin’ny famatsiam-bola 60% na ny 4,5 miliara dolara ny tetikasa, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Henintsoa Hani
Hotanterahany ny sabotsy izao, eny amin’ny renivohitry ny distrika, ao Andramasina, ny fambolen-kazo iarahana amin’ny fikambanan’ny Mpianatra andrin’ny distrikan’ Andramasina (Manda). Nambaran’ny filoha mpitarika, Ranarizafinjato Hilaire, fa hanasana ireo raiamandreny sy mpitantana amin’ireo kaominina miisa 14 eo anivon’ny distrika izao hetsika izao. Hitohy amin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao izany ary koa korana samihafa. Efa fanaon’ny Manda isan-taona ny fambolen-kazo tahaka izao ka nanentanan’izy ireo ny rehetra ho tonga maro.
Tsiahivina fa nijoro ny taona 2010 ny fikambanana. “Natao hampiray ireo mpianatra rehetra eny amin’ny anjerimanontolo na ny miankina na ny tsy miankina amin’ny fanjakana”, hoy ihany izy. Manampy izany ny hitondrana ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny tanàna sy ny tanindrazana amin’ny maha tanora tomponandraikitra ny tsirairay avy.
Synèse R.
Zazavavy 6 taona maty novoin-dreniny tao Ambalasoa, fokontany Antanety, kaominina Antsirabe, afakomaly hariva. Manan-janaka roa io ramatoa io. 6 taona ilay zokiny raha toa ka vao 5 volana ny zandriny. Efa nodimandry ny vadiny ka mitaiza irery ireo zanany ireo io renim-pianakaviana io. “Vao dimy volana an-kibo ilay zaza no namoy ny ainy ilay rangahy”, araka ny fanazavana voarain’ny polisy misahana ny famotorana. Nentin’ilay ramatoa niala teo amin’ny tanànany ireo zaza roa ireo, ny alakamisy 13 marsa teo. Niverina nody izy, no ho ny hariva ny andro. Nahatsikaritra anefa ireo mpiray monina taminy fa tsy nentin’ilay ramatoa niverina ilay zazavavy 6 taona. Nampanontany tena ireto farany rahateo ny fihetsik’ilay renim-pianakaviana. Hitan’ny fokonolona faty tany anatin’ny lakandrano tsy lavitry ny fokontany misy azy ireo ilay zazavavy. Nakarin’ny tsara sitrapo an-tanety ity farany. Nandainga ary voalaza fa namorona tantara nandreseny lahatra ireo manodidina fa tsy namono io zanany io ilay ramatoa. Tezitra noho ny fihetsiny ny fokonolona ka saika hampihatra fitsaram-bahoaka. Voasoroky ny mpitandro filaminana izany. Nosamborina ary notanana atao famotorana ny renin’io zaza namoy ny ainy io.
Tsiferana R.
May kilan’ny afo tanteraka ny trano misy rihana roa tetsy Mandrimena Iavoloha, omaly tamin’ny 11 ora tolakandro. Jiolahy nanafika no tompon’antoka
Voalazan’ny tompon-trano fa nisy olona tsy fantatra niditra sy nanapitsoka ny varavarana iray tao an-trano talohan’ny nirehetan’ny afo. Nambaran’izy ireo fa mpangalatra io lehilahy io, noho ny fihetsiny hafahafa izay tsikaritry ny mponina teny amin’ny manodidina. May kila tao anaty trano avokoa ny entana rehetra, tao amin’ny efitra rehetra amin’ny rihana voalohany sy faharoa. Anisan’ izany ny vola mitentina 20 tapitrisa Ariary, solosaina roa, fanamafisam-peo miisa enina miampy ireo fanaka maro tao an-trano. Niainga tao amin’ny efitrano fatoriana ny afo, ary niampita tamin’ny efitra hafa taorian’izay.
Mpanampy an-trano irery no tao an-trano
Ny mpanampy an-trano irery no tao an-trano tamin’io fotoana io. Efa niomana hivoaka hanatitra sakafon’ny mpianatra izy io no naheno fipoahana. Efa nisy olona nanaraka avy eo alohany tamin’ny fotoana nivoahany ny trano. Tsy tao an-trano ny tompon-trano tamin’io fa nampandrenesina tamin’ny finday. Niezaka namono ny afo tamin’ny rano izy ireo, mandra-pahatongan’ny mpamonjy voina. Tsikaritra tamin’izany ny fisian’ny vola miparitaka teo an-davarangana. Izany zava-misy izany no nilazan’izy ireo fa mpangalatra niditra tao an-trano no nandoro ny trano. Efa misy ny olona ahiahin’ny tompon-trano ho nangalatra sy nanao izao fandoroana ny tranon’izy ireo izao. Efa tonga teny an-toerana namono sy namehy ny afo ny avy amin’ny vondron’ny mpamonjy voina taorian’ny nahandrenesany ny antso. Naharitra adiny roa teo ny fahafehezana ny afo. Marihina fa tsy nisy ny olona naratra sy namoy ny ainy vokatr’izao voina izao.
Mino