Inter-Media 2024 : fantatra ireo ekipa iray vondrona

Les Nouvelles - jeu, 05/02/2024 - 07:56

Tontosa tetsy amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) etsy Ambohidahy, ny antsapaka ahalalana izay iray vondrona amin’ny fifaninanana iraisan’ny mpampahalala vaovao na ny Inter-Media 2024. Fifaninanana tanterahina etsy amin’ny kianja Annexe Mahamasina, ny sabotsy 4 mai ho avy izao. Anisan’ireo manana ekipa be indrindra ny vondrona Ultima-Media, misy ny gazety Taratra sy Les Nouvelles ary ny Bojy sy ny onjam-peo Alliance 92. Mahatratra dimy ny isan’ ireo hiatrika izany ka 3 ny eo amin’ny baolina kitra raha 2 ny eo amin’ny basikety.
Taranja be mpandray anjara indrindra ny baolina kitra lalaovin’olona 7, izay mahatratra 27 raha 14 ny eo amin’ny basikety. Hentitra ny mpikarakara amin’ny fanaraha-maso ireo mikasa hampiasa mpikaramanady amin’ity fihaonana ity. Lalaovina 15 mn indray mandeha ihany ny ny baolina kitra. Miakatra amin’ny ampahavalon-dalana ireo ekipa 2 voalohany isam-bondrona. “Iray eny an-kianja” ny lohahevitra amin’ity, izay mifanindry amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny OJM.

Tompondaka

Catégories: National

Rugby – «Can vehivavy 2024» : nahazo fankatoavana ny kianja Makis Andohatapenaka

Les Nouvelles - jeu, 05/02/2024 - 07:56

Afaka mandray lalao iraisam-pirenena ny kianjan’i Maki. Nankatoavin’ny Rugby Afrique fa mahafeno ny fenitra sy ny fepetra takina ny toeram-pilalaovana eny Andohatapenaka.

Tsy misy ahiahy intsony fa hotanterahina eto Ma­dagasikara, manomboka ny sabotsy 4 mai ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy, lalaovina olona 15 (Can 2024). Efa nahazo ny fankatoavan’ny Rugby Afrique mantsy ny kianja Makis Andohatapenaka.
Ny alarobia 30 aprily lasa teo, tonga nanatanteraka izany teny an-toerana ny tale misahana ny fifaninanana eo anivon’ny Rugby Afrique, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy Rugby. Nojerena avokoa ireo toerana rehetra tao anatin’izany fotodrafitrasa izany, nanomboka teny ivelany, ny vavahady fidirana, ny fivarotana ny karatra, ny tao anatiny indray nozahana ifotony ny bozaka hilalaovana, ireo efitrano fisoloana akanjo, ny trano fivoahana, ny efitrano ho an’ny mpitsara, ireo birao rehetra.
Tsiahivina fa niova endrika tanteraka ny kianja Makis Andohatapenaka satria nasiana fefy manodidina ny toerana filalaovana tsy ho azon’ireo mpijery hidirana. Fepetra notakin’ny Rugby Afrique iza­ny.
Raha tsiahivina, haharitra hatramin’ny alahady 12 mai, ity Can ity, ary hiady lohany amin’izany ireo firenena efatra: i Madagasikara, mpampiantrano, Afrika Atsimo sy Kenya ary i Cameroun. Raha tsy misy ny fiovana, ho tonga anio ny ampahany amin’ireo ekipa vahiny.

Tompondaka

Catégories: National

Fandrobana taxi-moto: jiolahy iray maty, roa azo sambo-belona

Les Nouvelles - jeu, 05/02/2024 - 07:55

Maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny zandarimaria ny jiolahy iray tompon’antoka tamin’ny halatra moto tao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, ny alatsinainy 27 avrily teo. Lehilahy miisa efatra nanofa taxi-moto niainga tao Arivonimamo hihazo an’i Miandrandra. Namoaka basy anefa ireo olon-dratsy tao Ankilomaka. Voatifitra ny iray tamin’ireo mpitondra moto. Nahay nandositra ny iray. Voasakan’ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy, ny ampitson’io. Tafaporitsaka avokoa ireo jiolahy ary tavela ny moto halatra. Nitohy ny hazalambo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra momba ny toerana misy ireo mpangalatra ny zandary. Noraisim-potsiny tao Antanetibe Mahazaza, ny telo lahy. Niezaka namaly ny zandary nisambotra azy ny iray ka lavo. Nahatrarana fitaovam-piadiana toy ny bala, antsy, hatramin’ny lefona teny amin’ireo jiolahy ireo. Mitohy ny fikarohana.

Tsiferana R.

Catégories: National

grevy teny vontovorona: Raikitra ny tora-bato sy grenady

Les Nouvelles - jeu, 05/02/2024 - 07:54

Nirefodrefotra indray ny grenady lakrimozena teny Von­tovorona nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatra, afakomaly. Tsy nifan­kahitana ihany koa ny tora-bato sy tapa-biriky. Teo koa ny fandorana kodiarana. Nipari­taka manerana ny lalana ny tapa-biriky sy vato ary siniben-drano iray. Mpianatra iray naratra nandritra ny fifando­nana teo amin’ny mpianatry ny politeknika sy ny mpitandro filami­nana. Nanamafy ireo mpianatra fa tsy hijanona ny fitokonana raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo. Araka ny fanazavan’ny fi­lohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny Vonto­vorona, Haja­lalaina Stéphano Aristide, mitaky ny hamoa­hana ny va­tsim-pianarana dimy volana miampy ny fam­pitaovana izy ireo. Takin’izy ireo ny hampiakarana avo roa heny ny vatsim-pianarana satria efa tsy mifanaraka
amin’ny filan’ny mpianatra amin’izao fotoana intsony izany.
« Hitohy ny fitakiana… », hoy ireo mpianatra

Eo koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny kalitaon’ny fampianarana. «Volana maromaro izy ireo no efa nianatra kanefa vatsim-pianarana telo volana sy fampitaovana anefa no kasain’ireo tomponandraikitra havoaka. Tsy manaiky izany anefa izahay », hoy ha­trany ny fanazavan’ny filohan’ny mpianatra. Nohamafi­siny fa vatsim-pianarana dimy volana, araka ny andro nidiran’izy ireo nianatra no tokony homena azy ireo. Toe­ram-panofanana mpianatra ho teknisianina am­bony anefa ny eny Vontovo­rona saingy tao anatin’ ny 50 taona, tsy nisy fanamboarana mihitsy ny fotodrafitrasa am­piasain’ireo mpianatra. « Efa may ny bloc, tapaka lava ny jiro sy rano na mianatra na tsy mianatra ny mpianatra. Taki­nay ny hana­tsarana ny wifi. Mitohy ny tolona raha tsy misy valinteny matotra avy amin’ny mpitondra fanjakana », hoy hatrany ireo mpianatra.

Jean Claude

Catégories: National

Un soir une vie: Sujet 1 LE COUPLE

Les Nouvelles - mar, 04/30/2024 - 18:02

Besoin d’une oreille, d’un conseiller, votre couple va mal? Participez, en tout anonymat à « Un soir, Une vie » la toute nouvelle émission radio sur Alliance 92FM, avec le Dr. Raharison Andrinaina, coach et psychothérapeute.

N’attendez plus, inscrivez-vous gratuitement au 038 11 420 15 et ne ratez pas la première émission demain soir à 20h.

Catégories: National

Un soir une vie

Les Nouvelles - mar, 04/30/2024 - 14:25

Catégories: National

Yfomac Initiative : mpilalao telo vavy homena 50 dolara isam-bolana

Les Nouvelles - mar, 04/30/2024 - 07:43

Miditra amin’ny sehatra matihanina ny Yfomac Initia­tive, izay efa 5 taona. Hany sekolin’ny baolina kitra tokana mitaiza tovovavy fotsiny eto Madagasikara. Hiara-kiasa amin’ny ilay vovonana Next Best Player any New –York izy ireo. Notanterahina ny alahady lasa teo, teny Andoha­tape­naka ny fifanarahan’ny roa tonta. Nanatan­teraka izany i Yannick Davidson, filoha tale jeneralin’ny Next Best Player sy Ny Anjara Rafalima­nana, mpamorina ny Yfomac Initia­tive.
Hisantarana ny tetikasa, mpilalao telo homena 50 dolara isam-bolana mandritra ny 5 taona, i Fanomezantsoa sy Hanitriniaina Sitraka Manan­tsoa ary Andriafanomezana Mitia. Raha misy ny fivoaran’ ny tsirairay, hiampy 2 hisitraka izany hatramin’ny faran’ny taona.
“Tsy hivarotra mpilalao fa handefa azy ireo ho lasa matihanina no tanjona, izay efa mizotra tsikelikely amin’izany”, hoy Rafalimanana Norbert. Nohamafisiny fa mifaninana amin’ireo lalao federaly ny Yfomac ary efa nandrombaka ny tompondakan’ny seksiona Atsimondrano 2023. Mikasa ny hiditra ao amin’ny Fihe­zama ny Yfomac, hahazoan’ izy ireo miatrika ireo lalao iraisam-pirenena misy. Tsiahi­vina fa nahazo fandresena 8 ny Yfomac tamin’ireo lalao iraisam-pirenena natrehiny, ny taona 2023. Ankehitriny, miisa 120 ireo mpilalao ao amin’ny Yfomac, misy ny sokajy U7 ka hatramin’ny U17, ary sahanin’ ny mpanazatra 13.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - mar, 04/30/2024 - 07:43

Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Ambohijatovo, fa handray ny « Africa Cup 2024 », taranja basikety 3×3, lahy sy vavy, i Madagasikara, ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra ho avy izao. Tsara ny mampahafantatra fa ity fifanintsanana ity, efa nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny handraisana azy.

Notanterahina ny alahady lasa teo, teny Ari­vonimamo, ny fifaninanana “Run 400 m”, taranja Rally, izay nokarakarain’ny Runmada. Nahazo ny fandresena tamin’ity dingana voalohany ity i Herizo Boarilaza na i Bobo. Laharana faharoa kosa, Rasoloarijaona Tahiana na i Jaytax, izay tompondaka tamin’ny taon-dasa.

Medaly alimo, azon-dRasoanaivo Laura, vehivavy judoka malagasy, ihany no nentin’ireo delegasiona malagasin’ny taranja Judo nody eto an-tanindra­zana, taorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tany Egypte, ny 24-28 avrily lasa teo. Tsiahivina fa mbola ao anatin’ny hazakazaka amin’ny ady tapakila hiatrehana ny Mondial i Laura.

Voahosotra ho tompondakan’i France, “Ligue 1” indray ny ekipa Paris Saint Germain FC, ny alahady lasa teo. Tsiahivina fa ny PSG ihany no nahazo izany ny taona 2023 lasa teo. Mbola hiatrika ny manasa-dalan’ny “Ligue des Champions 2024” moa izy ireo rahampitso. Marihina fa hifanandrina amin’ny Olympique Lyonnais izy ireo, famaranana ny « Coupe de France ».

Catégories: National

Ligue des Champions 2024: hanala vela amin’ny Real ny Bayern

Les Nouvelles - mar, 04/30/2024 - 07:43

Hotanterahina anio sy rahampitso, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ ny Paris Saint Germain (PSG) Frantsa, klioba roa avy ao Alle­magne, ny Dortmund sy Bayern, ary ny Real Madrid Espagne no nahazo ny tapakila hiatrika izany.
Anisan’ny lalao tena andrasan’ny rehetra anio, ny fihao­nan’ny Bayern de Munich sy ny Real Madrid. Fihaonana izay hotontosaina ao amin’ny Kianja Allianz Arena Allemagne.
Tsiahivina fa mbola manala vela amin-dry zareo Madri­liena ny bavarois amin’ity fifanandrinana ity. Ny taona 2018, nahintsan’ny Real teo amin’ny manasa-dalan’ny LDC ny Bayern. Ny LDC sisa no fanantenana farany ho an’ny Bayern mba hisorohana ny taona fotsy, nandritra ity taom-pilalaovana ity. Ny alarobia 8 mey ho avy io no hampiantrano ny fihao­nan’ny roa tonta, miverina, ny Real Madrid.
Ankoatra izay, hotontosaina rahampitso, any Allemagne ihany, ny fihaonan’ny Dortmund sy ny Paris Saint Germain (PSG).

Fitia Randria

Catégories: National

Lalana RN35 : narenina vonjimaika ny tetezan’i Berintsa

Les Nouvelles - lun, 04/29/2024 - 07:56

Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana. Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny lalam-pirenena RN 35, mampitohy an’i Malaimbady sy Morondava, faritra Me­nabe. Raha tsiahivina, nahatsikaritra ny fahasimbana teo amin’ny tetezan’i Berintsa (PK 357 + 900) ny ekipan’ny Fitan­tanam-paritry ny Asa vaventy DRTP any Menabe, ny alarobia 24 avrily teo. Niteraka fahasahiranana ho an’ny mpam­piasa lalana izany, in­drindra ny fiara vaventy. Nan­dray an-tanana ny asa fanarenana vonjimaika avy hatrany ny orinasa, teo ambany fanaraha-mason’ny teknisiana avy amin’ny minisitera. Nosoloina ny takela-kazo eo ambonin’ny tetezana.
Mbola hisy ny fanatsarana sy ny fanamafisana an’ity tetezan’i Berintsa ity aorian’izao asa vonjimaika izao. Tanjona ny hisian’ny fotodrafitrasa mafy sady mateza, mba hisian’ny fifamoivoizana maharitra, ka mila manaja azy ireny ny mpampiasa lalana.
Fanarenana ny RN 6 sy ny RN 5

Ankoatra izany, efa mandeha ny famerenana ny fifamoivoizana any amin’ny lalam-pirenena RN 6 sy ny RN 5, izay simban’ny rivodoza Gamane farany teo. Ho an’ny RN 6, andalam-pahavitana ny fivilian-dalana vonjimaika eo amin’ny tetezana Ifasy I (PK 537). Haharitra roa volana sy tapany ny asa hametrahana fivilian-dalana maharitra any Ifasy II sy Mahavavy (PK 568, 0A 47 bis). Hanao ny asa ny orinasa Colas.
Ho an’ny RN 5 (Ambilobe-Vohemar), hanarina tanteraka ny simba rehetra ny orinasa CRBC, efa nanao azy tany am-boalohany.

Njaka A.

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

Les Nouvelles - lun, 04/29/2024 - 07:56

Vita ny tohodrano afaka manondraka velaran-tany 383 ha any amin’ny lemak’i Manambaro, faritra Anôsy. Zara raha 147 ha ihany no afaka nohajariana tany aloha. Efa rakotra vary daholo ny 70% ny lemaka, ankehitriny, ka miisa 430 ny fianakaviana misitraka azy. Ao anatin’ny tetikasa “Defis”, tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) ity zava-bita ity.

Natao tatsy Maorisy ny atrikasa fifanakalozana traikefa amin’ny lafiny jono, eo amin’i Maorisy, Madagasikara, Kaomoro ary Japana, ny herinandro lasa teo. Notaterina ny valim-pikarohana nampanaovin’ny Fiaraha-miasa japoney-Jica. Nampahafantarin’i Madagasikara ny Paikadim-pirenena momba ny toekarena manga (SNTB), azo entina ho an’ny fampandrosoana.

Natao tany Manakara ny fampiofanana mahakasika ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tontolo voajanahary maharitra ho an’ny ilana atsinanan’i Madagasikara. Nizarana fitaovana fikarakarana fambolen-kazo ihany koa ny kaominina voakasiky ny tetikasa.

Miisa 325 ny mpianatra nahavita fianarana ao amin’ny Fakiolten’ny EGS (Toekarena, fitantanana ary fiarahamonina) eny Ankatso. Nahazo ny mari-pahaizana Licence (Bac+3) amin’ny sampana toekarena izy ireo, avy amin’ny « Affaires publiques », ny « Economie du partenariat public-privé », ny « Economie mathématiques » ary ny « Economie générale ».

Catégories: National

Angovo azo havaozina: tohana ho an’ny orinasa madinika PME

Les Nouvelles - lun, 04/29/2024 - 07:56

Natao ny zoma 26 avrily teo, teto Antananarivo, ny fanombohana ny « Fandaharanasa tohana ho an’ny mpisehatra amin’ny angovo azo havaozina maharitra » (IED). Tafiditra ao anatin’ny Famatsiam-bola ho an’ny mpisehatra voakasika amin’ny angovo azo havaozina (FIER), avy amin’ny tahirim-bola ho an’ny Tanjona ho fampandrosoana maharitra (ODD) amin’ny taona 2030, napetraky ny Firenana mikambana.
Nanokatra ny atrikasa, Andriantsoa Thierry, sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH). Tanjona ny hanohanana ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) sy ireo mpandraharaha manana tetikasa vaovao (Start up), maniry hisehatra amin’ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny lafiny fanohanana ara-pitantanana sy ara-bola ho an’ireo mamorona tetikasa.
Vinavinaina ho 80 000 ny olona sy mpandraharaha hisitraka ny tetikasa FIER. Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD). Hifarana amin’ny taona 2026 ny tetikasa.

Njaka A .

Catégories: National

Taolagnaro : tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro 8MW

Les Nouvelles - lun, 04/29/2024 - 07:56

Miampy hatrany ny famokarana angovo azo havaozina any Taolagnaro. Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ary hiampy famokarana azo avy amin’ny rivotra ihany koa

Notokanana ny sabotsy 27 avrily teo, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro any Ehoala Taolagnaro. Tan­teraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny orinasa QMM Rio Tinto, ny Jirama ary ny fandaharanasa hisian’ny fitomboan-karena (Pic). Hampitombo sy hanatsara ny famatsiana herinaratra ny fisian’ity toby vaovao ity. Sady hitsinjovana ny tontolo iainana eto Madagasikara ny angovo azo havaozina. Mano­hana ny fanjakana ny mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fametrahana tetikasa mifantoka amin’ny angovo madio sy maharitra toy izao.
Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, nilazany fa himasoana ny fialana tsikelikely amin’ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika. Notsipihiny fa andanian’ny fanjakana 1 200 miliara Ar isan-taona ny tetibola hividianana solika ho an’ny Jirama.
Nomarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, fa ma­nana tanjaka 8 MW ity tobim-pamokarana ity, ahitana takela-masoandro miisa 14 600. Mbola hiampy 6 MW izany, izay efa eo andalam-pananganana ihany koa.

Herinaratra avy amin’ny rivotra
Ankoatra ireo, hanomboka tsy ho ela ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rivotra (parc éolien) voalohany eto Madagasikara. Ny orinasa Rio Tinto ihany koa no tompon’antoka amin’ny tetikasa, tohanan’ny fanjakana Malagasy hatrany.
Hanana tanjaka 16 MW ny fotodrafitrasa izay hovitaina mialoha ny faran’ity taona 2024 ity. Mahatratra 80 000 ny tokantrano ho afaka hisitraka herinaratra avy amin’izany any Taolagnaro, hampitombo ny famokarana efa misy any an-toerana.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

«JURISPRUDENCE» : atrikasa ho fampanaraham-penitra

Les Nouvelles - lun, 04/29/2024 - 07:55

Notanterahina tany Ampe­fy, ny 25 sy 26 avrily 2024 lasa teo, ny atrikasa ho an’ny fanaraham-penitry ny “Jurispru­den­ce” eto Ma­dagasikara. Ni­von­drona ta­min’ity atrikasa ity ny komitin’ny fandinihana sy ny fanamarinana ary ny fanaraha-maso ny fanajariana ny lalàna eo anivon’ny Fitsarana eto Madagasi­kara. Tanjona lehibe amin’ny atrikasa ny ha­nangona sy handamina ny fi­tsarana, handalina ary hanamarina ny fomba fiasa momba ny fanangonana natolotry ny Mo­­vement for Ethics and Deon­tology of Madagascar (MDEM), fikambanana miandraikitra ny fampandrosoana ny fanangonana ny raharaha sivily sy ara-ba­ro­tra. Lalàna notohanan’ny USAID, tamin’ny alalan’ny tetikasa Rindra, izany atrikasa izany.
Ny taona 2023 no niforona ity komity ity. Ahitana olona ambony eo amin’ny tontolon’ny lalàna malagasy, lehiben’ny fitsarana an-Tampony eto Mada­gasikara, ny lehiben’ny Fitsa­rana avo momba ny Lalàm­pa­norenana, ary ny solontenan’ny minisiteran’ny Fitsarana. Fifa­nakalozan-kevitra, fandinihana tolo-kevitry ny komity, ny ME DEM ary ireo mpisehatra rehetra voakasika no nameno ny roa andron’ny atrikasa. Natao izany mba hiantohana ny fa­mokarana ny fanangonana ny lalàna momba ny “Jurispru­den­ce” sy ny fampirindrana ny asa isan-karazany. “Ny fanomezana angon-drakitra mom­ba ny lalàna momba ny raharaha dia hampihena ny fotoana fikarohana ho an’ireo mpi­tsara ary hanampy amin’ny fikarakarana ireo antontan-taratasy atolotra azy ireo amin’ny kalitao sy ny hafainganam-pandeha», raha ny fanazavan-dRakotondrajery Randria­na­risoa Salohy Noro­tiana, tale jeneralin’ny raharaham-pitsarana, ny fianarana ary ny fanavaozana.

Lin

Catégories: National

Fambolena voatabia

Les Nouvelles - sam, 04/27/2024 - 18:05

Catégories: National

Kitra – Fanemorana ny «Play-offs» : “Fanapahan-kevitry ny FMF fa tsy an’ny CFEM”, hoy i Tôta

Les Nouvelles - sam, 04/27/2024 - 08:05

Manoloana ny fihemoran’ny dingana ampahefa-dalana mandroso amin’ny “Play-offs”, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, na ny “Pureplay football league” (PFL), nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de football elite de Madagascar (CFEM), omaly zoma, tao amin’ny tabajotran-tseraserany, fa fanapahan-kevitry ny federasiona izany fa tsy azy ireo.
Raha tsiahivina, ny resaka fifindran-toeran’i Joma, mpilalaon’ny AS Fanalamanga nandeha any amin’ny Fosa Jr no fototry ny olana. Araka izany, mbola handinika ny famahana izany io rafitra io vao afaka tohizana ny fifaninanana amin’ity “Play-offs” ity.
Manoloana izany, naneho ny fahagagany ny tenany satria tokony ho efa tany amin’ny andro voalohany no efa nandraisana fepetra fa tsy aty amin’ny andro fahafito. Miala tsiny amin’ireo ekipa rehetra ny tenany satria ny CFEM dia eo ambany fiahian’ny federasiona ka tsy afa-manohatra. Inoana fa tsy ny amin’ity “Pureplay football league” ity ihany ny handraisana fanapahan-kevitra hentitra fa amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ihany koa. Efa nandray anjara tamin’izany fifaninanana izany koa mantsy i Joma. “Ny fitavozavozana toa izao no mahatonga ny fikorontanan-javatra toa izao”, hoy i Tôta.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

Les Nouvelles - sam, 04/27/2024 - 08:04

Araka ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, nanapa-kevitr’izy ireo ny handoavana ny tambin-karaman’ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar, sokajy A. Tsiahivina fa io no anisan’ny olana tsy nahafahan’ireo mpilalao milaravinahitra sasany namonjy ny lalao ara-pirahalahiana teto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao.
Afaka andro vitsy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika « Can 2024 », taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, ny Makis Ladies. Efa ao anatin’ny fanomanan-tena mafy izy ireo amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025” ireto vehivavy malagasy mpilalao ireto.
Hotontosaina rahampitso, eny Arivonimamo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikaran « Run Mada », dingana voalohany. Tsara ny mampahafantatra fa aorian’ity fifaninanana ity, hiatrika ny dingana faharoa amin’izany indray ireo Malagasy mpilalao rally ny volana jona ho avy izao.
Hotanterahina anio sy rahampitso, ao amin’ny Petit Palais Mahamasina, ny fifaninanana taranja tenisy ambony latabatra “ping pong”, sokajy rehetra, lahy sy vavy, ho an’ny seksiona Antananarivo Renivohitra. Hanokatra ny fifanintsanana amin’izany ny lalao “Open”, lehilahy, izay hatao amin’ny 8 ora sy fahefany.

Catégories: National

“Africa cup – 3 x 3” : hatao eto Madagasikara

Les Nouvelles - sam, 04/27/2024 - 08:04

Nankatoavin’ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny alarobia lasa teo, ny hanatontosana ny fiadiana ny amboaran’
i Afrika “Africa cup” lalaovin’olona 3, ho an’ny sokajy lehilahy, taranja basikety. Hatao ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra izany. Raha tsiahivina, efa nambaran-dRamaro­son Jean Michel, filohan’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), ny volana jolay 2023, fa homen’ny Fiba Afrique an’i Madagasikara ny fanatontosana ity fifaninanana kaontinantaly ity ho an’ny taona telo manaraka (2024 ; 2025 ; 2026).
Hiankina amin’ny fankatoavan’ny fanjakana anefa vao azo raisina izany fanapahan-kevitra izany. Ankehitriny, efa ofisialy fa hatao eto Madagasikar ity fiadiana ny amboaran’i Afrika ity, ho an’ity taona ity. Tombony goavana ho an’ny Ankoay ny fandraisan’i Madagasikara ity “Africa cup” ity ary herijika lehibe ho azy ireo ny handrombahana ny anaram-boninahitra rehefa tsy nahazo izany tamin’ny volana desambra 2023.

Tompondaka

Catégories: National

Judo – Tompondakan’i Afrika : nahazo medaly alimo Rasoanaivo Laura

Les Nouvelles - sam, 04/27/2024 - 08:04

Atleta malagasy iray tamin’ireo efatra mianadahy nahazo vokatra tsara, Rasoanaivo Laura, vehivavy judoka, medaly alimo, teo amin’ny sokajy (-70 kg). Hiatrika ny lalao isan-tarika indray ny ekipam-pirenena malagasy rahampitso.

Tsara ny vokatra ho an’ny solontenan’i Madagasi­kara, omaly, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, any Egypte, taranja Judo, sokajy senior, lahy sy vavy. Nalain-dRasoanaivo Laura, vehivavy judoka ny medaly alimo, ho an’ny lalaon’ olon-tokana, sokajy (-70 kg). Raha hiverenana ny dingana nataon’i Laura, tamin’ity fifanintsanana ity. Nahintsan’ilay Maraokanina, Belattar Sofia, nandritra ny dingana faharoan’ny fifanintsanana isam-bondrona “C”, izy. Resin’ity Mala­gasy ity teo amin’ny fihodinana voalohan’ny dingana “répechage” i Bento Olga, teratany Angolais. Lavon’i Laura, teo amin’ny ady alimo, i Biami Zita Ornella, Cameronaise.
Solontena iray tamin’ireo efatra mianadahy nandrafitra ny ekipa malagasy, araka iza­ny, no nahomby tamin’ity fifanintsanana Afrikanina ity. Tsia­hi­vina fa nihintsana tany am-piandohana avokoa ry Nata­cha, (-48 kg) sy Christiane Vital (-52 kg), vehivavy judoka. Na­ha­zo ny laharana fahafito kosa i Angelo, sokajy lehilahy (-60 kg).

Hiatrika lalao isan-tarika ny Malagasy
Vita ny fihaonan’olon-tokana ho an’ireo Malagasy efatra mianadahy miatrika ny lalao Afrikanina. Hiditra amin’ ny isan-tarika ny ekipam-pirenena malagasy rahampi­tso. Ha­narina ny lesoka nandritra ny fifanandrinan’olon-tokana izy ireo amin’izany. Tsara ny mampahafantatra fa manana ny lanjany lehibe ity fifanintsanana ity, natao hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Lalao Olympika”, hatao any Paris France, izany.
Aorian’ity, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka ma­neran-tany, eo amin’ny taranja Judo, i Laura.

Fitia Randria

Catégories: National

Pages