Lutte contre la corruption: le Bianco et l’Arai conjuguent leurs efforts

Les Nouvelles - ven, 03/14/2025 - 08:35

Une collaboration renforcée entre le Bureau indépendant anti-corruption (Bianco) et l’Agence de recouvrement des avoirs illicites (Arai), qui viennent de signer un mémorandum d’entente hier à Ambohibao, pour plus d’efficacité dans la mise en œuvre des lois anti-corruption et de recouvrement des avoirs illicites.

La lutte contre la corruption et le recouvrement des avoirs illicites, demeurent un véritable défi pour le Bianco et l’Arai. Pour y parvenir, ils ont décidé d’unir leurs efforts et de travailler en étroite collaboration dans le cadre de la mise en œuvre de la nouvelle Stratégie nationale de lutte contre la corruption (SNLCC). Et ce mémorandum d’entente pour une durée de deux ans renouvelables, permet aux deux parties de renforcer leur synergie dans plusieurs domaines cruciaux de la lutte contre la corruption et de recouvrement ainsi que de la confiscation des avoirs illicites.
L’objectif est d’établir un cadre de collaboration et d’échange de données, d’informations et de renseignements utiles entre les deux parties prenantes, afin de mener à bien et à terme les enquêtes relatives aux in­fractions de corruption, de blanchiment de capitaux ou encore de détournement de biens et deniers publics.

Echange de données et d’informations

Dans ce sens, le Bianco est tenu de coopérer avec l’Arai, pour faciliter la récupération des biens saisis et gels aux fins de recouvrement des avoirs illicites. Il devra également transmettre des informations et renseignements requis par l’Arai, pour pouvoir exécuter les décisions de gel, saisie ou confiscation. Le bureau anti-corruption devra aussi fournir des expertises spécifi­ques en vue de renforcement des capacités en matière de lutte contre la corruption. De son côté, l’Arai devra également fournir les informations nécessaires au Bianco et garantir la saisine des biens et leurs conservations.
Pour afficher sa détermination à aller de l’avant dans la lutte contre la corruption, le DG par intérim de l’Arai, Rado Rajhonson Andrianja­tovo, ainsi que des cadres de l’organe, ont déposé leurs déclarations de patrimoine auprès du Bianco. « L’obliga­tion de déclaration de patrimoine est instituée par la loi, afin de promouvoir la transparence dans l’exercice des fonctions publiques, garantir l’intégrité des serviteurs de l’Etat et de restaurer la confiance du public envers les Institutions », a d’ailleurs rappelé le DG du Bianco, Gaby Nestor Raza­kamanantsoa.

T.N

Catégories: National

Rivodoza Jude : Manao tampody fohy

Les Nouvelles - jeu, 03/13/2025 - 09:22

Niverina indray ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, halina na anio maraina, ilay rivodoza Jude rehefa avy any Mozambika. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Morombe sy Saint Augustin izy, rahampitso tolakandro, amin’ny tanjaka Tempête tropicale moderée (80 km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy).
Manoloana izany, entanina sahady ny mponina amin’ny faritra sy distrika: Atsimo andrefana, Androy, Anosy, Morondava, Manja, Ihosy, Iakora, Befotaka, Midongy Atsimo ary Vangaindrano hiomana ka hampihatra ny fepetra mahakasika ny filazana fanairana miloko maitso.
Tany amin’ny 1 130 km avaratra andrefan’i Morombe no nisy ny foibeny, omaly maraina. 45 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 55 km isan’ora any an-dranomasina. Tsy nihetsika firy izy tato anatin’ny adiny enina farany. Entanina ny mpampiasa ranomasina ma­nomboka eo Besalampy ka hatrany Taolagnaro tsy hiandriaka intsony manomboka anio maraina.

Vonjy

Catégories: National

Sandwatch sy kit Mad’ErE : Nisitraka fiofanana ny mpampianatra any Menabe

Les Nouvelles - jeu, 03/13/2025 - 09:21

Nisitraka fiofanana ma­hakasika ny fandaharanasa “Sandwatch sy Kit Mad’ErE” ny mpampianatra any amin’ny faritra Me­nabe, tamin’ny herinandro lasa teo. Nahazo izany ny mpampianatra avy amin’ny sekoly dimy ao amin’ny Cisco Morondava. Ankoatra izay, samy notolorana fitaovana Kit Sandwatch sy Kit Mad’ErE avokoa ny sekoly dimy ahitana ny CEG Centre, CEG Ankisirasira, EPP Anosikely, EPP Betania ary EPP Mo­rondava Centre. Tanjona ny hampiroboroboana sy hana­tsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ara-tontolo iainana, indrindra ny tontolo amorontsiraka, manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Eo koa ny hanamorana ny hisian’ny fanjohiana arahana tantsoroka ma­nakaiky ny mpampianatra. “Antenaina ny hisian’ny tombana ahafantarana ny vokatra entin’ny fandaharanasa eo amin’ny kalitaon’ny fanabeazana sy eo amin’ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny”, hoy Rasolondrainibe Mian­drisoa Maxime, Chargé de Programme du secteur éducation -ComNat/Unesco. Irina ihany koa ny hitohizan’ny fandaharanasa any amin’ny faritra hafa mbola tsy nisitraka izany. Marihina fa nitarika ny fanatanterahana ny fandaharanasa ny vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco (ComNat/Unesco) sy ny Centre de recherche en éducation environnementale (Cree). Manohana izany kosa ny tetikasa Recos sy ireo mpiara-miombon’antoka maro toy ny AFD, CIO, FFEM…

Mino

Catégories: National

INDRAY MIJERY

Les Nouvelles - jeu, 03/13/2025 - 09:21

-22,2% ihany ny vehivavy mpianatra miofana araka asa eny amin’ny sekoly ambony politeknika, araka ny fanadihadiana nataon’ny cabinet Fred Ingeneering sy ny cabinet Miarintsoa ny taona 2024. Fiofanana momba ny olana sedrain’ny vehivavy miasa amin’ny fanaovan-dalana izany.

Rehefa tonga ny fahavaratra, anisan’ireo faritra andalovan’ny rivodoza sy tratry ny orambe ny distrikan’i Vohemar, Andapa, Antalaha, Sambava. Misy ireo
toerana tena marefo ao anatin’ireo faritra ireo. Nisy ny famolavolana drafitra fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza hananana drafitra matipaika, ahafahana miatrika ireo loza mety hitranga. Paikady natsofoka tao anatin’izany ireo asa atao mialoha ny hampihenana ny fiantraikan’ny loza ho an’ny vahoaka, ireo trano fonenany ary ireo fotodrafitrasa.

Miroso amin’ny fandaminana tsy azo ihodivirana ny kaominina Ivato amin’ireo tsena amoron-dalana manelingelina ny fifamoivoizana sy ny fianarana manodidina. Voafetra hatramin’ny 8 ora maraina ny tsenan’ny tantsaha. Manamorona ny Lycée, misy fivarotan-toaka sy mpampiditra hira manakorontana ny mpianatra ka tsy maintsy hoesorina.

Hitondra fanazavana amin’ireo olona voakasiky ny tetikasam-panjakana Rocade Tsarasaotra ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao, anio. Maro ny lainga sy savorovoro iniana volena manodidina ity resaka ity ho fiarovana tombontsoan’olom-bitsy, izany indrindra no hanazavana ny sain’ny mponina.

Catégories: National

“CSW69”: Tombanana ireo ezaka vitan’i Madagasikara

Les Nouvelles - jeu, 03/13/2025 - 09:21

Mitarika ny delegasiona malagasy any Etazonia, amin’ny fivoriambe andiany faha-69 ny komity misahana ny anjara toeran’ny vehivavy ao anatin’ny Firenena mikambana na CSW69 ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie.
Vehivavy tomponandraikitra maneran-tany no manao tombana ny fanatanterahana ireo fanamby natao tany Beijing, 30 taona lasa izay.
Dinihina ny mahakasika ny anjara toeran’ny vehivavy amin’ ny sehatry ny fanapahan-kevitra, ny fahasalamana sy ny fa­nabeazana. Eo koa ny fampi­tsaharana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, ny fampandraisana anjara ny vehivavy amin’ny fampandrosoana lovain-jafy. Anaovana tombana koa ny fampananana asa mahavelona, ny ady amin’ny fahantrana, ny fiahiana ara-tsosialy…
Nahavita ezaka i Madaga­sikara amin’ny fanomezan-dan­ja ny zon’ny vehivavy. Na izany aza, mbola betsaka ny asa miandry amin’ny fampizakan-tena azy ireo, mifanaraka amin’ny politika akapoben’ny fanjakana ao anatin’ny vina fampiroboroboana ny maha olona.
Mifanindran-dalana ny fivoriana manokana mahakasika ny fampiharana ireo fa­namby tany Beijing, ao ana­tin’ny vondrona Sadc, izay na­taon’ireo minisitra sy ireo tomponandraikitra misahana ny vehivavy.
Nampahatsiahivina ta­min’ io fa i Madagasikara no hampiantrano ny fivoriambe faratampon’ny Sadc amin’ny volana aogositra 2025 ho avy izao.

Tatiana A

Catégories: National

Hanarenana ny tsy fahampian’ireo am-perinasa : Tohanana ny vehivavy misahana ny asa fanaovan-dalana

Les Nouvelles - jeu, 03/13/2025 - 09:20

Tetikasa telo: Projet Connecter Madagascar pour une Croissance Inclusive (PCMCI), Projet de Dévelop­pement Durable du secteur Routier à Madagascar (PDDR) ary ny projet d’Appui à la Connectivité des Transports (PACT) nanaovana fanadihadiana. Ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy misahana faritra 12, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ahafahana mamantatra ireo sakana tsy ahafahan’ny vehivavy hisitraka asa anatin’ny fanaovana lalana no nanaovana izany.

Miteraka asa maro ny fanaovan-dalana, ma­te­tika ny lehilahy nandranto fianarana manokana momba izany no voaray. Ny vehivavy izay tsy nan­dia fianarana lavitra mom­ba ny asa vaventy dia voailika, araka ny fanazavan’ny ma­nam-pahaiza­na momba ny miralenta, Razafindravao Lydia. Natao ny volana no­vambra 2024 ny fanadihadiana ahalalana ireo sakana ka hitondrana tolo-kevitra harahina drafitrasa hanarenana ny zava-misy.
12% ny vehivavy efa misehatra amin’ny tetikasa fanaovan-dalana, vitsy ny mitana andraikitra ambony. Olana lehibe ny tsy fananan’ny vehivavy fahaiza-manao. Tamin’ ny oniversite 12 nanaovana fa­­nadihadiana, tsy mihoatra ny efatra ny tovovavy mianatra amin’ny lalam-piofanana Génie civil. Ho an’ny oniversite sasany, tokana ny tovovavy mamarana fianarana ambony miompana amin’io lalam-piofanana io. Nantsoina manokana ny tovovavy mpianatra ha­natrika ny fizarana ny vokatry ny fanadihadiana, omaly, teny Ankorondrano, hanaporofoina fa mahavita ny vehivavy rehefa omena herijika.
Ho an’ireo vehivavy manana fahaizana kosa, misedra olana maro izy ireo noho ny andraikitra ao an-tokantrano. Mampavesatra ny zavatra za­kainy izany ka matetika miala an-daharana izy ireny. Ma­nam­py trotraka ny fiheveran’ny fiarahamonina fa natao ho an’ny lehilahy ny asa lalana ka tsy tohanan’ny fianakaviana ireo tovovavy maniry ny hianatra ho lasa injeniera.
Asa telo no faritan’ny tetikasa hatao hanarenana ny zava-misy, mandritra ny dimy volana. Hisy ny fanentanana sy fampahafatarana ny ray aman-dreny, ny vehivavy, ny mpitantana ireo sakana izay azo ihoarana ka hampivelatra ireo vehivavy manao asa lalana. Ho an’ireo vehivavy voaen­tana nandritra ny dingana voalohany, hamafisina ny fahafahany hiatrika ny asa hahazo hery. Aorian’izay, omena tantsoraka manokana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa amin’ny fifampizarana, fihainoana ny olana sedrainy.

Vonjy

Catégories: National

GOGUETTE ( alliance 92 ) 12 03 2025

Les Nouvelles - mer, 03/12/2025 - 09:04

Catégories: National

Pr Randrianasolo Rivoarison: Hanandratra ny Oniversiten’Antananarivo

Les Nouvelles - mer, 03/12/2025 - 09:03

Hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny Oniversiten’Antananarivo ny antony hijoroan’ny Pr Randria­nasolo Rivoarison, amin’ny maha kandidà ho filoha azy.

«Fotoana izao tokony hisandratan’ny Oniversiten’Antananarivo ho fitaratra amin’ny fandrosoana », hoy ny Pr Ran­drianasolo Rivoarison, kandidà laharana voalohany amin’ ny fifidianana filohan’ny oniversite, nandritra ny famelabelaran-kevitra nataony teny Ankatso, omaly. Nambarany fa hitondra anjara biriky amin’ ny fampandrosoana ny Oni­versiten’Antananarivo no tena antony hijoroany. Ho an’ny telo taona manaraka, tsinjo­vina manokana ny mpampianatra sy ny mpandraharaha ary ireo mpianatra. Hampiana izy ireo mba hahomby amin’ny asa sy andraikitra sahaniny ary omena fitaovana ihany koa.
Ankoatra izay, « fotoana izao hanananan’ny Oniversi­ten’Antananarivo fahaleovan-tena amin’ny fampiasana an­govo azo avy amin’ny ma­soan­dro sy ny rano », hoy ha­trany izy. Amin’ny maha fitaratra ny Oniversiten’Antanana­rivo, tsy tokony ho tara amin’ ny fampiasana ny teknolojia avo lenta ka hametrahana Connexion eny an-toerana. Ezahina apetraka ny fandriampahalemana feno eny anivon’ny oniversite amin’ny alalan’ny fampiasana camera miisa 90 hanaraha-maso ny filaminana. Averina ihany koa ny fampisakafoana ho an’ny mpiasa sy ny mpianatra.
Raha te hametraka fito­niana ara-tsosialy, tokony ha­petraka ny fandoavana ny va­tsim-pianarana. Vahaolana ny fanafainganana ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny fametrahana ny Digitalisation sy ny rindra ara-kajy. Hapetraka ihany koa ny fifampiresahana amin’ny minisitera tomponandraikitra mba hametrahana ny tetiandro fizarana vatsim-pianarana ho fiarovana ny fita­kiana sy ny fitokonana mety ho ataon’ny mpianatra.

Mino

Catégories: National

Disitrika Maevatanàna : Olona 4 077 liana hiofana

Les Nouvelles - mer, 03/12/2025 - 09:03

Nanokatra tamin’ ny fomba ofisialy ny hetsika « Fijery hafa » ho an’ny faritra Betsiboka, tao Maevatanàna, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa, Raso­loarisoa Marie Marcelline, sy ny ben’ny Tanànan’i Maevat­anàna I sy II, tamin’ity herinandro ity. Nohamafisin’ny minisitra mpiahy fa ny « Fijery hafa » dia tetikasa manakaiky vahoaka entina mamolavola tanora amin’ny asa velon-tena sy ny fandraharahana, efa nitety faritra maro.
Liana amin’ny fampiofanana ny vahoaka raha ny antontanisa voaray. 4 077 no nisoratra anarana hiofana momba ny zaitra, fanamboarana mofo mamy, informatika, fanaovana soudure, fiompiana, jono…
Ankoatra izay, nisy ny fizarana “Attestation de formation de masse” porofon’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny rehetra. Nitsidika ifotony ny LTP Maevatanàna sy ny fitaleavam-paritra Betsiboka ny delegasionina ka nifanakalo tamin’ ireo tomponandraikitra hanatsarana ny ivontoeram-panofa­nana.

Vonjy

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - mer, 03/12/2025 - 09:02

Nahazo fitaovam-pamokarana marobe ny fikambanana tantsaha miisa 9 any Vakinankaratra. Nahitana borety 24, motopaompy 3, maotera 24CV, fitotoana voamaina, motoculteurs, remorques, fivelesana vary, fanafangaroana provandy, sns. Nisitraka ireo ny tan­tsaha any amin’ny distrika Antsirabe II, Betafo, Man­doto ary Faratsiho.

Miara-misalahy manara-maso ny vidim-bary 750 Ar ny kapoaka ireo tomponandraikitra samihafa hisorohana ny fanararaotana. Mitohy hatrany ihany koa ny fanaparitahana ny vary nafarana hisitrahan’ny mpanjifa ny vokatra amin’ny vidiny ara-drariny. Nahomby ny toromarika napetraky ny filoha hampihenana ny vidim-bary.

Natao tany Mindelo Cap Vert ny fivorian’ireo Nosy madinika sy andalam-pandrosoana afrikanina (SIDS) mahakasika ny jono, ny 6-8 marsa teo. Tanjona ny hiarovana ny harena anaty rano isaky ny firenena mba hisitrahana ny tombontsoa avy aminy hiteraka fampandrosoana. Nandray anjara tao i Madagasikara, Cap Vert, Kaomoro, Seychelles ary Sao Tomé.

Hankalazaina ny sabotsy izao ny « Earth Hour ». Fotoana hanomezana adiny iray ho an’ny tany sy hanomezan-danja ny tontolo iainana. Homarihina amina
hetsika maro ny fankalazana toy ny fikarakarana ireo zana-kazo novolena tany Antsahadita sy fanaraha-maso ny fitombony ary famaritana ny tanin-jana-kazo amin’ny Application Treetracker.

Catégories: National

Orinasa Base : Tsy ho an’ny lehilahy irery ny fitrandrahana

Les Nouvelles - mer, 03/12/2025 - 09:02

Anisan’ny nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny zon’ny vehivavy, ny 8 marsa teo, ny orinasa Base Toliara tany Maromiandra, distrika Toliara II, anisan’ireo kaominina dimy iasany. Nisy ny hetsika nanehoan’ny fikambanan-behivavy fa afaka mahaleo tena izy ireo. Nambaran’i Sa­bine Hélène, filohan’ny fikambanam-behivavy, fa isaorana ny filoham-pirenena nanokatra indray ny Base. Efa nisy ny tetikasa nataony ho an’ny tanora vehivavy, nampiofana amin’ny fanamboarana mofo, ny rafi-trano, ny fitondrana fitaovam-pitrandrahana vaventy, sns. Anisan’ny niofana ary mahay manao mofo aho, saingy tsy ampy ny fitaovam-piasako. Mino aho fa ha­nohy hanampy ny kaominina Maromiandra ny Base, toy ireo tanora vao nahavita fianarana.
Nandray anjara tamin’ny filaharambe nitety tanàna tao an-tampo-tanàna Toliara ny vehivavy miasa ao amin’ny orinasa Base, mivondrona ao anatin’ny fikambanana Am­pela Mahery, niafara tao amin’ ny Kianja mitafo Toliara. Ni­laza i Volafeno Nomenjana­hary Myra, mpiasa ao amin’ny orinasa, fa « sambany tao anatin’ny 5 taona nikatonan’ny Base no nandray anjara toy izao izahay. Hasehonay fa tsy natao ho an’ny lehilahy irery ihany ny asan’ny fitrandrahana ambanin’ny tany, fa mahavita koa ny vehivavy ».
Nisarika ny vehivavy na­many i Boto Amédée, hangataka asa sy hanaraka fiofa­nana ao amin’ity orinasa ity.
« Tsy misy fanavahana ny lahy sy ny vavy ao », hoy izy.

Njaka A.

Catégories: National

Seksiona marovatana: Hiatrika famaranana ny Polisy monisipaly

Les Nouvelles - mer, 03/12/2025 - 08:27

Tontosa ny alahady 9 marsa teo, tetsy amin’ny Kianja Malacam Antanimena ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona marovatana, taranja rugby. Tafita hiatrika ny famaranana ny Polisy monisipaly Antananarivo Renivohitra. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 13 no ho 11, ny Zaami Ankasina. Nambaran’ny kaomisera Ostrom fa anisan’ireo taranja misy ao amin’izy ireo ny rugby ary tezaina amin’izany ireo polisy monisipaly mba hatanjaka satria hiankinan’ny asan-dry zalahy izany. “Raha marefo izy ireo, ataony ahoana ny hahatontosa ny asany”, hoy izy. Tanora ny ankamaroan’ireo Polisy monisipaly ka beazina amin’ny fanatanjahantena ho salama fa tsy sanatria hirona any amin’ny fidorohana zava-mahadomelina na zavatra hafa.
Nomarihin-dRamanandraibe Bako, tomponandraikitry ny fanatanjahantena eo anivon’ny Polisy monisipaly fa tanjona ny hiatrehana ny “Top 20”. Manampy betsaka azy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa ny fanaovana rugby satria tandroka aron’ny vozona izy ireo ary hanamafisana ny fitsipika sy fifehezana. Notsiahiviny fa niforona tamin’ny taona 2012 ny rugby Polisy monisipaly ary nifaninana tany Ambohidratrimo sy Sabotsy Namehana. “Mbola miandry ny fotoana mampalalaka ny kianja ny famaranana, hikatrohan’ny Polisy monisipaly sy ny Fifita Anosivavaka”, hoy Rakotomalala Richard, filohan’ny seksiona Marovatana.

Tompondaka

Catégories: National

Komity mpanatanteraka anivon’ny Caf: Kandidà Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny FMF

Les Nouvelles - mer, 03/12/2025 - 08:27

Anisan’ireo anatin’ny lisitra hofidina ho komity mpanatanteraka eo anivon’ny Caf Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Andrasana anio ny vokatra.

Hotanterahina anio, any Le Caire renivohitr’i Egypte, ny fifidianana izay ho filohan’ny Kaon­federasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) sy izay ho komity mpanatanteraka. Kandidà tokana ho laniana amin’ny tehaka i Patrice Motsepe, avy ao Afrika Atsimo sady nitantana ny Caf teo aloha ihany. Anisan’ireo handresy lahatra ny mpifidy mba hahatafiditra azy ao anatin’ny Komity mpanatanteraky ny Caf kosa Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Ao amin’ny fikambanan’ny baolina kitra aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika (Cosafa) moa ny tenany no niditra, ary miisa dimy izy ireo no hihazakazaka ho amin’izany. An­koatra azy, eo koa ilay seyseloa, i Elvis Raja Chetty, sy ilay maorisianina, i Sobha Mo­hamad Ally Samir. Manampy azy ireo ilay teratany Botsoa­ney, i Mac Lean C. Letshwiti ary i Feizal Ismael Sidat avy atsy Mozambique.

Hampiakatra an’i Afrika

Fanamby goavana ho an-dRandriamanampisoa Alfred, araka izany, ity fifidianana ity. Miara-misalahy amin’ny Caf ny tenany, ary omaly dia nisy ny fivoriambe ara-potoana izay natrehin’ity lehiben’ny FMF ity. Tanjon’ity filoha ity ny hampiakatra ny lentan’ny baolina kitra aty Afrika, indrindra ireo firenena avy aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika sy ny eto amin’ny ranomasimbe Indianina.
Tsara ny mampahafantatra fa izy no angady nananana sy vy nahitana ny fifanintsanana Fifa Ocean Indian Tour­nament, notontosaina teto Madagasikara, ny 16 hatramin’ny 22 desambra 2024 lasa teo.

Fitia Randria

Catégories: National

TSELATRA

Les Nouvelles - mer, 03/12/2025 - 08:26

Ravan’ny zandarimaria avy ao amin’ny bori­gadin’Andoharanofotsy ireo tambajotra mpamaky trano sy mpangalatra moto. Nahitana lehilahy efatra niaraka tamin’ireo entana nangalariny sy efa nolokoiny avy. Mpisera finday halatra, mpandoko moto, mpividy halatra ary mpiray tsikombakomba. Nisy namaky ny trano iray tao Andoharanofotsy, ny alin’ny 11 hifoha 12 febroary 2025 lasa teo. Lasan’ny olon-dratsy, tamin’izany, ny entana maromaro tao an-trano. Tonga nitory ilay tompon-trano taorian’izay. Nanao fanadihadiana sy fikarohana ny zandary ka nahafahana nisambotra io tambajotra io. Hita, nandritra izany, ihany koa ireo entana nangalariny izay efa nolokoin’izy ireo.
Voasambotry ny polisy, afakomaly, ireo lehilahy telo mpitrandraka vato tsy ara-dalàna ao anaty ala voajanahary arovana any Anjanaharibe Sud. Tratra teo am-pitrandrahana vato izy ireo ary nanohitra ny polisy tamin’ny fitaovana nampiasainy. Voatery nanao tifi-danitra ho fampitandremana ny polisy ary nisambotra azy telo lahy. Tafiditra ao anatin’ny alan-javaboahary misy karazam-biby sy zavamaniry maro tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara io toerana io. Efa eny anivon’ny polisy, ao Andapa, izy ireo hanaovana fanadihadiana.
Vehivavy iray tratran’ny fokonolona niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tany Tanambao 5, parcelle 13/82, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Efa tafiditra tao an-trano, nisavasava ny armoire rehetra izy no hitan’ny olona. Nosavain’ny fokonolona ny kitapo teny aminy ary nahitana tournevis. Fantatra fa fitaovana entiny hanaovany ny asa ratsy izany. Efa niantsoana mpitandro filaminana ny tenany ary efa anaovana fanadihadiana eny amin’ny polisy.
Tovolahy iray 24 taona nanolana ankizivavy 15 taona voasambotry ny polisy Ankadindravola, tamin’ity herinandro ity. Nanararaotra nampihatra ny filan-dratsiny tamin’io ankizivavy io nandritra ny fotoanan’ny rotsakorana ny 07 marsa lasa teo, tao amin’ny kaominina Ivato Ambohidratrimo izy io. Noferany sy norahonany tsy hilaza ny tranga nahazo azy ity lasibatra ity tamin’izany. Tonga nitory teny anivon’ny biraon’ny zandary ny renin’ilay zazavavy, nanomboka teo ny fikarohana ka izao voasambotra izao ilay mpanolana.

Catégories: National

Lakana rendrika ; renim-pianakaviana iray namoy ny ainy

Les Nouvelles - mer, 03/12/2025 - 08:25

Renim-pianakaviana iray 26 taona, manambady, ma­nan-janaka kely, namoy ny ainy vokatry ny faharendrehan’ny lakana tetsy amin’ny Fasan’ny karana miampita ny fokontany Ankazotoho Ano­simahavelona, afakomaly tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakany rehefa nokarohin’ny sampana mpamonjy voina, raha naharay antso mahakasika ny tranga izy ireo tamin’ny 6 ora sy 24 mn hariva. Tonga teny an-toerana izy ireo 20 mn taorian’ny antso. Natao avy hatrany ny fikarohana rehetra nefa tsy nahitam-bokany izany adiny efatra taty aoriana. Nitohy omaly maraina vao mangirandratsy ny fikarohana ka nahitana io razana io. Feno loatra ny lakana, olona 18 no nisesika tao anaty lakana ary tafiditry ny rano ka antony nahatonga ny filentehany, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina. “Vo­tsotra tamin’ny tady ny tananan’ilay mpitondra lakana, nikoropaka sy samy namonjy ny ainy ireo mpandeha tao anatiny”, hoy ny sefo fokontany Ankazotoho Ano­sima­ha­velona, Rakoton­dra­­soa Haris Jocelyn. Namba­rany fa manodidina ny 11 hatramin’ny mpamily ny olona nandeha tamin’io lakana io. Avotry ny olona manodidina sy ny sampana mpamonjy voina, afakomaly hariva ihany, ny sivy tamin’ireo mpandeha, raha ny fanazavany.
Ho ferana ho sivy ihany ny isan’ny mpandeha lakana manomboka izao. Angata­hin’ny sefo fokontany ny hanasiana tetezana eny an-toerana. Efa nalefa eny anivon’ny Brigade criminelle Anosy omaly hariva kosa ilay mpamilin’ny lakana. Raha toa ka nentin’ny tomponandraikitry ny fokontany eny anivon’ny CSP5 Mahamasina ilay mpamilin’ny lakana vao nitranga ny voina. Mba hiarovana ny ainy sy hialana amin’ny fitsaram-bahoaka manoloana ny fiparitahan’ny vaovao tamin’ny tambajotra sosialy.

Mino

Catégories: National

Fanodinkodinana Cocaïne : Zandary fito nalefa eny Tsiafahy

Les Nouvelles - mer, 03/12/2025 - 08:25

Nohainoin’ny mpitsara eo anivon’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly nandritra ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 11 marsa teo ireo voarohirohy. Zandary miisa fito nalefa eny Tsiafahy ary iray hafa manaraka fitsaboana. Sivily miisa efatra hafa nohazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora izay samy voasaringotra tamin’ny raharaha fanodinkodinana Cocaïne 250 kg. Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra ao Nosy Be Hell ville ny iray amin’ireo voatazona ireo. Tsiahivina, nentina vehivavy miisa roa tao anatina valizy roa ny Cocaïne nilanja 250 kg, ny volana aogositra 2024. Nogiazana ireo rongony mahery vaika ireo saingy tsy nifanaraka tamin’ny tatitra an-tsoratra noraiketin’ny zandary ny vokatra azo. Nanjavona ny 200 kg tamin’ireo entana tra-tehaka. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanadihadiana lalina ny solontenan’ny polisy eo anivon’ny DPJ sy ny fitsarana miady amin’ny kolikoly. Tafakatra 14 ireo voasaringotra ka zandary ny valo. Niafara amin’ny fihazonana am-ponja azy ireo izany.

Tsiferana R.

Catégories: National

Tsipy kanetibe : Hanomboka ny 15 marsa izao ny taom-pilalaovana

Les Nouvelles - mar, 03/11/2025 - 07:40

Araka ny tetiandron’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), hanomboka ny sabotsy 15 marsa ho avy izao ny taom-pilalaovana 2025. Homarihina amin’ny alalan’ny fifaninanana ho an’olon-telo miaraka izany. Fihaonana hatao ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao. Tsy toy ny mahazatra fa hampiantrano izany ny kianja vaovao eny Soamandrakizay Androhibe.
Mampiavaka ity fanombohana ny fifaninanana ity ny fahazoan’ny rehetra mandray anjara, izany hoe, tsy misy kara-pilalaovana fa misokatra ho an’ny daholobe. Hahazo amboara sy lelavola 2 000 000 Ar ny voalohany eo amin’ny sokajy Senior, lehilahy. 1 000 000 Ar sy medaly ny faharoa ary 5 00 000 Ar ny fahatelo sy fahefatra. An­drasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ity sokajy ity satria hifanandrina amin’ireo mpilalao niatrika ny “Mondial” sy ireo nanao ny “Tournoi estival” ary ny “Masters” tamin’ny taon-dasa ny mpilalao nijanona teto an-toerana.
Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fihaonana eo amin’ny vehivavy sy ny Jeune ary ny Vétérans”. Lalao ho an’olon-telo miaraka ihany koa ny azy ireo. Mitovy avokoa ny loka horaisin’izay tompondaka amin’izany. Hotolorana lelavola 750 000 Ar sy amboara ny voalohany. 300 000 Ar miampy medaly ny faharoa raha 100 000 Ar ny an’ny fahatelo sy fahefatra.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 03/11/2025 - 07:40

Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, ny faran’ny herinandro izao, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, eo amin’ny sokajy N1B sy U16. Anisan’ny hifandona amin’izany ny ekipan’ny ASSM sy ny NBE, eo amin’ ny sokajy latsaky ny 16 taona, lehilahy, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Anisan’ny nitondra ny anjara birikiny ny ekipa nasionaly vehivavy, taranja karate, nandritra ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy tany Antsirabe, ny 8 marsa teo. Nanatanteraka fampisehoana niavaka sy Kata izy ireo nandritra ny hetsika nokarakaraina tany an-toerana. Mandaloany Antsirabe ireo ekipa nasionaly amin’izao miatrika fampivondronana.
Notontosaina ny alahady farany teo, teny Ambohidava, ny fifanintsanana amin’ny hazakazaka kodiaran-droa “Moto enduro”, 4H Honda. Nanjakan’i Lucas Robert sy Razafimahefa Miaro ny fifaninanana. Laharana faharoa kosa ilay Malagasy fanta-daza, Claudio Tida. Tsara marihina fa tsy tafiditra anaty fifaninanana nasionaly ny 4H Honda.
Hotanterahina manomboka anio ny fihaonana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions 2025”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonan’ny Liverpool FC, anglisy, sy ny Paris Saint Germain FC, France. Tsiahivina fa any Angleterre no hatao ny fifanandrinana.

Catégories: National

Rallye – Mada 2024 : Hatolotra etsy Soarano ny amboara

Les Nouvelles - mar, 03/11/2025 - 07:39

Hotanterahina ny sabotsy 15 marsa ho avy izao, ny lanonana fanolorana ireo amboara ho an’ireo mpandresy sy tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny taom-pilalaovana 2024 eo amin’ny taranja hazakazaka fiarakodia. Raha tsiahivina, voahosotra teo amin’ny sokajy rallye, Andrianjafy Mathieu, mpanamory avy amin’ny klioba Asacm. Tompondaka lefitra Ratsimbarisoa Herman, avy amin’ny TMF. Raha ho an’ny mpanamory mpanampy kosa indray, voalohany Rakotomalala Andry Tahina, avy amin’ny Asacm ihany.
Mbola i Mathieu ihany koa no tompondaka teo amin’ny kilasy M12/4 roues motrices. Ho an’ny kilasy R5/N4, voalohany ny mpanamory avy amin’ny klioba TMF amin’ny alalan-dRasoamaromaka Faniry, raha Rakotoniaina Yves Maurice, klioba ASA Tana ny faharoa. Teo amin’ny kilasy M11, Rakotonindrina Gaston, mpanamory ao amin’ny Asacm.
Ankoatra izay, nisy koa ny fifaninanana teo amin’ny Cross Car ka tompondaka Razanamparany Jhimmy, klioba MSA. Ho an’ny slalom, Ramiandrisoa Olivier avy amin’ny Asacm no nitana ny laharana voalohany, raha nahazo ny toerana faharoa Rakotojohary Juan, FMMSAM.

Torcelin

Catégories: National

Ekipa nasionaly malagasy: Mpilalao vaovao dimy hantsoina hanatevina ny Barea

Les Nouvelles - mar, 03/11/2025 - 07:39

Afaka 11 andro eo, hiatrika ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” ny Barea de Madagascar. Ho fantatra rahampitso ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly.

Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fo­to­ana izao, mpilalao dimy vaovao no nantsoin’i Corentin Martins, Frantsay teknisianina mitondra ny ekipa nasionaly malagasy, handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao, anarana dimy no efa malaza, saingy andrasana rahampitso ny fanambarana ofisialy mahakasika izany.
Anisany i Geordan Dupire, (FC Swift Hesperange), Tom­my Iva (OS Orleans France), Mathieu Acapandié (FC Nantes France), Samuel Noi­reau Dauriat (EA Guingamp France), Jean Harisson Marcelin (Beitar Jerusalem FC Israel). Ankoatra izay, tsara ny mampahatsiahy fa miisa efatra ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana nantsoin’i Coach C. Martins.
Ankoatra an’i Dax, mpilalaon’ny Fosa Juniors Boeny, mandeha ihany koa ny resaka fa nantsoina hanatevina ny ekipa nasionaly ihany koa i Lalaina, CFFA Andoharano­fotsy, i Tony, vodilaharan’ny Elgeco Plus. Efa nahazo ny taratasy fiantsoana azy avokoa ireo mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifanintsanan’ny «Mondial 2026» ity.
Tsara ny mampahafantatra fa hatao any Maroc avokoa ny lalaon’ny Barea. Ny 19 marsa ho avy io, hifandona amin’ny les Fauves Cen­trafrique ny ekipa malagasy. Ny 24 marsa izao kosa, handray an’i Ghana any an-toerana i Madagasikara. Andra­sana ny daty handehanan’ny delegasionina malagasy ho any Maroc. Tsiahivina fa manana isa 7 ary laharana fahatelo ao amin’ny vondrona I misy azy ny ekipa nasionaly malagasy.

Fitia Randria

Catégories: National

Pages